Fitoriana Ampahibemaso sy Isan-trano
Toko 25
Fitoriana Ampahibemaso sy Isan-trano
HOY i Jesosy, rehefa naniraka ny mpianany: “Rehefa mandeha ianareo, dia mitoria hoe: ‘Efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ ” (Matio 10:7) Hoy koa izy rehefa naminany momba izay hataon’ny Kristianina mandritra ny andro farany: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona.” (Matio 24:14) Inona no dikan’izany?
Tsy nidika izany hoe tokony hanao trano fiangonana izy ireo, dia hampaneno lakolosy, ary hiandry ny olona ho tonga hihaino toriteny indray mandeha isan-kerinandro. Ilay matoanteny grika nadika hoe “mitory” (ke·rysʹso) eto, dia midika hoe “mitondra sy manambara hafatra.” Fanambarana ampahibemaso no tena dikan’ilay izy, fa tsy fanaovana toriteny amin’ny mpianatra vitsivitsy monja.
Namela ohatra ny amin’ny fomba tokony hanaovana izany i Jesosy. Nandeha tany amin’ny toerana nahitana olona izy. Nivory tsy tapaka tany amin’ny synagoga ny olona tamin’ny taonjato voalohany, mba hihaino famakiana ny Soratra Masina. Nohararaotin’i Jesosy izany mba hitoriana tany, nefa tsy tao amin’ny tanàna iray monja, fa eran’i Galilia sy Jodia mihitsy. (Matio 4:23; Lioka 4:43, 44; Jaona 18:20) Milaza mihitsy aza ny Filazantsara fa nitory matetika kokoa teny amoron-dranomasina, teny an-tehezan-tendrombohitra, teny an-dalana, tany an-tanàna, ary tany an-tranon’ireo nandray azy i Jesosy. Niresaka ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona izy, na taiza na taiza nahitany olona. (Lioka 5:3; 6:17-49; 7:36-50; 9:11, 57-62; 10:38-42; Jaona 4:4-26, 39-42) Rehefa nirahiny koa ny mpianany, dia nasainy ho any an-tranon’ny olona mba hitady izay mendrika, ary hitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireny.—Matio 10:7, 11-13.
Miezaka mafy hanaraka ny ohatr’i Jesosy sy ny mpianany voalohany, ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny.
Fanambarana ny vaovao momba ny fanatrehan’i Kristy
Nanjary nahatakatra ny fahamarinana tao amin’ny Tenin’Andriamanitra i Charles Russell sy ny namany. Nanohina ny fon’izy ireo ny zavatra
nianarany momba ny zava-kendren’ny fiverenan’i Kristy sy ny fomba fisehony. Takatry ny Rahalahy Russell fa tokony hampahafantarina haingana ny olona izany. Nalaminy ny fiainany, mba handehanana tany amin’ny toerana nahafahany niresaka tamin’olona momba ireo fahamarinana ara-baiboly ireo. Nanatrika fivoriana ara-pivavahana izy, ary nanararaotra izany mba hiresahana tamin’izay teo, toy ny nataon’i Jesosy tany amin’ny synagoga. Vetivety anefa dia takany fa betsaka kokoa no mety ho vita amin’ny fomba hafa. Hitany tao amin’ny Baiboly fa matetika no niresaka nivantana tamin’ny olona sy nandeha isan-trano i Jesosy sy ny apostoliny, rehefa nitory. Takany koa fa tena ilaina ny manohy ilay resaka, amin’ny fanomezana zavatra hovakin’ny olona.Efa tamin’ny 1877 izy no namoaka ilay bokikely hoe Ny Zava-kendren’ny Fiverenan’ny Tompontsika sy ny Fomba Fisehony. Navoakany tsy tapaka, roa taona taorian’io, ilay gazety hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy. Ny hitory, na hanambara vaovao lehibe momba ny fanatrehan’i Kristy tokoa no tanjona.
Efa tamin’ny 1881 no nozaraina maimaim-poana teny akaikin’ny trano fiangonana, ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly (tsy teny am-baravaram-piangonana, fa teny akaikiny, mba handraisan’ny olona tia fivavahana an’ilay izy). Mpianatra ny Baiboly maro no nanome izany ho an’ny olom-pantany na nandefa azy tamin’ny alalan’ny paositra. Noresahin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1903 fa tokony hiezahana ny hizara trakta amin’ny tsirairay isan-trano, fa tsy amin’ireo mpiangona ihany. Tsy ny Mpianatra ny Baiboly rehetra no nanao izany, nefa maro no tena nazoto. Voalaza, ohatra, fa saika ny trano rehetra no voatsidika, tany amin’ireo tanàn-dehibe maro eran’i Etazonia sy ny 16 kilaometatra manodidina azy
ireny. Trakta sy bokikely an-tapitrisany no nozaraina. Fizarana trakta sy boky maimaim-poana no tena fitoriana ny vaovao tsara nataon’ny ankamaroan’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany.Mpisava lalana ny Mpianatra ny Baiboly sasany (vitsy kokoa izy ireo), ka nanokana ampahany betsaka tamin’ny fotoanany ho an’io asa io.
Mitari-dalana ny mpisava lalana mazoto
Tamin’ny Aprily 1881 no nanomboka nasaina hanao ny asan’ny mpisava lalana ny lehilahy sy vehivavy vita fanoloran-tena. Hanolotra boky manazava ny fahamarinana, sy hanolotra famandrihana amin’ny Tilikambo Fiambenana ho an’ny olon-tsotra sy ny mpandraharaha izy ireo. Ny hitady an’ireo tia fahamarinana sy hanazava izany amin’izy ireny, no tanjon’ny mpisava lalana. Nilaza foto-kevitra nahaliana aloha izy ireo, sady nametraka boky maromaro ho an’ny tompon-trano, ary niverina rehefa afaka andro vitsivitsy. Nisy ireo namerina ny boky, ny hafa kosa te hividy azy ireny. Matetika anefa no azo notohizina tsara ny resaka. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana: “Tsy ny hivarotra an’ireo boky, na ny hahazo famandrihana [no tanjon’izy ireo], fa ny hampiely ny fahamarinana, sy handrisika ny olona hamaky.”
Vitsy ihany ireo nanao ny asan’ny mpisava lalana. Nisy 600 teo ho eo izy ireo, nandritra ireo 30 taona voalohany. Tena mpisava lalana izy ireo,
satria nitory tany amin’ny faritany vaovao. Anisan’ny naharitra nanao io asa io nandritra ny am-polony taona i Anna Andersen. Matetika izy no nandeha bisikileta, ary nitory ny vaovao tsara tany amin’ny ankamaroan’ny tanàna tany Norvezy. Nandeha tany an-tany hafa ny mpisava lalana sasany, ka nanokatra ny fitoriana tany Failandy, Barbade, Salvadaoro, Goatemalà, Honduras, ary Birmania (Myanmar ankehitriny). Nisy koa ireo tsy afaka nifindra toerana, fa mpisava lalana teo amin’ny faritany nisy azy ihany.Niavaka ny asan’ireo mpisava lalana. Nisy iray tamin’izy ireo nanompo tany amin’ny morontsiraka andrefan’i Etazonia. Izao no nosoratany tamin’ny 1898: Nandritra ireo 33 volana talohan’io, dia nandeha 12 800 kilaometatra tamin’ny voatiriny izy, nitory tany amin’ny tanàna 72, nanao fitsidihana 18 000, nametraka boky 4 500, nahazo famandrihana 125, nizara trakta 40 000, ary nahita olona 40 nanaiky ilay hafatra sy nanomboka nilaza izany tamin’olon-kafa koa. Nahapetraka boky 20 000 ny mpivady mpisava lalana tany Aostralia, nandritra ny roa taona sy tapany monja.
