Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Mitsahatra Mitory ny Vaovao Tsara (1942-1975)

Tsy Mitsahatra Mitory ny Vaovao Tsara (1942-1975)

Toko 8

Tsy Mitsahatra Mitory ny Vaovao Tsara (1942-1975)

“HO AN’NY REHETRA TIA NY FAHAMARINANA:

Maty tamim-pahatokiana tamin’ny 8 Janoary 1942 i J. Rutherford, rahalahy malalantsika ... Faly sy sambatra izy nahita sy nahafantatra fa tsy olona no arahin’ny vavolombelon’ny Tompo, fa i Kristy Jesosy Mpanjaka sy Mpitarika, ary hanohy ny asa amim-piraisan-tsaina tanteraka izy ireo.” —Filazana ny nahafatesan’ny Rahalahy Rutherford. a

TAITRA kely ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, rehefa nandre hoe maty ny Rahalahy Rutherford. Fantatry ny maro fa narary izy, saingy tsy nampoiziny ho faty vetivety. Nalahelo izy ireo noho ny nahafatesan’io rahalahy malala io, nefa tapa-kevitra koa ny “hanohy ny asa” fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy noheverin’izy ireo ho mpitarika azy i J. Rutherford. Nilaza toy izao i Charles Wagner, niasa tao amin’ny biraon’ny Rahalahy Rutherford: “Nino mafy ny rahalahy rehetra fa tsy niankina tamin’ny olona iray ny asan’i Jehovah.” Nila olona hisolo ny Rahalahy Rutherford anefa, mba ho prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.

“Tapa-kevitra ny hitoetra ho akaikin’ny Tompo”

Tena tian’ny Rahalahy Rutherford tsy hitsahatra hitory ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasainy hiara-mivory taminy àry ny efatra tamin’ireo mpitantana ny fikambanana ara-dalàna roa, tamin’ny tapaky ny Desambra 1941. Noresahiny fa tsara ny hivorian’ireo filan-kevi-pitondrana roa, haingana indrindra aorian’ny hahafatesany, mba hifidianana prezidà sy ny lefiny.

Nivory teto amin’ny Betelan’i Brooklyn àry ny filan-kevi-pitondran’ireo fikambanana roa, ny harivan’ny 13 Janoary 1942 (dimy andro taorian’ny nahafatesan’i Rutherford). Efa nilaza i Nathan Knorr, prezidà lefitry ny fikambanana (36 taona tamin’izay), andro vitsivitsy talohan’io, fa tokony hivavaka sy hisaintsaina izy ireo mba hahazoana ny fahendren’Andriamanitra. Takatr’ireo filan-kevi-pitondrana fa na dia hitantana ny raharahan’ny Fikambanana eo amin’ny resaka ara-dalàna aza ilay prezidà, dia izy koa no hiandraikitra voalohany ny fandaminan’i Jehovah. Iza no hahafeno fepetra ara-panahy ho amin’izany andraikitra mavesatra izany? Natomboka tamin’ny vavaka ilay fivoriana, ary rehefa nandinika tsara ireo mpivory, dia ny Rahalahy Knorr no nofidin’ny rehetra ho prezidàn’ireo fikambanana roa, ary i Hayden Covington, 30 taona, izay mpisolovavan’ny Fikambanana kosa, no prezidà lefitra. b

Tamin’io andro io ihany dia nambaran’i W. Van Amburgh, mpitan-tsoratra sady mpitam-bolan’ny Fikambanana, tamin’ny fianakavian’ny Betela ny vokatr’ilay fifidianana. Notantarain’i R. Abrahamson, izay nanatrika teo tamin’izay, izao tenin’i Van Amburgh izao: ‘Tsaroako rehefa maty i C. Russell ka nodimbiasan’i J. Rutherford. Nitarika sy nampandroso ny asany foana ny Tompo. Mbola inoako koa ankehitriny fa handroso foana ny asa, rehefa i Nathan Knorr no prezidà, satria asan’ny Tompo io, fa tsy an’olona.’

Ahoana hoy ny fianakavian’ny Betela, momba ilay voka-pifidianana? Nanoratra taratasy nampihetsi-po izy ireo ny 14 Janoary 1942, mba hilazany toy izao: “Tsy tokony hampihena ny asa nomen’ny Tompo antsika ny [fahafatesan’i Rutherford]. Tapa-kevitra ny hitoetra ho akaikin’ny Tompo sy hifandray akaiky izahay, ary handroso amin’ilay ady, sady hiara-miady hatrany. ... Efa niaraka be tamin’ny Rahalahy Knorr nandritra ny roapolo taona latsaka izahay ... ka hitanay ny fitarihan’ny Tompo tamin’ny fifidianana azy ho prezidà, ary midika izany fa tia sy miahy ny vahoakany ny Tompo.” Maro ny taratasy sy telegrafy voaray, nilaza ny fanekena an’ilay voka-pifidianana.

Fantatra tsara ny zavatra tokony hatao. Nisy lahatsoratra manokana nomanina mba havoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Febroary 1942, izay nanambara ny fahafatesan’i J. Rutherford koa. “Mandeha ilay fanangonana farany ataon’ny Tompo”, hoy izy io. “Aoka tsy hisy mihitsy antony hampiato ny fandrosoan’ny asa ataon’ilay vahoaka nanaovany fanekena. ... Ny ZAVA-DEHIBE INDRINDRA izao dia ny tsy hivadihantsika amin’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony.” Nampirisihina hazoto hitory ny vaovao tsara hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah.

Sarotra be anefa ny ‘tsy hivadika’ tamin’ny fiandohan’ireo taona 1940. Tao anatin’ny ady izao tontolo izao. Sarotra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny nitory, noho ireo fandrarana vokatry ny ady, tany amin’ny firenena maro. Nitohy foana ny fisamborana sy rotaka namelezana ny Vavolombelona. Nitarika ny ady tany amin’ny fitsarana i Hayden Covington, mpanolo-tsaina momba ny lalàna teo anivon’ny Fikambanana. Niasa teto amin’ny foibe teto Brooklyn izy indraindray, ary teny ambony fiarandalamby kosa indraindray, rehefa nikarakara raharaham-pitsarana. Niaraka tamin’ireo mpahay lalàna tany amin’ny toerana samihafa ny Rahalahy Covington, ka anisan’izany i Victor Schmidt, Grover Powell, ary Victor Blackwell. Niady mafy izy ireo mba hanamafisana fa zon’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny lalàm-panorenana, ny mitory isan-trano sy mizara boky ara-baiboly, nefa tsy hosakanan’ny manam-pahefana. c

Fampitana ilay baiko hoe “tohizo”

Noferana ny sakafo sy solika nandritra ny ady, tamin’ny fiandohan’ny Martsa 1942. Nambara anefa ny fikasana hanao ny Fivoriamben’ny Tontolo Vaovao, ny 18-20 Septambra. Nisy toerana 52 teto Etazonia nofidina hanaovana fivoriambe, mba hanamora ny fanaovana dia. Maro tamin’izy ireny no nampifandraisina an-telefaonina tamin’i Cleveland, Ohio, izay foiben’ilay fivoriambe. Nisy fivoriambe 33 hafa nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany koa tamin’io. Inona no nokendrena tamin’izany?

