Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 3: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Fizarana 3: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Toko 22

Fizarana 3: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Eo amin’ny pejy 444-461 ny tatitra eran-tany momba ny fitoriana ilay Fanjakana tamin’ny 1935-1945. Miavaka ny taona 1935, satria tamin’io no fantatra ny vahoaka be voalazan’ny Apokalypsy 7:9. Takatry ny Vavolombelon’i Jehovah, avy amin’io fanangonana ny vahoaka be io, fa misy asa tena lehibe, voalazan’ny Baiboly fa tokony hataony. Ahoana no nanatanterahany izany, rehefa tao anatin’ny Ady Lehibe II izao tontolo izao, ka maro ny tany nandrara ny asany sy ny bokiny ara-baiboly?

NY HITORY tamin’olona maro araka izay azo natao no tanjon’ny Vavolombelona tamin’ny fanompoany, nandritra ireo taona 1930. Nijanona hatramin’ny alina be izy ireo, raha liana be ilay olona, mba hanazava fahamarinana ara-baiboly sy hamaly fanontaniana hahafa-po azy. Fitoriana fohy anefa matetika no natao, mba hahatonga ny olona ho liana fotsiny, fa ny boky na lahateny ara-baiboly no manampy bebe kokoa azy. Fampahafantarana no asan’izy ireo, na famafazana ny voan’ny fahamarinana.

Ezaka manokana nitoriana tamin’olona maro

Takatry ny Vavolombelona fa maika ilay asa. Nanapa-kevitra haingana, ohatra, i Armando Menazzi, tany Córdoba, any Arzantina, tamin’ireo taona 1930, rehefa hitany mazava izay lazain’ny Baiboly, avy tamin’ireo bokikely Afobe sy Aiza moa Ireo Maty? (Sal. 145:20; Mpit. 9:5; Asa. 24:15) Nahafinaritra azy ny zavatra nianarany, ary nandrisika azy ny zotom-pon’i Nicolás Argyrós, ka namidiny ny garaziny fanamboarany fiara, ary nifantoka tamin’ny asan’ny mpisava lalana izy. Nampirisihiny ny Vavolombelona tany Córdoba, tamin’ireo taona 1940, mba hividy bisy tranainy sy hametraka fandriana tao, ary hampiasa azy io hitondrana mpitory folo na mahery, hanao dia fitoriana mandritra ny herinandro, na tapa-bolana, na telo volana mihitsy. Nalamina ireny dia ireny, ka rahalahy sy anabavy maro avy tamin’ilay fiangonana no afaka nandeha. Nanana asa ny tsirairay: nanadio, nahandro, nanjono na nihaza biby hatao sakafo. Fivondronana folo tany Arzantina, fara fahakeliny, no nitorian’izy ireo isan-trano, sy nitetezany tanàna sy toeram-piompiana lavitra.

Nisy nanana toe-tsaina toy izany koa tany Aostralia. Betsaka ny fitoriana vita tany an-tanàn-dehibe amoron-dranomasina. Nitady fomba handehanana tany amin’ny toerana lavitra koa anefa ireo Vavolombelona. Niainga tamin’ny 31 Martsa 1936 àry i Arthur Willis sy Bill Newlands, mba hanao dia 19 710 kilaometatra, ho any amin’ireo toerana fiandrasana andiam-biby tany ambanivohitr’i Aostralia. Tsy nisy lalana mazava nalehany matetika, fa lalan-kely namakivaky tany efitra tsy nisy hazo, no nandehanana tao anaty hafanam-be sy tafiotram-bovoka. Nanohy ihany anefa izy ireo. Nandefa lahateny noraisim-peo izy ireo ary nametraka boky, rehefa nisy olona liana. Niaraka tamin’izy ireo indraindray i John (Ted) Sewell, izay nankany Azia Atsimoatsinanana tatỳ aoriana.

Tsy i Aostralia ihany no faritany niandraiketan’ny sampan’i Aostralia, fa tao koa i Chine sy ireo nosy sy firenena nanomboka tany Tahiti, any atsinanana, ka hatrany Birmania (Myanmar ankehitriny) any andrefana (mielanelana 13 700 kilaometatra). Ao anatin’izany faritra izany koa i Hong Kong, Indes néerlandaises (anisan’izany ny nosy Sumatra sy Java ary Bornéo), Indochine (Kambodja sy Laos ary Vietnam ankehitriny), Malezia, Nouvelle-Zélande, ary Siam (Tailandy ankehitriny). Matetika i Alexander MacGillivray, ilay Ekosey, mpiandraikitra ny sampana, no nanasa tanora mpisava lalana nazoto ho ao amin’ny biraony, ary nampiseho ny sarintanin’ny faritanin’ny sampana, ka nanontany hoe: ‘Te hanao misionera ve ianao?’ Tondroiny avy eo ny faritany mbola tsy nitoriana, na zara raha nitoriana, ary nanontany izy hoe: ‘Tianao ve ny hanomboka ny asa any amin’ity faritany ity?’

Nahavita asa be tany Indes néerlandaises (Indonezia ankehitriny) sy Singapour ny sasany tamin’ireo mpisava lalana, tamin’ireo taona 1930. Niaraka tamin’izy ireny i Frank Dewar, avy any Nouvelle-Zélande, tamin’ny 1935, ka nandeha tamin’ny Lightbearer hatrany Singapour. Rehefa ho any amin’ny morontsiraka avaratrandrefan’i Malezia ilay sambo, dia hoy ny Kapiteny Eric Ewins taminy: “Efa tonga izao isika, ry Frank. Hatreto ihany no azonay itondrana anao. Te ho any Siam ianao, ka eto ianao no miala!” Efa saika hadinon’i Frank mihitsy anefa i Siam. Nahafinaritra azy ny fiaraha-manompo tamin’ireo mpandeha tamin’ilay sambo, nefa handeha irery izy izao.

Nijanona kely tany Kuala Lumpur izy, mandra-pahazony vola ampy hanohizany ny dia. Voadonan’ny fiara anefa izy tany, teo am-pitaingenana ny bisikiletany. Niala sasatra kely izy, rehefa sitrana, ary dimy dolara sisa no tany am-paosiny, nefa nandray fiarandalamby avy any Singapour ho any Bangkok izy. Natombony ilay asa, satria ninoany fa afaka nanome izay nilainy i Jehovah. Efa nitory vetivety tany i Claude Goodman tamin’ny 1931, nefa tsy nisy Vavolombelona nitsena an’i Frank, rehefa tonga izy, tamin’ny Jolay 1936. Nisy hafa nandray anjara tamin’ilay asa koa anefa, nandritra ireo taona vitsivitsy nanaraka: Willy Unglaube, Hans Thomas, ary Kurt Gruber avy any Alemaina, sy Ted Sewell avy any Aostralia. Nizara boky maro izy ireo, fa tamin’ny teny anglisy sy sinoa ary japoney ny ankamaroany.