Maningana ihany ve izany? Asehon’ny tatitra tamin’ny 1909 fa naharay boky 626 981 avy tamin’ny Fikambanana ny mpisava lalana 625 teo ho eo (tontaliny tamin’izany), mba hapetraka tamin’ny olona (1 000 teo ho eo isaky ny mpisava lalana), ankoatra ny zavatra maro be natao hozaraina maimaim-poana. Matetika no tsy ampy ny boky nentin’izy ireo, ka nandray komandy izy ireo, ary nanatitra izany avy eo.
Nisy anefa nilaza hoe: “Tsy fitoriana ange izany e!” Nanazava anefa ny Rahalahy Russell hoe tena fitoriana nahomby izany. Tsy fanazavana tokana monja, toy ny amin’ny toriteny, mantsy no voarain’ny olona, fa fanazavana maro ao anaty boky, ka azony averina vakina foana, sady azony hamarinina ao amin’ny Baiboliny. Nanampy ny olona hamaky teny koa io karazana fitoriana io. Hoy ny boky Ny Zavaboary Vaovao: “Mitovy ihany ny asan’ny mpitory, na mandeha an-tongotra sy mitaingina rameva izy, na manao dia lavitra amin’ny fitaovana ampiasana etona sy herinaratra. Toy izany koa, fa fitoriana ihany no atao, na dia mampiasa fitaovana maoderina aza ny mpitory fa tsy manaraka ny fomba taloha intsony. Ny fitoriana dia fampitana ny Fahamarinana ..., dia ny Tenin’Andriamanitra.”
Hita fa tena te hanampy olona ny Mpianatra ny Baiboly, satria nataony tsara ilay asa fitoriana, ka nanjary nampiavaka azy izany. Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1917 toy izao ilay fandaharana: Nitsidika ireo trano tao amin’ilay faritra aloha ireo mpisava lalana, ary nanolotra ny boky Fianarana ny Soratra Masina. Avy eo, dia ny mpanao fitsidihan’ny mpiandry no nitsidika an’ireo olona nanome ny anarany an’ireo mpisava lalana na nanao izany a Nataon’ireo mpitsidika ireo izay hahatonga ilay olona haniry hamaky ireo boky, ary nampirisihiny ny olona liana mba hanatrika lahateny nalamina manokana, sady niezahany ny nandamina kilasy fianarana ny Baibolin’ny Berianina. Nitory teo amin’ilay faritra indray ny mpisava lalana, raha nety, ary niverina nitsidika ny olona ireo mpanao fitsidihan’ny mpiandry, mba hifandray tsy tapaka tamin’izay liana. Notsidihin’ny mpitory hafan’ny kilasy indray ireny olona ireny tatỳ aoriana, sady nomeny trakta sy boky maimaim-poana. Nandrisika ny tsirairay hianatra bebe kokoa momba ny fikasan’Andriamanitra izany.
tany am-pivoriana.Rehefa mpisava lalana iray na roa monja no nitory teo amin’ny faritra tsy nisy fiangonana, dia izy ireo ihany matetika no nikarakara an’ireo olona liana. Nomena toromarika àry i Hermann Herkendell sy ilay namany, rehefa nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Bielefeld, Alemaina, tamin’ny 1908, mba hampifankahalala an’ireo olona liana tao amin’ilay faritra, ary hamorona fiangonana tao. Nolazain’ny Tilikambo Fiambenana, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, fa nisy mpisava lalana hafa koa nikarakara olona liana, ka nanorina antokona Mpianatra ny Baiboly tany amin’ny tanàna rehetra nanompoany.
Navoaka tamin’ny 1921 Ny Harpan’Andriamanitra (anglisy), izay boky tena nilaina tamin’io asa io. Natao ho an’ireo vaovao indrindra ilay boky, ka 5 819 037 no naely tamin’ny fiteny 22. Nanao fandaharana fifanoratana ny Fikambanana mba hanampiana an’ireo nahazo io boky io hianatra Baiboly. Nisy fitambara-panontaniana 12 tokony hovaliana, nalefa tamin’izy ireo nandritra ny 12 herinandro. Nasiana dinidinika ara-baiboly koa tany an-tranon’ireo olona liana, ka io boky io no nampiasaina. Mpianatra ny Baiboly maromaro no nanatrika izany.
Takatry ny Vavolombelona fa lehibe ny saha hitoriana nefa vitsy izy ireo.—Lioka 10:2.
Maro no nandre ny hafatra na vitsy aza ny mpitory
Nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana fa nomen’Andriamanitra adidy Isaia 61:1, 2) Inona no hatao amin’izany?
ireo tena Kristianina voahosotry ny fanahy hitady ny Kristianina tso-po sy hanampy azy ireny, na mpiangona izy ireny na tsia. (Kely ihany no nety ho vitan’ireo Mpianatra ny Baiboly roa (J. Sunderlin sy J. Bender), izay nalefa irery tany Angletera tamin’ny 1881. Nisy tovolahy an-jatony anefa nokaramaina hanampy azy, ka 300 000 tamin’ilay boky Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina no voazara tao anatin’ny fotoana fohy. Nanana faritany nidadasika nahafaoka tany maromaro tokony hitoriany i Adolf Weber, izay niverina tany Soisa, nitondra ny vaovao tsara, tamin’ny taona 1895. Inona no nataony? Nanao mpisava lalana izy ary nandeha lavitra. Nanao filazana an-gazety koa anefa izy sady nangataka mpivaro-boky haka tamin’ny bokin’ny Fikambanana hataony anisan’ny entam-barotra. Niezaka ireo Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy tany Alemaina tamin’ny 1907, nandefa trakta (nisy pejy efatra) 4 850 000, niaraka tamina gazety. Taoriana kelin’ny Ady Lehibe I, dia nisy rahalahy letonianina, mpiasan’ny foibe teto New York, nandoa vola mba hampanaovana filazana an-gazety tany Letonia, toerana nahaterahany. Lehilahy iray nandray tsara an’ireny filazana ireny no lasa Mpianatra ny Baiboly voalohany tany Letonia. Tsy nahasolo ny fitoriana nivantana sy ny fitadiavana isan-trano an’ireo mendrika anefa io fomba io, fa natao fotsiny mba hanitarana ny fitoriana.
Nisy zavatra hafa koa navoaka an-gazety. Navoaka tsy tapaka an-gazety, teo ambany fanaraha-mason’ny Rahalahy Russell, ny toriteniny, taona maromaro talohan’ny Ady Lehibe I. Vetivety dia nihamaro ny gazety niara-namoaka azy ireny ka nahatratra 2 000 mahery. Nisy 15 000 000 ny tontalin’ny mpamaky ireo gazety ireo teto Etazonia, tany Kanada, Grande-Bretagne, Aostralia ary Afrika Atsimo. Mbola nisy zavatra hafa azo natao ve? Eny, araka ny hevitry ny Rahalahy Russell.
