Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mitsahatra Mandroso Haingana ny Tenin’i Jehovah (1976-1992)

Tsy Mitsahatra Mandroso Haingana ny Tenin’i Jehovah (1976-1992)

Toko 9

Tsy Mitsahatra Mandroso Haingana ny Tenin’i Jehovah (1976-1992)

“Farany, ry rahalahy, mivavaha mandrakariva ho anay, mba tsy hitsahatra handroso haingana ny tenin’i Jehovah ary homem-boninahitra toy izao eo aminareo izao.”—2 Tes. 3:1.

ARAKA ireo tenin’ny apostoly Paoly ireo, dia niangavy ny mpiray finoana taminy tany Tesalonika izy mba hivavaka ho azy sy ny namany, mba tsy ho voasakana ny fitoriany ny tenin’i Jehovah. Namaly izany vavaka izany i Jehovah. Tsy midika anefa izany hoe tsy nahita zava-nanahirana i Paoly. Nahery vaika ny fanenjehan’ity tontolo ity azy, ary namitaka azy koa ny rahalahy sandoka. (2 Kor. 11:23-27; Gal. 2:4, 5) Afaka nilaza anefa i Paoly, folo taona teo ho eo taorian’izay, fa ‘nahavokatra sy nitombo eran’izao tontolo izao’ ny vaovao tsara, noho ny fitahian’Andriamanitra.—Kol. 1:6.

Mamokatra be noho ny hatramin’izay koa ny vaovao tsara ankehitriny. Maro noho ny taloha ny olona mandre sy manaiky azy io. Mandeha haingana, toy ny mpifaninana amin’ny hazakazaka, ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra.—Isaia 60:22.

Fanitsiana ny fandaminana

Efa 30 taona mahery ny Rahalahy Knorr no niasa mafy tamin’ny naha prezidàn’ny Fikambanana azy, tamin’ny 1976. Nitety an’izao tontolo izao imbetsaka izy, ka nitsidika sy nampahery ny misionera, ary nampianatra ny mpiasan’ny biraon’ny sampana. Faly izy nahita fa 117 209 ny Vavolombelona tamin’ny 1942, nefa nitombo ho 2 248 390 tamin’ny 1976.

Efa 71 taona i N. Knorr tany antenatenan’ny 1976, rehefa tsikariny fa tafintohina matetika izy, rehefa nandeha. Hitan’ny dokotera fa voan’ny kansera tsy azo nodidiana ny atidohany. Niezaka niasa nandritra ny volana vitsivitsy ihany izy, saingy niharatsy ny fahasalamany. Hanakana ny fandrosoan’ny asa ve ny tsy fahasalamany?

Nihamaro ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana nanomboka tamin’ny 1971. Nisy 17 izy ireo, tamin’ny 1975. Sady nivavaka no nandinika tsara ny Filan-kevi-pitantanana nandritra izany, mba hahitany ny fomba nety indrindra hikarakarana ny asa fitoriana sy fampianarana, izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa tokony hatao amin’ny androntsika. (Matio 28:19, 20) Tapa-kevitra ny hanao fiovana lehibe mbola tsy nisy teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny mihitsy, ny Filan-kevi-pitantanana manontolo, tamin’ny 4 Desambra 1975.

Hanomboka ny 1 Janoary 1976, dia hisy komity enina eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana hanara-maso ny asan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana sy ny an’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra eran-tany. Nisy fanovana natao nifanaraka tamin’izany koa, tany amin’ny sampan’ny Fikambanana rehetra, ny 1 Febroary 1976. Tsy olona iray intsony no hiandraikitra ny sampana, fa lehilahy matotra telo na mihoatra no ho anisan’ny Komitin’ny Sampana, ka ny iray aminy no ho mpandrindra, mandritra ny fotoana tsy voafetra. a Niasa nandritra ny volana maro ireo komity, rehefa niteny ny Filan-kevi-pitantanana hoe: “Tena nahasoa ny fisian’ny rahalahy maromaro miara-midinika ny hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.—Ohab. 11:14; 15:22; 24:6.”