Nisy taratasy nalefa ho an’ny foiben’ny Fikambanana, nilaza fa tokony hadika ho amin’ny fiteny tailandey ireo boky, nefa tsy nisy mpandika teny. Hoy ny Rahalahy Rutherford: “Tsy izaho no any Tailandy fa ianareo. Minoa an’i Jehovah, ary miasà mafy, dia hahita mpandika teny ianareo.” Nahita tokoa izy ireo. Nanaiky ny fahamarinana i Chomchai Inthaphan, talen’ny Sekolin-jazavavy Presbyterianina teo aloha, tany Chiang Mai, ka izy no nandika boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny tailandey, tamin’ny 1941.

Herinandro taorian’ny nahatongavan’i Frank Dewar hitory tany Bangkok, dia nandalo kely tao aminy i Frank Rice, izay mpisava lalana tany Java (any Indonezia ankehitriny), rehefa hankany Indochine française, toerana vao nanendrena azy. Nitory tamin’ireo niteny anglisy, toy ny fanaony tany amin’ny faritany hafa izy, teo am-pianarana ny fiteny teo an-toerana. Nitory eran’i Saïgon (Hô Chi Minh-Ville ankehitriny) aloha izy, ary nampianatra teny anglisy mba hahazoany vola hividianana fiara tranainy, izay nampiasainy mba hitoriana tany avaratr’ilay tany. Ilay Fanjakana no nahaliana azy, fa tsy izay hampiadana azy. (Heb. 13:5) Nampiasainy ilay fiara novidiny mba hitoriana tany amin’ny tanàna lavitra, hatrany Hanoï.

Fahasahiana be

Nampiasaina ny fitaovana nahasarika maso, mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ilay Fanjakana sy ny antony anapahan-kevitra haingana. Ny Vavolombelona tany Glasgow, any Ekosy, no voalohany nampahafantatra ny lahatenin’ny fivoriambe tamin’ny alalan’ny fiambozonana takelaka sy ny fizarana taratasy fanasana teny an-tsena, tamin’ny 1936. Nisy lafiny lehibe hafa nanampiana izany, tamin’ny 1938, tamin’ny fivoriambe tany Londres, any Angletera. Nitarika filaharana Vavolombelona arivo teo ho eo i Nathan Knorr sy Albert Schroeder (samy lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana) namakivaky ny toerana be birao tany Londres. Ny mpitory iray nitondra takelaka milaza an’ilay lahateny ampahibemaso hataon’i J. Rutherford tao amin’ny Royal Albert Hall (nitondra ny lohateny hoe “Atreho ny Zava-misy”), ary ny manaraka azy kosa nitondra takelaka nisy soratra hoe “Fandrika sy Fanambakana ny Fivavahana.” (Ny fivavahana noresahin’izy ireo teo dia ireo rehetra tsy mifanaraka amin’ny Baiboly.) Sosotra ny olona sasany, ka nanampiana an’ireo takelaka roa ireo ny takelaka iray hafa nisy soratra hoe “Manompoa An’Andriamanitra sy Kristy Mpanjaka.” Tsy mora io asa io ho an’ny Vavolombelona maro, nefa noraisiny ho fomba hafa anompoana an’i Jehovah, na fitsapana ny tsy fivadihany, izany.

Tsy ny rehetra no faly tamin’ny fahasahian’ny Vavolombelona nitory. Noteren’ny mpitondra fivavahana ny mpiandraikitra radio tany Aostralia sy Nouvelle-Zélande mba tsy handefa fandaharan’ny Vavolombelona. Nandeha tany Aostralia ny Rahalahy Rutherford tamin’ny Aprily 1938, nefa neken’ny manam-pahefana ny hanafoana ny fandaharana momba ny lahateny tao amin’ny Lapan’ny Tanàna sy ny radio. Nohofana haingana ny Kianja Filalaovan’i Sydney, ary vao mainka betsaka no tonga hihaino an’ilay lahateny, satria maro no nandre momba ilay fanoherana ny Rahalahy Rutherford. Tsy navela hampiasa ny radio koa ny Vavolombelona indraindray, nefa vao mainka nalefan’izy ireo tamin’ny grafofaonina ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford.

Nisy mpitondra fivavahana tany Belzika naniraka ankizy hitora-bato ny Vavolombelona, ary nitety trano mihitsy ny pretra mba hanangona ny boky napetrak’izy ireo. Nisy olona tia ny fampianaran’ny Vavolombelona anefa, ka nilaza toy izao matetika: “Omeo maromaro amin’ireo bokikelinao aho, ka homeko iray ny pretra rehefa tonga, fa ny ambiny hovakiko!”

Mafy kokoa anefa ny fanoherana ny Vavolombelona sy ny hafatra notoriny, ny taona nanaraka.

Fitoriana tany Eoropa nandritra ny fanenjehana tamin’ny ady

Tsy nanda ny finoany sady nitory foana ny Vavolombelona, ka an’arivony izy ireo tany Alemaina, Aotrisy, Belzika, Frantsa, ary Holandy, no nogadraina, na nalefa tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia. Nampijalina isan’andro izy ireo tany. Nitandrina be ireo mbola tsy nigadra, rehefa nanompo. Ny Baiboly ihany no nampiasainy, ary tsy nanolotra boky izy, raha tsy tamin’ny fiverenana mitsidika an’ireo olona liana. Tsy te ho voasambotra ny Vavolombelona nitory, ka izao no nataony: Olona iray ao amin’ny trano iray no nitoriany, ary nifindra tany amin’ny trano hafa izy avy eo, na nifindra lalana hafa mihitsy, vao nitory tao amin’ny trano hafa. Tsy menatra nitory mihitsy anefa izy ireo.

Nanao fitoriana manokana ny Vavolombelona tamin’ny 12 Desambra 1936, volana vitsivitsy taorian’ny nisamboran’ny Gestapo Vavolombelona sy olona liana an’arivony. Haingana be izy ireo nametraka trakta an’aliny (nirakitra fanapahan-kevitra nolanina) tany anaty boaty fasiana taratasy sy teny ambany varavarana eran’i Alemaina. Nanohitra ny fampijaliana nanjo ny rahalahiny sy anabaviny kristianina io trakta io. Nihazakazaka hisambotra an’ireo mpizara ny polisy, adiny iray taorian’ny nanombohan’ilay fizarana, nefa folo teo ho eo monja no azon’izy ireo eran’i Alemaina.