Roa taona no nanomanana ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, ary naseho voalohany tamin’ny Janoary 1914 izy io. Nisy fizarana efatra ilay fampisehoana ary naharitra adiny valo. Tafiditra tao ny sarimihetsika sy tsy mihetsika, nampiarahina tamin’ny fanazavana noraisim-peo. Tena niavaka ilay izy, satria natao hahatakaran’ny olona ny hasarobidin’ny Baiboly sy ny fikasan’Andriamanitra raketiny. Natao izay hampisehoana azy io tany amin’ny tanàna 80 isan’andro. Mba hahatonga ny olona ho liana hijery, dia nasiana filazana an-gazety sy soratra teny am-baravarankely, ary maro be ny taratasy nozaraina maimaim-poana. Maro ny olona tonga nijery na taiza na taiza nampisehoana azy io. Nahatratra 8 000 000 mahery ny olona teto Etazonia sy Kanada nahita azy io tao anatin’ny herintaona, ary voalaza fa hipoka koa ny toerana nampisehoana azy io tany Grande-Bretagne, Eoropa, Aostralia ary Nouvelle-Zélande. Fampisehoana somary nohafohezina (nesorina ireo
sarimihetsika) no nalefa tany ambanivohitra sy tanàna kely. Nitohy nandritra ny 20 taona, fara fahakeliny, ny fampisehoana azy io tamin’ny fiteny samihafa. Be mpitia ilay izy, ka maro no nanome ny adiresiny ary notsidihina.Nisy fitaovana hafa koa navoaka tamin’ireo taona 1920, mba hampielezana be dia be ny hafatra momba ilay Fanjakana. Tena nino ny Rahalahy Rutherford fa notahin’ny Tompo ny fampiasana ilay fitaovana. Inona izy io? Ny radio. Tsy ampy roa taona taorian’ny nandehanan’ny radio voalohany tsy tapaka (1920), dia nampiasa radio koa i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana, mba hampielezana ny fahamarinana ara-baiboly. Nahatratra olona an-tapitrisany indray miaraka io fitaovana io. Nanana ny radiony WBBR teto New York ny Fikambanana, roa taona tatỳ aoriana (1924). Nisy 408 (tampon’isa) ny radio nampiasaina hampiely ny hafatra tany amin’ny kontinanta enina, tamin’ny 1933. Nisy fandaharana niresaka foto-kevitra maro noraisim-peo mialoha koa nalefa tamin’ny radio, ankoatra ny fandaharana mivantana. Maro be ny taratasy filazana nozaraina mba hahalalan’ny olona momba ilay fandaharana ka hihainoany izany. Nanazava hevi-diso maro izany, ka nahafantaran’ny olona tso-po ny marina. Maro ny olona tsy sahy nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly satria natahotra ny mpiara-monina sy ny mpitondra fivavahana, nefa mbola afaka nihaino radio tany an-tranony ihany izy ireo. Nitondra ny fahamarinana tany amin’ny toerana tsy tratran’ny Vavolombelona ny radio, ary tena nanampy azy ireo hanombo-dresaka rehefa nitory, saingy tsy nahasolo ny fitoriana isan-trano.
Adidin’ny tsirairay ny mitory
Efa nohazavain’ny Tilikambo Fiambenana hatramin’ny ela fa adidin’ny tsirairay ny mitory. Noresahina betsaka tao amin’ny boky sy gazety ary fandaharan’ny fivoriambe kosa izany nanomboka tamin’ny 1919. Tsy mora tamin’ny Mpianatra ny Baiboly maro anefa ny nanatona olon-tsy fantatra teny am-baravarany, ka vitsy ihany no nitory tsy tapaka isan-trano, tamin’ny voalohany.
Nisy fampaherezana ara-baiboly àry nomena. Ny foto-kevitra hoe “Tahina Ireo Tsy Matahotra” no nasongadina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 sy 15 Aogositra 1919. Nampitandrina ny amin’ny tahotra olona ilay gazety, ary nasongadiny ny amin’ireo miaramilan’i Gideona 300 nahery fo, Mpits. 7:1-25; 2 Mpanj. 6:11-19; Ohab. 29:25) Nasongadin’ilay lahatsoratra hoe “Aoka Ianao Hahery Fo” (1921) fa tsy adidy fotsiny, fa voninahitra ihany koa ny manompo eo anilan’ny Tompo ho fanoherana ny herin’ny maizina avy amin’i Satana, ka mandray anjara amin’ny asa voalazan’ny Matio 24:14. Nampirisihina ireo tsy afaka nitory firy noho ny toe-javatra nisy azy, mba tsy ho kivy, fa hiezaka kosa hanao izay vitany.
izay mailo sy vonona hanompo nifanaraka tamin’izay toromarika nomen’ny Tompo. Noresahina tao koa fa tsara ny nataon’i Elisa satria natoky tanteraka an’i Jehovah izy. (Nolazaina nivantana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, fa adidin’izay rehetra nilaza ho mpanompon’Andriamanitra voahosotra ny mitory momba ilay Fanjakana. Nisy lahatsoratra fohy sy nazava tsara, nitondra ny lohateny hoe “Zava-dehibe ny Fanompoana”, ny nomeraon’ny 15 Aogositra 1922. Noresahina tao fa ny hoe manompo dia mandeha any an-tranon’ny olona ary mitory aminy ny Fanjakan’Andriamanitra, toy ny nataon’i Kristy. Naseho tamin’io taona io ihany, fa tsy maintsy atosiky ny fitiavana ny fanompoana toy izany mba hisy vidiny amin’i Jehovah. (1 Jaona 5:3) Nolazain’ny lahatsoratra iray tamin’ny 15 Jona 1926, fa tsy voafitaky ny fanompoana ho fanaraham-pomba fotsiny Andriamanitra. Fankatoavana no tiany, ka anisan’izany ny fanekena ny fomba rehetra ampiasainy mba hanatontosana ny fikasany. (1 Sam. 15:22) Nodinihina ny taona nanaraka ny lahatsoratra hoe “Asa Anirahana ny Kristianina eto An-tany.” Nohazavaina tamin’izany ny anjara asan’i Jesosy, izay “vavolombelona mahatoky sy marina”, sy ny hoe nitory “ampahibemaso sy isan-trano” ny apostoly Paoly.—Apok. 3:14; Asa. 20:20.
Nasaina nianaran’ny mpitory tsianjery ny fomba fampiseho tao amin’ny Gazety, taratasy nivoaka isam-bolana nisy toromarika momba ny fanompoana. Nampirisihina izy ireo handray anjara tsy tapaka isan-kerinandro tamin’ny fanompoana. Vitsy anefa ireo nitory isan-trano tamin’ny voalohany, ary nisy tamin’ireo nanomboka no tsy nanohy. Teto Etazonia, ohatra, dia 2 712 ny salanisan’ireo nitory isan-kerinandro, araka ny tatitra tamin’ny 1922. Nihena ho 2 034 anefa izany tamin’ny 1924. Nisondrotra ho 2 261 ny salanisa tamin’ny 1926, ary 5 937 ny tampon’isa nandritra ny herinandro iray nanaovana ezaka manokana.
