Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famokarana Boky Ara-baiboly mba Hampiasaina Amin’ny Fanompoana

Famokarana Boky Ara-baiboly mba Hampiasaina Amin’ny Fanompoana

Toko 26

Famokarana Boky Ara-baiboly mba Hampiasaina Amin’ny Fanompoana

NATAO an-tsoratra foana ny teny nampitain’i Jehovah tamin’ireo mpivavaka marina. Nampitaina am-bava, avy eo natao an-tsoratra, ohatra, ny Didy Folo nomeny ny Israely. (Eks. 20:1-17; 31:18; Gal. 3:19) Ary nodidiany hanoratra ny Teniny i Mosesy sy ireo mpaminany ary ireo apostoly, mba ho marina tsara ny fampitana izany.—Eks. 34:27; Jer. 30:2; Hab. 2:2; Apok. 1:11.

Natao tamin’ny horonam-boky ny ankabeazan’izany fanoratana taloha izany. Nampiasaina anefa ny kôdeksa, na boky misy pejy, nanomboka tamin’ny taonjato faharoa. Tsy nandaniam-bola be sady mora nampiasaina kokoa izy io. Ny Kristianina no voalohany nampiasa azy io, satria hitany fa tena nety tsara hampielezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izy io. Hoy ny Profesora E. Goodspeed, tao amin’ny boky Manao Pirinty ny Kristianisma (anglisy), momba ireny Kristianina voalohany nanao boky ireny: “Tsy vitan’ny hoe naharaka ny fanontana boky izy ireo, fa lasa aloha koa, satria efa an-jatony taona tatỳ aoriana vao nanaraka azy ny mpampanonta hafa.”—1940, p. 78.

Tsy mahagaga àry raha anisan’ny loha laharana tamin’ny fanontam-pirinty koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, izay mitory ny Fanjakan’Andriamanitra.

Famokarana boky ho an’ny Mpianatra ny Baiboly voalohany

Navoaka tao amin’ny Mpandinika Baiboly, natontan’i George Storrs teto Brooklyn, tamin’ny 1876, ny lahatsoratra anisan’ny voalohany nosoratan’i C. Russell. Rehefa niara-niasa tamin’i N. Barbour avy any Rochester, New York, ny Rahalahy Russell, dia namatsy vola ny famoahana ny boky Tontolo Telo sy ny gazety Mpanambara ny Maraina. Anisan’ny mpampanonta an’io gazety io izy, ary ny trano nanontana azy io no namoahany ny bokikely Ny Zava-kendren’ny Fiverenan’ny Tompontsika sy ny Fomba Fisehony, tamin’ny 1877. Kinga saina ny Rahalahy Russell raha ny amin’ny fanoratana lahatsoratra ara-baiboly sy ny fampiasam-bola, fa i Barbour kosa no za-draharaha tamin’ny fandaharana soratra sy pejy.

Notapahin’ny Rahalahy Russell anefa ny fifandraisana tamin’i Barbour, rehefa tsy neken’i Barbour fa manavotra amin’ny fahotana ny sorona nataon’i Jesosy Kristy. Koa voatery nankany amin’ny kompania mpampanonta i Russell tamin’ny 1879, mba hamoaka Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy.

Ny taona nanaraka, dia nomanina ny famoahana ny trakta voalohany nisy lahatsoratra nifampitohitohy, izay natao hahaliana ny olona amin’ireo fahamarinana ara-baiboly. Tsy ela dia nitombo be ny isan’ny trakta tokony hatao pirinty. Koa natsangana ny fikambanana Zion’s Watch Tower Society tamin’ny 16 Febroary 1881, ka i W. Conley no prezidà ary i C. Russell no mpitan-tsoratra sy mpitam-bola. Kompania matihanina no nasaina nanao pirinty tany Pennsylvanie, New York, sy Ohio, ary tany Grande-Bretagne. Lasa fikambanana ara-dalàna ny Zion’s Watch Tower Tract Society a tamin’ny 1884, ka i C. Russell no prezidà. Tsy ny hamoaka boky fotsiny no zava-kendren’io fikambanana io, fa ny “hampiely ireo Fahamarinana Ara-baiboly amin’ny fiteny maro samihafa” koa, araka ny sata nifehy azy.

Be zotom-po tokoa ireo rahalahy niezaka hanatratra izany zava-kendrena izany! Trakta 1 200 000 nahafeno 200 000 000 pejy teo ho eo no natonta tao anatin’ny efa-bolana, tamin’ny 1881. (Maro tamin’ireny “trakta” ireny no boky kely, raha ny marina.) Avy eo, dia tafakatra am-polony tapitrisa ny trakta nozaraina maimaim-poana, isan-taona. Natao tamin’ny fiteny 30 teo ho eo izy ireny, ary naely teto Amerika, tany Eoropa, Afrika Atsimo, Aostralia sy tany hafa.

Vitan’ny Rahalahy Russell tamin’ny 1886 ny fanoratana ny boky voalohany tamin’ireo boky enina hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra. Ny Kompania Mpampanontan’ny Tower b no nasainy hanonta an’ireo boky efatra voalohany (1886-1897), sy ny trakta ary Ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1887 ka hatramin’ny 1898. Rehefa nandeha ny fotoana, dia ireo rahalahy tao amin’ny Tranon’ny Baiboly tany Pittsburgh no nandahatra soratra sy pejy. Nividy ny taratasy nanaovam-pirinty koa izy ireo, mba hitsitsiana vola. Ary matetika ny Rahalahy Russell no nanao fanafarana boky aloha be tamin’ny kompania maromaro, mba hahazoany sarany mora kokoa. Nisy 9 384 000 ny tontalin’ireo boky enina natonta sy naely, nanomboka tamin’ny namoahana ny boky voalohany ka hatramin’ny taona 1916.

Tsy nitsahatra ny famoahana boky ara-baiboly rehefa maty ny Rahalahy Russell. Natao pirinty tamin’ny taona nanaraka ny boky fahafito tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina. Nambara ny 17 Jolay 1917 tamin’ny fianakavian’ny Betela ny fivoahan’izy io. Maro be ny olona nangataka azy io, ka efa nanafatra 850 000 tamin’ny teny anglisy tamin’ireo kompania mpampanonta sy mpanambatra boky, ny Fikambanana, tamin’ny faran’io taona io. Natao tany Eoropa ny fanontana tamin’ny fiteny hafa. Nisy trakta 38 tapitrisa teo ho eo koa natao pirinty tamin’io taona io.

Noravana anefa ny foiben’ny Fikambanana (teto Brooklyn, New York) nandritra ny fanenjehana mafy tamin’ny 1918, ka naiditra am-ponja tsy ara-drariny ireo tompon’andraikitra. Nopotehina ireo takelaka fanontam-pirinty. Niverina niasa tany Pittsburgh tao amin’ny rihana faharoa teo amin’ny 119 Federal Street, ireo mpiasa vitsy kely. Ho vita hatreo ve ny fanaovany boky ara-baiboly?

Tokony horaisin’izy ireo an-tanana ve ny fanaovana pirinty ny bokiny?

Nivory tany Cedar Point, any Ohio, ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1919, rehefa nafahana avy tany am-ponja i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana, sy ny mpiara-miasa taminy. Nodinihin’izy ireo izay navelan’Andriamanitra hitranga ny taona talohan’io sy izay nolazain’ny Teniny momba izay tokony hataony amin’ny hoavy. Nambara fa hivoaka ny gazety vaovao Fotoam-pahasambarana, izay hoenti-mitory ny Fanjakan’Andriamanitra, ilay hany fanantenana ho an’ny olombelona.

Kompania mpampanonta no mbola nasain’ny Fikambanana nanao pirinty ilay gazety. Nanana olana tamin’ny mpiasa anefa ireny kompania ireny sady tsy nisy firy ny taratasy hovidina. Koa nivavaka àry ireo rahalahy mba hitarihan’ny Tompo ny raharaha, ka hahitan’izy ireo vahaolana azo antoka kokoa.

Aiza aloha no hasian’izy ireo ny biraon’ny Fikambanana? Tokony haveriny teto Brooklyn ve ny foibe? Nandinika izany ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana, ka nanendry komity hamotopototra ny amin’ilay toe-javatra.

Nasain’ny Rahalahy Rutherford nanketo Brooklyn i C. Wise, prezidà lefitry ny Fikambanana, mba hijery raha azo nosokafana indray ny Betela ary raha azo natao ny nanofa toerana fanontam-pirinty. Tian’ny Rahalahy Rutherford ho fantatra raha hotahin’Andriamanitra izany, ka hoy izy: “Andeha jereo raha sitrapon’ny Tompo ny hiverenantsika any Brooklyn.”