Efa tena tsy salama ny Rahalahy Knorr tamin’ny faramparan’ny 1976, nefa mbola anisan’ireo nanome toromarika ihany izy, tamin’ireo fivoriana niaraka tamin’ireo Komitin’ny Sampana sy mpiasan’ny sampana hafa eran-tany. Nivory izy nandritra ny andro, nefa mbola nasainy ho ao amin’ny efitranony ihany ny vitsivitsy tamin’ireo rahalahy, ny takariva. Noho izany, dia afaka niaraka akaiky tamin’ireo rahalahy nahafantatra azy sy tia azy, sady nifandray akaiky taminy nandritra ny taona maro, izy sy Audrey, vadiny. Niharatsy be ny fahasalaman’ny Rahalahy Knorr, taorian’ireny fivoriana ireny, ka maty tamin’ny 8 Jona 1977 izy.

Voafidy ho prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana i Frederick Franz, 83 taona, ny 22 Jona 1977. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Aogositra 1977 momba ny Rahalahy Franz: “Natoky sy nanohana azy ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, satria tena nalaza ho nahay Baiboly sy nazoto niasa ho an’ilay Fanjakana izy.”

Efa nisy zavatra nalamina mba hampandrosoana ny asa koa, nandritra izany fiovana izany.

Fanampiana ara-panahy avy amin’ireo boky ara-baiboly

Nahazo sakafo ara-panahy tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, talohan’ny 1976. Nanao fanadihadiana ny zava-nitranga taorian’izay anefa ny Komitin’ny Fanoratana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana, ka tsikaritra hoe maro kokoa sy isan-karazany kokoa ny ranon’ny fahamarinana nikoriana.

Nahakasika an’ireo Vavolombelona mivantana ny maro tamin’ireo boky. Noheverina manokana ny tanora. Nampiana mba hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly teo amin’ny fiainany izy ireo, ka navoaka tamin’ny 1976 ilay boky hoe Ny Fahatanoranao—Ny Fomba Handraisan-tsoa Be Indrindra avy Amin’izany, narahin’ny Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra, tamin’ny 1989. Navoaka tamin’ny 1978 ilay boky feno sary, natao ho an’ny ankizy, hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Navoaka tamin’io koa ny boky Ny Fomba Hahitana Fiainam-pianakaviana Sambatra, misy torohevitra hanatanjahana ny fianakaviana.

Nisy torohevitra manokana ho an’ny vahoakan’i Jehovah, indraindray, navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Hita tamin’ny tatitra eran-tany 1977-1978, ohatra, fa nihena ny isan’ny mpitory. Nety ho vokatry ny fahadisoam-panantenana nahakasika ny 1975 ve izany? Angamba. Nisy antony hafa koa anefa. Inona no azo natao?

Nohamafisin’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa ilaina ny mazoto mitory ilay Fanjakana isan-trano. Anisan’ny lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jolay 1979 ny hoe “Zotom-po ho An’ny Tranon’i Jehovah”, “Fitoriana eo Amin’ny Tontolo Mpandika Lalàna”, “Nitory Isan-trano Izy Ireo”, ary “Inona no Nolazain’ny Olona Momba ny Fitoriana Isan-trano?” Maro ny lahatsoratra toy ireo, nanamafy fa tena miorina amin’ny Soratra Masina ny fitoriana isan-trano, sady nampirisika ny Vavolombelona mba hazoto handray anjara amin’io asa lehibe io. bAsa. 20:20; Kol. 3:23.

Nisy zavatra hafa nilana fiheverana koa anefa. Nisy tamin’ireo niara-niasa tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny taona maro (nisy nanana andraikitra teo anivon’ny fandaminana) nanandrana nampizarazara ny Vavolombelon’i Jehovah sy nanohitra ny asany, tamin’ny 1980. Nohatanjahina mba hiatrika izany fivadiham-pinona izany ny vahoakan’i Jehovah, ka navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ny lahatsoratra toy ny hoe “Aoka Isika ‘Hiorina Mafy’ Amin’ny Finoana Hatrany” (1 Febroary 1981), “Hampiditra Mangingina Antokom-pivavahana Mitarika ho Amin’ny Fandringanana Izy Ireo” (15 Martsa 1984), ary “Mandava ny Fivadiham-pinoana, Mifikira Amin’ny Fahamarinana!” (1 Oktobra 1983). Nohamafisin’ny boky “Ho Tonga Anie ny Fanjakanao” (1981) koa fa tena efa akaiky ilay Fanjakana, satria efa niorina tany an-danitra tamin’ny 1914. Nanao izay ho afany ny Filan-kevi-pitantanana mba tsy hahavitan’ny mpanohitra hanova ny zava-kendren’ny Vavolombelon’i Jehovah voalohany indrindra, dia ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra!

