Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitranga ny Fivadiham-pinoana Lehibe

Nitranga ny Fivadiham-pinoana Lehibe

Toko 4

Nitranga ny Fivadiham-pinoana Lehibe

“IRAY ny Tompo, iray ny finoana.” (Efes. 4:5) Iray ihany ny finoana kristianina, rehefa nomen’ny fanahy masina hery hanoratana ireo teny ireo ny apostoly Paoly (taona 60-61 tany ho any). Maro be anefa izao ny fivavahana sy antokom-pivavahana ary sekta milaza azy ho Kristianina, na dia mampianatra zavatra mifanohitra sy manana fitsipi-pitondran-tena samy hafa aza izy ireny. Tsy toy izany ilay fiangonana kristianina niray saina, niforona tamin’ny Pentekosta taona 33! Inona no nahatonga izany fizarazarana izany? Tsy maintsy miverina any amin’ny taonjato voalohany isika, mba hamaliana izany.

Nandraman’i Satana Fahavalo nampanginina avy hatrany ny Kristianina vavolombelon’i Jehovah, raha vao nanomboka nisy, ka namoronany fanenjehana avy tany ivelan’ny fiangonana. (1 Pet. 5:8) Ny Jiosy aloha no niavian’izany, ary avy eo ny Fanjakana Romanina. Niaritra ny fanenjehana rehetra ireo Kristianina voalohany. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 1:9; 2:3, 19.) Tsy kivy anefa ilay Fahavalo. Nanandrana nanimba azy ireo avy teo anivon’ny fiangonana indray izy. Vao niforona ny fiangonana kristianina, dia efa nisy fahavalo lehibe tao anatiny, dia ny fivadiham-pinoana. a

Efa fantatra anefa ny hisian’ny fivadiham-pinoana, satria efa nampitandrina ny amin’izany i Kristy, Lohan’ny fiangonana.—Kol. 1:18.

“Hisy mpampianatra sandoka ... eo aminareo”

Hoy i Jesosy: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa manao fitafian’ny ondry izy.” (Matio 7:15) Fantatr’i Jesosy fa hampizarazara sy hanimba ny mpianany i Satana. Nampitandrina momba ny mpampianatra sandoka àry izy, teo am-piandohan’ny fanompoany.

Avy aiza no hiavian’ireo mpampianatra sandoka ireo? “Avy aminareo ihany”, hoy ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 56 tany ho any, rehefa niresaka tamin’ireo mpiandraikitra tany Efesosy izy. Eo anivon’ny fiangonana no “hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asa. 20:29, 30) Tsy hianina amin’ny fanaovana mpianatra ho azy ny mpivadi-pinoana tia tena, fa hiezaka ‘hitaona ny mpianatra’ kosa, izany hoe mpianatr’i Kristy.

Efa nilaza koa ny apostoly Petera (taona 64 tany ho any) fa hisy ny faharatsiana avy ao anatiny. Nolazainy toy izao mihitsy ny ho fomba fiasan’ny mpivadi-pinoana: “Hisy mpampianatra sandoka ... eo aminareo. Ireny indrindra no hampiditra mangingina sekta manimba ... Mitsiriritra koa izy ireny ka hanararaotra anareo amin’ny teny mamitaka.” (2 Pet. 2:1, 3) Toy ny mpitsikilo na mpamadika any an-tobin’ny fahavalo ny mpampianatra sandoka. Avy eo anivon’ny fiangonana ihany izy, saingy mampiditra mangingina ny hevi-dratsiny.

Nitranga tokoa ilay nolazain’i Jesosy sy ny apostoliny. Kely ny fanoherana avy tao anatiny, tamin’ny voalohany, nefa efa nisy teo am-piandohan’ny fiangonana kristianina.

