Nahoana i Jehovah no Tokony Hanana Vavolombelona?
Toko 1
Nahoana i Jehovah no Tokony Hanana Vavolombelona?
FANTATRA eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, noho izy ireo miresaka amin’ny olona hatraiza hatraiza, momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Fanjakany. Vahoaka mifikitra amin’ny finoany koa izy ireo, na miatrika fanoherana sy fahafatesana aza.
“Ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana enjehina indrindra eto Etazonia amin’izao taonjato faharoapolo izao”, hoy ilay boky hoe Ny Fitsarana sy ny Lalàm-panorenana (anglisy), nosoratan’i Archibald Cox (1987). ‘Nampitahorina sy nenjehin’ny fanjakana eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah’, hoy i Tony Hodges. “Nosamborina sy nampidirina tany amin’ny toby fitanana izy ireo, tany Alemaina Nazia. Norarana tany Aostralia sy Kanada ny Fikambanana [Tilikambo Fiambenana] nandritra ny Ady Lehibe II. ... Enjehina koa izy ireo izao [taona 1970] atỳ Afrika.”—Ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Afrika (anglisy), Fanontana 1985.
Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no enjehina? Inona no antony itoriany? Nirahin’Andriamanitra tokoa ve izy ireo? Nahoana koa i Jehovah no manana vavolombelona, sady izay indray olona tsy lavorary? Misy ifandraisany amin’ireo raharaha lehibe indrindra mila tsaraina eo amin’izao rehetra izao ny valin’izany. Tsy maintsy resahintsika ny momba azy ireo, mba hahatakarantsika hoe nahoana i Jehovah no manana vavolombelona, ary nahoana ireo vavolombelona no vonona hiaritra ny fanoherana mafy indrindra.
Nokianina ny zon’i Jehovah hitondra
Mahakasika ny zon’i Jehovah hitondra ireo raharaha ireo. Mpamorona sy Andriamanitra ary Hery Fara Tampony i Jehovah, ka Mpanjakan’izao Rehetra Izao. (Gen. 17:1; Eks. 6:3; Apok. 4:11) Izy àry no manan-jo hanjaka amin’ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany. (1 Tant. 29:12) Manjaka amim-pitiavana foana anefa izy. (Ampitahao amin’ny Jeremia 9:23.) Inona àry no antenainy amin’ny anjely sy ny olombelona? Ny ho tia azy sy hankasitraka ny zony hitondra. (Sal. 84:10) Nokianina anefa io zon’i Jehovah hitondra io, an’arivony taona lasa izay. Tamin’ny fomba ahoana? Iza no nanao izany? Manazava izany ny Genesisy, boky voalohany ao amin’ny Baiboly.
Lazainy ao fa namorona an’i Adama sy Eva, mpivady voalohany Andriamanitra, ary napetrany tao amin’ny zaridaina tsara tarehy iray izy ireo. Nodidiany toy izao koa izy ireo: “Ny hazo rehetra eo amin’ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” (Gen. 2:16, 17) Inona ilay “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy”, ary inona no dikan’ny fihinanana ny voan’izy io?
Tena hazo izy io, fa nampiasain’Andriamanitra mba hanasongadinana zavatra tsy ara-bakiteny fotsiny. Nantsoiny hoe “hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy” izy io, ary tsy navelany hihinana tamin’ilay izy i Adama sy Eva. Hita tamin’izany fa io hazo io dia mifanitsy tsara amin’ny zon’Andriamanitra hamaritra izay “tsara” (zavatra tiany) sy “ratsy” (zavatra tsy tiany), ho an’ny olombelona. Nitsapa ny fanajan’ny olona ny zon’Andriamanitra hitondra àry io hazo io. Nampalahelo fa tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama sy Eva, fa nihinana tamin’ilay voankazo voarara. Tsy nankatò sady tsy nankasitraka izy ireo, tamin’io fitsapana tsotra nefa lalina io.—Gen. 3:1-6.
Fikomiana tamin’ny zon’i Jehovah hitondra io zavatra toa tsotra nataon’izy ireo io. Ahoana izany? Ho takatsika ny dikan’ny zavatra nataon’i Adama sy Eva, rehefa takatsika ny fomba namoronana ny olombelona. Nomen’i Jehovah fanomezana lehibe ny olona, dia ny safidy malalaka izany. Nanampy izany koa ny fahatakaran-javatra haingana sy fahaiza-misaina ary fahaiza-mitsara zavatra. (Heb. 5:14) Tsy toy ny fitaovana tsy misy saina izy ireo, sady tsy toy ny biby, izay manaraka ny filany fotsiny. Voafetra ihany anefa ny fahafahan’izy ireo, satria tsy maintsy nanaraka ny lalàn’Andriamanitra izy. (Ampitahao amin’ny Jeremia 10:23, 24.) Nifidy ny hihinana tamin’ilay voankazo voarara i Adama sy Eva. Nampiasain’izy ireo tamin’ny fomba ratsy ilay fahafahany. Inona no nitarika azy hanao izany?
