Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jesosy Kristy, Ilay Vavolombelona Mahatoky

Jesosy Kristy, Ilay Vavolombelona Mahatoky

Toko 2

Jesosy Kristy, Ilay Vavolombelona Mahatoky

MARO ireo vavolombelona talohan’ny Kristianina efa nanao ny asany nandritra ny 4 000 taona teo ho eo. Mbola tsy nilamina ihany anefa ilay raharaha momba ny zon’Andriamanitra hitondra sy ny tsy fivadihan’ny mpanompony. Tonga izao ny fotoana isehoan’ilay “taranaka”, na Mesia.—Gen. 3:15.

Iza tamin’ireo anjely an-tapitrisany zanak’i Jehovah no nofidiny ho Mesia? Samy nahita ny zava-nitranga tany Edena izy rehetra, ary nahafantatra an’ireo raharaha nipoitra. Iza anefa no liana indrindra tamin’ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah sy ny fanamarinana ny zony hitondra? Iza no afaka manome valiny tsy azo iadian-kevitra amin’ny fihantsian’i Satana hoe tsy hisy olona tsy hivadika amin’Andriamanitra rehefa iharam-pitsapana? I Jesosy, Zanany Lahimatoa sady lahitokana, no nofidin’i Jehovah.—Jaona 3:16; Kol. 1:15.

Neken’i Jesosy avy hatrany tamim-panetren-tena ilay fanendrena, na dia fantany aza fa ho voatery izy hiala tany an-danitra, ilay toerana niarahany tamin-dRainy nandritra ny fotoana naharitra ela. (Jaona 8:23, 58; Fil. 2:5-8) Nahoana izy no nanao izany? Satria tena tia an’i Jehovah izy, ary naniry hanadio ny anarany. (Jaona 14:31) Tia ny olombelona koa i Jesosy. (Ohab. 8:30, 31; ampitahao amin’ny Jaona 15:13.) Ny herin’ny fanahy masina no nahatonga azy ho teraka teto an-tany. Io fanahy io no nampiasain’i Jehovah mba hamindrana ny fiainan’i Jesosy tany an-danitra, mba ho ao an-kibon’i Maria, virjiny jiosy. (Matio 1:18; Lioka 1:26-38) Teraka teo amin’ny firenen’ny Israely àry i Jesosy.—Gal. 4:4.

Fantatr’i Jesosy tsara, mihoatra noho ny Israelita hafa, fa tokony ho vavolombelon’i Jehovah izy. Nahoana? Izy dia anisan’ilay firenena nilazan’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia hoe: “Hianareo no vavolombeloko.” (Isaia 43:10) Nohosoran’i Jehovah tamin’ny fanahy masina koa izy, rehefa natao batisa teo amin’ny Reniranon’i Jordana, tamin’ny taona 29. (Matio 3:16) Nomena hery i Jesosy tamin’izay, mba “hitory taona fanehoan’i Jehovah fankasitrahana”, araka ny nolazainy tatỳ aoriana.—Isaia 61:1, 2; Lioka 4:16-19.

Nataon’i Jesosy tsara ny asa nanirahana azy, ka izy no lasa vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra teto an-tany. Rariny àry raha niantso azy hoe “ilay Vavolombelona Mahatoky”, ny apostoly Jaona, ilay nitsangana teo akaikiny tamin’ny fotoana nahafatesany. (Apok. 1:5) Miantso ny tenany koa i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy 3:14 hoe “ny Amena” sy “ilay vavolombelona mahatoky sy marina.” Inona no fanamarinana nataon’io “Vavolombelona Mahatoky” io?

‘Manambara ny marina’

Nilaza toy izao i Jesosy, rehefa notsarain’i Pilato, governora romanina: “Izao no nahaterahako, ary izao no nahatongavako ho amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Ary mihaino ny feoko izay rehetra miandany amin’ny marina.” (Jaona 18:37) Inona ilay marina nambaran’i Jesosy? Ny fahamarinan’i Jehovah, dia ny fanambarana ny fikasany mandrakizay.—Jaona 18:33-36.

