Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifidianan’Andriamanitra sy Fitarihany

Fifidianan’Andriamanitra sy Fitarihany

Toko 31

Fifidianan’Andriamanitra sy Fitarihany

HOY ny boky Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany: a ‘Tena lojika ny hoe tsy misy afa-tsy fivavahana marina iray. “Tsy Andriamanitry ny fikorontanana” mantsy ilay Andriamanitra marina “fa Andriamanitry ny filaminana.” (1 Korintianina 14:33) Milaza ny Baiboly fa ‘iray ihany ny finoana.’ (Efesianina 4:5) Iza àry ankehitriny no mpivavaka marina? Tsy misalasala isika milaza hoe ny Vavolombelon’i Jehovah.’

Mety hisy hanontany hoe: ‘Nahoana ianareo no milaza fa ny anareo no fivavahana marina, nefa ianareo tsy mahay manao fahagagana? Ary moa ve ianareo tsy voatery nanitsy ny fihevitrareo sy ny fampianaranareo imbetsaka? Nahoana àry ianareo no matoky fa mitarika anareo Andriamanitra?’

Tsara ny hijerena ny fomba nifidianan’i Jehovah ny olony fahiny sy nitarihany azy, mba hamaliana ireo fanontaniana ireo.

Fomba fifidianan’Andriamanitra

Nasain’i Jehovah ho tonga vahoaka voafidiny ny Israelita teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, tamin’ny taonjato faha-16 T.K. Nolazainy tamin’izy ireo anefa fa nisy zavatra tsy maintsy nataon’izy ireo. Hoy izy: “Raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ... dia ho rakitra soa ho Ahy.” (Eks. 19:5) Nasain’i Jehovah nohazavain’i Mosesy ireo zavatra tsy maintsy natao. Dia namaly ny olona hoe: “Ny teny rehetra izay nolazain’i Jehovah dia hataonay.” Koa nanao fifanekena taminy i Jehovah, ka nanome azy ny Lalàny.—Eks. 24:3-8, 12.

Voninahitra lehibe ny hoe nofidin’Andriamanitra, nefa koa andraikitra hankatò tsara ny Lalàny. Holavina ny firenen’izy ireo raha tsy mankatò. Nanao fahagagana nanaitra i Jehovah mba hananan’izy ireo tahotra mahasoa, ka hankatoavany azy. “Nisy kotrokorana” sy tselatra, ary “nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.” (Eks. 19:9, 16-18; 20:18, 20) Ny Israelita ihany no vahoaka voafidin’Andriamanitra, nandritra ny 1 500 taona teo ho eo.

Niova be anefa izany tamin’ny taonjato voalohany. Nolavin’i Jehovah ny Israely, satria nanda ny Zanany. (Matio 21:43; 23:37, 38; Asa. 4:24-28) Natsangan’i Jehovah àry ny fiangonana kristianina. Nalatsak’i Jehovah tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy ny fanahiny masina tamin’ny Pentekosta taona 33, ka lasa “firazanana voafidy, ... firenena masina, olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana” izy ireo. (1 Pet. 2:9; Asa. 2:1-4; Efes. 2:19, 20) Lasa “olom-boafidin’Andriamanitra” izy ireo.—Kol. 3:12.

Nanome lalàna hentitra momba ny fitondran-tena sy ny fifandraisana taminy i Jehovah, ka tsy maintsy nankatò izany ny olona iray raha te ho anisan’ilay firenena voafidy. (Gal. 5:19-24) Tamin’ny fankatoavany no nanaovany izay hifidianan’Andriamanitra azy. Rehefa nofidin’Andriamanitra anefa izy, dia tena ilainy ny mankatò hatrany. Ny olona ‘nankatò azy amin’ny maha mpitondra azy’ ihany no hahazo ny fanahiny masina. (Asa. 5:32) Mety horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana, ary hamoy ny lovany ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa, izay tsy mankatò.—1 Kor. 5:11-13; 6:9, 10.

Ahoana anefa no ahazoana antoka fa nifidy ny fiangonana kristianina Andriamanitra ho solon’ny “fiangonan’Andriamanitra”? (Asa. 20:28) Nazava hoe iza no nofidiny: Nomeny fahaiza-manao fahagagana ireo anisan’ilay fiangonana kristianina, taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, mba hampisehoana fa izy ireo no olom-boafidiny.—Heb. 2:3, 4.

