Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kristianina Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Taonjato Voalohany

Kristianina Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Taonjato Voalohany

Toko 3

Kristianina Vavolombelon’i Jehovah Tamin’ny Taonjato Voalohany

“HO VAVOLOMBELOKO ... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asa. 1:8) Naniraka ny mpianany ho vavolombelona i Jesosy, tamin’ireo teniny farany ireo. Ho vavolombelon’iza anefa? “Ho vavolombeloko”, hoy i Jesosy. Midika ve izany fa tsy ho vavolombelon’i Jehovah izy ireo? Tsy izany mihitsy!

Nahazo tombontsoa hafakely ny mpianatr’i Jesosy, satria ho vavolombelony sady vavolombelon’i Jehovah. Efa vavolombelon’i Jehovah ny mpianatr’i Jesosy voalohany, satria Jiosy nahatoky. (Isaia 43:10-12) Izao anefa izy ireo dia tsy maintsy ho vavolombelon’ny anjara asan’i Jesosy koa, dia ny hanamasina ny anaran’i Jehovah, amin’ny alalan’ilay Fanjakan’ny Mesia. Ny hanome voninahitra an’i Jehovah àry no maha vavolombelon’i Jesosy azy ireo. (Rom. 16:25-27; Fil. 2:9-11) Nohamarinin’izy ireo hoe tsy nandainga i Jehovah, fa nasehony ihany ilay Mesia na Kristy nampanantenainy hatramin’ny 4 000 taona mahery!

Nomena andraikitra manokana koa ny Kristianina vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, ary mbola miantsoroka izany ny tena Kristianina ankehitriny.

‘Mandehana ... manaova mpianatra’

Niseho tamin’ny mpianany izay nivory tany an-tendrombohitr’i Galilia i Jesosy, rehefa nitsangana tamin’ny maty. Nolazainy toy izao ny andraikitr’izy ireo: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ka ataovy batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina. Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo. Ary hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:19, 20) Diniho ny zavatra tafiditra amin’izany andraikitra mavesatra izany.

“Mandehana”, hoy i Jesosy. Ho any amin’iza anefa? Ho any amin’ny “olona any amin’ny firenena rehetra.” Didy vaovao sy tena sarotra izany, ho an’ireo Jiosy mpino vaovao. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 10:9-16, 28.) Noraisina tsara ny Jentilisa tonga teo amin’ny Israely, talohan’ny andron’i Jesosy, raha liana tamin’ny fivavahana marina. (1 Mpanj. 8:41-43) Efa naniraka ny mpianany i Jesosy taloha, mba ‘handeha hitory’, nefa tany “amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely” ihany. (Matio 10:1, 6, 7) Nasainy hitory amin’ny firenena rehetra kosa izy izao. Nahoana?

‘Manaova mpianatra’, hoy i Jesosy. Inona no tafiditra amin’izany? Ny tena mpianatra dia tia mianatra, mahay, ary manaiky. Manaiky ny fahefan’i Jesosy ny mpianany. Tsy finoana ao anatiny fotsiny ny azy, fa aseho amin’ny fankatoavana koa. Milaza ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao fa ilay teny grika nadika hoe “mpianatra” (ma·the·tesʹ) eto, dia “mahafaoka fifandraisana manokana, izay mamolavola ny fiainan’ilay [mpianatra] manontolo.”

Hoy koa i Jesosy: “Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Raha te hifandray manokana amin’i Kristy ny olona iray, dia tsy maintsy ampianarina “hitandrina izay rehetra” nandidiany, anisan’izany ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana.” (Matio 24:14) Amin’izay ihany izy vao ho tena mpianatra. Izay manaiky ny fampianarana sy tena mpianatra koa no atao batisa.

Nanome toky i Jesosy hoe: “Hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Tsy lany andro mihitsy ny fampianaran’i Jesosy. Mbola tokony hanao mpianatra ihany àry ny Kristianina ankehitriny.

