Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera

Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera

Toko 23

Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera

NANDRAY anjara betsaka tamin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany ny misionera mazoto, manompo any amin’izay ilana azy.

Efa nisy misionera nalefa tany an-tany hafa, ela be talohan’ny nanorenan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana ny sekolin’ny misionera. Fantatr’i C. Russell, prezidà voalohan’ny Fikambanana, fa ilaina ny olona mahay mba hanomboka sy hitarika ny fitoriana ny vaovao tsara any an-tany hafa. Nandefa olona hanao izany izy, dia i Adolf Weber tany Eoropa, E. Coward tany Karaiba, Robert Hollister tany Azia, ary Joseph Booth tany amin’ny faritra atsimon’i Afrika. Nampalahelo fa ny tetika tao an-tsainy no tena nahaliana an’i Booth. Nalefa ho any Nyassaland (Malawi ankehitriny) àry i William Johnston avy tany Ekosy, tamin’ny 1910, satria tany no nisy vokany ratsy indrindra ny zavatra nataon’i Booth. Notendrena ny Rahalahy Johnston avy eo, mba hanorina biraon’ny sampan’ny Fikambanana tany Durban, any Afrika Atsimo. Ary tatỳ aoriana, dia lasa mpiandraikitra ny sampan’i Aostralia izy.

Nandefa misionera maro kokoa i J. Rutherford taorian’ny Ady Lehibe I, ka anisan’izany i Thomas Walder sy George Phillips avy any Grande-Bretagne ho any Afrika Atsimo; W. Brown avy any Trinité (tany nanendrena azy) ho any Afrika Andrefana; George Young avy any Kanada ho any Amerika Atsimo sy Eoropa; Juan Muñiz ho any Espaina aloha, avy eo ho any Arzantina; George Wright sy Edwin Skinner ho any Inde, narahin’i Claude Goodman sy Ron Tippin, ary ny maro hafa. Tena mpisava lalana izy ireo, ka nandeha tany amin’ny toerana zara raha nitoriana ny vaovao tsara, na mbola tsy nitoriana mihitsy, sady nanorina fototry ny fitomboana tany.

Nisy hafa koa nitory tany ivelan’ny taniny, satria tia ny asa misionera. Anisan’izany i Kate Goas sy Marion zanany vavy, izay nazoto nanompo tany Kolombia sy Venezoelà nandritra ny taona maro. Anisany koa i Joseph Dos Santos, niala tany Hawaii mba hanao dia fitoriana, izay nitarika ho amin’ny fanompoana 15 taona tany Philippines. Teo koa i Frank Rice, izay nandeha sambo mpitondra entana avy tany Aostralia mba hanokatra ny fitoriana tany amin’ny nosy Java (any Indonezia ankehitriny).

Nisy fandaharana anefa tamin’ny 1942, momba ny sekoly natao manokana hampiofanana lehilahy sy vehivavy vonona ho misionera any amin’ny toerana mila mpitory eran-tany.

Sekolin’i Gileada

Toa tsy ho azo natao tao anatin’ny ady, araka ny fijerin’olombelona, ny hanitatra ny fitoriana any an-tany hafa. Nitoky tamin’i Jehovah anefa ireo mpitantana an’ireo fikambanana roa lehibe ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny Septambra 1942, ka nanaiky ny soso-kevitr’i N. Knorr, mba hanorenana sekoly hampiofanana misionera sy olon-kafa hanao fanompoana manokana. Hantsoina hoe Oniversite Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana izy io, ary novana ho Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, tatỳ aoriana. Tsy misy saram-pianarana aloa, ary iantohan’ny Fikambanana ny trano sy sakafon’ny mpianatra, mandritra ilay fampiofanana.

Anisan’ny nasaina hanomana ilay fianarana i Albert Schroeder, efa za-draharaha tao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana teto amin’ny foibe eto Brooklyn, sy niandraikitra sampana tany Grande-Bretagne. Manana fomba fijery tsara izy, sady tsy nitsitsy tena, ary niahy an’ireo mpianatra, ka nanjary tian’ireo nampianariny, nandritra ny 17 taona naha mpitan-tsoratra sy mpampianatra azy tao amin’ilay sekoly. Lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana izy tamin’ny 1974, ary notendrena ho ao amin’ny Komitin’ny Fampianarana, tamin’ny 1975.

Nanao fandaharam-pianarana maharitra dimy volana ny Rahalahy Schroeder sy ny mpampianatra namany, dia i Maxwell Friend sy Eduardo Keller ary Victor Blackwell. Ianarana amin’izany ny Baiboly, fandaminan’Andriamanitra, fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, fahaiza-mandaha-teny, fanompoana, asa misionera, tantaran’ny fivavahana, lalàn’Andriamanitra, fomba firesahana amin’ny manam-pahefana, lalàna iraisam-pirenena, fomba fitahirizana taratasy, ary fiteny vahiny iray. Novana tsikelikely ny zavatra nianarana, nefa nasongadina foana ny Baiboly sy ny maha zava-dehibe ny asa fitoriana. Natao hanatanjahana ny finoan’ireo mpianatra ilay sekoly, sady hanampiana azy hanana toetra tsara hiatrehana ny olana amin’ny asa misionera. Nantitranterina fa zava-dehibe ny miantehitra tanteraka amin’i Jehovah sy tsy mivadika aminy. (Sal. 146:1-6; Ohab. 3:5, 6; Efes. 4:24) Tsy valiana avokoa ny fanontanian’ny mpianatra, fa ampianarina hanao fikarohana kosa izy ireo, ary ampiana mba hahatakatra ny anton’ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny antony anaovan-javatra. Ianaran’izy ireo ny toro lalana afaka mitarika azy. Afaka mihamatotra hatrany àry izy ireo.

Nalefa tamin’ny 14 Desambra 1942 ny fanasana ny mpianatra ho an’ny kilasy voalohany. Ririnina ny andro, rehefa tonga tany South Lansing, New York, ireo mpianatra 100. Vonona sy nazoto, nefa somary natahotahotra izy ireo. Nampanahy azy ireo aloha ny zavatra hianarany, nefa nanitikitika ny sainy koa ny toerana handefasana azy, aorian’ny hahazoany diplaoma.

Nanao lahateny ho an’io kilasy voalohany io ny Rahalahy Knorr, tamin’ilay andro voalohany (1 Febroary 1943), ka hoy izy: “Omanina tsara kokoa ianareo mba hanao asa toy ny nataon’ny apostoly Paoly, Marka sy Timoty, ary ny hafa nitety ny fanjakana romanina mba hitory ilay Fanjakana. Tsy maintsy nohatanjahin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo, ary tsy maintsy nahalala tsara ny fikasan’Andriamanitra. Matetika izy ireo no nijoro irery teo anatrehan’ny olona ambony sy manam-pahefana teo amin’izao tontolo izao. Mety ho izany koa no hahazo anareo, ary hanatanjaka anareo amin’izany Andriamanitra.”

“Maro ny toerana tsy nitoriana loatra ny Fanjakan’Andriamanitra. Ao anatin’ny haizina sy voafatotry ny fivavahana ny olona any amin’izy ireny. Voamarika any amin’ny tany sasany vitsy Vavolombelona fa mihaino tsara ny olona manetry tena, ary mety hiaraka amin’ny fandaminan’ny Tompo, raha ampianarina tsara. Misy an-jatony na an’arivony no hitoriana, raha maro kokoa ny mpiasa eny amin’ny saha. Ary hihamaro ny mpiasa, noho ny fahasoavan’ny Tompo.”

“TSY ny hanosotra anareo ho mpitondra fivavahana no tanjon’ity oniversite ity. Efa mpanompo ianareo, ary efa nanompo nandritra ny taona maro. ... Ny hanomana anareo ho mpanompo mahay kokoa any amin’ny faritany hanendrena anareo ihany no tanjon’izy ity. ...”

“Ny fitoriana ny filazantsaran’ilay Fanjakana isan-trano no asanareo lehibe indrindra, toy ny nataon’i Jesosy sy ny apostoly. Ataovy izay hitsidihana indray an’ilay olona raha mihaino izy, atombohy ny fianarana any an-tranony, ary vorio ho lasa kompania [fiangonana] ny mpianatra ao amin’ilay tanàna. Hahafinaritra anareo izany, nefa tsy maintsy ampianareo hahatakatra ny Teny ilay kompania, sady hampaherezinareo, hiresahanareo tsindraindray, ary hampianareo eo amin’ny fivoriany momba ny fanompoana sy ny fandaminany. Afaka mankany amin’ny tanàna hafa ianareo, rehefa matanjaka sy afaka mitory irery eo amin’ny faritaniny izy ireo. Mety hitsidika tsindraindray azy ianareo, mba hampaherezana azy amin’ny finoana masina, sy hahatakarany foto-pampianarana, satria ny fikarakarana ny ‘ondry hafan’ny’ Tompo no asanareo. (Jaona 10:16) Ny hanampy ny olona tso-po no tena asanareo. Mila mitady hevitra ianareo, sady mitady ny fitarihan’Andriamanitra.” a

Nahavita ny fiofanany manokana io kilasy voalohany io, dimy volana taorian’izay. Azo ny visa, nalamina ny dia, ary nifindra tany amin’ny tany sivy tany Amerika Latinina izy ireo. Lasa nankany Cuba ny misioneran’i Gileada voalohany, telo volana taorian’ny nahazoany diplaoma. Nisy 6 500 mahery avy amin’ny tany 110 mahery, tamin’ny 1992, no nampiofanina sy nanompo tany amin’ny tany sy nosy 200 mahery.