Nanomboka nampirisika ny fiangonana ny Fikambanana, tamin’ny faran’ny 1926, mba hanokana fotoana isaky ny alahady, hitoriana Jaona 15:1-10.) Tena nampitombo ny fiderana an’i Jehovah ampahibemaso ve izany? Nahitana fitomboana 53 isan-jato teo amin’ny salanisan’ny mpandray anjara isan-kerinandro tamin’ny fitoriana teto Etazonia, tamin’ny 1928!
sy hizarana trakta sy boky fianarana Baiboly. Tamin’ny 1927, dia nampirisihin’ny Tilikambo Fiambenana ireo Kristianina nahatoky teo anivon’ny fiangonana, mba hanaisotra tamin’ny andraikiny ireo anti-panahy tsy nety nitory ampahibemaso sy isan-trano. Toy ny hoe nesorina àry ireo sampana tsy namoa, ary norantsanana ny sampana sisa mba hamoazany be kokoa ho fiderana an’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny fanoharan’i Jesosy ao amin’nyTsy hoe nanome trakta fotsiny intsony ny Vavolombelona dia lasa. Maro taminy no niresaka fohy tamin’ny tompon-trano, niezaka nanao izay hahaliana azy tamin’ny hafatra ara-baiboly, ary avy eo vao nanolotra boky hovakiny.
Inoana fa be herim-po ireny Vavolombelona voalohany ireny. Tsy nitovy tamin’ireo mpivavaka hafa izy ireny, na dia tsy ny rehetra aza no nahay nandanjalanja. Tsy niteny fotsiny izy ireny hoe tokony hanambara ny finoany ny tsirairay, fa nihamaro ireo tena nanao izany.
Karatra fitoriana sy grafofaonina
Nisy fomba fitory vaovao natomboka tamin’ny faramparan’ny 1933. Ho fanombohan-dresaka dia nomen’ny Vavolombelona karatra fitoriana nisy hafatra fohy mba hovakiny ny tompon-trano. Tena nanampy ny mpitory vaovao izany satria tsy nampiofanina firy izy ireo tamin’izany. Matetika dia fanamarihana vitsivitsy monja no nataon’izy ireo rehefa voavaky ilay karatra. Nisy kosa nampiasa Baiboly ka niresaka bebe kokoa. Nampiasaina hatramin’ireo taona 1940 ny karatra fitoriana. Izany no nanampy hamita haingana ny faritany, ary nahafahan’ny Vavolombelona nitory tamin’olona maro kokoa, nametraka boky ara-baiboly betsaka kokoa, nanao fitoriana nitovy, ary nampiseho ny hafatra tamin’olona tsy nitovy fiteny taminy. Nisy toe-javatra nahasaikatra koa indraindray rehefa nalain’ny tompon-trano ilay karatra ary nakatony ny varavarany. Voatery nandondòna indray àry ilay Vavolombelona mba hakana ilay izy!
Nampiasaina be koa ny lahateny ara-baiboly tamin’ny diska, tamin’ireo taona 1930 sy teo am-piandohan’ireo taona 1940. Nanomboka nitondra Eksodosy 4:14-16.) Fianakaviana manontolo indraindray no nihaino ireo diska, satria liam-baovao.
grafofaonina àry ny Vavolombelona sasany rehefa hitory, tamin’ny 1934. Somary navesatra ilay izy ka nataony tao anatin’ny fiarany ihany na navelany teo amin’ny toerana nety, mandra-pahitany olona te hihaino an’ilay lahateny. Natomboka tamin’ny 1937 ny fampiasana grafofaonina azo nentina hatreny am-baravaran’ny olona. Tsotra ny zavatra natao: Nolazain’ilay Vavolombelona aloha fa nitondra hafatra lehibe ara-baiboly izy. Avy eo dia nalefany ny diska nisy ilay lahateny. Tena nankasitraka an’i “Arona” (anarana nomeny ny grafofaoniny) i Kasper Keim, satria mpisava lalana alemà nanompo tany Holandy izy, ka sahirana rehefa nitory tamin’ny teny holandey. (Ampitahao amin’nyMaherin’ny 40 000 ny grafofaonina nampiasaina tamin’ny 1940. Nisy grafofaonina mitsangana, modely vaovao, namboarin’ny Vavolombelona tamin’io taona io ihany, ary nampiasaina indrindra tatỳ Amerika. Vao mainka liana ny olona satria tsy hitany ilay diska rehefa nalefa. Diska 78 tours ilay izy, ary efatra minitra sy sasany ny faharetany. Fohy sy mazava ireo lohateny: “Fanjakana”, “Vavaka”, “Fomba Fiaina”, “Andriamanitra Telo Izay Iray”, “Afo Fandiovana”, “Nahoana ny Mpitondra Fivavahana no Manohitra ny Fahamarinana?” Maherin’ny 90 ny lahateny tamin’ny diska, ary maherin’ny iray tapitrisa ny diska nampiasaina. Nazava sy mora narahina ireo lahateny. Nisy ihany ireo tezitra, fa ny ankamaroany nihaino tsara. Fitoriana tsara sy nirindra anefa no natao.
Fitoriana teny amin’ny toerana faleham-bahoaka
Nila herim-po be ny Vavolombelona tamin’izany, na dia ny karatra fitoriana sy ny grafofaonina aza no nanao ny ankamaroan’ny “resaka.” Ilay karazana asa mihitsy mantsy no nisarika ny sain’ny olona ho amin’izy ireo.
Rehefa vita ilay fivoriambe tany Columbus, Ohio, tamin’ny 1931, dia nizara ny bokikely Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao ny Vavolombelona. Nisy fanapahan-kevitra nantsoina hoe “Fampitandremana avy Amin’i Jehovah” natao “Ho An’ny Mpitondra sy ny Vahoaka” tao. Vavolombelona ho an’i Jehovah izy ireo, ka nahafantatra fa nanana adidy lehibe hilaza ny fampitandremana hita ao amin’ny Teniny. (Ezek. 3:17-21) Tsy nandefa ilay bokikely tamin’ny alalan’ny paositra fotsiny izy ireo, na nanisika azy io tao am-baravarana, fa izy mihitsy no nanatitra izany tany amin’ny olona. Notsidihiny ny mpitondra fivavahana rehetra, ary raha azo natao dia notsidihiny koa ny mpanao politika sy lehiben’ny tafika ary talen’orinasa lehibe. Notsidihiny koa ny olon-tsotra tany amin’ny tany zato teo ho eo, izay efa nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany fotoana izany.
Grafofaonina natanjaka no nampiasain’izy ireo tamin’ny 1933, mba handefasana diska nisy lahateny ara-baiboly teny amin’ny toerana falehan’ny olona. Ny Rahalahy Smets sy Poelmans dia nametraka ny grafofaoniny teo ambonin’ny bisikileta nisy kodiarana telo, ary nijoro teo akaiky sady nandefa mafy ilay hafatra, teny an-tsena sy teny akaikin’ny trano fiangonana, tany Liège, Belzika. Matetika izy ireo no nijanona teo nandritra ny adiny folo isan’andro. Mitangorona avy hatrany ny olona any Jamaika rehefa mandre mozika, hany ka mozika aloha no nalefan’ireo rahalahy. Rehefa nirohotra teo amin’ny arabe àry izy ireo mba hijery izay nitranga, dia Vavolombelona nandefa ny hafatra momba ilay Fanjakana no hitany.