Tamin’ny andron’ny Baiboly, nilaina foana ve ny fahagagana mba hamantarana hoe iza no nofidin’Andriamanitra sy notarihiny? Tsy izany mihitsy. Tsy zavatra nisy foana tamin’ny andron’ny Baiboly ny fahagagana. Olona maro velona tamin’izany no mbola tsy nahita fahagagana mihitsy. Tamin’ny andron’i Mosesy sy Josoa (taonjato faha-16 sy 15 T.K.) sy Elia sy Elisa (taonjato faha-10 sy 9 T.K.) ary Jesosy sy ny apostoliny (taonjato voalohany) mantsy no nitrangan’ny ankamaroan’ny fahagagana. Nisy olom-boafidin’Andriamanitra nahatoky hafa, toa an’i Abrahama sy Davida, nahita ny nampisehoan’Andriamanitra ny heriny, kanefa tsy misy filazana hoe nanao fahagagana izy ireo. (Gen. 18:14; 19:27-29; 21:1-3; ampitahao amin’ny 2 Samoela 6:21; Nehemia 9:7.) Ary nolazain’ny Baiboly mialoha fa “hofoanana” ilay fahaiza-manao fahagagana nomena tamin’ny taonjato voalohany. (1 Kor. 13:8) Izany tokoa no nitranga rehefa maty ny apostoly farany sy izay nomen’izy ireo fahaiza-manao fahagagana.—Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:14-20.

Ny fifidianan’Andriamanitra ankehitriny

Tsy tana intsony ny fitomboan’ny fivadiham-pinoana taorian’ny taonjato voalohany. (Asa. 20:29, 30; 2 Tes. 2:7-12) Nitsilopilopy àry ny jiron’ny Kristianisma marina nandritra ny taonjato maro. (Ampitahao amin’ny Matio 5:14-16.) Nambaran’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray anefa fa hiavaka tsara “ny vary” (tena Kristianina) sy ny “tsimparifary” (Kristianina sandoka) amin’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Hangonina ho ao amin’ny fiangonana kristianina tokana toy ny tamin’ny taonjato voalohany ny vary, na ‘olom-boafidy.’ (Matio 13:24-30, 36-43) Nantsoin’i Jesosy hoe “mpanompo mahatoky sy malina” koa ireo voahosotra anisan’ilay fiangonana, ka nambarany fa hanome fanazavana momba ny Baiboly izy ireny amin’ny andro farany. (Matio 24:3, 45-47) Hisy “vahoaka be”, mpivavaka marina, avy amin’ny firenena rehetra hiaraka amin’ilay mpanompo mahatoky.—Apok. 7:9, 10; ampitahao amin’ny Mika 4:1-4.

Ary ahoana no hamantarana ny tena mpivavaka, amin’ny andro farany? Ho marina foana ve izy ireny, ka tsy hilaza zavatra diso mihitsy? Nila fanitsiana na ny apostolin’i Jesosy aza. (Lioka 22:24-27; Gal. 2:11-14) Tokony hanetry tena toa azy ireo koa ny tena mpivavaka, ka hanaiky fifehezana sady hanao fanitsiana, mba hampifanaraka ny fiheviny amin’ny an’Andriamanitra.—1 Pet. 5:5, 6.

Iza no hita fa fivavahana kristianina marina tamin’ny 1914? Fiangonana maro ao amin’ny Kristianisma Anarana no milaza ho misolo tena an’i Kristy. Izao anefa: Iza tamin’ireo, raha nisy, no nanao izay takin’ny Baiboly?