Ny asan’ny misionera dia nahaliana manokana ny Rahalahy Knorr mandra-pahafatiny, 34 taona taorian’ny nitokanana ny Sekolin’i Gileada. Notsidihiny imbetsaka araka izay azony natao ny mpianatra tao amin’ny kilasy tsirairay, ary nanao lahateny izy, na nitondra mpiasan’ny foibe mba hiresaka tamin’ireo mpianatra. Notsidihiny tany amin’ny tany nanendrena azy koa ireo misionera nahazo diplaoma, ary nampiany mba hiatrika olana, sady nampahereziny. Nihamaro anefa ireo misionera, ka nandefa rahalahy nahay hafa izy mba hanao ilay fitsidihana koa, mba hiheverana ny misionera rehetra, na aiza na aiza misy azy.

Hafa ireo misionera ireo

Nanorina hopitaly sy tobin’ny mpitsoa-ponenana ary trano fitaizana zaza kamboty ny misioneran’ny Kristianisma Anarana, mba hanomezana izay ilain’ny olona ara-batana. Niseho ho mpiaro ny mahantra izy ireo, ka nitarika korontana sy nandray anjara tamin’ny ady anaty akata. Mampianatra Baiboly kosa ny misioneran’i Gileada. Tsy manangana fiangonana ary miantso olona ho tonga ao izy ireo, fa mandeha isan-trano kosa mba hitady sy hampianatra an’ireo noana sy mangetaheta ny fahamarinana.

Manaraka akaiky ny Tenin’Andriamanitra ny misionera Vavolombelona, ka mampiseho amin’ny olona hoe nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no tena vahaolana maharitra ho an’ny zava-manahirana ny olombelona. (Matio 24:14; Lioka 4:43) Nisongadina kokoa tamin’i Peter Vanderhaegen ny fahasamihafan’io asa io sy ny an’ny misioneran’ny Kristianisma Anarana, tamin’ny 1951, tamin’izy ho any Indonezia, tany nanendrena azy. Misionera batista no hany mpandeha niaraka taminy tamin’ilay sambo mpitondra entana. Niezaka niresaka ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy io ny Rahalahy Vanderhaegen, nefa nolazain’ilay Batista mazava fa ny tanjony dia ny hanohana ny ady nataon’i Tchang Kaï-chek tany Taïwan mba hiverenany teo amin’ny fitondrana.

Maro anefa ny olona nahatakatra ny hasarobidin’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Nitory tamin’i Antonio Carvajalino, tany Barranquilla, any Kolombia i Olaf Olson, nefa tsy nanasongadina hevitra ara-politika hafa, na dia mpanohana nafana fo antoko politika iray aza i Antonio. Nasain’ny Rahalahy Olson hianatra Baiboly maimaim-poana kosa i Antonio sy ireo anabaviny. Tsy ela dia takatr’i Antonio fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenana ho an’ny mahantra any Kolombia sy eran-tany. (Sal. 72:1-4, 12-14; Dan. 2:44) Lasa mpanompon’Andriamanitra mazoto i Antonio sy ireo anabaviny.

Nisy zava-nitranga tany Rodezia (Zimbabwe ankehitriny), nanasongadina ny fahasamihafan’ny misionera Vavolombelona sy ny an’ny Kristianisma Anarana. Nitory tao amin’ny tranon’ny misioneran’ny Kristianisma Anarana tany i Donald Morrison, ka nitaraina ilay misionera hoe tsy nanaja ny sisin-tany nifanarahana ny Vavolombelona. Sisin-tany inona? Nozarazarain’ireo fivavahan’ny Kristianisma Anarana ilay tany, ka nifanaraka izy ireo mba tsy hifanelingelina. Tsy afaka hanaraka izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Nolazain’i Jesosy fa hotorina manerana ny tany onenana ny vaovao tsara. Tena tsy nanao izany ny Kristianisma Anarana. Tapa-kevitra ny hiasa tsara kosa ny misioneran’i Gileada, ho fankatoavana an’i Kristy.

Nirahina hanompo, fa tsy hotompoina, ireo misionera ireo. Hita tamin’ny fomba maro, fa niezaka mafy nanao izany izy ireo. Tsy ratsy ny mandray fanampiana omena maimaim-poana (fa tsy nangatahina), ho fankasitrahana ny fanampiana hahatakatra ny Baiboly. Te hanampy ny mponin’i Alaska anefa i John Errichetti sy Hermon Woodard, ka tsy maintsy niasa kely, sahala amin’ny apostoly Paoly, mba hahazoany izay nilainy. (1 Kor. 9:11, 12; 2 Tes. 3:7, 8) Ny fitoriana ny vaovao tsara no asany lehibe indrindra. Nanao ny asa tokony hatao koa anefa izy ireo, rehefa nisy nampiantrano. Nanisy godorao ny tafon’ny lehilahy iray izy ireo, ohatra, satria fantany fa nila fanampiana ilay rangahy. Nanampy tamin’ny fanalana ny entana koa izy ireo, rehefa nandeha an-tsambo. Hitan’ny olona mazava fa tsy toy ny misioneran’ny Kristianisma Anarana ireo misionera ireo.

Tsy maintsy niasa kely ny misionera tany amin’ny toerana sasany, mba hahafahany hipetraka tao amin’ilay tany, ka hanaovany ny fanompoany any. Nampianatra anglisy tao amin’ny sampam-pitsaboan’ny oniversite àry i Jesse Cantwell, tany Kolombia, mandra-piovan’ny politikan’ny fitondrana sy nialan’ny fameperana ny fivavahana. Afaka nanompo manontolo andro tamin’ny naha mpiandraikitra mpitety faritanin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, taorian’izay.

Visa ho an’ny mpizaha tany no nananan’ny misionera maro tamin’ny voalohany, ka iray volana na volana vitsivitsy monja izy no afaka nijanona tao. Tsy maintsy nandeha izy avy eo, ary niverina indray. Nikiry nanao izany matetika anefa izy ireo, mandra-pahazo taratasy fahazoan-dalana hipetraka. Tian’izy ireo ny hanampy ny mponin’ilay tany nanendrena azy.

Tsy nihevi-tena ho ambony noho ny mponina teo an-toerana ireny misionera ireny. Mpiandraikitra mpitety faritany i John Cutforth, mpampianatra tany Kanada taloha, ary nitsidika fiangonana sy Vavolombelona nitokana tany Papouasie-Nouvelle-Guinée. Nipetraka tamin’ny tany toa azy ireo izy, niara-nisakafo taminy, ary nanaiky hatory teo amin’ny tsihy teo amin’ny tany. Nahafinaritra azy ny niara-nanompo tamin’izy ireo. Mahagaga ny olona tsy Vavolombelona izany, satria malaza hoe mihatakataka amin’ny olona ny pasitera vazaha an’ny Kristianisma Anarana, ary vetivety ihany no iarahany amin’ny mpiangona, mandritra ny fivoriany, ary tsy miara-misakafo amin’izy ireo mihitsy izy.

Tsapan’ny olona niara-nanompo tamin’ny Vavolombelona ny fiahian’ireo misionera sy ilay fandaminana naniraka azy ireo. Nisy misionera Vavolombelona nalefa mba hanome fampaherezana, ho valin’ny taratasin’i João Mancoca, Afrikanina tsotsotra tany am-ponja tany Afrika Andrefana portogey (Angola ankehitriny). Hoy i Mancoca tatỳ aoriana: “Tsy nisalasala intsony aho hoe intỳ ilay tena fandaminana tohanan’Andriamanitra. Tsy noeritreretiko na ninoako mihitsy hoe hisy fivavahana hafa hanao izao: Tsy omena vola nefa mandefa misionera hitsidika olona tsinontsinona, satria fotsiny hoe nanoratra taratasy izy io.”

Fomba fiaina sy fombafomba

Matetika no tsy be fandrosoana, toy ny tany any amin’ny tany niavian’ny misionera, ny fomba fiainan’ny olona any amin’ny tany andefasana azy. Mbola tsapa ny vokatry ny ady, rehefa tonga tany Birmania (Myanmar ankehitriny) i Robert Kirk, tamin’ny 1947, ary trano vitsy ihany no nisy herinaratra. Tsy masinina fanasan-damba no ampiasaina any amin’ny tany maro, fa sasana tsirairay eo amin’ny hazo, na vato eny amoron-drano kosa ny lamba. Tonga hampianatra fahamarinana ny olona anefa ireo misionera, ka mizatra amin’ny fomba fiaina eo an-toerana, sy mifantoka amin’ny fanompoana.