“Efa miasa sahady”

Nilaza i Paoly, 20 taona latsaka taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, fa “efa miasa sahady” i Satana mba hampizarazara sy hampiala ny olona amin’ny finoana marina. (2 Tes. 2:7) Efa nilaza toy izao, tamin’ny taratasy ho an’ny fiangonana, ny filan-kevi-pitantanana, tamin’ny taona 49: “Renay fa nisy taminay nilaza zavatra nampikorontan-tsaina anareo, ka nitady hanimba anareo, nefa tsy nasainay nanao izany.” (Asa. 15:24) Nisy olona teo anivon’ny fiangonana àry sahy niady hevitra ampahibemaso, angamba momba ny hoe tokony hanaraka ny Lalàn’i Mosesy sy hoforana ve ny Jentilisa tonga kristianina sa tsia.—Asa. 15:1, 5.

Nihanaka toy ny fery mandoaka ny hevitra mampisara-bazana, rehefa nandeha ny fotoana. (Ampitahao amin’ny 2 Timoty 2:17.) Nisy nilaza tany Tesalonika, tamin’ny taona 51, fa efa akaiky ny “fanatrehan’i” Jesosy Tompo. (2 Tes. 2:1, 2) Nisy nanda ny fampianarana mazava momba ny fitsanganana amin’ny maty, tany Korinto, tamin’ny taona 55 tany ho any. (1 Kor. 15:12) Nisy nilaza koa tamin’ny taona 65 fa efa nitsangana tamin’ny maty ny Kristianina, satria tsy ara-bakiteny izy io, fa zavatra iainana amin’ny fahavelomana.—2 Tim. 2:16-18.

Tsy tantarain’ny Baiboly izay nitranga teo anivon’ny fiangonana kristianina, nandritra ireo 30 taona nanaraka. Efa nisy “antikristy maro” anefa tamin’ny fotoana nanoratan’ny apostoly Jaona ny taratasiny (taona 98 tany ho any). Ireo dia olona “mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy”, sy milaza fa tsy Zanak’Andriamanitra “tonga tamin’ny nofo” izy.—1 Jaona 2:18, 22; 4:2, 3.

‘Nisakana’ ny herin’ny fivadiham-pinoana ireo apostoly, nandritra ny 60 taona nahery. (2 Tes. 2:7; ampitahao amin’ny 2 Jaona 9, 10.) Maty tamin’ny taona 100 tany ho any anefa i Jaona, apostoly velona farany. Tsy hisy mpanakana intsony ny fivadiham-pinoana, izay efa niditra moramora teo anivon’ny fiangonana, ka hanimba ny fandaminan-javatra sy ny foto-pampianarana.

Mpitondra fivavahana sy mpivavaka tsotra

“Mpirahalahy avokoa ianareo rehetra”, hoy i Jesosy tamin’ny mpianany. “Iray ny Mpitarika anareo, dia i Kristy.” (Matio 23:8, 10) Tsy nisy mpitondra fivavahana àry teo anivon’ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Rahalahin’i Kristy voahosotra izy rehetra, ka nanantena ny ho mpisorona hiaraka aminy any an-danitra. (1 Pet. 1:3, 4; 2:5, 9) Mpiandraikitra na anti-panahy maromaro kosa no niaraka niandraikitra ny fiangonana tsirairay. b Nitovy ny fahefan’ireo anti-panahy, ary tsy nisy taminy afaka ‘nanjakazaka’ tamin’ny ondry niandraiketany. (Asa. 20:17; Fil. 1:1; 1 Pet. 5:2, 3) Niova haingana anefa izany, rehefa nitombo ny fivadiham-pinoana.