Hoy ny Rahalahy Covington, mpitari-draharahan’ilay fivoriambe: ‘Tsy ny hitodika ny lasa na ny zavatra nataon’ny tsirairay no hataontsika eto.’ Nampidiriny avy eo ny Rahalahy Franz, hanao an’ilay lahateny fototra hoe “Ilay Hany Fahazavana”, niorina tamin’ny Isaia toko 59 sy 60. Niresaka momba ny didy ara-paminanian’i Jehovah ao amin’ny Isaia ilay mpandahateny, sady nilaza hoe: “Io àry ilay baiko hoe ‘tohizo’, avy amin’ilay Manam-pahefana Ambony Indrindra, mba hanohy hatrany ny [asany] fitoriana, na inona na inona hitranga alohan’ny Hara-magedona.” (Isaia 6:1-12) Tsy fotoana hakana aina tamin’izay.

“Misy asa be dia be mbola tokony hatao!”, hoy i N. Knorr, tamin’ilay lahateny nanaraka. Mba hanampiana ny mpihaino hanaraka an’ilay hoe ‘tohizo’, dia nambaran’ny Rahalahy Knorr ny fivoahan’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, natao pirinty teo amin’ny fitaovan’ny Fikambanana. Nasiana fizahan-teny izy io, mba hampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah eny am-pitoriana. Nasehon’izany fa tena tian’ny Rahalahy Knorr ny nanao pirinty sy nizara Baiboly. Vao lasa prezidàn’ny Fikambanana tokoa izy, dia niezaka haingana naka ny zo hanao pirinty an’io dikan-teny io, sy nandrindra ny fanomanana ny fizahan-teny sy ny lafiny hafa tamin’izy io. Volana vitsivitsy dia efa vonona ny havoaka tamin’ny fivoriambe io fanontana manokana ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques io.

Tamin’ny andro faran’ilay fivoriambe no nanao an’ilay lahateny hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?” ny Rahalahy Knorr. Nasehony ny porofo mazava avy amin’ny Apokalypsy 17:8 fa tsy hitarika ho amin’ny Hara-magedona, araka ny hevitry ny sasany, ilay Ady Lehibe II, fa ho tapitra kosa, ary hisy fiadanana avy eo. Mbola be ny asa fitoriana tokony hatao. Nolazaina tamin’ireo mpanatrika fa efa omanina ny fitomboan’ny fandaminana, ka hanomboka handefa “mpanompon’ny rahalahy” ny Fikambanana, iray volana aorian’io, mba hiara-miasa amin’ny fiangonana tsirairay sy hitsidika azy isaky ny enim-bolana.

“Nampifamatotra ny vahoakan’i Jehovah mba hanao ilay asa miandry azy io Fivoriamben’ny Tontolo Vaovao io”, hoy i Marie Gibbard, izay nanatrika azy io tany Dallas, Texas, niaraka tamin’ny ray aman-dreniny. Maro tokoa ny asa tokony hatao. Niandrandra an’ilay fiadanana ho avy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tapa-kevitra ny tsy hitsahatra hitory izy ireo, na nisy fanoherana sy fanenjehana aza!

Fotoana nitomboan’ny fampianarana

Efa nampiasa karatra fitoriana sy grafofaonina ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nitory isan-trano. Afaka nanatsara ny fahaizany manazava ny antony ara-baiboly iorenan’ny fanantenany ve anefa izy ireo? ‘Eny’, hoy i N. Knorr, prezidà fahatelon’ny Fikambanana. Nilaza toy izao i James Woodworth (ny rainy dia mpanoratra tao amin’ny Fotoam-pahasambarana sy Fampiononana, nandritra ny taona maro): “Nantitranterina tamin’ny andron’ny Rahalahy Rutherford fa ‘Fandrika sy Fanambakana ny Fivavahana.’ Nanomboka izao kosa ny fotoana fanitarana sy fampianarana momba ny Baiboly sy ny fandaminana, ary betsaka noho ny hitan’ny vahoakan’i Jehovah hatramin’izay izany.”

Saika nanomboka avy hatrany ny fotoana fampianarana. Nisy fampandrenesana lehibe natao teto amin’ny Betelan’i Brooklyn, ny 9 Febroary 1942, izany hoe iray volana taorian’ny naha lany an’i N. Knorr ho prezidàn’ny Fikambanana. Hatomboka teto amin’ny Betela ny Fianarana ny Fanompoana Kristianina. Sekoly nampiseho fikarohana ara-baiboly sy fahaiza-miteny ampahibemaso izy io.

Vonona ny hatomboka tany amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah io sekoly io, herintaona taorian’izay. Navoaka tamin’ilay fivoriambe hoe “Antso ho Amin’ny Asa”, natao ny 17 sy 18 Aprily 1943, ilay bokikely hoe Fianarana ny Fanompoana Kristianina. Nampirisihina hanomboka an’ilay sekoly vaovao ny fiangonana rehetra, ary nanendry mpitarika azy io ny Fikambanana, mba hanome torohevitra tsara momba ireo lahateny nataon’ny mpianatra lehilahy. Nadika haingana ho amin’ny fiteny hafa ilay bokikely ho an’ny sekoly, ary nampiasaina tany an-tany hafa.

Rahalahy maro nampiofanina tamin’io sekoly io àry no nanjary mpandahateny nahay, ary nandray anjara tamin’ny lahateny ho an’ny besinimaro natao eran-tany, mba hitoriana momba ilay Fanjakana. Maro tamin’izy ireo no nanjary afaka nampiasa tsara ny fampiofanana azony, ka nandaha-teny tamin’ny fivoriambe, sy niantsoroka andraikitra mavesatra teo anivon’ny fandaminana.

Anisan’ireny i Angelo Manera, zanany, izay mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 40 taona. Anisan’ireo voalohany nisoratra anarana teo anivon’ny fiangonana izy, ary nilaza hoe: “Efa nivory sy nitory nandritra ny taona maro talohan’io sekoly io ny sasany taminay, ka noraisinay ho dingana lehibe hahafahanay handroso eo anivon’ny fandaminana izy io.”

Nampiofanina tamin’io sekoly notokanana teto amin’ny Betelan’i Brooklyn tamin’ny 1942 io i George Gangas, izay mpandika teny grika tamin’izany. Hoy izy: “Tadidiko tamin’izaho voalohany nanao lahateny enina minitra. Tsy natoky tena aho, ka nosoratako daholo izay holazaiko. Natahotra anefa aho rehefa hanao an’ilay izy, ka niakanakana aho, sady tsy hitako izay holazaina. Novakiko fotsiny indray izay nosoratako. Nangovitra be koa anefa ny tanako, ka tsy hitako tsara izay andalana hovakiko!” Tsy kivy anefa izy. Nanao lahateny tamin’ny fivoriambe lehibe izy tatỳ aoriana, ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy.

