Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 2: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Fizarana 2: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Toko 22

Fizarana 2: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Voatantara eo amin’ny pejy 423-443 ny fitoriana momba ilay Fanjakana tamin’ny 1914 ka hatramin’ny 1935. Voalazan’ny Vavolombelon’i Jehovah fa tamin’ny 1914 no lasa Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy, ka manjaka amin’ireo firenena. Efa nolazain’i Jesosy tetỳ an-tany, fa ho anisan’ny famantarana ny fanatrehany amin’ny maha Mpanjaka, ny fitoriana ilay Fanjakana eran-tany. Inona tokoa no nitranga taorian’ny 1914?

TAFIDITRA haingana tamin’ny Ady Lehibe I i Eoropa, tamin’ny 1914. Nahakasika ny 90 isan-jaton’ny mponina eran-tany izy io avy eo. Inona no fiantraikan’io ady io teo amin’ny asa fitorian’ny mpanompon’i Jehovah?

Fahasahiranana nandritra ny Ady Lehibe I

Tsy nisy loatra ny fanakantsakanana, tamin’ny fiandohan’ilay ady, afa-tsy tany Alemaina sy Frantsa. Azo natao tsara ny nizara trakta tamin’ny toerana maro, ary nampiasaina foana ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, na dia voafetra ihany aza taorian’ny 1914. Niharatsy ny vokatry ny ady, ka nanely tsaho ny mpitondra fivavahana tany Antilles britanika hoe mpitsikilo alemà i E. Coward, izay solontenan’ny Fikambanana tany. Noroahin’ny fanjakana tany àry izy. Nitombo ny fanenjehana, tamin’ny 1917, rehefa nandeha ny fizarana ny boky Ilay Mistery Fantatra.

Te hahazo an’ilay boky ny olona. Nampitomboina avo folo heny ny komandin’ny Fikambanana tamin’ireo mpanao pirinty, tao anatin’ny volana vitsivitsy. Tezitra be anefa ireo mpitondra fivavahan’ny Kristianisma Anarana, satria nahariharin’ilay boky ny fampianaran-disony. Nohararaotin’izy ireo ny zava-nitranga tamin’ny ady, mba hanendrikendrehana ny Mpianatra ny Baiboly tany amin’ny mpitondra. Norotahan’ny olona, sady nasiana godorao sy volom-borona, ireo lehilahy sy vehivavy nizara bokin’ny Mpianatra ny Baiboly, eran’i Etazonia. Nosavaina ny tranon’ireo tany Kanada, ary nasaina nandoa onitra be na nogadraina izay olona nanana bokin’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Nogadraina nandritra ny iray alina i Thomas Sullivan, tany Port Arthur, any Ontario. Nentin’ny polisy tao an-tanàna nody ireo boky voarara, ary nakany ho azy sy ny namany, ka voazara daholo ireo tahiry, nisy 500 na 600.

Nihatra hatrany amin’ny foibe mihitsy ny fanenjehana, ka nohelohina higadra ela be ireo mpitantana ny Fikambanana. Toy ny efa ho faty mihitsy ny Mpianatra ny Baiboly, araka ny fijerin’ny fahavalo azy. Saika nijanona tanteraka ny asa fitoriany izay nahasarika olona.

Nahita fomba niresahana ny fikasan’Andriamanitra foana anefa, na dia ireo Mpianatra ny Baiboly nigadra aza. Norarana tsy hitory tamin’ny voalohany, ireo tompon’andraikitry ny Fikambanana, rehefa tonga tao amin’ny fonjan’i Atlanta, any Géorgie. Nifampiresaka momba ny Baiboly anefa izy ireo, ary nisy liana, rehefa nahita ny fomba fiainan’izy ireo. Nasain’ny lefitry ny lehiben’ny mpiambina hampianatra Baiboly ny voafonja hafa izy ireo, afaka volana vitsivitsy. Nihamaro ireo mpianatra, ka 90 izy ireo tamin’ny farany.

Nisy Kristianina nahatoky hafa koa nahita fomba nitoriana, nandritra ny ady. Nanjary nisy nitory àry tany amin’ireo tany mbola tsy nandre ny vaovao tsara. Nisy Kolombianina Mpianatra ny Baiboly teto New York, ohatra, nandefa ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra tamin’ny teny espaniola, ho any Bogotá, any Kolombia. Namaly izany i Ramón Salgar, enim-bolana tatỳ aoriana. Nianarany tsara ilay boky, ary nahafinaritra azy, ka nangataka boky 200 izy mba hozarainy. Nandefa maromaro tamin’ny Gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly Mivoaka Isam-bolana, tamin’ny teny espaniola, koa ny Rahalahy J. Mayer, avy eto Brooklyn, New York. Maro be tamin’ireny no nalefa tany Espaina. Niasa tany Sierra Leone, any Afrika Andrefana, kosa i Alfred Joseph, izay tany Barbade, ka nanararaotra nitory ny fahamarinana vao nianarany.

Sarotra kokoa izany matetika ho an’ireo mpisava lalana, nitory isan-trano sy tany amin’ny toeram-piasana. Niresaka ny fahamarinana tamin’ny olona anefa ireo maromaro nandeha tany Salvadaoro sy Honduras ary Goatemalà, tamin’ny 1916. Nandeha sambo indroa ho any Azia ny Anabavy Fanny Mackenzie, mpisava lalana avy any Grande-Bretagne, tamin’io taona io, ary nandalo tany Chine sy Japon ary Korea, mba hizara boky ara-baiboly. Nanampy an’ireo olona liana, tamin’ny alalan’ny fanoratana izy, avy eo.

Nihena 20 isan-jato anefa, araka ny taratasy voatahiry, ny isan’ny Mpianatra ny Baiboly nanao tatitra momba ny fitoriana, tamin’ny 1918, raha oharina amin’ny tamin’ny 1914. Hanohy ny fanompoany ve izy ireo, taorian’ny fanenjehana mafy nahazo azy nandritra ny ady?

Nahazo aim-baovao

Nafahana tamin’ny fanaovana am-ponja tsy ara-drariny ny prezidàn’ny Fikambanana sy ireo mpiara-miasa taminy, ny 26 Martsa 1919. Natao haingana ny fandaharana mba hitoriana eran-tany ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana.

Nisy fivoriambe natao tany Cedar Point, any Ohio, ny Septambra 1919, ary nanao lahateny tany i J. Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana tamin’izany. Nasongadiny fa asa tena lehibe, tokony hataon’ny mpanompon’i Jehovah, ny fitoriana momba ny fahatongavan’ny Fanjakan’ny Mesian’Andriamanitra.

Vitsy anefa ireo tena nanao ilay asa tamin’izany. Niverina nitory ireo nitsahatra nandritra ny 1918, ary nisy vitsivitsy nanampy azy ireo. Mpitory 5 700 monja anefa no niasa tamin’ny 1919, tany amin’ny tany 43, araka ny tatitra voatahiry. Hoy anefa i Jesosy: “Ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Ahoana no hahavitana izany? Tsy fantatr’izy ireo izany, na ny halavan’ny fotoana hitoriany. Vonona sy nazoto hanao ilay asa anefa ny mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika. Natoky izy ireo fa hitarika azy ireo i Jehovah, araka ny sitrapony.

Nazoto nanao ilay asa izy ireo, araka izay hitany tao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nitombo efa ho avo telo heny ny isan’ireo nandray anjara tamin’ny fitoriana, nandritra ny telo taona nanaraka, ary nitory tany amin’ny tany 15 fanampiny izy ireo tamin’ny 1922.

Foto-kevitra mahaliana

Tena nahaliana ilay hafatra notorin’izy ireo, dia ny hoe “Olona an-tapitrisany velona ankehitriny no tsy ho faty mihitsy”! Nanao lahateny momba izany ny Rahalahy Rutherford tamin’ny 1918. Io koa no lohatenin’ny bokikely 128 pejy natonta tamin’ny 1920. Noresahina imbetsaka eran-tany, tamin’ny fiteny 30 mahery, io foto-kevitra io, tamin’ny 1920 ka hatramin’ny 1925, nandritra ny fivoriana ho an’ny besinimaro, tany amin’ny toerana nisy mpandahateny. Tsy nilaza toy ny Kristianisma Anarana izy ireo hoe ho any an-danitra daholo ny tsara fanahy. Nasongadin’ilay lahateny kosa ilay fanantenana ara-baiboly hoe hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona mankatò. (Isaia 45:18; Apok. 21:1-5) Nantitranterin’izy io fa tena efa akaiky ny fahatanterahan’izany.