Matetika no tsy nisy nitsena ny misionera tamin’ny voalohany. Tsy maintsy nitady trano izy ireo. Natory teo amin’ny tany i Charles Eisenhower sy ny misionera 11 hafa, ny alina voalohany nahatongavany tany Cuba, tamin’ny 1943. Ny ampitson’iny, dia nividy fandriana sy nanamboatra fitoeran’akanjo avy tamin’ny kesika fasiana paoma izy ireo. Nampiasain’ny misionera izay fanomezana azo avy tamin’ireo boky sy ny vola fanampiana kely nomen’ny Fikambanana ho an’ny mpisava lalana manokana, ary niantehitra tamin’i Jehovah izy ireo mba hitahy ny ezaka nataony mba handoavana hofan-trano sy hahazoana sakafo ary ny zavatra hafa nilainy.

Nitaky fanovana toe-tsaina indraindray ny fikarakarana sakafo. Tsy maintsy niantsena isan’andro izy ireo, rehefa tsy nisy vata fampangatsiahana. Saribao na kitay no nandrahoana tany amin’ny tany maro, fa tsy gazy, na fatana elektrika. Tsy nisy afa-tsy vato telo nipetrahan’ny vilany vy ny fatan’i George sy Willa Mae Watkins, voatendry tany Liberia.

Ary ny rano? Hoy i Ruth McKay, momba ny tranony vaovao tany Inde: ‘Tsy mba toy ny hitako hatramin’izay ilay trano. Raobine teo an-joron-trano no mba tao an-dakozia, ary nisy fefiny kely vita tamin’ny simenitra nanakana ny rano tsy hihanaka tao an-trano. Tsy hoe nisy foana ny rano, ka tsy maintsy nitahiry mba hampiasaina, rehefa tapaka ny rano.’

Narary ny misionera sasany, nandritra ireo volana voalohany nahatongavany, noho ny tsy fahazarany amin’ny zava-misy. Nivalan-dra matetika i Russell Yeatts, rehefa tonga tany Curaçao, tamin’ny 1946. Tsy afaka nieritreritra ny hody anefa izy, satria reny nisaotra an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo ny rahalahy iray teo an-toerana, noho ny nandefasany misionera. Tsy nahazaka ny toe-tany tany Haute-Volta (Burkina Faso ankehitriny) i Brian sy Elke Wise, ka nanjary tsy salama. Tsy maintsy nianatra niaina tao anatin’ny hafanana 43 degre izy ireo. Narary nandritra ny herinandro vitsivitsy i Elke tamin’ilay taona voalohany, vokatry ny hafanana sy ny tazo. Mafy koa ny hépatite nahazo an’i Brian ny taona nanaraka, ka tsy afa-nihetsika teo am-pandriana izy, nandritra ny dimy volana. Tsy ela dia nahita fampianarana Baiboly maro tena tsara izy ireo, nefa avy eo dia maro loatra indray ka tsy araka. Nanampy azy ireo hiaritra ny fitiavana an’ireo olona ireo, sy ny fiheverany ny fanendrena azy ho tombontsoa sy fampiofanana, mba hahavonona azy ho amin’izay zavatra nomanin’i Jehovah ho azy.

Tonga nitsena an’ireo misionera ny misionera talohany sy ny Vavolombelona teo an-toerana, rehefa nandeha ny fotoana. Nisy notendrena tany amin’ny tany nisy tanàn-dehibe maoderina. Niezaka nanome trano nety sy fanaka vitsivitsy ho an’ny misionera ny Fikambanana, nanomboka tamin’ny 1946. Nanome vola hividianana sakafo koa ny Fikambanana, ka tsy nanahy momba izany intsony ny misionera, fa afaka nifantoka kokoa tamin’ny asa fitoriana.

Nitsapa ny faharetan’ny misionera tany amin’ny toerana maro koa ny fanaovana dia. Nalama sy be fotaka ny lalana tany Papouasie-Nouvelle-Guinée, taorian’ny orana. Niraikitra tao anaty fotaka indraindray ny kiraron’ireo anabavy nandeha tany anaty kirihitra, nibaby entana navesatra. Tsy vitsy ny misionera tany Amerika Atsimo no nitsangam-bolo, rehefa nandeha taxi-brousse tany amin’ny lalana tery tany an-tendrombohitra Andes. Tsy hay hadinoina ny zavatra hitanao, rehefa mifanena amin’ny fiara lehibe hafa eo amin’ny fiolahana amin’ny lalana tery ilay taxi-brousse, nefa tsy misy arofanina ilay lalana, ary tsapanao fa toy ny hivarina any an-kady ilay fiara!

Mpitranga any amin’ny tany sasany ny korontana politika. Notadidin’ny misionera Vavolombelona anefa ny tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany hoe “tsy anisan’izao tontolo izao ianareo”, ka tsy niditra tamin’ireny korontana ireny izy ireo. (Jaona 15:19) Nianatra nifehy ny fitia te hahafantatra izy ireo, mba tsy hampidi-doza azy. Tsara matetika ny tsy mandeha eny amin’ny arabe mandra-pilamin’ny zava-mitranga. Tany afovoan’i Saïgon (Hô Chi Minh-Ville ankehitriny) no nipetraka ny misionera sivy tany Vietnam, rehefa nisy ady nitranga tany. Hitan’izy ireo ny baomba nilatsaka, afo eran’ilay tanàna, ary olona an’arivony nandositra. Nitady ny fiarovan’i Jehovah anefa izy ireo, satria fantany fa izy no naniraka azy hizara ilay fahalalana manome fiainana, ho an’ny olona tia fahamarinana.

Sarotra tamin’ny misionera ny nanompo tany amin’ny toerana sasany any Azia, na nilamindamina ihany aza ilay toerana. Vao nisy vahiny nandalo tamin’ny lalana tery any amin’ny tanàna mahantra any Lahore, any Pakistan, dia efa feno ankizy maloto manodidina azy. Nikiakiaka sy nifanosika izy ireo, ary nanaraka an’ilay misionera isan-trano, sady nitsofoka tao amin’ny trano nidiran’ny misionera. Tsy ela dia fantatry ny manodidina rehetra ny vidin’ireo gazety, ary koa hoe ‘manova olona ho Kristianina’ ilay vahiny. Tsara matetika ny niala rehefa nitranga izany. Matetika no narahina kiakiaka sy tehaka, ary indraindray tora-bato, ny fialan’ilay misionera.

Tsy maintsy niova mba hifanaraka tamin’ny fomba teo an-toerana ny misionera. Nianatra namela kiraro teo am-baravarana izy ireo tany Japon, rehefa nandroso tao an-trano. Tsy maintsy nianaran’izy ireo ny mipetraka eo amin’ny tany (raha afaka), nanoloana latabatra iva, rehefa hampianatra Baiboly. Nianaran’izy ireo tany Afrika, fa manafintohina ny Afrikanina sasany ny manolotra zavatra azy amin’ny tanana ankavia. Tsy fahalalam-pomba koa tany ny manazava ny anton’ny fitsidihana, alohan’ny fifampiresahana kely (fanontaniana fahasalamana sy firesahana hoe avy aiza ianao, firy ny zanakao, sy ny sisa). Hitan’ny misionera tany Brezila koa, fa tsy mandom-baravarana ny olona any, fa mitehaka eo am-bavahady kosa, mba hiantsoana ny tompon-trano.

Hafa kosa ny fomban’ny olona tany Liban. Vitsy ny rahalahy nitondra ny vadiny sy ny zanany vavy tany am-pivoriana. Tsy niara-nipetraka tamin’ny lehilahy mihitsy ny vehivavy izay tonga, fa tany aoriana. Niteraka korontana ireo misionera, tamin’ny fivoriana voalohany, satria tsy fantany ilay fomba. Nisy mantsy mpivady misionera nipetraka teny aloha, ary nipetraka teny amin’izay nalalaka kosa ny misionera vehivavy tsy nanambady. Nilamina ihany ilay korontana rehefa nohazavaina ny toro lalan’ny Baiboly, taorian’ny fivoriana. (Ampitahao amin’ny Deoteronomia 31:12; Galatianina 3:28.) Tsy nisy intsony ilay fanavakavahana. Maro kokoa ny vehivavy manambady sy ny zanakavavy nanatrika fivoriana. Niara-nitory isan-trano tamin’ny anabavy misionera koa izy ireo.

Olana momba ny fianarana fiteny vaovao

Tsy nahay teny frantsay loatra ireo misionera tonga tany Martinika tamin’ny 1949, nefa fantany fa nila ilay hafatra momba ilay Fanjakana ny olona tany. Tena nanam-pinoana izy ireo, ka nitory isan-trano, ary niezaka namaky andininy vitsy, avy tao amin’ny Baiboly, na izay boky natolony. Nihatsara tsikelikely ny fahaizan’izy ireo teny frantsay.