Gaga ny manam-pahefana nahita hoe vita izany fitoriana manokana izany, nefa efa nanao zavatra be dia be hamotehana an’ilay asa ny Nazia. Nanjary natahotra ny vahoaka koa izy ireo. Nahoana? Satria nitety trano ny polisy sy manam-pahefana hafa ary nanontany ny olona raha nahazo an’ilay trakta izy ireo, nefa nanda izany ny ankamaroan’ny olona. Tsy nahazo tokoa ny ankamaroan’izy ireo. Tokantrano roa na telo isaky ny tranobe iray ihany no nizarana azy io, nefa tsy fantatry ny polisy izany, fa noheveriny ho nozaraina isam-baravarana ilay izy.

Nolavin’ny mpitondra nazia an-kitsirano ny fiampangana voalazan’ilay fanapahan-kevitra, nandritra ireo volana nanaraka. Nizara hafatra hafa indray àry ireo Vavolombelona mbola tsy nigadra, ny 20 Jona 1937. Nolazain’izy io tsy nisy hambahamba tamin’ny an-tsipiriany ilay fanenjehana, ary nolazainy mazava tao ny anarana manam-pahefana sy daty ary toerana. Tena sosotra ny Gestapo nahita izany fanalana sarona azy izany, sy ny nahavitan’ny Vavolombelona nizara azy io.

Nahitana taratr’izany fahatapahan-kevitra hitory izany ny nanjo an-dry Kusserow mianakavy, avy any Bad Lippspringe, any Alemaina. Ohatra amin’izany i Wilhelm Kusserow, izay novonoin’ny Nazia ampahibemaso tany Münster, noho izy tsy nety nanda ny finoany. Nankany am-ponja avy hatrany i Hilda, renin’i Wilhelm, nangataka an’ilay faty mba haleviny. Hoy izy tamin’ny ankohonany: “Hitory amin’ny olona nahafantatra azy isika.” Nanao vavaka naneho finoana ny fandaharana feno fitiavan’i Jehovah i Franz, rain’i Wilhelm, tamin’ny fandevenana. Nanome teny fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly kosa i Karl-Heinz, rahalahin’i Wilhelm, teny am-pasana. Nosazina noho izany izy mianaka, nefa zava-dehibe taminy ny fanomezam-boninahitra an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fitoriana ny anarany sy ny Fanjakany.

Nihamafy ny fanerena vokatry ny ady tany Holandy, ka nanova ny fivoriany ny Vavolombelona. Olona folo na latsaka ihany no nivory tany an-tranon’olona. Novana matetika ny toeram-pivoriana. Ny olona efa mpiaraka mivory ihany no niaraka, ary tsy nolazaina tamin’olon-kafa ny toeram-pivoriana, na dia tamin’ny namana akaiky aza. Voatery niala ny tranony ny olona tamin’izany, vokatry ny ady. Fantatry ny Vavolombelona àry fa tena nila fampiononana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ny olona, ka lasa nanome izany izy ireo. Nisy taratasy avy tamin’ny biraon’ny sampana anefa nampahatsiahy an’ireo rahalahy ny amin’ny fitandremana nasehon’i Jesosy nanoloana ny mpanohitra. (Matio 10:16; 22:15-22) Rehefa nahita olona nanohitra àry izy ireo, dia nosoratany tsara ny adiresin’ilay olona, mba hitandremana tsara, rehefa niasa teo amin’ilay faritany tamin’ny manaraka.

Nijaly ny ankamaroan’ny olona tany Gresy, nandritra ny fitondran’ny Alemà. Ny fiampangana nataon’ny mpitondra fivavahana ortodoksa grika anefa no tena niteraka ny fanenjehana mafy ny Vavolombelona. Nantitranterin’izy ireo tamin’ny polisy sy ny fitsarana mantsy fa tokony homelohina ny Vavolombelona. Maro tamin’ny Vavolombelona no nogadraina na noroahina tao an-tanànany, na nalefa tany amin’ny tanàna lavitra, na natao sesitany mba hampijaliana azy tany amin’ny nosy tsy nisy na inona na inona. Nitory hatrany anefa izy ireo. (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 8:1, 4.) Matetika izany no resaka natao tamin’olona teny an-jaridainam-panjakana. Niara-nipetraka teo amin’ny dabilio tamin’ilay olona ny Vavolombelona, ary niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampindramina an’ilay olona ny boky ara-baiboly tena sarobidy, raha tena liana izy io. Naverina io boky io avy eo, ka nampindramina olon-kafa indray. Maro ny olona tia fahamarinana, nanaiky ny fanampian’ny Vavolombelona, sy niara-nitory ny vaovao tsara tamin’izy ireo mihitsy, na dia nenjehina mafy vokatr’izany aza izy ireo.

Anisan’ny tena nampahery sy nahatonga an’ireo Vavolombelona hiaritra ny sakafo ara-panahy noraisiny. Tsy nisy boky nozaraina ho an’ny olona intsony tany amin’ny toerana sasany tany Eoropa, vokatry ny ady. Nampandalovina tany amin’ny Vavolombelona tsirairay anefa ireo boky nomanin’ny Fikambanana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Nanao vivery ny ainy mihitsy ireo nanao kopia sy nizara an’ireo lahatsoratra fianarana, ka nandefa azy ireny an-tsokosoko avy any Aotrisy ho any Italia sy Soisa ary Tsekoslovakia. Anisan’izy ireo i August Kraft, Peter Gölles, Ludwig Cyranek, Therese Schreiber, sy ny maro hafa. Mpiambina tsara fanahy no nanampy mba hahazoan’i Arthur Winkler Baiboly, tany am-ponja tany Holandy. Nanao tetika maro ireo fahavalo, nefa nahazo an’ireo rano ara-panahy mamelombelona, avy amin’ny Tilikambo Fiambenana, na dia ireo Vavolombelona tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina aza.

Vavolombelona foana ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia tany am-ponja sy toby fitanana aza. Hoy i Paoly, tamin’izy tany am-ponja tany Roma: “Fahoriana izay tonga hatramin’ny famatorana ahy ato am-ponja ... Tsy voafatotra kosa anefa ny tenin’Andriamanitra.” (2 Tim. 2:9) Toy izany ireo Vavolombelona tany Eoropa, nandritra ny Ady Lehibe II. Nandinika azy ireo ny mpiambina, nisy nametraka fanontaniana, ary lasa mpiray finoana taminy ny sasany, na dia very noho izany aza ny fahalalahany. Maro tamin’ireo mpiara-migadra tamin’ny Vavolombelona no avy any Rosia (tsy dia nisy fitoriana ny vaovao tsara loatra tany). Efa Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, rehefa niverina tany an-tanindrazany, taorian’ny ady, ka vonona ny hitory ilay Fanjakana tany.