Hazavain’ny Baiboly fa nisy anjely ninia nanohitra an’Andriamanitra. Nantsoina hoe Satana izy io tatỳ aoriana. Niteny tamin’ny alalan’ny bibilava izy io tany Edena, ka nitarika an’i Eva tsy hanaiky ny zon’i Jehovah hitondra. I Eva indray kosa no nitarika an’i Adama. (Apok. 12:9) Nasehon’i Adama sy Eva, rehefa nihinana tamin’ilay hazo izy ireo, fa ny fitsipiny no tiany harahina fa tsy ny an’Andriamanitra. Tian’izy ireo ny hifidy ny atao hoe tsara sy ratsy.—Gen. 3:22.
Izao àry ilay raharaha nipoitra: Manan-jo hitondra ny olombelona ve i Jehovah, ary tena mahasoa ve ny fitondrany? Hita izany tamin’ny tenin’ilay bibilava tamin’i Eva, hoe: “Hanky! efa nataon’Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra eo amin’ny saha?” Te hilaza izy fa nisy Gen. 3:1.
zavatra tsara tsy nomen’Andriamanitra an’ilay vehivavy sy ny vadiny.—Nampipoitra raharaha hafa koa ilay fikomiana tany Edena: Tsy hivadika amin’Andriamanitra ve ny olona, rehefa mandia fitsapana? Vao mainka nisongadina io raharaha io, 2 400 taona tatỳ aoriana, izany hoe tamin’ny andron’i Joba. Nanakiana mafy an’i Jehovah i Satana, ilay tao ambadik’ilay bibilava. Hoy izy: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra? Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny.” Nolazain’i Satana tamin’izany fa ny tombontsoa azon’i Joba no nanompoany an’i Jehovah. Mbola hoy koa i Satana: “Hoditra fefin’ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ny olona dia homeny ho fefin’ny ainy.” Niteny i Jehovah fa ‘tsy nisy tahaka an’i Joba tetỳ ambonin’ny tany.’ Nilaza àry i Satana fa vitany ny mitarika ny mpanompon’Andriamanitra rehetra tsy hanompo Azy. (Joba 1:8-11; 2:4) Toy ny nametrahana fanamby daholo àry ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, mahakasika ny tsy fivadihany sy ny fanohanany ny zon’i Jehovah hitondra.
Tsy maintsy nalamina ireo raharaha ireo. Efa betsaka izay 6 000 taona lasa izay, ary tsy nahomby ny fanjakan’olombelona. Hita àry fa mila ny fitondran’i Jehovah ny olombelona. Tian’izy ireo ve anefa izy io? Misy olona hampiseho ve fa ekeny amin’ny fony manontolo ny zon’i Jehovah hitondra? Eny! Manana vavolombelona i Jehovah! Alohan’ny handinihantsika ny tenin’izy ireo anefa, dia andeha hojerentsika ny atao hoe vavolombelona.