Te hanampy ny Vavolombelona teo an-toerana sy ny olona liana ny misionera, kanefa izy ireo no voalohany nila fanampiana momba ilay fiteny. Hitan’ireo misionera tany Togo, fa samy hafa be amin’ny fitsipi-pitenenan’ireo fiteny any Eoropa ny an’ny éwé, fiteny lehibe eo an-toerana, ary mety hanova ny dikan’ilay teny ny haavon’ny feo anononana azy. Mety hidika hoe sofina, tendrombohitra, rafozandahy, na foko, ohatra, ny teny hoe to, raha avo ny feony; ary mety hidika ho ombidia kosa, raha iva ny feony. Misy lantom-peo enina kosa ny teny iray, nianaran’ireo misionera tany Vietnam, ary samy hafa ny dikan’ilay teny, arakaraka ny lantom-peo anononana azy.

Tsaroan’i Edna Waterfall, notendrena tany Peroa, ny trano voalohany nitoriany tamin’ny teny espaniola. Tsembo-dratsy izy, tsy tsaroany tsara ny fitoriana efa nianarany tsianjery, nanolotra boky izy, ary nilaza hampianatra Baiboly an’ilay vehivavy zokiolona. Niteny anglisy nazava avy eo ilay vehivavy, hoe: “Tena mahafinaritra izany. Hianatra aminao aho, ary hataontsika amin’ny teny espaniola ilay izy, mba hianaranao teny espaniola.” Gaga i Edna, namaly hoe: “Hay mahay teny anglisy ianao? Nefa aho navelanao hibadabada hiteny espaniola teo?” “Mahatsara anao izany”, hoy ilay vehivavy. Ary marina ny azy! Tsy ela dia takatr’i Edna fa ampahany lehibe amin’ny fianarana fiteny ny fitenenana azy io mihitsy.

Nanandrana niteny italianina i George Fredianelli, tany Italia, nefa hitany fa tsy azon’ny olona ny teny noheveriny hoe teny italianina (hay ilay izy teny anglisy notononiny tamin’ny fomba italianina). Nosoratany manontolo ny lahateniny, mba hialana tamin’izany, ary novakiny fotsiny avy eo. Maro anefa no resin-tory teo am-pihainoana azy. Tsy nanao izany intsony àry izy, fa niteny tsy an-kijery soratra, ary niangavy ny mpihaino mba hanampy azy, rehefa tsy tafavoaka izy. Tsy natory intsony ny mpanatrika, ary nihanahay izy.

Tiana hanomboka aloha ny misionera, ka nampianarina tao amin’ireo kilasy voalohandohany ny teny espaniola, frantsay, italianina, portogey, japoney, arabo, ary ourdou. Fiteny 30 mahery no nampianarina, tao anatin’ny taona maro. Tsy nitovy anefa ny toerana nandehanan’ireo nahazo diplaoma, ka tany amin’ny toerana nanendrena azy vao nianatra mafy an’ilay fiteny ireo misionera. Nianatra an’ilay fiteny nandritra ny adiny 11 isan’andro ireo misionera vao tonga, nandritra ilay volana voalohany. Ny tapak’andro kosa no nianarany an’ilay fiteny, ny volana faharoa, ary ny tapak’andro nampiasany ny fahalalany teny am-pitoriana.

Hita anefa fa ny fampiasana ilay fiteny eny amin’ny fanompoana no tena nahaizana azy, ka nisy fanovana natao. Nanokana adiny efatra isan’andro ny misionera vaovao tsy nahay ny fiteny teo an-toerana, nandritra ny telo volana voalohany. Nomena mpampianatra nahay izy ireo, ka vao niandoha mihitsy ny fianarana, dia nitory tamin’ny olona teo an-toerana izy ireo, mba hampiharany izay nianarany.

Niara-niasa tsara ireo misionera mba hanatsarany ny fahaizany an’ilay fiteny. Niresaka teny vaovao vitsivitsy na 20 isan’andro mihitsy izy ireo, nandritra ny sakafo maraina, ary niezaka nampiasa ireo teny ireo, teny am-pitoriana.

Tena nila nahay ny fiteny teo an-toerana izy ireo, mba hatokisan’ny olona azy. Tsy matoky vahiny ny olona any amin’ny toerana sasany. Nanompo tany amin’ny tany afrikanina dimy i Hugh sy Carol Cormican, na tamin’izy ireo mpitovo, na efa nanambady. Fantatr’izy ireo tsara fa tsy mifampatoky ny Afrikanina sy ny Eoropeanina. Hoy anefa izy ireo: “Manala an’io eritreritra io avy hatrany ny fitenenana ny fiteny eo an-toerana. Tonga dia mihaino anay koa ny sasany tsy te hihaino ny mpiray tanindrazana aminy, sady mandray boky sy mianatra, satria niezaka niresaka taminy tamin’ny fiteniny izahay.” Nianatra fiteny dimy ankoatra ny anglisy ny Rahalahy Cormican mba hanaovana izany, ary nianatra fiteny enina ny Anabavy Cormican.

Mazava ho azy fa misy olana indraindray, amin’ny fianarana fiteny vaovao. Nilaza ny handefa hafatra ara-baiboly tamin’ny grafofaonina ny rahalahy iray tany Porto Rico. Nakatony ny grafofaonina ary lasa izy nandeha nankany amin’ny trano nanaraka, rehefa nilaza ilay olona hoe: “¡Como no!” Toy ny nidika hoe “Tsia” izany taminy, ary elaela vao takany hoe “Koa maninona moa!” no tena dikany. Tsy azon’ny misionera sasany koa indraindray, rehefa miteny ilay olona hoe tsy mahaliana azy ilay resaka, ka mbola notohiziny ihany ny fitoriany. Nandray soa tamin’izany ny olona tsara fanahy sasany.

Nampihomehy koa ny zava-nitranga indraindray. Nianaran’ny Rahalahy Leslie Franks, tany Singapour, fa tsy maintsy nitandrina izy mba tsy hiteny hoe voaniho (kelapa), nefa loha (kepala) no tiany horesahina, na tsy hiteny hoe bozaka (rumput), nefa volo (rambut) no tiany holazaina. Diso fanonona ny misionera iray tany Samoa, ka lasa hoe “Manao ahoana ny volom-bavanao?” (tsy nisy volom-bava ilay rangahy), no voateniny, nefa te hanontany ny fahasalaman’ny vadin’ilay rangahy izy. Tany Ekoatera indray, niainga tampoka ilay bisy ka lasa tafapetraka teo ambony fen’ny lehilahy iray ny Anabavy Zola Hoffman, izay nitsangana tao anatin’ilay bisy. Sanganehana izy, ka te hiala tsiny. Ny hoe “Con su permiso” (raha tsy mampaninona anao) indray no voateniny. Tsy taitra ilay lehilahy, fa namaly hoe: “Tsy maninona mihitsy, Madama.” Toran’ny hehy ny mpandeha rehetra.

Nisy vokany anefa ny fiezahan’ireo misionera teny amin’ny fanompoana. Tonga tany Japon tamin’ny 1950 i Lois Dyer, ary tsaroany izao torohevitry ny Rahalahy Knorr izao: “Miezaha mafy, ary manaova zavatra, na dia manao fahadisoana aza ianareo!” Niezaka izy sy ny maro hafa. Faly ireo misionera nahita fa vitsy kely ny mpitory tany Japon, nefa lasa 170 000 mahery tao anatin’ny 42 taona, sady tsy mitsaha-mitombo. Valisoa tsara izany, vokatry ny fianteherana tamin’i Jehovah sy ny fahavononana hianatra!

Fanokafana saha vaovao sy fanatsarana

Ny misioneran’i Gileada, tany amin’ny tany sy nosy maro, no nanomboka ny asa fitoriana, na nampandroso azy io bebe kokoa, raha kely ny fitoriana vita tao. Izy ireo no Vavolombelona voalohany nitory tany Somalia, Soudan, Laos, ary nosy maro eran-tany.

Efa nisy fitoriana natao tany Bolivia, Repoblika Dominikanina, Ekoatera, Salvadaoro, Honduras, Nikaragoà, Etiopia, Gambia, Liberia, Kambodja, Hong Kong, Japon, ary Vietnam. Tsy nisy Vavolombelona nanao tatitra anefa tany amin’izy ireny, rehefa tonga tany ny misionera voalohany. Nitety faritra azo nandehanana tao amin’ilay tany ireo misionera, ka ny tanàn-dehibe no nitoriany voalohany. Tsy nametraka boky fotsiny izy ireo dia niala, toy ny nataon’ny mpisava lalana fahiny. Notsidihiny indray ireo liana, nampianariny Baiboly, ary nampiofaniny tamin’ny fanompoana eny amin’ny saha.

Mpitory folo teo ho eo monja no tany amin’ny tany sasany (latsaka izany aza tany amin’ny tany maro), talohan’ny nahatongavan’ny misioneran’i Gileada. Anisan’ireny i Kolombia, Goatemalà, Haïti, Porto Rico, Venezoelà, Burundi, Côte d’Ivoire, Kenya, Maorisy, Sénégal, Afrika Atsimoandrefana (Namibia ankehitriny), Ceylan (Sri Lanka ankehitriny), Chine, Singapour, ary nosy maro. Fakan-tahaka ny zotom-pon’ireo misionera tamin’ny fanompoana. Nanampy ny Vavolombelona teo an-toerana mba hanatsara ny fahaizany izy ireo, nandamina fiangonana, ary nanampy rahalahy nahay mba hitarika. Matetika koa izy ireo no nanokatra ny fitoriana tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriana mihitsy.

