Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 1: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Fizarana 1: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Toko 22

Fizarana 1: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Ity no tapany voalohany amin’ireo fizarana dimy amin’ity toko ity, izay miresaka ny fitaran’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Eo amin’ny pejy 404-422 ny Fizarana 1, mahakasika an’ireo taona 1870 ka hatramin’ny 1914. Mbola tsy tafarina tamin’ny vokatry ny Ady Lehibe I, izay nanomboka tamin’ny 1914 mihitsy, ny olombelona. Io ilay taona nolazain’ny Mpianatra ny Baiboly hatramin’ny ela fa ho faran’ny Andron’ny Jentilisa.

NANIRAKA ny apostoliny toy izao i Jesosy Kristy, talohan’ny niakarany tany an-danitra: “Ho vavolombeloko ... any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.” (Asa. 1:8) Efa nilaza koa izy fa “ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Tsy vita tamin’ny taonjato voalohany io asa io. Atao ankehitriny ny ampahany lehibe aminy. Tena mahaliana ny fahatanterahan’izy io nanomboka tamin’ireo taona 1870 ka hatramin’izao.

Nanjary fanta-bahoaka i Charles Russell noho ireo lahateniny ara-baiboly nalaza. Tsy ny habetsahan’ny nihaino anefa no nahaliana azy, fa ny olona mihitsy. Tsy ela taorian’ny namoahany Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1879 àry, dia nanao dia lavitra izy mba hitsidika antokona mpamaky an’ilay gazety, sy niresaka ny Soratra Masina tamin’izy ireny.

Nasain’i C. Russell ny olona nino ny fampanantenan’ny Tenin’Andriamanitra, mba hiresaka izany tamin’olon-kafa. Tena nazoto nanao izany ireo tena nankasitraka ny zavatra nianarany. Nisy zavatra natao pirinty, mba hanampiana an’ireo nanao ilay asa, anisan’izany ny trakta maromaro, tamin’ny 1881. Nakambana tao amin’ilay bokikely hoe Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina avy eo ny lahatsoratra tamin’izy ireny, ary nisy 1 200 000 tamin’izy io no nomanina hozaraina. Ahoana anefa no hizaran’ny Mpianatra ny Baiboly (vao 100 teo ho eo monja) an’izany rehetra izany?

Fitadiavana ny mpiangona

Nisy nomena ny havana aman-tsakaiza. Nisy gazety maromaro nanaiky handefa azy io ho an’ny mpanao famandrihana taminy. (Nantitranterina manokana ny handefasana azy niaraka tamin’ny gazety mpiseho isan-kerinandro sy isam-bolana, mba hahazo tamin’ny Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina koa ny tany ambanivohitra.) Teo anoloan’ny fiangonana anefa no tena nizarana azy ireny, nandritra ny alahady maro, eran’i Etazonia sy Grande-Bretagne. Tsy ampy ny Mpianatra ny Baiboly hizara azy, ka nanakarama olona hanampy izy ireo.

Nirahin’ny Rahalahy Russell ho any Grande-Bretagne i J. Sunderlin sy J. Bender, mpiara-miasa taminy, mba hanara-maso ny fizarana 300 000 tamin’ilay bokikely. Nandeha tany Londres ny Rahalahy Sunderlin, fa nianavaratra hatrany Ekosy kosa ny Rahalahy Bender, ary nianatsimo avy eo. Nifantohana manokana ny tanàn-dehibe. Nisy olona kinga hita, vokatry ny filazana an-gazety, ary nisy fifanekena natao tamin’izy ireny mba hahitana mpanampy hizara an’ireo bokikely. Efa ho 500 no nokaramaina, tany Londres fotsiny. Vita haingana ilay asa, tao anatin’ny alahady roa.

Nasaina tamin’io taona io koa izay Mpianatra ny Baiboly afaka nanokana ny fotoanany manontolo, na ny ampahany aminy, ho an’ny asan’ny Tompo, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana, sy hizara boky fianarana Baiboly. Tena niavaka tokoa ny fitorian’ireo mpisava lalana ireo.

Nanomana trakta maromaro ny Rahalahy Russell, nandritra ireo folo taona taorian’izay, mba hanamora ny fizarana sy fampiasana azy, rehefa miresaka fahamarinana ara-baiboly. Nanoratra boky maromaro tamin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona (nantsoina hoe Fianarana ny Soratra Masina) koa izy, ary nanao dia fitoriana tany an-tany hafa.

Nandeha tany an-tany hafa i Russell

Nitsidika an’i Kanada i Russell tamin’ny 1891. Maro mantsy no liana tany taorian’ny 1880, ka nisy fivoriambe natao tany Toronto, natrehin’olona 700. Nankany Eoropa koa izy tamin’ny 1891 mba hahitana izay fitoriana azo natao tany. Notsidihiny tamin’izany i Irlandy, Ekosy, Angletera, firenena maro tany Eoropa, Rosia (tany Moldavia ankehitriny), ary Moyen-Orient.

Inona no zavatra hitany tamin’ireny dia ireny? “Tsy tena vonona handray ny fahamarinana ny tany Rosia ... Tsy misy fanantenana fijinjana koa any Italia na Torkia na Aotrisy na Alemaina,” hoy izy. “Saha vonona hojinjaina kosa i Norvezy, Soeda, Danemark, Soisa, ary indrindra fa i Angletera sy Irlandy ary Ekosy. Toy ny miantso ireo saha ireo hoe: Tongava atỳ hanampy anay!” Mbola nandrara ny famakiana Baiboly ny Eglizy Katolika tamin’izany, ary Protestanta maro no niala tamin’ny fiangonana, sady tsy vitsy no nanda tanteraka ny Baiboly, satria diso fanantenana tamin’ny fiangonana.

Te hanampy an’ireo olona noana ara-panahy ny Rahalahy Russell, taorian’ilay diany tamin’ny 1891, ka niezahana mafy kokoa ny nandika boky tamin’ny fiteny tany Eoropa. Nalamina koa ny fanaovana pirinty sy fanatobiana boky tany Londres, mba ho azo ampiasaina avy hatrany tany Grande-Bretagne. Tena vonona hojinjaina tokoa ny saha britanika. Efa nisy fiangonana sivy tany tamin’ny 1900, niarahan’ireo Mpianatra ny Baiboly 138, izay nisy mpisava lalana nazoto. Nitsidika an’i Grande-Bretagne indray ny Rahalahy Russell tamin’ny 1903, ka arivo no tonga tany Glasgow mba hihaino an’ilay lahateniny hoe “Fanantenana Mahakasika ny Arivo Taona.” Nisy 800 ny mpanatrika tany Londres, ary 500 hatramin’ny 600 tany an-tanàna hafa.