Sekoly naorina tamin’ny finoana

Nanao dingan-dava koa ilay fitomboan’ny fampianarana, tamin’ny 24 Septambra 1942. Niara-nivory ireo fikambanana ara-dalàna roa, ary naroson’ny Rahalahy Knorr tamin’izay hoe tokony hanangana sekoly hafa ny Fikambanana, ka hampiasaina amin’izany ny Toeram-piompiana sy Fambolen’ilay Fanjakana, tany South Lansing, tokony ho 410 kilaometatra tany avaratrandrefan’i New York. Ny hampiofana misionera no zava-kendren’io sekoly io, mba hanomana azy ireo hanompo any amin’ny tany mila mpitory maro kokoa. Neken’ny rehetra ilay soso-kevitra.

Notendrena ho mpitan-tsoratr’ilay sekoly sady mpitari-draharahan’ilay komity hanangana azy io i Albert Schroeder, izay 31 taona tamin’izany. “Tena nibitaky ny hafaliana izahay tamin’io fanendrena vaovao io!”, hoy izy. Niasa avy hatrany ireo mpampianatra, satria efa-bolana monja no hanomanany an’ilay fianarana sy ny lahateniny ary hanangonany ny boky ilaina. “Naharitra dimy volana io sekoly ho an’ny Kristianina mandroso io, ka ny Baiboly no boky fianarana voalohany”, hoy ny Rahalahy Schroeder, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny.

Natomboka ny alatsinainy 1 Febroary 1943, tao anatin’ny andro nangatsiaka, ny kilasy voalohany, nisy mpianatra 100. Naorina tamin’ny finoana tokoa izy io, satria vitsy ny toerana azo nandefasana misionera, tao anatin’ny Ady Lehibe II. Nampiofanina anefa ireo misionera, satria ninoana fa hisy fotoam-piadanana ho azo iasana aorian’izay.

Fandaminana indray taorian’ny ady

Tapitra tamin’ny Mey 1945 ilay ady tany Eoropa, ary tamin’ny Septambra 1945 kosa ny tany Pasifika. Nifarana ny Ady Lehibe II. Nanan-kery ny Sata Mifehy ny Firenena Mikambana, nanomboka ny 24 Oktobra 1945, izany hoe telo taona mahery kely taorian’ny nanaovan’i N. Knorr an’ilay lahateny hoe “Haharitra ve Ilay Fiadanana?”

Nanomboka re sahady tany ivelan’i Eoropa ny vokatry ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga ireo rahalahy sy anabavy naneran-tany, fa tonga hatrany anatin’i Eoropa ny fitoriana ilay Fanjakana, na teo aza ny ady. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jolay 1945: “Nisy mpitory 400 tany Frantsa tamin’ny 1940, fa 1 100 kosa izy izao. ... Nisy mpitory 800 tany Holandy tamin’ny 1940. Nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina ny 400 tamin’ireo. Nitory momba ilay Fanjakana kosa ireo tsy lasa tany. Inona no vokany? Misy mpitory ilay Fanjakana 2 000 any izao.” Efa be kokoa izao ny fahalalahana, ka azo atao ny mitory ny vaovao tsara bebe kokoa, tsy any Eoropa ihany fa eran-tany koa. Nilaina anefa aloha ny fanorenana sy fandaminana indray.

Te hahita ny zavatra nilain’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo tany ravan’ny ady ny prezidàn’ny Fikambanana sy Milton Henschel, mpitan-tsorany. Niainga àry izy ireo tamin’ny Novambra 1945, mba ho any Grande-Bretagne, Frantsa, Soisa, Belzika, Holandy, ary Skandinavia. Ny anton-diany dia ny hampahery an’ireo rahalahy sy hijery ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana mba hahafahana handamina indray ny asa. d Natao izay handefasana boky sy sakafo ary fitafiana ho an’ireo rahalahy nila izany. Nalamina indray ny biraon’ny sampana.

Takatry ny Rahalahy Knorr fa nilaina ny nandamina tsara ny sampana mba hanarahana ny fandrosoan’ny asa fitoriana. Nampiasaina tsara ny fahaizany mandamin-javatra, mba hanitarana ny tranon’ny sampana eran-tany. Nisy 25 ny biraon’ny sampana tamin’ny 1942, rehefa lasa prezidà izy. Nisy 57 anefa izy ireo, tamin’ny 1946, na dia teo aza ny Ady Lehibe II. Nitombo ho 97 ny sampana, hatramin’ny 1976.

Ampy fitaovana mba ho mpampianatra

Hitan’ny prezidàn’ny Fikambanana, tamin’ireo dia nataony taorian’ny ady, fa nila fitaovana bebe kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Nila fampianarana Baiboly bebe kokoa, sy fitaovana hampiasaina amin’ny fanompoana izy ireo. Nomena haingana taorian’ny ady izany.

Nanao an’ilay lahateny hoe “Ampy Fitaovana Hanao ny Asa Tsara Rehetra” ny Rahalahy Knorr, tamin’ilay Fivoriambe “Firenena Falifaly”, natao tany Cleveland, Ohio, ny 4-11 Aogositra 1946. Nanitikitika ny sain’ny mpanatrika ilay fanontaniany hoe: “Tsy ho tena hanampy antsika ve ny hahazo fanazavana momba ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly? Tsy ho takatsika tsara kokoa ve ny Soratra Masina raha fantatsika hoe iza ny mpanoratra ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly, ary oviana sy taiza izy io no nosoratana?” Niandry daholo ny rehetra, rehefa nanambara izy hoe: “Ry rahalahy, misy izany fanazavana izany sy ny maro hafa koa, ato amin’ity boky vaovao hoe ‘Ampy Fitaovana Hanao ny Asa Tsara Rehetra’ ity!” Nirefodrefotra ny tehaka. Hatao boky fianarana amin’ny sekolin’ny fanompoana eny anivon’ny fiangonana ilay izy.

Nahazo fitaovana hampitomboany ny fahalalany ny Soratra Masina ny Vavolombelon’i Jehovah, sady nahazo fanampiana hampiasaina eny am-pitoriana. Hotsaroana foana ny fivoriambe tamin’ny 1946, satria tamin’io no nivoaka voalohany ny Mifohaza! Io no solon’ny Fampiononana (Fotoam-pahasambarana taloha). Navoaka tamin’io koa ilay boky hoe “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina.” e Hoy i Henry Cantwell, izay lasa mpiandraikitra mpitety faritany tatỳ aoriana: “Tena efa nilainay tokoa ny boky azo nampiasaina hitarihana fampianarana Baiboly tamin’ny olona liana, sy nanazava ny fampianarana sy fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly. Azonay izay nilainay rehefa nivoaka ilay ‘Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina.’ ”

Nanantena fitomboana be ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nahazo ireny fitaovana sarobidy ireny. Nanao an’ilay lahateny hoe “Ny Olana Momba ny Fanorenana Indray sy Fanitarana” ny Rahalahy Knorr, ka nilaza fa tsy nitsahatra ny asa fitoriana nandritra ny ady lehibe. Niampy 110 000 ny mpitory ilay Fanjakana, nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1946. Nitombo ny boky ara-baiboly nilaina, ka nihevitra ny hanitatra ny fanontam-pirinty sy ny Betela teto Brooklyn ny Fikambanana.

Tonga ilay fotoam-piadanana nandrasana. Nandroso koa ilay fanitarana sy fampianarana Baiboly eran-tany. Nahazo fitaovana ho mpampianatra ny vaovao tsara ny Vavolombelon’i Jehovah, taorian’ilay Fivoriambe “Firenena Falifaly.”