Nanaovana filazana an-gazety sy peta-drindrina ilay lahateny. Nahaliana ilay foto-kevitra. Olona 70 000 mahery no nihaino azy io ny 26 Febroary 1922, tany amin’ny toerana 121 tany Alemaina fotsiny. An’arivony ny mpanatrika indray mandeha tamin’izany. Nisy 2 000, ohatra, no nihaino azy io tao amin’ny Trano Fanaovana Opéra, tany Le Cap, any Afrika Atsimo. Feno ny seza rehetra tany amin’ny efitrano malalaky ny oniversite tany an-drenivohitr’i Norvezy, ary maro no tsy tafiditra. Tsy maintsy naverina indray ilay izy, adiny iray sy sasany tatỳ aoriana, nefa mbola feno ihany ilay trano.

Hoy i Richard Heide tamin-drainy, tany Klagenfurt, any Aotrisy: “Handeha hihaino an’ilay lahateny aho, na inona na inona lazain’ny olona. Tiako ho fantatra raha resa-be fotsiny ilay izy, na tena marina!” Tena tiany ny zavatra reny, ka tsy ela dia niresaka izany tamin’olon-kafa izy sy ny anabaviny ary ny ray aman-dreniny.

Tsy ho an’ny olona mihaino lahateny ho an’ny besinimaro ihany anefa ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Tsy maintsy mahafantatra izany koa ny olon-kafa, anisan’izany ny mpanao politika sy mpitondra fivavahana. Ahoana no hahavitana izany?

Fizarana fanambarana mafonja

Nampiasaina ny boky aman-gazety mba ho an’ny olona an-tapitrisany tsy nahafantatra tsara ny Mpianatra ny Baiboly sy ny hafatra toriny. Nahomby koa anefa ny fitoriana natao tamin’ny alalan’ny fanambarana mahery fito, tamin’ny 1922 ka hatramin’ny 1928, dia fanapahan-kevitra nolanina tamin’ny fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly isan-taona. Nisy 45 ka hatramin’ny 50 tapitrisa tamin’ny fanapahan-kevitra tsirairay no nozaraina taorian’ireo fivoriambe. Tena niavaka ny asa vitan’ireo mpitory vitsivitsy tamin’izany!

“Fanamby ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao” no lohatenin’ilay fanapahan-kevitra tamin’ny 1922. Nasaina mantsy ireo mpitondra mba hanaporofo raha ho vitany ny hampilamina sy hahasambatra ny olona, raha tsy izany dia tokony hekeny fa ny Fanjakan’Andriamanitra tarihin’ny Mesiany ihany no ho afaka hitondra izany. Nalefa rekomande tany amin’ny emperora alemà tany an-tsesitany io fanapahan-kevitra io, sady nalefa tany amin’ny prezidà sy ny mpitondra rehetra. Ny 4 500 000 teo ho eo kosa nozaraina tamin’ny vahoaka. Nibaby kitapo feno trakta i Edwin Scott, tany Afrika Atsimo, ary nitondra hazo lavalava handroahana ny alika masiaka. Nitety tanàna 64 izy, ary nahazara 50 000 tamin’ilay trakta. Nitety ny tranon’ireo mpiangona, taorian’izay, ny mpitondra fivavahana holandey tany Afrika Atsimo, mba hanangom-bola. Maro tamin’ireo mpiangona no nampakatra an’ilay trakta ho eo anoloan’ny tarehin’ilay mpitondra fivavahana, sady niteny hoe: “Tokony hovakinao ity, dia tsy ho tonga hangata-bola atỳ aminay intsony ianao.”

“Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana.” Io kosa no lohatenin’ilay fanapahan-kevitra tamin’ny 1924, izay nampiharihary ny fampianarana sy fomba tsy araka ny Soratra Masina ataon’ny mpitondra fivavahana, sy ny zavatra nataon’izy ireo nandritra ny ady. Nampirisika ny olona kosa ilay trakta mba hianatra Baiboly, ka hahita ny fandaharana mahafinaritra nataon’Andriamanitra hitahiana ny olombelona. Notakina tany Italia tamin’izany, ny hametrahan’ny mpanao pirinty ny anarany amin’ny zavatra nataony pirinty, ka hahatompon’andraikitra azy amin’ilay zavatra. Nomen’ireo niandraikitra ny asa tamin’ilay trakta ny mpitondra fanjakana, ka nahazo lalana avy hatrany hanao pirinty sy hizara azy io izy ireo. Nanaiky koa ilay mpanao pirinty. Nizara 100 000 tamin’izy io ireo rahalahy tany Italia. Nataon’izy ireo azo antoka fa nahazo tamin’izy io tsirairay ny papa sy ny tompon’andraikitra ambony tany Vatikana.

Sosotra sy nanao herisetra matetika ny mpitondra fivavahana tany Frantsa, noho io trakta io. Very hevitra ny mpitondra fivavahana iray tany Poméranie, any Alemaina, ka notoriny ny Fikambanana sy ny mpitantana azy. Resy anefa izy, rehefa nohenoin’ny fitsarana ny zavatra rehetra noraketin’ilay fanapahan-kevitra. Tsy tian’ny Mpianatra ny Baiboly tany Québec, any Kanada, ny hanelingelenan’ireo tsy tia fahamarinana ny fizarany an’ilay fanapahan-kevitra, ka napetrak’izy ireo teny am-baravaran’ny olona ilay izy, nanomboka tamin’ny telo maraina. Nahafinaritra izany!

Fankasitrahana noho ny valiny nahafa-po

Maro ny Armenianina nesorina an-keriny tany an-tranony sy tany an-tanindrazany, nandritra ny Ady Lehibe I. Ana hetsiny no novonoina, ary maro no nandositra, vao roapolo taona talohan’izay. Nisy vitsivitsy tamin’izy ireny namaky ny bokin’ny Fikambanana tany an-tanindrazany. Maro kokoa anefa no nitoriana tany amin’ny tany nandosirany.

Tena nijaly izy ireo, ka maro taminy no nanontany hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela ny faharatsiana hisy? Hafiriana izany no mbola hitohy? Rahoviana izany no hifarana? Nisy tamin’izy ireo nankasitraka ny valiny nahafa-po nomen’ny Baiboly. Nisy antokona Mpianatra ny Baiboly armenianina maro, niforona haingana tany amin’ny tanàna maro tany Moyen-Orient. Nisy akony teo amin’ny fiainan’olon-kafa ny fitiavan’izy ireo ny fahamarinana. Nandray ny vaovao tsara koa ny Armenianina tany Etiopia sy Arzantina ary Etazonia, ary faly nizara izany tamin’olon-kafa. Anisan’izy ireo i Krikor Hatzakortzian, izay hany mpisava lalana nitory tany Etiopia tamin’ny 1930 tany ho any. Nampangain’ny mpanohitra izy indray mandeha, ka nanjary afaka nitory tamin’ny Emperora Hailé Sélassié.

Nitondra ny fahamarinana nody

Tena te hiresaka ny fahamarinana ny olona maro, ka nody tany an-tanindrazany mba hanao izany. Izy ireo dia toy ireo olona avy tamin’ny tany maro, tonga tany Jerosalema tamin’ny taona 33. Nanjary mpino mantsy izy ireny, rehefa nampian’ny fanahy masina ny apostoly sy ny namany, ka niteny tamin’ny fiteny maro, “momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” (Asa. 2:1-11) Nitondra ny fahamarinana nody, toy ireo tamin’ny taonjato voalohany, ireo mpianatra ankehitriny ireo.

Niverina tany Italia ireo lehilahy sy vehivavy nahita ny fahamarinana tany an-tany hafa, toa an’i Amerika sy Belzika ary Frantsa, ary nazoto nitory ilay Fanjakana. Nifindra mba hanohy ny asany tany Italia koa ny mpisava lalana avy tany amin’ny fivondronana niteny italianina tany Ticino, any Soisa. Vitsy izy ireo, nefa tsy ela dia nahatety ny ankamaroan’ny tanàna tany Italia. Tsy nisainy ny ora laniny tamin’ny fitoriana. Niaiky izy ireo fa ny fahamarinana tian’Andriamanitra ho fantatry ny olona no notoriny, ka matetika izy no niasa ny maraina mandra-pahalin’ny andro, mba hahatratrarana olona maro araka izay azo natao.