Marina ny tenin’ny Rahalahy Russell, satria 17 taona taorian’ny nitsidihany an’i Italia, vao nisy fiangonan’ny Mpianatra ny Baiboly niforona tany Pinerolo, any Italia. Ary i Torkia? Nitory tany Macédoine (Torkia eoropeanina tamin’izany) i Basil Stephanoff, tamin’ny faran’ireo taona 1880. Niseho ho liana ny olona sasany, nefa nanendrikendrika azy ny sasany tamin’ireo nilaza ho rahalahy, ka nogadraina izy. Tamin’ny 1909 vao nisy taratasy avy tamin’ny Grika iray tany Smyrna (Izmir ankehitriny), any Torkia, nilaza fa nisy olona vitsivitsy niara-nianatra ny bokin’ny Fikambanana tany. Niverina tany Aotrisy ny Rahalahy Russell tamin’ny 1911, ary nanao lahateny tany Vienne, nefa noravan’ny vahoaka mpirotaka ilay fivoriana. Ela koa vao nisy nandray tsara tany Alemaina. Tia fivavahana kokoa anefa ny Skandinavy.

Mifanampy ny Skandinavy

Maro ny Soedoà nipetraka tatỳ Amerika. Nisy modelin’ny Tilikambo Fiambenana nadika tamin’ny fiteny soedoà, tamin’ny 1883, ka nomena azy ireo mba hozarainy. Tsy ela dia nandefa izany ho an’ireo havany sy namany tany Soeda izy ireo. Mbola tsy nisy boky tamin’ny fiteny norvezianina kosa tamin’izany. Niverina tany Norvezy anefa i Knud Hammer tamin’ny 1892, rehefa nahalala ny fahamarinana tatỳ Amerika (herintaona taorian’ny nitsidihan’ny Rahalahy Russell an’i Eoropa), mba hitory tamin’ny havany.

Nisy boky natonta tamin’ny fiteny danoà-norvezianina tamin’ny 1894, ka nalefa tany Danemark mba hizara izany i Sophus Winter, lehilahy danoà amerikanina, 25 taona. Nahapetraka 500 tamin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona izy, volana vitsivitsy taorian’io. Tsy ela dia niara-niasa taminy ny olon-kafa namaky an’ireo boky. Nampalahelo fa tsy nankasitraka ny tombontsoa nananany intsony izy tatỳ aoriana, ka olon-kafa no nanohy ilay asa.

Nanao ny asan’ny mpisava lalana vetivety tany Soeda anefa i Winter, talohan’ny nijanonany. Tsy ela taorian’izay, dia nahita boky roa tamin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona i August Lundborg, kapitenin’ny Tafika Famonjena, tany amin’ny nosy Sturkö. Nindraminy izy ireo, ary novakiny tsara. Niala tamin’ny fiangonany izy, ary nanomboka niresaka ny zavatra nianarany. Nahalala ny fahamarinana kosa i P. Johansson, rehefa namaky trakta hitany teny ambony dabilion’ny zaridainam-panjakana.

Nihamaro ny Mpianatra ny Baiboly tany Soeda, ka nisy nandeha tany Norvezy mba hizara boky ara-baiboly. Efa nisy boky tonga tany Norvezy, avy tany amin’ny havana tatỳ Amerika, anefa talohan’izay. Izany no nanombohan’i Rasmus Blindheim nanompo an’i Jehovah. Anisan’ny nianatra ny fahamarinana tamin’izany i Theodor Simonsen, mpitory teny tao amin’ny Misiona Malalaka. Nolaviny tao amin’ny toriteniny ny fampianarana momba ny afobe. Tena nientanentana be ny mpihaino azy, rehefa nandre izany vaovao tsara izany. Noroahina tsy ho ao amin’ilay fiangonana anefa izy, rehefa fantatra fa nifandray tamin’ny “Fiandohan’ny Arivo Taona.” Nitory ny zavatra tsara nianarany foana izy, na izany aza. Anisan’ny tovolahy nahazo boky koa i Andreas Øiseth. Nilaozany ny fambolena sy fiompian’ny fianakaviany, raha vao fantany ny fahamarinana, ary lasa izy nanao ny asan’ny mpisava lalana. Niainga avy tany avaratra izy, nianatsimo nanaraka ny helodranomasina, ary nitory tany amin’ny tanàna rehetra. Nentiny tamin’ny kalesin-dranomandry ny entany (sakafo sy fitafiana ary boky), nandritra ny ririnina, ary nisy olona tsara fanahy nanome toerana natoriany. Nitory ny vaovao tsara saika eran’ilay tany izy, nandritra ireo valo taona nanaovany dia.

Nankany Failandy (avy any Soeda) i Ebba, vadin’i August Lundborg, tamin’ny 1906, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nisy lehilahy niverina avy tatỳ Etazonia koa tamin’izany, ary nitondra bokin’ny Fikambanana, sy niresaka izay nianarany tamin’ny olona. Tsy ela àry dia nahazo boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra i Emil Österman, izay nitady zavatra tsara kokoa noho izay hitany tany amin’ireo fiangonana. Noresahiny tamin’i Kaarlo Harteva izany, satria nitady ny fahamarinana koa io namany io. Tsapan’izy ireo ny hasarobidin’ilay boky, ka nadikan’i Harteva tamin’ny teny failandey izy io, fa i Österman kosa no nanome vola, ary nataon’izy ireo pirinty ilay izy. Samy nandeha nizara azy io izy ireo. Tena tia nitory ny vaovao tsara izy ireo, ka niresaka tamin’olona teny an-kalamanjana, isan-trano, ary nanao lahateny tany amin’ny efitrano lehibe feno hipoka. Nasehon’ny Rahalahy Harteva tamin’ny lahateniny tany Helsinki ny fampianaran-dison’ny Kristianisma Anarana. Nanontaniany avy eo raha nisy afaka nanaporofo avy tamin’ny Baiboly ny fahamarinan’ny fanahy tsy mety maty. Nijery an’ireo mpitondra fivavahana tonga teo ny mpanatrika rehetra. Tsy nisy niteny, ary tsy nisy afaka nanda ny teny mazava ao amin’ny Ezekiela 18:4. Nisy mpanatrika nilaza fa tsy nahita tory ny alin’io, vokatry ny zavatra vao reny.