Nisy asa lehibe àry nanirahana ny mpanara-dia an’i Kristy, dia ny fanaovana mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra. Tsy maintsy ho vavolombelona momba ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany anefa aloha ny mpianatr’i Kristy, satria izany no nataon’i Jesosy, ilay Modelin’izy ireo. (Lioka 4:43; Jaona 17:26) Nanjary Kristianina vavolombelon’i Jehovah àry ireo nanaiky ny fampianaran’i Kristy sy tonga mpianatra. Tsy teraka vavolombelon’i Jehovah, toy ny Jiosy, ny olona nanomboka teo, fa nisafidy ho izany kosa, satria tia an’i Jehovah sy tena naniry hanaiky ny fanjakany.—1 Jaona 5:3.

Moa ve anefa ireo Kristianina vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany, tena nijoro ho vavolombelon’i Jehovah sy Kristy sy ‘nanao mpianatra ny firenena rehetra’?

“Any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany”

Niverina tany an-danitra, teo akaikin’ny Rainy i Jesosy, taoriana kelin’ny nanirahany ny mpianany. (Asa. 1:9-11) Nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, izany hoe folo andro taorian’io, ilay asa lehibe fanaovana mpianatra. Nandrotsaka ny fanahy masina ho an’ny mpianany i Jesosy, araka ny efa nampanantenainy. (Asa. 2:1-4; ampitahao amin’ny Lioka 24:49 sy Asan’ny Apostoly 1:4, 5.) Nanjary nazoto izy ireo nitory momba an’i Kristy tafatsangana, sy momba ny fiverenany ho Mpanjaka.

Nanomboka nanambara momba an’Andriamanitra sy Kristy tany Jerosalema ny mpianatra, araka ny tenin’i Jesosy. (Asa. 1:8) Nitarika izany ny apostoly Petera, ka “nanome fanazavana feno” ho an’ireo Jiosy an’arivony avy any amin’ny firenena maro, tonga hankalaza ny Pentekosta. (Asa. 2:5-11, 40) Tsy ela dia nisy 5 000 ny lehilahy mpino. (Asa. 4:4; 6:7) Notorin’i Filipo tamin’ny Samaritanina koa tatỳ aoriana, “ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra sy ny vaovao tsara momba ny anaran’i Jesosy Kristy.”—Asa. 8:12.

Mbola be anefa ny asa tokony hatao. Niparitaka tany amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsara, nanomboka tamin’ny taona 36, rehefa lasa Kristianina i Kornelio, jentilisa tsy voafora. (Asa., toko 10) Niely haingana be izy io, hany ka afaka nilaza ny apostoly Paoly, fa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara, tamin’ny taona 60 tany ho any. (Kol. 1:23) Nanao mpianatra nanerana ny Fanjakana Romanina àry ny mpianatr’i Jesosy nahatoky tamin’ny faran’ny taonjato voalohany, ka tonga tany Azia sy Eoropa ary Afrika!

Nahavita asa be tao anatin’ny fotoana fohy ny Kristianina vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany. Voalamina àry ve ny asany? Raha eny, tamin’ny fomba ahoana?

Fandaminana ny fiangonana kristianina

Nanana toerana manokana ny firenena jiosy, nanomboka tamin’ny andron’i Mosesy, satria fiangonan’Andriamanitra. Nalamin’Andriamanitra tsara izy io, ka nasiany anti-panahy, lehibe sy mpitsara ary mpifehy. (Josoa 23:1, 2) Nanda ny Zanak’i Jehovah anefa ny Jiosy, ka very tombontsoa. (Matio 21:42, 43; 23:37, 38; Asa. 4:24-28) Nisolo ny fiangonan’ny Israely ny fiangonana kristianina, tamin’ny Pentekosta taona 33. a Ahoana no nandaminana an’io fiangonana io?

Efa “naharitra tamin’ny fampianaran’ny apostoly” ny mpianatra, tamin’ny Pentekosta. Midika izany fa nanomboka nampianatra niorina tamin’izany izy ireo. Niaraka sy “niray saina” izy ireo nanomboka tamin’io andro io. (Asa. 2:42, 46) Niely ilay asa fampianarana, ka nisy fiangonan’ny mpino nanomboka niforona tany Jerosalema aloha, ary avy eo tany ivelan’i Jerosalema. (Asa. 8:1; 9:31; 11:19-21; 14:21-23) Fanaon’izy ireo ny nivory tany amin’ny toerana fampiasan’ny besinimaro, na tany an-tranon’olona.—Asa. 19:8, 9; Rom. 16:3, 5; Kol. 4:15.

