Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fizarana 5: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Fizarana 5: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Toko 22

Fizarana 5: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany

Nisy fanapahan-kevitra lehibe natao tamin’ny 1975, nahakasika ny fomba hanaraha-maso ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah avy eto amin’ny foibeny. Tsy fantatr’izy ireo tamin’izany ny saha hisokatra ho amin’ny fitoriana, alohan’ny faran’ity tontolo ity, na ny habetsahan’ny fitoriana mbola hatao any amin’ny tany efa nitoriana malalaka nandritra ny taona maro. Te hanararaotra ny fahafahana rehetra anefa izy ireo. Mitantara zava-nitranga mahaliana ny pejy 502-520.

NISY fiovana be tany Amerika Atsimo. Vao taona vitsivitsy lasa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Ekoatera no norotahan’ny vahoaka katolika, sady toy ny mpanjaka tany amin’ny tanàna maro ny pretra tany Meksika, ary noraran’ny fitondrana ny Vavolombelona tany Arzantina sy Brezila. Niova be anefa izany. Maro tamin’ireo nampianarina hatahotra na hankahala Vavolombelona izao no lasa Vavolombelon’i Jehovah koa. Misy faly mihaino, rehefa miresaka hafatra mitondra fiadanana, avy ao amin’ny Baiboly, izy ireo. Fantatry ny olona ny Vavolombelona, sady hajain’ny maro.

Nahaliana ny olona ny hamaroan’ny mpanatrika ny fivoriambeny sy ny fitondran-tenan’izy ireo. Nisy 249 351 ny mpanatrika tamin’ireo fivoriambe roa niara-natao tany São Paulo sy Rio de Janeiro, any Brezila, tamin’ny 1985. Nisy fivoriambe 23 hafa natao mba hatrehin’ny olona liana hafa tany Brezila, ka 389 387 ny tontalin’ny mpanatrika rehetra. Niharihary ny vokatry ny asa fampianarana ny Tenin’Andriamanitra nataon’ny Vavolombelona, satria 4 825 no naneho ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, tamin’ny alalan’ny fandrobohana, tamin’ireo fivoriambe ireo. Fivoriambe 110 no tsy maintsy natao tany Brezila, dimy taona monja taorian’io (1990), ka 548 517 no nanatrika azy ireo. Olona 13 448 kosa no naroboka tamin’io. Ana hetsiny ny olona nandray Vavolombelona eran’ilay tany, mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra.

Ary i Arzantina? Noraran’ny fanjakana nandritra ny taona maro ny Vavolombelona tany, fa tamin’ny 1985 izy ireo vao afaka nanao fivoriambe malalaka indray. Faly tokoa ireo 97 167 nanatrika an’io fivoriambe io. Namoaka lahatsoratra nitondra ny lohateny hoe “Fanjakana Mitombo ny An’ny Vavolombelon’i Jehovah”, ny gazety Ahora teo an-toerana. Gaga ilay mpanoratra nahita ny filaminan’ilay vahoaka nivory tany Buenos Aires, tsy nanavakava-bolon-koditra sy saranga, nilamina, ary naneho fitiavana. Hoy ilay lahatsoratra avy eo: “Tena mendrika hohajaintsika ireo olona ireo, na ekentsika ny heviny sy foto-pinoany na tsia.” Tsy vitan’ny hoe nanaja azy ireo fotsiny anefa mponin’i Arzantina. Nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelona koa izy ireo, ary nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, mba hahita ny fomba fampiharan’ny Vavolombelona ny fitsipiky ny Baiboly. Nanapa-kevitra ireny olona ireny avy eo. An’aliny no nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, nandritra ireo fito taona nanaraka, ka nitombo 71 isan-jato ny Vavolombelona tany Arzantina!

Niavaka kokoa aza ny fandraisan’ny olona ny vaovao tsara tany Meksika. Norotahan’ny vahoaka notarihin’ny pretra ny Vavolombelona tany matetika, teo aloha. Tsy namaly faty anefa izy ireo, ka voamariky ny olona tso-po izany. (Rom. 12:17-19) Hitany koa fa miorina amin’ny Baiboly, teny avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, ny finoan’ny Vavolombelona, fa tsy amin’ny lovantsofina. (Matio 15:7-9; 2 Tim. 3:16, 17) Hitany fa manana finoana manohana azy amin’ny zava-tsarotra ny Vavolombelona. Mihamaro ny fianakaviana mandray Vavolombelona, rehefa asaina hianatra Baiboly any an-tranony. Tany Meksika tokoa ny 12 isan-jaton’ny fampianarana Baiboly notarihin’ny Vavolombelona eran-tany, tamin’ny 1992, ka fianakaviam-be ny ankamaroan’ireo. Nitombo be àry ny isan’ny Vavolombelona tany Meksika, satria 80 481 izy ireo tamin’ny 1975, nefa lasa 354 023 tamin’ny 1992! Ary tsy mpanatrika fivoriana fotsiny izy ireo, fa mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra mazoto avokoa.

Nisy zava-nitranga hafakely nanaparitaka ny hafatra momba ilay Fanjakana koa tany Eoropa.

Zava-mahagaga tany Polonina

Voarara ny asan’ny Vavolombelona tany Polonina tamin’ny 1938-1945 (tao anatin’izany ny fitondran’ny Nazia sy ny Sovietika), ary nanomboka tamin’ny Jolay 1950 indray (teo ambany fitondran’ny Sovietika), nefa nitory foana ny Vavolombelona. Tsy nisy afa-tsy 669 ny mpitory ilay Fanjakana tany tamin’ny 1938, fa 18 116 kosa tamin’ny 1950, ary mpitory nazoto (nefa malina) hatrany izy ireo. (Matio 10:16) Toerana niafina (ambanivohitra, trano fitahirizam-bokatra, anaty ala) no nanaovana ny fivoriambe. Nanomboka tamin’ny 1982 anefa dia navelan’ny fitondrana poloney indray izy ireo mba hanao fivoriambe iray andro, vitsy mpanatrika, tany amin’ny trano nohofana.

Navela hampiasa kianja lehibe roa tany Polonina kosa ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Aogositra 1985, mba hanaovana fivoriambe lehibe. Nisy rahalahy avy any Aotrisy tonga tamin’ny fiaramanidina, ka gaga izy nandre fiarahabana tonga soa ny Vavolombelon’i Jehovah, avy tamin’ny fanamafisam-peon’ny seranana. Nirotsa-dranomasom-pifaliana ny rahalahy zokiolona poloney nitsena teo, satria takany tamin’izay fa niova ny fomba fijerin’ny fitondrana. Nisy 94 134 ny mpanatrika, anisan’izany ny antokon’olona avy amin’ny tany 16. Fantatry ny olona ve ny zava-nitranga? Izay mihitsy! Nilaza momba ilay fivoriambe ny gazety lehibe teo an-toerana, niseho tamin’ny tele ireo mpanatrika maro be, ary nalefa tamin’ny radiom-pirenena ny ampahany tamin’ilay fandaharana, nandritra ilay fivoriambe sy taoriany. Maro no nankafy an’izay hitany sy reny.