“Ahoana no hahafantarako raha sitrapon’ny Tompo ny hiverenantsika any na tsia?”, hoy ny Rahalahy Wise.

“Voatery niverina teto Pittsburgh isika tamin’ny 1918, noho isika tsy nahazo arintany”, c hoy ny Rahalahy Rutherford. “Andeha ny arintany no hanaovantsika ilay fitsapana. Manafara arintany.”

“Firy taonina àry no tokony hohafarako?”

“Manafara 500 taonina, mba ho fitsapana tsara ilay izy”, hoy ny Rahalahy Rutherford.

Izany indrindra no nataon’ny Rahalahy Wise. Ahoana no niafarany? Nomen’ny manam-pahefana taratasy hahazoana arintany 500 taonina izy, rehefa nanao fangatahana, ka ampy ho amin’ny taona maromaro izany! Hataon’izy ireo aiza anefa izany? Navadika ho fitahirizana arintany ny ampahany lehibe tamin’ny lakalin’ny Trano Betela.

Noheverin’ireo rahalahy fa tena nampiseho ny sitrapon’Andriamanitra ny vokatr’izany fitsapana izany. Nanomboka tamin’ny 1 Oktobra 1919, dia teto Brooklyn indray no nitarihan’izy ireo ny asany.

Koa tokony horaisin’izy ireo an-tanana ve ny fanaovana ny bokiny? Niezaka nividy milina manonta am-pihodinana izy ireo, nefa nilazana fa vitsy monja no nisy teto Etazonia, ka afaka volana maro vao nety hahazo izy ireo. Natoky anefa izy ireo fa hanampy azy ny Tompo, raha izany no sitrapony. Ary izany tokoa no nitranga!

Volana vitsy monja taorian’ny niverenany teto Brooklyn, dia nahazo milina iray izy ireo. Nanofa rihana telo tao amin’ny trano iray teo amin’ny 35 Myrtle Avenue, izy ireo. Koa nanana trano fanontam-pirinty kely, nefa ampy fitaovana, ny Fikambanana tamin’ny 1920. Nanaiky hanao ilay asa ny rahalahy za-draharaha.

Ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana no nanaovana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary tamin’io taona io, sy ny Fotoam-pahasambarana Aprily. Faly erỳ ny Fikambanana nanao izao tatitra izao tao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny faran’io taona io: “Kristianina vita fanoloran-tena no nanao pirinty NY TILIKAMBO FIAMBENANA, FOTOAM-PAHASAMBARANA, sy bokikely maro saika nandritra ity taona ity, nefa iray ihany ny antony nanosika azy ireo, dia ny fitiavana ny Tompo sy ny fahamarinany. ... Nasaina naato ny gazety sy boky hafa satria tsy ampy ny taratasy na nisy olana tamin’ny mpiasa, kanefa ny antsika nizotra tsara foana.”

Kely ilay toerana fanontam-pirinty, nefa be ny asa vita. Nisy 60 000 Ny Tilikambo Fiambenana navoaka tsy tapaka isaky ny nomerao. Natao pirinty tao koa ny Fotoam-pahasambarana, ary nomerao manokana ny tamin’ny 29 Septambra tamin’ny taona voalohany. Nalana sarona tsara tao amin’io gazety io hoe iza no mpanenjika ny Mpianatra ny Baiboly nanomboka tamin’ny 1917 ka hatramin’ny 1920. Nisy efatra tapitrisa no natao pirinty! Hoy ny iray tamin’ireo mpiasa: ‘Ny mpahandro irery no tsy nandray anjara tamin’ny fanontana an’io nomerao io.’

Nanontanian’ny Rahalahy Rutherford ireo rahalahy raha afaka nanao bokikely kely velarana koa. Toa tsy ho vita izany, tamin’ny voalohany. Nilaza koa ireo mpanamboatra an’ilay milina fa tsy ho vita izany. Nanandrana anefa ireo rahalahy ka nahavita. Namorona fitaovana mpamalona takelaka koa izy ireo ka nahena ho 2 ireo mpiasa 12. Fa nahoana izy ireo no nahomby? Hoy ilay mpitantana an’ilay fanontam-pirinty: “Satria nihaza-draharaha, sady notahin’ny Tompo.”

Tsy teto Brooklyn ihany anefa no nananganan’ny Fikambanana fanontam-pirinty. Ny birao iray tany Michigan no niandraikitra ny fanontam-pirinty tamin’ny fiteny hafa. Nametraka milina Linotype sy milina fanontam-pirinty ary fitaovana hafa tany Detroit, any Michigan, ny Fikambanana tamin’ny 1921, mba hanontana tamin’ny teny poloney, rosianina, ukrainien, sy hafa.

Namoaka ny boky Ny Harpan’Andriamanitra ho an’ny olona vao nanomboka nianatra Baiboly, ny Fikambanana, tamin’io taona io ihany. Mbola tsy nanao pirinty sy nanambatra boky ny Fikambanana tamin’ny 1921. Tokony hanao izany koa ve izy ireo? Koa nangataka ny fitarihan’ny Tompo indray izy ireo.

Nanao pirinty sy nanambatra boky ireo rahalahy

Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1920 fa mpisava lalana maro no voatery nitsahatra, satria tsy vitan’ny mpampanonta ireo boky nohafaran’ny Fikambanana. Nihevitra ireo rahalahy tao amin’ny foibe fa hahavita fitoriana bebe kokoa izy ireo raha tsy niankina intsony tamin’ny kompania mpampanonta, izay nanana olana foana tamin’ny mpiasany. Ary ho sarotra amin’ny mpanohitra ny hanakantsakana ny asa fitoriana raha izy ireo ihany no hanao ny bokiny. Nantenain’izy ireo koa ny hitsitsy vola ka ho afaka hamoaka boky mora vidy kokoa, rehefa mandeha ny fotoana.

Nila toerana lehibe kokoa sy fitaovana maro kokoa anefa izy ireo, ary tsy maintsy nianatra nampiasa ireo fitaovana. Ho vitany ve izany? Tsaroan’i J. Martin, mpiandraikitra an’ilay fanontam-pirinty, fa ‘nofenoin’i Jehovah fahendrena i Bezalila sy Oholiaba hanao ny asa rehetra’ hanorenana ny tranolay masina. (Eks. 35:30-35) Natoky àry ny Rahalahy Martin fa hataon’i Jehovah koa izay hahafahan’ny mpanompony hanao boky hoenti-manambara ilay Fanjakana.

Nandinika ela sy nivavaka mafy izy ireo, vao nanomboka nanao drafitra voafaritra tsara. Hoy ny Rahalahy Martin rehefa nanoratra tamin’ny Rahalahy Rutherford: “Andro lehibe tokoa ilay andro nanirianao hahafantatra raha nanana antony marim-pototra tsy hanaovana pirinty sy hanambarana boky isika. Asa goavana ilay izy, satria tsy maintsy nanokatra trano fanontam-pirinty nisy milina mandahatra soratra, manao takelaka, manao pirinty sy manambatra boky, ary koa fitaovana maro be tsy nahazatra antsika isika, ary tsy maintsy nianatra nampiasa azy ireny. Izany anefa no toa fomba tsara indrindra tsy hahalafo loatra an’ireo boky.”

“Nohofanao ilay trano nisy rihana dimy teo amin’ny 18 Concord Street (nisy mpanofa tao amin’ny rihana roa), ary nifindra tao isika tamin’ny 1 Martsa 1922. Novidinao ny milina rehetra mandahatra soratra, manao takelaka, manao pirinty sy manambatra boky, ka vaovao ny ankamaroan’ireo milina, fa ny sasany efa nampiasaina, ary dia nanomboka niasa isika.”

“Ren’ny trano fanontam-pirinty lehibe iray izay efa nanao ny bokintsika ny zavatra nataontsika, ka tonga nitsidika antsika ny prezidàny. Hitany ilay fitaovana vaovao, ka hoy izy: ‘Manana milina faran’izay tsara ianareo, kanefa tsy misy mahay mampiasa azy. Ho simba io rehefa afaka enim-bolana, ka ho hitanareo fa ireo efa nanao ny bokinareo ihany no hanao azy.’ ”

“Toa lojika izany, nefa hadinony ny Tompo. Ary nomba antsika foana ny Tompo. Rehefa nanomboka nanambatra boky isika, dia naniraka rahalahy efa mpanao izany hatramin’ny ela izy. Tena nanampy be antsika ilay rahalahy, tamin’ny fotoana nilana azy indrindra. Noho ny fanampiany sy ny fanahin’ny Tompo niasa tamin’ireo rahalahy izay niezaka nianatra, tsy ela dia afaka nanao boky koa isika.”