Tsy nahasakana ny fanangonana olona ho ao amin’ny trano ara-panahy fivavahana amin’i Jehovah, ny fanenjehana nahery vaika sy ny vokatry ny ady lehibe. (Isaia 2:2-4) Nitombo be ny isan’ireo mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra tany Eoropa, tamin’ny 1938-1945. Nitombo avo roa heny teo ho eo ny Vavolombelona tany Failandy, Frantsa, Grande-Bretagne, ary Soisa. Efa ho avo fito heny kosa ny fitomboana tany Gresy, ary avo 12 heny ny tany Holandy. Mbola tsy fantatra kosa ny tsipirian’izay nitranga tany Alemaina na Romania, tamin’ny faran’ny 1945, ary tatitra tsy feno no azo avy tamin’ny tany maro hafa.

Tany ivelan’i Eoropa, nandritra ny ady

Sahirana mafy koa ny Vavolombelona tany Azia, nandritra ny ady. Nosamborina sy nokapohina ary nampijalina izy ireo tany Japon sy Korea, satria ny Fanjakan’Andriamanitra no notoriny, ary tsy nety nivavaka tamin’ny emperora izy ireo. Tsy afaka nifandray tamin’ny Vavolombelona tany an-tany hafa intsony izy ireo. Rehefa nalaina am-bavany sy notsaraina ihany ny maro taminy vao afaka nitory. Saika nijanona tanteraka ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ireo tany ireo, tamin’ny faran’ilay ady.

Nampijalin’ny andaniny roa ny Vavolombelona tany Philippines, rehefa tonga tany ny ady, satria sady tsy nanohana ny Japoney izy ireo, no tsy nanohana ny mpanohitra. Nandao ny tranony ny Vavolombelona maro, mba tsy ho voasambotra. Nitory tany amin’izay nalehany anefa izy ireo, ka nampindrana ny boky nananany, sy nampiasa Baiboly fotsiny tatỳ aoriana. Nampiasa sambo mihitsy izy ireo, rehefa lasa lavitra ny vava ady, mba hitondrana Vavolombelona ho any amin’ireo nosy zara raha nitoriana, na mbola tsy nitoriana.

Tsy ny Japoney no nampijaly tany Birmania (Myanmar ankehitriny). Ny mpitondra fivavahana anglikanina, metodista, katolika, ary batista kosa no nanery ny mpitondra mpanjana-tany, mba handrara ny bokin’ny Vavolombelona, tamin’ny Mey 1941. Nahita telegrama nahafantarany izay hitranga ny Vavolombelona roa mpiasan’ny paositra, ka nesorin’ireo rahalahy tsy ho ao amin’ny tranon’ny Fikambanana haingana ireo boky, mba tsy halain’ny mpitondra. Niezahana nalefa tany Chine ny ankamaroan’izy ireo.

Nandefa kamiao nitondra fitaovam-piadiana maro be, nampandalovina tany Birmania ho an’ny fitondrana nasionalista sinoa, ny fanjakana amerikanina tamin’izany. Nangataka toerana tao amin’ny kamiao iray ireo rahalahy, nefa noroahin’izy ireo. Tsy nahazo fiara avy any Singapour koa izy ireo. Nanatona manamboninahitra amerikanina anefa i Mick Engel, mpiandraikitra ny fanatobiana bokin’ny Fikambanana tany Rangoon (Yangon ankehitriny), ka nahazo lalana hitatitra an’ireo boky tamin’ny fiaran’ny tafika.

Tezitra be anefa ilay manamboninahitra nanamarina ny entana halefa ho any Chine, rehefa nanatona azy i Fred Paton sy Hector Oates, mba handefa an’ireo boky! “Inona tsara hoe?”, hoy izy. “Ahoana no hanomezako toerana hitondranareo ny trakta ratsinareo any, nefa ny fitaovana sy fanafody ilaina maika aza lo am-pitoerana eto fotsiny, fa tsy misy toerana hasiako azy?” Tsy niteny i Fred, fa nosokafany ny kitapony, ary nasehony an’ilay manamboninahitra ny taratasy fanomezan-dalana, sady nilaza izy fa hanahirana ihany raha tsy horaharahaina ny toromariky ny tompon’andraikitra tany Rangoon. Tsy vitan’ny hoe nanao izay hitaterana boky roa taonina ilay mpisava entana, fa nomeny fiara madinika niaraka tamin’ny mpamily sy vatsy koa, ireo rahalahy. Nianavaratratsinanana izy ireo, nitety tendrombohitra saro-dalana, ho any Chine niaraka tamin’ireo entany sarobidy. Nitory tany Baoshan izy ireo, ary nankany Chongqing (Pahsien) avy eo. Boky an’arivony niresaka ny Fanjakan’i Jehovah no nozarain’izy ireo, nandritra ilay taona nijanonany tany Chine. Anisan’ny nitorian’izy ireo i Tchang Kaï-chek, prezidàn’ny fitondrana nasionalista sinoa.

Nihamafy ny daroka baomba tany Birmania tamin’izany, ka Vavolombelona telo ihany sisa no tsy nandositra, fa lasa tany Inde ny ankamaroany. Mazava ho azy fa voafetra be ny asan’ireo telo nijanona. Nitory tsy ara-potoana anefa izy ireo, ka nisy vokany ny ezaka nataony, taorian’ny ady.

Sahirana be koa ny Vavolombelona tatỳ Amerika Avaratra, nandritra ny ady. Voasakana be ny fitoriana, satria norotahan’ny vahoaka izy ireo, sady nampiharana lalàna teo an-toerana, izay tsy nifanaraka tamin’ny lalàm-panorenana. An’arivony no nogadraina, satria tsy nomba ny atsy na ny aroa. Tsy nampihena ny fitoriana isan-trano nataon’ny Vavolombelona anefa izany. Nanjary fanaon’izy ireo nanomboka tamin’ny Febroary 1940 koa ny nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana sy Fampiononana (Mifohaza! ankehitriny), teny an-dalana sy nanodidina toeram-piasana. Vao mainka nazoto izy ireo. Niharan’ny fanenjehana mafy noho ny hatramin’izay izy ireo, nefa nitombo avo roa heny mahery ny isany teto Etazonia sy Kanada, tamin’ny 1938-1945, ary nitombo avo telo heny ny fotoana natokany ho an’ny fanompoana.