Teo am-pandaminana azy ny fivoriambe lehibe kokoa tany Polonina tamin’ny 12 Mey 1989, rehefa neken’ny fitondrana fa fikambanana ara-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena telo natao, telo volana taorian’io, tany Chorzów sy Poznań ary Varsovie, ka 166 518 ny tontalin’ny mpanatrika. Nahagaga fa nisy olona an’arivony avy tany amin’ny Firaisana Sovietika (URSS) sy Tsekoslovakia afaka nahazo fahazoan-dalana hanao dia, sy nanatrika tao. Namokatra ve ny asa fampianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia nanantitrantitra ny tsy fisian’Andriamanitra aza ny fitondrana tany nandritra ny taona maro? Nazava ny valiny, rehefa nisy 6 093 natao batisa tamin’ireo fivoriambe ireo, anisan’izany ny tanora maro.

Hitan’ny olona mazava fa hafa mihitsy ny Vavolombelona. Nilaza zavatra toy izao ny gazety: “Mihevitra ny fivoriambeny ho sarobidy ireo manompo an’i Jehovah Andriamanitra (araka ny filazany azy), satria fisehoan’ny firaisan-tsaina eo anivony izany. ... Tena fakan-tahaka ny filaminana sy fahadiovan’izy ireo.” (Życie Warszawy) Tsy nijery fotsiny an’ireo mpanatrika ny Poloney sasany. Tiany hampianatra Baiboly azy ny Vavolombelon’i Jehovah. Noho io fampianarana ny Tenin’Andriamanitra io àry, dia nihamaro ny Vavolombelona tany Polonina, satria 72 887 izy ireo tamin’ny 1985, nefa lasa 107 876 tamin’ny 1992, ary maherin’ny 16 800 000 ny ora laniny niresahana an’ilay fanantenana mahafinaritra ao amin’ny Soratra Masina.

Tsy tany Polonina ihany anefa no nisy fiovana nahafinaritra.

Nihamaro ny tany nihanalalaka tany Eoropa Atsinanana

Nanaiky ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-dalàna i Hongria, tamin’ny 1989. Nesorin’ny Repoblika Demokratikan’i Alemaina (RDA) tamin’ny 1990 ny fandrarany ny Vavolombelona nandritra ny 40 taona, efa-bolana monja taorian’ny naharavan’ny Rindrin’i Berlin. Neken’ny fitondrana vaovao tany Romania ho ara-dalàna ny Fikambanana Kristianin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ny volana nanaraka an’io. Nambaran’ny Minisiteran’ny Fitsarana tany Moscou, tamin’ny 1991, fa voasoratra amin’ny fomba ofisialy ny “Fikambanana Ara-pivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah eto URSS.” Nekena ho ara-dalàna koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Boligaria tamin’io taona io. Tamin’ny 1992 kosa no nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelona tany Albania.

Inona no nataon’ny Vavolombelona, rehefa nahazo fahalalahana toy izany izy ireo? Nisy mpanao gazety nanontany toy izao an’i Helmut Martin, mpandrindra ny asan’ny Vavolombelona tany RDA: “Hanao politika amin’izay ve ianareo izao?” Izany mantsy no nataon’ny mpitondra fivavahana maro. “Tsia”, hoy ny Rahalahy Martin, “satria nanome asa ho an’ny mpianany i Jesosy, ary io no heverinay ho asanay lehibe indrindra.”—Matio 24:14; 28:19, 20.

Tsy vao tamin’izay ny Vavolombelona no nanao ny asany tany amin’io tany io. Sarotra be ny asany nandritra ny taona maro, nefa efa nisy fivorian’ny fiangonana (olona vitsivitsy monja) sy fitoriana natao foana tany amin’ireo tany ireo. Misy fahalalahana vaovao anefa izao. Nalalaka ny fanatrehana fivoriana, ary afaka nanasa olona izy ireo. Afaka nitory isan-trano izy ireo, nefa tsy natahotra ny higadra. Misy 390 000 000 ny mponin’ireo tany ireo, ary be ny asa tokony hatao. Takatry ny Vavolombelona tsara fa miaina amin’ny andro faran’ity tontolo ity isika, ka niasa haingana izy ireo.

Nitsidika tany maro ny Filan-kevi-pitantanana, mba hijerena izay hanampiana ny rahalahiny kristianina, na dia talohan’ny naha ara-dalàna ny asa aza. Niverina mba handamina ny asa tany amin’ireny tany ireny indray izy ireo, rehefa nofoanana ny fandrarana. Nihaonany sy niresahany ny Vavolombelona tany Polonina, Hongria, Romania, Tsekoslovakia, Rosia, Ukraine, Estonia, ary Bélarus.

Nisy fivoriambe natao mba hanatanjahana ny Vavolombelona tany amin’ireny tany ireny, sy hanasongadinana amin’ny olona ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nisy fivoriambe natao, ohatra, tao amin’ny Kianja Olympia tany Berlin, dimy volana latsaka taorian’ny nanafoanana ny fandrarana tany RDA. Faly nanatrika izany ny Vavolombelona avy amin’ny tany 64 nasaina ho any. Noraisiny ho tombontsoa ny niaraka tamin’ireo rahalahy sy anabaviny, tsy nivadika tamin’i Jehovah tao anaty fanenjehana nivaivay, nandritra ny taona maro.

Maro ny fivoriambe natao eran’i Eoropa Atsinanana, tamin’ny 1990 sy 1991. Nisy fivoriambe iraisam-pirenena nomanina hatao tao amin’ny Népstadion tany Budapest, tamin’ny 1991, taorian’ny fivoriambe efatra tany Hongria, tamin’ny 1990. Olona 40 601 avy amin’ny tany 35 no nanatrika izany. Tamin’ny 1990 ny Vavolombelona tany Romania no afaka nanao fivoriambe nalalaka voalohany, tao anatin’ny 40 taona. Nisy fivoriambe natao eran’ilay tany aloha, ary avy eo nisy fivoriambe lehibe roa natao. Fivoriambe valo indray no nanampiana izany tamin’ny 1991, ka 34 808 ny mpanatrika. Nisy fivoriambe natao isaky ny repoblika tany Iogoslavia tamin’izany kosa, tamin’ny 1990. Efa nananontanona ny ady an-trano tany, tamin’ny 1991, nefa Vavolombelona 14 684 no nanatrika fivoriambe tany Zagreb, renivohitr’i Kroasia. Gaga ny polisy, satria hitany niaraka tsara nihaino ny fandaharana ny olona avy any Kroasia, Monténégro, Serbia, ary Slovenia.