Nahoana ireo fiangonana kristianina no tsy lasa samy fiangonana nahaleo tena? Satria iray ihany ny Mpitarika azy ireo, dia i Jesosy Kristy, izay Tompo sy Lohan’ny fiangonana hatramin’ny voalohany. Samy nanaiky izany ny fiangonana rehetra. (Asa. 2:34-36; Efes. 1:22) Nitarika ny asan’ny fiangonany teto an-tany i Kristy tany an-danitra. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny alalan’ny fanahy masina sy ny anjely, izay nomen’i Jehovah hampiasainy.—Asa. 2:33; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:19, 20; 8:26; 1 Pet. 3:22.

Nampiasa filan-kevi-pitantanana hita maso koa i Kristy, mba hihazonana ny firaisan-tsain’ny fiangonana. Ny apostolin’i Jesosy nahatoky no tao amin’izy io, tamin’ny voalohany. Nisy anti-panahin’ny fiangonan’i Jerosalema koa tao tatỳ aoriana. Nanjary anisan’izy io koa ny apostoly Paoly, na dia tsy nonina tany Jerosalema aza. Nanaiky ny fahefan’io filan-kevi-pitantanana io ny fiangonana rehetra, ary nitady toromarika avy tamin’izy io, momba ny fomba fiasa sy ny foto-pampianarana. (Asa. 2:42; 6:1-6; 8:14-17; 11:22; 15:1-31) Inona no vokany? “Nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.”—Asa. 16:4, 5.

Notarihin’ny fanahy masina ny filan-kevi-pitantanana, ary nanara-maso ny fanendrena mpiandraikitra sy mpanampy amin’ny fanompoana hikarakara ny fiangonana tsirairay. Ireo lehilahy ireo dia nahafeno ny fepetra takin’ny Soratra Masina, izay nampiharina tamin’ny fiangonana rehetra. (1 Tim. 3:1-13; Tit. 1:5-9; 1 Pet. 5:1-3) Nampirisihina ny mpiandraikitra mba hanaraka ny fitarihan’ny Soratra Masina sy ny fanahy masina. (Asa. 20:28; Tit. 1:9) Nampirisihina ny rehetra teo anivon’ny fiangonana mba ‘hanaiky an’ireo mitarika eo aminy.’ (Heb. 13:17) Niray saina àry ny isam-piangonana sy ny fiangonana rehetra.

Nanana andraikitra ny lehilahy sasany, nefa tsy nozaraina ho mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra ny Kristianina vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany. Mpirahalahy izy rehetra, ary i Kristy ihany no Mpitarika azy.—Matio 23:8, 10.

Fantatra noho ny fitondran-tena masina sy fitiavana

Tsy “ny vokatry ny molotra” ihany no fanamarinana nomen’ny vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany. (Heb. 13:15) Hita tamin’ny fiainany manontolo izany. Tsy vitan’ny hoe nitory ny zavatra ninoany ireo Kristianina ireo, fa nanova ny fiainany koa. Nesorin’izy ireo ny toetrany taloha mbamin’ny fanao niaraka taminy, ary niezahany notafina ny toetra vaovao araka ny sitrapon’Andriamanitra. (Kol. 3:5-10) Tsy nandainga izy ireo, fa nanao ny marina, niasa mafy, ary azo nitokisana. (Efes. 4:25, 28) Nadio fitondran-tena izy ireo, satria voarara tamin’ny fomba hentitra ny fitondran-tena maloto sy ny fahamamoana ary ny fanompoan-tsampy. (Gal. 5:19-21) Izany no niantsoana ny Kristianisma tamin’izany hoe “Ny Lalana”, izany hoe fiainana nifantoka tamin’ny finoana an’i Jesosy sy ny fanarahana azy akaiky.—Asa. 9:1, 2; 1 Pet. 2:21, 22.