Noraran’ny fitondrana ny Vavolombelon’i Jehovah na ny bokiny, tany amin’ny tany anisan’ny Commonwealth britanika (Amerika Avaratra, Afrika, Azia, Karaiba sy Pasifika). Anisan’izany i Aostralia. Nisy didy navoakan’ny governora jeneraly tany, ny 17 Janoary 1941, nilaza fa tsy ara-dalàna ny fivorian’ny Vavolombelona, na ny nizara ny bokiny, na nanana azy ireny akory. Azo nakarina fitsarana ilay raharaha, ka natao avy hatrany izany. Roa taona mahery anefa Atoa Starke, mpitsara tao amin’ny Fitsarana Tampony, vao nanambara fa “jadona sy feno fitiavan-tena ary nampahory” ny fototr’ilay didy fandrarana. Nesorin’ny Fitsarana Tampony ilay fandrarana. Inona anefa no nataon’ny Vavolombelona nandritra izany?

Toy ny apostolin’i Jesosy Kristy izy ireo, ka ‘Andriamanitra fa tsy olona no nankatoaviny, satria izy no mpitondra azy.’ (Asa. 4:19, 20; 5:29) Nitory foana izy ireo. Maro ny sakana, nefa nanao fivoriambe tany Hargrave Park, tany akaikin’i Sydney, izy ireo, ny 25-29 Desambra 1941. Tsy navelan’ny fitondrana handeha fiarandalamby ny sasany tamin’ireo mpanatrika, ka nisy vitsivitsy avy any Aostralia Andrefana nanao fanamboarana manokana ny fiarany, ary nandeha nandritra ny tapa-bolana tamin’ny lalan-dratsy, anisan’izany ny herinandro namakivakiana ny Lemak’i Nullarbor, izay tena ratsy tokoa. Tonga soa aman-tsara izy ireo, nankafy an’ilay fandaharana niaraka tamin’ny mpanatrika enina arivo. Nisy fivoriambe natao, herintaona taorian’io, nefa nozaraina ho antoko 150 izy ireo, ary natao tany amin’ny tanàn-dehibe fito eran’i Aostralia ilay izy, ka nitety an’ireo fivoriambe ny mpandahateny.

Niharatsy ny toe-javatra tany Eoropa tamin’ny 1939, ka nisy mpisava lalana nanolo-tena ho any amin’ny saha hafa. (Ampitahao amin’ny Matio 10:23; Asan’ny Apostoly 8:4.) Mpisava lalana alemà telo no nalefa avy tany Soisa ho any Shangaï, any Chine. Maro no lasa tany Amerika Atsimo. Anisan’ireo nandeha tany Brezila i Otto Estelmann, izay nitsidika sy nanampy fiangonana tany Tsekoslovakia, sy Erich Kattner, nanompo tao amin’ny biraon’ny Fikambanana tany Prague. Tsy mora ny asan’izy ireo vaovao. Nisy Vavolombelona nifoha maraina be sy nitory mandra-pahatongan’ny tamin’ny fito maraina, ary niverina nanompo indray ny takariva. Tsaroan’ny Rahalahy Kattner fa natory teny an-kalamanjana izy, rehefa nanao dia, ka ny kitapo fasiany boky no nataony ondana.—Ampitahao amin’ny Matio 8:20.

Nohazain’ny polisy miafina nazia tany Eoropa ny Rahalahy Estelmann sy Kattner. Tsy nisy fanenjehana intsony ve, rehefa nifindra tany Brezila izy ireo? Tsia, satria vao afaka herintaona monja, dia narahi-maso tao an-tranony sy nogadraina matetika izy ireo, noho ny fitaoman’ireo mpitondra nankasitraka ny Nazia! Fahita koa ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana katolika, nefa nanohy ny asany hatrany ny Vavolombelona. Notetezin’izy ireo ny tanàna maro mbola tsy nitoriana tany Brezila.

Voarara tamin’ny ankapobeny ny ankamaroan’ny Vavolombelona na ny bokiny, nandritra ny Ady Lehibe II. Nitory tany amin’ny tany 117 izy ireo tamin’ny 1938, nefa tany 60 mahery tamin’ireo no nandrara azy ireo na ny bokiny, na nandefa azy sesitany, nandritra ny ady (1939-1945). Norotahan’ny vahoaka sy nosamborina matetika izy ireo, na dia tsy nisy fandrarana aza. Tsy nitsahatra anefa ny fitoriana ny vaovao tsara.

Niseho tany Amerika Latinina ny vahoaka be

Notokanan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, teto amin’ny Fanjakan’i New York, nandritra ny ady mihitsy (Febroary 1943) ny Sekolin’i Gileada, mba hampiofanana misionera. Efa nanompo tany Cuba sahady ny 12 tamin’ireo, talohan’ny faran’io taona io. Tena namokatra ny saha tany.

Efa tamin’ny 1910 no nisy voan’ny fahamarinana tonga tany Cuba. Nanao lahateny tany i C. Russell, tamin’ny 1913. Niteny tao amin’ny radio tany La Havane i J. Rutherford, tamin’ny 1932, ary naverina nalefa tamin’ny teny espaniola ilay izy. Ela anefa vao nisy fitomboana. Maro no tsy nahay namaky teny, ary tsy tia fivavahana hafa ny olona. Ny olona niteny anglisy (avy any Jamaika sy toeran-kafa) tamin’ny voalohany no tena liana. Efapolo monja ny mpitory tany Cuba tamin’ny 1936. Nanomboka nahazoam-bokatra kokoa anefa ny fambolena sy fanondrahana voan’ny fahamarinana tany taorian’io.

Tamin’ny 1934 no nisy mponin’i Cuba voalohany natao batisa, ary nanaraka koa ny hafa. Nanamafy ny fitoriana isan-trano tany ny fandaharana tao amin’ny radio sy ny fahasahiana nitory teny an-dalana, nanomboka tamin’ny 1940. Efa 950 no nandray ny vaovao tsara tany Cuba, talohan’ny nahatongavan’ny misioneran’i Gileada tamin’ny 1943, ary nitory izany, na dia tapatapaka aza ny sasany. Vao mainka nihamaro izy ireo, nandritra ny roa taona taorian’ny nahatongavan’ny misionera. Nisy 1 894 ny Vavolombelona tany Cuba tamin’ny 1945. Faly noho ilay fanantenana hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ny ankamaroan’ireo tonga Vavolombelona, na dia nampianarin’ny fivavahany taloha aza fa mankany an-danitra daholo ny mpanohana ny fiangonana. (Gen. 1:28; 2:15; Sal. 37:9, 29; Apok. 21:3, 4) Ny 1,4 isan-jaton’izy ireo monja no nilaza ho rahalahin’i Kristy voahosotra.