Nanomboka nihamaro àry ny Vavolombelona. Misy Vavolombelona an’arivony izao any amin’ny ankamaroan’ireo tany ireo. An’aliny ny mpidera an’i Jehovah any amin’ny sasany, ary maherin’ny iray hetsy ny an’ny hafa.

Nisy vonona hihaino

Nahita olona maro vonona hihaino ny misionera tany amin’ny toerana sasany. Tonga tany amin’ny Nosy Vierges tamin’ny 1947 i Ted sy Doris Klein, misionera tamin’ny kilasy voalohan’i Gileada. Maro ny olona te hianatra Baiboly, ka efa misasakalina izy ireo matetika vao tafody. Nisy arivo no nanatrika ilay lahateny voalohany nataon’ny Rahalahy Klein tany amin’ny Kianjan’ny Tsena, tany Charlotte Amalie.

Nalefa tany amin’ny faritanin’ny foko amis tany Taïwan i Joseph McGrath sy Cyril Charles, tamin’ny 1949. Nipetraka tao amin’ny trano nitafo bozaka sy nisy gorodona naloto izy ireo. Ny hanampy olona anefa no anton-diany tany. Nahazo bokin’ny Fikambanana ny sasany tao amin’ilay foko, ary tiany ny zavatra novakiny. Nisy tamin’izy ireo niresaka ny vaovao tsara tamin’ny namany. Tonga teo mba hanampy azy ireo hihamatotra ara-panahy ireo misionera. Voalaza tamin’izy ireo fa nisy olona 600 liana tamin’ny fahamarinana. Olona 1 600 anefa no nanatrika ny fivoriana nataon’izy ireo, rehefa nitety tanàna izy. Vonona hianatra ireo olona nanetry tena ireo, nefa maro be ny zavatra tsy fantany. Nampianarin’ireo rahalahy tsikelikely izy ireo. Hevitra iray no resahina isaky ny mianatra, ka nandany adiny valo na mahery izy ireo matetika, mba hamaliana ny fanontaniana, isaky ny tanàna. Nampiofanina koa ireo 140 te hitory isan-trano. Tena nahafaly an’ireo misionera izany! Maro anefa ny zavatra tsy maintsy natao, mba hisian’ny fandrosoana ara-panahy tsara.

Tokony ho 12 taona tatỳ aoriana, dia notendrena mba hanampy an’ireo rahalahy anisan’ny foko amis i Harvey sy Kathleen Logan, misioneran’i Gileada efa nanompo tany Japon. Nandany fotoana be ny Rahalahy Logan mba hanazavana tamin’izy ireo ny foto-pampianarana sy ny toro lalan’ny Baiboly ary ny fomba fiasan’ny fandaminana. Niara-nanompo isan’andro tamin’ireo anabavy kosa ny Anabavy Logan, ary nampianatra fahamarinana fototra azy ireo, rehefa avy nanompo. Nisy fivoriambe avy eo, tamin’ny 1963, nalamin’ny Fikambanana mba hatrehin’ny solontena avy amin’ny tany 28 niaraka tamin’ireo Vavolombelona teo an-toerana. Natao tany Shou Feng izy io, niaraka tamin’ireo fivoriambe natao eran-tany. Izany rehetra izany no niteraka ny fitomboana tany.

Tonga tamin’ny 1948 tany Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny) i Harry Arnott sy Ian Fergusson, samy misionera. Efa nisy fiangonana 252 nampiasa ny fiteny teo an-toerana tany, tamin’io. Nojerena koa ny Eoropeanina nifindra tany mba hitrandraka varahina. Tena tsara ny vokatra. Maro ny boky voapetraka, ary nandroso haingana ireo nampianarina Baiboly. Nitombo 61 isan-jato ny Vavolombelona tany, tamin’io taona io.

Matetika no nanana olona maro ao anaty lisitra, niandry fampianarana Baiboly, ny misionera, tany amin’ny toerana maro. Nisy havana sy mpiara-monina na namana nanatrika ny fianarana, indraindray. Mbola tsy nianatra Baiboly akory ilay olona, dia angamba efa nanatrika fivoriana tsy tapaka tany amin’ny Efitrano Fanjakana.

Kely anefa ny vokatra tany amin’ny tany sasany, na dia niezaka mafy aza ny misionera. Nisy misionera nalefa tany Pakistan Atsinanana (Bangladesy ankehitriny) tamin’ny 1953. Silamo sy Hindoa ny ankamaroan’ny mponina any (mihoatra ny 115 000 000 ny isan’ny mponina, ary niezahana nampiana avokoa). Tsy nisy afa-tsy 42 anefa ny mpivavaka amin’i Jehovah tany, tamin’ny 1992. Koa heverin’ny misionera ho tena sarobidy àry ny olona tsirairay manaiky ny fivavahana marina, satria mahalana izy ireo vao mahita azy ireny.

Fanampiana an’ireo Vavolombelona hafa

Ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra no tena asan’ny misionera. Nanampy betsaka ny Vavolombelona teo an-toerana koa anefa izy ireo, teo am-panaovana izany. Niara-nanompo tamin’izy ireny ny misionera, ary nanome soso-kevitra mba hiatrehana toe-javatra sarotra. Nandinika an’ireo misionera ny Vavolombelona teo an-toerana, ary matetika no nianatra ny fomba hanaovany ny fanompoany amin’ny fomba voalamina kokoa, sy ny fomba hanatsarany ny fampianarany. Nampian’ny Vavolombelona teo an-toerana kosa ny misionera mba ho zatra ny fomban-tany.

Nandamina ny fitoriana isan-trano i John Cooke, rehefa tonga tany Portogaly, tamin’ny 1948. Vonona ireo Vavolombelona teo an-toerana, saingy maro no nila fampiofanana. Hoy izy, tatỳ aoriana: “Tsy hadinoko mihitsy ny fivoahako nitory voalohany niaraka tamin’ireo anabavy tany Almada. Enina izy no niara-nankao amin’ny trano iray. Azonao an-tsaina ny vehivavy enina mitsangana eo am-baravarana, ary ny iray aminy no mitory! Niova tsikelikely anefa izany, ary nisy ny fandrosoana.”

Ny herim-pon’ny misionera dia nanampy ny Vavolombelona tany amin’ny Nosy Sous-le-vent mba ho sahy, fa tsy hatahotra ny mpanohitra, izay te hampitsahatra ny asa. Nanampy an’ireo rahalahy tany Espaina mba hanomboka ny fitoriana isan-trano teo ambany fitondrana jadona katolika fasista ny finoan’ny misionera. Nanampy ny hafa hahay handanjalanja koa ny misionera tany Japon taorian’ny Ady Lehibe II: Rehefa tsy nanaiky hatao ho andriamanitra intsony ny emperora dia ny finoana ny Mpamorona, fa tsy izay tsy vitan’ny fivavahana, no nasongadin’izy ireo.

Nandinika an’ireo misionera ny Vavolombelona teo an-toerana, ary nisy vokany lehibe tsy tsapan’ny misionera akory izany. Maro any Trinité no mbola miresaka momba ireo misionera: Ny fanetren-tenany, ny fahavononany hiatrika zava-tsarotra, ary ny fanompoana mafy nataony ho an’i Jehovah, na dia nafana aza ny andro. Tena nahafaly ny Vavolombelona tany Korea ny fahafoizan-tenan’ny misionera, satria tsy niala tany mba hitsidika ny havany izy ireo, nandritra ny folo taona. Tsy hanome fahazoan-dalana hiverina mantsy ny fitondrana, raha tsy ho an’izay manao “asa soa” vonjy taitra ihany.

Nahita tsara ny fomba fiasan’ny foiben’ny fandaminan’i Jehovah ny ankamaroan’ny misionera, nandritra ilay sekoly natrehiny sy taoriany. Afaka nifanerasera tsara tamin’ny Filan-kevi-pitantanana izy ireo. Azony notantaraina tamin’ny Vavolombelona sy ny olona liana, tany amin’ny toerana nanendrena azy, ny fomba fiasan’ny fandaminana sy ny fankasitrahany izany. Antony lehibe niteraka ny fandrosoana matetika ny halalin’ny fankasitrahany ny fiasan’ny fandaminan’Andriamanitra.

Mbola tsy nisy fivorian’ny fiangonana tany amin’ny ankamaroan’ny toerana nandefasana misionera. Izy ireo àry no nandamina sy nitarika ny fivoriana ary nanao ny ankamaroan’ny anjara, mandra-pisin’ny olon-kafa nahafeno fepetra ho amin’izany. Nampiofana rahalahy hafa izy ireo, mba hahafenoan’izy ireny fepetra handray andraikitra. (2 Tim. 2:2) Ny tranon’ny misionera matetika no nanaovana fivoriana voalohany. Tatỳ aoriana vao nisy Efitrano Fanjakana nampiasaina.