Nieritreritra ny tanindrazany koa ny Grika lasa Mpianatra ny Baiboly tany Albania ka hatratỳ Amerika. Faly izy ireo rehefa nahalala fa tsy araka ny Soratra Masina ny fivavahana amin’ny sary masina (Eks. 20:4, 5; 1 Jaona 5:21), tsy may ao amin’ny afobe ny mpanota (Mpit. 9:5, 10; Ezek. 18:4; Apok. 21:8), ary ny Fanjakan’Andriamanitra no tena hany fanantenan’ny olona. (Dan. 2:44; Matio 6:9, 10) Maika izy ireo ny hiresaka izany fahamarinana izany, mivantana sy an-taratasy, tamin’ny mpiray tanindrazana taminy. Nisy antokona Vavolombelona àry niforona tany Gresy sy ireo nosiny.

Olona an’arivony avy any Polonina no nifindra tany Frantsa mba hiasa tamin’ny fitrandrahana arina, taorian’ny Ady Lehibe I. Tsy nolalovan’ny fiangonana frantsay fotsiny izy ireny, na dia niteny vahiny aza. Nitady fomba hiresahana ny fahamarinana tamin’ireo mpitrandraka sy ny fianakaviany izy ireo, ary tsy ela dia maro noho ny Vavolombelona frantsay ny isan’ireo nanaiky ilay hafatra. Namoaka didy nandroaka ny vahiny ny fitondrana frantsay, ka 280 no tsy maintsy niverina tany Polonina tamin’ny 1935, nefa vao mainka nanaparitaka ny hafatra momba ilay Fanjakana izany. Nisy 1 090 àry ny mpitory tany Polonina, tamin’ny 1935.

Nisy kosa nanaiky ny fanasana handao ny taniny, mba hanompo tany an-tany hafa.

Mpitory eoropeanina nazoto, nanampy tany an-tany hafa

Olona avy any an-tany hafa no nitondra ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’ireo Fanjakana Balta (Estonia sy Letonia ary Litoania). Nitory tamin’ny faritra maro tany, nandritra ireo taona 1920 sy 1930 ny rahalahy sy anabavy nazoto, avy tany Alemaina, Angletera sy Danemark ary Failandy. Maro ny boky napetraka, ary an’arivony no nandre lahateny ara-baiboly. Nisy fandaharana momba ny Baiboly nalefa tsy tapaka tao amin’ny radio tany Estonia, tamin’ny fiteny maro, ka nisy nandre izany, hatrany amin’ny Firaisana Sovietika.

Nisy mpiasa nazoto avy tany Alemaina, tamin’ireo taona 1920 sy 1930, nandeha tany Aotrisy, Belzika, Boligaria, Espaina, Frantsa, Holandy, Iogoslavia, Luxembourg, ary Tsekoslovakia. Anisan’ireny i Willy Unglaube. Nanompo vetivety tany amin’ny Betelan’i Magdebourg, any Alemaina, izy, ary nandeha nitory manontolo andro tany Frantsa, Alzeria, Espaina, Singapour, Malezia, ary Tailandy.

Nitady fanampiana ny tany Frantsa tamin’ireo taona 1930. Noporofoin’ny mpisava lalana tany Grande-Bretagne àry fa tsy eo amin’ny taniny ihany izy no manaraka ilay fanirahana hitory. (Marka 13:10) Anisan’ireo mpiasa nazoto, namaly an’io antso makedonianina io i John Cooke. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:9, 10.) Ireto avy ny tany nanompoany, nandritra ireo 60 taona nanaraka: Frantsa, Espaina, Irlandy, Portogaly, Angola, Mozambika, ary Afrika Atsimo. Niala tamin’ny asany tao amin’ny Banky Barclay i Eric, rahalahiny, ary nanompo manontolo andro niaraka taminy tany Frantsa. Nanompo tany Espaina sy Irlandy koa i Eric avy eo, ary nanao misionera tany Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny) sy Afrika Atsimo.

Nanaiky ny fanasana hanitatra ny asan’ilay Fanjakana tany Inde i George Wright sy Edwin Skinner, tamin’ny Mey 1926. Tena lehibe ny faritanin’izy ireo, satria tao i Afghanistan, Birmania (Myanmar ankehitriny), Ceylan (Sri Lanka ankehitriny), Inde, ary Persa (Iran ankehitriny). Notsenain’ny oram-be izy ireo, tany Bombay. Tsy nieritreritra be momba ny zavatra mampiadana azy anefa izy ireo, fa tsy ela kosa dia nitety ny faritra lavitra, mba hitady an’ireo Mpianatra ny Baiboly sy hampahery azy ireny. Nametraka boky maro be koa izy ireo, mba hisarihana olon-kafa. Niasa mafy izy ireo. Nisy fivoriana ho an’ny besinimaro 550 àry nalamin’ireo mpitory 54 tany Travancore (Kerala), any Inde atsimo, tamin’ny 1928, ka 40 000 teo ho eo no nanatrika izany. Nisy mpisava lalana efatra avy any Grande-Bretagne, tonga mba hanampy tany Inde tamin’ny 1929. Nisy telo avy any Angletera koa, tonga tany Bombay tamin’ny 1931. Nitety ny faritra samihafa izy ireo, ary nizara boky tamin’ny teny anglisy sy tamin’ireo teny ampiasaina any Inde.

Inona no nitranga tany Eoropa Atsinanana nandritra izany?

Fijinjana ara-panahy

Niparitaka eran’i Eoropa Atsinanana ny voan’ny fahamarinana, talohan’ny Ady Lehibe I, ary nisy namaka. Niverina tany Aotrisy-Hongria i Andrásné Benedek, vehivavy hongroà tsotsotra, tamin’ny 1908, mba hiresaka tamin’olon-kafa ny zavatra tsara nianarany. Niverina tany koa i Károly Szabó sy József Kiss, roa taona taorian’izay, ary nitory ny fahamarinana tany amin’ireo toerana nantsoina hoe Romania sy Tsekoslovakia tatỳ aoriana. Nanohitra mafy ny mpitondra fivavahana tezitra, nefa nisy antokona mpianatra niforona, ary betsaka ny fitoriana vita. Nisy nanampy azy ireo mba hilaza ampahibemaso ny finoany, ka nitombo ho 348 ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana tany Hongria, tamin’ny 1935.

Nitombo avo roa heny ny haben’i Romania, rehefa voazaran’ireo nandresy tamin’ny Ady Lehibe I i Eoropa. Voalaza fa 150 ireo antokona Mpianatra ny Baiboly tany tamin’ny 1920, ka 1 700 no niaraka tamin’izy ireny. Efa ho 2 000 no nihinana tamin’ny mofo sy divay, nandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny taona nanaraka, ka midika izany fa nilaza ho voahosotra rahalahin’i Kristy izy ireo. Nitombo be io isa io nandritra ny efa-taona nanaraka. Nisy 4 185 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1925, ary nihinana tamin’ny mofo sy divay ny ankamaroany, araka ny fanao tamin’izany. Handalo fitsapana anefa ny finoan’izy rehetra. Tena “vary” ve izy ireo, sa sandoka ihany? (Matio 13:24-30, 36-43) Tena hanao ilay asa fitoriana nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany ve izy ireo? Hiaritra ve izy ireo, rehefa mafy ny fanenjehana? Tsy hivadika ve izy ireo, na dia ho toa an’i Jodasy Iskariota aza ny sasany?

Nasehon’ny tatitra tamin’ny 1935 fa tsy ny rehetra no nanana ilay finoana nanampy azy hiaritra. Mpitory 1 188 monja no namerina tatitra tany Romania tamin’io, na dia avo roa heny maherin’izay aza no nihinana tamin’ny mofo sy divay. Nanao ny asan’ny Tompo foana anefa ireo tsy nivadika. Noresahin’izy ireo tamin’olon-kafa nanetry tena ny fahamarinana ara-baiboly, izay tena nahafaly azy. Ny fizarana boky aman-gazety no fomba niavaka nanaovany izany. Nahapetraka boky sy bokikely 800 000 mahery izy ireo, ankoatra ny trakta, tamin’ny 1924 ka hatramin’ny 1935.