Natao teny amin’ny tafon’ny fiara sy sambo ny fanamafisam-peon’ny grafofaonina sasany, mba ho lasa lavitra ny feo. Kamiaonety no nampiasain’i Bert sy Vi Horton, tany Aostralia, ary nasiany fanamafisam-peo lehibe nisy soratra hoe “Hafatra Momba Ilay Fanjakana” teo an-tampony. Indray taona, dia saika ny arabe rehetra tany Melbourne no nandefasan’izy ireo lahateny nampiharihary ny fivavahan-diso sy niresaka ny fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mpisava lalana tany Inde i Claude Goodman tamin’izany. Fiara nisy fanamafisam-peo no nandefasany lahateny tamin’ny fiteny maromaro teo an-toerana, ka afaka nandre ny olona teny an-tsena, teny amin’ny zaridainam-panjakana, ary teny an-dalana.
Re hatrany an-dohasaha ny feo, rehefa najanon’ireo rahalahy tany Liban, teny an-tampon-kavoana ny fiara nisy fanamafisam-peo nandefasany an’ireo lahateny. Natahotra indraindray ny olona satria tsy hitany hoe avy taiza ilay feo, ka noheveriny fa Andriamanitra no niteny taminy avy tany an-danitra!
Nisy fotoana nampitebiteby an’ireo rahalahy anefa. Indray mandeha, tany Syria, dia nisy pretra tao amin’ny tanàna kely, namela ny sakafony teo amin’ny latabatra, ary nandray tehina lehibe ka lasa nihazakazaka niditra tao anaty vahoaka nitangorona mba hihaino lahateny ara-baiboly nalefan’ny fiara nisy fanamafisam-peo. Tezitra izy ka sady nalangalangany ilay tehina no nikiakiaka izy hoe: “Ajanony any izany! Ajanony any izany, hoy aho aminareo!” Fantatr’ireo rahalahy anefa fa tsy nitovy hevitra taminy ny rehetra satria te hihaino ihany ny sasany. Nisy be herim-po teo anivon’ilay vahoaka, ka naka an’ilay pretra ary nitondra azy niverina tany an-tranony, sy nametraka azy indray teo amin’ilay latabatra nisakafoany! Nanohitra ny
mpitondra fivavahana, nefa be herim-po ny Vavolombelona ka nanao izay handrenesan’ny olona ny hafatra.Fanaon’ny Vavolombelona koa ny niambozona takelaka teny amin’ny faritra be fivarotana, sady nizara taratasy fanasana hanatrika lahateny manokana. Tany Glasgow, any Ekosy, no nanombohana an’izany, tamin’ny 1936. Nampiasaina tany Londres, any Angletera, sy teto Etazonia koa izany, tamin’io taona io. Nilanja sora-baventy koa izy ireo, ho fanampin’ilay takelaka, roa taona tatỳ aoriana. Izao no nambaran’ireny soratra ireny: “Fandrika sy Fanambakana ny Fivavahana” b sy hoe “Manompoa An’Andriamanitra sy Kristy Mpanjaka.” Nahatratra kilaometatra vitsivitsy ny halavan’ny filaharan’ireo nitondra ireny soratra ireny tamin’ny fotoanan’ny fivoriambe. Toy ny tafik’Israely fahiny nanodidina an’i Jeriko talohan’ny hianjeran’ny mandan’ilay tanàna, no fijery an’ireo Vavolombelona nanao laharan-tokana, rehefa namindra miadana nanaraka ireo arabe feno olona. (Josoa 6:10, 15-21) Nisy fitoriana tamin-kerim-po toy izany koa natao tany Londres, any Angletera, ka hatrany Manille, any Philippines.
Nisy fomba fitory hafa koa natomboka tamin’ny 1940. Nanomboka nizara Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Fampiononana (Mifohaza!) teny an-joron-dalana ny Vavolombelon’i Jehovah ny Febroary 1940, nifanaraka tamin’ilay andininy hoe: “Ny fahendrena miantso mafy eny ivelany.” c (Ohab. 1:20) Nisy teny nolazain’izy ireo mafy mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ilay gazety sy ny hafatra noraketiny. Nanjary fahita tany amin’ireo tanàna kely sy lehibe eran-tany ny Vavolombelona manolotra ny gazetiny. Nitaky herim-po anefa ny fanaovana izany, indrindra tamin’ny voalohany, satria be ny fanenjehana sy ny fanindrahindram-pirenena vokatry ny ady.
Naneho finoana ny Vavolombelona rehefa nasaina nitory ampahibemaso. Nihamaro foana ireo nandray anjara tamin’io asa io. Noraisin’izy ireo ho voninahitra ny fanehoana fahatokiana tamin’i Jehovah tamin’izany fomba izany. Mbola nisy zavatra hafa tokony hianarany anefa.
Tokony hahay hanazava ny finoany ny tsirairay
Nisy fandaharam-pampianarana lehibe natomboka tamin’ny 1942. Natomboka teto amin’ny Betela izy io, ary natao teo anivon’ny fiangonana eran-tany, ny taona nanaraka. Tapa-kevitra ny hitory ny tenin’Andriamanitra ireo Vavolombelona, na dia tsy navelan’ny mpanenjika hampiasa boky aman-gazety sy Baiboly aza. Nino mantsy izy ireo fa teo aminy ny fanahin’Andriamanitra, sady nataony teo am-bavan’izy ireo ny teniny. (Isaia 59:21) Tany Nizeria, ohatra, dia tsy afaka nampiasa afa-tsy Baiboly ny Vavolombelona, rehefa nitory, satria noraran’ny fitondrana ny bokin’izy ireo, ary nalainy mihitsy aza ny bokin’ireo rahalahy tany an-tranony.
Ny Rahalahy Knorr no nanomboka ny fianarana ny fanompoana kristianina teto amin’ny Betelan’i Brooklyn, New York, ny 16 Febroary 1942. Nampianarina tamin’izany ny fomba fanaovana fikarohana, fitenenana mazava sy marina tsara, fampiasana drafitra, fanaovana lahateny misy vokany, fanolorana hevitra mampiaiky, ary fanehoana fahaiza-mandanjalanja. Samy afaka nanatrika ilay fianarana ny rahalahy sy anabavy, fa ny rahalahy ihany no nasaina nisoratra anarana sy nanao lahateny nanomezana torohevitra. Vetivety dia hita ny soa nentin’io sekoly io, teo amin’ny fanaovana lahateny sy ny fitoriana isan-trano.