Nalalaka be ny toerana tao amin’ilay fanontam-pirinty teo amin’ny Concord Street, ka nakambana tamin’ilay teto Brooklyn ny tany Detroit. Tamin’ny taona faharoa nifindrana tao, dia nanao ny 70 isan-jaton’ny boky sy bokikely ireo rahalahy, ankoatra ireo gazety sy trakta ary taratasy fanasana. Voatery nampiasaina koa ireo rihana roa ny taona nanaraka, satria nitombo ny asa.

Azony natao ve ny nanao boky haingana kokoa? Eny, rehefa nampiasaina nanomboka tamin’ny 1926 ny milina fanontam-pirinty iray vita tany Alemaina, nalefa teto Amerika. Io no milina manonta am-pihodinana nampiasaina voalohany teto Amerika mba hanaovam-boky, araka ny fantatr’izy ireo.

Tsy teto Amerika fotsiny anefa no nanana fanontam-pirinty ny Mpianatra ny Baiboly.

Fanontam-pirinty anisan’ny voalohandohany

Kompania mpampanonta no nasain’ny Rahalahy Russell nanao boky sy gazety efa hatramin’ny taona 1881, tany Grande-Bretagne. Toy izany koa tany Alemaina tamin’ny 1903, tany Gresy tamin’ny 1906, tany Failandy tamin’ny 1910, ary tany Japon tamin’ny 1913. Taorian’ny Ady Lehibe I, dia maro be ireo boky sy bokikely sy gazety ary trakta natao tany Grande-Bretagne, Skandinavia, Alemaina, sy Polonina, ary natao tany Brezila sy Inde ny sasany.

Tamin’ny 1920, dia natao izay hanaovan’ireo rahalahy tany Eoropa gazety, toy ny nataon’ny Fikambanana teto Brooklyn. Nanangana orinasa fanontam-pirinty ny rahalahy sasany tany Berne, any Soisa. Mpianatra ny Baiboly avokoa izy ireo, ka nataony mora be ny saran’ny fanaovam-boky ho an’ny Fikambanana. Lasan’ny Fikambanana io fanontam-pirinty io tatỳ aoriana, ka nitariny. Natao tamin’ny fiteny maro tany Eoropa ny boky sy gazety tao ka nozaraina maimaim-poana, satria nahantra ny firenena maro tany, nandritra ny faramparan’ireo taona 1920.

Maro koa ny olona liana tany Romania. Notoherina mafy ny asantsika, kanefa nahatsangana fanontam-pirinty tany Cluj ny Fikambanana, mba hatao mora kokoa ny vidin’ny boky sy gazety tany Romania sy ireo firenena teo akaikiny. Boky efa ho 250 000 no natao tao, ankoatra ny gazety sy bokikely tamin’ny teny romanianina sy hongroà, tamin’ny 1924. Nivadika anefa ilay mpiandraikitra ny asa tao ka nanjary tsy fananan’ny Fikambanana intsony ilay toerana sy ireo fitaovana. Niezaka nitory ireo fahamarinana ara-baiboly foana anefa ireo rahalahy nahatoky tany.

Maro be ny olona nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly tany Alemaina, taorian’ny Ady Lehibe I. Sahirana mafy ara-bola anefa ny Alemà. Nanangana fanontam-pirinty tany koa àry ny Fikambanana, mba hatao mora kokoa ny vidin’ny boky sy gazety. Milina iray napetraka teo ambany tohatra tao amin’ny Trano Betela sy milina iray tao amin’ny fitahirizan-kazo no nanaovana pirinty tany Barmen, tamin’ny 1922. Nifindra nankany Magdebourg ireo rahalahy ny taona nanaraka. Tsara ny trano tao, sady mbola nampiana koa, ary natsangana ny milina nanao pirinty sy nanambatra boky. Tokony hitovy tamin’izay vitan’ilay teto Brooklyn ny vitan’io fanontam-pirinty io, tamin’ny faran’ny taona 1925.

Kely ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana tamin’ny voalohany, toy ny tany Korea, izay nanontana tamin’ny teny koreanina sy japoney ary sinoa, tamin’ny 1922. Nafindra tany Japon ilay fitaovana rehefa afaka taona vitsivitsy.

Zavatra kelikely koa no natao pirinty tany Kanada sy tany Afrika Atsimo tamin’ny 1924. Nasiana milina kely tany Aostralia tamin’ny 1925, ary nahazo koa i Brezila. Tsy ela ireo rahalahy tany Brezila dia nanao Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny portogey. Nahazo milina i Angletera tamin’ny 1926. Milina kely no nanaovana Ny Tilikambo Fiambenana, ho an’ny olona nangetaheta ny fahamarinana tany Espaina, tamin’ny 1929. Ary nanomboka nanonta pirinty i Failandy, roa taona taorian’izany.

Nanao fanitarana koa anefa ny teto amin’ny foibe, nandritra izany fotoana izany.

Fanontam-pirinty teto amin’ny foibe

Nanofa toerana fanontam-pirinty teto Brooklyn ny Fikambanana, nanomboka tamin’ny 1920. Efa tsy tsara intsony ilay trano tamin’ny 1922, ka nihovitrovitra be rehefa nandeha ny milina tao amin’ny lakaly. Nila toerana lehibe kokoa ireo rahalahy satria nitombo be ny asa. Koa nihevitra izy ireo fa tsara kokoa raha nanana ny trano fanontam-pirintiny izy ireo.

Toa tena tsara ny tany iray tsy lavitra ny Trano Betela, ka nankany amin’ilay lavanty izy ireo. Lasan’ny Fikambanana Mpanao Fanafody Squibb anefa ilay tany. Rehefa nanorina teo anefa ny Squibb, dia tsy maintsy nanatsatoka tohana 1 167 vita tamin’ny rihitra simenitra, mba ho mafy tsara ny fototra. (Novidin’ny Fikambanana tamin’ny Squibb ireo trano ireo tatỳ aoriana, fa efa tsara fototra!) Tsara hanorenana koa anefa ilay tany novidin’ny Fikambanana tamin’ny 1926.

Nifindra tao amin’ilay trano vaovao teo amin’ny 117 Adams Street teto Brooklyn izy ireo, tamin’ny Febroary 1927. Efa ho avo roa heny noho ny haben’ny trano nisy azy teo aloha io trano io. Avy tany ambony rihana no nanombohan’ny asa, avy eo nidina tao amin’ireo sampan-draharaha samihafa, ary farany tonga tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fandefasana Entana tany amin’ny farany ambany.

Tsy maintsy nitarina ilay trano fanontam-pirinty tao anatin’ny folo taona, ary mbola nitarina ihany tatỳ aoriana. Nahatratra 10 000 ny boky natao tao isan’andro, ankoatra ireo gazety sy bokikely an-tapitrisany isan-taona. Natomboka ny fanontana Baiboly feno tamin’ny 1942. Ny Fikambanana ihany no mbola nisava lalana tamin’ny fanaovana Baiboly tamin’ny taratasy maivana tamin’ny milina manonta am-pihodinana, rehefa avy nanao andrana maromaro. Efa taona maro tatỳ aoriana vao nanao izany ny mpampanonta hafa.

Nokarakaraina koa ny antokon’olona nila zavatra manokana. Efa tamin’ny 1910 ny Mpianatra ny Baiboly iray tany Boston, any Massachusetts, sy ny iray tany Kanada no niara-namoaka ny bokin’ny Fikambanana tamin’ny soratra Braille. Namoaka boky ho an’ny jamba ny Fikambanana tany Logansport, any Indiana, tamin’ny 1924. Natsahatra anefa izany tamin’ny 1936, satria vitsy ny liana tamin’ny boky amin’ny soratra Braille, ka ny fampiasana grafofaonina sy ny fanehoana fiheverana ny jamba tsirairay no nantitranterina. Efa tamin’ny 1960 indray vao namoaka boky sy gazety isan-karazany tamin’ny Braille ny Fikambanana, ary nihamaro kokoa ny liana tamin’izany.

Niatrika fanoherana mafy

Notoherina mafy ny fanaovan’ireo rahalahy pirinty tany amin’ny tany maro. Naharitra foana anefa izy ireo, satria takany fa i Jehovah Andriamanitra no nandidy azy, tamin’ny alalan’ny Zanany, hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Isaia 61:1, 2; Marka 13:10) Ohatra, nanangana fanontam-pirinty tany Gresy izy ireo tamin’ny 1936, kanefa nakaton’ny fanjakana izany volana vitsivitsy monja tatỳ aoriana, rehefa niova ny fitondrana. Tany Inde tamin’ny 1940, dia niasa mafy nandritra ny volana maro i Claude Goodman, nanangana sady nianatra nampiasa milina fanontam-pirinty, kanefa nalain’ny polisy ilay milina ka nentiny, ary nariany tao anaty boaty vifotsy lehibe ireo soratra.