Nisy fomba hafa koa nanampian’ny foiben’ny Fikambanana an’i Amerika Latinina. Nandany folo andro tany Cuba, mba hampaherezana an’ireo rahalahy i N. Knorr, F. Franz, W. Van Amburgh, ary M. Henschel, tamin’ny 1944. Nisy fivoriambe natao tany La Havane tamin’io, ary nalamina tsara kokoa ny asa fitoriana. Nanohy ny diany tany Costa Rica sy Goatemalà ary Meksika ny Rahalahy Knorr sy ny Rahalahy Henschel, mba hanampy ny Vavolombelon’i Jehovah tany.

Nitety tany 24 i N. Knorr sy F. Franz tamin’ny 1945 sy 1946, mba hiresahana sy hiaraha-miasa tamin’ny Vavolombelona, nanomboka tany Meksika ka hatrany amin’ny tendrony atsimon’i Amerika Atsimo sy tany Karaiba. Nandany dimy volana tany izy ireo mba hanomezana fanampiana sy toromarika. Olona liana vitsy kely no nihaona tamin’izy ireo, tany amin’ny toerana sasany. Nalamin’izy ireo ny fiangonana voalohany tany Lima, any Peroa, sy tany Caracas, any Venezoelà, mba hisian’ny fivoriana sy fitoriana tsy tapaka. Natrehin’izy ireo kosa izay fivoriana efa nisy, ary nanome torohevitra izy ireo indraindray, mba hisy zavatra azo nampiharina kokoa tamin’ny fitoriana izy ireny.

Nasiana lahateny ara-baiboly ho an’ny besinimaro indraindray, nandritra ireo fitsidihana. Nitondra takelaka sy nizara taratasy fanasana teny an-dalana ny Vavolombelona, mba hampahafantarana an’ireo lahateny. Nisy 765 àry no nanatrika fivoriambe tany São Paulo, any Brezila, na dia 394 monja aza ny Vavolombelona. Mpitory 83 no tany Silia, nefa 340 no tonga nihaino an’ilay lahateny. Faly ireo Vavolombelona 253 tany Costa Rica, satria 849 no nanatrika ny fivoriambeny roa. Fotoana nahafinaritra niarahan’ireo rahalahy izany.

Tsy ny hanao fivoriambe nanan-tantara ihany anefa no tanjona. Nantitranterin’ny solontenan’ny foibe tamin’ireny, fa zava-dehibe ny miverina mitsidika ny olona liana sy mampianatra Baiboly azy ireny. Tokony hampianarina tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra ny olona, raha tiana ho tonga tena mpianatra. Nihamaro haingana àry ny fampianarana Baiboly tany.

Teo am-panaovana an’ireny dia ireny ny Rahalahy Knorr sy ny Rahalahy Franz, rehefa nisy misioneran’i Gileada hafa tonga. Nisy misionera nanompo tany Costa Rica sy Meksika ary Porto Rico, tamin’ny faran’ny 1944. Nisy misionera tonga koa tamin’ny 1945, tany Barbade, Brezila, Goatemalà, Haïti, Honduras britannique (Belize ankehitriny), Jamaika, Kolombia, Nikaragoà, Orogoay, Panama, Salvadaoro, ary Silia, mba handamina kokoa ny asa fitoriana tany. Tsy nisy Vavolombelona tany amin’ny Repoblika Dominikanina, rehefa tonga tany ireo misionera roa voalohany, tamin’ny 1945. Nisy vokany haingana ny asan’ireo misionera. Hoy i Trinidad Paniagua, momba ireo misionera voalohany tany Goatemalà: “Tena nilainay ny mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra hanampy anay hahatakatra ny fomba fanaovana ilay asa.”

Nanomboka teo àry ny fitomboana tany amin’ireo tany ireo. Nisy mpitory 3 394 tany amin’ny nosy Karaiba, tamin’ny faran’ny 1945. Nisy 3 276 kosa tany Meksika, 404 tany Amerika Afovoany, ary 1 042 tany Amerika Atsimo. Fitomboana 386 isan-jato izany rehetra izany, tao anatin’ny fito taona nisian’ny korontana eran-tany. Vao fiandohana ihany anefa izany. Nisy fitomboana be mihitsy taorian’izay! Efa nilaza ny Baiboly fa hisy ‘vahoaka be avy amin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra’, hangonina hivavaka amin’i Jehovah, alohan’ny fahoriana lehibe.—Apok. 7:9, 10, 14.

Vavolombelon’i Jehovah 72 475 no nitory tany amin’ny tany 115 (araka ny fizarana ny firenena tamin’ireo taona 1990), rehefa nanomboka tamin’ny 1939 ny Ady Lehibe II. Nahery vaika ny fanenjehana eran-tany, nefa nitombo avo roa heny mahery izy ireo, rehefa nifarana ny ady. Vavolombelona 156 299 àry, tamin’ny 1945, no niasa tany amin’ny tany 107 nahazoana tatitra. Tany 163 anefa no tena nitoriana tamin’izany.

Tena mahagaga ny fitoriana vita tamin’ny 1936-1945. Nandany ora 212 069 285 ny Vavolombelona eran-tany, nandritra ireo taona feno korontana ireo, mba hitoriana hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no azon’ny olombelona antenaina. Nametraka boky sy bokikely ary gazety 343 054 579 koa izy ireo mba hanampiana ny olona hahafantatra ny antony ara-baiboly momba io fanantenana io. Nitarika fampianarana Baiboly 104 814 (raha atao ny salanisa) izy ireo tamin’ny 1945, mba hanampiana ny olona tso-po.

[Teny notsongaina, pejy 455]

Nitory foana izy ireo, na dia voatery nandositra aza, nandritra ny ady

[Efajoro/Sary, pejy 451-453]

Nitory Hatrany Izy Ireo, na dia Nogadraina Aza

Vitsivitsy amin’ireo an’arivony nijaly tany am-ponja sy toby fitanana noho ny finoany, nandritra ny Ady Lehibe II

1. Adrian Thompson, Nouvelle-Zélande. Nogadraina tany Aostralia tamin’ny 1941. Nolavina ny fangatahany tsy hanao miaramila, rehefa noraran’i Aostralia ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampirisika ny fiangonana mba hanompo izy, rehefa lasa mpiandraikitra mpitety faritany, taorian’ny nanafahana azy. Lasa misionera sy mpiandraikitra mpitety faritany voalohany tany Japon taorian’ny ady, ary nazoto nitory mandra-pahafatiny tamin’ny 1976.

2. Alois Moser, Aotrisy. Tany amin’ny fonja sy toby fitanana fito. Vavolombelona narisika tamin’ny 1992, na dia efa 92 taona aza.

3. Franz Wohlfahrt, Aotrisy. Tsy nampijanona an’i Franz ny namonoana ny rainy sy ny rahalahiny. Nohazonina tany amin’ny Toby Rollwald tany Alemaina, nandritra ny dimy taona. Mbola mpitory tamin’ny 1992, na dia efa 70 taona aza.