Tokony ho fivavahana manaraka akaiky ny Baiboly ary mihevitra azy io ho fahefana tampony ilay fiangonana marina, fa tsy fivavahana manonona andinin-teny nalaina tetsy sy teroa tao amin’ny Baiboly, ary mandà ny ambiny izay tsy mifanaraka amin’ny teolojiany. (Jaona 17:17; 2 Tim. 3:16, 17) Tsy anisan’izao tontolo izao, tahaka an’i Kristy, ny tena mpivavaka (tsy sasantsasany, fa izy rehetra). Tsy afaka ny hitsabaka amin’ny politika toy ny fanaon’ny fiangonana ao amin’ny Kristianisma Anarana izy ireo. (Jaona 15:19; 17:16) Tsy maintsy mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah ny fivavahana marina, ary manao ny asa nandidian’i Jesosy, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tokony ho mpitory be fandavan-tena ny mpivavaka rehetra ao aminy, tahaka ny tamin’ny fiangonana voalohany. (Isaia 43:10-12; Matio 24:14; 28:19, 20; Kol. 3:23) Tokony ho fantatra amin’ny fifankatiavany koa ny mpivavaka marina. Fitiavana tsy voasakan’ny tsy fitoviana ara-poko sy ara-pirazanana izany, ary mampiray azy ireo maneran-tany. Tsy olona tsirairay fotsiny no tokony haneho izany fitiavana izany, fa tokony hampiavaka ny fivavahan’izy ireo mihitsy izany.—Jaona 13:34, 35.

Teo am-panombohan’ny andro farany tamin’ny 1914 àry, dia mazava fa tsy nisy tamin’ireo fiangonan’ny Kristianisma Anarana nanao izay takin’ny Baiboly amin’ny Kristianina marina. Ary ahoana ny Mpianatra ny Baiboly (anaran’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany)?

Notadiaviny ny fahamarinana ka hitany

Mbola tovolahy i C. Russell dia nahatakatra fa naolan’ny Kristianisma Anarana ny hevitry ny Baiboly. Ninoany fa fotoana fahazoana ny hevitr’izy io tamin’izay, ary ireo mianatra lalina sy mampihatra azy io eo amin’ny fiainany no hahazo ny heviny.

Izao no vakina tao amin’ny tantaram-piainan’i Russell: “Tsy namorona fivavahana vaovao izy, sady tsy nilaza ho nanao izany. Ireo fahamarinana nampianarin’i Jesosy sy ny Apostoly no novelominy indray, ary nataony mazava tamin’ny taonjato faharoapolo. Tsy nihambo ho nahazo fampiharihariana avy tamin’Andriamanitra izy, fa nilaza kosa hoe izay no fotoana tian’Andriamanitra hahatakarana ny hevitry ny Baiboly, ary navela hahatakatra izany izy satria nanolo-tena ho an’ny Tompo sy ny fanompoana Azy. Nilofo mafy izy mba hahazo ny vokatry ny Fanahy Masina sy ny fahasoavan’izy io, ka tanteraka taminy ilay tenin’ny Tompo hoe: ‘Raha anananareo ireo toetra ireo, sady anananareo betsaka, dia tsy havelan’izany hipetra-potsiny na tsy hahavokatra ianareo raha ny amin’ny fahalalana marina tsara an’i Jesosy Kristy Tompontsika.’—2 Pet. 1:5-8.”—Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Desambra 1916, p. 356.

Koa nahazo ny hevitry ny Baiboly àry i C. Russell sy ny mpiara-miasa taminy. Ninoan’izy ireo fa Tenin’Andriamanitra avy tamin’ny herin’ny fanahy masina ny Baiboly. (2 Tim. 3:16, 17) Nolaviny ny hevitra hoe avy tamin’ny biby ny olombelona, sy ny hevitry ny mpanakiana ny Baiboly. Fahefana tampony tamin’izy ireo ny Baiboly, ka nolaviny ny fampianarana ny amin’ny Andriamanitra telo izay iray, ny tsy fahafatesan’ny fanahy ary ny fampijalijaliana mandrakizay, izay samy avy amin’ny fanompoan-tsampy. Anisan’ny “fahamarinana lehibe” neken’izy ireo ny hoe Mpamorona ny zava-drehetra i Jehovah, ary Zanak’Andriamanitra i Jesosy, izay nanome ny ainy ho vidim-panavotana, ary ho zavaboary tsy hita maso izy rehefa miverina, ka manatrika. (Matio 20:28; Jaona 3:16; 14:19; Apok. 4:11) Azon’izy ireo tsara koa fa ny olona no fanahy, izay mety maty.—Gen. 2:7; Ezek. 18:20.