Noho ny lalàna momba ny fanafarana boky, dia tsy maintsy nangataka mpampanonta teo an-toerana hanao ny asa ny rahalahy tany amin’ny tany maro, na dia nanana fanontam-pirinty teny akaiky aza ny Fikambanana. Toy izany no nitranga tany Danemark, Letonia, sy Hongria, tamin’ny taona 1935 tany ho any.

Nakaton’ny fanjakana tany Alemaina ny fanontam-pirintin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1933, noho ny fandrisihan’ny mpitondra fivavahana. Nobodoin’ny polisy ilay toerana tany Magdebourg ka nakatony tamin’ny Aprily, nefa tsy nahitany porofo hiampangana ireo rahalahy, ka nialany. Niverina indray anefa izy ireo tamin’ny Jona. Koa nanangana fanontam-pirinty tany Prague, any Tsekoslovakia, ny Fikambanana, ka nafindra tany ny ankamaroan’ny fitaovana tany Magdebourg. Gazety tamin’ny fiteny roa sy bokikely tamin’ny fiteny enina no novokarina tao nandritra ny taona vitsivitsy.

Tafiditra tany Prague anefa ny tafik’i Hitler tamin’ny 1939, ka noravan’ireo rahalahy haingana ilay milina ary nalefany nankany Holandy ny ampahany sasany. Tamin’ny fotoana nilana azy indrindra izany, satria nihasarotra ny fifandraisan’ny rahalahy holandey tamin’i Soisa. Koa nanofa toerana izy ireo, ary nanao pirinty. Tsy naharitra anefa izany satria nalain’ny Nazia ilay toerana. Afaka nampiasa an’ilay milina ela araka izay azony natao anefa ireo rahalahy.

Noraran’ny fanjakana ny famoahana Ny Tilikambo Fiambenana tany Failandy nandritra ny ady, ka natao kopia ny lahatsoratra lehibe ary nozarain’ny iraka avy eo. Nanjary teo ambany fitondran’ny Nazia i Aotrisy tamin’ny 1938, ka natao kopia Ny Tilikambo Fiambenana, ary tsy maintsy nafindrafindra foana ilay milina mba tsy ho azon’ny Gestapo. Voatery nafindrafindra foana koa ny fitaovana nampiasain’ny Vavolombelona tany Kanada, rehefa voarara ny asa nandritra ny ady.

Rehefa voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Aostralia, dia ny rahalahy ihany no nanao pirinty ny gazety, ary na ny boky koa aza, na dia mbola tsy nanao izany aza izy taloha. Voatery nafindrafindra in-16 ny milina manambatra boky, kanefa nahavita boky 20 000 izy ireo, ary navoaka ara-potoana tamin’ny fivoriambe iray tamin’ny 1941 izany, na maro be aza ny sakana!

Fitaran’ny asa taorian’ny Ady Lehibe II

Nanao fivoriambe iraisam-pirenena tany Cleveland, any Ohio, ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1946. Niresaka ny amin’ny fanorenana indray sy fanitarana i Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanana. Nitombo 157 isan-jato mantsy ny isan’ny Vavolombelona, nanomboka tamin’ny nipoahan’ny Ady Lehibe II, ary nitombo haingana ny isan’ny faritany vaovao nosokafan’ny misionera. Koa noresahin’ny Rahalahy Knorr ny fikasana hanitatra ny toeran’ny foibe, mba hanaovana boky halefa eran-tany. Hatao avo roa heny noho ny tamin’ny taona 1927 ny halehiben’ny trano fanontam-pirinty, ary hitarina koa ny Trano Betela. Vita teo am-piandohan’ny taona 1950 ireo fanitarana ireo.

Voatery nitarina imbetsaka ny trano fanontam-pirinty sy ny biraon’ny foibe, nanomboka tamin’ny 1950. Nahatratra 230 071 metatra toradroa ny velaran’izy rehetra tamin’ny 1992. Tsy trano fanaovam-boky fotsiny ireo, fa natokana ho an’i Jehovah mba hamokarana boky hampianarana ny olona ny zavatra takiny.

Sarotra ny nampandeha indray ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana tany amin’ny tany sasany, taorian’ilay ady. Tao amin’ny faritra nofehezin’ny Kominista ny trano fanontam-pirinty sy biraon’ny Fikambanana tany Magdebourg, any Alemaina. Niverina tao ny Vavolombelona, nefa tsy ela dia nalain’ny fanjakana indray ilay toerana. Voatery nanangana fanontam-pirinty tany Alemaina Andrefana ireo rahalahy. Ravan’ny baomba ireo tanàna, nefa tsy ela dia nahazo fanontam-pirinty kely nampiasain’ny Nazia taloha, tany Karlsruhe, izy ireo. Nahazo milina fisaka roa izy ireo tamin’ny 1948, ary nandeha andro aman’alina ireo milina ireo tao amin’ny trano iray tany Wiesbaden. Nitarina ilay trano ny taona nanaraka, ary nampitomboina avo efatra heny ny isan’ny milina satria nitombo haingana koa ny isan’ny mpitory tany.

Rehefa nanao pirinty indray ny Fikambanana tany Gresy tamin’ny 1946, dia tapatapaka foana ny jiro. Naharitra ora maro mihitsy izany indraindray. Toy izany koa ny tany amin’ny sampan’i Nizeria tamin’ny 1977. Voatery niasa ireo rahalahy mpanao pirinty, raha vao niverina ny jiro, na andro na alina, mandra-pahazony milina manome herinaratra. Koa tsy tapaka mihitsy Ny Tilikambo Fiambenana.

Nividy tany tao Elandsfontein ireo rahalahy tany Afrika Atsimo tamin’ny 1948, rehefa avy nitsidika azy ny Rahalahy Knorr. Tany no nisy ny trano fanontam-pirinty voalohany naorin’ny Fikambanana tany Afrika Atsimo, ary nifindra tany ny sampana teo am-piandohan’ny taona 1952. Nahazo milina vaovao izy ireo hanaovany gazety tamin’ny fiteny valo. Nahazo fitaovana nanaovana gazety ny sampan’i Soeda tamin’ny 1954, ary toy izany koa ny sampan’i Danemark tamin’ny 1957.

Nomena milina fanontam-pirinty haingam-pandeha nampiasana lohavỳ ny sampana vitsivitsy rehefa nitombo ny asa, ka anisan’izany i Kanada tamin’ny 1958, sy Angletera tamin’ny 1959. Nanana milina lehibe 70 eran-tany ny Fikambanana, tamin’ny 1975.

Fanontam-pirinty notsinjaraina eran-tany

Niezahana notsinjaraina ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1960. Nitombo haingana mantsy ny isan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Koa nilaina nitarina ny trano fanontam-pirinty. Niadana anefa ny fanitarana teto Brooklyn, satria kely ny toerana azo nampiasaina sady ela vao azo ireo taratasy ara-panjakana. Koa nikasa ny hanao fanontam-pirinty tany an-toeran-kafa ireo rahalahy.

Natomboka tamin’ny 1969 ny drafitry ny trano fanontam-pirinty vaovao haorina any akaikin’i Wallkill, 150 kilaometatra eo ho eo any avaratrandrefan’i Brooklyn. Hitarina àry ny tranon’ny foibe, ary hatao any Wallkill any aoriana ny ankamaroan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ho an’i Etazonia. Natao koa ny drafitry ny trano fanontam-pirinty faharoa izay lehibe kokoa hatao any Wallkill, telo taona taorian’izany. Nahavita gazety hatramin’ny 18 tapitrisa isam-bolana ireo milina fanontam-pirinty, tamin’ny 1977. Ary tamin’ny 1992, dia milina offset lehibe MAN-Roland sy Hantscho (4 monja ho solon’ireo 15 nampiasana lohavỳ) no nampiasaina, izay nahavita gazety iray tapitrisa mahery isan’andro.

Navoaka tamin’ny fiteny 72 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’izany, ka fiteny 32 no natao teto Brooklyn, ary tamin’ny fiteny 26 ny Mifohaza! ka fiteny 14 no natao teto, rehefa nomanina ny fanontam-pirintin’i Wallkill. Ny 60 isan-jaton’ny gazety natonta eran-tany no natao teto amin’ny foibe. Koa tsara raha nasiana fanontam-pirinty tany an-tany hafa, ary rahalahy ihany no hanao azy. Amin’izay, raha misy tany itrangan’ny korontana na fandraran’ny fanjakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mbola hahazo sakafo ara-panahy foana ireo rahalahy.