Lasa mpitory tany Eoropa ilay mpanao zaridaina

Nampirisika an’i Adolf Weber ny namany be taona tao amin’ny Anabatista, mba handao an’i Soisa ho atỳ Etazonia, hitady fahalalana tsara kokoa ny Soratra Masina. Lasa mpanao zaridainan’ny Rahalahy Russell izy, rehefa nahita filazana an-gazety. Nahazo an’ilay fahalalana ara-baiboly notadiaviny i Adolf, ary natao batisa tamin’ny 1890, noho ny fanampian’ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra (tamin’ny teny alemà tamin’izany), sy ny fivoriana notarihin’ny Rahalahy Russell. ‘Nampahiratina ny mason’ny fony’, ka tena hitany ilay fahafahana lehibe teo anoloany. (Efes. 1:18) Nazoto nitory teto Etazonia aloha izy, ary avy eo niverina tany an-tanindrazany mba hanao ilay asa any amin’ny ‘tanim-boaloboky ny Tompo’ tany. Niverina tany Soisa àry izy, tany antenatenan’ireo taona 1890, ary niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ireo naniry hihaino.

Nanao zaridaina sy nitevy ala i Adolf mba hivelomany, nefa ny fitoriana no tena nahaliana azy. Nitoriany ireo niara-niasa taminy sy ny olona tany amin’ireo tanàna akaikiny. Nahay fiteny maromaro izy, ary nampiasainy izany mba handikana bokin’ny Fikambanana ho amin’ny teny frantsay. Nofenoiny boky ara-baiboly ny sakaosiny, rehefa tonga ny ririnina, ary nandeha an-tongotra ho any Frantsa izy, na nianavaratrandrefana ho any Belzika sy nianatsimo ho any Italia.

Nametraka filazana an-gazety izy, ho an’ny olona tsy ho voatsidiny. Notononiny ny boky fianarana Baiboly nisy. Namaky an’ireny filazana ireny i Elie Thérond, tany afovoan’i Frantsa, ary nahita ny fahamarinana tao amin’ireo zavatra novakiny, ka tsy ela dia nandeha nitory. Namaky an’ireny filazana ireny koa i Jean-Baptiste Tilmant rainy, ka nahazo boky roa tamin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona, tamin’ny 1901. Tena nahafinaritra azy ny nahita fahamarinana ara-baiboly nazava! Ahoana moa no tsy hiresahany izany tamin’ny namany? Nisy nivory tsy tapaka tao an-tranony, ny taona nanaraka an’io. Tsy ela dia nitondra vokatra hatrany avaratr’i Frantsa ny asan’io antokon’olom-bitsy io. Nifandray tsy tapaka tamin’ireo antokon’olona niforona ny Rahalahy Weber, ka nitsidika sy nampahery ary nampianatra azy ireo ny fomba fitoriana ny vaovao tsara.

Tonga tany Alemaina ny vaovao tsara

Nanomboka nandefa boky ho an’ny havany tany Alemaina ny Alemà Amerikanina nankasitraka an’ireo boky, tsy ela taorian’ny nisiany tamin’ny teny alemà (1880 tany ho any). Nampindrana ny boky Fiandohan’ny Arivo Taona tamin’ny mpiara-miasa taminy ny mpitsabo mpanampy iray tany amin’ny hopitalin’i Hambourg. Nametraka filazana tamin’ny gazety alemà i Adolf Weber, tamin’ny 1896, ary nandefa trakta avy any Soisa ho any Alemaina. Nisy fitahirizam-boky nosokafana tany, tamin’ny 1897, mba hanamorana ny fizarana Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny alemà. Ela anefa vao nisy vokatra. Nifindra ho any Tailfingen, any atsinanan’ny Ala Mainty (any Alemaina) anefa, tamin’ny 1902, i Margarethe Demut, izay nianatra ny fahamarinana tany Soisa. Nazoto nitory izy, ka niforona ny antokona Mpianatra ny Baiboly voalohany tany Alemaina. Nifindra tany Bergisches Land, any avaratratsinanan’i Cologne, i Samuel Lauper, avy any Soisa, mba hitory ny vaovao tsara tany. Nisy fivoriana tany Wermelskirchen, nanomboka tamin’ny 1904. Anisan’ny nanatrika izany i Gottlieb Paas, lehilahy 80 taona, izay efa nitady ny fahamarinana. Nilaza toy izao izy, teo am-pialana aina (tsy ela taorian’ny nanombohan’ireo fivoriana), sady nihazona Ny Tilikambo Fiambenana: “Ity no fahamarinana, ka aza ialana mihitsy.”

Nihamaro hatrany ny olona liana. Nasiana Ny Tilikambo Fiambenana niaraka tamin’ny gazety tany Alemaina, na dia lafo aza ny nanao izany. Nilaza ny tatitra tamin’ny 1905 fa 1 500 000 Ny Tilikambo Fiambenana voazara toy izany. Lehibe izany zava-bita izany, raha oharina tamin’ny isan’ny mpitory.

Tsy ampy tamin’ny Mpianatra ny Baiboly ny nitory tamin’ny olona nanodidina azy. Nandeha tany Bohême (tany Aotrisy-Hongria tamin’izany, ary lasa anisan’i Tsekoslovakia tatỳ aoriana) ny Rahalahy Erler, tamin’ny 1907. Nizara boky nampitandrina momba ny Hara-magedona izy, ary nilaza ny fitahiana ho azon’ny olona aorian’izay. Nisy Mpianatra ny Baiboly iray hafa nizara boky ara-baiboly tany Memel, any Litoania ankehitriny, tamin’ny 1912. Maro no faly nandray ilay hafatra, ary maromaro ny antokona Mpianatra ny Baiboly niforona. Nihavitsy anefa izy ireo, rehefa fantany fa tsy maintsy vavolombelona koa ny Kristianina marina. Nisy vitsivitsy kosa tena nanahaka an’i Kristy, “ilay vavolombelona mahatoky sy marina.”—Apok. 3:14.

Nahazo traktan’ny Fikambanana i Nikolaus von Tornow, andriana alemà nanana tany maro tany Rosia, rehefa nitsidika an’i Soisa, tamin’ny 1907. Tonga tany amin’ny Fiangonana Berlin, any Alemaina izy, roa taona taorian’io, ary nanao ny fitafiany tsara indrindra, sady niaraka tamin’ny mpanampy azy manokana. Ela izy vao nahatakatra hoe nahoana no olon-tsotra no nomen’Andriamanitra fahamarinana sarobidy. Nanampy azy anefa ny 1 Korintianina 1:26-29, hoe: “Hitanareo ny fiantsoany anareo, ry rahalahy, fa tsy maro aminareo no hendry araka ny nofo, tsy maro no mahery, ary tsy maro no avo razana ... mba tsy hisy nofo hirehareha eo imason’Andriamanitra.” Nino i von Tornow fa hitany ny fahamarinana, ka namidiny ny fananany tany Rosia, ary natokany ho an’ny fivavahana marina ny tenany sy ny fananany.