Ary i Tsekoslovakia, izay lasa firenena tamin’ny 1918, rehefa rava ny Fanjakana Lehibe Aotrisy-Hongria? Mbola be kokoa aza ny fitoriana natao tany, ka niteraka ilay fijinjana ara-panahy. Efa nitoriana taloha ny Hongroà, Rosianina, Romanianina, ary Alemà. Nisy Mpianatra ny Baiboly maromaro niverina avy tatỳ Amerika mba hifantoka tamin’ireo olona niteny slovaky, tamin’ny 1922, ary nisy mpivady alemà nifantoka tamin’ny faritany tseky, ny taona nanaraka an’io. Nampahery sy nampiray saina an’ireo rahalahy ny fivoriambe tsy tapaka, na dia vitsy aza ny mpanatrika. Be kokoa ny fitomboana, rehefa voalamina hitory isan-trano ireo fiangonana, tamin’ny 1927. Nampandroso be ny asa ilay fivoriambe iraisam-pirenena natao tany Prague tamin’ny 1932, ka avy tany Tsekoslovakia sy ny tany nanodidina azy ny 1 500 tamin’ireo mpanatrika. Maro koa no nijery ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, naharitra adiny efatra, naseho eran’ilay tany. Folo taona monja dia efa nisy boky ara-baiboly 2 700 000 mahery nozaraina tamin’ny fiteny samihafa tany. Niteraka an’ilay fijinjana daholo izany fambolena sy fanolokoloana ary fanondrahana ara-panahy izany. Mpitory 1 198 no nandray anjara tamin’izany, tamin’ny 1935.

Nanjary nisy i Iogoslavia (Fanjakan’ny Serba sy Kroaty ary Slovena, tamin’ny voalohany), rehefa nozaraina i Eoropa, taorian’ny Ady Lehibe I. Voalaza fa efa nisy Mpianatra ny Baiboly nitory tany Belgrade, tamin’ny 1923. Naseho tamin’olona maro be eran’ilay tany, tatỳ aoriana, ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Nisy mpisava lalana alemà tonga nanampy tany Iogoslavia, rehefa nenjehina mafy ny Vavolombelona tany Alemaina. Tsy nieritreritra izay hampiadana azy izy ireo, fa lasa kosa nitory tany amin’ny faritra tena lavitra be sy tany an-tendrombohitra. Nisy nandeha tany Boligaria. Niezahana nitoriana koa tany Albania. Nafafy tany amin’ireny toerana rehetra ireny ny voan’ilay Fanjakana, ka nisy namokatra. Taona maro tatỳ aoriana anefa vao betsaka ny fijinjana.

Niely tany Afrika koa ny vaovao tsara, vokatry ny asan’ireo tena nankasitraka ny tombontsoa ho vavolombelon’ilay Avo Indrindra.

Mamiratra any Afrika Andrefana ny fahazavana ara-panahy

Nisy Mpianatra ny Baiboly avy tany Barbade, nandeha tany Afrika Andrefana noho ny asany. Nanoratra tamin’ny biraon’ny Fikambanana teto New York izy, fito taona tatỳ aoriana, mba hampahafantatra hoe maro ny olona liana tamin’ny Baiboly tany. Tonga tany Freetown, any Sierra Leone, ry W. Brown mianakavy, volana vitsivitsy tatỳ aoriana (14 Aprily 1923), noho ny fanasan’ny Rahalahy Rutherford.

Tsy ela ny Rahalahy Brown dia nanao lahateny tao amin’ny Wilberforce Memorial Hall. Nisy 500 teo ho eo ny mpanatrika ny 19 Aprily, anisan’izany ny ankamaroan’ny mpitondra fivavahana tany Freetown. Ny alahadin’io indray dia efa natao ilay lahateny fanaon’i C. Russell matetika hoe “Fiverenana avy any Amin’ny Afobe, Iza no Any?” Napoitran’ny Rahalahy Brown teo amin’ny lamba notarafina jiro ny andinin-teny notononiny, mba ho hitan’ny mpanatrika. Izao foana no nolazainy: “Tsy i Brown no milaza izany, fa ny Baiboly.” Nanjary nantsoina hoe “Brown Baiboly” àry izy, vokatr’izany. Nisy mpiangona nalaza niala tamin’ny fiangonany, mba hanompo an’i Jehovah, vokatry ny lahateniny lojika sy araka ny Soratra Masina.

Nandeha matetika izy mba hanombohana ny fitoriana tany amin’ny faritra hafa. Nanao lahateny ara-baiboly izy tamin’izany, ary nizara boky maro be, sady nampirisika olon-kafa hanao izany koa. Nitoriany koa tany Côte-de-l’Or (Ghana ankehitriny), Liberia, Gambia, ary Nizeria. Olona avy any Nizeria no nitondra ny fahamarinana tany Bénin (Dahomey tamin’izany) sy Cameroun. Fantatry ny Rahalahy Brown fa tsy tian’ny olona loatra ilay antsoin’izy ireo hoe “fivavahan’ny fotsy hoditra.” Noresahiny tao amin’ny Glover Memorial Hall, any Lagos, àry ny fahalemen’ny Kristianisma Anarana. Faly ny mpanatrika taorian’io, ka nisy boky 3 900 nomena azy mba hovakiny sy homeny olon-kafa.

Vitsy kely no efa nandre ny momba ilay Fanjakana, rehefa tonga tany Afrika Andrefana ny Rahalahy Brown. Vavolombelona 11 000 mahery kosa no tany, rehefa niala tany izy, 27 taona tatỳ aoriana. Niharihary ny fahadisoan’ny fivavahana, ary namaka sy niparitaka haingana ny fivavahana marina.

Hatrany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Afrika

Vao niandoha ny taonjato faha-20, dia efa nisy bokin’i C. Russell hitan’ny olona tany atsimoatsinanan’i Afrika. Neken’izy ireo ny hevitra sasany tao, saingy nafangarony tamin’ny heviny. Nanjary nantsoina hoe antokon’ny Tilikambo Fiambenana izy ireo, nefa tsy nisy nifandraisany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy. Mpanao politika ny sasany taminy, ka nitarika korontana teo anivon’ny Afrikanina. Nanakantsakana ny asan’ny Vavolombelona nandritra ny taona maro, ny laza ratsin’ireny olona ireny.

Nahita ny fahasamihafan’ny marina sy ny diso anefa ny Afrikanina maro. Mpiasa mpifindra monina no nitondra ny vaovao tsara tany amin’ireo tany nanodidina, ary niresaka izany tamin’olona nampiasa an’ireo fitenin’ny Afrikanina. Olona avy tany Afrika Atsimo matetika no nitondra ny fahamarinana tamin’ireo olona niteny anglisy tany atsimoatsinanan’i Afrika. Nanakantsakana ny fitoriana nataon’ny Vavolombelona eoropeanina tamin’ny Afrikanina, ny fanoherana nahery vaika nataon’ny fanjakana, notarihin’ny mpitondra fivavahana. Niely anefa ny fahamarinana, na dia nila nampiana mba hampihatra izay nianarany aza ny maro tamin’ireo olona liana.

Nisy mpitondra fanjakana namakafaka tsara ny anton’ireo fiampangana ny Vavolombelona, nataon’ny mpitondra fivavahana. Anisan’izany ny lehiben’ny polisy tany Nyassaland (Malawi ankehitriny). Novany ny paoziny mba tsy hisy hahafantatra azy, ary nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelona izy, mba hahitany ny marina momba azy ireo. Nampiaiky volana azy izay hitany. Neken’ny fanjakana avy eo ny hisian’ny solontena eoropeanina tany, ka i Bert McLuckie (sy Bill rahalahiny tatỳ aoriana) no nalefa tany, tamin’ireo taona 1930. Nifandray tsy tapaka tamin’ny lehiben’ny polisy sy ny fivondronana izy ireo, mba hahatakaran’ny mpitondra tsara ny asany, sy tsy hampifangaroany ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fivavahana hafa milaza azy ho Tilikambo Fiambenana. Niasa tamim-paharetana koa izy ireo, niaraka tamin’i Gresham Kwazizirah, Vavolombelona matotra avy eo an-toerana, nanampy olona an-jatony te hiaraka tamin’ny fiangonana, mba hahatakatra fa tsy maloto fitondran-tena na miboboka toaka na minomino foana ny Vavolombelona.—1 Kor. 5:9-13; 2 Kor. 7:1; Apok. 22:15.