Nisy fivoriambe natao haingana koa tany Tsekoslovakia tamin’izany, ka 23 876 no nanatrika tany Prague, tamin’ny 1990. Tena faly ireo mpitantana an’ilay kianja, ka nomeny hampiasain’ny Vavolombelona ny kianja lehibe indrindra tany, mba hanaovany ny fivoriambeny manaraka. Nisy 74 587 ny mpanatrika an’io fivoriambe nanan-tantara tamin’ny 1991 io, tao amin’ny Kianja Strahov, tany Prague. Faly ny mpanatrika tseky sy slovaky nitehaka, rehefa nambara ny fivoahan’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, tamin’ny fitenin’izy ireo, mba hampiasainy amin’ny fitoriana sy fianarana samirery ary fivoriana.

Tamin’ny 1991 koa no nahafahan’ny Vavolombelona nanao fivoriambe nalalaka voalohany tany amin’ny Firaisana Sovietika. Nisy iray natao tany Siberia, taorian’ilay tany Tallinn, any Estonia. Nisy efatra natao tany amin’ny tanàn-dehiben’i Ukraine, ary iray tany Kazakhstan. Nisy 74 252 ny tontalin’ny mpanatrika. Olona 7 820 no natao batisa, vokatry ny asa fampianaran’ny Vavolombelona tany amin’ireo toerana ireo. Tsy nentanin’ny fihetseham-po tamin’ilay fivoriambe fotsiny ireo natao batisa, fa efa niomana tsara nandritra ny volana maro, sy taona maro mihitsy.

Avy aiza izy rehetra ireo? Mazava fa tsy tamin’izay ny Vavolombelona vao nanomboka ny asany tany. Efa tamin’ny 1887 no nisy bokin’ny Fikambanana nalefa paositra tamin’olona tany Rosia. Nitsidika an’i Kichinev (any Moldavia ankehitriny) ny prezidà voalohan’ny Fikambanana, tamin’ny 1891. Nisy Mpianatra ny Baiboly nandeha tany Rosia tamin’ireo taona 1920 mba hitory tany, nefa nanohitra izany ny fitondrana, sady vitsy ny olona liana tamin’ilay hafatra ara-baiboly. Niova anefa izany nandritra ny Ady Lehibe II sy taoriany. Novana ny sisin-tany, ary maro ny olona toy ny hoe lasa tany an-tany hafa. Lasa anisan’ny Firaisana Sovietika, ohatra, ny toerana nisy Vavolombelona arivo mahery niteny ukrainien tany atsinanan’i Polonina teo aloha. Lasa anisan’ny Firaisana Sovietika koa ny tany nipetrahan’ny Vavolombelona hafa tany Romania sy Tsekoslovakia. Niverina tany an-tanindrazany mba hitondra ny vaovao tsara koa ny Rosianina lasa Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina. Vavolombelona 4 797 no tany amin’ny Firaisana Sovietika tamin’ny 1946. Maro taminy no nafindrafindran’ny fitondrana, nandritra ny taona maro. Ny sasany nalefa tany amin’ny tobin’ny voafonja. Nitory anefa izy ireo, na taiza na taiza nalehany, ka nitombo ny isany. Na talohan’ny naha ara-dalàna ny asa aza, dia efa nisy Vavolombelona niasa nanomboka tany Lviv, any andrefana, ka hatrany Vladivostok, tany amin’ny sisiny atsinanan’ny Firaisana Sovietika, any ampitan’i Japon.

Maro izao no vonona hihaino

Nahita ny Vavolombelona akaiky kokoa ny olona, rehefa nanao fivoriambe tany URSS izy ireo tamin’ny 1991. Ahoana hoy ny olona? Hoy ny polisy iray tany Lviv, any Ukraine, tamin’ny mpanatrika iray: “Ianareo no mahay indrindra mampianatra olona momba izay tsara, miresaka momba an’Andriamanitra ianareo, sady tsy manao herisetra. Nifanontany ny antony nanenjehanay anareo izahay, ka hitanay fa tsy nihaino anareo izahay, sady tsy nahafantatra kely anareo akory.” Maro anefa izao no mihaino, ary te hanampy azy ireny ny Vavolombelona.

Ilaina ny boky ara-baiboly, mba hampahomby ny asa any amin’ireo tany ireo. Niezahana nomena haingana àry izany. Nampitomboina efa ho avo roa heny ny trano fanontam-pirintin’ny Vavolombelona tany Selters/Taunus. Mbola tsy vita akory io fanitarana io, dia efa nisy boky 25 taonina nalefa avy tany, ho any Alemaina Atsinanana, tapa-bolana talohan’ny nanafoanana ny fandrarana tany. Nanomboka tamin’ny nanesorana ny fandrarana tany Eoropa Atsinanana, ka hatramin’ny 1992, dia boky efa ho 10 000 taonina tamin’ny fiteny 14 lehibe no nalefa avy any Alemaina, 698 taonina avy any Italia, ary maro noho izany avy any Failandy.

Nitokana nandritra ny taona maro ny Vavolombelona tany amin’ny tany sasany, ka nila fanampiana tamin’ny fiandraiketana ny fiangonana sy ny fomba fandaminan-javatra. Nisy anti-panahy mahay àry (nahay ny fiteny teo amin’ilay tany, raha nety) avy any Alemaina, Etazonia, Kanada sy tany hafa, niresahana mba hikarakara izany zavatra maika izany. Ho vonona hifindra any Eoropa Atsinanana ve izy ireo? Tena betsaka no vonona! Nalefa tany koa ny anti-panahy nahazo fiofanana tamin’ny Sekolin’i Gileada, na ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, raha nety.

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena niavaka, natao tany Saint-Pétersbourg (tanàn-dehibe faharoa any Rosia), tamin’ny 1992. Avy amin’ny tany 27 ivelan’i Rosia ny 17 000 tamin’ireo mpanatrika. Nampahafantarina ny besinimaro ilay fivoriambe. Anisan’ny tonga tamin’io ny olona mbola tsy nandre momba ny Vavolombelona mihitsy. Nisy 46 214 ny mpanatrika. Nisy solontena avy amin’ny lafivalon’i Rosia, ka ny sasany avy any amin’ny Nosy Sakhaline, any akaikin’i Japon. Maro no tonga avy any Ukraine, Moldavia, ary tany hafa anisan’ny URSS teo aloha. Nitondra vaovao tsara izy ireo. Nasehon’ny tatitra fa avo roa heny na mahery noho ny isan’ny Vavolombelona, ny isan’ny mpanatrika fivorian’ireo fiangonana tany Kiev sy Moscou ary Saint-Pétersbourg. Tsy maintsy nampiandrasina ny maro tamin’ireo te hianatra Baiboly. Nisy 600 ny avy any Letonia, ary maro noho izany ny avy any Estonia. Zato mahery ny olona vonona hatao batisa, tao amin’ny fiangonana iray tany Saint-Pétersbourg. Tanora na olona nahita fianarana ny ankamaroan’ireo liana. Tena nisy fijinjana ara-panahy lehibe tokoa natao tany amin’io faritany lehibe lazaina fa foiben’ny tsy finoana an’Andriamanitra io!