Vao nivady ry Herkendell tamin’ny 1911, ary nangataka volan-tantely hafakely izy ireo, mba ho haren-jazavavy. Nihevitra ny hanao dia nandreraka nandritra ny volana maro izy mivady. Tsy inona ny volan-tanteliny fa dia fitoriana tamin’ny olona niteny alemà tany Rosia. Nisy fomba maro àry niresahan’ny karazan’olona rehetra ny zavatra nianarany momba ny fikasan’Andriamanitra.

Fitomboana tany amin’ny saha anglisy

Boky maro be no nozaraina tany Grande-Bretagne tamin’ny 1881, ka nisy mpiangona te hampihatra ny zavatra nianarany. Anisan’ny liana tamin’ny Tilikambo Fiambenana i Tom Hart, avy any Islington. Torohevitry ny Soratra Masina voalazan’izy io ny hoe: “Mivoaha ao aminy, ry oloko.” Asaina hivoaka avy ao amin’ireo fivavahana babylonianin’ny Kristianisma Anarana izy ireo, mba hanaraka ny fampianaran’ny Baiboly. (Apok. 18:4) Niala tamin’ny fiangonany izy, tamin’ny 1884, ary maro no nanaraka azy.

Nanjary mpitory mahay ireo niaraka tamin’ny antokona Mpianatra ny Baiboly. Nisy nizara boky teny an-jaridainan’i Londres sy toeran-kafa nialan’ny olona sasatra. Nisy nitory tany amin’ny trano fiasana. Ny fitoriana isan-trano anefa no tena nahazatra.

Nanoratra tamin’ny Rahalahy Russell i Sarah Ferrie, izay nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana, ary nilaza fa naniry hizara trakta izy sy ny namany vitsivitsy tany Glasgow. Gaga izy, rehefa nisy kamiao tonga teo am-baravarany, nitondra trakta 30 000 hozaraina maimaim-poana! Niasa avy hatrany izy ireo. Nandeha tany ambanivohitr’i Ekosy i Minnie Greenlees, niaraka tamin’ny zanany lahy telo, na dia soavaly kely sy kalesy kely aza no fitaterana nananany. Nitety an’i Ekosy tamin’ny bisikileta koa tatỳ aoriana i Alfred Greenlees sy Alexander MacGillivray. Tsy nanakarama olona hizara an’ireo boky intsony ny mpiasa an-tsitrapo, fa izy ihany no nanao ilay asa.

Natosiky ny fony izy ireo

Nilaza i Jesosy, tao amin’ny iray tamin’ireo fanoharany, fa hamokatra ireo ‘nandre ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fo tsara.’ Hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo tena mankasitraka ny fandaharan’Andriamanitra. (Lioka 8:8, 11, 15) Hahita fomba samihafa hanaovana izany izy ireo, na inona na inona tarehin-javatra misy azy.

Tantsambo italianina iray àry no nahazoan’ny mpandeha iray avy any Arzantina, ampahany tamin’ilay trakta hoe Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina. Nangataka maromaro kokoa ilay mpandeha, rehefa tonga tany an-tseranan’i Peroa. Vao mainka liana izy ka nanoratra indray avy any Arzantina, tamin’ny 1885, ho an’ny mpanoratra Ny Tilikambo Fiambenana, mba hangataka boky. Nitondra Ny Tilikambo Fiambenana niaraka taminy kosa ny miaramila iray anisan’ny tafika an-dranomasina britanika, tamin’io taona io, rehefa nandeha ho any Singapour ny sambony. Nahafaly azy ny zavatra nianarany tao, ary nampiasainy mba hiresahana ny hevitry ny Baiboly momba ny zavatra mahaliana ny olona. Fa nijanona teo amin’ny seranan-tsambo tany Colombo, any Ceylan (Sri Lanka ankehitriny) kosa, ny sambo nandehanan’ny vehivavy kristianina roa, tamin’ny 1910. Nohararaotin’izy ireo izany mba hitoriana tamin’Atoa Van Twest, lehiben’ny seranana. Noresahin’izy ireo taminy ny zavatra tsara nianarany avy tao amin’ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra. Tonga Mpianatra ny Baiboly àry Atoa Van Twest, ary nanomboka teo ny fitoriana ny vaovao tsara tany Sri Lanka.

Nitady fomba hiresahana ny fahamarinana ara-baiboly tamin’olona tany an-tany hafa, na dia ireo tsy afaka nanao dia lavitra aza. Hita tamin’ny taratasy fankasitrahana iray navoaka tamin’ny 1905, fa nisy olona teto Etazonia nandefa ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra tamin’ny lehilahy iray tany Saint-Thomas, any Antilles danoises tamin’izany. Nandohalika ilay olona nahazo azy io, rehefa avy namaky azy, ary nilaza ny faniriany hampiasain’Andriamanitra hanao ny sitrapony. Nolazain’i Bellona Ferguson, tany Brezila, tamin’ny 1911, fa izy no “porofo velona, manambara hoe tsy misy olona lavitra loatra ka tsy ho tratran’ny” ranon’ny fahamarinana. Efa nisy nandefa bokin’ny Fikambanana ho azy foana, nanomboka tamin’ny 1899. Nahita traktan’ny Fikambanana tao amin’ny boaty fasiana ny taratasiny kosa ny Alemà iray nitsoa-ponenana tany Paragoay, taloha kelin’ny Ady Lehibe I. Nangataka boky maromaro izy, ary niala tamin’ny fiangonan’ny Kristianisma Anarana. Tsy nisy afaka nanao batisa azy, ka nifanao batisa izy sy ny zaodahiny. Nitoriana tokoa ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany, sady nahitam-bokatra.

Nisy Mpianatra ny Baiboly hafa koa niverina tany an-tanindrazany, mba hiresaka tamin’ny havana aman-tsakaizany, momba ny fikasan’Andriamanitra sy ny fomba handraisan-tsoa amin’izany. Niverina tany Polonina àry ny Rahalahy Oleszynski, tamin’ny 1895, nitondra ny vaovao tsara momba ny “vidim-panavotana, famerenana, ary ny fiantsoana any ambony.” Nampalahelo fa tsy naharitra tamin’ny fanompoana izy. Niala tany Kanada kosa ny mpampianatra taloha iray, tamin’ny 1898, mba hitory ny hafatra maika ao amin’ny Baiboly tany Hongria, tanindrazany. Niverina mba hitory tany Gresy ny lehilahy iray nanjary Mpianatra ny Baiboly tatỳ Amerika, tamin’ny 1905. Nitondra ny voan’ny fahamarinana tany Ramallah, any akaikin’i Jerosalema, ny tovolahy iray avy tatỳ New York, tamin’ny 1913.