Natomboka teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany koa izy io tamin’ny 1943, tamin’ny teny anglisy aloha, avy eo tamin’ny teny hafa. Ny tanjona dia ny hanampy ny Vavolombelona tsirairay 2 Tim. 2:2) Afaka nisoratra anarana tamin’io sekoly io koa ireo anabavy tamin’ny 1959, saingy tsy natao lahateny ny anjarany, fa toy ny resadresaka amin’ny olona itoriana. Tsy izay ihany anefa.
hahay hampianatra rehefa mitory isan-trano sy miverina mitsidika ary mitarika fampianarana Baiboly. Nampiana ny tsirairay mba ho tonga mpitory mahay. (Nanompo teny amin’ny saha niaraka tamin’ny Vavolombelona tsirairay ireo solontenan’ny Fikambanana mpitety faritany, nanomboka tamin’ny 1926, mba hanampy azy ireny ho mpitory mahay kokoa. Nambaran’ny Rahalahy Knorr, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenena teto New York (1953) anefa, fa ny asa lehibe indrindra tokony hiantsorohan’ny mpiandraikitra rehetra dia ny fanampiana ny Vavolombelona tsirairay hitory isan-trano tsy tapaka. Nipetraka teo anoloan’ny lampihazo ireo mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra tamin’io fotoana io. Hoy koa izy: “Tokony hahay hitory ny vaovao tsara isan-trano ny tsirairay.” Nisy ezaka manokana natao eran-tany mba hanatontosana izany.
Nahoana no nantitranterina toy izany ny fitoriana isan-trano? Raiso, ohatra, i Etazonia: Tsy nanao afa-tsy ny nizara taratasy fanasana na nanolotra gazety teny amin’ny arabe ny 28 isan-jaton’ny Vavolombelona, tamin’izany. Maherin’ny 40 isan-jato koa no mpitory tapatapaka, ka tsy nitory mihitsy nandritra ny volana maromaro. Nilaina àry ny fanampiana tamim-pitiavana tamin’ny alalan’ny fampiofanana ny tsirairay. Natao izao fandaharana izao ho an’ny Vavolombelona rehetra mbola tsy nitory isan-trano: Nampiana izy ireo hanatona ny olona teny am-baravarana, ka hanao resaka ara-baiboly aminy, ary hamaly ny fanontaniany. Nianatra nanomana fitoriana naharitra valo minitra izy ireo, ary telo minitra kosa ho an’ny olona be atao. Ny hanampy ny tsirairay ho lasa mpitory matotra no tanjona.
Tsy ny mpiandraikitra mpitety faritany ihany no nanome io fampiofanana io, fa ny mpiandraikitra teo an-toerana koa. Tatỳ aoriana, dia notendrena hampiofana koa ny Vavolombelona hafa nahay tsara. Misy fampisehoana fomba fitory omena eo anivon’ny fiangonana, mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, efa an-taonany maro. Ankoatra izany
anefa, dia nantitranterina bebe kokoa ny fampiofanana ny tsirairay teny amin’ny saha.Tena tsara ny vokany. Nihamaro ny Vavolombelona nitory isan-trano, ary nihamaro koa ireo nanompo tsy tapaka. Nitombo 100 isan-jato ny isan’ny Vavolombelona tao anatin’ny folo taona. Nitombo 126 isan-jato koa ny isan’ny olona liana niverenana notsidihina, ary nitombo 150 isan-jato ny fampianarana Baiboly natao tamin’ireo tia ny fahamarinana. Tena hita fa mpitory mahay izy ireo.
Rehefa heverina ny tsy fitovian’ny fari-pahaizana sy ny kolontsaina eo anivon’ny Vavolombelona, ary ny fielezan’izy ireo eran-tany, dia ara-dalàna raha tsy olona no homen’izy ireo voninahitra, fa i Jehovah satria izy no mampiofana azy ireo hahay hitory.—Jaona 14:15-17.
Marika amantarana azy ireo ny fitoriana isan-trano
Efa mba nampirisika ny mpiangona tao aminy hitsidika ny olona tany an-tranony sy hiresaka fivavahana taminy, ireo fivavahana hafa. Nanandrana nanao izany ny sasany. Nisy aza nanao misionera nandritra ny taona vitsivitsy mihitsy, nefa tsy nitohy. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany, tanora sy antitra, lahy sy vavy, no mandray anjara amin’ny fitoriana isan-trano mandavan-taona. Izy ireo ihany no tena miezaka mitory maneran-tany ny hafatra momba ilay Fanjakana, ho fankatoavana ny didy ao amin’ny Matio 24:14.
Tsy mora ho an’ny Vavolombelona rehetra io asa io. d Maro tamin’izy ireo aza no nilaza toy izao rehefa nanomboka nianatra Baiboly: ‘Izany hitory isan-trano izany no zavatra tsy hataoko mihitsy!’ Saika ny Vavolombelona rehetra anefa no mandray anjara amin’io asa io, raha mbola mamela azy hanao izany ny toe-batany. Ary maro amin’ireo kilemaina (toy ireo mampiasa seza misy kodiarana, na mitondra tehina) aza no mbola mitory. Misy koa ireo tsy afa-mivoaka mihitsy, na voatana ao an-trano mandritra ny fotoana sasany, na tsy mahita fomba hafa itoriana amin’ny olona sasany, ka mitory an-telefaonina na amin’ny alalan’ny taratasy. Nahoana izy ireo no miezaka mafy toy izany?
Rehefa mahalala an’i Jehovah izy ireo dia tia azy, ka manova tanteraka ny fijeriny ny fiainana izany. Te hiresaka momba azy izy ireo. Tsara loatra ny zavatra omanin’i Jehovah ho an’izay tia azy, ka tsy hain’izy ireo tazonina ho azy samirery. Tsapany koa ny andraikiny eo anatrehan’Andriamanitra, dia ny hampitandrina ny olona momba ny fahoriana lehibe efa akaiky. (Matio 24:21; ampitahao amin’ny Ezekiela 3:17-19.) Fa nahoana no amin’ny alalan’ny fandehanana isan-trano no anaovana izany?
Fantatr’izy ireo fa nampianatra ny mpianany handeha tany an-tranon’ny olona mba hitory sy hampianatra i Jesosy. (Matio 10:11-14) Fantany koa fa rehefa nilatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33, dia tsy nitsahatra nanambara ny vaovao tsara ‘tao amin’ny tempoly [tany Jerosalema] sy isan-trano’ ny apostoly. (Asa. 5:42) Fantatry ny Vavolombelona rehetra ny Asan’ny Apostoly 20:20, izay milaza fa nampianatra “ampahibemaso sy isan-trano” ny apostoly Paoly. Hitan’izy ireo koa fa mitahy be dia be an’io asa io i Jehovah ankehitriny. Lasa tena mahafinaritra azy ireo àry ny manao ilay asa natahorany taloha, rehefa mihaza-draharaha izy.
Tena ataony tsara koa ilay asa. Mandray an-tsoratra tsara izy mba hahafahany hiverina hitory amin’ireo tsy tratra an-trano. Tsy izay ihany fa mbola miverimberina mitsidika ny trano rehetra koa izy.
Mahomby ny fitoriana isan-trano ka nanandrana nampitsahatra azy io ireo mpanohitra tany amin’ny tany maro. Nanatona mpitondra fanjakana àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanajana ny zony hitory isan-trano. Nampakatra fitsarana izy ireo, rehefa nilaina izany, mba hampiorenana ara-dalàna ny zony hampiely ny vaovao tsara tamin’io fomba io. (Fil. 1:7) Rehefa nikiry nandrara azy io anefa ny fitondrana, dia nanao izany tamim-piafenana ny Vavolombelona, na nitory tamin’ny fomba hafa.