Ny atao hoe vavolombelona
Fantatsika ny atao hoe vavolombelon’i Jehovah, rehefa dinihintsika ireo teny tany am-boalohany nadika hoe “vavolombelona.” Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia avy amin’ny matoanteny (ʽudh) midika hoe “miverina” na “mamerina, mamerina manao”, ilay anarana nadika hoe “vavolombelona” (ʽedh). Milaza toy izao momba ilay anarana (ʽedh) ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Taloha (anglisy): “Ny vavolombelona dia olona mamerina milaza ny teniny, mba hanamafisana izany. Fampiasa amin’ny fitsarana io teny [ʽedh] io.” Milaza toy izao koa ny Diksionera Manazava Tsipirian’ny Teny Hebreo ho An’ny Mpamaky Anglisy: “Ny mety ho [dikan’ilay matoanteny hoe ʽudh] voalohany, dia hoe ‘namerina niteny tamin-kafanam-po izy.’ ”
Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, dia teny fampiasa amin’ny fitsarana koa ireo teny grika nadika hoe “vavolombelona” (marʹtys) sy “mijoro ho vavolombelona” (mar·ty·reʹo), na dia nisy heviny malalaka kokoa aza izy ireo tatỳ aoriana. Araka ny Diksionera Teolojikan’ny Testamenta Vaovao (anglisy), dia “samy ampiasana an’ilay hoe vavolombelona daholo na ny vavolombelona momba ny zava-misy, na ny vavolombelon’ny fahamarinana, toy ny fampahafantarana sy filazana ny zavatra inoana.” Milaza zavatra tena a
fantany àry ny vavolombelona, na milaza ny fomba fijery na fahamarinana inoany.Vao mainka hita mazava kokoa tamin’ny fiainan’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany ny dikan’ny hoe “vavolombelona.” Nenjehina sy novonoina ny maro tamin’izy ireny, rehefa nitory. (Asa. 22:20; Apok. 2:13) Niova nanomboka tamin’ny taonjato faharoa àry ny teny grika nadika hoe vavolombelona (marʹtys, nakana ilay teny hoe “maritiora”). Nanjary nantsoina hoe vavolombelona ny olona vonona ny “hanamafy ny teniny na ny fiekeny, tamin’ny alalan’ny fahafatesana.” Tsy noho izy maty akory no niantsoana azy hoe vavolombelona. Maty kosa izy, satria vavolombelona tsy nivadika.
Iza àry no vavolombelon’i Jehovah voalohany? Iza no vonona ‘hamerina tamin-kafanam-po’, tamin’ny alalan’ny teniny sy ny fiainany, fa i Jehovah no manana zo sy mendrika ho Mpanjaka? Iza no vonona ny tsy hivadika tamin’Andriamanitra hatramin’ny fahafatesana?
Vavolombelon’i Jehovah voalohany
Hoy ny apostoly Paoly: “Misy vavolombelona maro be toy ny rahona [gr.: neʹphos, midika hoe rahona matevina] manodidina antsika.” (Heb. 12:1) Nanomboka niforona io ‘rahona matevina’ io, taoriana kelin’ny fikomiana tamin’ny zon’Andriamanitra hitondra, tany Edena.
Lazain’i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:4 fa i Abela no vavolombelon’i Jehovah voalohany. Hoy izy: “Finoana no nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina. Noho ny finoany no nanambarana azy ho marina, ka Andriamanitra no nanaporofo ny amin’ny fanomezana nataony. Ary na efa maty aza izy, dia mbola miteny ihany, noho ny finoany.” Nahoana i Abela no antsoina hoe vavolombelon’i Jehovah? Mamaly izany ny dikan’ilay hoe nanao “sorona nisy vidiny kokoa” noho ny an’i Kaina izy.
Raha tsorina, dia izao: Nety ny fanatitr’i Abela, tsara ny antony nanaovany azy, ary nampifanarahiny tamin’izany ny asany. Nanao fanatitra nisy ra izy, ary ny tsara indrindra tamin’ny bibiny no natolony. Zavatra tsy nanana aina kosa no natolotr’i Kaina. (Gen. 4:3, 4) Tsy ampy finoana ny fanatitr’i Kaina, nefa io finoana io no nahatonga ny fanatitr’i Abela heken’Andriamanitra. Tokony ho nanitsy ny fivavahany i Kaina. Ratsy fo anefa izy, ka nanda ny torohevitra sy fampitandreman’Andriamanitra, sady namono an’i Abela nahatoky.—Gen. 4:6-8; 1 Jaona 3:11, 12.
Nanam-pinoana i Abela, fa tsy toa an’ireo ray aman-dreniny. Nasehon’ny tsy fivadihany fa tena ninoany hoe i Jehovah no manan-jo sady mendrika
ho mpitondra. Nandritra ireo zato taona teo ho eo niainany, dia nasehony fa afaka ny tsy hivadika amin’Andriamanitra ny olona, na dia hanaporofo ny teniny amin’ny alalan’ny fahafatesana aza. Mbola ‘miteny’ koa ny ran’i Abela, satria voatahiry ao amin’ny Baiboly ny tantarany, mba hovakin’ireo taranaka atỳ aoriana!Dimanjato taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Abela, dia nanomboka “niara-nandeha tamin’Andriamanitra” i Enoka, izany hoe nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fitsipik’i Jehovah momba izay tsara sy ratsy. (Gen. 5:24) Efa betsaka ny olona nanao zavatra ratsy tamin’izany, vokatry ny fandavana ny fitondran’i Jehovah. Nino tanteraka i Enoka fa handringana an’ireo ratsy fanahy ilay Mpanjaka Fara Tampony. Natosiky ny fanahin’Andriamanitra izy mba hanambara izany fandringanana ho avy izany. (Joda 14, 15) Vavolombelona nahatoky hatramin’ny fahafatesana i Enoka, satria “nafindran’Andriamanitra” izy, angamba mba tsy hahafahan’ny fahavalony hamono azy amin-kabibiana. (Heb. 11:5) Azo atao àry ny mampiditra an’i Enoka ho anisan’ireo ‘vavolombelona maro be toy ny rahona’, talohan’ny andro kristianina.