Ahoana kosa ny amin’ny ilan’ny Vavolombelon’i Jehovah hampitombo ny fahalalany ny fahamarinana ara-baiboly? Navoaka tamin’ny 1984 ny fanavaozana ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, misy fanondroana andininy hafa sy fanamarihana ambany pejy ary fanazavana fanampiny maro be. Naharay fanazavana araka ny toetrandro, momba ny Apokalypsy ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny 1988, tamin’ny alalan’ilay boky hoe Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, sy ilay rakipahalalana momba ny Baiboly, misy boky roa hoe Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay). Navoaka tamin’ny 1991 kosa ilay boky feno sary tsara hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany, izay manazava ny fiainana sy fampianaran’i Jesosy Kristy.

Ary ireo tsy Vavolombelon’i Jehovah? Navoaka tamin’ny 1982 ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany, mba hampianarana ny olona liana. Natao izy io mba hanampiana ny mpianatra ny Baiboly hameno ny fepetra takin’i Jehovah, mba hahazoana ny paradisa eto an-tany. Navoaka tamin’ny 1985 indray ny boky Ny FiainanaAhoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? (frantsay), mba hanampiana ny olona mety hanontany momba ny niandohan’ny fiainana sy ny zava-kendren’izy io. Nanamafy ny finoana kosa ilay boky navoaka tamin’ny 1989 hoe Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?

Nojerena koa ny olona manetry tena mety hila fanampiana manokana vokatry ny kolontsainy na ny fivavahany. Navoaka tamin’ny 1982 ny bokikely 32 pejy hoe Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, mba hampianarana momba ny Fanjakan’i Jehovah an’ireo tsy mahay na zara raha mahay mamaky teny. Nisy 76 000 000 tamin’io bokikely io no natonta tamin’ny 1992, tamin’ny fiteny 200, ka io no voadika tamin’ny fiteny maro indrindra, tamin’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nisy bokikely telo natao manokana hanampiana ny Miozolimanina sy Bodista ary Hindoa, navoaka tamin’ny 1983. Tsara ny mahafantatra ny fampianarana sy tantaran’ny fivavahan’ny olona, mba hahafahana hitory aminy. Natao ho amin’izany indrindra ny boky Mitady An’Andriamanitra ny Olombelona, navoaka tamin’ny 1990.

Tena tian’ny Filan-kevi-pitantanana ny hitoriana amin’ny olona maro araka izay azo atao, dia olona ‘avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra.’ (Apok. 7:9) Natao àry izay handikana ireo boky amin’ny fiteny maro kokoa. Nitombo 42 isan-jato, ohatra, ny isan’ny fiteny nandikana Ny Tilikambo Fiambenana, teo anelanelan’ny 1976 sy 1992. Navoaka tamin’ny fiteny 111 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny Oktobra 1992. Nisy mpandika teny 800 niasa eran-tany, tamin’ny 1992, mba hanafainganana ny fandikan-teny.

Fandaharam-pampianarana tsara sy isan-karazany

Sady nohatsaraina no nasiana karazany ny fampianarana ho an’ny mpiasan’ny foibe sy ny fianakavian’ny Betela eran-tany, teo ambany fitantanan’ny Komitin’ny Fampianarana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana. Mamaky Baiboly sy Diary izy ireo, mandritra ny fotoam-pivavahana maraina. Misy famakafakana ireo toko tao amin’ny Baiboly novakina koa anefa, ary ampiharina amin’ireo manompo ao amin’ny Betela izany. Atao tsy tapaka koa ny tatitra avy amin’ny sampan’asa samihafa eo anivon’ny Betela sy avy amin’ny mpiandraikitra mpitety sampana.

Nisy fampianarana hafa nomanina koa ho an’ireo manana andraikitra eo anivon’ny fandaminana. Natao tamin’ny 1977 ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana naharitra 15 ora, ho an’ny anti-panahy rehetra. (Asa. 20:28) Misy sekoly toy io atao isaky ny taona vitsivitsy, ary mahazo fampiofanana amin’izy io koa ny mpanampy amin’ny fanompoana, nanomboka tamin’ny 1984. Natomboka teto Brooklyn, tamin’ny Desambra 1977, koa ny sekoly manokana ho an’ny Komitin’ny Sampana, maharitra dimy herinandro.

Nojerena manokana ireo mpisava lalana miasa mafy. Notokanana teto Etazonia, tamin’ny Desambra 1977, ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, izay maharitra tapa-bolana, ary natao eran-tany taorian’izay. Nitombo avo dimy heny mahery ny isan’ny mpisava lalana, tao anatin’ireo 14 taona taorian’io, satria 115 389 taloha, nefa lasa 605 610!