Anisan’ireo zavatra tsy nety voalohany ny fanavahana ny andraikitry ny “mpiandraikitra” (gr.: e·piʹsko·pos) sy “anti-panahy” (gr.: pre·sbyʹte·ros). Nanoratra toy izao, ohatra, i Ignace, “evekan’i” Antiokia, tao amin’ny taratasiny ho an’ny mponin’i Smyrna, folo taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’ny apostoly Jaona: “Arahonareo rehetra tsara ny eveka [mpiandraikitra], sahala amin’ny nanarahan’i Jesosy Kristy ny Ray, sy ny presbytera [anti-panahy rehetra], izay tokony hoheverina ho toy ny Apostoly.” Nolazain’i Ignace àry fa eveka, c na mpiandraikitra iray no tokony hiandraikitra ny fiangonana tsirairay, ary hiavaka, na ho lehibe kokoa noho ny an’ny presbytera, na anti-panahy, ny andraikitr’izy io.

Ahoana anefa no nahatonga an’izany fanavahana izany? Manazava izay nitranga i Augustus Neander, ao amin’ilay bokiny hoe Tantaran’ny Fivavahana Kristianina sy ny Fiangonana Nandritra Ireo Taonjato Telo Voalohany (anglisy). Hoy izy: “Tamin’ny taonjato faharoa ..., dia tsy maintsy noforonina ny andraikitra manokan’ny filohan’ny presbytera. Nomena anarana hoe [e·piʹsko·pos] izy, ary nanara-maso ny zava-drehetra. Niavaka tamin’ny presbytera rehetra àry izy.”

Nanomboka niavaka tsikelikely ireo mpitondra fivavahana. Tena nanohana ny fahefan’ny eveka i Cyprien, “evekan’i” Carthage, tany Afrika Avaratra, zato taona taorian’izay. Nolazainy fa ny eveka dia antokon’olona hafa noho ny presbytera (nantsoina tatỳ aoriana hoe pretra d), sy ny diakônina, ary ny mpivavaka tsotra. Tsy nekeny anefa hoe tokony hisy eveka ambony noho ny eveka hafa. e

Nitombo ny fahefan’ny eveka sy ny presbytera, ka lasa ambanimbany kokoa ny mpino hafa rehetra. Niavaka tamin’ny mpivavaka tsotra (ny ankamaroan’ny mpino) àry ny mpitondra fivavahana (mpitarika). Hoy ny Rakipahalalana (anglisy) nataon’i McClintock sy Strong: “Nisongadina ny fiavahan’ny mpitondra fivavahana tamin’ny mpivavaka tsotra, nanomboka tamin’ny andron’i Cyprien [maty tamin’ny taona 258 tany ho any], izay niandohan’ny ambaratongam-pahefan’ny fiangonana. Tsy ela dia nanaiky izany ny maro. Nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo, dia ny mpitondra fivavahana ihany no nantsoina hoe clerus ..., mba hanavahana azy tamin’ny mpivavaka tsotra. Arakaraka ny nivoaran’ny ambaratongam-pahefana romanina, no nahatonga ireo mpitondra fivavahana hiavaka kokoa ... sy hekena ho hany mpitondra.”

Nisy fiovana roa lehibe àry teo amin’ny fandaminana ny fiangonana, tao anatin’ireo 150 taona taorian’ny nahafatesan’ny apostoly: Voalohany, ny fiavahan’ny eveka sy ny presbytera, ka ny eveka no ambony kokoa; faharoa, ny fiavahan’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny mpivavaka tsotra. Ny mpitondra fivavahana izao no nekena ho “hany fisoronana”, na dia tokony ho voahosotra daholo aza ireo mpino, “sady mpisorona no mpanjaka.”—1 Pet. 2:9. f

Tsy nitovy tamin’izany ny fomba fitondra fiangonana lazain’ny Soratra Masina, narahina tamin’ny andron’ny apostoly. Tsy izany ihany anefa no vokatry ny fivadiham-pinoana.

Tafatsofoka ny fampianaran’ny mpanompo sampy

Voatahiry ao amin’ny Soratra Masina ny fampianarana madion’i Kristy. Nataon’i Jesosy mazava, ohatra, fa i Jehovah no “hany Andriamanitra marina”, ary maty ny fanahy. (Jaona 17:3) Nihasimba anefa izany fampianarana mazava izany, nony tafatsofoka ny fampianaran’ny mpanompo sampy, rehefa maty ny apostoly ary nihasimba ny fandaminana ny fiangonana. Nahoana izany no nitranga?