Nanampy mba hahatonga ny fivoriana hahaliana sy hahitana fianarana kokoa ny misionera, tany amin’izay efa nisy fiangonana. Voaomana tsara ny valin-teniny, ka nankasitrahan’ny maro ary tsy ela dia notahafin’ny hafa. Nampiasa ny fampiofanana azony ireo rahalahy misionera, ka fakan-tahaka teo amin’ny fanaovana lahateny ho an’ny besinimaro sy ny fampianarana, sady faly nanampy an’ireo teo an-toerana mba hianatra izany. Tsy sarotiny ny olona any amin’ny tany sasany, sady tsy mieritreritra momba ny fotoana. Nanampy an’ireo rahalahy tamim-paharetana ny misionera mba hahatakatra fa zava-dehibe ny anombohana ny fivoriana ara-potoana. Nampirisihiny koa ny rehetra ho tonga ara-potoana.

Hitan’izy ireo tamin’ny toerana sasany, fa nilaina ny fanampiana mba hahatakaran’ny olona hoe zava-dehibe ny manaraka ny fitsipika marin’i Jehovah. Mbola nametaka kofehy kely na haba tamin’ny tanan-janany, ohatra, ny anabavy sasany tany Botswana, mba ho fiarovana azy ireo, satria tsy takany fa avy amin’ny finoanoam-poana sy fanaovana ody izany fanao izany. Nisy toe-javatra nampizarazara kosa tany Portogaly. Tsy maintsy nanam-paharetana sy nanampy tamim-pitiavana ireo misionera, ary hentitra rehefa nilaina, ka nihasalama ara-panahy kokoa ireo rahalahy.

Nandany fotoana sy niezaka hampiofana ny rahalahy teo an-toerana ny misionera nanana andraikitra tany Failandy, mba hahaizan’ireo rahalahy nijery ny zava-manahirana, araka ny toro lalan’ny Baiboly, sy handray fanapahan-kevitra nifanaraka tamin’ny eritreritr’Andriamanitra. Nampian’izy ireo koa ny rahalahy tany Arzantina mba hahatsapa ny hasarobidin’ny fandaharana, sy ny fomba fanoratana antontan-taratasy, ary ny maha zava-dehibe ny itahirizana azy ireny tsara. Nampian’ny misionera ny rahalahy mahatoky tany Alemaina, izay somary hentitra loatra tamin’ny ondrin’Andriamanitra (vokatry ny fiainany tany amin’ny toby fitanana), mba hanahaka akaiky kokoa ny fahalemem-panahin’i Jesosy Kristy.—Matio 11:28-30; Asa. 20:28.

Anisan’ny asan’ny misionera sasany ny miresaka amin’ny manam-pahefana, mamaly ny fanontanian’izy ireny, ary manao taratasy fangatahana ny fanekena ara-dalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandritra ny efa-taona latsaka, ohatra, ny Rahalahy Joly, voatendry tany Cameroun niaraka tamin’ny vadiny, no niezaka hahazo fanekena ara-dalàna. Niresaka matetika tamin’ny manam-pahefana frantsay sy afrikanina izy. Niova ny fitondrana, ka nekena ho ara-dalàna ihany ny asa, tamin’ny farany. Efa 27 taona niasana tany Cameroun ny Vavolombelona tamin’io, ary efa 6 000 mahery izy ireo.

Fiatrehana ny olana eo amin’ny fitetezam-paritany

Notendrena ho mpiandraikitra mpitety faritany ny misionera sasany. Nilaina manokana izany tany Aostralia, satria zavatra hafa no nokatsahin’ireo rahalahy nandritra ny Ady Lehibe II, fa tsy ilay Fanjakana. Voahitsy izany tatỳ aoriana, ka nantitranterina nandritra ny fitsidihan’ny Rahalahy Knorr tamin’ny 1947, fa zava-dehibe ny mametraka ny fitoriana momba ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany. Vao mainka nahatonga ny Vavolombelona tany hihevitra bebe kokoa ny raharaha ara-panahy ny zotom-po sy ohatra tsara ary fomba fampianatr’ireo misioneran’i Gileada, izay mpiandraikitra ny faritra na vondrom-paritra tany.

Nitaky ezaka be sady nety ho nampidi-doza izany fitetezam-paritany izany matetika. Hitsidika mpitory nitokana tany Volcán, any Bolivia, i Wallace Liverance, ka tsy maintsy nandeha an-tongotra 90 kilaometatra mandroso sy miverina, nefa tsy nisy na inona na inona ilay tany, sady nafana be ny andro, ary any amin’ny 3 400 metatra ambonin’ny ranomasina no haleha, miaraka amin’ny kitapo lamba fatoriana, sakafo sy rano ary boky. Nandeha taxi-brousse feno be i Neal Callaway matetika mba hitsidihana fiangonana tany Philippines. Tsy olona ihany no tao anatin’ilay fiara, fa biby sy vokatry ny tany koa. Nanomboka ny asa fitetezam-paritany tany Inde i Richard Cotterill, nefa nisy olona an’arivony novonoina noho ny fankahalana ara-pivavahana tamin’izany. Te hanakana azy ny mpanome tapakila tao amin’ny gara, rehefa hitsidika ny rahalahy tany amin’ny toerana nisy ady izy. Dia ratsy indrindra izy io ho an’ny ankamaroan’ny mpandeha, nefa tena tia an’ireo rahalahiny ny Rahalahy Cotterill, ka tsy nampaninona azy izay toerana nipetrahan’izy ireo sy ny fiteny nampiasainy. Natoky an’i Jehovah izy, sady nanao anakampo hoe: “Hiezaka ho any aho, raha sitrapon’i Jehovah.”—Jak. 4:15.

Fampirisihana mpitory hafa hanompo manontolo andro

Nazoto ny misionera, ka maro tamin’ireo nampianariny no lasa nanompo manontolo andro toa azy. Nisy mpisava lalana 75 956 tany Japon, tamin’ny 1992, izay nisy misionera 168; mpanompo manontolo andro ny 40 isan-jato maherin’ny mpitory any. Nitovy tamin’izany koa tany amin’ny Repoblikan’i Korea.

Mpanompo manontolo andro maro, tany amin’ny tany be Vavolombelona, no nasaina handray fampiofanana tany amin’ny Sekolin’i Gileada, sy nalefa hanompo tany an-tany hafa. Misionera maro no avy atỳ Etazonia sy Kanada; 400 avy any Grande-Bretagne; 240 mahery avy any Alemaina; 150 mahery avy any Aostralia; maherin’ny 100 avy any Soeda; ary maro be avy any Danemark, Failandy, Hawaii, Holandy, Nouvelle-Zélande, sy ny tany hafa. Afaka nandefa misionera ho any an-tany hafa koa tatỳ aoriana ny tany sasany nampian’ny misionera.

Fikarakarana ilay fandaminana mihamitombo

Nitombo ny fandaminana, ka nitombo koa ny andraikitry ny misionera. Maro be taminy no anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana teo anivon’ny fiangonana nampiany. Izy ireo no mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra voalohany, tany amin’ny tany maro. Nila nanangana biraon’ny sampana koa ny Fikambanana tatỳ aoriana, ka misionera maro no nampiandraiketina an’ireo sampana. Nanjary nahay tsara ny fiteny teo an-toerana ny misionera sasany, ka nasaina handika boky ara-baiboly.

Nahatsiaro ho novalian-tsoa anefa izy ireo, rehefa nanjary nahafeno fepetra hahazo andraikitra ireo nampiany hianatra ny Tenin’Andriamanitra, na rahalahy nampiany handroso ara-panahy. Faly àry ny mpivady tany Peroa, rehefa nisy tamin’ireo nampiany no lasa mpisava lalana manokana, manatanjaka fiangonana vaovao sy manokatra faritany vaovao. Anisan’ilay fianakaviana nampianarin’ny misionera tany Sri Lanka ny iray amin’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana any. Misionera maro no faly toy izany.

Niatrika fanoherana koa anefa izy ireo.

Niatrika fanoherana

Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy fa henjehina toa azy izy ireo. (Jaona 15:20) Avy any an-tany hafa matetika ny misionera, ka noroahina avy tao amin’ilay tany nanendrena azy izy, rehefa mafy ny fanenjehana.

Nosamborina tany Alep, any Syria, i Sona Haidostian sy ny ray aman-dreniny, tamin’ny 1967. Nogadraina nandritra ny dimy volana izy ireo, ary noroahina tanam-polo avy tao amin’ilay tany avy eo. Notendrena tany Madagasikara i Margarita Königer, avy any Alemaina, nefa noroahina avy tany sy tany an-tany hafa koa tatỳ aoriana, ka nifindra tany Kenya, Dahomey (Bénin), ary Haute-Volta (Burkina Faso). Noroahina tany Espaina i Domenick Piccone sy Elsa vadiny, tamin’ny 1957, noho izy nitory tany. Noroahina avy tany Portogaly koa izy tamin’ny 1962, ary avy tany Maroc tamin’ny 1969. Nisy vokatra tsara azo foana anefa, talohan’ny naharaisana ny didy fandroahana. Nitoriana ireo manam-pahefana. Vitan’izy ireo, ohatra, tany Maroc, ny nitory tamin’ny manam-pahefana tao amin’ny Sécurité Nationale, mpitsara tao amin’ny Fitsarana Tampony, lehiben’ny polisy tany Tanger, ary ny masoivohon’i Etazonia tany Tanger sy Rabat.