Mbola nanjaka tamin’ny raharahan’ny olombelona ny fanaovan-dratsy, taorian’izany. Tokony ho 70 taona taorian’ny nahafatesan’i Enoka i Noa no teraka. Nidina tetỳ an-tany ny zanak’Andriamanitra, tamin’izany, ka nitafy vatan’olombelona, mba hanambady vehivavy tsara tarehy, na dia tsy araka ny natiora aza izany. Nefilima no niantsoana an’ireo olona goavam-be zanak’izy ireo. (Gen. 6:1-4) Inona no vokatr’io fiarahan’ny anjely sy ny olona ary ny zanany safiotra io? Hoy ny Baiboly: “Ary hitan’i Jehovah fa be ny faharatsian’ny olona tambonin’ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Dia hitan’Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany.” (Gen. 6:5, 12) Nampalahelo tokoa fa ‘be faharatsiana’ ilay tany, fitoeran-tongotr’Andriamanitra.—Gen. 6:13; Isaia 66:1.
Tsy toy izany i Noa, fa “lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ny olona niara-belona taminy.” (Gen. 6:9) “Izay rehetra nandidian’Andriamanitra azy no nataony”, mba hanehoany fa nanaiky ny zon’Andriamanitra hitondra izy. (Gen. 6:22) Nanam-pinoana izy, ka ‘nanamboatra sambo fiara hamonjena ny ankohonany.’ (Heb. 11:7) Tsy nanao sambo fiara fotsiny anefa izy, fa “mpitory ny fahamarinana” koa, ka nampitandrina ny amin’ilay fandringanana ho avy. (2 Pet. 2:5) Na dia sahy nitory aza anefa i Noa, dia tsy nohenoin’io taranaka ratsy fanahy io, “mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:37-39.
Nisy vavolombelon’i Jehovah koa teo anivon’ireo razamben’ny Jiosy taorian’ny Safodrano, nefa talohan’ny Kristianina. Voalohany tamin’izany i Abrahama, Isaka, Jakoba, ary Josefa. (Heb. 11:8-22; 12:1) Nanohana ny zon’i Jehovah hitondra izy ireo, ka tsy nivadika mihitsy. (Gen. 18:18, 19) Nanamasina ny anaran’i Jehovah àry izy ireo. Tsy nitady fiadanana teo anivon’ny fanjakan’olombelona izy ireo, fa “nanaiky [kosa] fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany.” Nanam-pinoana koa izy ireo, ka “ilay tanàna manana fototra tena izy no nandrasany, ary Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.” (Heb. 11:10, 13) Neken’izy ireo ho Mpitondra azy i Jehovah, ary ilay Fanjakana any an-danitra no nantenainy, satria io no endrika isehoan’ilay fitondran’i Jehovah.
Andevo tany Ejipta ny taranak’i Abrahama, tamin’ny taonjato faha-16 T.K., ary nila fanavotana. Tamin’izany i Mosesy sy Arona rahalahiny no nisongadina tamin’ilay ‘adin’ireo andriamanitra.’ Niseho teo anatrehan’i Farao izy ireo, ary nilaza ny tenin’i Jehovah hoe: “Alefaso ny oloko.” Niavonavona anefa i Farao, izay noheverina ho andriamanitra, ka nanamafy ny fony, sady tsy te handefa an’ilay firenena andevony. Hoy izy: “Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka Eks. 5:1, 2) Io valin-teny an’avona io no nampisehoan’i Farao, fa tsy nekeny ho Andriamanitra i Jehovah.
tsy halefako ny Isiraely.” (Tsy maintsy nanaporofo ny maha Andriamanitra marina azy àry i Jehovah. Nihaika ny herin’i Jehovah i Farao, ka niantso ny herin’ireo andriamanitr’i Ejipta rehetra, tamin’ny alalan’ireo mpisorona mpanao mazia. Nambaran’i Mosesy sy Arona mialoha anefa ireo loza folo tsirairay halefan’i Jehovah, mba hanaporofoana fa izy no mifehy ny zavaboariny, ary ambony noho ireo andriamanitr’i Ejipta izy. (Eks. 9:13-16; 12:12) ‘Tanana mahery’ no nitondran’i Jehovah ny Israely nivoaka tany Ejipta, taorian’ilay loza fahafolo.—Eks. 13:9.