Zato teo ho eo monja ny Vavolombelona eran’ny atsimon’i Afrika, tamin’ny 1930. Faritanin’izy ireo daholo anefa ny atsimon’ny ekoatera manontolo, sy ny tany sasany tany avaratr’izy io. Nila tena mpisava lalana ny fitoriana tamin’izany toerana midadasika be izany. Afaka nanao izany i Frank sy Gray Smith.

Nandeha an-tsambo 4 800 kilaometatra tany atsinanana sy avaratr’i Le Cap izy ireo, ary nandeha fiara tamin’ny lalan-dratsy nandritra ny efatra andro, mba ho tonga tany Nairobi, any Kenya (Afrika Atsinanana britanika). Nahapetraka boky 40 baoritra izy ireo, tao anatin’ny iray volana latsaka. Nampalahelo anefa fa matin’ny tazo i Frank, teny an-dalana hiverina. Nanomboka nitory taorian’izay anefa i Robert Nisbet sy David Norman, ka boky 200 baoritra no nentiny nitory tamin’olona maro araka izay azony natao, tany Kenya, Ouganda, ary Tanganyika sy Zanzibar (nitambatra ho Tanzania ankehitriny). Dia fitoriana toy izany koa no nahatongavan’ny fahamarinana tany amin’ny nosy Maorisy sy Madagasikara, any amin’ny Oseana Indianina, sy tany Sainte-Hélène, any amin’ny Oseana Atlantika. Nafafy ny voan’ny fahamarinana, fa tsy avy hatrany dia nitsiry sy nitombo.

Niely avy any Afrika Atsimo koa ny fitoriana ny vaovao tsara, ka tonga tany Basutoland (Lesotho ankehitriny), sy Bechuanaland (Botswana ankehitriny), ary Soazilandy, tamin’ny 1925. Noraisin’ny Mpanjaka Sobhuza II ireo mpisava lalana tonga nitory indray tany Soazilandy, valo taona taorian’io. Nangoniny daholo ny mpiady zato mpiambina azy, mba hihaino fitoriana feno, ary noraisiny daholo ny bokin’ny Fikambanana nentin’ireo rahalahy.

Nihamaro tsikelikely ny Vavolombelona tany Afrika. Nisy mpisava lalana nanampy an’ireo vitsivitsy efa niasa tany, tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, ary 1 407 ny mpitory eran’i Afrika nanao tatitra momba ny fitoriana, tamin’ny 1935. Tany Afrika Atsimo sy Nizeria ny ankamaroan’ireo. Nisy Vavolombelon’i Jehovah koa tany Nyassaland (Malawi ankehitriny), Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny), ary Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny).

Nojerena koa tamin’izany ireo tany miteny espaniola sy portogey.

Fikarakarana an’ireo miteny espaniola sy portogey

Navoaka voalohany tamin’ny teny espaniola Ny Tilikambo Fiambenana, na dia mbola nafana aza ny Ady Lehibe I. Notononin’izy io ny adiresin’ny birao tany Los Angeles, any Kalifornia, izay najoro mba hanara-maso ny fitoriana tamin’ny olona niteny espaniola. Nanampy ny olona liana eran’i Etazonia sy tany atsimony izy io.

Lasa mpanompon’i Jehovah i Juan Muñiz, tamin’ny 1917. Nampirisihin’ny Rahalahy Rutherford izy tamin’ny 1920 mba hiala tany Etazonia ka hiverina tany Espaina, tanindrazany, ary handamina ny asa fitoriana tany. Kely ihany anefa ny vokatra na dia nazoto aza izy, satria narahin’ny polisy akaiky izy, ka nafindra tany Arzantina, taona vitsivitsy tatỳ aoriana.

Vitsy ny mpanompon’i Jehovah efa nitory tany Brezila. Nisy tantsambo valo nianatra ny fahamarinana, rehefa nijanona kely tatỳ New York ny sambony. Nitory ny hafatry ny Baiboly izy ireo, rehefa tafaverina tany Brezila, tamin’ny 1920.

Nalefa tany Brezila i George Young, avy any Kanada, tamin’ny 1923. Tena nampandroso ny asa izy. Nanao lahateny maro (nisy mpandika teny) izy, ka nasehony izay lazain’ny Baiboly momba ny maty, naharihariny ny fivavahana amin’ny demonia, ary nohazavainy ny fikasan’Andriamanitra hitahy ny fianakavian’olombelona rehetra. Tena nandresy lahatra ny lahateniny, satria nasehony tamin’ny lamba teo aloha ny andinin-teny noresahiny, mba ho hitan’ny mpanatrika amin’ny fiteniny. Niandry 25 taona ny Anabavy Bellona Ferguson, avy any São Paulo, vao vita batisa niaraka tamin’ny zanany efatra, rehefa nandalo tany Brezila i George Young. Nanampy tamin’ny fandikana boky ho amin’ny teny portogey ny sasany tamin’ireo nanaiky ny fahamarinana. Tsy ela dia nisy boky maro tamin’io fiteny io.

Niala tany Brezila ny Rahalahy Young, tamin’ny 1924, ary nankany Arzantina. Nalaminy ny fizarana maimaim-poana boky 300 000 tamin’ny fiteny espaniola, tany amin’ny tanàn-dehibe 25. Nandeha tany Silia sy Peroa ary Bolivia koa izy tamin’io taona io, mba hizara trakta.

Tsy ela i George Young dia nandeha tany amin’ny faritany hafa, dia i Espaina sy Portogaly. Nampihaonin’ny ambasadaoro britanika tamin’ny mpitondra teo an-toerana izy, ka afaka nandamina ny lahateny hataon’ny Rahalahy Rutherford tany Barcelone sy Madrid, ary tany an-drenivohitr’i Portogaly. Olona 2 350 mahery no nanome ny anarany sy adiresiny, taorian’ireo lahateny, ary nangataka fanazavana fanampiny. Navoaka tao amin’ny gazety espaniola lehibe, avy eo ilay lahateny, ary nisy trakta nirakitra azy io nalefa paositra ho an’ny olona eran’ilay tany. Nivoaka tamin’ny gazety portogey koa izy io.

Tonga tany amin’ny toerana lavitra an’i Espaina sy Portogaly mihitsy aza ilay hafatra. Tonga tany amin’ny Nosy Cap-Vert (République du Cap-Vert ankehitriny) ny vaovao tsara, tamin’ny faran’ny 1925, ary tonga tany Madère, Afrika Atsinanana portogey (Mozambika ankehitriny), Afrika Andrefana portogey (Angola ankehitriny), ary ireo nosin’ny Oseana Indianina.

Herintaona taorian’io, dia natao izay hamoahana an’ilay fanapahan-kevitra mafonja hoe “Fitoriana ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao”, tao amin’ny gazety espaniola La Libertad. Nanamafy an’ilay fitoriana ny fandaharana tamin’ny radio, sy ny fizarana boky sy bokikely ary trakta, niaraka tamin’ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” Mpisava lalana anglisy maro no namaly ilay antso hanampy tany, tamin’ny 1932. Nizara boky ara-baiboly tsy tapaka tany amin’ny faritra lehibe izy ireo, mandra-pipoakan’ilay Ady An-trano Tany Espaina, satria voatery niala tany izy ireo.

Avy hatrany dia nitory kosa ny Rahalahy Muñiz, raha vao tonga tany Arzantina, ary mpanamboatra famantaranandro no fivelomany. Nitory tany Silia sy Paragoay ary Orogoay koa anefa izy. Nisy rahalahy avy any Eoropa koa nasain’ny Rahalahy Muñiz, ka tonga nitory tamin’ny olona niteny alemà tany. Nitantara i Carlos Ott, taona maro tatỳ aoriana, fa tamin’ny efatra maraina izy ireo no nanomboka nametraka trakta teny am-baravarana tsirairay. Niverina mba hitory bebe kokoa izy ireo, ny androtr’iny ihany, ary nanolotra boky ara-baiboly ho an’izay liana. Niala avy tany Buenos Aires ireo mpitory manontolo andro, ary niparitaka eran’ilay tany. Nanaraka ny lalamby aloha izy ireo, satria tonga hatrany amin’ny an-jatony kilaometatra avy eo an-drenivohitra izy io. Nampiasainy avy eo ny fitaterana hafa rehetra hitany. Tena kely ny fananan’izy ireo, ary maro ny zava-tsarotra. Nanan-karena ara-panahy anefa izy ireo.