Nampiasaina mba hampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana ny radio sy televiziona, nefa fantatry ny Vavolombelona fa tsara kokoa ny miresaka mivantana amin’ny olona any an-tranony. Mora kokoa ny mamaly ny fanontanian’ny olona sy mitady ireo mendrika. (Matio 10:11) Izany no anisan’ny antony nivarotan’ny Fikambanana ny radio WBBR teto New York, tamin’ny 1957.
Tsy mihevitra ny asany ho vita ny Vavolombelona rehefa avy nitory. Vao fanombohana izany.
‘Manaova mpianatra, ampianaro izy’
Tsy ny hitory fotsiny no nandidian’i Jesosy ny mpianany fa hampianatra koa, tahaka ny nataony. (Matio 11:1) Hoy izy, talohan’ny hiakarany tany an-danitra: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra, ... ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Tsy mitovy ny mampianatra (grika: di·daʹsko) sy mitory, satria tsy vitan’ny hoe manambara fotsiny ny mpampianatra, fa manoro sy manazava ary manome porofo koa.
Nanome soso-kevitra fohy momba ny fomba fampianatra Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny Aprily 1881. Niverina tany amin’ny olona liana ny mpisava lalana sasany, ka nampirisika azy
hamaky ny bokin’ny Fikambanana sy hivory mba hianatra tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra. Ny boky Ny Harpan’Andriamanitra (navoaka tamin’ny 1921) no nampiasaina tamin’izany matetika. Tatỳ aoriana anefa, dia boky fianarana sy lahateny ara-baiboly tamin’ny diska no nampiasaina mba hanampiana manokana ny olona liana. Ahoana no nahatongavana tamin’izany?Vao teo am-piandohan’ny 1933, ankoatra ny radio, dia nampiasa lahateny nalefa tamin’ny grafofaonina koa ny Fikambanana, tany amin’ireo efitrano fivoriana, zaridainam-panjakana, vavahadin’orinasa, sy ny sisa. Tsy ela taorian’izay, rehefa nitory isan-trano ny Vavolombelona ka nahita olona liana, dia niezaka izy ireo niverina tany amin’ilay olona, ary nandefa ireny lahateny ireny. Rehefa navoaka ny boky Harena tamin’ny 1936, dia izy io no nianarana taorian’ny fihainoana ireo lahateny, ary azon’ny olona liana natrehina izany. Nantitranterina io asa io mba hanampiana an’ireo ho anisan’ny “vahoaka be” hianatra ny fahamarinana.—Apok. 7:9.
Nihanitombo koa tamin’izany ny faneren’ny mpitondra fivavahana katolika an’ireo tompon’ny radio sy mpitantana azy ireny ary ny mpiasam-panjakana, mba tsy handefasana intsony ny fandaharan’ny Fikambanana. Nisy olona 2 630 000 teto Etazonia nanao sonia fangatahana ny hisian’ny adihevitra ampahibemaso teo amin’i J. Rutherford sy izay olona ambony tao amin’ny Eglizy Katolika. Tsy nisy vonona hiatrika izany ny mpitondra katolika. Nanao lahateny amin’ny diska nitondra ny lohateny hoe “Voala Sarona” sy “Fivavahana sy Kristianisma” àry i Rutherford, tamin’ny 1937. Nolazainy tao ireo fampianarana ara-baiboly fototra, izay nanohitra ny foto-pampianarana katolika tsy araka ny Soratra Masina. Navoaka tao amin’ny bokikely Fiarovana sy Naharihary (anglisy) koa io fanazavana io. Nomena iray tamin’ilay bokikely Naharihary ireo rehetra nanao sonia an’ilay fangatahana, mba hamakiany ireo fahamarinana ara-baiboly izay notadiavin’ny mpitondra fivavahana katolika tsy havoaka.
Mba hanampiana ny olona hahita tsara ilay zavatra niadian-kevitra ary handinika ny fototra araka ny Soratra Masina iorenan’izy io, dia navoaka ilay bokikely hoe Fampianarana Modely No. 1 (anglisy), izay nampiasaina tany amin’ireo fivoriana ho an’ny olona liana. Nisy fanontaniana sy valiny ary andinin-teny mifandray amin’ny valiny nomena, tao amin’io bokikely io. Nalefan’ilay mpitarika aloha ireo diska nisy ireo lahateny, mba handrenesan’ny rehetra ireo hevitra naroso. Nisy fiaraha-midinika taorian’izay, ka ilay bokikely Fampianarana Modely no nampiasaina ary ny andinin-teny tao anatiny no nodinihina. Navoaka koa ny Fampianarana Modely No. 2 sy No. 3, izay nifanaraka tamin’ireo lahateny tamin’ny diska. Tany amin’ny toerana nisy antokon’olona liana aloha no nanaovana izany fampianarana izany, nefa tsy ela dia natao niaraka tamina fianakaviana sy olon-tokana koa.
Nanomboka teo, dia boky maro tena tsara no azon’ny Vavolombelona nampiasaina mba hitarihana fampianarana Baiboly. Ireto no be mpampiasa indrindra: “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina”, Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, ary ny Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany. Teo koa ireto bokikely 32 pejy ireto: “Ity Vaovao tsaran’ilay Fanjakana Ity”, Lalan’ny Fitiavana ny Lalan’Andriamanitra, “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”, sy ny maro hafa. Nanaraka izany ny bokikely toy ny Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!, izay ahitana ireo fampianarana fototra ara-baiboly aseho amin’ny fomba tena tsotra sy mora azo.
Rehefa nampiasaina ireo fitaovana ireo ary nitohy ny fampiofanana teo anivon’ny fiangonana sy ny isam-batan’olona, dia nihamaro be ny fampianarana Baiboly tany an-tokantrano. Nisy 234 952 ny salanisan’ny fampianarana Baiboly isan-kerinandro, tamin’ny 1950. Najanona izay fampianarana tsy nandroso. Maro kosa ireo nandroso ka lasa mpampianatra koa. Nitombo foana io isa io, matetika aza nitombo haingana. Fampianarana Baiboly 4 278 127 no notarihina eran-tany tamin’ny 1992.
Nampiasa zavatra vita pirinty be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana sy hampianarana amin’ny fiteny eran-tany. Nitaky asa famoaham-boky goavana izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Natomboka nandritra ny 1915-1916 ny asa fiandrasana, teo anivon’ny fiangonana 500 teo ho eo, izay nifidy an-dRahalahy Russell ho pasiterany. Nanoratra taratasy ho azy ireo àry izy, nanazava an’ilay asa, izay natokana ho an’ny anabavy tamin’ny voalohany. Nanao io asa io koa ny rahalahy ny taona nanaraka. Nitohy hatramin’ny 1921 io asa fiandrasana io, izay nataon’ny mpitory voafantina.
b Tamin’izany, dia ireo antokom-pinoana niorina tamin’ny lovantsofina fa tsy tamin’ny Baiboly no nantsoina hoe fivavahana. Rehefa nivoaka anefa Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ny 1950, dia nasehon’ny fanamarihana ambany pejy teo amin’ny Asan’ny Apostoly 26:5, Kolosianina 2:18 ary Jakoba 1:26, 27 fa samy azo antsoina hoe fivavahana avokoa na ny finoana marina na ny finoana diso. Nisy fanazavana bebe kokoa momba izany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1951, pejy 191, sy ny boky Inona no Nataon’ny Fivavahana ho An’ny Olombelona? (frantsay), pejy 8-10.
c Nandramana tany Kalifornia, Etazonia, ny fizarana gazety sy fitoriana teny an-dalana, herintaona talohan’io. Efa nizara bokikely nisy hafatra lehibe teny amin’ny arabe ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1926. Talohan’izay (1881) dia nizara boky teny akaikin’ny trano fiangonana izy ireo ny alahady.
d Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Mey 1981, p. 12-16.