Ahoana àry no nanambaran’i Jesosy ny marina? Ilay matoanteny grika nadika hoe “manambara” dia midika koa hoe “mijoro ho vavolombelona”, “manamarina”, “manamafy, milaza zavatra tsara ho fanamarinana, milaza lafiny tsara, mankasitraka.” Tamin’ny taratasy papyrus grika fahiny, dia taorian’ny sonia, toy ny tamin’ny fifanarahana ara-barotra, no nahitana matetika an’ilay matoanteny (mar·ty·roʹ). Tamin’ny fanompoany àry no tokony hanamafisan’i Jesosy ny fahamarinan’Andriamanitra. Tsy maintsy nitory ny fahamarinana tamin’ny olona izy. Tsy ampy anefa ny niresaka.

“Izaho no ... fahamarinana”, hoy i Jesosy. (Jaona 14:6) Ny fiainany mihitsy no nanatanterahany ny fahamarinan’Andriamanitra. Nolazain’ny faminaniana ny fikasan’Andriamanitra mifandray amin’ilay Fanjakana sy ilay Mesia Mpanjaka. Nanatanteraka ny faminaniana rehetra momba azy i Jesosy, tamin’ny fiainany manontolo, izay nifarana tamin’ny fahafatesany ho sorona. Nohamafisiny sy nataony azo antoka àry ny fahamarinan’ny faminanian’i Jehovah. Afaka niteny àry ny apostoly Paoly hoe: “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny alalan’ny Zanany. Noho izany, dia amin’ny alalany koa ny ‘Amena’ [midika hoe “ho to anie izany”, na “izay mihitsy”] lazaina amin’Andriamanitra, mba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalanay.” (2 Kor. 1:20) I Jesosy tokoa no nahatanterahana ny fampanantenan’i Jehovah.—Apok. 3:14.

Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra

Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao i Jesosy: “Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” (Matio 6:9) Nivavaka toy izao koa izy, tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany: “Ny anaranao efa nampahafantariko ny olona izay nomenao ahy avy tamin’izao tontolo izao. Anao izy ireo ka nomenao ahy, ary efa notandremany ny teninao. Efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana nitiavanao ahy, ary izaho ho tafaray aminy.” (Jaona 17:6, 26) Izany no zava-kendren’i Jesosy voalohany teto an-tany. Inona no tafiditra tamin’ny fampahafantarana ny anaran’Andriamanitra?

Efa nahafantatra sy nampiasa ny anaran’Andriamanitra ny mpianatr’i Jesosy. Efa hitany izany, ary novakiny tao amin’ireo horonam-bokin’ny Soratra Hebreo, nisy tany amin’ny synagoga. Efa hitany tao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo koa izany, ary io Baiboly io no nampiasainy tamin’ny fampianarany sy ny asa sorany. Nahoana àry no nolazaina fa nampahafantarin’i Jesosy azy ireo ny anaran’Andriamanitra?

Nisy heviny lalina kokoa ny anarana tamin’ny andron’ny Baiboly. Hoy ny Diksionera Grika-Anglisin’ny Testamenta Vaovao, nataon’i J. Thayer: “Ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny T[estamenta] V[aovao] dia anondroana ireo toetra rehetra heverin’ireo mpivavaka fa voafaoka amin’io anarana io, sady ampahafantaran’Andriamanitra ny tenany amin’ny olona.” Tsy hoe nampiasain’i Jesosy fotsiny ny anaran’Andriamanitra, mba hampahafantarana azy io, fa nasehony koa ilay Olona tompon’io anarana io, sy ny fikasany, ny asany, ary ny toetrany. Efa ‘teo an-tratran’ny Ray’ i Jesosy, ka afaka nanazava ny momba Azy tamin’ny fomba tsy vitan’olon-kafa. (Jaona 1:18) Nasehon’i Jesosy tamin’ny fomba tonga lafatra koa ny toetran’ny Rainy, ka toy ny efa ‘nahita’ ny Ray mihitsy ny mpianany. (Jaona 14:9) Nampahafantarin’i Jesosy tamin’ny teniny sy ny nataony ny anaran’Andriamanitra.

Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy

Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra niavaka koa i Jesosy, “ilay Vavolombelona Mahatoky.” Nanamafy toy izao izy: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra ... aho, fa izany no nanirahana ahy.” (Lioka 4:43) Nandeha an-tongotra an-jatony kilaometatra nanerana an’i Palestina izy, mba hitory an’io Fanjakana any an-danitra io. Nitory tamin’izay rehetra nihaino izy, na taiza na taiza: teny amorom-parihy, tehezan-tendrombohitra, tanàna sy vohitra, synagoga sy tempoly, tsena, ary tany an-tranon’ny olona. Fantatr’i Jesosy anefa fa voafetra ny toerana sy ny olona azony nitoriana. (Ampitahao amin’ny Jaona 14:12.) Nampiofana sy naniraka ny mpianany àry izy, mba hitory maneran-tany.—Matio 10:5-7; 13:38; Lioka 10:1, 8, 9.

Vavolombelona nazoto sy niasa mafy i Jesosy, ary tsy varimbariana. Niahy izay nilain’ny olona izy, nefa tsy nifantoka tamin-javatra hanamaivana vetivety azy ireny. Tsy nataony tsirambina ny asa nanirahan’Andriamanitra azy, dia ny hampahafantatra ny amin’ilay Fanjakana, izay vahaolana amin’ny zava-manahirana rehetra. Nanome sakafo tamin’ny fomba mahagaga ho an’ny lehilahy 5 000 izy indray mandeha (angamba nisy olona 10 000 mahery teo, raha nisaina ny zaza amam-behivavy). Nisy Jiosy nisambotra azy mba hatao mpanjaka teto an-tany taorian’izay. Inona no nataony? “Niala teo izy ka nankany an-tendrombohitra indray, izy irery.” (Jaona 6:1-15; ampitahao amin’ny Lioka 19:11, 12; Asan’ny Apostoly 1:6-9.) Nanao fanasitranana mahagaga maro i Jesosy, nefa tsy Mpanao Fahagagana no niantsoan’ny mpino sy tsy mpino azy, fa “Mpampianatra.”—Matio 8:19; 9:11; 12:38; 19:16; 22:16, 24, 36; Jaona 3:2.

Ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra àry no asa lehibe indrindra nataon’i Jesosy. Tian’i Jehovah raha fantatry ny olona rehetra ny Fanjakany sy ny fomba hanatanterahan’izy io ny fikasany. Tena tiany izy io, satria io no fomba hanamasinany sy hanadiovany ny anarany. Fantatr’i Jesosy izany, ka io Fanjakana io no nataony foto-kevitry ny fitoriany. (Matio 4:17) Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra izy, rehefa nitory ilay Fanjakana tamin’ny fony manontolo.

Vavolombelona nahatoky hatramin’ny fahafatesana

Tsy misy olona tia an’i Jehovah sy ny zony hitondra, mihoatra noho i Jesosy. “Lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra” izy, ka ‘tena fantany’ ny Ray, vokatry ny fifandraisan’izy ireo akaiky, tamin’izy anjely tany an-danitra. (Kol. 1:15; Matio 11:27) Nanaiky an-tsitrapo ny zon’Andriamanitra hitondra izy, nandritra ireo taona tsy hita isa, talohan’ny namoronana ny lehilahy sy vehivavy voalohany. (Ampitahao amin’ny Jaona 8:29, 58.) Tsy maintsy ho tena nalahelo izy, rehefa nivadika tamin’ny zon’Andriamanitra hitondra i Adama sy Eva! Naharitra niandry tany an-danitra anefa izy, nandritra ny 4 000 taona, ka tonga ihany ilay fotoana hanompoany an’i Jehovah amin’ny maha vavolombelony lehibe indrindra teto an-tany!

Fantatr’i Jesosy tsara fa nahakasika azy mivantana ireo raharaha momba an’izao rehetra izao. Toa narovan’i Jehovah izy. (Ampitahao amin’ny Joba 1:9-11.) Marina fa efa nasehony tany an-danitra hoe mahatoky sy be fandavan-tena izy. Tsy hivadika ao anatin’ny fitsapana isan-karazany ve anefa izy, rehefa ho lasa olombelona? Hahatohitra an’i Satana ve izy, ao anatin’ny toe-javatra toa hampahatanjaka kokoa an’ilay fahavalony?