Tsy nifarana araka ny nantenain’ny manam-pahefana akory ny asan’ny Vavolombelona, na dia noroahina aza ny misionera. Nitombo matetika ireo voan’ny fahamarinana nafafy. Volana vitsivitsy monja, ohatra, no nitory tany Burundi ny misionera efatra, talohan’ny nandroahan’ny fitondrana azy, tamin’ny 1964. Nifanoratra foana tamin’olona iray liana anefa ny iray tamin’izy ireo, ary nilaza izy io fa olona 26 no niara-nianatra Baiboly taminy. Nitory koa ny Vavolombelona tanzanianina iray vao nifindra tany Burundi. Nihamaro tsikelikely izy ireo, ka lasa an-jatony ny mpitory.

Nampiasa herisetra aloha ny manam-pahefana, mba hanerena ny rehetra hanaiky izay nolazainy, talohan’ny nandroahany. Nosamborin’ny miaramila tany Gbarnga, any Liberia, ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy 400 nanatrika fivoriambe kristianina tany, tamin’ny 1963. Nampandehanin’ny miaramila an-tongotra ho any amin’ny tobiny izy ireo, nampitahoriny, nokapohiny, ary nasainy nanangana saina liberianina izy rehetra, na inona na inona fiaviany sy fivavahany. Anisan’ireo olona ireo i Milton Henschel, avy eto Etazonia sy ny misionera (anisan’izany i John Charuk, avy any Kanada). Nanaiky lembenana ny iray tamin’ireo misioneran’i Gileada, satria efa nanao izany izy teo aloha (na dia tsy nampahafantariny aza izany). Izany no nahatonga ny olon-kafa hanao toa azy koa. Niharihary hoe iza no tena matahotra an’Andriamanitra ary iza no voafandriky ny tahotra olona. (Ohab. 29:25) Namoaka didy nandroahana an’ireo misionera Vavolombelona ny fitondrana avy eo. Taorian’izay, tamin’io taona io ihany anefa, dia nisy didy navoakan’ny prezidà namela azy ireo hiverina.

Vokatry ny faneren’ny mpitondra fivavahana matetika ny zavatra ataon’ny manam-pahefana amin’ny misionera. Miafina izany fanerena izany indraindray, fa fanta-bahoaka kosa indraindray. Tsy hadinon’i George Koivisto mihitsy ny maraina voalohany nanompoany tany Medellín, any Kolombia. Nisy ankizy mpianatra be dia be niseho tampoka, nitora-bato sy tanimanga novolavolaina. Nampidirin’ilay olona nitoriany haingana tao an-tranony izy (mbola tsy nahita azy taloha mihitsy io olona io), ary nohidiany ny varavaran-kazo sady niala tsiny be noho ny nataon’ireo ankizy izy. Tonga ny polisy. Ary nisy nanome tsiny ny mpampianatra namela ny mpianatra hivoaka. Nisy niteny anefa hoe: “Tsy izany ange e! Ny pretra no nilaza tamin’ny fanamafisam-peo fa tokony havela hivoaka ny ankizy mba ‘hitora-bato an’ireo Protestanta.’ ”

Nilaina ny herim-po avy amin’Andriamanitra sy ny fitiavana ny ondry. Notendrena ho any amin’ny lohasahan’i Gastein, any Aotrisy, i Elfriede Löhr sy Ilse Unterdörfer. Boky ara-baiboly maro no napetraka tamin’olona tia fahamarinana, tao anatin’ny fotoana fohy. Niseho tamin’izay ny mpitondra fivavahana. Nampirisihiny ny mpianatra mba hiantsoantso an’ireo misionera teny an-dalana, ary hihazakazaka hialoha lalana azy mba hampirisika ny olona tsy hihaino. Natahotra ny olona. Nisy fianarana vitsivitsy natomboka anefa, rehefa naneho fitiavana sy fikirizana ireo misionera. Sahy nijoro teo anoloan’ilay trano nanaovana lahateny ny pretra, rehefa nandeha ny lahateny. Lasa anefa izy rehefa nivoaka mba hitsena ny olona teny an-dalana ireo misionera. Niantso polisy ilay pretra ary niverina mba handrava an’ilay fivoriana. Tsy nahomby anefa izy. Nisy fiangonana tsara niforona tany, tatỳ aoriana.

Tojo vahoaka mpirotaka notarihin’ny pretra i Unn Raunholm sy Julia Parsons matetika, tany akaikin’i Ibarra, any Ekoatera. Nitarika korontana foana ny pretra, isaky ny tonga tany San Antonio ireo anabavy misionera ireo. Koa lasa nankany Atuntaqui àry izy ireo. Indray andro anefa, dia nampirisihin’ny lehiben’ny polisy ny Anabavy Raunholm mba hiala haingana tao an-tanàna. “Mitarika olona hanohitra anareo ny pretra, nefa tsy ampy ny polisy hampiasaiko hiaro anareo”, hoy izy. Mbola tsaroan’ilay anabavy tsara izany, ka hoy izy: “Nanenjika anay ilay vahoaka! Nahofahofa teo alohan’izy ireo ny saina fotsy sy mavon’i Vatikana. Ary nihiaka teny faneva ilay pretra hoe: ‘Ho ela velona ny Eglizy Katolika!’ ‘Esory ny Protestanta!’ ‘Ho ela velona ny maha virjiny an’ilay Virjiny!’ ‘Ho ela velona ny konfesy!’ Namerina ny teny faneva tsirairay ny olona.” Tamin’izay indrindra no nisy roa lahy nanasa an’ireo Vavolombelona ho ao amin’ny Tranon’ny Mpiasa, mba hiarovana azy. Nitory tamin’olona te hahafanta-javatra tonga tao izy ireo, ka voapetrany daholo ny boky nentiny.

Sekoly ikarakarana zavatra ilaina manokana

Nitombo be tsy nisy toy izany ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah, nanomboka taorian’ny nandefasana ny misioneran’ny Sekolin’i Gileada. Vavolombelona 129 070 monja no tany amin’ny tany 54, rehefa nosokafana ilay sekoly tamin’ny 1943 (tany 103, araka ny fizarana ny sarintany tamin’ireo taona 1990). Nisy Vavolombelona 4 472 787 anefa tany amin’ny tany sy nosy 229, tamin’ny 1992. Niova ny zavatra nilain’ny fandaminana, arakaraka ny nisian’ny fitomboana. Nanjary niandraikitra Vavolombelona an’aliny izao ny biraon’ny sampana izay tsy nikarakara afa-tsy Vavolombelona zato latsaka sy fiangonana vitsy kely. Maro tamin’ireo sampana koa no tsy maintsy nanao pirinty ny bokiny, mba hampiasain’ny mpitory ny vaovao tsara.

Nila nokarakaraina izany, ka nisy sekoly naharitra folo volana nalamina, 18 taona taorian’ny nisokafan’ny Sekolin’i Gileada. Natao teto amin’ny foiben’ny Fikambanana izy io, ary nomanina indrindra ho an’ireo rahalahy nanana andraikitra navesatra tany amin’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana. Efa nanatrika ny Sekolin’i Gileada, naharitra dimy volana ny sasany taminy, fa ny hafa kosa tsy nanao izany. Afaka nandray soa tamin’ilay fampiofanana manokana anefa izy rehetra. Nampiray ny fandaminana ny firesahana ny fomba fikarakarana raharaha samihafa, sy ny zavatra ilain’ny fandaminana, araka ny toro lalan’ny Baiboly. Anisan’ny fianaran’izy ireo ny famakafakana ny Baiboly isan’andininy. Nodinihiny koa ny tantaran’ny fivavahana, ny fomba fiandraiketana biraon’ny sampana sy Betela ary fanontam-pirinty, toromarika momba ny fiandraiketana ny fanompoana eny amin’ny saha, fandaminana fiangonana vaovao, ary fanokafana faritany vaovao. Natao teto amin’ny foibe teto Brooklyn, New York, io sekoly io (anisan’izany ilay farany, nahena ho valo volana), tamin’ny 1961-1965. Naverina tany amin’ny tany nanompoany ny maro tamin’ireo nahazo diplaoma; ny sasany kosa tany an-tany hafa, ka afaka nandray anjara tsara kokoa tamin’ilay asa.

Nisy fandaharana vaovao nanomboka tamin’ny 1 Febroary 1976, mahakasika ny asan’ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana, mba hiatrehana ny fitomboana antenaina, araka ny faminanian’ny Baiboly. (Isaia 60:8, 22) Tsy mpiandraikitra ny sampana iray sy ny mpanampy azy intsony no niandraikitra ny sampana tsirairay, fa manendry rahalahy mahay telo na mihoatra ny Filan-kevi-pitantanana, mba ho anisan’ny Komitin’ny Sampana. Mety hisy hatramin’ny fito ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana, any amin’ny sampana lehibe. Nomanina mba hampiofanana an’ireo rahalahy ireo ny sekolin’i Gileada manokana, natao teto Brooklyn, nandritra ny dimy herinandro. Kilasy 14, nisy Komitin’ny Sampana avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao, no nampiofanina manokana tamin’ilay sekoly teto amin’ny foibe, tamin’ny 1977-1980. Fotoana tsara nampitovina sy nanatsarana ny fomba fiasa izany.