Nandroso be ny fitoriana ilay Fanjakana

Nanomboka nanao dia 76 916 kilaometatra ny prezidàn’ny Fikambanana sy Milton Henschel, mpitan-tsorany, tamin’ny 6 Febroary 1947, ho fitsinjovana an’ilay fitomboana. Nandalovan’izy mirahalahy ny nosin’i Pasifika, Nouvelle-Zélande, Aostralia, Azia Atsimoatsinanana, Inde, Moyen-Orient, faritr’i Mediterane, Eoropa Afovoany sy Andrefana, Skandinavia sy Angletera ary Terre-Neuve. Voalohany tamin’izay, taorian’ny 1933, no nisy solontenan’ny foiben’ny Fikambanana avy teto Brooklyn afaka nitsidika an’ireo rahalahy tany Alemaina. Nanaraka an’ireo mpanao dia ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, satria nolazaina tao amin’ireo nomeraon’ny Tilikambo Fiambenana 1947 ny momba ny dian’izy ireo. f

“Vao voalohany izahay no nahafantatra an’ireo rahalahy tany Azia sy tany an-toeran-kafa, ary nahita ny zavatra nilaina”, hoy ny Rahalahy Henschel, anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. “Nieritreritra handefa misionera izahay, ka tsy maintsy namantatra ny toerana handefasana azy sy ny zavatra hilainy.” Nisy misionera nampiofanina tao amin’ny Gileada, nalefa tsy tapaka tany an-tany hafa, taorian’izay, mba hampitombo ny asa fitoriana. Tsara be ny vokatra. Dimy taona monja (1947-1952), dia nitombo avo roa heny mahery ny isan’ny mpitory eran-tany, satria lasa 456 265 ireo 207 552.

Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra

Nanafika ny Repoblikan’i Korea tany atsimo ny miaramilan’ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan’i Korea, ny 25 Jona 1950. Nisy tafika avy any amin’ny firenena 16 hafa nalefa tany avy eo. Niditra tsikelikely tamin’ilay ady ireo firenen-dehibe. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa niomana hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena, izay hampiseho hoe miray saina izy ireo eran-tany, sady nomen’i Jehovah fitomboana.—Isaia 60:22.

Ny 30 Jolay–6 Aogositra 1950 no hatao ny Fivoriambe “Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra.” Io no fivoriambe lehibe indrindra, nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny toerana iray hatramin’izay. Nisy solontena 10 000 avy amin’ny firenena 67 any Eoropa, Afrika, Azia sy Amerika Latinina, ary Pasifika, nanatrika tao amin’ny Yankee Stadium, teto New York. Tena hita be ny fitomboana, satria 123 000 no nanatrika ny lahateny ho an’ny besinimaro (80 000 ny mpanatrika tamin’ny Fivoriambe “Firenena Falifaly”, natao efa-taona talohan’io).

Ny fanontana sy fizarana ny Tenin’Andriamanitra no anisan’ny antony nampitombo ny Vavolombelon’i Jehovah. Niavaka tamin’izany ny 2 Aogositra 1950, rehefa nambaran’ny Rahalahy Knorr ny fivoahan’ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny anglisy. Nientam-po ireo mpanatrika, rehefa nahafantatra fa namerina ny anaran’i Jehovah teo amin’ny toerana 237 io fandikan-teny io, manomboka amin’ny Matio ka hatramin’ny Apokalypsy! Nanao izao antso izao ilay mpandahateny, teo am-pamaranana: “Raiso io fandikan-teny io. Vakio. Ianaro, satria hanampy anao hahatakatra kokoa ny Tenin’Andriamanitra. Omeo koa ny olon-kafa.” Navoaka tsikelikely nandritra ireo taona taorian’io ny boky hafa ao amin’ny Baiboly, mba hananan’ny Vavolombelon’i Jehovah Baiboly marina sy mora vakina, amin’ny farany, ka ho azony atolotra amin-kafanam-po ho an’ny olona.

Talohan’ny hodiany, dia nasaina ireo solontena mba hitsidika ny Betela teo amin’ny 124 Columbia Heights sy ny fanontam-pirinty nohalehibeazina, teo amin’ny 117 Adams Streets. Vola fanomezana avy amin’ny Vavolombelona eran-tany no nanorenana ireo trano vaovao ireo, ka nampiasaina izany mba hamitana ilay fanitarana lehibe nambara sy nekena tamin’ilay fivoriambe tany Cleveland, tamin’ny 1946. Tsy nampoizin’ireo Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fa mbola ho be lavitra ny fanitarana, tsy teto Brooklyn ihany, fa eran-tany koa. Hilaina ny fanontam-pirinty maro sy lehibe kokoa, mba hikarakarana ireo mpitory nihamaro hatrany.

Fampiofanana be kokoa teo amin’ny fitoriana isan-trano

Navoaka tamin’ny Fivoriambe “Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao”, natao teto New York tamin’ny 19-26 Jolay 1953, ny boky vaovao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, sy natao hampiasainy hitoriana isan-trano. Nirefodrefotra, ohatra, ny tehaka nandraisan’ireo mpanatrika 125 040 an’ilay boky 416 pejy hoe “Fantaro Tsara ny Zava-drehetra”, ny alatsinainy 20 Jolay. Misy foto-kevitra 70 io boky fanao am-paosy io, ary miresaka andinin-teny 4 500 mahery. Nanana valiny ara-baiboly, ho an’ireo fanontaniana apetraky ny olona itoriany, izao ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanao ny lahateny hoe “Asa Lehibe Indrindra Ataon’ny Mpanompo” ny Rahalahy Knorr ny alarobia maraina. Nolazainy tamin’izany ny dingana iray teo amin’ny fampianarana mitohy ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny fandaharam-piofanana ho amin’ny fitoriana isan-trano, hataon’ny fiangonana rehetra. Nasaina ny mpitory za-draharaha hanampy ny tsy za-draharaha, mba tsy ho tapatapaka sy hahita vokatra. Natao nanomboka ny 1 Septambra 1953 izany, ary nisy vokany naharitra. Hoy i Jesse Cantwell, mpiandraikitra mpitety faritany nandray anjara tamin’ilay fampiofanana: “Tena nanampy ny mpitory hahita vokatra kokoa io fandaharana io.”

Namboarina io fivoriambe io, ka natao tany amin’ny kontinanta dimy, taorian’ny Jolay 1953. Natomboka tamin’izay àry ilay fampiofanana lehibe teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Nisy 519 982 ny mpitory tamin’io taona io.

Fikarakarana ilay fitomboana eran-tany

Nisy fandaharana hafa koa natao tany antenatenan’ireo taona 1950, mba hikarakarana ilay fitomboan’ny fandaminana haingana. Efa folo taona mahery i N. Knorr no nitety an’izao tontolo izao mba hitsidika an’ireo sampana. Voara-maso tsara ny asa isaky ny tany tamin’izany, ary niray saina hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Tena tian’ny Rahalahy Knorr ny misionera sy ireo nanompo tao amin’ny sampana eran-tany. Naka fotoana niresahana tamin’izy ireo foana izy, mba hamantarana ny zava-nanahirana azy sy izay nilainy, ary mba hampaherezana azy tamin’ny fanompoana. Nisy 77 anefa ny sampan’ny Fikambanana tamin’ny 1955, ary 1 814 ireo misionera nanompo tany amin’ny tany 100. Takatry ny Rahalahy Knorr fa tsy ho vitany irery ny hitsidika izany, ka nanasa olon-kafa hanao ilay fitsidihana koa izy.