4. Thomas Jones, Kanada. Nogadraina tamin’ny 1944, ary nohazonina tany amin’ny toby fiasana roa. Nanompo manontolo andro nandritra ny 34 taona izy, rehefa voatendry ho anisan’ny Komitin’ny Sampana tany Kanada, tamin’ny 1977.

5. Maria Hombach, Alemaina. Nosamborina matetika, ary natokan-toerana nandritra ny telo taona sy tapany. Nanao vivery ny ainy mba hitondrana boky ara-baiboly ho an’ny Vavolombelona namana. Mpianakavin’ny Betela mahatoky, tamin’ny 1992, teo amin’ny faha-90 taonany.

6. Max sy Konrad Franke, Alemaina. Mpianaka samy nogadraina matetika nandritra ny taona maro (nigadra koa i Gertrud, vadin’i Konrad.) Tsy nivadika sy nazoto nanompo an’i Jehovah hatrany. Anisan’ny nandamina ny asa fitorian’ny Vavolombelona tany Alemaina i Konrad, taorian’ny ady.

7. Pryce Hughes, Angletera. Nogadraina indroa tany Wormwood Scrubs, any Londres, ary nogadraina noho ny finoany nandritra ny Ady Lehibe I. Nazoto be tamin’ny asa fitoriana tany Grande-Bretagne, mandra-pahafatiny tamin’ny 1978.

8. Adolphe sy Emma Arnold ary Simone zanany, Frantsa. Nitory foana sady nizara boky ho an’ny Vavolombelona namana i Emma sy Simone, taorian’ny nanagadrana an’i Adolphe. Natokan-toerana i Emma tany am-ponja, satria nitory tamin’ny mpigadra hafa foana. Nalefa tany amin’ny sekoly fitaizana zaza maditra i Simone. Mbola Vavolombelona nazoto izy rehetra.

9. Ernst sy Hildegard Seliger, Alemaina. Tany am-ponja sy toby fitanana nandritra ny 40 taona mahery raha atambatra, noho ny finoany. Niresaka ny fahamarinana tamin’ny mpigadra hafa foana. Mpitory ny vaovao tsara manontolo andro, rehefa tafavoaka. Maty nahatoky tamin’ny 1985 ny Rahalahy Seliger, ary tamin’ny 1992 ny Anabavy Seliger.

10. Carl Johnson, Etazonia. Nogadraina niaraka tamin’ny Vavolombelona an-jatony, tany Ashland, eto Etazonia, roa taona taorian’ny batisany. Efa mpisava lalana sy mpiandraikitra ny faritra; ary mbola anti-panahy mitari-dalana ny fitoriana, tamin’ny 1992.

11. August Peters, Alemaina. Nogadraina tamin’ny 1936-1937, sy 1937-1945, ka tafasaraka tamin’ny vadiny sy ny zanany efatra. Vao mainka nitory manontolo andro, rehefa nafahana. Efa 99 taona tamin’ny 1992, fa mbola anisan’ny mpianakavin’ny Betela, ary nahita ny Vavolombelona tany Alemaina nitombo ho 163 095.

12. Gertrud Ott, Alemaina. Nogadraina tany Lodz, any Polonina, sy tany amin’ny toby fitanan’i Auschwitz, avy eo tany Gross-Rosen sy Bergen-Belsen, any Alemaina. Misionera tany Indonezia sy Iran ary Luxembourg, taorian’ny ady.

13. Katsuo Miura, Japon. Potiky ny baomba nandrava an’i Hiroshima ny fonja nisy azy, fito taona taorian’ny nisamborana sy nanagadrana azy tany. Voalazan’ny dokotera anefa fa tsy nanimba azy ilay baomba. Mpisava lalana, nandritra ireo taona farany niainany.

14. Martin sy Gertrud Poetzinger, Alemaina. Nosamborina sy noterena hisaraka nandritra ny sivy taona, volana vitsivitsy taorian’ny mariaziny. Nalefa tany Dachau sy Mauthausen i Martin, fa tany Ravensbrück kosa i Gertrud. Tsy nihozongozona ny finoan’izy ireo na dia nampijalina be aza izy ireo. Nanokana ny fiainany hanompoana an’i Jehovah izy ireo, rehefa nafahana. Mpiandraikitra mpitety faritany eran’i Alemaina i Martin, nandritra ny 29 taona, ary anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, mandra-pahafatiny tamin’ny 1988. Mpitory nazoto i Gertrud, tamin’ny 1992.

15. Jizo sy Matsue Ishii, Japon. Nizara boky ara-baiboly eran’i Japon, nandritra ny folo taona, ary nogadraina avy eo. Rava ny asan’ny Vavolombelona tany Japon nandritra ny ady, nefa nanohy ny fitoriana indray ny Rahalahy sy Anabavy Ishii, taorian’ny ady. Mbola velona i Matsue Ishii tamin’ny 1992, ka nahita ireo mpitory 171 000 tany Japon.

16. Victor Bruch, Luxembourg. Nogadraina tany Buchenwald, Lublin, Auschwitz, ary Ravensbrück. Mbola anti-panahin’ny Vavolombelon’i Jehovah foana tamin’izy 90 taona.

17. Karl Schurstein, Alemaina. Mpiandraikitra mpitety faritany talohan’ny nitondran’i Hitler. Nogadraina nandritra ny valo taona, ary novonoin’ny SS tany Dachau tamin’ny 1944. Nampahery ny namany foana izy, na dia tany am-ponja aza.

18. Kim Bong-nyu, Korea. Nogadraina nandritra ny enin-taona. Mbola nitory ny Fanjakan’Andriamanitra foana, tamin’izy 72 taona.

19. Pamfil Albu, Romania. Nampijalina be, ary nalefa tany amin’ny toby fiasana tany Iogoslavia nandritra ny roa taona sy tapany. Nogadraina indroa taorian’ny ady, nandritra ny 12 taona. Niresaka momba ny fikasan’Andriamanitra foana izy. Nanampy olona an’arivony, talohan’ny nahafatesany, mba hanompo miaraka amin’ny Vavolombelona eran-tany.

20. Wilhelm Scheider, Polonina. Tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia tamin’ny 1939-1945. Tany amin’ny fonja kominista tamin’ny 1950-1956 sy tamin’ny 1960-1964. Nanokana ny heriny mba hitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra, mandra-pahafatiny tamin’ny 1971.