Vokatra efa masaka hojinjaina

Niova ny fiheverana ny fahalalahana ara-pivavahana, ka nisy tany hafa koa nanala ny fandrarany ny Vavolombelona, na nanaiky azy ho ara-dalàna, taorian’ny taona maro nandavany izany. Maro no vonona hanaiky ny fahamarinana tany amin’ireny toerana ireny, araka ny nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe: “Atopazy ny masonareo ka jereo ny saha, fa efa masaka hojinjaina ny vokatra.” (Jaona 4:35) Diniho ny tany afrikanina sasany nisehoan’izany.

Voarara ny fitoriana isan-trano fanaon’ny Vavolombelona, tany Zambia, tamin’ny 1969. Nifantoka tamin’ny fampianarana Baiboly an’izay liana àry izy ireo. Nisy olona nitady Vavolombelona koa mba hianatra Baiboly. Niala tsikelikely ny fandrarana, ka nihamaro ny mpanatrika fivoriana. Nisy 365 828 ny mpanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo tany Zambia, tamin’ny 1992, izany hoe 1 isaky ny mponina 23!

An’arivony koa ny olona tany Zaïre, any avaratr’i Zambia, no te hianatra ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelona, mahakasika ny fomba fiaina kristianina sy ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny olona. Afaka nanokatra indray ny Efitrano Fanjakanany ny Vavolombelona tany amin’ny toerana sasany tamin’ny 1990, ka efa ho 500 no tonga nanatrika an’ireo fivoriany, tany amin’ny toerana sasany. Fampianarana Baiboly 141 859 no notarihin’ny Vavolombelona 67 917 tany Zaïre, tao anatin’ny roa taona.

Nahagaga ny hamaroan’ny tany nanafoana ny fandrarana. Navela hiverina tany Bénin indray tamin’ny 1990 ny misionera Vavolombelona noroahina tany, 14 taona talohan’io, ary misionera maro hafa no navela ho tonga. Nanao sonia fanekena ny sata mifehy ny Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo an-toerana koa ny Minisiteran’ny Fitsarana tany Cap-Vert, mba hanekena azy ireo ho ara-dalàna. Nanjary nalalaka koa tamin’ny 1991 ny Vavolombelona tany Mozambika (nanenjika mafy azy ireo ny mpitondra teo aloha), Ghana (tsy navela hiasa izy ireo teo aloha), ary Etiopia (tsy azo natao ny nitory ampahibemaso, na nanao fivoriambe nandritra ny 34 taona). Nanaiky azy ireo ho ara-dalàna koa i Niger sy Congo, talohan’ny faran’io taona io. Nesorina koa, tamin’ny fiandohan’ny 1992, ny fandrarana, na nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelona tany Tchad, Kenya, Rwanda, Togo, ary Angola.

Vokatra masaka hojinjaina tokoa no tany. Vetivety dia nitombo 31 isan-jato, ohatra, ny Vavolombelona tany Angola; ary mpitory efa ho 19 000 no nitarika fampianarana Baiboly efa ho 53 000. Nisy anti-panahy za-draharaha avy any Portogaly sy Brezila nasaina hanohy ny fanompoany tany Afrika, mba hanampy teo amin’io fitantanana fampianarana Baiboly tany Angola io sy tany Mozambika (betsaka olona miteny portogey). Notendrena mba hanokatra ny fitoriana tany Guinée-Bissau ny misionera nahay teny portogey. Vavolombelona za-draharaha avy any Frantsa sy tany hafa koa no nasaina hanatanteraka asa fitoriana sy fampianarana maika, tany Bénin sy Tchad ary Togo, izay betsaka olona mampiasa teny frantsay.

Anisan’ny toerana namokatra mpidera an’i Jehovah, ny tany katolika be teo aloha. Ankoatra an’i Amerika Latinina, dia teo koa i Frantsa (nisy Vavolombelona 119 674 tamin’ny 1992), Espaina (92 282), Philippines (114 335), Irlandy (mitombo 8-10 isan-jato isan-taona ny Vavolombelona any), ary Portogaly.

Olona 37 567 no nanatrika ny fivoriambe tany Lisbonne, any Portogaly tamin’ny 1978, ka hoy ny gazety Opção: “Tena tsy mitovy mihitsy amin’ireo nandeha tany Fátima mba hanao fivahiniana masina izy io. ... Tsy misy zavatra mistery ao [amin’ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah], fa resahin’ny mpino ao kosa ny zava-manahirana azy sy ny finoany ary ny fomba fijeriny ny fivavahany. Hita hoe mifampiahy izy ireo, rehefa jerena ny fifampitondrany.” Nitombo efa ho 70 isan-jato ny Vavolombelona tany Portogaly, nandritra ireo folo taona nanaraka.

Ary i Italia? Voatery nakatona ny seminera sasany tany, satria vitsy kely no nirotsaka ho pretra. Tsy nanana pretra intsony ny paroasy maro. Maro ny trano fiangonana novana ho fivarotana na birao. Niady mafy hampitsahatra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah foana anefa izy ireo. Notereny ny mpitondra mba handroaka ny misionera Vavolombelona, ary nasainy natsahatry ny polisy ny fivorian’izy ireo. Nanao taratasy kely azo apetaka mihitsy ny pretra sasany tamin’ireo taona 1980, nasiany soratra hoe: “Aza Mandondòna, fa Katolika Izahay”, ary napetany teny am-baravaran’olona (anisan’izany ny an’ny Vavolombelona sasany) ilay izy. Nahitana izao lohateny izao ny gazety sasany: “Hiakan’ny Eglizy Hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah” sy “ ‘Ady Masina’ Hanoherana ny Vavolombelon’i Jehovah.”

Nanandrana nampangina ny apostoly ny mpisorona jiosy tamin’ny taonjato voalohany, nefa hoy i Gamaliela, mpampianatra Lalàna: ‘Raha avy amin’olombelona izao fikasana na asa izao, dia ho rava, fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho vitanareo ny handrava azy.’ (Asa. 5:38, 39) Inona no nitranga rehefa nanandrana nampangina ny Vavolombelona ny pretra katolika tamin’ny taonjato faha-20? Tsy rava ny asan’ireo Vavolombelona 120 tany Italia tamin’ny 1946, fa lasa 194 013 kosa izy ireo tamin’ny 1992, niaraka tamin’ny fiangonana 2 462 eran’i Italia. Nofenoiny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra i Italia. Nanokana ora 550 tapitrisa mahery izy ireo, nanomboka tamin’ny 1946, mba hiresahana ny Fanjakan’Andriamanitra. Baiboly an-tapitrisany no napetrany tamin’izany, ankoatra ny boky sy bokikely ary gazety 400 tapitrisa mahery, manazava ny Soratra Masina. Tiany ho azo antoka fa afaka tsara ny hiandany amin’i Jehovah ny mponin’i Italia, alohan’ny hahatongavan’ny Hara-magedona. Tsaroan’izy ireo koa, eo am-panaovana izany, izay nosoratan’i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 10:4, 5, hoe: “Tsy araka ny nofo ny fitaovam-piadianay, nefa mahery, satria Andriamanitra no nanao azy ho mahery mba handravana zavatra efa mafy orina. Fa mandrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra izahay.”