Antony lehibe ny herin’ny filozofia grika nisoko mangina. Hoy ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (anglisy): “Nihevitra ireo Kristianina nianatra filozofia grika, teo antenatenan’ny taonjato faharoa, fa tokony hambarany ny zavatra inoany, mba hahafa-po ny faniriany te hianatra sy mba hanovana ny mpanompo sampy manam-pahaizana.” Tsy ela dia nifangaro tanteraka ny filozofia grika sy ny “Kristianisma”, rehefa nisy olona tia filozofia lasa Kristianina.

Tafatsofoka teo anivon’ny Kristianisma efa simba àry ny fampianaran’ny mpanompo sampy, toy ny Andriamanitra telo izay iray sy ny fanahy tsy mety maty. Efa ela be talohan’ny filozofa grika anefa no nisian’ireo fampianarana ireo. Efa nampianatra momba izany ny fivavahana ejipsianina sy babylonianina fahiny.

Novana na nialana koa ny fampianarana hafa avy ao amin’ny Soratra Masina, rehefa tafatsofoka bebe kokoa ny fampianaran’ny mpanompo sampy.

Very ny fanantenana momba ilay Fanjakana

Fantatry ny mpianatr’i Jesosy tsara fa tokony hiambina izy ireo, eo am-piandrasana ny ‘fanatrehan’i’ Kristy sy ny fahatongavan’ilay Fanjakany. Takatra tatỳ aoriana fa hitondra ny tany manontolo mandritra ny arivo taona izy io, ary hanova ny tany ho paradisa. (Matio 24:3; 2 Tim. 4:18; Apok. 20:4, 6) Nampirisika ny vavolombelona tamin’ny taonjato voalohany ireo Kristianina nanoratra Baiboly mba hifoha ara-panahy sy hisaraka hatrany tamin’izao tontolo izao. (Jak. 1:27; 4:4; 5:7, 8; 1 Pet. 4:7) Very anefa ilay fanantenana momba ny fanatrehan’i Kristy sy ny fahatongavan’ilay Fanjakana, rehefa maty ny apostoly. Nahoana?

Anisan’ny nahatonga izany ny fandotoana ara-panahy nateraky ny fampianaran’ny Grika momba ny fanahy tsy mety maty. Tsy nanantena an’ilay Fanjakana arivo taona intsony ny Kristianina, rehefa nino izany. Nahoana? Manazava toy izao ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy): “Ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty no naka ny [fampianaran’ny Testamenta Vaovao momba ny “Zavatra Farany”], miaraka amin’ny fanantenany fitsanganana amin’ny maty sy ny zavaboary vaovao (Apok. 21 f.). Vokatr’izany dia ny fanahy no tsaraina aorian’ny fahafatesana, ka tonga any amin’ny paradisa, heverina ho tsy eto an-tany.” Toy ny nilaza àry ny Kristianina nivadi-pinoana fa mbola velona ny fanahy, rehefa maty ny vatana, ary any an-danitra no hahazoana ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Nafindran’izy ireo any an-danitra ilay Paradisa an-tany, ka inoany fa lasa any ny fanahy voavonjy. Tsy nilaina àry ny niandry ny fanatrehan’i Kristy sy ny fahatongavan’ny Fanjakany, satria nanantena ny hiaraka amin’i Kristy any an-danitra izy ireo, rehefa maty. g