Nila herim-po sy finoana i Mosesy, izay “nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra”, mba hisehoana imbetsaka teo anatrehan’i Farao. (Nom. 12:3) Tsy nampihen-danja ny hafatra nasain’i Jehovah nolazaina tamin’i Farao mihitsy anefa izy. Tsy nampangina azy, na dia ny fandrahonana ho faty aza! (Eks. 10:28, 29; Heb. 11:27) Tena vavolombelona i Mosesy, satria “namerina niteny tamin-kafanam-po” izy, fa i Jehovah no Andriamanitra.
Nanoratra ny bokin’ny Genesisy i Mosesy, taorian’ny fanafahana tany Ejipta, tamin’ny 1513 T.K. Nanomboka teo ny vanim-potoan’ny fanoratana ny Baiboly. Takatr’i Mosesy ihany ilay raharaha momba an’Andriamanitra sy Satana, satria izy no nanoratra ny bokin’i Joba. Ho voasoratra mazava tsikelikely ao amin’ny Baiboly anefa ilay raharaha momba ny zon’Andriamanitra hitondra sy ny tsy fivadihan’ny olombelona. Hanjary hahatakatra izany tsara ireo rehetra voakasika. Nametraka ny fototry ny firenena iray vavolombelony anefa aloha i Jehovah, tamin’ny 1513 T.K.
Firenena vavolombelona
Nanao fifanekena manokana tamin’ny Israelita i Jehovah, telo volana taorian’ny nialan’izy ireo tany Ejipta. Nanjary “rakitra soa” ho an’i Jehovah izy ireo. (Eks. 19:5, 6) I Mosesy no mpanelanelana an’ilay firenena sy Jehovah. I Jehovah no nametraka ny fitondrana teo aminy, ary ny fifaneken’ny Lalàna no lalàm-panorenana. (Isaia 33:22) Vahoaka voafidin’ilay Tompo Fara Tampony izy ireo, ary nalamina mba hisolo tena azy.
Tsy nanaiky ny zon’i Jehovah hitondra foana anefa io firenena io, nandritra ireo taonjato taorian’izany. Nivavaka tamin’ireo andriamanitra demonian’ny firenen-kafa ny Israely indraindray, tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Navelan’i Jehovah hobaboin’ireo firenena àry izy ireo, ka toy ny hoe nahery noho Izy, ny andriamanitr’izy ireny. (Isaia 42:18-25) Nihantsy an’ireo andriamanitry ny firenena anefa i Jehovah, tamin’ny taonjato fahavalo T.K., mba hampahazava ny resaka sy hamaliana ilay fanontaniana hoe: Iza no Andriamanitra marina?
Nolazainy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany izao fihantsiana izao: “Iza aminareo [andriamanitra] no mahalaza izany? Aoka hambarany amintsika ny fahiny taloha; aoka ho entiny ny vavolombelony hahamarina azy; ary aoka hihaino ireo [vahoakan’ny firenena] ka hiaiky hoe: Marina izany.” (Isaia 43:9) Aoka tokoa ny andriamanitr’ireo firenena hanome vavolombelona hanamarina ny faminanian’ireo andriamaniny hoe: “Marina izany”! Tsy nisy tamin’ireo andriamanitra ireo anefa afaka nanome vavolombelona hanamarina hoe andriamanitra izy ireo!
Nataon’i Jehovah nazava tamin’ny Israely ny andraikitr’izy ireo amin’ny famaliana ilay fanontaniana hoe: Iza no Andriamanitra marina? Hoy izy: “Hianareo no vavolombeloko, ... sady mpanompoko izay efa nofidiko, mba hahafantaranareo sy hinoanareo Ahy, ka ho azonareo tsara fa Izaho no Izy; talohako dia tsy nisy andriamanitra voaforona, sady tsy hisy handimby Ahy. Izaho dia Izaho ihany no Jehovah, ary tsy misy Mpamonjy afa-tsy Izaho. Izaho efa nilaza sy namonjy ary nanambara, ary tsy nisy hafa tao aminareo; dia hianareo no vavolombeloko, ... ary Izaho no Andriamanitra.”—Isaia 43:10-12.