Tsy any amin’ny tany katolika ihany no itorian’ny Vavolombelona. Fantany ilay tenin’i Jesosy hoe: “Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.” (Marka 13:10) Io no asa ataon’ny Vavolombelona. Nisy 12 168 tamin’izy ireo niresaka ny Fanjakan’Andriamanitra tany Inde, tamin’ny 1992; ary 71 428 tany amin’ny Repoblikan’i Korea; 171 438 tany Japon, ary mihamaro isam-bolana izy ireo. Niezahan’izy ireo koa ny nitory tany amin’ny tany zara raha nitoriana, na mbola tsy nitoriana mihitsy.

Tamin’ireo taona 1970 àry izy ireo no nitory voalohany tany amin’ny Nosy Marquises sy Kosrae, samy any amin’ny Oseana Pasifika. Tongan’izy ireo koa tany Bhoutan, akaikin’ny sisin-tany atsimon’i Chine, sy Kaomaoro, any atsinanan’i Afrika. Tamin’ireo taona 1980 no voaray ny tatitra voalohany momba ny fitoriana tany amin’ny Nosy Wallis sy Futuna sy tany amin’ireo nosy Nauru sy Rota, samy any Pasifika atsimoandrefana. Kely ihany ny sasany amin’ireo toerana ireo, nefa misy olona any, ary sarobidy ny aina. Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah tsara ny faminanian’i Jesosy hoe tsy maintsy hotorina “manerana ny tany onenana” ilay Fanjakana, alohan’ny hahatongavan’ny farany.—Matio 24:14.

Fitoriana any amin’ny toerana rehetra amin’ny fotoana rehetra

Ny fitoriana isan-trano no fomba lehibe indrindra ampiasain’ny Vavolombelona mba hiresahana amin’ny olona, nefa takany fa tsy ny olona rehetra no mihaona aminy amin’izany. Fantatr’izy ireo fa akaiky ny farany, ka mitady ny olona any amin’izay mety hahitana azy izy.—Ampitahao amin’ny Jaona 4:5-42; Asan’ny Apostoly 16:13, 14.

Misy sambo mijanona eo amin’ny seranan’i Alemaina sy Holandy (vetivety fotsiny indraindray), ary miezaka mitsidika ny olona ao ny Vavolombelona, ka mitory amin’ny kapiteny aloha, ary amin’ny tantsambo avy eo. Mitondra boky ara-baiboly amin’ny fiteny maro izy ireo. Fahita any an-tsenan’i Tchad, any Afrika afovoany, ny olona 15 na 20 mitangorona eo amin’ny Vavolombelona iray, izay miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra aminy. Mifandimby ny Vavolombelona, ka iresahany ny mpivarotra sy ny mpividy ny asabotsy maraina any an-tsenan’entana tonta any Auckland, any Nouvelle-Zélande. Tsenain’ny Vavolombelona ny olona any amin’ny faran’ny taxi-brousse any Guayaquil, any Ekoatera (maro aminy no avy any amin’ny toerana lavitra), ka tolorany bokikely, na gazety La Atalaya sy ¡Despertad! Tsidihin’ny Vavolombelona any am-piasany koa ireo mpivarotra sakafo andro aman’alina eto New York, mba handrenesany ny vaovao tsara.

Miresaka fahamarinana ara-baiboly amin’ny mpandeha hafa ny Vavolombelona maro, mandeha fiaramanidina, fiarandalamby, bisy, ary métro. Manararaotra mitory koa izy ireo, mandritra ny sakafo antoandro any am-piasana na any am-pianarana, sy rehefa misy manao raharaham-barotra miaraka aminy. Fantany fa mety tsy ho any an-trano ireny olona ireny, rehefa mitory any ny Vavolombelona.

Tsy hadinon’izy ireo koa ny mitory amin’ny havany. Nihomehezan’ny havany, na tsy noraharahainy anefa i Maria Caamano, Vavolombelona any Arzantina, rehefa niresaka taminy mahakasika ny fitiavany ny zavatra nianarany avy tao amin’ny Baiboly. Tsy kivy anefa izy, fa nanao dia 1 900 kilaometatra mba hitory tamin’ny havana hafa. Nisy nihaino tsara azy. Nihaino tsikelikely koa ny havany hafa. Olon-dehibe 80 sy ankizy 40 mahery izao no havany nandray ny fahamarinana sy mitory izany amin’olon-kafa.

Te hanampy ny havany i Michael Regan, ka nody tany aminy tany Boyle, any Irlandy. Nitoriany daholo izy rehetra. Nahagaga ny vehivavy zanaky ny iray tam-po aminy ny fifaliana sy toetra tsaran’ny zanak’i Michael. Tsy ela izy io sy ny vadiny dia nanaiky hianatra Baiboly. Tsy navelan-drainy hiditra tao an-tranony ilay vehivavy, rehefa vita batisa izy sy ilay vadiny. Niova tsikelikely anefa ilay rainy, ka nandray boky, satria, hono, tiany haseho ny ‘fahadisoan’ny’ Vavolombelona. Tsy ela anefa dia takany fa ny fahamarinana ilay izy, ka natao batisa koa izy. Misy 20 mahery izao ny havan’i Michael miaraka amin’ny fiangonana, ka efa vita batisa ny ankamaroany.

Ary ireo any am-ponja? Afaka mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana koa ve izy ireo? Mitsidika azy ireny koa ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy fandaharana natao mba hampianarana Baiboly ny voafonja sy hanatrehany fivoriana notarihin’ny Vavolombelona tany am-ponja, tany Amerika Avaratra, ary nahitam-bokatra, ka navelan’ny mpitantana ny fonja hanao fivoriambe tao izy ireo. Tsy ny voafonja ihany no nanatrika tao, fa Vavolombelona an’arivony avy tany ivelany koa. Iezahana koa ny mitory amin’ny lehilahy sy vehivavy any am-ponja, any amin’ny tany maro.

Tsy mino ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hanova ny voafonja rehetra ny fianarana Baiboly. Fantatr’izy ireo tsara anefa fa azo ampiana ny sasany, ka ireny no omen’izy ireo fahafahana handray ny fanantenana ny amin’ilay Fanjakana.

Ezaka miverimberina mba hanampiana

Mitsidika ny olona imbetsaka ny Vavolombelona. “Mandeha foana” any amin’ny olona eo amin’ny faritany nanendrena azy izy ireo, toy ny nataon’ny mpianatr’i Jesosy voalohany, mba hiresahana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 10:6, 7) Voatsidik’izy ireo indray mandeha isan-taona ny tokantrano rehetra ao amin’ilay toerana, any amin’ny toerana sasany, fa ny hafa kosa isaky ny volana vitsivitsy. Voatsidika isan-kerinandro eo ho eo kosa ny olona any Lisbonne, any Portogaly, izay misy Vavolombelona 1 isaky ny olona 160. Misy tanàna sy toerana voatsidika maherin’ny indray mandeha isan-kerinandro, any Venezoelà.