Nisy antony hafa koa anefa nahatonga ny fiandrasana ny fiavian’ny Fanjakan’i Kristy ho toa tsy ilaina. Hoy ny Rakipahalalana Britannica Vaovao: “[Toa] tsy tonga haingana ny Parousia, ka tsy dia nanantena azy io intsony ireo teo anivon’ny fiangonana voalohany. Nihanalemy ny [fampianarana momba ny “Zavatra Farany”], ka ny rafi-pitondran’ny fiangonana no nisolo tsikelikely ny Fanjakan’Andriamanitra. Nifandray mivantana tamin’ny fihenan’io fanantenana io ny fiforonan’ny Eglizy Katolika ho toy ny rafitra misy ambaratongam-pahefana.” (Izahay no manao sora-mandry.) Tsy vitan’ny hoe nafindra tany an-danitra àry ny fitahiana hoentin’ilay arivo taona, fa nafindra ho etỳ an-tany koa ilay Fanjakana any an-danitra. Nanitatra io “famindran-toerana” io i Augustin avy any Hippone (taona 354-430). Nilaza toy izao izy ao amin’ilay bokiny malaza hoe Ny Tanànan’Andriamanitra (anglisy): “Ny Eglizy izao no fanjakan’i Kristy, sady fanjakan’ny lanitra.”

Nekena ho ara-dalàna koa ny Kristianisma nivadi-pinoana, tamin’ny andron’i Constantin, emperora romanina, tamin’ny taona 313 tany ho any. Nanaiky hampiasain’ny Fitondrana ireo mpitondra fivavahana, ary ny Fitondrana no nifehy ny raharaha ara-pivavahana tamin’ny voalohany. (Tsy ela dia ny fivavahana no nifehy ny raharaham-pitondrana.) Nanomboka nisy teo ny Kristianisma Anarana, h ka nanjary fivavahan’ny Fitondrana romanina ny ampahany (Katolika). Tsy vitan’ny hoe teo amin’izao tontolo izao ilay “fanjakana”, fa nanjary anisany mihitsy. Tena tsy nitovy mihitsy tamin’ilay Fanjakana notorin’i Kristy izany!—Jaona 18:36.

Fiverenana ho amin’ny fivavahana marina ve ny Fanavaozana?

Nifehy an’izao tontolo izao nandritra ny taonjato maro ny Eglizin’i Roma sy ireo papany, toy ny tsimparifary niroborobo nangeja ny vary. (Matio 13:24-30, 37-43) Arakaraka ny nitsabahan’ny eglizy tamin’ny raharahan’izao tontolo izao, no vao mainka tsy nitoviany tamin’ny Kristianisma tamin’ny taonjato voalohany. Nisy antoko nitaky ny hanaovana fanavaozana teo anivon’ny eglizy, nefa vao mainka nanampatra fahefana sy nangoron-karena ihany ny eglizy. Nipoaka anefa ny Fanavaozana Protestanta, tamin’ny taonjato faha-16.

Nanakiana ny eglizy tamin’ny raharaha samihafa ireo mpitondra fanavaozana. Anisan’izany i Martin Luther (1483-1546), nahakasika ny fanomezam-bola hahazoana famelan-keloka; Ulrich Zwingli (1484-1531), nahakasika ny mpitondra fivavahana tsy mahazo manambady sy ny fivavahana amin’i Maria; ary Jean Calvin (1509-1564), nahakasika ny tokony hiverenan’ny eglizy ho amin’ny fitsipika kristianina. Inona no vokany?

Ekena fa niteraka zavatra tsara ny Fanavaozana, indrindra fa ny fandikana ny Baiboly ho amin’ny fiteny andavanandro. Nitaky fahalalahana kokoa ny Fanavaozana, ka nanjary nivelatra ny fikarohana ara-baiboly, ary nitombo ny fahatakarana ireo teny nanoratana azy. Tsy niteraka fiverenana ho amin’ny fivavahana sy fampianarana marina anefa izany. i Nahoana?