Fanokafana ny fitoriana tany Karaiba

Nihamaro ny mpitory teto Etazonia, Kanada ary Eoropa, nefa nanomboka nitsiry koa ny voan’ny fahamarinana tany Panama, Costa Rica, Guyane néerlandaise (Suriname ankehitriny), ary Guyane britannique (Guyana ankehitriny). Tany Guyane britannique no nahafantaran’i Joseph Brathwaite ny fikasan’Andriamanitra, ary nankany Barbade izy tamin’ny 1905 mba hanokana ny fotoanany hampianarana ny olona tany. Niasa tany Costa Rica i Louis Facey sy H. Clarke, rehefa nandre ny vaovao tsara, ka niverina tany Jamaika izy ireo tamin’ny 1897, mba hiresaka tamin’ny olona momba ny finoany vaovao. Mpiasa mazoto ireo nanaiky ny fahamarinana tany. Nizara trakta sy boky samihafa 1 200 000 ireo tany Jamaika, tamin’ny 1906 fotsiny. Nitondra ny fampanantenan’ny Baiboly ho any Grenady ny mpiasa iray tany Panama.

Anisan’ny nahafahana nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana ny korontana nitranga tany Meksika tamin’ny 1910-1911. Maro no nandositra nianavaratra ho atỳ Etazonia. Nifandray tamin’ny Mpianatra ny Baiboly ny sasany tamin’izy ireo, ary nianatra momba ny fikasan’i Jehovah hitondra fiadanana maharitra ho an’ny olona. Nandefa boky ho any Meksika izy ireo. Tsy tamin’izay anefa vao tonga tany Meksika ilay hafatra. Efa tamin’ny 1893 no navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana ny taratasin’i F. de P. Stephenson, avy any Meksika. Namaky bokin’ny Fikambanana izy, ka nangataka boky maro kokoa ho an’ny namany tany Meksika sy Eoropa.

Nalefan’ny Rahalahy Russell ho any Panama sy ireo nosy hafa i E. Coward, tamin’ny 1911, mba hitory ny fahamarinana ara-baiboly tany amin’ny tany maro kokoa tany Karaiba, sy handamina fivoriana. Feno hafanam-po sy fahaiza-miresaka ny lahatenin’ny Rahalahy Coward. Matetika no an-jatony no tonga hihaino azy nanaporofo ny fahadisoan’ny fampianarana momba ny afobe sy ny fanahy tsy mety maty, sy nanazava ny hoavy be voninahitra ho an’ny tany. Nitety tanàna sy nosy izy mba hahitana olona maro araka izay azo atao: Sainte-Lucie, Dominique, Saint-Christophe, Barbade, Grenady, ary Trinité. Nitory tany Guyane britannique koa izy. Nihaona tamin’ny Rahalahy W. Brown, avy any Jamaika, izy tany Panama, ary niara-niasa izy ireo avy eo, tany amin’ny nosy maro tany Karaiba. Nanokatra faritany hafa ny Rahalahy Brown, tatỳ aoriana.

Nanao lahateny tany Panama sy Cuba ary Jamaika ny Rahalahy Russell, tamin’ny 1913. Feno hipoka ny trano lehibe roa tany Kingston, any Jamaika, nandritra ilay lahateniny, ary olona 2 000 hafa no tsy tafiditra. Voamariky ny mpanao gazety fa tsy niresaka vola mihitsy ilay mpandahateny, ary tsy nisy rakitra notantazana.

Tonga tany Afrika ny fahazavan’ny fahamarinana

Tonga tany Afrika tamin’izany koa ny fahazavan’ny fahamarinana. Nasehon’ny taratasy iray avy tany Liberia tamin’ny 1884, fa nisy mpamaky Baiboly nahazo tamin’ny Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina, ary naniry hahazo maro kokoa tamin’io mba hozaraina tamin’ny olona. Voalaza, taona vitsivitsy taorian’io, fa nisy mpitondra fivavahana tany Liberia niala tamin’ny asany, mba hampianatra fahamarinana ao amin’ny Baiboly, izay nianarany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ary nisy fivoriana tsy tapaka nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly tany.

Nitondra vitsivitsy tamin’ny bokin’i C. Russell ny mpitondra fivavahana danoà, tao amin’ny Fiangonana Nohavaozina, tamin’ny 1902, rehefa nirahina ho any Afrika Atsimo. Tsy izy anefa no nandray soa naharitra tamin’ireo boky, fa i Frans Ebersohn sy Stoffel Fourie, izay nahita azy ireny tao amin’ny fitoeram-bokiny. Nihamaro ireo nandray anjara tamin’ny fanompoana, taona vitsivitsy taorian’io, satria nifindra avy tany Ekosy ho any Durban, Afrika Atsimo, ny Mpianatra ny Baiboly roa nazoto.

Nampianatra ny zavatra hitany tao amin’ireo bokin’ny Rahalahy Russell ny sasany. Nampalahelo anefa, fa nisy vitsivitsy toa an’i Joseph Booth sy Elliott Kamwana, nampifangaro izany tamin’ny heviny, izay natao hanovana ny fiaraha-monina. Nanjary tsy hita tsara ny tena Mpianatra ny Baiboly, araka ny hevitr’ireo tany Afrika Atsimo sy Nyassaland (Malawi tatỳ aoriana). Maro anefa no nankasitraka an’ilay hafatra hoe ny Fanjakan’Andriamanitra no hamaha ny olan’ny olombelona.

Tatỳ aoriana vao tena niely tany Afrika ny fitoriana.

Tany Azia sy tany amin’ireo nosin’i Pasifika

Tonga tany Azia koa ny bokin’i C. Russell, tsy ela taorian’ny nahatongavany tany Grande-Bretagne. Nahazo Ny Tilikambo Fiambenana Rtoakely C. Downing, misionera presbyterianina tany Tche-fou (Yen-tai), any Chine, tamin’ny 1883. Nankasitrahany ny fampianarana momba ny famerenana amin’ny laoniny, ka nampindraminy an’ilay boky ny misionera namany, toa an’i Horace Randle, anisan’ny Filan-kevitry ny Fiangonana Batista. Vao mainka liana i Horace, rehefa nahita filazana momba ny Fiandohan’ny Arivo Taona, tao amin’ny gazety Fotoana, tany Londres. Nahazo roa tamin’io boky io izy avy eo, avy tamin-dRtoakely Downing, sy avy tamin-dreniny tany Angletera. Nahasosotra azy ny zavatra novakiny, tamin’ny voalohany. Resy lahatra anefa izy hoe tsy avy amin’ny Baiboly ny Andriamanitra telo izay iray, ka nialany ny Fiangonana Batista, ary noresahiny tamin’ny misionera namany ny zavatra nianarany. Nolazainy tamin’ny 1900 fa nandefa taratasy 2 324 sy trakta 5 000 teo ho eo izy, ho an’ny misionera tany Chine, Japon, Korea, ary Siam (Tailandy). Mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana no tena nitoriana tany Azia, tamin’izany.