Anisan’ireo mpiasa nazoto tany Arzantina i Nicolás Argyrós, Grika. Nahazo bokin’ny Fikambanana izy tamin’ny 1930, ary tena nahaliana azy ilay bokikely hoe Afobe, sy ny lohatenikely tao hoe “Inona izy io? Iza no any? Afaka mivoaka avy any ve izy ireo?” Gaga izy, rehefa hitany fa tsy main’ny afo ny ratsy fanahy, araka io bokikely io. Ary vao mainka gaga izy, rehefa nahafantatra fa lainga noforonin’ny fivavahana mba hampitahorana olona (toa azy) ny afobe! Lasa niresaka ny fahamarinana avy hatrany izy, tamin’ny Grika aloha, ary tamin’olon-kafa, rehefa hainy ny teny espaniola. Nanokana 200 ka hatramin’ny 300 ora isam-bolana izy, mba hiresahana ny vaovao tsara. Nandeha an-tongotra, na fitaterana hafa izy, mba hitoriana tany amin’ny fivondronana 14 tamin’ireo 22 tany Arzantina. Nahazo fandriana natoriana izy, rehefa nisy olona tsara fanahy nampiantrano azy. Matetika anefa izy no natory teny an-kalamanjana, na tany an-tranom-biby, izay nisy ampondra nanaitra azy tamin’ny maraina!

Anisan’ny tena mpisava lalana koa i Richard Traub, izay nianatra ny fahamarinana tany Buenos Aires. Nazoto niresaka ny vaovao tsara tany Andes, any Silia, izy. Tonga tany Silia izy tamin’ny 1930 (dimy taona taorian’ny batisany), ary izy irery no Vavolombelona tamin’ireo mponina 4 000 000 tany. Baiboly ihany no nananany tamin’ny voalohany, nefa lasa nitory isan-trano ihany izy. Tsy nisy fivoriana azony natrehina, ka rehefa tonga ny ora fivoriana alahady, dia lasa izy nankany amin’ny Tendrombohitra San Cristóbal, nipetraka teo am-bodihazo malomaloka, ary nanomboka nianatra samirery sy nivavaka. Nanofa trano izy tatỳ aoriana, ka nanomboka nanasa olona hanatrika fivoriana tao. I Juan Flores ihany no olona voalohany tonga, ka nanontany azy hoe: “Ary aiza daholo ny olona?” Hoy fotsiny ny Rahalahy Traub: “Mbola ho avy izy ka.” Marina ny teniny. Olona 13 no nanolo-tena ho an’i Jehovah, tao anatin’ny herintaona latsaka.

Nisy anabavy Vavolombelona roa mbola tsy nifankahafantatra, niaraka nitory ny vaovao tsara tany Kolombia, efa-taona taorian’izay. Voatery niverina tany Etazonia i Hilma Sjoberg, rehefa nahita vokatra tsara nandritra ny herintaona. Nandray sambo ho any Silia kosa ny Anabavy Kathe Palm, ka nitory tamin’ny tantsambo sy ny mpandeha, nandritra ireo 17 andro teny an-dranomasina. Nitory tany Arica, seranana any amin’ny farany avaratr’i Silia, ka hatrany Tierra del Fuego, any amin’ny farany atsimo, izy, nandritra ireo folo taona nanaraka. Nitory tany amin’ny toeram-piasana sy tamin’ny manam-pahefana izy. Nobabeny ny kitapo fasiany boky, ary novimbinina ny zavatra nilainy, toy ny bodofotsy hatoriany, ary lasa izy nitory tany amin’ny toeram-pitrandrahana sy fiompiana ondry lavitra be. Tena fiainana mpisava lalana izany. Nisy hafa nanana toe-tsaina toa azy koa, na nanambady na tsia, ary na tanora na antitra.

Niezahana manokana tamin’ny 1932 ny nitory tany Amerika Latinina, tany amin’ireo faritany tsy nitoriana firy. Be dia be tamin’ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao no voazara tany, tamin’io taona io. Lahateny efa re tamin’ny radio eran-tany no tao anatin’izy io. Nisy 40 000 tamin’io no nozaraina tany Silia, 25 000 tany Bolivia, 25 000 tany Peroa, 15 000 tany Ekoatera, 20 000 tany Kolombia, 10 000 tany Saint-Domingue (Repoblika Dominikanina ankehitriny), ary 10 000 tany Porto Rico. Tena notorina be tokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Olona 247 monja, tamin’ny 1935, tany Amerika Atsimo no nitory hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hitondra ny tena fahasambarana ho an’ny olona. Lehibe anefa ny fitoriana vitan’izy ireo!

Fitoriana tamin’ny olona tena lavitra

Tsy mihevitra akory ny Vavolombelon’i Jehovah fa tontosany ny andraikiny eo anatrehan’Andriamanitra, rehefa miresaka amin’ny mpiara-monina vitsivitsy izy. Miezaka mitory amin’ny olon-drehetra izy ireo.

Nitoriana tamin’ny fomba hafa ny olona tany amin’ny toerana tsy tongan’ny Vavolombelona. Nisy bokikely 50 000 àry nalefan’ny Vavolombelona tany Le Cap ho an’ny mpamboly, mpiambina tilikambo fanilon-tsambo, mpiandry ala, ary olon-kafa tany amin’ny toerana tsy nisy lalana, tamin’ireo taona 1920. Nisy lisitry ny adiresin’olona koa nampiasaina tany Afrika Atsimoandrefana (Namibia ankehitriny), ka nandefasana tamin’ilay bokikely hoe Ny Naman’ireo Firenena ny tsirairay tao amin’ilay lisitra.

Niandraikitra sambon’ny Fikambanana nantsoina hoe Morton, i F. Franske, tamin’ny 1929, ary notendrena niaraka tamin’i Jimmy James, mba hitory tamin’ny olona tany Labrador sy ny morontsirak’i Terre-Neuve. Nandeha kalesy notarihin’alika maromaro, ny Rahalahy Franske, rehefa nanaraka ny morontsiraka tamin’ny ririnina. Zavatra vita tamin’ny hoditra sy trondro no nomen’ny mponin’i Terre-Neuve azy, mba ho takalon’ireo boky ara-baiboly napetrany. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, dia lasa izy nitory tamin’ny mpitrandraka, mpikapa hazo, mpihaza, mpiompy, ary Indianina tany Cariboo, any Kolombia Britanika. Nihaza izy mba hahazoany hena, teny am-panaovany dia, sady nitsimpona voaroy, ary nahandro ny mofony tamin’ny lapoaly, teo amin’ny afon-dasiny. Sambo fanjonoana no nandehanan’izy sy ny namany tatỳ aoriana, mba hitoriana tany amin’ireo nosy kely, toeram-pitrandrahana ala, tilikambo fanilon-tsambo, ary trano nanaraka ny morontsiraka andrefan’i Kanada. Iray monja tamin’ireo niezaka manokana hitory tamin’ny olona nipetraka tena lavitra izy.

Nandeha nianavaratra i Frank Day, tamin’ireo taona 1920, ka namakivaky tanàna tany Alaska, nitory sy nametraka boky. Nivarotra solomaso izy, mba hivelomana. Solotongotra ny tongony iray, nefa nitory tany Ketchikan ka hatrany Nome izy (mielanelana 1 900 kilaometatra eo ho eo). Efa tamin’ny 1897 no nahazo Fiandohan’ny Arivo Taona sy Ny Tilikambo Fiambenana ny mpitrandraka volamena iray tany Kalifornia, ary nikasa hitondra azy ireo hody tany Alaska. Nametraka boky tany amin’ireo seranana tany Alaska kosa ny Kapiteny Beams, lehiben’ny sambo mpihaza trozona, tamin’ny 1910. Nitatra anefa ny asa fitoriana tany Alaska, vokatry ny dia fitoriana isaky ny lohataona, nataon’ny Rahalahy Day, nandritra ny 12 taona nanaraka.