Nozaraina ho faritra folo ny tany, ka nisy sampana maromaro ny tsirairay tamin’ireo. Nampiofanin’ny Rahalahy Knorr ny rahalahy nahay avy teto Brooklyn sy mpiandraikitra sampana nahay, mba hotendrena ho mpiandraikitra mpitety sampana. Tamin’ny 1 Janoary 1956 no niasa voalohany ireo mpiandraikitra mpitety sampana ireo. Nisy 30 ireo mpiandraikitra mpitety sampana, tamin’ny 1992, ka anisan’izany ireo ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana.

Fampianarana ny sitrapon’Andriamanitra

Nandrahona an’i Moyen-Orient ny ady tany antenatenan’ny 1958. Henjana ny fifandraisana iraisam-pirenena, nefa niomana hanatrika fivoriambe iraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hampianarana azy ireo ny amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Io koa no nanjary ny fivoriambe lehibe indrindra natrehin’izy ireo tao amin’ny tanàna iray.

Nisy 253 922 ny mpanatrika avy amin’ny tany 123, tonga tao amin’ny Yankee Stadium sy Polo Grounds, teto New York, nanatrika ny Fivoriambe “Ny Sitrapon’Andriamanitra”, ny 27 Jolay–3 Aogositra. “Feno Vavolombelon’i Jehovah Ilay Kianja”, hoy ny gazety Vaovao Isan’andro, teto New York, tamin’ny 26 Jolay 1958. “Nampiasaina hitatitra an’ireo mpivavaka ny fiarandalamby manokana valo, bisy 500 nohofana ary fiara 18 000, ankoatra ireo sambo roa sy fiaramanidina 65 nohofana.”

Efa nampahafantarin’ireo misionera tamin’ny foiben’ny Fikambanana ny zava-manahirana azy eo amin’ny fampianarana ny fahamarinana amin’ireo tsy mahay ny finoana sy fampianaran’ny Kristianisma Anarana. Ho tian’izy ireo ny hanana boky hiresaka ireo fampianarana marina ara-baiboly, nefa mora vakina sy mora azo! Faly ireo mpanatrika 145 488 ny alakamisy 31 Jolay hariva, rehefa nambaran’ny Rahalahy Knorr ny fivoahan’ny boky Eo Amin’ny Paradisa Very ka Hatreo Amin’ny Paradisa Azo Indray.

Nampirisihin’ny Rahalahy Knorr ny rehetra mba hampiasa ilay boky vaovao eny am-pitoriana, ary nampirisihiny ny ray aman-dreny mba hampianatra ny fahamarinana ny zanany, amin’ny alalan’izy io. Nanaraka izany ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny. Hoy i Grace Estep, mpampianatra nihalehibe tany amin’ny tanàna kely akaikin’i Pittsburgh, Pennsylvanie: “Maro ireo ankizy nitovy taona no notezaina tamin’ny boky Paradisa. Nentiny tany am-pivoriana izy io, noresahiny tamin’ny mpiara-milalao taminy, ka hainy ny nilaza ireo tantara ara-baiboly, avy tamin’ireo sary fotsiny, na dia mbola tsy nahay namaky teny aza izy.”

Nisy ventin-kanina ho an’ny mpianatra ny Tenin’Andriamanitra koa navoaka tamin’io. Nientam-po ny mpanatrika, tamin’ny faran’ny lahatenin’ny Rahalahy Knorr hoe “Aoka ho Tanteraka ny Sitraponao”, rehefa nambarany ny fivoahan’ilay boky hoe “Hatao etỳ An-tany Anie ny Sitraponao.” Nanazava tsipirian’ny bokin’i Daniela izy io, ary nampianatra ny fomba nahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra sy mbola ahatanterahany. “Hahafinaritra be anareo ity boky ity!”, hoy ilay mpandahateny. Nirefodrefotra ny tehak’ireo 175 441 nanatrika, mba hanehoany ny fifaliany tamin’ny naharaisany an’ilay boky, izay hampitombo ny fahatakarany ny sitrapon’Andriamanitra!

Nilaza ny Rahalahy Knorr teo am-pamaranana, fa mbola hisy fandaharam-pianarana manokana hahasoa ny fandaminana eran-tany. “Tsy mihena ny asa fampianarana”, hoy izy, “fa vao mainka mandroso.” Nohazavainy ny fandaharam-piofanana haharitra folo volana, ho an’ny mpiandraikitra ny sampana eran-tany. Hisy any amin’ny tany maro koa ny fampiofanana haharitra iray volana ho an’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ireo mpiandraikitra ny fiangonana. Inona no anton’izany fampianarana rehetra izany? “Tiantsika hitombo ny fahatakarantsika”, hoy ny Rahalahy Knorr, “mba hahitantsika tsara kokoa ny fisainan’i Jehovah, ambarany ao amin’ny Teniny.”

Nanomboka avy hatrany ny fanomanana an’ireo fampiofanana ireo. Natao ny 9 Martsa 1959 tany South Lansing, New York (toerana fanaovana ny Sekolin’i Gileada), ny kilasy voalohany tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Tsy ela izany dia natao eran-tany, satria natao hampiofanana an’ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana izy io.

Nohatanjahina mba “ho mafy orina ao amin’ny finoana”

Niova be ny fivavahana sy ny fiaraha-monina teo amin’izao tontolo izao, tamin’ireo taona 1960. Nolazain’ny mpitondra fivavahana sasany fa angano na lany andro ny ampahany amin’ny Baiboly. Nanjary betsaka no nino hoe “maty Andriamanitra.” Vao mainka nihanaloto fitondran-tena izao tontolo izao. Nohatanjahina mba “ho mafy orina ao amin’ny finoana” kosa ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa ary ny fivoriambe.—1 Kor. 16:13.

Nisy fivoriambe natao eran-tany tamin’ny 1963. Niaro ny Baiboly teo anatrehan’ny tsikera ilay lahateny hoe “Mahasoa ny Bokin’ny ‘Vaovao Tsara Mandrakizay.’ ” Hoy ilay mpandahateny: “Tsy ilain’ny mpitsikera ny miteny hoe olona ihany no nanoratra an’io boky io. Ny Baiboly ihany dia efa milaza izany. ‘Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra’ anefa ny Baiboly Masina, fa tsy toy ny boky hafa rehetra.” (2 Tim. 3:16, 17) Navoaka tamin’io lahateny io ilay boky hoe “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa.” Resahina ao ireo boky tsirairay ao amin’ny Baiboly, dia ny mombamomba azy, toy ny mpanoratra sy ny fotoana ary ny toerana nanoratana azy, sy ny porofon’ny fahamarinany. Fintinina ao koa ny zavatra voalazan’ilay boky ao amin’ny Baiboly, sy ny hoe “Mahasoa—Nahoana?”, izay mampiseho ny hasarobidin’izy io. Mbola anisan’ny ampiasaina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ihany io boky tena ilaina eo amin’ny fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah io, na dia efa 30 taona taorian’ny nivoahany aza! g

Nisy vokany teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny fiovan’ny fitondran-tena tamin’ireo taona 1960. An’arivony tokoa no tsy maintsy noroahina isan-taona (vitsy izany raha oharina amin’ny isan’izy rehetra), matetika noho ny fitondran-tena maloto. Nety àry raha nomena torohevitra mivantana ny vahoakan’i Jehovah, tamin’ireo fivoriambe natao tamin’ny 1964. Tsaroan’i Lyle Reusch, mpiandraikitra mpitety faritany avy any Saskatchewan, Kanada, ilay lahateny hoe “Hazòny ho Madio ny Fandaminan’ireo Mpanompo.” Hoy izy: “Teny tsotra sy mivantana momba ny fitondran-tena no nanazavana an’ilay izy tamin’ny lahateny.”

Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Novambra 1964 io lahateny io. Izao no anisan’ny voalaza tao: “Aoka ianareo ankizivavy tsy hanaiky ho servieta maloto azon’ny rehetra ampiasaina, ka hamafan’ireo mpitady mpivaro-tena ny tanany maloto, dia ireo olona toy ny ‘alika.’ ”—Ampitahao amin’ny Apokalypsy 22:15.

Natao hanampiana ny vahoakan’i Jehovah hadio fitondran-tena izany torohevitra feno fahatsorana izany, mba hahamendrika azy hitory ilay Fanjakana.—Ampitahao amin’ny Romanina 2:21-23.

“Inona moa no tena dikan’ilay 1975 e?”

Efa ela ny Vavolombelona no nino fa ho tonga aorian’ny 6 000 taona nisian’ny olombelona ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Rahoviana anefa io 6 000 taona io no ho tapitra? Nanondro ny 1975 ny boky Fiainana Mandrakizay ho Amin’ny Fahafahan’ireo Zanak’Andriamanitra, navoaka tamin’ny 1966. Nisy resa-be momba ny 1975 avy hatrany, nandritra ilay fivoriambe, rehefa namadibadika an’ilay boky ireo rahalahy.

Nanao ny lahateny famaranana i F. Franz, tamin’ilay fivoriambe tany Baltimore, Maryland. Hoy izy, teo am-panombohana: “Nisy tovolahy nanontany ahy, talohan’ny hiakarako teto amin’ny lampihazo hoe ‘Inona moa no tena dikan’ilay 1975 e?’ ” Noresahin’ny Rahalahy Franz avy eo ireo fanontaniana maro nipoitra hoe ho avy amin’ny 1975 ve ny Hara-magedona sa tsia, ary hofatorana i Satana. Izao no hevi-dehibe nolazainy: ‘Mety ho izay, nefa tsy milaza izany izahay. Hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Nefa tsy milaza izany izahay. Ary tsy misy aminareo tokony hilaza amin’ny fomba hentitra izay hitranga manomboka izao ka hatramin’ny 1975. Izao anefa no zava-dehibe indrindra, ry namana isany: Fohy ny fotoana. Mihafohy ny fotoana, ary azo antoka izany.’

Nanaraka izany torohevitra izany ny Vavolombelon’i Jehovah maro, taorian’ny 1966. Nisy zavatra hafa navoaka momba io foto-kevitra io anefa, ary toa somary hentitra kokoa ny sasany. Niaiky momba izany Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1980, pejy 17. Nampitandremana koa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah mba hifantoka amin’ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah, fa tsy ho variana amin’ny daty sy ny fanantenana famonjena. h

Fitaovana hanafainganana ny asa

Maro ny zavatra nantenain’ny Vavolombelon’i Jehovah teo am-pitoriana, tamin’ny faran’ireo taona 1960, sady maika izy ireo nanao izany. Nitombo ho 1 221 504 ny mpitory tany amin’ny tany 203, tamin’ny 1968. Maro anefa tamin’izany ny olona nianatra Baiboly nandritra ny taona maro, nefa tsy nampihatra izay nianarany. Nisy fomba azo nanafainganana ny asa fanaovana mpianatra ve?

Tonga tamin’ny 1968 ny valiny, rehefa navoaka ilay boky fianarana Baiboly hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Misy 192 pejy io boky fanao am-paosy io, ary nomanina indrindra ho an’ireo olona liana. Misy toko 22 izy io, toy ny hoe “Ny Antony Hahamalina Anao Raha Mandinika ny Fivavahanao”, “Ny Antony Mahatonga Antsika Hiharan’ny Fahanterana sy ny Fahafatesana”, ary “Aiza moa Ireo Maty?” “Nahoana moa Andriamanitra no Namela ny Zava-dratsy Hisy Hatramin’izao Androntsika Izao?” “Ny Fomba Famantarana ny Fivavahana Marina”, ary “Ny Fomba Hananana Fiainam-pianakaviana Sambatra.” Natao hampirisihana ny mpianatra ny Baiboly hieritreritra sy hampihatra ny zavatra nianarany ny boky Fahamarinana.

Hampiasaina amin’ny fianarana Baiboly enim-bolana io boky vaovao io. Nohazavain’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 1968 ny fandehan’izany: “Tsara ny hanandramana mianatra toko iray isan-kerinandro amin’ny boky ‘Fahamarinana’, na dia ekena aza fa tsy ny mpianatra rehetra na ny toko rehetra no hety amin’izany. ... Aoka hatao hoe tapitra ilay fianarana be natao tsara nandritra ny enim-bolana, ary efa nasaina hivory foana ilay olona, nefa mbola tsy miaraka amin’ny fiangonana ihany. Tsara amin’izay ny mampiasa ilay fotoana mba hampianarana olon-kafa tena te hianatra ny fahamarinana sy handroso. Ataovy zava-kendrenao ny hampianatra tsara an’ilay olona liana, mba handrosoany ao anatin’ny enim-bolana!”

Ary tena nandroso izy ireo! Nisy vokany be tao anatin’ny fotoana fohy ilay fianarana Baiboly enim-bolana. Nisy 434 906 no natao batisa tao anatin’ireo taom-panompoana telo nanomboka ny 1 Septambra 1968 ka hatramin’ny 31 Aogositra 1971. Avo roa heny noho ireo natao batisa tao anatin’ireo taom-panompoana telo talohany izany! Tsara fahatongavana ilay boky Fahamarinana sy ilay fampianarana Baiboly enim-bolana, satria tamin’ny fotoana nanantenan’ny Vavolombelon’i Jehovah zavatra betsaka sy nahamaika azy indrindra izany no natao, ka tena nanafaingana ny fanaovana mpianatra.—Matio 28:19, 20.

“Tsy maintsy mandeha io, fa avy amin’i Jehovah”

Efa an-taonany ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah no nisy lehilahy nahafeno fepetra notendren’ny Fikambanana ho “mpiandraikitra”, nampian’ireo “mpanampy” i voatendry. (1 Tim. 3:1-10, 12, 13) Natao hanompo fa tsy hanjakazaka amin’ny andian’ondry izy ireo. (1 Pet. 5:1-4) Afaka nanahaka kokoa ny rafitry ny fiangonana kristianina tamin’ny taonjato voalohany ve anefa ireo fiangonana?