Nafafy tany Aostralia sy Nouvelle-Zélande koa ny voan’ny fahamarinana, tamin’io fotoana io. Tamin’ny 1884 angamba, na taoriana kelin’izay, no tonga voalohany tany Aostralia io “voa” io. Lehilahy niresahan’ny Mpianatra ny Baiboly tany an-jaridaina tany Angletera no nitondra azy io. Nisy “voa” hafa tonga tamin’ny taratasy avy amin’ny havana aman-tsakaiza tany an-tany hafa.

Olona an-jatony no nanao famandrihana tamin’ny Tilikambo Fiambenana, tsy ela taorian’ny niforonan’ny Commonwealth aostralianina, tamin’ny 1901. Niasa mafy ireo nahatsapa ny tombontsoany hiresaka ny fahamarinana, ka trakta an’arivony no nalefa tamin’olona hita tao amin’ny lisi-pifidianana. Nisy koa nozaraina teny an-dalana, ary betsaka no natsipy avy teny am-baravarankelin’ny fiarandalamby mba ho an’ny mpiasa sy ireo mponina tany amin’ny trano mitokana, tany amin’ireo faritany lavitra, nanaraka ny lalamby. Nampahafantarina ny olona fa akaiky ny faran’ny Andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914. Niresahan’i Arthur Williams rainy, momba izany ny mpividy entana tao aminy, tany Aostralia Andrefana, ary nasainy hanohy ny resaka tany an-tranony izay liana.

Tsy fantatra izay voalohany nitondra ny fahamarinana tany Nouvelle-Zélande. Maro anefa ny zavatra fantatr’i Andrew Anderson, tamin’ny 1898, vokatry ny famakiany ny bokin’ny Fikambanana, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana izy, mba hiresahana ny fahamarinana. Nisy mpisava lalana hafa nanampy azy tamin’ny 1904, avy atỳ Amerika, sy avy amin’ny biraon’ny sampana tany Aostralia (natsangana tamin’io taona io). Nandray boky enina tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina, nentin’ny mpisava lalana, Rtoa Thomas Barry, avy amin’ny fiangonana Christchurch. Namaky azy ireo i Bill zanany, tamin’ny 1909, nandritra ny iray volana sy tapany nandehanany sambo ho any Angletera, ka nekeny fa marina ny zavatra novakiny. Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah i Lloyd, zanak’i Bill, taona maro tatỳ aoriana.

Anisan’ireo mpiasa nazoto tamin’izany i Ed Nelson. Nasiatsiaka fiteny izy, nefa nanompo manontolo andro nandritra ny 50 taona, mba hitoriana momba ilay Fanjakana, avy any avaratra ka hatrany atsimon’i Nouvelle-Zélande. Nanampy azy i Frank Grove, taona vitsivitsy tatỳ aoriana. Mpisava lalana nandritra ny 50 taona mahery koa i Frank mandra-pahafatiny, ary niezaka nitadidy zavatra tsara, satria tsy nahita tsara ny masony.

Fitetezana an’izao tontolo izao noho ny fitoriana ny vaovao tsara

Nisy ezaka lehibe hafa natao tamin’ny 1911-1912, mba hanampiana ny mponin’i Azia. Nandefa komity nisy olona fito, notarihin’i C. Russell, ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, mba hijery ny zava-nisy tany. Noresahin’izy ireo foana tany amin’izay nalehany, ny fikasan’Andriamanitra hitahy ny olombelona amin’ny alalan’ny Fanjakan’ny Mesia. Vitsy ny mpanatrika indraindray, fa an’arivony kosa ny tany Philippines sy Inde. Tsy nanangom-bola mba hanovana olona izy ireo, na dia fanaon’ny Kristianisma Anarana aza izany. Hitan’izy ireo fa ny fianarana (tsy Baiboly) no tena niezahan’ireo misioneran’ny Kristianisma Anarana. Nino mafy anefa ny Rahalahy Russell fa ny “Filazantsara momba ny fandaharana feno fitiavan’Andriamanitra, mahakasika ilay Fanjakan’ny Mesia” no tena nilain’ny olona. Tsy nikasa hanova an’izao tontolo izao ny Mpianatra ny Baiboly, fa takany avy amin’ny Soratra Masina kosa fa ny hitory no tokony hataony, mba hanangonana “ireo voafidy vitsivitsy avy amin’ny firenena, olona, foko sy fiteny rehetra, mba ho anisan’ny [Vadin’i Kristy], hiara-mipetraka aminy eo amin’ny seza fiandrianany mandritra ny arivo taona, sy hiara-manandratra ny olombelona rehetra.” aApok. 5:9, 10; 14:1-5.

Nandalo kely tany Japon, Chine, Philippines, ary toeran-kafa ilay komity, ary nanao dia 6 400 kilaometatra tany Inde. Efa nisy namaky bokin’ny Fikambanana tany Inde, tamin’ny 1887, ary nilaza an-taratasy ny fankasitrahany. Efa nitoriana koa ny olona miteny tamoul, nanomboka tamin’ny 1905, rehefa nitory tany ny tovolahy iray nianatra tatỳ Amerika, izay nahalala ny fahamarinana, taorian’ny nihaonany tamin’ny Rahalahy Russell. Nanorina antokona mpianatra ny Baiboly 40 tany atsimon’i Inde io tovolahy io. Tsy nanaraka ny fitsipika kristianina anefa izy, ka nanjary tsy nankasitrahana, na dia efa nitory tamin’ny hafa aza.—Ampitahao amin’ny 1 Korintianina 9:26, 27.