Nisy vokany hatrany amin’ny fototry ny Kristianisma Anarana ny fivadiham-pinoana. Na dia niala tamin’ny fahefan’ny papa tany Roma aza ny ankamaroan’ny Protestanta, dia mbola voatahiriny ihany ireo fahadisoan’ny Eglizy Katolika Romanina, izay zavatra nateraky ny fialana tamin’ny tena Kristianisma. Na dia somary hafa aza, ohatra, ny fitondrana ny fiangonana protestanta, dia mbola niavaka tamin’ny mpivavaka tsotra ihany ny mpitondra fivavahana. Mbola nohazonina koa ireo fampianarana tsy araka ny Soratra Masina, toy ny Andriamanitra telo izay iray, fanahy tsy mety maty, ary fampijaliana mandrakizay aorian’ny fahafatesana. Mbola nitsabaka tamin’ny raharahan’izao tontolo izao, toy ny Eglizy Romanina, ny Protestanta, ka niditra tamin’ny raharaha politika sy anisan’ireo mpitondra nisongadina.

Ary ahoana ny momba ny fiandrasana ny fanatrehan’i Kristy sy ny fahatongavan’ny Fanjakany? Nanana fahefana tsy ara-pivavahana lehibe ny fiangonana (katolika sy protestanta), nandritra ireo taonjato taorian’ny Fanavaozana, ka tsy niandry ny fahatongavan’ny Fanjakan’i Kristy intsony.

Maro indray no niambina

Maro indray anefa ny olona nanomboka niandry ny fiverenan’i Kristy, tamin’ny taonjato faha-19. Nisy mpitondra fivavahana sy manam-pahaizana nanao fikarohana ara-baiboly, ka nianatra indray momba ny fanahy tsy mety maty, fampijaliana mandrakizay aorian’ny fahafatesana, lahatra, ary Andriamanitra telo izay iray. Nisy mpianatra ny Baiboly koa nandinika faminaniana momba ny andro farany. Nisy antokon’olona maro àry nanomboka nieritreritra lalina momba ny fiverenan’ny Tompo.—Matio 24:3.

Nilaza i William Miller, teto Etazonia, fa hiverina tamin’ny 1843 na 1844 i Kristy, ary ho hita maso. Ny taona 1836 no nolazain’ilay teolojianina alemà atao hoe J. Bengel; fa ny mpanara-dia an’i Irving tany Angletera kosa nanonona voalohany ny 1835, avy eo 1838, 1864, ary 1866. Nisy antokona Menonita tany Rosia koa nanantena voalohany ny 1889, avy eo 1891.

Nihamaro nanomboka teo no nanantena ny fiverenan’ny Tompo, vokatr’izany fiezahana hiambina izany. Niteraka fahadisoam-panantenana anefa izany. Nahoana? Satria olona matetika no tena nianteheran’izy ireo, fa tsy ny Soratra Masina. Nanjavona ny ankamaroan’ireny antokom-pivavahana ireny, rehefa nandeha ny fotoana.

Nisy zava-nitranga nanova ny fanantenan’ny olona koa anefa, tamin’ireny fotoana ireny.

Fotoanan’ny “fahazavana” sy taozava-baventy

Namoaka an’ilay boky hoe Fanambaran’ny Kominista (anglisy) i Karl Marx sy Friedrich Engels, tamin’ny 1848. Ny tsy finoana an’Andriamanitra no nasongadin’i Marx, fa tsy ny fivavahana, izay nolazainy hoe “fandemena ny saim-bahoaka.” Nanohitra ny fivavahana rehetra izy ireo, nefa toy ny namorona fivavahana iray hafa, dia ny fivavahana amin’ny Fitondrana sy ny mpitondra.

Nivoaka tamin’ny 1859 kosa ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina (anglisy), nosoratan’i Charles Darwin. Nisy akony lehibe teo amin’ny hevitra ara-tsiansa sy ara-pivavahana izy io. Noho ny fampianarana momba ny evolisiona, dia toa tsy marina intsony ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana sy ny fomba nidiran’ny ota, vokatry ny tsy fankatoavan’ny mpivady voalohany. (Gen., toko 1-3) Maro àry no nanjary tsy nino ny Baiboly.

