Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miambena Hatrany

Miambena Hatrany

Toko 33

Miambena Hatrany

‘NILAZA i Jesosy fa tsy misy mahalala ny “andro” na ny “ora” handidian’ny Ray ny zanany mba “ho avy” handrava ny tontolon’i Satana. Mety hisy àry hanontany hoe: “Nahoana no ilaina maika ny hiandrasana ny farany?” Ilaina izany, satria hoy koa i Jesosy: “Mitandrema hatrany sy miambena hatrany.” (Marka 13:32-35)’—Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1985.

Efa am-polony taona izao no niandrasan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miandry inona? Ny hiavian’i Jesosy manana fahefana hanjaka, sy ny hampiharany didim-pitsarana amin’ny tontolon’i Satana, ary ny hanomezany ho an’ny tany manontolo ny soa hoentin’ny Fanjakany! (Matio 6:9, 10; 24:30; Lioka 21:28; 2 Tes. 1:7-10) Fantatry ny Vavolombelona fa efa nanomboka niseho tamin’ny 1914 ny “famantarana” ny fanatrehan’i Jesosy, ary tamin’izay ity tontolo ity no efa ao anatin’ny andro farany.—Matio 24:3–25:46.

Mbola tsy tonga mba hanatanteraka didim-pitsarana sy hanafaka anefa i Jesosy. Ahoana àry no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah izao fotoana izao?

‘Atokisany tanteraka ny fomba fahazoany hevitra’

‘Matoky tanteraka ny fomba fahazoany hevitra’ izy ireo. (Kol. 2:2) Tsy mihevitra izy ireo hoe mahatakatra ny tsipiriany rehetra amin’ny fikasan’i Jehovah. Mbola mikaroka ao amin’ny Baiboly mantsy izy ireo, ary mbola mianatra foana. Tsy mampiova ny fiheviny momba ireo fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly anefa izay ianarany, ary ‘atokisany tanteraka’ ny fomba fahazoany an’ireo. Manampy azy hahazo ny fomba ifanarahan’ny andinin-teny sasany amin’ny fahamarinana sy ny fomba hampiharana tsara kokoa ny torohevitry ny Baiboly eo amin’ny fiainany, ny zavatra ianarany.

‘Matoky tanteraka’ ny fampanantenan’Andriamanitra koa ny Vavolombelona. Amin’izy ireo dia ho tanteraka avokoa ny fampanantenan’Andriamanitra, na amin’ny an-tsipiriany faran’izay madinika aza, ary amin’ny fotoana voatondrony. Efa hitan’izy ireo sy iainany ny faminaniana efa tanteraka, ka matoky izy fa izao no “andro farany” ho an’ity tontolo ity, ary ho tanteraka tsy ho ela ny fampanantenana tontolo vaovao sy marina.—Dan. 12:4, 9; Apok. 21:1-5.

Inona àry no tokony hataon’izy ireo? Hoy ny didin’i Jesosy: “Mitandrema hatrany sy miambena hatrany, fa tsy fantatrareo hoe rahoviana ny fotoana voatondro. Koa miambena hatrany àry, ... mba tsy hahita anareo matory izy, rehefa tonga tampoka. Fa izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny rehetra hoe: Miambena hatrany.” (Marka 13:33, 35-37) Tena tsapan’ny Vavolombelona àry fa ilainy ny miambina hatrany.

Marina fa tafahoatra indraindray ny fanantenan’izy ireo ny hahatanterahan’ny faminaniana sasany. Izany anefa tsy manova ny porofo miavosa fa ao anatin’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity isika, nanomboka tamin’ny 1914. Ary aleo mihitsy aza dodona (na dia tafahoatra aza) ny hahita ny hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, toy izay matory ara-panahy ka tsy hahita rehefa ho tanteraka ny fikasany!—Ampitahao amin’ny Lioka 19:11; Asa. 1:6; 1 Tesalonianina 5:1, 2, 6.

Inona no ataon’ny olona miambina hatrany?

Fomba ahoana no hiambenana hatrany?