Tsy ny Mpianatra ny Baiboly niaraka tamin’i Russell no hany nahita an’ireo fahamarinana ireo. Nisy koa olona tso-po nilaza ho Kristianina, ary nijoro tamin’ny heviny ny sasany, na dia tsy tian’ny maro aza izay ninoany. Nanao izay rehetra takin’ny Baiboly amin’ny fivavahana marina ve izy ireny? Tena tsy anisan’izao tontolo izao, araka ny nolazain’i Jesosy, ve izy?

Inona koa no nampiavaka ny Mpianatra ny Baiboly? Ny zotom-pony nilaza ny finoany tamin’ny hafa, ka nanantitranterany ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany. Vitsy izy ireo, nefa tsy ela dia nitatra tany amin’ny tany maro. Tena tsy anisan’izao tontolo izao koa ve izy ireo tamin’izany? Tamin’ny lafiny sasany. Fa efa mampiavaka ny Vavolombelona izany ankehitriny, satria efa nitombo tsy toy ny tamin’ny Ady Lehibe I ny fahatakarany izany. Tsy tokony hohadinoina fa fony nihoby ny Fikambanam-pirenena (avy eo, ny Firenena Mikambana) ho hany fanantenan’ny olombelona ny fivavahana hafa, dia ny Fanjakan’Andriamanitra, fa tsy fandaminan’olombelona, no notorin’ny Vavolombelona.

Moa ve anefa tsy nasiana fanitsiana ny zavatra sasany inoan’izy ireo? Ho nilaina ve izany raha tena nofidin’Andriamanitra sy tarihiny izy ireo, ary tena araka ny Baiboly ny fampianarany?

Ny fomba itarihan’i Jehovah ny vahoakany

Tsy mahazo fanazavana avy amin’ny anjely, na ny Fanahin’Andriamanitra ireo anisan’ilay fivavahana marina ankehitriny. Manana ny Baiboly izay avy tamin’ny herin’ny fanahy masina kosa anefa izy, ary ao no misy ny hevitr’Andriamanitra sy ny sitrapony. Tsy maintsy manaiky ny Baiboly ho fahamarinan’Andriamanitra ny fivavahany sy izy ireo, ka mianatra azy io tsara ary mamela izany hiasa ao anatiny. (1 Tes. 2:13) Ahoana anefa no ahazoan’izy ireo tsara ny hevitry ny Baiboly?

‘Tsy Andriamanitra moa no milaza ny hevitra’? (Gen. 40:8) Raha misy andalan-teny saro-takarina, dia tsy maintsy mikaroka andalan-teny hafa manazava izany izy ireo. Amin’izay dia ny Baiboly ihany no avelany hanazava azy io. Ary toy izany no iezahan’izy ireo hahazo ny hevitry ny “modelin’ny” fahamarinana. (2 Tim. 1:13) Amin’ny alalan’ny fanahiny masina no anaovan’i Jehovah izany fitarihany azy ireo izany. Mba hahazoana ny tari-dalan’io fanahy io anefa, dia tsy maintsy miezaka hanana ny vokatr’izy io sy manaiky hotarihiny foana izy ireo, fa tsy mampalahelo azy, na manohitra ny fiasany. (Gal. 5:22, 23, 25; Efes. 4:30) Mazoto mampihatra izay ianarany koa izy ireo, ka mitombo ny finoany, izay ilaina mba hahatakarana mazava kokoa hatrany ny fomba anaovany ny sitrapon’Andriamanitra.—Lioka 17:5; Fil. 1:9, 10.

Tarihin’i Jehovah foana mba hahatakatra tsara kokoa ny sitrapony ny vahoakany. (Sal. 43:3) Azo oharina amin’izao ny ataony: Raha ela tao amin’ny efitra maizina ny olona iray, tsy tsara ve raha atao tsikelikely ny fahitany hazavana? Toy izany no nataon’i Jehovah tamin’ny vahoakany: Nohazavainy tsikelikely tamin’izy ireo ny hazavan’ny fahamarinana, araka ny voalaza hoe: “Ny làlan’ny marina dia toy ny fipoak’andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.”—Ohab. 4:18; ampitahao amin’ny Jaona 16:12, 13.