Tsy manery ny olona handray ny hafatra ao amin’ny Baiboly ny Vavolombelona, na dia miverina matetika aza. Miezaka manampy azy ireny handray fanapahan-kevitra tsara fotsiny izy ireo. Mety hilaza ny olona sasany hoe tsy mahaliana azy ilay izy. Miova tampoka anefa ny fiainany, na ny zavatra manodidina azy, ka mety handray izy, amin’ny manaraka. Manavakavaka ny olona sasany, na tsy manam-potoana fotsiny, ka mbola tsy nandre ny zavatra torin’ny Vavolombelona mihitsy. Mety hanaitra azy ireo anefa ny fitsidihana matetika azy. Gaga ny olona matetika, rehefa mahita ny fahamarinana sy ny fitondran-tena tsaran’ny Vavolombelona mipetraka eny amin’ny manodidina azy, na miara-miasa aminy. Misy àry liana, ka manontany ny tena zavatra torin’izy ireo. Hoy ny vehivavy iray tany Venezoelà, rehefa nandray boky sy nanaiky hianatra Baiboly tany an-tranony: “Mbola tsy nisy olona nanazava zavatra toy izany tamiko.”

Mitady fomba ny Vavolombelona mba handatsahan’ny olona am-po ny zavatra resahiny. Matetika ny olona itoriana any Goadelopy (misy Vavolombelona 1 isaky ny olona 57, tamin’ny 1992), no milaza hoe: “Tsy mahaliana ahy izany.” Valian’i Eric Dodote toy izao izany: “Azoko ny hevitrao, sady mipetraka eo amin’ny toeranao aho.” Hoy izy avy eo: “Ho tianao ve anefa ny hiaina amin’ny fiainana tsara kokoa noho ny ankehitriny?” Henoiny izay lazain’ilay olona, ary ampiasainy ny Baiboly mba hanehoana ny fomba hanatanterahan’Andriamanitra izany ao amin’ny tontolo vaovao.

Fitoriana amin’ny fomba feno kokoa

Mihasarotra hatrany ny mahita olona any an-tranony, any amin’ny tany sasany. Samy miasa matetika ny lehilahy sy ny vadiny, ary mety hiala voly any ivelan’ny tranony izy ireo, ny faran’ny herinandro. Amin’ny takariva àry no tena mitory isan-trano ny Vavolombelona any amin’ny tany maro, mba hahitany olona. Amin’ny enina ka hatramin’ny valo alina ny Vavolombelona sasany any Grande-Bretagne, no mijery izay olona tsy tratrany, ary ny hafa kosa mitady azy ireny, alohan’ny handehanan’ny olona hiasa, amin’ny valo maraina.

Mety ho sarotra ny mahita olona sasany, na dia ao an-tranony aza izy, raha tsy nasaina ianao. Misy fepetra fiarovana maro mantsy, satria be ny asan-jiolahy. Misy amin’ireo tsy tratra an-trano kosa any Brezila, mandehandeha vao maraina any amoron-dranomasina. Efa misy Vavolombelona mazoto tonga maraina eny koa, mba hiresaka fa ny Fanjakan’Andriamanitra no handamina ny olan’ny olombelona. Mety hitsena olona eo am-bavahady kosa ny mpivady Vavolombelona any Paris, any Frantsa, rehefa tonga avy miasa ny olona, ka vonona ny hanokana minitra vitsy hihainoana izay zavatra hataon’Andriamanitra hitondrana ny tena filaminana. Iezahana any Honolulu sy New York ary any amin’ny toerana hafa, ny hiantso an-telefaonina ny olona mipetraka ao amin’ny trano tsara ambina.

Mbola tsy afa-po ny Vavolombelona, na dia efa nisy olona iray isan-trano aza niresahany. Te hitady olona maro araka izay azo atao ao amin’ilay trano izy ireo. Mitory ao, amin’ny andro na ora hafa, izy ireo amin’izany. Nilaza ny vehivavy iray tany Porto Rico fa tsy nahaliana azy ilay resaka. Nanontany àry ilay Vavolombelona raha nisy olon-kafa tao an-trano ho azony niresahana, ka nanjary afaka niresaka tamin-drangahy vadiny izy ireo. Efa narary nandritra ny 14 taona io lehilahy io, ka tsy afa-niala teo am-pandriany. Nahafinaritra azy ny fanantenana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nahaliana azy indray ny fiainana, ka tsy ela izy dia niala tao am-pandriana, nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana, ary niresaka ny fanantenany vaovao tamin’olon-kafa.

Fitoriana bebe kokoa, arakaraka ny anatonan’ny farany

Misy antony hafa nitomboan’ny fitoriana vitan’ny Vavolombelona tato ho ato. Izany dia ny fitomboan’ny isan’ny mpisava lalana. Te hanokana fotoana betsaka araka izay azo atao mba hanompoana an’Andriamanitra izy ireo, sady tia ny mpiara-belona aminy, ka manokana 60 na 90 na 140 ora na mahery isam-bolana, ho amin’ny asa fitoriana. Toy ny apostoly Paoly nitory tany Korinto, any Gresy, ireo mpisava lalana ireo, ka nanjary “nifantoka tanteraka tamin’ny fitorian-teny”, ary nitady fomba nitoriana tamin’olona maro araka izay azony natao.—Asa. 18:5.

Nisy mpisava lalana 130 225 eran-tany, tamin’ny 1975. Nisy 605 610 teo ho eo anefa izy ireo isam-bolana, tamin’ny 1992 (mpisava lalana maharitra sy mpanampy ary manokana). Nitombo 105 isan-jato ny Vavolombelona eran-tany, fa nitombo 365 isan-jato kosa ireo nirotsaka tamin’ny fanompoana manontolo andro! Nitombo be àry ny ora nitoriana, satria 382 tapitrisa izy io teo aloha, nefa lasa 1 000 tapitrisa mahery isan-taona!

‘Ny kely tonga arivo’

Naniraka ny mpianany i Jesosy mba ho vavolombelony any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. (Asa. 1:8) Hoy i Jehovah, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22) Hita mazava fa manao ilay asa nasain’i Jesosy natao ny Vavolombelon’i Jehovah, ary hitan’izy ireo ilay fitomboana nampanantenaina.

Tatỳ Amerika Avaratra sy tany Eoropa no tena nisy azy ireo tamin’ny faramparan’ny Ady Lehibe II. Nisy vitsivitsy tany Afrika, ary mbola vitsy noho izany niparitaka eran-tany. Tsy ny tany rehetra no nitorian’izy ireo momba ilay Fanjakana, sady mbola tsy voatetiny ireo tany efa nitoriany. Niova haingana be anefa izany.