Nosokafana tamin’ny faramparan’ny 1987 ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana. Natao izy io mba hampiofanana rahalahy mpitovo, efa anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana, ary vonona hanompo any amin’izay anendrena azy eran-tany. Tamin’ny 1992, dia efa nisy tamin’io sekoly io natao tany Alemaina, Aostralia, Aotrisy, Espaina, Etazonia, Frantsa, Grande-Bretagne, Italia, Meksika, Nizeria, Salvadaoro, ary Soeda. Nihamaro ny lehilahy mahafeno fepetra hanompo ny rahalahiny (fa tsy olona heverina ho ambony eo anivon’ny fiangonana).

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena nalamina tamin’ny toerana voafidy tsara, mba hampandrosoana ny asa fampianarana Baiboly eran-tany, ka tany amin’ny tany andrarana ny Vavolombelon’i Jehovah no natao ny sasany. Nanatanjaka ny rahalahy ireny fivoriambe ireny, sady nampandroso be ny asa fitoriana ny vaovao tsara. c

Trano hikarakarana ny fitomboana

Nandroso haingana ny tenin’i Jehovah, ka nisy fanovana tsy maintsy natao teo amin’ny fanorenana sy fanontam-pirinty, izay andraikitry ny Komitin’ny Fampanontana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana.

Nirotsaka an-tsitrapo ireo Vavolombelona manana traikefa amin’ny fanorenana, ary nalamina ny asany mba hanorenana biraon’ny sampana vaovao sy lehibe kokoa eran-tany. Tany 60 no nanorenana biraon’ny sampana vaovao teo anelanelan’ny 1976 sy 1992. Biraon’ny sampana 30 koa no nitarina. Nampifankatia sy nampiray saina kokoa ny vahoakan’i Jehovah izany, satria nisy mpiasa avy amin’ny fiangonana maro, ary indraindray avy any an-tany hafa. d

Nihamaro ny zavatra atao pirinty amin’ny fiteny maro, ka nisy Vavolombelona za-draharaha amin’ny ordinatera nanamboatra fomba fanomanana pirinty, antsoina hoe MEPS (Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro). Vita tamin’ny 1986 izy io. Niara-nivoaka tamin’ny fiteny 66 àry Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1992. Afaka mandray sakafo ara-panahy mitovy amin’ny fotoana mitovy àry ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah. e

Nitatra hatrany ireo tranon’ny Fikambanana, ka maro ny mpiasa an-tsitrapo nilaina teto Brooklyn sy tany amin’ireo biraon’ny sampana eran-tany. Nisy 4 000 ny mpianakavin’ny Betela eran-tany tamin’ny 1976, fa 12 900 kosa tamin’ny 1992, izany hoe nitombo avo telo heny. Nijery tsara izay nilain’ireo mpiasa an-tsitrapo manontolo andro maro be ireo ny Komitin’ny Mpiasa eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana.

Fikarakarana ny fiangonana sy ny asa fitoriana

Nandroso haingana ny tenin’i Jehovah, ka nifantoka tamin’ny fampaherezana ny fiangonana eran-tany sy ny fanitarana ny asa fitoriana, ny Komitin’ny Fanompoana eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana.

Nisy zavatra maro kokoa azo natao ve mba hanampiana ireo Vavolombelona vaovao natao batisa isan-taona? Nisy tokoa, tamin’ny 1977. Hoy ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana: “Inoanay fa boky roa, fara fahakeliny, no tokony hianarana miaraka amin’ny olona tonga ao amin’ny fahamarinana. ... Tokony hitohy aorian’ny batisa àry ilay fampianarana, mandra-pahavitan’ilay boky faharoa.” Manjary manana fahalalana sy fahatakarana tsara ireo vao vita batisa, ka takany tsara kokoa ny dikan’ny batisany. Manjary mifandray akaiky koa ireo vaovao sy ny Vavolombelona nampianatra Baiboly azy.

Nisy fiangonana 29 000 niforona teo anelanelan’ny 1976 sy 1992, mba hikarakarana an’ireo nirohotra nankao amin’ny fandaminan’i Jehovah. (Mika 4:1) Nihamaro ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra notendren’ny Filan-kevi-pitantanana. Nisy 2 600 izy ireo tamin’ny 1976, nefa 3 900 tamin’ny 1992.