Nisy fivoriambe eran-tany tamin’ny 1971, nanaovana ilay lahateny hoe “Fandaminan’Andriamanitra eo Anivon’ny Demokrasia sy ny Kominisma.” Nanao an’io lahateny io tao amin’ny Yankee Stadium, New York, i F. Franz ny 2 Jolay. Noresahiny tamin’izany fa nihoatra ny iray ny mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, rehefa ampy ny lehilahy nahafeno fepetra. (Fil. 1:1) “Ireo mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana”, hoy izy, “dia anti-panahy miara-miasa’ ... Mitovy ireo anti-panahy [rehetra] ireo, mitovy ny toerany, sady tsy misy lehibe indrindra, na manam-pahefana sy manan-kery indrindra, eo anivon’ny fiangonana.” (1 Tim. 4:14) Nampientam-po tokoa io lahateny io. Inona no ho vokatr’izany fanazavana izany eo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany?

Azo roa andro taorian’izay ny valin’izany, nandritra ny lahatenin’i N. Knorr. Hanan-kery manomboka ny 1 Oktobra 1972 ny fanitsiana momba ny fiandraiketana ny fiangonana. Tsy ho iray intsony ny mpiandraikitra ny fiangonana. Mandritra ireo volana alohan’ny 1 Oktobra 1972 anefa, dia hanoratra any amin’ny Fikambanana ireo lehilahy tompon’andraikitra sy matotra eo anivon’ny fiangonana tsirairay, ka hanome ny anaran’ireo rehetra ho anti-panahy (sy ho mpanampy amin’ny fanompoana). Hotendrena ho mpitari-draharaha ny iray amin’ireo anti-panahy, j nefa hitovy ny fahefan’ny anti-panahy rehetra, ary hiara-manapa-kevitra izy ireo. Hoy ny Rahalahy Knorr: “Vokatr’io fanitsiana ny fandaminana io, dia hifanaraka akaiky kokoa amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fiasan’ny fiangonana, ary azo antoka fa hotahin’i Jehovah kokoa izany.”

Ahoana no nandraisan’ny mpanatrika fivoriambe an’izany fanitsiana ny fandaminana izany? Hoy ny mpiandraikitra mpitety faritany iray: “Tsy maintsy mandeha io, fa avy amin’i Jehovah.” Hoy koa ny Vavolombelona tranainy iray: “Hampirisika ny lehilahy matotra rehetra mba hiantsoroka andraikitra izany.” Afaka “miezaka” tokoa izao ny lehilahy maro mahafeno fepetra, ka ho voatendry ho “mpiandraikitra.” (1 Tim. 3:1) Ho maro kokoa àry ny rahalahy afaka mahazo traikefa sarobidy amin’ny fiantsorohana andraikitra eo anivon’ny fiangonana. Tsy takatr’ireo rahalahy aloha tamin’izany fa tena hilaina izany mba handraisana ireo vaovao maro be ho tonga mandritra ireo taona ho avy.

Nisy fanazavana sy fanitsiana koa natao teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana, vokatr’ilay fanazavana tamin’io fivoriambe io. Notapahina tamin’ny 6 Septambra 1971 fa tokony hifandimby hitari-draharaha, araka ny filaharan’ny abidy, ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana. Nanjary mpitari-draharaha nandritra ny herintaona, teo anivon’ny Filan-kevi-pitantanana i F. Franz, ny 1 Oktobra 1971.

Nanomboka ny Septambra 1972 ilay fiovana andraikitra teo anivon’ny fiangonana, ary efa vitan’ny ankamaroan’ny fiangonana ilay fifandimbiasana tamin’ny 1 Oktobra. Nitombo be ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ireo telo taona taorian’io, satria efa maherin’ny 750 000 no natao batisa. Nanakaiky anefa ny faramparan’ny 1975. Inona no hitranga amin’ny asa fitoriana sy ny firaisan-tsaina eran-tany, raha tsy tanteraka daholo ireo zavatra nantenaina momba ny 1975?

Efa am-polony taona koa i Nathan Knorr, izay navitrika sy nahay nandamin-javatra, no tena nampandroso ny fampianarana teo anivon’ny fandaminana, sy ny fizarana Baiboly ary ny fanampiana olona hahatakatra izay lazain’izy io. Ny Filan-kevi-pitantanana anefa izao no tena tompon’andraikitra. Inona no mety ho akon’izany teo amin’ireo tanjona ireo?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Febroary 1942, p. 45; Fampiononana 4 Febroary 1942, p. 17.

b Niala tsy ho prezidà lefitry ny Fikambanana ny Rahalahy Covington, tamin’ny Septambra 1945. Nolazainy fa tiany harahina ilay finoana hoe sitrapon’i Jehovah raha Kristianina voahosotra no anisan’ireo tompon’andraikitry ny fikambanana, nefa izy anisan’ny “ondry hafa.” Nofidina ho anisan’ny filan-kevi-pitondrana i Lyman Swingle ny 1 Oktobra, ary i Frederick Franz no prezidà lefitra voafidy ny 5 Oktobra. (Jereo Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1946, anglisy, p. 221-224; Ny Tilikambo Fiambenana, anglisy, 1 Novambra 1945, p. 335, 336.)

c Jereo ny Toko 30 hoe “Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna.”

d Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana nandritra ny 1946 ny tsipiriany momba ny dian’izy ireo.—Jereo pejy 14-16, 28-31, 45-48, 60-64, 92-95, 110-112, 141-144.

e Fantatra eran-tany io boky fianarana Baiboly io, taona vitsy taorian’izay. Nohavaozina izy io ny 1 Aprily 1952, ary 19 000 000 no natao pirinty tamin’ny fiteny 54.

f Jereo pejy 140-144, 171-176, 189-192, 205-208, 219-223, 236-240, 251-256, 267-272, 302-304, 315-320, 333-336, 363-368.

g Nohavaozina tamin’ny 1990 ilay boky hoe “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa.”

h Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy), ohatra, ireto: “Ampiasao Tsara ny Fotoana Sisa Tavela” (1 Mey 1968); “Banjino ny Mandrakizay, eo Am-panompoana” (15 Jona 1974); “Nahoana no Tsy Nolazaina Tamintsika ‘ny Andro sy ny Ora’?”, ary “Inona no Vokatry ny Tsy Fahalalanao ny ‘Andro sy ny Ora’?” (1 Mey 1975). Nilaza toy izao koa ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”, tamin’ny 1963: “Tsy tsara ny hampiasana ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara mba hanaovana tombantombana momba ireo daty mbola ho avy.—Matio 24:36.”

i Jereo ny Toko 15 hoe “Fivoaran’ny Rafitry ny Fandaminana.”

j Nohazavain’ilay mpandahateny koa fa hifandimby isan-taona ho mpitari-draharaha ireo anti-panahy, manomboka ny 1 Oktobra 1972. Nahitsy tamin’ny 1983 izany, satria nasaina hanolotra mpiandraikitra mpitantan-draharaha ny anti-panahy rehetra, ka tsy voafetra ny fotoana maha mpitari-draharaha azy eo anivon’ny anti-panahy, rehefa tendren’ny Fikambanana izy.