Firenena vavolombelona àry ny Israely. Azon’izy ireo nohamafisina fa i Jehovah no manana zo sy mendrika ho mpitondra. Noho ny zavatra efa niainan’izy ireo, dia azony nambara tsara ny finoany fa i Jehovah no Mpanafaka Lehibe ny vahoakany, sady Andriamanitry ny faminaniana marina.
Fanamarinana momba ny Mesia
Mbola tsy voalamina tanteraka ireo raharaha niadian-kevitra, na dia eo aza ny fanamarinan’ireo vavolombelona toy ny ‘rahona matevina’, talohan’ny Kristianina. Nahoana? Satria hampihatra ny didim-pitsarany amin’ireo tsy mety hanaiky ny zony hitondra i Jehovah, amin’ny fotoana voatondrony. Ho efa voaporofo mantsy amin’izay fa mila ny fitondrany ny olona, satria tsy afaka mifampitondra tsara. Tsy ny olombelona fotsiny koa no voakasik’ireo raharaha nipoitra. Nisy anjely nikomy tany Edena, ka mahakasika ny anjely koa ilay tsy fivadihana amin’ny zon’Andriamanitra hitondra. Nataon’i Jehovah àry izay hisian’ny zanany avy tany an-danitra ho etỳ an-tany, mba hahafahan’i Satana hitsapa azy io. Io zanaka io no asaina handamina amin’ny fomba lavorary an’ilay fanontaniana hoe: Hisy tsy hivadika amin’Andriamanitra ve, na inona na inona fitsapana manjo azy? Rehefa nanaporofo ny tsy fivadihany io zanak’Andriamanitra io, dia homena hery hanamarinana an’i Jehovah, ka handringana ny ratsy fanahy sy hanatanteraka amin’ny fomba feno ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany.
Ahoana anefa no hahafantarana an’io zanaka io? Nolazain’i Jehovah tany Edena, fa hisy “taranaka” hanorotoro ny lohan’ilay bibilava Fahavalo, ka hanamarina ny zony hitondra. (Gen. 3:15) Nanome tsipiriany betsaka momba an’io Mesia “taranaka” io i Jehovah, tamin’ny alalan’ireo mpaminany hebreo. Nolazainy ny fiaviany sy ny zavatra ataony, ary koa ny fotoana hahatongavany.—Gen. 12:1-3; 22:15-18; 49:10; 2 Sam. 7:12-16; Isaia 7:14; Dan. 9:24-27; Mika 5:1.
Vita tamin’ny tapatapaky ny taonjato fahadimy T.K. ny Soratra Hebreo sy ireo faminaniana ao anatiny, ary efa niandry ny Mesia mba hanatanteraka azy ireny. Horesahina ao amin’ny toko manaraka ny fanambaran’io vavolombelona io, dia ilay vavolombelon’Andriamanitra lehibe indrindra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ohatra: Afaka nanamarina ny tantara momba an’i Jesosy ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, satria tena nahita izany mihitsy. Fantatr’izy ireo ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesosy. (Asa. 1:21, 22; 10:40, 41) Afaka nijoro ho vavolombelona kosa ireo nino an’i Jesosy tatỳ aoriana, ka nilaza tamin’olon-kafa ny dikan’ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Jesosy.—Asa. 22:15.
[Teny notsongaina, pejy 11]
Afaka mifidy ny handray soa amin’ny fitondran’i Jehovah ny olona. Tsy maintsy mandre momba izany anefa aloha izy
[Teny notsongaina, pejy 13]
I Abela no vavolombelon’i Jehovah voalohany
[Teny notsongaina, pejy 14]
Nanambara ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny ratsy fanahy i Enoka
[Teny notsongaina, pejy 17]
Nataon’i Jehovah mazava tamin’ny firenena iray ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha vavolombelony
[Teny notsongaina, pejy 18]
‘Ianareo no vavolombeloko, ary Izaho no Andriamanitra’
[Sary, pejy 10]
Nampipoitra raharaha lehibe ireo zava-nitranga tany Edena: Manana zo hitondra ve i Jehovah? Tsy hivadika aminy ve ny zavaboariny?
[Sary, pejy 15]
Mpitory ny fahamarinana i Noa, talohan’ny nandravan’Andriamanitra an’ilay tontolo tamin’ny safodrano
[Sary, pejy 16, 17]
Sahy nilaza tamin’i Farao i Mosesy sy Arona fa i Jehovah no Andriamanitra