Ny fitiavana anefa no toetra nisongadina indrindra. Niahy izay nilain’ny mpiray finoana taminy ny Kristianina voalohany. (Rom. 15:26; Gal. 2:10) Tiany mihoatra noho ny tenany mihitsy ny namany, fa tsy tiany toy ny tenany fotsiny. (Ampitahao amin’ny Filipianina 2:25-30.) Vonona ny ho faty ho an’ny Kristianina namany izy ireo. Tsy mahagaga izany, satria vonona ho faty ho azy ireo i Jesosy. (Jaona 15:13; ampitahao amin’ny Lioka 6:40.) Hoy izy tamin’ny mpianany: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35) Nasain’i Kristy hanana fitiavana feno fahafoizan-tena ny mpianany, ary nanaraka izany tsara ireo mpianany tamin’ny taonjato voalohany.—Matio 28:20.

“Tsy anisan’izao tontolo izao”

Tsy maintsy nifantoka tamin’ny asany ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, raha te hanao mpianatra sy ho vavolombelon’i Jehovah sy Kristy, fa tsy afaka ny ho varimbariana tamin’ny raharahan’izao tontolo izao. Nanao toy izany i Jesosy. Hoy izy tamin’i Pilato: “Tsy anisan’ity tontolo ity ny fanjakako.” (Jaona 18:36) Hoy koa izy tamin’ny mpianany: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 15:19) Tsy anisan’ity tontolo ity ny Kristianina voalohany, ka nanao toa an’i Jesosy, izany hoe tsy nitsabaka tamin’ny politika sy ny ady. (Ampitahao amin’ny Jaona 6:15.) Tsy nanao ny fanaon’ity tontolo ity koa izy ireo, ka tsy nikatsaka harena sy fahafinaretana.—Lioka 12:29-31; Rom. 12:2; 1 Pet. 4:3, 4.

Niavaka ny Kristianina vavolombelona tamin’ny taonjato voalohany, satria tsy anisan’ity tontolo ity. Nilaza toy izao i E. Hardy, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Kristianisma sy ny Fanjakana Romanina (anglisy): “Vahiny nandalo teo amin’ny tontolo nanodidina azy ny Kristianina. Vahoakan’ny lanitra izy ireo. Tsy anisan’ity tontolo ity ilay fanjakana nandrasany. Efa hatramin’ny voalohany àry no nampiavaka ny Kristianina ny tsy fitsabahana amin’ny raharaham-bahoaka.”

Nenjehina noho ny fahamarinana

Nampitandrina toy izao i Jesosy: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20) Niaritra fanenjehana be i Jesosy, talohan’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. (Matio 26:67; 27:26-31, 38-44) Nenjehina koa ny mpianany, araka ny efa nampitandremany. (Matio 10:22, 23) Nahoana anefa?

Tsy ela dia voamariky ny olona ny Kristianina voalohany. Nanaraka fitsipi-pitondran-tena ambony izy ireo, ary tsy nivadika. Sahy sy nazoto nanao mpianatra izy ireo, ka an’arivony ny olona niala tamin’ny fivavahan-diso, sy tonga Kristianina. Tsy nitsabaka tamin’ny raharahan’ity tontolo ity intsony ireny olona ireny. Tsy nivavaka tamin’ny emperora izy ireny. Tsy mahagaga raha toa izy ireo ka nanjary lasibatry ny fanenjehana tamin-kabibiana notarihin’ny mpitondra fivavahana, na ny manam-pahefana nandre resaka tsy marina. (Asa. 12:1-5; 13:45, 50; 14:1-7; 16:19-24) Fitaovana ihany anefa ireny olona ireny, fa i Satana “ilay menarana tany am-boalohany”, no tena mpanenjika. (Apok. 12:9; ampitahao amin’ny Apokalypsy 12:12, 17.) Inona no zava-kendreny? Ny hanafoana ny Kristianisma sy ny asa fitoriana.

Tsy afaka nanakombona ny vavan’ny Kristianina vavolombelon’i Jehovah anefa ny fanenjehana! I Jehovah no naniraka azy ireo hitory, tamin’ny alalan’i Kristy, ary tapa-kevitra ny hankatò an’Andriamanitra fa tsy ny olona, izy ireo. (Asa. 4:19, 20, 29; 5:27-32) Niantehitra tamin’ny herin’i Jehovah izy ireo, ary natoky fa hamaly soa ny vavolombelony tsy mivadika Izy.—Matio 5:10; Rom. 8:35-39; 15:5.