Vao vita batisa sy voahosotra i Jesosy, dia efa tonga i Satana, ilay bibilava Fahavalo, naka fanahy azy mba ho tia tena sy hanandra-tena ary handa ny zon’ilay Rainy hitondra. Hentitra anefa ny valin-tenin’i Jesosy: “Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” Nasehon’i Jesosy àry hoe iza no niandaniany. Tena tsy nitovy tamin’i Adama izy!—Matio 4:1-10.

Fantatr’i Jesosy tsara fa tsy maintsy hijaly sy ho faty izy. (Lioka 12:50; Heb. 5:7-9) “Rehefa hitany fa nitovy tamin’ny olombelona [anefa] izy, dia nanetry tena ka nankatò ary tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.” (Fil. 2:7, 8) Nasehon’i Jesosy àry fa mpandainga maharikoriko i Satana. Nilamina tanteraka teo ilay fanontaniana hoe: Hisy tsy hivadika amin’ny zon’Andriamanitra hitondra ve, rehefa tsapain’i Satana? Nanatanteraka zavatra hafa koa anefa ny fahafatesan’i Jesosy.

‘Nanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro’ i Jesosy, rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana. (Matio 20:28; Marka 10:45) Azo natao sorona ilay aina lavorary nananany. Manjary afaka mahazo famelan-keloka àry isika, sady ho afaka ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, araka ny fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany.—Lioka 23:43; Asa. 13:38, 39; Heb. 9:13, 14; Apok. 21:3, 4.

Tian’i Jehovah sy nankasitrahany i Jesosy, “ilay Vavolombelona Mahatoky”, ka natsangany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Nidika izany fa marina ny tenin’i Jesosy momba ilay Fanjakana. (Asa. 2:31-36; 4:10; 10:36-43; 17:31) Tetỳ an-tany nandritra ny 40 andro i Jesosy taorian’izay, ary niseho matetika tamin’ny apostoliny. Nankany an-danitra izy avy eo.—Asa. 1:1-3, 9.

Nolazain’i Jesosy fa mbola atỳ aoriana ela vao hiorina ilay Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra. (Lioka 19:11-27) Izany koa no hanamarika ny fanombohan’ny ‘fanatrehany sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.’ (Matio 24:3) Ahoana anefa no hamantaran’ny mpianany eto an-tany ny fotoana hitrangan’izany? Nanome “famantarana” misy lafiny maro i Jesosy. Anisan’izany ny ady, horohoron-tany, tsy fahampian-tsakafo, areti-mandringana, ary fitomboan’ny fandikan-dalàna. Ampahany lehibe amin’io famantarana io koa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana any amin’ny tany onenana rehetra, mba ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra. Hita ankehitriny ny lafiny rehetra amin’io famantarana io, ka midika izany hoe efa manatrika i Jesosy, sady efa Mpanjaka any an-danitra, ary efa hifarana ny rafitr’ity tontolo ity. aMatio 24:3-14.

Ahoana anefa ny amin’ireo mpianany? Milaza ho mpanara-dia an’i Kristy ny olona any amin’ny fivavahana maro amin’izao fotoana fanatrehany izao. (Matio 7:22) Milaza anefa ny Baiboly fa “iray ny finoana.” (Efes. 4:5) Ahoana àry no amantaranao an’ilay tena fiangonana kristianina, tarihin’Andriamanitra sy ankasitrahany? Ho fantatrao izany, raha dinihinao izay lazain’ny Soratra Masina momba ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ary jerenao izay manaraka izany modely izany ankehitriny.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Toko 10 hoe “Faminanian’ny Baiboly Iray Hitanao fa Tanteraka”, ao amin’ny boky Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 20]

‘Teraka hanambara ny marina’

[Teny notsongaina, pejy 21]

Ny Fanjakan’Andriamanitra no nataon’i Jesosy foto-kevitry ny fitoriany

[Teny notsongaina, pejy 22]

I Jesosy Kristy no vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra teto an-tany

[Sary, pejy 23]