Eritrereto ireo tany sivy atỳ Amerika Avaratra, manomboka any Kanada any avaratra, ka hatrany Panama. Vavolombelona 81 410 no tao anatin’io faritra io, tamin’ny 1945. Vavolombelona latsaka ny 20 no tany amin’ny efatra amin’ireo, ary tsy nisy fitoriana voalamina akory tany amin’ny iray taminy. Nampitomboina sy nohatsaraina be ny fitoriana tany amin’ireo tany ireo, nanomboka tamin’izay, ka nisy Vavolombelon’i Jehovah 1 440 165 tany, tamin’ny 1992. Olona zato monja sisa no itorian’ny Vavolombelona tsirairay any amin’ireo tany ireo, raha atao ny salanisa. Maro be amin’ny olona atỳ Amerika Avaratra no voatsidiky ny Vavolombelona, isaky ny volana vitsivitsy, ary maro no voatsidika isan-kerinandro. Fampianarana Baiboly 1 240 000 mahery no tarihin’izy ireo amin’olona liana.

Ary i Eoropa? Io kontinanta io dia manomboka avy any Skandinavia ka hatrany amin’ny Mediterane. Efa betsaka ny fitoriana vita tany amin’ireo tany eoropeanina, ankoatra ny Firaisana Sovietika, talohan’ny Ady Lehibe II. Efa lehibe izao ireo ankizy tamin’izany, ka tsy maintsy naseho taminy koa izay voalazan’ny Soratra Masina hoe hosoloan’ny Fanjakan’Andriamanitra tsy ho ela ny fanjakan’olombelona rehetra. (Dan. 2:44) An’arivony vitsivitsy ny Vavolombelona nitory nandritra ny ady, nefa nitombo ho 1 176 259 izy ireo tany amin’ny tany 47, tamin’ny 1992, anisan’izany ireo anisan’ny URSS teo aloha, tany Eoropa sy Azia. Maherin’ny 100 000 avy ny Vavolombelona tany Alemaina, Frantsa, Grande-Bretagne, Italia, ary Polonina. Inona no nataon’ireo Vavolombelona rehetra ireo? Nasehon’ny tatitra tamin’ny 1992 fa nanokana ora 230 000 000 mahery nitoriana isan-trano sy nampianarana Baiboly izy ireo. Tsy nolalovan’izy ireo fotsiny ny repoblika kelin’i Saint-Marin sy ny tany kely toa an’i Andorre sy Liechtenstein ary Gibraltar. Natao tokoa ilay fitoriana efa voalaza.

Nitoriana betsaka koa tany Afrika. Nasehon’ny tatitra fa tany 28 tany no efa nitoriana tamin’ny 1945, nefa kely ihany ny fitoriana vita. Be anefa no vita, nanomboka tamin’izay. Vavolombelona mazoto 545 044 no tany Afrika tamin’ny 1992, nitory ny vaovao tsara tany amin’ny tany 45. Nisy 1 834 863 ny mpanatrika ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’io taona io. Tsy vitan’ny hoe nahagaga àry ny fitomboana efa nisy, fa mbola betsaka koa ny fitomboana azo antenaina!

Miavaka koa ny tatitra avy any Amerika Atsimo. Iray tamin’ireo tany 13 tany ihany no tsy nitoriana talohan’ny Ady Lehibe II, nefa 29 monja ny fiangonana eran’ilay kontinanta, ary mbola tsy nisy fitoriana voalamina tany amin’ny sasany taminy. Tatỳ aoriana àry vao natao ny ankamaroan’ny fitoriana tany. Niasa mafy ny Vavolombelona tany nanomboka tamin’izay. Nanasa olon-kafa ireo velombelona noho ilay ranon’aina, ka niteny hoe: ‘Avia! Ary aoka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina.’ (Apok. 22:17) Mpanompon’i Jehovah 683 782 no tany tamin’ny 1992, teo anivon’ny fiangonana 10 399. Nisy taminy nifindra tany amin’ny toerana tsy nanaovana fitoriana feno. Maro koa no niverina nitory tany amin’ny toerana efa nitoriana foana, mba hampirisihana ny olona ‘hanandrana sy hizaha fa tsara i Jehovah.’ (Sal. 34:8) Nitarika fampianarana Baiboly 905 132 izy ireo, mba hanampiana ny olona liana hanaraka fomba fiaina, araka ny lalan’i Jehovah.

Diniho koa i Azia sy ny nosy maro eran-tany. Inona no zava-bita tany? Maro tamin’ireny tany ireny no zara raha nitoriana ny vaovao tsara, talohan’ny ady. Efa nilaza anefa i Jesosy Kristy fa tsy maintsy ho vita “manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14) Tany 40 fanampiny àry no nitoriana ny vaovao tsara, ary be kokoa ny fitoriana natao tany amin’ireo tany sy nosy efa nitoriana (76 izy ireo), taorian’ny Ady Lehibe II. Vavolombelona 627 537 no faly nampahafantatra ny ‘hery sy haben’ny voninahitry ny fanjakan’i Jehovah’ tany amin’io faritany lehibe io, tamin’ny 1992. (Sal. 145:11, 12) Tsy mora ny fanompoan’izy ireo. Tsy maintsy nandeha sambo na fiaramanidina nandritra ny ora maro izy ireo, tany amin’ny toerana sasany, mba hitoriana tany amin’ny nosy lavitra. Nanokana ora 200 000 000 mahery anefa izy ireo mba hitoriana sy hitarihana fampianarana Baiboly 685 211, tamin’ny 1992.

Tanteraka tokoa ilay fampanantenana hoe “ny kely ho tonga arivo”! Tsy nisy “kely”, na Vavolombelona iray nitory akory tamin’ny 1919, tany amin’ny tany maherin’ny 50, nefa arivo mahery ny mpidera an’i Jehovah any izao. Misy an’aliny, na mihoatra ny iray hetsy mihitsy ny Vavolombelona any amin’ny sasany amin’ireo tany ireo, ary mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra izy ireo! Lasa “firenena mahery” ny Vavolombelona eran-tany, satria maro kokoa noho ny isan’ny mponina any amin’ny tany 80, fara fahakeliny, ny isan’izy ireo eo anivon’ny fiangonana eran-tany.

Nanao ahoana ny fitoriana tany amin’ireo “tany hafa”?

Nisy “tany hafa” 24 tamin’ireo voalaza ireo, tamin’ny 1992, dia tany andrarana ny Vavolombelon’i Jehovah, na tsy amoahana tatitra amin’ny an-tsipiriany. Be ny fitoriana vita any amin’ny sasany amin’ireo. Tena vitsy anefa ny Vavolombelona any amin’ny tany sasany. Mbola misy olona tsy nandre momba ilay Fanjakana. Matoky anefa ny Vavolombelona fa ho vita foana ny fitoriana. Nahoana?