Nahazo boky iray tamin’ny Fianarana ny Soratra Masina koa anefa tamin’io, i A. Joseph, tany Travancore (Kerala). Nandefa fanontaniana an-taratasy ho an’ny Advantista iray nalaza izy, ka io boky io no valiny azony. Azony tao ny valiny nahafa-po momba ny Andriamanitra telo izay iray. Tsy ela izy sy ny mpianakaviny, dia nitety tanimbary sy toeram-pambolena voaniho tany atsimon’i Inde, mba hiresaka momba ny finoany vaovao. Nanao fanompoana manontolo andro ny Rahalahy Joseph, taorian’ny fitsidihan’ny Rahalahy Russell, tamin’ny 1912. Nandeha fiarandalamby, sarety, sambo fisaka, ary nandeha an-tongotra izy, mba hizarana boky ara-baiboly. Nokorontanin’ny mpitondra fivavahana sy ny tariny matetika ny lahateny nataony. Nampiasa ny mpanara-dia azy ny mpitondra fivavahana “kristianina” iray tany Kundara, mba hanakorontana ny fivoriana sy hitoraka maloto ny Rahalahy Joseph. Tonga mba hijery ny zava-nisy ny lehilahy hindoa manan-kaja iray. Hoy izy tamin’ilay mpitondra fivavahana: ‘Izao ve no ohatra navelan’i Kristy ho an’ny Kristianina, sa ianareo manao toy ireo Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy?’ Lasa ilay mpitondra fivavahana.

Mbola tsy vita ilay dia efa-bolana nataon’ilay komitin’ny Mpianatra ny Baiboly, dia efa notendren’ny Rahalahy Russell ho solontenan’ny Fikambanana tany Azia i R. Hollister, mba hanohy ny firesahana ny fandaharana feno fitiavan’Andriamanitra momba ny Fanjakan’ny Mesia. Nisy trakta manokana nomanina tamin’ny fiteny folo, ary an-tapitrisany no nozarain’ny teratany eran’i Inde, Chine, Japon, ary Korea. Nisy boky nadika tamin’ny fiteny efatra koa avy eo, mba hanomezana sakafo ara-panahy bebe kokoa ho an’ireo liana. Lehibe ilay saha, ka be ny asa. Tena nahagaga anefa ny zava-bita tamin’izany.

Betsaka ny fitoriana vita

Nisy fitoriana be natao eran-tany, talohan’ny fandravana nateraky ny Ady Lehibe I. Nanao lahateny tany amin’ny tanàna an-jatony eran’i Etazonia sy Kanada ny Rahalahy Russell, ary niverimberina tany Eoropa, sady nanao lahateny tany Panama, Jamaika, Cuba, ary tanàn-dehibe maro tany Azia. An’aliny no nandre an’ireo lahateny ara-baiboly nampahery, ary nahita azy nampiasa ny Soratra Masina mba hamaliana ny fanontanian’ireo olona liana sy ny fahavalo. Maro be àry no liana, ka gazety an’arivony eran’i Amerika, Eoropa, Afrika Atsimo, ary Aostralia, no namoaka tsy tapaka ny lahatenin’ny Rahalahy Russell. Boky an-tapitrisany, trakta an-jatony tapitrisa sy zavatra hafa tamin’ny fiteny 35 no nozarain’ny Mpianatra ny Baiboly.

Tsy ny Rahalahy Russell ihany anefa no nitory, na dia niavaka aza ny asany. Nisy hafa koa eran-tany, samy nitory momba an’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany. Tsy mpandahateny ho an’ny besinimaro ny ankamaroany. Avy amin’ny karazan’olona rehetra izy ireo, ary nampiasa izay zavatra rehetra nety, mba hanaparitahana ny vaovao tsara.

Nisy fitoriana lehibe hafa natao, tamin’ny Janoary 1914, taloha kelin’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa. Izany dia ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, izay nanantitrantitra tsara ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny tany. Nisy sary niloko tsy nihetsika tamin’izy io, ary nisy sary nihetsika, nampiarahina tamin’ny feo. Nilaza ny fampahalalam-baovao eran’i Etazonia, fa olona ana hetsiny no nijery azy io isan-kerinandro. Efa ho valo tapitrisa no nijery azy io, tamin’ilay taona voalohany, eran’i Etazonia sy Kanada. Maro koa ny olona nifanizina tany Londres, any Angletera, rehefa naseho ireo tapany efatra naharitra adiny roa avy, tany amin’ny Trano Fanaovana Opéra, sy ny Royal Albert Hall. Nisy 1 226 000 mahery no nijery azy io tany amin’ny tanàna 98 tany amin’ny Nosy Britanika, tao anatin’ny enim-bolana. Feno hipoka ireo efitrano tany Alemaina sy Soisa. Maro be koa no nijery azy io tany Skandinavia sy Pasifika Atsimo.

Tena niavaka sy betsaka tokoa ny fitoriana eran-tany natao nandritra ireo taona voalohandohany tamin’ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny! Vao fanombohana ihany anefa izany.

An-jatony monja ireo nitory ny fahamarinana ara-baiboly, tamin’ireo taona 1880. Nisy 5 100 izy ireo, araka ny tatitra tamin’ny 1914. Nisy hafa nizara trakta tsindraindray. Vitsy ihany ireo mpiasa.

Efa nitory tamin’ny fomba samihafa tany amin’ny tany 68 ireo mpitory vitsivitsy ireo, tamin’ny faran’ny 1914. Niorina tsara tany amin’ny tany 30 tamin’ireo ny asa fitoriany sy fampianarany ny Tenin’Andriamanitra.

Boky an-tapitrisany sy trakta an-jatony tapitrisa no nozaraina talohan’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa. Gazety 2 000 koa tamin’ny 1913 no namoaka tsy tapaka lahateny nomanin’i C. Russell, ary olona 9 000 000 mahery tany amin’ny kontinanta telo no efa nahita ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, tamin’ny 1914.

Tena be tokoa ny fitoriana vita! Mbola be lavitra noho izany anefa no hatao.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Manao tatitra feno momba an’io dia io Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aprily 1912.