Natao àry izay hanorenana trano fanontam-pirinty vaovao tany Numazu, any Japon, tamin’ny 1971. Nitombo maherin’ny avo dimy heny mantsy ny isan’ny mpitory tany, ka nila boky sy gazety maro ry zareo. Nitarina koa ny tranon’ny sampan’i Brezila, ary ny an’i Afrika Atsimo, izay nanonta tamin’ny fiteny afrikanina maherin’ny 24. Nampitomboina avo efatra heny ny fanontam-pirinty tany Aostralia tamin’ny 1972, mba tsy ho diso aoriana ny hahazoan’ireo rahalahy ny gazety tsirairay. Nasiana trano fanontam-pirinty fanampiny koa tany Frantsa sy Philippines.

Nitety sampana maro i N. Knorr sy M. Larson, mpiandraikitra ny fanontam-pirintin’i Brooklyn, teo am-piandohan’ny taona 1972, mba hijery ny fandehan’ny asa, ka hitady izay fomba tsara indrindra hampiasana ireny trano ireny sy hanomana ny fanitarana ny asa. Tany 16 tany Amerika Atsimo sy Afrika ary Extrême-Orient no notsidihiny.

Tsy ela taorian’izany, dia nanao ny gazetiny ny sampan’i Japon. Nanomboka nanao pirinty Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny fiteny telo tany aminy koa ny sampan’i Ghana, fa tsy niandry an’i Etazonia sy Nizeria intsony. Avy eo dia nanomboka nanao pirinty Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! tamin’ny fiteny valo (ankoatra ny teny anglisy), ny sampan’i Philippines. Eny, voatsinjara tokoa ny fanontam-pirintin’ny Fikambanana.

Tamin’ny faran’ny taona 1975, dia nanana fanontam-pirinty tany amin’ny tany 23 ny Fikambanana, ka telo no nanao boky, ary izy 23 dia samy nanao bokikely na gazety, na izy roa miaraka. Ary nanao pirinty zavatra hovakina kely velarana kokoa ny Fikambanana, tany amin’ny tany 25 hafa.

Nihamaro kokoa ny sampana nanambatra boky, toy ny tany Soisa sy Alemaina, nanomboka efa tamin’ny taona 1925 tany ho any. Nanambatra boky koa ireo rahalahy tany Failandy, tamin’ny 1948, ka nataony tanana aloha izany. Niverina nanao boky indray i Alemaina, roa taona taorian’izany, ary nafindra tany ny tany Soisa.

Nisy iray tapitrisa mahery ny Vavolombelona eran-tany tamin’ny 1967, ary nampiasaina teny am-pitoriana ny boky fanao am-paosy, ka lasa maro be ny olona nitady an’io karazam-boky io. Nampitomboina maherin’ny avo enina heny ny milina manambatra boky teto Brooklyn tao anatin’ny sivy taona. Nisy 28 tamin’ny fitambarany, ny milina fanaovam-boky tany amin’ny tany valo, tamin’ny 1992.

Nanao boky sy gazety tamin’ny fiteny 180, teto Etazonia, ny Fikambanana tamin’io taona io ihany. Ary nanao boky sy gazety ho an’i Amerika Latinina sy ny firenena hafa ireo fanontam-pirinty efatra tany. Nisy fanontam-pirinty 11 tany Eoropa, nanonta ho an’ny tany hafa koa. I Frantsa, ohatra, dia namatsy tany 14, ary i Alemaina namatsy be dia be ho an’ny tany 20 tamin’ny fiteny 40 mahery, ary kely kokoa ho an’ny tany hafa. Ary ny fanontam-pirinty enina tany Afrika dia nanonta tamin’ny fiteny 46. Nisy fanontam-pirinty 11 koa namatsy an’i Moyen-Orient sy Extrême-Orient, ireo nosin’i Pasifika, Kanada, sy ny tany hafa. Ary nanao pirinty zavatra hovakina kely velarana kokoa ny Fikambanana tany amin’ny tany 27 hafa.

Fomba fiasa vaovao, fitaovana vaovao

Nisy fiovana be tamin’ny fanontam-pirinty, nandritra ireo taona 1960 sy 1970. Vetivety dia nosoloana milina offset ny milina ampiasana lohavỳ. d Tsy nanaraka an’ilay fiovana avy hatrany anefa ny Fikambanana. Tsy azo nanaovana pirinty boky na gazety maro be araka ny nilan’ny Fikambanana azy, ny takelaka nampiasaina tamin’ny milina offset. Tsy maintsy hovana daholo koa ireo fomba fandaharana soratra sy pejy. Ary tsy maintsy hividy milina vaovao ireo rahalahy, sady tsy maintsy hianatra teknika vaovao. Tsy maintsy hosoloana daholo koa ny milina fanontam-pirintin’ny Fikambanana, ka handany vola be izany.

Tsikaritra anefa fa tsy hisy intsony ny fitaovana nilaina tamin’ny milina ampiasana lohavỳ. Ary nanjary mateza kokoa ny takelaka offset. Koa tsy maintsy nanaraka ny fiovana ny Fikambanana.

Liana mafy tamin’ny fandrosoan’ny fanontam-pirinty offset ny rahalahy telo anisan’ny fianakavian’ny Betela tany Afrika Atsimo, ka nividy milina offset kely ampiasana takela-taratasy, tamin’ny 1972. Nanjary za-draharaha izy ireo rehefa nampiasa ilay milina. Nampiasaina izy io tamin’ny 1974 mba hanaovana ny boky fanao am-paosy Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, tamin’ny teny ronga. Vitan’izy ireo haingana ireo boky ka nentina nampianarana olona an’arivony nangetaheta ny fahamarinana, talohan’ny nandrarana indray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nalefa tany Zambia ny milina offset iray hafa nomena ny sampan’i Afrika Atsimo.

Lasa aloha koa ny sampan’i Alemaina tamin’ny fampiasana milina offset. Nanomboka nampiasa milina offset ampiasana takela-taratasy ireo rahalahy tany tamin’ny Aprily 1975, mba hanaovana gazety ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Atsinanana. Ary nanao boky ho an’ireny rahalahy voaenjika ireny koa izy ireo, ny taona nanaraka.

Tamin’ny 1975 ihany, dia sambany ny Fikambanana no nampiasa milina offset ampiasana horonan-taratasy mba hanaovana gazety, tany Arzantina. Herintaona mahery kely fotsiny anefa no nampiasana azy io, dia noraran’ny fanjakana ny asan’ny Vavolombelona ka nakatony ilay fanontam-pirinty. Nitatra kosa ny fampiasana milina offset toy izany tany an-tany hafa. Natomboka ny fampiasana milina toy izany teto amin’ny foibe teto Brooklyn, teo am-piandohan’ny taona 1978, mba hanaovana boky nampiasana loko telo. e Nividy milina faharoa ny Fikambanana tamin’io taona io ihany. Mbola nila nividy fitaovana maro hafa anefa ny Fikambanana.

Natoky ny Filan-kevi-pitantanana fa hanome izay rehetra ilaina i Jehovah mba hamitana ny asany. Nohazavaina an-taratasy tamin’ireo fiangonana teto Etazonia ny toe-javatra, tamin’ny Aprily 1979 sy Janoary 1980. Tonga ny fanomezana, niadana aloha tamin’ny voalohany, fa ampy ihany tamin’ny farany, mba hividianana ny milina offset rehetra nilain’ny trano fanontam-pirintin’ny Fikambanana naneran-tany.

Nanao fifanekena tamin’ny kompania hafa koa ny Fikambanana, mba hanovana ny milina MAN modely vaovao efa nananany, ho milina offset. Tany 12 no nomena ireny milina ireny, anisan’izany ny tany 6 mbola tsy nanao gazety teo aloha.

Boky sy gazety miloko

Ny sampan’i Failandy no voalohany nanao gazety miloko tamin’ny milina offset, ka nataony tsotsotra aloha tamin’ny Janoary 1981, ary avy eo nohatsaraina tsikelikely. I Japon kosa no nanao boky miloko. Nanaraka azy avy eo ny tany hafa, rehefa nahazo fitaovana. Ny milina sasany dia novidin’ny foibe ka nalefany tany amin’izy ireny. Ny milina hafa kosa novidin’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana. Nisy Vavolombelona tao amin’ny tany iray nanome milina ho an’ny rahalahiny tany an-tany hafa.

Nanjary tia sary kokoa ny olona taorian’ny Ady Lehibe II, ka nanintona ny maso kokoa ny boky sy gazetintsika miloko. Nanjary nazoto namaky azy ireny ny olona, ka nitombo be ny isan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! naely.