Tsy miandry fotsiny ny Kristianina miambina. Tsy maintsy mifoha ara-panahy foana izy, amin’izay dia hanafaka azy i Jesosy rehefa ho avy hanatanteraka didim-pitsarana. (Lioka 21:28) Hoy i Jesosy: “Mitandrema sao ny fonareo hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana, ka tsy hampoizinareo ny hahatongavan’izany andro izany aminareo, fa ho tampoka toy ny fandrika. ... Miambena hatrany.” (Lioka 21:34-36) Tsy maintsy ‘mitandrina’ àry ny Kristianina miambina, ka miezaka hanana fomba fiaina kristianina isan’andro. Hifoha tsara izy ka hanao ny andraikiny amin’ny maha Kristianina azy, ary tsy hanaraka fitondran-tena toy ny an’ity tontolo “eo ambany fahefan’ilay ratsy” ity. (1 Jaona 5:19; Rom. 13:11-14) Ho vonona izy amin’izay, rehefa tonga i Kristy.

Iza no tena mifoha ara-panahy? Ny fitantarana ato amin’ity boky ity dia manondro ny Vavolombelon’i Jehovah. Miantsoroka tsara ny andraikiny amin’ny maha Kristianina azy izy ireo. Vonona ny higadra na ho faty, ohatra, izy ireo rehefa misy ady, satria takany tsara ny adidiny tsy ho anisan’izao tontolo izao sy hanana fitiavana feno fahafoizan-tena. (Jaona 13:34, 35; 17:14, 16) Gaga noho ny ‘fitondran-tena tsara’ ananan’izy ireo ny olona mandinika azy any amin’ny Efitrano Fanjakana, fivoriambe, na any am-piasana. (1 Pet. 2:12) Fantatra ho manao ny marina sy madio fitondran-tena izy ireo, eto amin’ity tontolo “efa tsy mahalala menatra intsony” ity.—Efes. 4:19-24; 5:3-5.

Misy zavatra hafa koa anefa tokony hatao mba hiambenana hatrany. Tsy maintsy milaza ny zavatra hitany ny mpiambina. Ny Kristianina miambina ka mahita ny famantarana ny fanatrehan’i Kristy dia tsy maintsy mitory ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” sy mampitandrina hoe ho avy tsy ho ela i Kristy hanatanteraka ny didim-pitsarana amin’ity tontolo ratsy ity. (Matio 24:14, 30, 44) Ampiany amin’izany fomba izany ny olona mba hahazo “fanafahana” koa.—Lioka 21:28.

Iza no hita hoe miambina satria mandefa fampitandremana? Fantatra eran-tany ho mpitory mafana fo momba ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy natokany ho an’ny mpitondra fivavahana ihany ny fitoriana. Eken’izy ireo fa andraikitry ny mpino rehetra izany, ary tena ilaina eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. (Rom. 10:9, 10; 1 Kor. 9:16) Inona no vokany?

Mihamitombo isa izy ireo ary marisika ny tsirairay, any amin’ny tany maherin’ny 220. (Isaia 60:22; ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:47; 6:7; 16:5.) Nisy fitondram-panjakana faran’izay natanjaka teo amin’ny tantaran’ny olombelona nandrara ny asany, ary nisambotra sy nanao azy am-ponja aza. Nanohy ny fitoriany ny Fanjakan’Andriamanitra foana anefa izy ireo! Tapa-kevitra toa an’ireo apostoly izy ireo. Hoy mantsy ny apostoly, rehefa norarana tsy hitory: ‘Raha izahay, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.’ “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asa. 4:18-20; 5:27-29.

“Andraso ihany”

Toa an’ireo Kristianina tany Jodia ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy famantarana nomen’i Jesosy azy ireo hahalalany ny fotoana tokony handosirany avy tao Jerosalema mba tsy ho ringana tao. ‘Rehefa hitanareo fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia aoka handositra ianareo’, hoy i Jesosy. (Lioka 21:20-23) Nanodidina an’i Jerosalema tokoa ny tafika romanina tamin’ny taona 66. Nanaraka ny tenin’i Jesosy ireo Kristianina tany Jodia, rehefa niala tampoka sy tsy nisy antony nazava ilay tafika. Tsy nandositra avy tao Jerosalema fotsiny izy ireo, fa nandao an’i Jodia mihitsy, ka nankany Pela (tanàna any Pere).