Nihanivoatra be koa ny taozava-baventy. Tsy ny fambolena sy fiompiana intsony no nasongadina, fa ny taozava-baventy sy fanamboarana masinina. Nitombo ny lalamby teo anivon’ny firenena, satria niforona ny fiarandalamby mandeha amin’ny etona (fiandohan’ny taonjato faha-19). Niforona tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 kosa ny telefaonina (1876), grafofaonina (1877), jiro elektrika (1878-1879), ny fomba fanontam-pirinty Linotype (1884).

Tamin’izany no be indrindra ny fandrosoan’ny fitaterana haingana sy ny fifandraisana. Nampiasaina ho amin’ny tombontsoa ara-barotra sy ara-politika ireny fandrosoana ireny, sady nampiasaina tamin’ny lafiny ara-pivavahana. Nanomboka tamin’izay no nisy fiandohana kely teo anivon’ny olona vitsivitsy nianatra ny Baiboly. Nisy akony eran-tany anefa izy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny dikan’ny hoe “mivadi-pinoana” (gr.: a·po·sta·siʹa) dia hoe “miala, mandao, mikomy.” (Asa. 21:21) Fahasimbana ara-pivavahana sy fialana amin’ny fivavahana marina no tena voakasik’io.

b Mitovy ny fampiasan’ny Soratra Masina ny hoe “mpiandraikitra” sy “anti-panahy.” (Asa. 20:17, 28; Tit. 1:5, 7) Ny hoe “anti-panahy” dia milaza ny fahamatoran’ilay olona tendrena, fa ny hoe “mpiandraikitra” kosa dia manondro ny andraikiny: mijery ny tombontsoan’ny olona iandraiketana.

c Ny teny malagasy hoe “eveka”, dia avy amin’ny teny grika hoe e·piʹsko·pos (“mpiandraikitra”), araka izao: avy amin’ny teny frantsay évêque, avy amin’ny evesque, avy amin’ny ebisque (taonjato fahafolo), avy amin’ny teny latinina tranainy episcopus, avy amin’ny teny grika e·piʹsko·pos.

d Ny teny malagasy hoe “pretra” dia avy amin’ny hoe pre·sbyʹte·ros (“anti-panahy”), araka izao: avy amin’ny teny frantsay prêtre, avy amin’ny prestre (taonjato faha-17), avy amin’ny teny latinina tranainy presbyter, avy amin’ny teny grika pre·sbyʹte·ros.

e Rehefa nandeha ny fotoana, dia noheverina ho ny eveka ambony indrindra sy papa ny evekan’i Roma, izay nilaza ho mpandimby an’i Petera.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary 1992, pejy 8, 9, na ny boky Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona (frantsay), pejy 270-272, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

f Izao no fanamarihan’ny Dr. Neander: “Diso ilay fanatsoahan-kevitra hoe satria nisy lehilahy voafidy ho mpisorona hita maso lazain’ny Testamenta Taloha, dia tokony ho toy izany koa ny [Testamenta] Vaovao ... Vao mainka izany nampitombo ny fahefan’ny eveka raha oharina amin’ny presbytera.”—Tantaran’ny Fivavahana sy Fiangonana Kristianina (anglisy), nadikan’i Henry Rose, Fanontana Faharoa, New York, 1848, p. 111.

g Toa milaza izany fa mankany an-danitra daholo ny Kristianina rehefa maty. Milaza anefa ny Baiboly fa olona 144 000 monja no antsoina hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. (Apok. 7:4-8; 20:4-6) Olona maro hafa no hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, eo ambany Fanjakan’i Kristy.—Matio 6:10; Apok. 7:9, 15.

h Ny hoe “Kristianisma Anarana”, ato amin’ity boky ity, dia manondro ny Kristianisma tsy tena izy.

i Mba hahitana tsipiriany momba ny Fanavaozana sy ny zavatra naterak’izy io, dia jereo ny Mifohaza! 8 Septambra 1998 p. 26-27, na ny Toko 13 amin’ny boky Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona.