Hita tamin’ny fomba nifandraisan’i Jehovah tamin’ny mpanompony taloha izany. Tsy takatr’i Abrahama tanteraka ny nahatanterahan’ny fikasan’i Jehovah ny amin’ilay ‘taranaka.’ (Gen. 12:1-3, 7; 15:2-4; ampitahao amin’ny Hebreo 11:8.) Tsy takatr’i Daniela koa ny fahatanterahan’ny faminaniana nosoratany. (Dan. 12:8, 9) Niaiky i Jesosy, tamin’izy teto an-tany, fa tsy fantany ny andro sy ny ora hifaranan’ity tontolo ity. (Matio 24:36) Tsy takatry ny apostoly, tamin’ny voalohany, hoe any an-danitra ny Fanjakan’i Jesosy, tsy naorina tamin’ny taonjato voalohany izy io, ary hahazo azy io na ny Jentilisa aza.—Lioka 19:11; Asa. 1:6, 7; 10:9-16, 34, 35; 2 Tim. 4:18; Apok. 5:9, 10.

Tsy tokony hahagaga antsika raha mitarika tsikelikely ny vahoakany koa i Jehovah ankehitriny, ka manazava tsikelikely azy ireo ho amin’ny fahamarinana. Tsy ny fahamarinana no niova. Tsy niova koa ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fikasany voalaza ao amin’ny Baiboly. (Isaia 46:10) Ny fahatakaran’izy ireo an’izany kosa no nandeha tsikelikely, “tamin’ny fotoana mety” tamin’i Jehovah. (Matio 24:45; ampitahao amin’ny Daniela 12:4, 9.) Mety hila hahitsy ny fihevitr’izy ireo indraindray, noho ny fahadisoan’olombelona na ny hafanam-po diso toerana.

Ohatra, nanantena aloha loatra ny fotoana ifaranan’ny tontolo ratsin’i Satana ny Vavolombelona, satria be zotom-po sy hafanam-po hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra. (Ezek. 38:21-23) Tsy nampahafantatra ny fotoana marina anefa i Jehovah. (Asa. 1:7) Koa tsy maintsy nanitsy ny fiheviny àry ny vahoakan’i Jehovah.

Izany akory tsy midika fa niova ny fikasan’Andriamanitra, na hoe mbola lavitra be ny faran’ity tontolo ity. Manamafy ny fahantomoran’ny farany kosa ny fahatanterahan’ny faminaniana. (Matio 24:3) Nanantena zavatra aloha loatra ny Vavolombelona. Midika ve izany fa tsy tarihin’Andriamanitra izy ireo? Nanontany momba ny fahantomoran’ilay Fanjakana koa ny mpianatr’i Jesosy, nefa tsy midika izany fa tsy nofidin’Andriamanitra sy notarihiny izy ireo!—Asa. 1:6; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:47; 6:7.

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mino tanteraka fa manana ny fivavahana marina? Satria inoany ary ekeny izay lazain’ny Baiboly momba ny marika ahafantarana ny mpivavaka marina. Asehon’ny tantaran’izy ireo (ato amin’ity boky ity) fa mahafeno ny fepetra izy ireo sy ny fivavahany: Miaro amim-pahatokiana ny Baiboly ho Tenin’ny fahamarinan’Andriamanitra mantsy izy ireo (Jaona 17:17), tafasaraka tanteraka amin’izao tontolo izao (Jak. 1:27; 4:4), mitory ny anaran’i Jehovah sy manambara ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanantenan’ny olombelona (Matio 6:9; 24:14; Jaona 17:26), ary tena mifankatia.—Jaona 13:34, 35.

Nahoana no marika ahafantarana ny mpivavaka amin’ilay Andriamanitra marina ny fitiavana? Karazam-pitiavana inona no ahafantarana ny tena Kristianina?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 705]

Rehefa nofidin’Andriamanitra izy, dia tena ilainy ny mankatò hatrany

[Teny notsongaina, pejy 706]

Ahoana no hamantarana ny tena mpivavaka, amin’ny andro farany?

[Teny notsongaina, pejy 707]

“Tsy nihambo ho nahazo fampiharihariana avy tamin’Andriamanitra izy”

[Teny notsongaina, pejy 708]

Ny Baiboly ihany no avelany hanazava azy io

[Teny notsongaina, pejy 709]

Mitarika tsikelikely ny vahoakany i Jehovah ankehitriny, ka manazava tsikelikely azy ireo ho amin’ny fahamarinana