Dia niandry nilamina tany izy ireo. Tonga ny taona 67, ary lasa. Nivadika ny taona 68, ka tonga ny 69. Mbola tsy naninon-tsy naninona anefa i Jerosalema. Tokony hiverina ve izy ireo? I Jesosy koa anie tsy nilaza hoe hafiriana no tokony hiandrasana e! Loza anefa raha nisy niverina, satria tonga indray ny tafika romanina tamin’ny taona 70, ary maro be izy ireo ka toy ny tondra-drano tsy voasakana. Ary tsy niala izy ireo tamin’ity indray mandeha ity. Noravany kosa ilay tanàna, ary olona iray tapitrisa mahery no novonoiny. Tena faly ireo Kristianina tany Pela, satria niandry ny fotoana voatondron’i Jehovah hampiharana didim-pitsarana!

Toy izany koa ireo miambina ankehitriny. Fantatr’izy ireo fa arakaraka ny hirosoantsika ao amin’ny fotoan’ny farany no hahasarotra ny hiandrasana hatrany ny fahatongavan’i Jesosy. Tsy hadinony anefa ny tenin’i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.” (Matio 24:34) Ny lafiny maro anisan’ilay “famantarana” no tondroina amin’ny hoe “izany rehetra izany.” Nanomboka niseho tamin’ny 1914 ilay famantarana, ary hiafara amin’ny “fahoriana lehibe.” (Matio 24:21) Tsy lavitra intsony ny farany.

Tapa-kevitra ny hiambina ny Vavolombelona, ary mino tanteraka fa hotanterahin’Andriamanitra amin’ny fotoanany ny fampanantenany rehetra! Atokisan’izy ireo tanteraka ny tenin’i Jehovah tamin’ny mpaminany Habakoka. Nihevitra ny olona fa nilefitra tamin’ny faharatsiana tao amin’ny fanjakan’i Joda i Jehovah. Koa hoy izy tamin’i Habakoka: “Soraty ny fahitana [momba ny faran’ny fampahoriana], ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ny fàfana, mba ho azon’ny mihazakazaka hovakina aza. Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; eny, na dia [toa] mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona.” (Hab. 1:2, 3; 2:2, 3) Matoky koa ny Vavolombelon’i Jehovah fa marina sy manao ny rariny i Jehovah. Koa manampy azy ireo hahay handanjalanja sy hiandry ny fotoana voatondron’i Jehovah izany.

Toy izao no nilazan’i F. Franz (natao batisa tamin’ny 1913, ary efa prezidàn’ny Fikambanana) ny fihetseham-pon’ny Vavolombelon’i Jehovah:

“Azo antoka ny fanantenantsika, ary ho tanteraka an-tsakany sy an-davany amin’ireo ondry vitsy 144 000 izy io. Mbola sarobidy amintsika foana ny fanantenantsika, dia isika izay teo tamin’ny 1914 ary nanantena ny hiakatra tany an-danitra tamin’io taona io. Mafy tsy misy toy izany ny fanantenantsika, ary arakaraka ny fahelan’ny tsy maintsy iandrasantsika no vao mainka maha sarobidy azy io eo imasontsika. Mendrika ny handrasana izy io, na dia hitaky iray tapitrisa taona aza. Sarobidy amiko noho ny hatramin’izay ny fanantenantsika, ary mbola tsy nisy fotoana tsy nankasitrahako azy io. Azo antoka ny fanantenan’ny ondry vitsy, ka ho toy izany koa ny an’ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa, eny, mihoatra noho ny eritreretintsika aza. Izany no antony hifikirantsika mafy hatramin’izao ora izao, ary mbola hanao toy izany isika mandra-pahitantsika fa manatanteraka izany ‘fampanantenany sarobidy sady tena lehibe’ izany Andriamanitra.”—2 Pet. 1:4; Nom. 23:19; Rom. 5:5.