21. Harald sy Elsa Abt, Polonina. Nandany 14 taona tany am-ponja sy toby fitanana noho ny finoany i Harald, nandritra ny ady sy taoriany, nefa nitory foana. Nosarahina tamin’ny zanany vavikely i Elsa, ary nohazonina tany amin’ny toby enina tany Polonina sy Alemaina ary Aotrisy. Voarara nandritra ny 40 taona ny Vavolombelona tany Polonina taorian’ny ady, nefa nazoto nanompo an’i Jehovah foana izy ireo.

22. Ádám Szinger, Hongria. Notsaraina inenina, ary voaheloka higadra 23 taona, ka tany am-ponja sy toby fiasana ny valo taona sy tapany. Mpiandraikitra mpitety faritany nandritra ny 30 taona, rehefa nafahana. Mbola anti-panahy nahatoky, tamin’izy 69 taona.

23. Joseph Dos Santos, Philippines. Nitory manontolo andro momba ilay Fanjakana nandritra ny 12 taona, talohan’ny nigadrany tamin’ny 1942. Namelona indray ny asan’ny Vavolombelona tany Philippines taorian’ny ady, ary mpisava lalana, mandra-pahafatiny tamin’ny 1983.

24. Rudolph Sunal, Etazonia. Nogadraina tany Mill Point, any Virginie Andrefana. Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra manontolo andro izy, rehefa nafahana: mpisava lalana aloha, avy eo mpianakavin’ny Betela, ary mpiandraikitra ny faritra. Mbola mpisava lalana tamin’ny 1992, teo amin’ny faha-78 taonany.

25. Martin Magyarosi, Romania. Nigadra tamin’ny 1942-1944, nefa nanome toromarika momba ny fitoriana ny vaovao tsara tany Transylvanie foana. Nanao dia lavitra imbetsaka, rehefa nafahana, mba hampahery ny Vavolombelona teo amin’ny fitoriana, sady Vavolombelona tsy natahotra koa. Nogadraina indray tamin’ny 1950, ary mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, rehefa maty tany amin’ny toby fiasana tamin’ny 1953.

26. Arthur Winkler, Alemaina sy Holandy. Nalefa tany amin’ny toby fitanan’i Esterwegen aloha, ary nitory hatrany tany. Nokapohin’ny Gestapo avy eo tany Holandy, ka tsy fantatra intsony ny tarehiny. Nalefa tany Sachsenhausen tamin’ny farany. Vavolombelona nahatoky sy nazoto, mandra-pahafatiny tamin’ny 1972.

27. Park Ock-hi, Korea. Telo taona tany amin’i Fonjan’i Sodaemun, any Séoul, ary nampijalina tamin-kabibiana tsy hay lazaina. Efa 91 taona tamin’ny 1992, ary mbola mpisava lalana manokana nazoto nitory.

[Sarintany/Sary, pejy 446]

Mpiandraikitra ny sampan’i Aostralia i Alexander MacGillivray, ka nanampy tamin’ny fandaminana dia fitoriana tany amin’ny tany sy nosy maro

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

AOSTRALIA

NOUVELLE-ZÉLANDE

TAHITI

TONGA

FIDJI

NOUVELLE-GUINÉE

JAVA

BORNÉO

SUMATRA

BIRMANIA

HONG KONG

MALEZIA

SIAM

INDOCHINE

CHINE

OSEANA PASIFIKA

Anarana Nampiasaina Tamin’ireo Taona 1930 Ireo Anaran-tany

[Sarintany/Sary, pejy 460]

Efa tany 18 tany no niasan’ny misioneran’i Gileada tamin’ny faran’ny 1945

Charles sy Lorene Eisenhower

Cuba

John sy Adda Parker

Goatemalà

Emil Van Daalen

Porto Rico

Olaf Olson

Kolombia

Don Burt

Costa Rica

Gladys Wilson

Salvadaoro

Hazel Burford

Panama

Louise Stubbs

Silia

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

CUBA

COSTA RICA

MEKSIKA

PORTO RICO

BARBADE

BELIZE

BREZILA

BOLIVIA

SILIA

KOLOMBIA

REPOBLIKA DOMINIKANINA

SALVADAORO

GOATEMALÀ

HAÏTI

JAMAIKA

NIKARAGOÀ

PANAMA

OROGOAY

[Sary, pejy 444]

Nametraka boky maro be ny mpisava lalana sasany, ary namaky hafatra ara-baiboly maro ny olona namaky azy ireny

[Sary, pejy 445]

Armando Menazzi (aloha afovoany) sy mpitory falifaly hafa niara-nitory taminy, nandeha tamin’ny “trano misy kodiaran’ny mpisava lalana”

[Sary, pejy 445]

Arthur Willis sy Ted Sewell ary Bill Newlands, nitory ilay Fanjakana tany ambanivohitr’i Aostralia

[Sary, pejy 447]

Nandeha tany Tailandy i Frank Dewar (miaraka amin’ny vadiny sy ny zanany vavy roa eto), ka izy irery no mpisava lalana tany tamin’ny 1936; mbola mpisava lalana manokana tamin’ny 1992

[Sary, pejy 447]

Nampiasa ny fahaizany mandika teny i Chomchai Inthaphan mba hitoriana ny vaovao tsara tamin’ny Tailandey

[Sary, pejy 448]

Nizara maro be tamin’ity taratasy ity ny Vavolombelona tany Alemaina tamin’ny 1937, na dia noraran’ny fanjakana aza ny fivavahany

[Sary, pejy 449]

Franz sy Hilda Kusserow mianakavy: Vavolombelon’i Jehovah nahatoky daholo izy rehetra, na dia nalefa tany amin’ny toby fitanana, na fonja, na sekoly fitaizana zaza maditra aza izy rehetra (ankoatra ny iray maty tamin’ny loza), noho ny finoany

[Sary, pejy 450]

Vitsivitsy tamin’ireo tany Aotrisy sy Alemaina nanao vivery ny ainy mba hamokarana sy hizarana zavatra ara-baiboly toy ireo hita eo aoriana

Therese Schreiber

Peter Gölles

Elfriede Löhr

Albert Wandres

August Kraft

Ilse Unterdörfer

[Sary, pejy 454]

Vavolombelona tany amin’ny fivoriambe tany Shangaï, any Chine, 1936; natao batisa tamin’io ny sivy taminy

[Sary, pejy 456]

Voarara ny fivavahan’ny Vavolombelona, nefa nanao fivoriambe tany Hargrave Park, any akaikin’i Sydney, any Aostralia, izy ireo, 1941

[Sary, pejy 458]

Vavolombelona tany Cuba, nanatrika fivoriambe tao Cienfuegos, 1939

[Sary, pejy 459]

N. Knorr (ankavia) nandritra ny fivoriambe tany São Paulo, 1945, ary i Erich Kattner no mpandika teniny