Vavolombelona roa hafa no nanaraka ny morontsirak’i Norvezy hatrany Arktika, tamin’ny alalan’ny sambo nirefy 12 metatra nantsoina hoe Esther. Nitorian’izy ireo ny tany amin’ireo nosy, tilikambo fanilon-tsambo, tanàna amoron-dranomasina, ary toerana nitokana tany an-tendrombohitra. Maro no nandray tsara, ka boky sy bokikely 10 000 hatramin’ny 15 000, manazava ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona, no voapetrak’izy ireo.

Mandre ny fiderana an’i Jehovah ireo nosy

Tsy ny nosy akaikin’ny tanibe ihany no nahazo fitoriana. Nandany roa taona teny ambony sambo i Sydney Shepherd, tamin’ireo taona 1930, mba hitory tany amin’ny Nosy Cook sy Tahiti, any afovoan’ny Oseana Pasifika. Nitory tany andrefana, tany Nouvelles-Hébrides (Vanuatu ankehitriny), kosa i George Winton.

Niainga mba hitory tany amin’ny toerana tsy nisy mpitory mihitsy koa i Joseph Dos Santos, Amerikanina portogey. Nitory tany amin’ireo nosy kelin’i Hawaii aloha izy, ary niainga mba hanao dia fitoriana eran-tany avy eo. Nahazo taratasy avy tany amin-dRahalahy Rutherford anefa izy, tany Philippines, nilaza taminy fa tokony hijanona tany izy mba hanomboka sy handamina ny asa fitoriana tany. Nanao izany nandritra ny 15 taona izy.

Nanara-maso ny asa fitoriana tany Pasifika Atsimo ny sampan’ny Fikambanana tany Aostralia tamin’izany. Nisy mpisava lalana roa nalefa avy tany mba hitory tany Fidji, tamin’ny 1930-1931. Tamin’ny 1931 no nanomboka nisy nitory tany Samoa, ary tamin’ny 1932 kosa i Nouvelle-Calédonie. Nisy mpivady mpisava lalana avy any Aostralia mihitsy aza nitory tany Chine tamin’ny 1933, ary nitety an’ireo tanàna 13 lehibe tany, nandritra ny taona vitsivitsy.

Takatr’ireo rahalahy tany Aostralia fa ho nahavita be izy ireo, raha nanana sambo. Namboarin’izy ireo àry ny sambo 16 metatra nantsoiny hoe Lightbearer (mpitondra fahazavana), ka nampiasainy nanomboka tamin’ny 1935. Izy io no nataony foiben’ny asan’ny rahalahy maromaro nazoto, tamin’izy ireo nitory tany Indes néerlandaises (Indonezia ankehitriny) sy Singapour ary Malezia. Nahasarika olona foana ny fahatongavan’ilay sambo, ka matetika no afaka nitory sy nametraka boky maro ireo rahalahy.

Nanao vakansy tany amin’ny Nosy Féroé, any amin’ny Oseana Atlantika Avaratra, kosa ny anabavy roa avy any Danemark, tamin’ny 1935. Tsy vakansy ihany anefa no tao an-tsain’izy ireo, satria nitondra boky an’arivony izy ireo, ary nampiasainy tsara izany. Nandresy rivotra sy orana ary fahatezeran’ny mpitondra fivavahana izy ireo, satria nahatety ny ankamaroan’ireo nosy nisy mponina, nandritra ny diany tany.

Nitory nandritra ny fotoana naharitra kokoa tany amin’ny faritaniny i Georg Lindal, Kanadianina islandey. Notoroan’ny Rahalahy Rutherford hevitra izy, ka nifindra tany Islandy tamin’ny 1929, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana. Tena naharitra izy! Nanompo irery izy, nandritra ny ankamaroan’ireo 18 taona nanaraka. Niverina nitsidika tanàna maro izy. Boky aman-gazety an’aliny no nozarainy, nefa tsy nisy Islandey tonga nanampy azy tamin’ny fanompoana. Taona iray ihany no nisy Vavolombelona niaraka taminy, fa tamin’ny 1947 vao nisy misioneran’i Gileada roa tonga nanampy azy.

Rehefa mandrara ny zavatra andidian’Andriamanitra ny olona

Matetika no nahita fanoherana ny Vavolombelona nitory, indrindra fa tamin’ireo taona 1920 ka hatramin’ireo taona 1940. Ny mpitondra fivavahana no nitarika izany matetika, ary nampian’ny manam-pahefana izy ireo indraindray.

Nisy vahoaka romotra nentanin’ny pretra teo an-toerana, notohanan’ny lehiben’ny polisy, nitsena ny Vavolombelona tany ambanivohitr’i Vienne, any Aotrisy. Tsy tian’ireo pretra hisy fitorian’ny Vavolombelona mihitsy teo an-tanànany. Tapa-kevitra ny hanatanteraka ny asa nanirahan’Andriamanitra azy anefa ireo Vavolombelona, ka niverina ny andro hafa, fa noteteziny manodidina kosa ilay tanàna.

Na inona na inona fandrahonana na zavatra takin’ny olona amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia takatr’izy ireo fa adidiny amin’Andriamanitra ny manambara ilay Fanjakany. Andriamanitra fa tsy olona no ankatoavin’izy ireo, satria izy no mpitondra azy. (Asa. 5:29) Tsy manome fahalalahana ara-pivavahana ho an’ny Vavolombelona ny mpitondran’ny tanàna sasany, ka niantso namana hafa hanampy azy fotsiny izy ireo.

Nosamborina matetika, ohatra, ny Vavolombelona tany amin’ny faritra iray tany Bavière, any Alemaina, tamin’ny 1929. Nanofa fiarandalamby roa izy ireo, ka ny iray niainga tany Berlin, ary ilay faharoa tany Dresde. Nihaona tany Reichenbach izy ireo, ka fiarandalamby iray ihany sisa no nandehanany. Tonga tany Regensburg tamin’ny roa maraina izy io, nitondra olona 1 200 vonona ny hitory. Lafo ny saran-dalana ary nianto-tena ny tsirairay. Nisy vitsivitsy niala isaky ny gara. Nitondra bisikileta ny sasany mba hahatongavany tany ambanivohitra. Vita tao anatin’ny iray andro ilay fivondronana manontolo. Nahatsiaro izao fampanantenan’Andriamanitra ny mpanompony izao izy ireo, rehefa nahita ny vokatra azony: “Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina.”—Isaia 54:17.

Tena nazoto ny Vavolombelona tany Alemaina, ka boky sy bokikely ary gazety 125 000 000 teo ho eo no voazarany tamin’ny 1919 ka hatramin’ny 1933, ankoatra ny trakta an-tapitrisany. Fianakaviana 15 000 000 monja anefa no tany Alemaina tamin’izany. Feno mihitsy ny fitoriana tany Alemaina tamin’izany, raha oharina tamin’ny tany hafa. Tany no nahitana olona manantena ho rahalahin’i Kristy voahosotra, betsaka indrindra. Niatrika fitsapana mafy ny tsy fivadihany koa anefa izy ireo, nandritra ireo taona nanaraka.—Apok. 14:12.

Nitombo be ny fanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, tamin’ny 1933. Nosavain’ny Gestapo matetika ny tranon’izy ireo sy ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana. Voarara tany amin’ny ankamaroan’ireo fanjakana tany Alemaina ny asan’izy ireo, ary nosamborina ny sasany taminy. Baiboly sy boky ara-baiboly an-taonina no nodorana ampahibemaso. Nisy didim-pitondrana navoaka tamin’ny 1 Aprily 1935, nandrara ny Ernste Bibelforscher (Mpianatra Baiboly Tso-po, na Vavolombelon’i Jehovah), ary natao foana izay tsy hahazoan’izy ireo ny zavatra nilaina teo amin’ny fiainana. Olona vitsivitsy kokoa no niara-nanatrika ny fivoriana tamin’izany. Natao tamin’ny endrika tsy mora fantatry ny Gestapo koa ireo boky fianarana Baiboly, ary natao niafina kokoa ny fitoriana.