Satria milaza ny Soratra Masina fa i Jesosy Kristy no mitarika ilay asa, avy any amin’ny seza fiandrianany any an-danitra. Izy no mitarika an’ilay ‘anjely manidina eny afovoan’ny lanitra’, izay nasaina hitory vaovao tsara mandrakizay sy hampirisika “ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra” hoe: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy.” (Apok. 14:6, 7) Tsy misy hery any an-danitra na etỳ an-tany afaka manakana an’i Jehovah tsy hisarika ireo ‘manana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.’—Asa. 13:48; Jaona 6:44.

Tsy misy tany lavitra loatra ka tsy ho tongan’ny hafatra momba ilay Fanjakana. Eo ny fitsidihan’ny havana, ny telefaonina, ny taratasy. Mihaona amin’olona any an-tany hafa ny mpandraharaha, mpiasa, mpianatra, ary mpizaha tany. Toy ny taloha koa ny ankehitriny, satria mbola ampitaina amin’ireo fomba ireo ilay vaovao lehibe hoe efa napetrak’i Jehovah ilay Mpanjakany any an-danitra, ary nomeny fahefana hitondra ireo firenena. Ataon’ny anjely izay hahitana an’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana.

Vitan’Andriamanitra ny mitarika ny mpitondra hanova ny politikany, raha sitrapony ny hanaovana fitoriana mivantana any amin’ireo tany mandrara izany. (Ohab. 21:1) Ary raha misokatra ny fitoriana any amin’ireny tany ireny, dia ho faly ny Vavolombelona hanampy ny mponina any hianatra momba ny fikasana feno fitiavan’i Jehovah. Tapa-kevitra ny hanompo hatrany izy ireo, mandra-pilazan’i Jehovah amin’ny alalan’i Jesosy Kristy hoe vita ilay asa!

Nitory tany amin’ny tany 229 ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1992. Tonga tamin’ny fomba samihafa tany amin’ny tany 235 ny vaovao tsara tamin’io. Tamin’ny 1975 no nitoriana voalohany ny folo tamin’ireo.

Betsaka ve ny fitoriana vita? Nanokana ora 4 635 265 939 ny Vavolombelona, nandritra ireo 30 taona taorian’ny Ady Lehibe II, mba hitoriana sy hampianarana momba ny anaran’i Jehovah sy ny Fanjakany. Nihamaro anefa ny Vavolombelona sy ny mpanompo manontolo andro eo anivony, nandritra ireo 15 taona nanaraka (antsasak’ilay teo), ka ora 7 858 677 940 no natokany mba hitoriana ampahibemaso sy isan-trano, ary hitarihana fampianarana Baiboly. Mbola be kokoa ihany ny fitoriana vita, satria ora 951 870 021 no lanin’izy ireo tamin’io asa io tamin’ny 1990-1991, ary maherin’ny arivo tapitrisa tamin’ny 1992.

Tsy manan-tsahala ny habetsahan’ny boky ara-baiboly zarain’ny Vavolombelona mba hiresahana momba ilay Fanjakana, sy ny isan’ny fiteny amoahana azy ireny. Tsy feno ny tatitra azo, nefa araka ny tatitra eo am-pelatanana, dia boky sy bokikely ary gazety 10 107 565 269 amin’ny fiteny 294 no voapetraka, ankoatra ny trakta an’arivony tapitrisa, tamin’ny 1920-1992.

Mbola tsy vita ny fitoriana eran-tany amin’izao fotoana anoratana an’ity boky ity izao. Hita anefa fa miasa ny fanahin’Andriamanitra, rehefa jerena ny asa vita sy ny toe-javatra nanatanterahana izany.

[Teny notsongaina, pejy 502]

Nahaliana ny olona ny hamaroan’ny mpanatrika fivoriambe sy ny fitondran-tenan’izy ireo

[Teny notsongaina, pejy 505]

“Tena fakan-tahaka ny filaminana sy fahadiovan’izy ireo”

[Teny notsongaina, pejy 507]

Nisy fivoriambe nanan-tantara natao tany amin’ny toerana nandrarana ny Vavolombelona nandritra ny taona maro

[Teny notsongaina, pejy 508]

Boky ara-baiboly an’arivony taonina no nalefa tany Eoropa Atsinanana

[Teny notsongaina, pejy 509]

Nisy anti-panahy za-draharaha nanolo-tena handeha tany amin’ny tany nila fanampiana

[Teny notsongaina, pejy 516]

Te hitady olona maro araka izay azo atao ao amin’ilay trano izy ireo

[Teny notsongaina, pejy 518]

Nahagaga ny fitomboana, ary antenaina mbola ho bebe kokoa

[Tabilao/Sary, pejy 513]

(Jereo ny boky)

Fitomboan’ny Isan’ny Mpitory any Azia

Inde

10 000

5 000

1950 1960 1970 1980 1992

Repoblikan’i Korea

60 000

30 000

1950 1960 1970 1980 1992

Japon

150 000

100 000

50 000

1950 1960 1970 1980 1992

[Sary, pejy 503]

Niara-nampiasaina tamin’ny 1985 ny Kianjan’i Morumbi, tany São Paulo (hita eto), sy ny Kianjan’i Maracanã, any Rio de Janeiro, samy any Brezila, mba handraisana olona maro be nanatrika fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 504]

Vitsivitsy amin’ireo natao batisa tany Chorzów, any Polonina, 1989

[Sary, pejy 506]

Fivoriambe Nanan-tantara, 1991

Prague, Tsekoslovakia

Tallinn, Estonia (ankavanana)

Zagreb, Kroasia (ankavanana)

Budapest, Hongria (ambony)

Baia-Mare, Romania (ankavanana)

Usolye-Sibirskoye, Rosia (ambany)

Alma-Ata, Kazakhstan (ambony)

Kiev, Ukraine (ankavia)

[Sary, pejy 511]

Fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany Saint-Pétersbourg, any Rosia, 1992

Firaisan-tsaina iraisam-pirenena

Avy any Rosia

Avy any Moldavia

Avy any Ukraine

Maro ny tanora nanatrika

Miresaka ny fandaharana (misy mpandika teny) amin’i Stepan Kozhemba (afovoany) i M. Henschel

Nitondra Baiboly tamin’ny teny rosianina ny mpanatrika avy any an-tany hafa, mba hampiasaina eran’i Rosia

[Sary, pejy 512]

Nanapoaka ady tamin’ny Vavolombelona ny Eglizy Katolika, tamin’ireo taona 1980, araka ireto tapaka gazety italianina ireto

[Sary, pejy 514]

Tonga ny Vavolombelona mba hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny tantsambo, rehefa mijanona any Rotterdam, any Holandy, ny sambo

[Sary, pejy 515]

Miezaka mandatsaka ny vaovao tsara ao am-pon’ny olona ny Vavolombelona, na dia itoriana matetika aza ny faritaniny, toy ny any Goadelopy, hita eto