[Teny notsongaina, pejy 556]
Niresaka ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olombelona i Jesosy, na taiza na taiza nahitany olona
[Efajoro, pejy 559]
Notahina Manokana ny Asa Fitoriana Isan-trano
“Toy ny tamin’ny voalohany, dia ny asa fitoriana isan-trano, fa tsy ny fitoriana avy eny amin’ny polipitra no tahin’ny Tompo manokana.”—“Ny Tilikambo Fiambenana” (anglisy) 15 Jolay 1892.
[Efajoro, pejy 570]
Nahoana ny Vavolombelona no Mitsidika Imbetsaka?
Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jolay 1962, manazava ny antony itsidihan’ny Vavolombelona ny trano rehetra imbetsaka: “Miova foana ny tarehin-javatra. Mety ho tsy ao an-trano ny olona iray androany fa ho ao izy rahampitso. Mety ho sahirana be izy androany ka tsy afaka hihaino, fa tsy ho toy izany izy rahampitso. Mpianakavy iray no mandray androany, ary hafa indray rahampitso. Tsy ny hitsidika ny trano rehetra fotsiny no asa anendrena ny Vavolombelona, fa ny hiresaka amin’ny olona tsirairay ao amin’ilay trano, raha azo atao. Matetika no samy manana ny fivavahany mantsy ny mpianakavy, ka tsy afaka hisolo tena ny rehetra raha olona iray monja. Mifindrafindra trano koa ny olona, ka tsy fantatra mihitsy hoe iza no ho hita eo am-baravarana.”
“Tsy ny tarehin-javatra ihany no miova fa ny olona koa. ... Mety ho sorena noho ny zavatra kely nanjo azy ny olona iray, ka tsy vonona hiresaka fivavahana na zavatra hafa amin’izay olona tonga eo am-baravarany, nefa tsy voatery ho toy izany ny fihetsiny amin’ny manaraka. Tsy hoe satria tsy liana tamin’ny resaka fivavahana ny olona iray tamin’ny volana lasa, dia mbola tsy ho liana koa izy izao. Hatramin’ny fotoana farany nitsidihan’ny Vavolombelona azy, dia nety ho nisy zavatra nahakivy azy, na nahatonga azy hanetry tena, ka lasa tsapany fa mila an’Andriamanitra izy.”
“Hafahafa amin’ny olona maro koa ny hafatra entin’ny Vavolombelona, ary tsy azony hoe ilaina maika izy io. Rehefa reny matetika ilay izy vao azony tsikelikely.”
[Efajoro/Sary, pejy 574]
Mampiasa “ny Fomba Rehetra”
“Efa nanandramantsika ao anatin’ny fandaminan’ny Tompo ny fomba rehetra mba hisarihana ny sain[’izao tontolo izao] ho amin’ny hafatra mitondra fiainana. Nampiasaintsika ny teny filamatra, taratasy fampahafantarana, radio, fiara misy fanamafisam-peo, grafofaonina, fivoriambe, filaharan’olona milanja sora-baventy, ary mpitory isan-trano maro be. Nahatonga ny olona hizarazara io asa io, dia ireo mankasitraka ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina, etsy an-daniny, ary ireo manohitra azy io kosa, etsy an-kilany. Io ilay asa nolazain i Jesosy ho an’ny taranaka misy ahy.”—Nosoratan’i Melvin Sargent tamin’ny 1987, 91 taona izy tamin’izany.
[Sary]
Melvin Sargent
[Tabilao, pejy 574]
(Jereo ny boky)
Mitombo ny Fampianarana Baiboly
4 000 000
3 000 000
2 000 000
1 000 000
1950 1960 1970 1980 1992
[Sary, pejy 557]
Am-polony tapitrisa tamin’ireto trakta ireto no nozaraina maimaim-poana teny akaikin’ny trano fiangonana, sy isan-trano, ary nalefa paositra
[Sary, pejy 558]
Nizara boky manazava ny Baiboly ireo mpisava lalana
[Sary, pejy 559]
Nitety, saika ny tanàna rehetra tany Norvezy, i Anna Andersen, nizara boky ara-baiboly
[Sary, pejy 560]
Nanampy mba hitoriana tamin’olona tsy tratra tamin’ny fomba hafa, ireo lahatsoratra an-gazety
[Sary, pejy 561]
Gazety 2 000 mahery tany amin’ny kontinanta efatra no niara-namoaka ireo lahatenin’ny Rahalahy Russell
[Sary, pejy 562]
Fitoriana lehibe ho an’olona an-tapitrisany tany amin’ny tany maro ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”
[Sary, pejy 563]
Afaka nitory tamin’olona an-tapitrisany tany an-tranon’izy ireo i J. Rutherford, tamin’ny alalan’ny radio
[Sary, pejy 564]
Mpitory maromaro vonona hanainga am-bisikileta mba hiara-mitory, Angletera
[Sary, pejy 565]
Nampiasaina nanomboka tamin’ny 1933 ny karatra fitoriana
[Sary, pejy 566]
Nahavita fitoriana nandaitra ireo lahateny ara-baiboly tamin’ny diska, nandritra ireo taona 1930 sy 1940
[Sary, pejy 567]
Nampiasaina mba hampielezana ny fahamarinana ara-baiboly teny amin’ny toerana falehan’ny olona ny fiara nisy fanamafisam-peo, indraindray maromaro (Aostralia eto)
[Sary, pejy 568]
Nanao fitoriana andro aman’alina ny soratra nohazavain’ny jiro teny am-baravarankelin’ny Vavolombelon’i Jehovah
[Sary, pejy 568]
Fitoriana lehibe koa no vita, noho ireo takelaka sy sora-baventy (Ekosy eto)
[Sary, pejy 569]
Nanomboka tamin’ny 1940 ny fizarana “Ny Tilikambo Fiambenana” sy “Fampiononana” teny an-dalana (Etazonia eto)
[Sary, pejy 569]
Nampiofanina hanao lahateny ho an’ny besinimaro ireo rahalahy teo anivon’ny fiangonana, nanomboka tamin’ny 1943
[Sary, pejy 571]
Nampianarina Baiboly tany an-tokantranony ireo olona liana. Misy boky natao ho an’izany indrindra eto ambany (navoaka tamin’ny teny anglisy aloha, vao tamin’ny teny maro hafa)
[Sary, pejy 572, 573]
Mitory isan-trano, manerana ny tany, ny Vavolombelona tanora sy antitra, ary lahy sy vavy
Romania
Bolivia
Zimbabwe
Hong Kong
Belzika
Orogoay
Fidji