Hamarinin’ny tantara fa tsy nahavita nampangina ny Kristianina vavolombelon’i Jehovah ny fanenjehan’ny Fanjakana Romanina. Hoy i Josèphe, mpahay tantara tamin’ny taonjato voalohany: “Mbola tsy nanjavona ihany hatramin’izao [taona 93 teo ho eo] ny fokon’ny Kristianina, mpanaraka an’i [Jesosy].”—Rakitry ny Ela Jiosy (anglisy), Faha-18, 64 (iii, 3).

Nisongadina àry ireto lafiny nampiavaka ny fiainan’ny Kristianina vavolombelon’i Jehovah tamin’ny taonjato voalohany ireto: Sahy sy nazoto nijoro ho vavolombelon’i Jehovah sy Kristy, ary nanao mpianatra; nilamina, ary mpirahalahy daholo fa tsy nisy mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra; nanaraka fitsipi-pitondran-tena ambony ary nifankatia; tsy nanao ny fanaon’ity tontolo ity, ary tsy nitsabaka tamin’ny raharahan’izy io; nenjehina noho ny fahamarinana.

Nisy loza lehibe anefa namely tsikelikely ny fiangonana niray saina, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany

[Fanamarihana ambany pejy]

a Indraindray ny teny hoe “fiangonana”, dia ampiasain’ny Soratra Grika Kristianina mba hanondroana zavatra ankapobe, toy ny fiangonana kristianina rehetra. (1 Kor. 12:28) Mety hanondroana antokon’olona ao an-tanàna, na ao an-tranon’olona koa anefa izy io.—Asa. 8:1; Rom. 16:5.

[Teny notsongaina, pejy 26]

Tsy mpino fotsiny ny mpianatra vaovao, fa mpankatò koa

[Teny notsongaina, pejy 27]

Tsy teraka vavolombelon’i Jehovah ny olona fa nisafidy ho izany kosa

[Teny notsongaina, pejy 28]

Efa nanao mpianatra tany Azia sy Eoropa ary Afrika ny Kristianina vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny faran’ny taonjato voalohany!

[Teny notsongaina, pejy 29]

Tsy nozaraina ho mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany

[Efajoro, pejy 27]

Niely ny Kristianisma, Vokatry ny Fitoriana Tamin-jotom-po

Niasa mafy araka izay azony natao ireo Kristianina vavolombelon’i Jehovah voalohany, mba hitoriana ny vaovao tsara. Nilaza i Edward Gibbon, ao amin’ilay hoe “Fihenan’ny Herin’ny Fanjakana Romanina sy ny Fianjerany”, fa ‘ny zotom-pon’ny Kristianina no nitarika azy tany amin’ny provansy sy ny ankamaroan’ny tanàna tao amin’ny fanjakana [romanina].’ Hoy ny Profesora J. Thompson ao amin’ny “Tantaran’ny Moyen Âge”: “Niely haingana aoka izany teo anivon’ny fanjakana romanina ny Kristianisma. Toa efa nisy Kristianina ny provansy rehetra tany amoron-tsirak’i Mediterane, tamin’ny taona 100 tany ho any.”

[Efajoro, pejy 30]

‘Nandresy ny Kristianisma’

Hamarinin’ny boky maro hafa fa tsara fitondran-tena sy nifankatia ny Kristianina voalohany. Hoy i John Lord, mpahay tantara: “Nandresy ny Kristianisma, satria nanjary olona tsara ireo mpanaraka azy io. ... Voaporofo fa tsy azo nokianina ny fiainan’izy ireo sy ny fitondran-tenany. Olom-pirenena nahafinaritra koa izy ireo, ary tena nahalala fomba.”—“Ilay Tontolo Romanina Fahiny.”

[Sary, pejy 31]

Nisy filan-kevi-pitantanana nanome tari-dalana ho an’ny fiangonana, fa i Kristy ihany no Mpitarika azy ireo

[Sary, pejy 32]

Lasibatry ny fanenjehana tamin-kabibiana ny Kristianina voalohany