Efa tamin’ny 1925 anefa ireo rahalahy tany Italia no niaina teo ambany fitondrana jadon’ny Fasista, ary nisy fifanarahana nosoniavin’ny Eglizy Katolika sy ny Fanjakana Fasista, tamin’ny 1929. Nohazaina tsy nisy indrafo ny Kristianina marina. Nisy nivory tany an-tranom-biby sy fitoera-mololo, mba tsy hisy hahatratra. Vitsy ny Vavolombelon’i Jehovah tany Italia tamin’izany. Nitombo anefa ny asa fitorian’izy ireo tamin’ny 1932, rehefa nisy Vavolombelona 20 avy any Soisa nifindra tany, ary vetivety dia voazaran’izy ireo ny 300 000 tamin’ilay bokikely hoe Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao.

Nitombo koa ny fanerena tany Extrême-Orient. Nosamborina ny Vavolombelona tany Japon. Maro be ny bokiny nopotehin’ny mpitondra tany Séoul (any amin’ny Repoblikan’i Korea ankehitriny) sy Pyongyang (any amin’ny Repoblika Demokratika Entim-bahoakan’i Korea ankehitriny).

Tao anatin’izany fanerena tamin’ny 1935 izany, no nahatakaran’ny Vavolombelona tsara kokoa hoe iza ilay “vahoaka be” resahin’ny Apokalypsy 7:9-17. Nanjary takany avy amin’izany fa nisy asa maika tsy nampoiziny, niandry azy. (Isaia 55:5) Tsy marina intsony ilay hevitr’izy ireo hoe ho afaka hampifanaraka ny fiainany amin’ny zavatra takin’i Jehovah ireo tsy anisan’ny “ondry vitsy” handova ilay Fanjakana any an-danitra. (Lioka 12:32) Takatr’izy ireo fa tonga ny fotoana anaovana mpianatra an’ireny olona ireny, mba ho tafavoaka velona ho ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra. Tsy fantatr’izy ireo hoe hafiriana ny faharetan’izany fanangonana ny vahoaka be izany, na dia fantany aza fa tena efa akaiky ny faran’ilay tontolo ratsy. Tsy fantatr’izy ireo koa hoe ahoana no hanaovana ilay asa teo anatrehan’ilay fanenjehana nitombo sy niharatsy hatrany. Izao anefa no azony antoka: ‘Tsy fohy ny tanan’i Jehovah’, ka hisy fomba hataony mba hahatanterahan’ny sitrapony.—Isaia 59:1.

Vitsy ihany ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany tamin’ny 1935, satria 56 153 monja izy ireo.

Nitory tany amin’ny tany 115 izy ireo tamin’io taona io, nefa latsaka ny folo ny Vavolombelona tany amin’ny antsasak’ireo tany ireo. Tany roa ihany no nanana Vavolombelona 10 000 na mahery (Etazonia: 23 808; Alemaina: tombanana ho 10 000, avy amin’ireo 19 268 afaka nanao tatitra, roa taona talohan’io). Tany fito hafa (Aostralia, Frantsa, Grande-Bretagne, Kanada, Polonina, Romania, ary Tsekoslovakia) no nilaza ho nanana Vavolombelona nihoatra ny 1 000, saingy latsaka ny 6 000. Vavolombelona 100 ka hatramin’ny 1 000 avy kosa no tany amin’ny tany 21 hafa. Nanokana ora 8 161 424 anefa ireo Vavolombelona vitsy nazoto ireo tamin’io taona io, mba hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra, izay hany fanantenan’ny olombelona.

Efa nitory ny vaovao tsara tany an-toeran-kafa koa izy ireo, ankoatra ireo tany niasany tamin’ny 1935. Tany sy nosy 149 àry no efa nitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana.

[Teny notsongaina, pejy 424]

Nahita fomba nitoriana izy ireo, na dia nigadra aza

[Teny notsongaina, pejy 425]

Vonona sy nazoto hanao ilay asa!

[Teny notsongaina, pejy 441]

Resin’izy ireo ny rivotra sy orana ary ny fahatezeran’ny mpitondra fivavahana

[Teny notsongaina, pejy 442]

Niavaka ny fitoriana vita tany Alemaina, talohan’ny nandrarana ny “Ernste Bibelforscher”

[Sarintany/Sary, pejy 423]

Tao anatin’ny ady izao tontolo izao, fa i R. Hollister sy Fanny Mackenzie kosa nitondra ilay hafatra milaza fiadanana ho an’ny olona tany Chine sy Japon ary Korea

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

KOREA

JAPON

CHINE

OSEANA PASIFIKA

[Sarintany, pejy 428]

(Jereo ny boky)

Te hitondra ny vaovao tsara nody tany aminy ireo mpifindra monina avy any amin’ireo tany eto amin’ity sarintany ity, rehefa nahalala ny fikasana mahatalanjon’Andriamanitra hitahy ny olombelona

AMERIKA

AOTRISY

BOLIGARIA

CHYPRE

TSEKOSLOVAKIA

DANEMARK

FAILANDY

ALEMAINA

GRESY

HONGRIA

ITALIA

HOLANDY

NORVEZY

POLONINA

PORTOGALY

ROMANIA

ESPAINA

SOEDA

SOISA

TORKIA

IOGOSLAVIA

[Sarintany, pejy 432]

(Jereo ny boky)

Niala tany Alemaina ny mpitory, tamin’ireo taona 1920 sy 1930, mba hitory tany amin’ny tany maro

ALEMAINA

AMERIKA ATSIMO

AFRIKA AVARATRA

AZIA

[Sarintany/Sary, pejy 435]

Nitondra ny vaovao tsara tany amin’ny morontsiraka atsinanan’i Afrika ny mpisava lalana nazoto toa an’i Frank Smith sy Gray rahalahiny (ambony)

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

OUGANDA

KENYA

TANZANIA

AFRIKA ATSIMO

[Sarintany/Sary, pejy 439]

Nahazo an’ity bokikely ity tamin’ny alalan’ny paositra ny olona eran’i Afrika Atsimoandrefana (Namibia ankehitriny), tamin’ny 1928

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

NAMIBIA

[Sarintany/Sary, pejy 440]

Nitory momba ilay Fanjakana tany Azia Atsimoatsinanana ireo mpisava lalana nazoto, nampiasa ny “Lightbearer”

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

MALEZIA

BORNÉO

CÉLÈBES

SUMATRA

JAVA

TIMOR

NOUVELLE-GUINÉE

AOSTRALIA

OSEANA PASIFIKA

[Sary, pejy 426]

Nahasarika olona maro tany amin’ny tany maro, ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”

[Sary, pejy 427]

Nizara 50 000 tamin’ilay fanapahan-kevitra hoe “Fanamby ho An’ny Mpitondra eo Amin’izao Tontolo Izao” i Edwin Scott, tany Afrika Atsimo

[Sary, pejy 429]

Namaly ilay antso i Willy Unglaube, ka nanompo tany Eoropa sy Afrika ary Azia

[Sary, pejy 430]

Efa nanompo manontolo andro 60 taona mahery avy i Eric Cooke sy John rahalahiny (mipetraka), tamin’ny 1992, ka nahita zavatra nahafinaritra tany Eoropa sy Afrika

[Sary, pejy 431]

Tany dimy no faritanin’i Edwin Skinner, rehefa notendrena ho any Inde izy, tamin’ny 1926. Nanompo tamim-pahatokiana tany izy nandritra ny 64 taona

[Sary, pejy 433]

Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Iogoslavia fahiny i Alfred sy Frieda Tuček, niaraka tamin’ny zavatra nilaina teo amin’ny fiainana sy boky hoentina mitory

[Sary, pejy 434]

Sahy nampiharihary ny fivavahan-diso eran’i Afrika Andrefana i “Brown Baiboly”

[Sary, pejy 436]

Nandray anjara tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana tany Amerika Atsimo sy Espaina ary Portogaly, i George Young

[Sary, pejy 437]

Juan Muñiz (ankavia), nitory tany Amerika Atsimo nanomboka tamin’ny 1924, dia nitsena an’i N. Knorr, rehefa nitsidika an’i Arzantina izy, 20 taona tatỳ aoriana

[Sary, pejy 438]

Nitory ny fahamarinana tany amin’ny fivondronana 14 tany Arzantina i Nicolás Argyrós

[Sary, pejy 439]

F. Franske, nanao dia an-tanety sy an-tsambo, mba hitoriana ny fahamarinana tany amin’ny toerana lavitra