Famoronana programa ao amin’ny ordinatera

Tsy maintsy namorona programa fanomanana ny fanaovam-pirinty ny Fikambanana, mba hanaovana pirinty miloko, ka natomboka tamin’ny taona 1977 izany. Nisy Vavolombelona za-draharaha nanaiky hanao izany teto amin’ny foibe. (Tamin’ny 1979, dia nisy Vavolombelona nahatratra 50 teo ho eo tamin’ny farany, nanao ny programa ho an’ny teny japoney.) Nividy ordinatera ny Fikambanana, ary ny Vavolombelona no namorona programa hampiasaina amin’ny fitantanan-draharaha sy ny fanontam-pirinty amin’ny fiteny maro. Namorona programa manokana izy ireo, mba ho avo lenta ny fandaharana soratra sy sary. Tsy nisy programa azo novidina mantsy mba hampidirana sy handaharana soratra sy sary amin’ny ankamaroan’ny fiteny 167, izay nanaovan’ny Fikambanana pirinty.

Nihevitra ny tontolon’ny varotra fa tsy hahazoan-tombony ny manao zavatra amin’ny fitenin’ny mponina vitsy an’isa na ny fitenin’ny olona mahantra, fa tsy nihevitra toy izany kosa ny Vavolombelon’i Jehovah izay te hamonjy aina. Tsy ela dia nanaovana boky sy gazety tamin’ny fiteny 90 mahery ny programa fandaharana soratra sy pejy noforoniny. Hoy ilay boky hoe Tatitr’i Seybold Momba ny Fomba Fanontam-pirinty (anglisy) momba ny asan’izy ireo: “Mendri-piderana ry zareo ao amin’ny Watchtower noho izy manao ezaka mafy, sahy manombo-javatra, ary mitsinjo lavitra. Vitsy ny olona maniry laza na be herim-po hahavita zavatra avy amin’ny tsy misy, toa azy ireo.”—Boky Faha-12, No. 1, 13 Septambra 1982.

Ho mora ny manao pirinty sy mikojakoja ny fitaovana raha mitovy izy ireny sady mampiasa programa mitovy, eran-tany. Koa nanapa-kevitra ny Fikambanana tamin’ny 1979 fa hamorona fandaharana mandrindra soratra sy sary. Hanao ny ordinatera fototra ilay ekipa, fa tsy hiantehitra be loatra intsony amin’ny fitaovana azo vidina.

Koa nisy Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy tany Wallkill, New York, nanomboka namorona ny Fandaharana Elektronika Mandrindra ny Fisehon’ny Soratra sy Sary Amin’ny Fiteny Maro (MEPS) tamin’ny 1979. Tamin’ny Mey 1986 no nahavitan’izy ireo ordinatera MEPS, milina mandahatra soratra sy sary mialoha ny fanaovam-pirinty, ary indrindra fa ilay programa hanontana amin’ny fiteny 186 koa.

Nampiarahina tamin’io programa io koa ny famoronana endri-tsoratra maro be tao amin’ny ordinatera. Tsy maintsy nodinihina tsara ny mampiavaka ny fiteny tsirairay. Tsy maintsy natao sary ny litera tsirairay: Ohatra, natao sora-baventy sy sora-madinika, nasiana mari-tsindrimpeo sy mari-panononana ary mari-piatoana, tamin’ny habe isan-karazany. Ary natao mitokana koa ny litera tsirairay natao soratra manify, sora-mandry, sora-matevina, sy matevim-be, arakaraka ny karazan’endri-tsoratra. Nila tarehintsoratra 202 ny karazan-tsoratra romanina. Koa nila tarehintsoratra 74 538 ireo karazan-tsoratra romanina 369. Tsy maintsy natao sary ireo tarehintsoratra 8 364 ho an’ny karazan-tsoratra sinoa tsirairay, ary mbola nampiana izany tatỳ aoriana.

Rehefa vita ireo endri-tsoratra, dia azo natao pirinty mazava tsara. Tsy ny abidy romanina ihany no vitan’ilay programa, fa ny soratra bengali, grika, hindi, kambodjianina, koreanina, sirilika, ary koa arabo sy hebreo (izay samy vakina avy eo ankavanana miankavia), ary japoney sy sinoa (izay tsy mampiasa abidy). Azo namoahana boky sy gazety tamin’ny fiteny 200 mahery ilay programa tamin’ny 1992, ary mbola namorona programa ho an’ny fiteny hafa ireo rahalahy.

Nampidirana fomba fiasa sy fahaizana vaovao tany amin’ireo sampana nasiana fanovana. Nisy mpiasa nalefa teto amin’ny foibe mba hianatra ny fomba fananganana sy fampiasana ary fikojakojana milina offset lehibe ampiasana horonan-taratasy. Nisy nampianarina ny fomba fanasarahana loko amin’ny alalan’ny fitaovana lazera. Nisy koa nampiofanina hampiasa sy hikojakoja ordinatera. Koa raha nisy olana na taiza na taiza, dia nahitana vahaolana haingana mba hitohizan’ny asa.

Tsapan’ny Filan-kevi-pitantanana fa raha mitovy ny zavatra ianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany any amin’ny fivoriany isan-kerinandro, sy ny boky zarainy eny am-pitoriana, dia ho tafaray tokoa izy ireo. Taloha dia efa-bolana taorian’ny nivoahan’ny boky sy gazety tamin’ny teny anglisy, vao nivoaka ny tamin’ny fiteny hafa, ary nety ho herintaona na taona maro mihitsy aza ny tamin’ny fiteny maro. Azo novana anefa izany. Koa satria afaka miasa foana ny ordinateran’ireo sampana nanonta pirinty na inona na inona fiteny nanaovam-pirinty, dia azo natao ny namoaka boky sy gazety tamin’ny fiteny samihafa indray niaraka. Niara-nivoaka tamin’ny fiteny 20 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1984. Nisy tamin’ny fiteny 25 ny boky Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza! tamin’ny 1989, rehefa nentina teny am-pitoriana, volana vitsy monja taorian’ny nivoahany. Niara-nivoaka tamin’ny fiteny 66 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1992, dia tamin’ny fiteny be mpampiasa teto an-tany.

Nanao fandrosoana goavana ny indostrian’ny ordinatera, taorian’ny nanombohana an’ilay tetikasa MEPS tamin’ny 1979. Azo atao ankehitriny ny mividy ordinatera azo ampiasaina amin’ny fomba maro, nefa mora lavitra noho ny taloha ny vidiny. Koa nanapa-kevitra ny hampiasa ireny ordinatera ireny miaraka amin’ny programa noforoniny ny Fikambanana. Azo natao ny nanonta haingana kokoa. Azo natao koa ny nandefa programa fanontam-pirinty tany amin’ny sampana maro kokoa, ka nitombo ho 83 ny isan’ny sampana nampiasa izany. Tamin’ny 1982, dia nisy 3 800 mahery ny ordinatera eran-tany nampiasana an’ilay programa noforonin’ny Fikambanana. Tsy ny sampana rehetra manana ordinatera no manao pirinty, kanefa izay manana ordinatera kely sy programan’ny Fikambanana ary milina kely fanontam-pirinty mandeha amin’ny lazera, dia afaka manomana ny trakta, gazety, boky sy zavatra hafa hatao pirinty.

Ampiasaina bebe kokoa amin’ny fandikan-teny ny ordinatera

Azo ampiasaina amin’ny fandikan-teny koa ve ny ordinatera? Miasa amin’ny ordinatera ny ankamaroan’ny mpandika tenin’ny Fikambanana any amin’ny biraon’ny sampana. Ireo mandika teny any an-tranony ka nampiasa milina fanoratana na nandika tanana nandritra ny taona maro, dia nampiofanina handika teny amin’ny ordinatera novidin’ny Fikambanana. Mora ny manao fanitsiana eo amin’ny efijerin’ilay ordinatera. Raha sampana tsy manonta pirinty no manao ilay fandikan-teny, dia ampidirina fotsiny ao amin’ny diskety ireo teny voadika, ka alefa any amin’ny sampana manao pirinty.

Nanjary mora kokoa ny fifandraisana eran-tany rehefa niova ny fitondrana tany amin’ny tany maro, nandritra ny taona 1989 sy 1990. Koa novorin’ny Fikambanana haingana ny mpandika teny avy tany Eoropa Atsinanana, mba hampiofanina hanatsara ny fandikan-teniny sy hiasa amin’ny ordinatera, mba hamoahana Ny Tilikambo Fiambenana amin’ireo fiteniny maromaro indray miaraka. Nampiofanina toy izany koa ny mpandika teny tany Azia Atsimoatsinanana.