[Teny notsongaina, pejy 92]

Mitory na dia misy fisamborana sy rotaka aza

[Teny notsongaina, pejy 94]

‘Fanitarana sy fampianarana betsaka noho ny hatramin’izay’

[Teny notsongaina, pejy 103]

Fiarovana ny Baiboly teo anatrehan’ny tsikera

[Teny notsongaina, pejy 104]

‘Izao anefa no zava-dehibe indrindra, ry namana isany: Fohy ny fotoana’

[Teny notsongaina, pejy 106]

“Hampirisika ny lehilahy matotra rehetra mba hiantsoroka andraikitra izany”

[Efajoro, pejy 91]

Mombamomba An’i N. Knorr

Teraka tamin’ny 23 Aprily 1905 tany Bethlehem, Pennsylvanie, Etazonia, i Nathan Homer Knorr. Nanomboka niaraka tamin’ny Fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly tany Allentown izy, tamin’izy 16 taona. Nanatrika an’ilay fivoriambe tany Cedar Point, Ohio, izy tamin’ny 1922, ary nanapa-kevitra ny hiala tamin’ny Fiangonana Nohavaozina. Natao batisa tany amin’ny Renirano Little Lehigh (Pennsylvanie Atsinanana) izy ny 4 Jolay 1923, tamin’izy 18 taona, ary i Frederick Franz, avy any amin’ny Betelan’i Brooklyn no nanao ny lahatenin’ny batisa. Lasa anisan’ny mpianakavin’ny Betelan’i Brooklyn ny Rahalahy Knorr tamin’ny 6 Septambra 1923.

Niasa mafy izy, tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana, ary tsy ela dia hita ny fahaizany nandamin-javatra. Maty tamin’ny 23 Septambra 1932 i Robert Martin, mpiandraikitra ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana, ka ny Rahalahy Knorr no notendrena hisolo azy. Voafidy ho anisan’ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana Polipitran’ny Vahoaka (Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. ankehitriny) ny Rahalahy Knorr, ny 11 Janoary 1934, ary lasa prezidà lefitr’io Fikambanana io, herintaona taorian’izay. Lasa prezidà lefitry ny Watch Tower Bible and Tract Society (fikambanana Pennsylvanie) izy ny 10 Jona 1940. Voafidy ho prezidàn’ireo fikambanana roa ireo sy ny fikambanana anglisy, Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena izy, ny Janoary 1942.

Anisan’ny mpiara-miasa akaiky tamin’ny Rahalahy Knorr sady mpanolo-tsaina natokisany, i Frederick Franz. Zokin’ny Rahalahy Knorr izy, ary nahay fiteny maro sy nanam-pahaizana momba ny Baiboly, ka tena nilain’ny fandaminana.

[Efajoro, pejy 93]

Hoavy Mahafinaritra

Faly ireo nanatrika ny Fivoriamben’ny Tontolo Vaovao, natao tany Cleveland, Ohio, tamin’ny Septambra 1942, rehefa nanao lahateny i W. Van Amburgh, mpitan-tsoratra sady mpitam-bolan’ny Fikambanana, izay efa be taona. Nampahatsiahivin’ny Rahalahy Van Amburgh ny fivoriambe voalohany natrehiny tany Chicago tamin’ny 1900. Nolazaina fa “betsaka” ny mpanatrika, satria nisy 250 teo ho eo. Nanonona fivoriambe hafa natao taorian’izany izy, ary nolazaina koa fa “betsaka” ny mpanatrika azy ireny. Hoy anefa izy momba izao hoavy mahafinaritra izao: “Heverintsika izao fa betsaka ny mpanatrika amin’ity fivoriambe k ity. Betsaka izany raha oharina amin’ireo natrehiko taloha, nefa antenaiko fa tena kely izy ity, raha oharina amin’ny fivoriambe manaraka, rehefa hanomboka hanangona ny vahoakany eran-tany ny Tompo.”

[Fanamarihana ambany pejy]

k Nisy 26 000 ny tampon’isan’ny mpanatrika tany Cleveland, ary 129 699 no tontalin’ny mpanatrika tamin’ireo fivoriambe 52 natao eran’i Etazonia.

[Efajoro/Sarintany, pejy 96]

Fitetezan-tany Nataon’i N. Knorr: 1945-1956

1945-1946: Amerika Afovoany sy Atsimo ary Avaratra, Eoropa, Karaiba

1947-1948: Amerika Avaratra, Nosin’i Pasifika, Azia, Moyen-Orient, Eoropa, Afrika

1949-1950: Amerika Avaratra sy Afovoany ary Atsimo, Karaiba

1951-1952: Amerika Avaratra, Nosin’i Pasifika, Azia, Eoropa, Moyen-Orient, Afrika

1953-1954: Amerika Atsimo, Karaiba, Amerika Avaratra sy Afovoany

1955-1956: Eoropa, Nosin’i Pasifika, Azia, Amerika Avaratra, Moyen-Orient, Afrika Avaratra

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

[Efajoro, pejy 105]

“Nanomboka Nieritreritra Indray Aho Androany”

Navoaka tamin’ny 1968 ilay boky hoe “Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay”, ary nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampianarana Baiboly ny olona liana. Nanampy olona ana hetsiny io boky io mba hahalala ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina. Hoy ny taratasy fankasitrahana avy tamin’ny mpamaky iray, tamin’ny 1973: “Nisy vehivavy nahafinaritra be tonga teto am-baravarako androany, ka nanome an’ilay boky hoe ‘Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.’ Vao avy namaky azy aho izao. Izay aho vao namaky boky 190 pejy tao anatin’ny indray andro. Tsy nino an’Andriamanitra intsony aho nanomboka tamin’ny 29 Jona 1967, nefa nanomboka nieritreritra indray aho androany.”

[Sary, pejy 95]

Sekolin’i Gileada tany South Lansing, New York

[Sary, pejy 97]

Nitety an’izao tontolo izao imbetsaka ny Rahalahy Knorr, teo am-pitsidihana an’i Cuba eto

[Sary, pejy 98]

Angletera

Liban

Tsapan’ny Rahalahy Knorr fa tokony ho afaka hitory isan-trano ny Vavolombelona rehetra

[Sary, pejy 99]

Niara-niasa akaiky tamin’ny Rahalahy Franz ny Rahalahy Knorr, nandritra ny 35 taona naha prezidàn’ny Fikambanana azy

[Sary, pejy 100]

Filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana, tany antenatenan’ireo taona 1950. Ankavia miankavanana: Lyman Swingle, Thomas Sullivan, Grant Suiter, Hugo Riemer, Nathan Knorr, Frederick Franz, Milton Henschel

[Sary, pejy 102]

Nanatrika ny Fivoriambe “Sitrapon’Andriamanitra” tao amin’ny Yankee Stadium ireo solontena avy amin’ny tany 123, tamin’ny 1958

[Sary, pejy 107]

Boky natao hampiofanana ny Vavolombelon’i Jehovah ho amin’ny fitoriana

[Sary, pejy 107]

Santionany amin’ireo boky natao hampiasaina eny am-pitoriana

[Sary, pejy 107]

Boky nanome ventin-kanina hanatanjahana ara-panahy ny vahoakan’i Jehovah

[Sary, pejy 107]

Boky fanaovana fikarohana sy fianarana