[Teny notsongaina, pejy 33]

Nandrahona ny fiangonana kristianina vao niforona ny fivadiham-pinoana

[Teny notsongaina, pejy 34]

Kely ny fanoherana avy tao anatiny tamin’ny voalohany

[Teny notsongaina, pejy 37]

Nafindran’ny mpivadi-pinoana tany an-danitra ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana, ary nafindra ho etỳ an-tany ilay Fanjakana

[Efajoro/Sary, pejy 36]

Platon sy ny “Kristianisma”

Tsy fantatr’i Platon, filozofa grika (teraka tamin’ny 428 T.K.), fa ho lasa fampianaran’ny Kristianisma nivadi-pinoana ny fampianarany. Ny Andriamanitra telo izay iray sy ny fanahy tsy mety maty no tena nampidiriny teo anivon’ny “Kristianisma.”

Nisy akony teo amin’ny Kristianisma Anarana ny hevitr’i Platon momba an’Andriamanitra sy ny zavaboary. Hoy ny “Diksionera Iombonana Vaovao” (frantsay): “Fanamboarana fotsiny an’ireo andriamanitra telo izay iray efa nisy taloha no nataon’i Platon. Toa mora ekena ilay izy, satria fitambarana toetra telo niteraka andriamanitra telo ampianarin’ny fiangonana kristianina. ... Hita ao amin’ny fivavahana [mpanompo sampy] fahiny ... io fampianaran’ilay filozofa grika io.”—Boky Faha-2, pejy 1467.

Hoy ny “Rakipahalalana Katolika Vaovao” (anglisy), momba ny fanahy tsy mety maty: “Efa ela no nitomboan’ilay fampianarana kristianina momba ny fanahy noforonin’Andriamanitra sy nampidiriny tao amin’ny vatana, tamin’izy namorona ny olombelona. Tamin’ny andron’i Origène [maty tamin’ny taona 254] tany Atsinanana, sy Md. Augustin [maty tamin’ny taona 430], tany Andrefana ihany vao nolazaina fa zavatra tsy hita maso izy io, ary nisy hevitra filozofika noforonina momba ny toetoetran’izy io. ... Avy amin’ny fampianaran’i Platon ny ankamaroan’ny ... fampianaran’i [Augustin] (anisan’izany ny kileman’izy io).”—Boky Faha-13, pejy 452, 454.

[Sary, pejy 35]

Nolazain’i Cyprien, “evekan’i” Carthage fa ny eveka dia antokon’olona hafa noho ny presbytera sy ny diakônina ary ny mpivavaka tsotra

[Sary, pejy 38]

“Ny Eglizy izao no fanjakan’i Kristy, sady fanjakan’ny lanitra” (Augustin avy any Hippone)

[Sary, pejy 39]

Mpitondra fanavaozana nanakiana ny eglizy tamin’ny raharaha samihafa

Martin Luther

Jean Calvin

Ulrich Zwingli

[Sary, pejy 40]

Niteraka fivavahana tamin’ny Fitondrana ny “Fanambaran’ny Kominista”, nosoratan’i Karl Marx. Nisy akony lehibe teo amin’ny siansa sy ny fivavahana tamin’ny androny ny “Fiandohan’ny Karazan-javamananaina”, nosoratan’i Charles Darwin

[Sary, pejy 41]

Fiarandalamby mandeha amin’ny etona

[Sary, pejy 41]

Jiro elektrika

[Sary, pejy 41]

Telefaonina voalohany

[Sary, pejy 41]

Linotype voalohandohany

[Sary, pejy 41]

Grafofaonina