Mety ho haingana kokoa sy tsara kokoa ve ny fandikan-teny amin’ny ordinatera? Eny. Nampiditra programan’ordinatera ho an’ny fandikana ny Baiboly ny Fikambanana tamin’ny 1989. Nezahina mafy nampidirina tao amin’ny ordinatera ny teny hebreo na grika rehetra sy ny teny anglisy rehetra nandikana azy arakaraka ny teny manodidina, ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, mba ho azon’ny mpandika teny jerena haingana. Azony atao koa ny mifidy teny anglisy fototra iray, dia hitany ny teny hebreo na grika rehetra mifanitsy amin’ilay teny (na ny teny hafa mitovy hevitra aminy). Hita fa hay, matetika dia teny anglisy maromaro no nandikana ny hevitry ny teny hebreo na grika iray. Hitan’ilay mpandika teny vetivety eo ny tena hevitr’izay adikany. Ho azony tsara ny hevitra fototr’ilay teny hebreo na grika sy ny tena heviny arakaraka ny teny manodidina, ka ho azony atao ny handika azy amin’ny fomba marina tsara.

Azon’ny mpandika teny atao ny mandinika teny iray ao amin’ny Baiboly miaraka amin’ny andinin-teny rehetra ahitana azy, ka mandika azy arakaraka ny teny manodidina. Vokatr’izany, dia tsy miovaova firy ny fandikana ny teny tsirairay. Jeren’ny mpandika teny hafa ilay andininy voadika mba hanatsarana azy, rehefa manao fikarohana sy mitondra ny fahaizany ny rehetra. Rehefa vita izany, dia azo jerena eo amin’ny ordinatera ny andinin-teny iray amin’ny teny anglisy sy amin’ny teny hebreo na grika ary amin’ny fiteny nandikana azy. Tsy vita hatreo anefa ilay asa. Ilain’ilay mpandika teny koa ny mandrindra ny fehezanteny mba ho azo vakina misosa tsara. Tsy maintsy mazava tsara aminy anefa ny tena hevitr’ilay andinin-teny. Azony jerena eo no ho eo ao amin’ny ordinatera ny fanazavan’ny Fikambanana momba ilay andinin-teny na ny teny iray ao amin’ilay andininy.

Mihena àry ny fotoana fanaovana fikarohana, ary tsy miovaova firy ny fandikana teny iray. Azo inoana fa mbola hisy fandrosoana amin’io sehatra io, ka ho azo atao ny mamoaka haingana boky sy gazety amin’ny fiteny mbola vitsy mpandika teny. Maro tokoa ny boky sy gazety atonta amin’ny alalan’io fitaovana io, mba hampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Eny, mampiasa ny fitaovana mivoaka farany indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, toy ny nataon’ny Kristianina voalohany, mba hampielezana ny Tenin’Andriamanitra. Tsy natahotra niatrika fanamby vaovao teo amin’ny fanontam-pirinty izy ireo, mba hampielezana ny vaovao tsara amin’ny olona maro araka izay azo atao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Novana ho Watch Tower Bible and Tract Society ny anaran’ilay fikambanana tamin’ny 1896.

b I Charles Russell no tompon’io kompania io. Nomeny ho fananan’ny Watch Tower Bible and Tract Society izy io tamin’ny 1898.

c Tsy noho ny ady fotsiny no tsy nahazoan’izy ireo arintany, fa noho ny fankahalana ny Mpianatra ny Baiboly teto New York, araka ny nosoratan’i Hugo Riemer, mpiasa tao amin’ny foibe.

d Ny fanontam-pirinty ampiasana lohavỳ dia ahitana soratra mivohitra vakina mivadika toy ny hita amin’ny fitaratra. Asiana ranomainty ilay soratra mivohitra ary apetaka amin’ny taratasy. Ny milina offset kosa dia ampiasana takelaka misy soratra sy ranomainty izay apetaka eo amin’ny silendira fingotra, ary iny indray kosa no apetaka amin’ny taratasy.

e Milina offset ampiasana takela-taratasy no nampiasain’ny Fikambanana teto Brooklyn, nanomboka tamin’ny 1959 ka hatramin’ny 1971, mba hanaovana kalandrie miloko, nampiseho sary momba ny fitoriana.

[Teny notsongaina, pejy 578]

“Andeha ny arintany no hanaovantsika ilay fitsapana”

[Teny notsongaina, pejy 595]

Nasiana milina offset ireo fanontam-pirintin’ny Fikambanana eran-tany

[Teny notsongaina, pejy 596]

“Mendri-piderana ry zareo ao amin’ny Watchtower”

[Efajoro/Sary, pejy 581]

Fandaharana Soratra

Natao tanana avokoa ny fandaharana ny litera tsirairay

Afrika Atsimo

Nampiasaina ny milina Linotype, tamin’ireo taona 1920-1980

Etazonia

Milina Monotype no nampiasaina tany amin’ny toerana sasany

Japon

Ordinatera no ampiasaina ankehitriny andaharana soratra sy sary

Alemaina

[Efajoro/Sary, pejy 582]

Takelaka Fanontam-pirinty

Takelaka firamainty no nampiasaina tamin’ny fanontam-pirinty ampiasana lohavỳ, nanomboka tamin’ireo taona 1920-1980

[Sary]

1. Nohidiana tao anaty tranony vy ireo soratra ho an’ny pejy hatao pirinty

2. Noterena hisoritra teo amin’ny lasitra iray ireo soratra

3. Nararaka teo amin’ilay lasitra ny firamainty mafana mba hanaovana takelaka fanontam-pirinty

4. Nesorina tamin’ilay takelaka ny firamainty tsy nilaina

5. Nopetahana nikela ireo takelaka mba hateza

Tatỳ aoriana, dia nalahatra ny negatifan-tsarin’ireo pejy, ary natsofoka ny sary. Nalaina sary ireo pejy ka nafindra teo amin’ny takelaka fanontam-pirinty offset

[Efajoro/Sary, pejy 585]

‘Porofo fa Miasa ny Fanahin’i Jehovah’

“Olona mbola tsy niasa mihitsy tamin’ny milina manonta am-pihodinana na tsy za-draharaha firy tamin’izany dia nahavita boky sy Baiboly [tamin’ny fotoana mbola tsy nanaovan’ny mpanao pirinty hafa an’izany], ka izany no porofo fa i Jehovah no miandraikitra sy mitarika ilay asa amin’ny alalan’ny fanahiny”, hoy i Charles Fekel. Fantatry ny Rahalahy Fekel tsara ny asa tafiditra tamin’izany, satria nandray anjara tamin’ny fanatsarana ny fanontam-pirinty teto amin’ny foibe izy, nandritra ny 50 taona mahery. Anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy tatỳ aoriana.

[Sary]

Charles Fekel

[Efajoro/Sary, pejy 586]

Fianteherana Amin’Andriamanitra, Ilay Hery Fara Tampony

Mpividy entana ho an’ny Fikambanana i Hugo Riemer taloha, ka tantarainy eto ny fomba fiasan’ny Fikambanana:

Nandritra ny Ady Lehibe II, dia voafetra ny taratasy fanontam-pirinty teto Etazonia. Tsy maintsy nanao fangatahana tamin’ny komity voatendrin’ny fanjakana, ny olona te hahazo. Indray mandeha, dia nandefa mpisolovava, mpandraharaha, mpitory teny, sy olon-kafa hisolo tena azy teo anatrehan’ilay komity ny fikambanana lehibe iray mampiely Baiboly. Kely lavitra noho izay nangatahiny no azony. Nasain’ilay komity nandroso avy eo ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Hoy ilay mpitari-draharaha rehefa nahita an’i Hugo Riemer sy Max Larson: “Ianareo mirahalahy irery ve?” Hoy izy ireo: “Eny, nefa manantena izahay fa momba anay koa Andriamanitra, ilay Hery Fara Tampony.” Nomena azy ireo izay rehetra nangatahiny.

[Sary]

Hugo Riemer

[Efajoro/Sary, pejy 587]

Milina Fanontam-pirinty

Nampiasa milina maro samihafa ny Fikambanana

[Sary]

Milina fisaka isan-karazany no nampiasaina nandritra ny taona maro (Alemaina)

Taratasy hofenoina sy fanasana ary koa gazety no natonta tamin’ny milina kely (Etazonia)

Nisy 58 ny milina toy ity, nampiasaina tany amin’ny tany samihafa (Kanada)

Ankehitriny, dia milina offset manao boky sy gazety miloko no ampiasain’ny Fikambanana

Italia

Alemaina

[Sary, pejy 588, 589]

Fanambarana Boky

Natao tanana izany tamin’ny voalohany (Soisa)

Nisy sokajin’asa samy hafa ny fanaovana boky teto Etazonia

1. Fanangonana an’ireo fehezam-pejy

2. Fanjairana

3. Fametahana an’ireo pejy farany

4. Fanapahana ny sisim-pejy

5. Fanaovana ny soratra eo amin’ny fonony

6. Fametahana ny fonony

7. Fanerena an’ireo boky hiraikitra tsara

Tsy zairina intsony ny boky ankehitriny, fa matetika no asiana lakaoly ny ao aoriana, dia terena hikambana, ary mety hahavita boky 20 000 na mahery isan’andro ny milina iray

[Efajoro/Sary, pejy 594]

Fampahafantarana ny Fanjakan’Andriamanitra

Namoaka boky sy gazety tamin’ny fiteny 290 mahery ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Namoaka boky sy gazety tamin’ny fiteny 210 teo ho eo izy ireo tamin’ny 1992. Natao izany mba hanampiana ny olona hahafantatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Ireto ny boky sy bokikely fianarana Baiboly anisan’ny naely be indrindra:

“Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay” (1968): 107 553 888, tamin’ny fiteny 117

“Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany” (1982): 62 428 231, tamin’ny fiteny 115

“Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!” (1982): 76 203 646, tamin’ny fiteny 200

Tamin’ny 1992 ireo tarehimarika ireo.