Kely sisa dia ho tonga ny fotoana hampiharihariana amin’ny rehetra ny fanatrehan’i Kristy manana fahefana hanjaka. Amin’izay ilay fampanantenana dia ho tanteraka amin’izay niambina. (Heb. 10:36) Ho tanteraka mihoatra noho izay noeritreretiny izany. Tena ho faly sy hisaotra an’Andriamanitra izy ireo, satria niambina hatrany ary nazoto nitory ny Fanjakan’Andriamanitra amin’izao andro faran’ny tontolo ratsy izao!

[Teny notsongaina, pejy 713]

Matoky izy ireo fa izao no “andro farany” ho an’ity tontolo ity

[Teny notsongaina, pejy 714]

Miezaka hanana fomba fiaina kristianina isan’andro

[Teny notsongaina, pejy 715]

Iza no hita hoe miambina satria mandefa fampitandremana?

[Teny notsongaina, pejy 716]

“Sarobidy amiko noho ny hatramin’izay ny fanantenantsika, ary mbola tsy nisy fotoana tsy nankasitrahako azy io”—F. Franz

[Efajoro/Sary, pejy 717]

Tatitra Momba ny Fitoriana Eran-tany

Taona Tany

1920 ....... 46

1925 ....... 83

1930 ....... 87

1935 ...... 115

1940 ...... 112

1945 ...... 107

1950 ...... 147

1955 ...... 164

1960 ...... 187

1965 ...... 201

1970 ...... 208

1975 ...... 212

1980 ...... 217

1985 ...... 222

1992 ...... 229

Tany

Nisaina araka ny nizarazarana ny gilaoby teo am-piandohan’ireo taona 1990 ireo tany, fa tsy araka ny fizarazarana politika. Nisy fanjakana lehibe, ohatra, nifehy faritra izay efa nozarazaraina ho firenena maromaro mahaleo tena ankehitriny.

Taona Fiang.

1940 ...... 5 130

1945 ...... 7 218

1950 ..... 13 238

1955 ..... 16 044

1960 ..... 21 008

1965 ..... 24 158

1970 ..... 26 524

1975 ..... 38 256

1980 ..... 43 181

1985 ..... 49 716

1992 ..... 69 558

Fiangonana

Tsy voasoratra avokoa ny tontalin’ny isan’ny fiangonana talohan’ny 1938.

Taona Mpitory

1935 .. ... 56 153

1940 ...... 96 418

1945 ..... 156 299

1950 ..... 373 430

1955 ..... 642 929

1960 ..... 916 332

1965 ... 1 109 806

1970 ... 1 483 430

1975 ... 2 179 256

1980 ... 2 272 278

1985 ... 3 024 131

1992 ... 4 472 787

Mpitory

Niovaova be ny fomba fanisana ny mpitory nandritra ireo taona 1920 sy 1930. Isan-kerinandro no nandefasana ny tatitra tany amin’ny Fikambanana, fa tsy isam-bolana. (Ny Oktobra 1932 vao nampiharina ny tatitra isam-bolana.) Tsy maintsy nanompo adiny telo isan-kerinandro (na 12 isam-bolana), fara fahakeliny, ny olona iray vao azo nisaina ho anisan’ny mpiasan’ny kilasy (mpitorin’ny fiangonana), araka ny “Gazety” 1 Janoary 1929. Tokony hitory adiny roa isan-kerinandro, fara fahakeliny, ireo tsy afaka nanao izany manontolo andro.

Taona Mpis. Lal.

1920 ......... 480

1925 ....... 1 435

1930 ....... 2 897

1935 ....... 4 655

1940 ....... 5 251

1945 ....... 6 721

1950 ...... 14 093

1955 ...... 17 011

1960 ...... 30 584

1965 ...... 47 853

1970 ...... 88 871

1975 ..... 130 225

1980 ..... 137 861

1985 ..... 322 821

1992 ..... 605 610

Mpisava Lalana

Tafiditra amin’ireo isa ireo ny mpisava lalana maharitra sy mpanampy sy manokana, ny misionera, ny mpiandraikitra ny faritra, ary ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra. Salanisa isam-bolana no nampiasaina nandritra ny taona maro.

Taona Famp.