Nitombo ny fiangonana, ka tsy maintsy nilaina koa ny efitrano maro kokoa hivoriana. Nisy fomba haingana kokoa hanorenana Efitrano Fanjakana ve? Nanao fandaharam-panorenana ny Vavolombelon’i Jehovah teto Etazonia, tamin’ireo taona 1970, ka ny mpiasa an-tsitrapo za-draharaha avy amin’ny tanàna akaiky no nasaina hanampy ny Vavolombelona amin’ny tanàna hafa mba hanorina Efitrano Fanjakana. Vita haingana (matetika roa na telo andro) ny efitrano, satria an-jatony no miasa. Natao tany an-tany hafa koa io fomba fanorenana haingana io, nanomboka tamin’ireo taona 1980.

Nisy akony teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny fiovana ara-politika tany Eoropa Atsinanana. Faly tokoa ireo rahalahy tany Alemaina Atsinanana sy Firaisana Sovietika taloha, Hongria, Polonina ary Romania, rehefa nanjary ara-dalàna ny asany, izay efa norarana nandritra ny 40 taona indraindray! Nanjary mora kokoa ny nitory ny vaovao tsara tamin’ny olona 380 000 000! Avy hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah dia nampiasa an’io fahalalahana io mba hitoriana tamin’ny besinimaro.

Inona no vokany? Nandroso haingana ny tenin’i Jehovah! Nisy 106 915, ohatra, ny mpitory tany Polonina, tamin’ny Aprily 1992. Ary mbola be ny fitomboana azo antenaina, satria 214 218 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’io volana io. Nisy 173 473 koa no nanatrika ny Fahatsiarovana tany amin’ireo tanin’ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1992, ka nitombo 60 isan-jato izany, raha oharina amin’ny tamin’ny 1991.

Misy foana anefa ny fanenjehana sy loza araka ny natiora any amin’ny tany sasany. Noraran’ny fanjakana ny asan’ny Vavolombelona tany amin’ny tany 24, tamin’ny 1992. Manao izay ho afany ny Komitin’ny Mpitari-draharaha eo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana, mba hanampiana ny rahalahy eran-tany, sy hampahafantarana azy ireo ny fomba azony anampiana ny rahalahiny tra-pahasahiranana. (Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 12:12-26.) Tsy nampitsahatra ny fitoriana ny tenin’i Jehovah anefa, na ny fanenjehana, na ny loza araka ny natiora!

“Firenena iray ho azy manokana”

Tena nandroso haingana àry ny Tenin’i Jehovah teo anelanelan’ny 1976 sy ny 1992. Nitombo efa ho avo roa heny ny fandaminana, ka 4 470 000 mahery ny mpitory!

Mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fiteny maro noho ny hatramin’izay ny vahoakan’i Jehovah. Mampiasa ny boky aman-gazety ananany izy ireo, ary mampitombo ny fahalalany ny Baiboly sy manampy ny olona liana hianatra azy io. Nandray soa koa izy ireo tamin’ireo fandaharam-pampianarana natao ho an’ireo manana andraikitra eo anivon’ny fandaminana. Tena notahin’i Jehovah ny fitoriana ny Fanjakany.

Nisy lehilahy nandray anjara be tamin’ny fandrosoan’ny asan’ilay Fanjakana, nanomboka tamin’ireo taona 1870 ka mandraka ankehitriny. Anisan’izany i Charles Russell, Joseph Rutherford, Nathan Knorr, ary Frederick Franz sy ny hafa teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana. Tsy nanjary sekta nanaraka an’ireny lehilahy ireny mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. “I Kristy” ihany no mpitarika azy ireo. (Matio 23:10) Izy no Lohan’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria izy no ‘nomena ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany’, sady mitarika ilay asa “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” (Matio 28:18-20) Tapa-kevitra hanaiky ny fitarihan’i Kristy ny Vavolombelona, ary hanaraka akaiky ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitarihan’ny fanahy masina, mba hahafahany handroso eo amin’ny fivavahany amin’ilay hany Andriamanitra marina, sy hanaporofo fa “firenena iray ho azy manokana [izy ireo], dia firenena mazoto amin’ny asa tsara.”—Tit. 2:14.