[Efajoro/Sary, pejy 598]

Fandraisam-peo Amin’ny Kasety

Namoaka kasety koa ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana nanomboka tamin’ny 1978, ankoatra ny boky sy gazety, ka nisy kasety 65 tapitrisa mahery vita teto Etazonia sy tany Alemaina.

Vita kasety ny “Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao” manontolo amin’ny fiteny alemà, anglisy, espaniola, frantsay, italianina, ary japoney. Tamin’ny 1992, dia efa nisy tamin’ny fiteny valo hafa koa ny ampahany sasany tamin’io Baiboly io.

Vita kasety “Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly”, sy “Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe” (frantsay), mba hampianarana ny ankizy.

Misy kasety alefa amin’ny radio koa any amin’ny tany sasany.

Vita kasety koa ny mozika ataon’ny orkesitry ny Vavolombelona, ka ampiasaina any amin’ny fivoriambe mba hihirana. Ary vita kasety ny mozika mirindra azo henoina any an-trano.

Alaina feo ny fampisehoana tantara (tantara ankehitriny sy ao amin’ny Baiboly), mba holalaovina any amin’ny fivoriambe, ka ho hitan’ny mpanatrika. Afaka mahazo amin’ireny kasety ireny avy eo ny fianakaviana, mba hianarany sady hialany voly.

Samy vita kasety “Ny Tilikambo Fiambenana” sy “Mifohaza!” amin’ny teny anglisy sy failandey. Ary misy amin’ny teny frantsay, alemà, danoà, norvezianina, sy soedoà koa ny kasety “Ny Tilikambo Fiambenana.” Natao ho an’ny olona tsy mahita tsara izy ireny tamin’ny voalohany, nefa olona an’arivony hafa koa no tia azy ireny ankehitriny.

[Sary]

Alaina feo i J. Barr

[Efajoro/Sary, pejy 600, 601]

Fitoriana Amin’ny Alalan’ny Kasety Video

Sambany ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana no namoaka kasety video ho an’ny rehetra, tamin’ny 1990.

Notombanana fa tokantrano 200 000 000 mahery eran-tany no nanana fandefasana video, tamin’io taona io. Na tsy nisy televiziona aza ny tany sasany, dia nanana video ny olona. Koa fomba vaovao nampianarana olona maro kokoa ny kasety video.

Efa tamin’ny taona 1985 no natomboka ny fampiasana video mba hampisehoana ny asa teto amin’ny foibe tamin’ireo mpitsidika. Nitsitsy fotoana koa ny fampiasana video tamin’ireo vaovao tao amin’ny Betela, mba hampahafantarana azy ny mombamomba ny Betela. Azo ampiasaina amin’ny asa fanaovana mpianatra koa ve ny video? Nisy nihevitra fa azo atao izany.

Koa navoaka tamin’ny Oktobra 1990 ny kasety video “Ny Vavolombelon’i Jehovah—Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana.” Maro be ny olona liana tamin’ilay izy, ka nangataka kasety video hafa. Naorina àry ny Sampan’asan’ny Video.

Faly nanampy ireo Vavolombelona manam-pahaizana amin’io sehatra io. Nividy fitaovana ny Fikambanana. Naorina ny efitrano fandraisam-peo. Nisy nitety tany maro mba haka sary olona sy zavatra tsara hatao video, mba hoenti-manatanjaka ny finoana. Nanatsara an’ireo video koa ny mozika nataon’ilay orkesitry ny Vavolombelona.

Nikasa ny hamoaka video tamin’ny fiteny hafa koa ny Fikambanana. Nalefa tamin’ny fiteny 12 mahery ilay video “Ny Vavolombelon’i Jehovah—Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana”, teo antenatenan’ny taona 1992. Efa vita amin’ny fiteny 25 izy io, ka anisan’izany ny fiteny sasany any Eoropa Atsinanana. Natao koa izay hamoahana azy io amin’ny teny mandarin sy kantôney ho an’ny Sinoa. Azon’ny Fikambanana koa ny zo hanao sy hampiely ilay video hoe “Telozoro Volomparasy”, izay misy ny tantaran’ny fianakaviana iray tsy nivadika tany Alemaina, nandritra ny fitondran’ny Nazia. Kasety video iray tapitrisa mahery no nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah teny am-pitoriana, tao anatin’ny roa taona.

Natao koa izay hanampiana ny marenina. Navoaka tamin’ny Baiko Moana Amerikanina ny kasety video “Ny Vavolombelon’i Jehovah—Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana.” Ary nodinihina koa ny fomba hamokarana video ho an’ny marenina any an-tany hafa.

Natao izay hamokarana kasety video vitsivitsy natao hanatanjahana ny finoana ny Baiboly, izay fototry ny finoan’ny Kristianina. Vita tamin’ny teny anglisy ny kasety voalohany “Ny Baiboly: Tantara Marina sy Faminaniana Azo Itokisana”, tamin’ny Septambra 1992, ary nomanina koa ny hamoahana azy io tamin’ny fiteny hafa.

Tsy mahasolo ny boky sy gazety na ny fitoriana anefa ny kasety video. Mbola tena ilaina amin’ny fampielezana ny vaovao tsara ny boky sy gazety. Mbola lafiny lehibe amin’ny fanompoana ny fitoriana isan-trano ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady miorina amin’ny Soratra Masina. Fitaovana fanampiny anefa ny kasety video, mba hanampiana ny olona hino ny fampanantenan’i Jehovah sy hankasitraka bebe kokoa izay asainy atao eto an-tany ankehitriny.

[Sary]

1. Rehefa fantatra izay ho votoatin’ny kasety video, dia atao ny fakana feo sy sary

2. Fidina ny sary sy ny filaharany

3. Alaina feo ny mozika nataon’ny orkesitra

4. Akambana amin’ny fitantarana sy sary ny mozika sy ny feo isan-karazany

5. Fanitsiana farany ny feo sy sary

[Sary, pejy 576]

Kompania mpampanonta no nanao pirinty ireto boky ireto

[Sary, pejy 577]

I C. Wise no nanao ilay fitsapana mba hahafantarana raha tokony hiverina teto Brooklyn ny Mpianatra ny Baiboly na tsia

[Sary, pejy 579]

Ny milina voalohany toy ity novidin’ny Fikambanana no nanaovana 4 000 000 tamin’ilay “Fotoam-pahasambarana” No. 27

[Sary, pejy 580]

Miresaka amin’ny Rahalahy Rutherford i R. Martin (ankavanana), mpiandraikitra ny fanontam-pirinty voalohany teto Brooklyn

[Sary, pejy 583]

Anisan’ny fanontam-pirinty voalohan’ny Fikambanana tany Eoropa (Berne, Soisa)

[Sary, pejy 584]

Nanangana fanontam-pirinty ny Fikambanana tany Madgebourg, Alemaina, nandritra ireo taona 1920

[Sary, pejy 590, 591]

Elandsfontein, Afrika Atsimo (1972)

[Sary, pejy 590]

Numazu, Japon (1972)

[Sary, pejy 590]

Strathfield, Aostralia (1972)

[Sary, pejy 590]

São Paulo, Brezila (1973)

[Sary, pejy 591]

Lagos, Nizeria (1974)

[Sary, pejy 591]

Wiesbaden, Alemaina (1975)

[Sary, pejy 591]

Toronto, Kanada (1975)

[Sary, pejy 597]

Namorona endri-tsoratra maro be tao amin’ny ordinatera ny Vavolombelona, mba hamoahana boky sy gazety amin’ny fiteny maro (Brooklyn, New York)

[Sary, pejy 599]

Azo atao ny mametraka sary eo amin’ny toerany, na manapaka azy, na manatsara azy amin’ny alalan’ny ordinatera

[Sary, pejy 602]

Mampiasa ordinatera ny Vavolombelon’i Jehovah, mba ho haingana kokoa sy tsara kokoa ny fandikana ny Baiboly (Korea)