1945 ....... 104 814

1950 ....... 234 952

1955 ....... 337 456

1960 ....... 646 108

1965 ....... 770 595

1970 ..... 1 146 378

1975 ..... 1 411 256

1980 ..... 1 371 584

1985 ..... 2 379 146

1992 ..... 4 278 127

Fampianarana Baiboly

Fampianarana olona tsirairay no natao nandritra ireo taona 1930, ary nantitranterina ny fanoroana ny olona hampiana-tena sy ny fampianarana azon’olona liana hafa eo amin’ilay faritra atrehina. Rehefa hita fa tena liana ny tsirairay vao nampianarina mandra-pahavita batisa azy. Nampirisihana tatỳ aoriana ny hanohizana ny fampianarana mandra-pahazoan’ilay olona fanampiana ho matotra.

Taona Ora

1930-35 ....... 42 205 307

1936-40 ....... 63 026 188

1941-45 ...... 149 043 097

1946-50 ...... 240 385 017

1951-55 ...... 370 550 156

1956-60 ...... 555 859 540

1961-65 ...... 760 049 417

1966-70 .... 1 070 677 035

1971-75 .... 1 637 744 774

1976-80 .... 1 646 356 541

1981-85 .... 2 276 287 442

1986-92 .... 5 912 814 412

Ora

Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1920 vao nisy fanaovana tatitra. Niovaova be ny fomba fanisana ora: Ny fotoana nitoriana isan-trano ihany no nisaina teo am-piandohan’ireo taona 1930, fa tsy ny nanaovana fiverenana mitsidika. Mampiaiky volana ity tatitra aseho eto ity, nefa tarehimarika ara-keviny fotsiny izy io, izay mampiseho ny habetsahan’ny fotoana nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fanjakan’Andriamanitra.

Taona Boky/Gazety

1920-25 ....... 38 757 639

1926-30 ....... 64 878 399

1931-35 ...... 144 073 004

1936-40 ...... 164 788 909

1941-45 ...... 178 265 670

1946-50 ...... 160 027 404

1951-55 ...... 237 151 701

1956-60 ...... 493 202 895

1961-65 ...... 681 903 850

1966-70 ...... 935 106 627

1971-75 .... 1 407 578 681

1976-80 .... 1 380 850 717

1981-85 .... 1 504 980 839

1986-92 .... 2 715 998 934

Boky sy Gazety

Gazety an-tapitrisany no nozaraina, nefa tsy tafiditra ao anatin’ny tarehimarika talohan’ny taona 1940 izy ireny (vitsivitsy ihany no tafiditra). Boky sy bokikely isan-karazany, ary gazety no asehon’ny tarehimarika nanomboka tamin’ny 1940, fa tsy trakta, na dia an-jatony tapitrisa aza no nampiasaina hanairana ny fahalianana. Porofoin’ny boky sy gazety 10 107 565 269 (tamin’ny fiteny 290 mahery) nozaraina teo anelanelan’ny 1920 sy 1992 fa fitoriana miavaka no natao naneran-tany.

Taona Mpanatr. Mpand. anj.

1935 ...... 63 146 ... 52 465

1940 ...... 96 989 ... 27 711

1945 ..... 186 247 ... 22 328

1950 ..... 511 203 ... 22 723

1955 ..... 878 303 ... 16 815

1960 ... 1 519 821 ... 13 911

1965 ... 1 933 089 ... 11 550

1970 ... 3 226 168 ... 10 526

1975 ... 4 925 643 ... 10 550

1980 ... 5 726 656 .... 9 564

1985 ... 7 792 109 .... 9 051

1992 .. 11 431 171 .... 8 683

Mpanatrika sy Mpandray Anjara Amin’ny Fahatsiarovana

Tsy feno ny tarehimarika ananana momba ny mpanatrika Fahatsiarovana talohan’ny 1932. Olona 15, na 20 na 30 ihany, indraindray, no tafiditra ao amin’ny tontalin’isa navoaka. Mahaliana fa nisy nanatrika fotsiny fa tsy nihinana mofo sy divay, araka ny asehon’ny tarehimarika tamin’ny ankamaroan’ireo taona. Nisy 3 000 ny elanelany tamin’ny 1933.