Inona anefa no anisan’ny foto-pampianarana sy fitsipi-pitondran-tena mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fivavahana hafa? Ahoana no nahatonga azy ireo hantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah? Ahoana no anohanana ara-bola ny asany? Nahoana izy ireo no tsy miaraka mihitsy amin’ny fivavahana hafa sy izao tontolo izao amin’ny ankapobeny? Nahoana izy ireo no lasibatry ny fanenjehana faran’izay mafy any amin’ny tany maro? Hovaliana ao amin’ireo toko manaraka, ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Toko 15 hoe “Fivoaran’ny Rafitry ny Fandaminana.”

b Nitombo 33 isan-jato ny mpitory tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 1985, ary nitombo 47,9 isan-jato kosa tamin’ny 1985 ka hatramin’ny 1992.

c Jereo ny Toko 17 hoe “Porofon’ny Firahalahiantsika Ireo Fivoriambe.”

d Jereo ny Toko 20 hoe “Fiaraha-manorina Eran-tany.”

e Jereo ny Toko 26 hoe “Famokarana Boky Ara-baiboly mba Hampiasaina Amin’ny Fanompoana.”

[Teny notsongaina, pejy 117]

Tsy sekta manaraka olona

[Efajoro/Tabilao, pejy 110]

Nitombo 42 isan-jato ny isan’ny fiteny namoahana “Ny Tilikambo Fiambenana” teo anelanelan’ny 1976 sy 1992

[Tabilao]

(Jereo ny boky)

111

 

78

 

1976 1992

[Efajoro, pejy 111]

Mombamomba An’i F. Franz

Teraka tany Covington, Kentucky, Etazonia, tamin’ny 12 Septambra 1893, i Frederick William Franz. Nifindra tany Cincinnati ny fianakaviany tamin’ny 1899, ka nahazo diplaoma tamin’ny lise tany i Frederick, tamin’ny 1911. Nianatra zavakanto tao amin’ny Oniversiten’i Cincinnati izy taorian’izay. Te ho tonga pasitera presbyterianina izy, ka nianatra mafy ny teny grika ampiasain’ny Baiboly. Nahazo vatsim-pianarana avy amin’ny fikambanana Rhodes i Frederick, tany amin’ny oniversite, ka nanjary afaka nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Oxford, any Angletera. Tsy nahaliana azy indray anefa izany, ka nangatahiny mba hesorina tamin’ny anaran’ireo mpifaninana ny anarany.

Nandefasan’i Albert, rahalahiny, bokikely avy tamin’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena izy. Nomen’i Albert azy taorian’izay koa ny boky telo voalohany tamin’ny “Fianarana ny Soratra Masina.” Nahafinaritra an’i Frederick ny zavatra nianarany, ary tapa-kevitra ny tsy hiaraka intsony tamin’ny Fiangonana Presbyterianina izy, fa hiaraka kosa tamin’ny fiangonan’ireo Mpianatra ny Baiboly. Natao batisa tamin’ny 30 Novambra 1913 izy. Niala tany amin’ny oniversite izy tamin’ny Mey 1914, ary niezaka ny ho tonga mpisava lalana avy hatrany.

Lasa anisan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn izy tamin’ny Jona 1920. Voafidy ho prezidàn’ny Fikambanana kosa ny Rahalahy Franz, tamin’ny Jona 1977, rehefa maty i N. Knorr. Nanompo tamim-pahatokiana tamin’ny naha anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy, mandra-pahafatiny tamin’ny 22 Desambra 1992, teo amin’ny faha-99 taonany.

[Tabilao, pejy 112]

(Jereo ny boky)

Mitombo ny Isan’ny Mpisava Lalana

1992

600 000

400 000

1986

200 000

1981

1976

[Tabilao, pejy 113]

(Jereo ny boky)

Mitombo ny Isan’ny Mpianakavin’ny Betela

1992

12 000

9 000

1986

6 000

1981

1976

3 000

[Tabilao, pejy 114]

(Jereo ny boky)

Mitombo ny Isan’ny Fiangonana

80 000

1992

60 000

1986

1981

1976

40 000

20 000

[Tabilao, pejy 115]

(Jereo ny boky)

Mitombo ny Isan’ny Mpitory Ilay Fanjakana

1992

4 000 000

1986

3 000 000

1981

1976

2 000 000

1 000 000

[Sary, pejy 109]

Komity, sahala amin’ireto any Nizeria ireto, no miandraikitra ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana tsirairay

[Sary, pejy 116]

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah Janoary 1992

Carey Barber

John Barr

Lloyd Barry

John Booth

Frederick Franz

George Gangas

Milton Henschel

Theodore Jaracz

Karl Klein

Albert Schroeder

Lyman Swingle

Daniel Sydlik