[Sarintany/Sary, pejy 405]

Nanao lahateny tany amin’ny tanàna (jereo ireo teboka) 300 mahery i C. Russell, tatỳ Amerika Avaratra sy Karaiba, ary nanao izany im-10 na in-15 indraindray

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

[Sarintany, pejy 407]

(Jereo ny boky)

Dia fitoriana nataon’i Russell tany Eoropa, nandalo tany Angletera matetika

1891

1903

1908

1909

1910 (indroa)

1911 (indroa)

1912 (indroa)

1913

1914

[Sarintany/Sary, pejy 408]

Nizara boky ara-baiboly saika eran’i Norvezy i Andreas Øiseth, rehefa niaiky fa hitany ny fahamarinana

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

NORVEZY

Faribolan-tendrontany Arktika

[Sarintany/Sary, pejy 409]

Nitory ny vaovao tsara tany Soisa sy tany amin’ny tany maro tany Eoropa i Adolf Weber, mpanao zaridaina

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

BELZIKA

ALEMAINA

SOISA

ITALIA

FRANTSA

[Sarintany/Sary, pejy 413]

Bellona Ferguson, tany Brezila: “Tsy misy olona lavitra loatra ka tsy ho tratra”

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

BREZILA

[Sarintany, pejy 415]

(Jereo ny boky)

ALASKA

KANADA

GROENLANDY

SAINT-PIERRE SY MIQUELON

ETAZONIA

BERMUDES

BAHAMAS

NOSY TURKS SY CAÏQUES

CUBA

MEKSIKA

BELIZE

JAMAIKA

HAÏTI

REPOBLIKA DOMINIKANINA

PORTO RICO

NOSY CAÏMANS

GOATEMALÀ

SALVADAORO

HONDURAS

NIKARAGOÀ

COSTA RICA

PANAMA

VENEZOELÀ

GUYANA

SURINAME

GUYANE

KOLOMBIA

EKOATERA

PEROA

BREZILA

BOLIVIA

PARAGOAY

SILIA

ARZANTINA

OROGOAY

NOSY MALOUINES

NOSY VIERGES (AMERIKANINA)

NOSY VIERGES (BRITANIKA)

ANGUILLA

SAINT-MARTIN

SABA

SAINT-EUSTACHE

SAINT-CHRISTOPHE

NIÉVÈS

ANTIGUA

MONTSERRAT

GOADELOPY

DOMINIQUE

MARTINIKA

SAINTE-LUCIE

SAINT-VINCENT

BARBADE

GRENADY

TRINITÉ

ARUBA

BONAIRE

CURAÇAO

OSEANA ATLANTIKA

RANOMASINA KARAIBA

OSEANA PASIFIKA

[Sarintany, pejy 416, 417]

(Jereo ny boky)

GROENLANDY

SOEDA

ISLANDY

NORVEZY

NOSY FÉROÉ

FAILANDY

ROSIA

ESTONIA

LETONIA

LITOANIA

BÉLARUS

UKRAINE

MOLDAVIA

GÉORGIE

ARMENIA

AZERBAÏDJAN

TURKMÉNISTAN

OUZBÉKISTAN

KAZAKHSTAN

TADJIKISTAN

KIRGHIZISTAN

POLONINA

ALEMAINA

HOLANDY

DANEMARK

GRANDE-BRETAGNE

IRLANDY

BELZIKA

LUXEMBOURG

LIECHTENSTEIN

SOISA

TSEKOSLOVAKIA

AOTRISY

HONGRIA

ROMANIA

IOGOSLAVIA

SLOVENIA

KROASIA

BOSNIA-HERZEGOVINA

BOLIGARIA

ALBANIA

ITALIA

GIBRALTAR

ESPAINA

PORTOGALY

MADÈRE

MAROC

SAHARA ANDREFANA

SÉNÉGAL

ALZERIA

LIBYA

EJIPTA

LIBAN

ISRAELY

CHYPRE

SYRIA

TORKIA

IRAK

IRAN

BAHREÏN

KOWEÏT

JORDANIA

ARABIE SAOUDITE

QATAR

EMIRÀ ARABO MITAMBATRA

OMAN

YÉMEN

DJIBOUTI

SOMALIA

ETIOPIA

SOUDAN

TCHAD

NIGER

MALI

MAORITANIA

GAMBIA

GUINÉE-BISSAU

SIERRA LEONE

LIBERIA

CÔTE D’IVOIRE

GHANA

TOGO

BÉNIN

GUINÉE ÉQUATORIALE

SAINTE-HÉLÈNE

GUINÉE

BURKINA FASO

NIZERIA

RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

CAMEROUN

SÃO TOMÉ

CONGO

GABON

ZAÏRE

ANGOLA

ZAMBIA

NAMIBIA

BOTSWANA

AFRIKA ATSIMO

LESOTHO

SOAZILANDY

MOZAMBIKA

MADAGASIKARA

LA RÉUNION

MAORISY

RODRIGUES

ZIMBABWE

MAYOTTE

KAOMAORO

SEYCHELLES

MALAWI

TANZANIA

BURUNDI

RWANDA

OUGANDA

FRANTSA

PAKISTAN

AFGHANISTAN

NÉPAL

BHOUTAN

MYANMAR

BANGLADESY

INDE

SRI LANKA

GRESY

MALTA

TONIZIA

KENYA

OSEANA ATLANTIKA

OSEANA INDIANINA

ALASKA

MONGOLIA

REPOBLIKA DEMOKRATIKA ENTIM-BAHOAKAN’I KOREA

JAPON

REPOBLIKAN’I KOREA

CHINE

MACAO

TAÏWAN

HONG KONG

LAOS

TAILANDY

VIETNAM

KAMBODJA

PHILIPPINES

BRUNEI

MALEZIA

SINGAPOUR

INDONEZIA

SAIPAN

ROTA

GUAM

YAP

BELAU

CHUUK

POHNPEI

KOSRAE

NOSY MARSHALL

NAURU

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

AOSTRALIA

NOUVELLE-ZÉLANDE

NOSY NORFOLK

NOUVELLE-CALÉDONIE

NOSY WALLIS SY FUTUNA

VANUATU

TUVALU

FIDJI

KIRIBATI

TOKELAU

HAWAII

SAMOA ANDREFANA

SAMOA AMERIKANINA

NIUE

TONGA

NOSY COOK

TAHITI

NOSY SALOMON

OSEANA PASIFIKA

OSEANA INDIANINA

[Sarintany/Sary, pejy 421]

A. Joseph avy any Inde, sy Gracie zanany, misionera niofana tany Gileada

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

INDE

[Sary, pejy 411]

Hermann Herkendell, ilay niaraka tamin’ny vadiny nanao volan-tantely mba hitoriana tamin’ny olona niteny alemà tany Rosia

[Sary, pejy 412]

Niezaka mafy ny mpisava lalana tany Angletera sy Ekosy mba hitory tamin’ny rehetra; nanampy azy ireo tamin’ny fizarana trakta mihitsy ny zanany

[Sary, pejy 414]

Nazoto nitory ny fahamarinana tany Karaiba i E. Coward

[Sary, pejy 418]

Frank Grove (ankavia) sy Ed Nelson (miaraka amin’ny vadiny avy), samy nandany 50 taona mahery avy, niresahana ny hafatra momba ilay Fanjakana manontolo andro, eran’i Nouvelle-Zélande

[Sary, pejy 420]

Nitety an’izao tontolo izao i C. Russell sy mpiara-miasa taminy enina, tamin’ny 1911-1912, mba hampandrosoana ny asa fitoriana ny vaovao tsara