Mbola ampiofanina amin’ny Sekolin’i Gileada foana ny mpanompo manontolo andro za-draharaha sy vonona ary afaka ho any ivelany. Maro anefa no azo nampiasaina. Nohafainganina ilay fiofanana, ka natao tany amin’ny tany hafa koa, ho fanitarana ny Sekolin’i Gileada, mba tsy ho voatery hianatra teny anglisy ireo mpianatra afaka manatrika azy io. Nampiofana mpianatra miteny espaniola ny Sekoly Ara-kolontsain’i Gileada any Meksika, tamin’ny 1980-1981, satria nilaina maika tany Amerika Afovoany sy Atsimo ny mpiasa mahay. Natao tany Alemaina tamin’ny 1981-1982, 1984, ary 1992 koa ny Sekoly Fanitarana An’i Gileada. Nalefa tany Afrika, Eoropa Atsinanana, Amerika Atsimo, ary nosy maro, ireo nahazo diplaoma tamin’izany. Nisy kilasy hafa notarihiny tany Inde, tamin’ny 1983.

Nihamaro haingana ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa niaraka tamin’ny misionera teo amin’ny fitoriana momba ilay Fanjakana ny Vavolombelona teo an-toerana. Maro àry ny fiangonana niforona. Nitombo 27 isan-jato ny fiangonana eran-tany tamin’ny 1980-1987, ka 54 911 ny tontaliny. Vaovao anefa ny ankamaroan’ny rahalahy tany amin’ny toerana sasany, na maro aza no nanatrika fivoriana sy nanao fanompoana. Nilaina maika ny lehilahy kristianina mba ho mpiandry sy mpampianatra, ary hitarika ny asa fitoriana. Natomboky ny Filan-kevi-pitantanana tamin’ny 1987 àry ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, anisan’ny fanitarana ny fampianarana Baiboly ao amin’ny Sekolin’i Gileada. Maharitra roa volana ilay fianarana, ka dinihina lalina amin’izany ny Baiboly, ary heverina akaiky ny fandrosoana ara-panahin’ny mpianatra tsirairay. Dinihina ny raharaha ara-pitsarana sy momba ny fandaminana, ny andraikitry ny anti-panahy sy mpanampy amin’ny fanompoana. Ampiofanina manokana momba ny fanaovana lahateny koa ny mpianatra. Tsy manelingelina ny kilasy fampiofanana misionera izy io, satria atao any amin’ny trano hafa, sy any amin’ny tany samihafa. Tena ilaina any amin’ny tany maro ireo nahazo diplaoma tamin’izy io.

Naharaka ny zavatra nilain’ilay fandaminana nitombo haingana àry ny fampiofanana be omena amin’ny alalan’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana.

“Inty aho, iraho aho”

Toy ny an’i Isaia mpaminany ny toe-tsain’ny misionera. Izao no navaliny, rehefa noresahin’i Jehovah taminy ny fanompoana manokana iray: “Inty aho, iraho aho.” (Isaia 6:8) Io fahavononana io no nanosika tanora lahy sy vavy an’arivony handao ny toerana nahazatra azy sy ny havany, mba hanompo ka amin’izay dia hatao any an-toeran-kafa koa ny sitrapon’Andriamanitra.

Nanova ny fiainan’ny misionera maro ny raharaha ara-pianakaviana. Maro tamin’ireo nanjary nanan-janaka no afaka nijanona tany amin’ny tany nanendrena azy, ka nanao asa fivelomana sy niara-niasa tamin’ny fiangonana. Nisy kosa voatery niverina an-tanindrazana mba hikarakara ny ray aman-dreny zokiolona, na noho ny antony hafa, rehefa avy nanompo nandritra ny taona maro. Raisin’izy ireo ho tombontsoa anefa ny nanompo tamin’ny naha misionera.

Afaka nanao ny fanompoan’ny misionera nandritra ny fiainany kosa ny sasany. Tsy maintsy niaritra tao anatin’ny toe-javatra sarotra maro izy ireo tamin’izany. Hoy i Olaf Olson, misionera naharitra tany Kolombia: “Ny taona voalohany no mafy indrindra.” Ny tsy fahaizany an’ilay fiteny vaovao no tena anton’izany. Hoy koa izy: “Tsy ho faly mihitsy aho, raha nieritreritra ny hody. Tapa-kevitra ny hampifantoka ny tenako sy ny saiko eto Kolombia anefa aho, sady hinamana amin’ireo rahalahy sy anabavy eto, ary hameno ny fiainako amin’ny fanompoana. Tsy ela aho dia tamana.”

Tsy voatery ho tsara foana ny zavatra nanodidina an’ireo niaritra tany amin’ny toerana nanendrena azy. Nanompo tany Birmania (Myanmar ankehitriny), sy tany Inde (nanomboka tamin’ny 1947, mandra-pahafatiny tamin’ny 1986) i Norman Barber. Hoy izy: “Mitovy daholo ny toerana rehetra, rehefa faly ampiasain’i Jehovah ny olona iray. ... Tsoriko aloha fa tsy tena tiako ny toe-tany mafana sady mando, ary ny fiaimpiainan’ireo mponina. Misy zava-dehibe kokoa noho izany anefa tokony hoheverina. Tombontsoa tsy hay lazaina ny manampy olona te hihavana amin’Andriamanitra.”

Maro no mitovy hevitra aminy. Io fahafoizan-tena io no tena manatanteraka ny faminanian’i Jesosy hoe hotorina amin’ny tany onenana ny vaovao tsara, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, alohan’ny hahatongavan’ny farany.—Matio 24:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Febroary 1943, p. 60-64.

[Teny notsongaina, pejy 523]

Nantitranterina fa zava-dehibe ny miantehitra tanteraka amin’i Jehovah sy tsy mivadika aminy

[Teny notsongaina, pejy 534]

Nanampy ny fihomehezana rehefa diso fiteny!

[Teny notsongaina, pejy 539]

Tsy maintsy nanam-paharetana sy nanampy tamim-pitiavana, ary hentitra rehefa nilaina

[Teny notsongaina, pejy 546]

“Tombontsoa tsy hay lazaina ny manampy olona te hihavana amin’Andriamanitra”

[Efajoro, pejy 533]

Kilasin’i Gileada

1943-1960: Tany South Lansing, New York. Kilasy 35, mpianatra 3 639 avy amin’ny tany 95 no nahazo diplaoma tao; lasa misionera ny ankamaroany. Nampianarina tamin’ireo koa ny mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra nanompo teto Etazonia.

1961-1965: Teto Brooklyn, New York. Kilasy 5; mpianatra 514 nahazo diplaoma sy nalefa tany amin’ny tany nanana sampan’ny Fikambanana; nomena andraikitra tamin’ny fitantanana ny ankamaroany. Naharitra folo volana ny efatra tamin’ireo, ary valo volana ny iray.

1965-1988: Teto Brooklyn, New York. Kilasy 45, naharitra dimy volana; mpianatra 2 198; misionera izao ny ankamaroany.

1977-1980: Teto Brooklyn, New York. Sekolin’i Gileada, naharitra dimy herinandro, ho an’ny Komitin’ny Sampana. Efa nisy kilasy 14 vita.

1980-1981: Sekoly Ara-kolontsain’i Gileada any Meksika; naharitra 10 herinandro; nisy kilasy telo; vonona hanompo tany Amerika Latinina ireo 72 nahazo diplaoma, izay niteny espaniola.

1981-1982, 1984, 1992: Sekoly Fanitarana An’i Gileada, tany Alemaina; naharitra folo herinandro; kilasy efatra; mpianatra 98 miteny alemà avy any Eoropa.

1983-1984: Tany Inde; naharitra 10 herinandro, natao tamin’ny teny anglisy; nozaraina 2; mpianatra 46.

1987- : Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, maharitra valo herinandro, atao amin’ny toerana nofidina eran-tany. Nanompo tany amin’ny tany 35 mahery ireo nahazo diplaoma, hatramin’ny 1992.

1988- : Tany Wallkill, New York. Atao ao izao ny sekoly maharitra dimy volana, fampiofanana misionera. Heverina ny hamindrana azy io any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, New York.

[Efajoro, pejy 538]

Mpianatra avy any Amin’ny Firenena Maro

Avy any amin’ny tany 110 mahery ny mpianatra tao amin’ny Sekolin’i Gileada, izay avy amin’ny firenena maro.

Ny kilasy fahenina (1945-1946) no voalohany nisy mpianatra avy any amin’ny tany samihafa.

Nangatahina tamin’ny fitondrana amerikanina ny hanome taratasin’ny mpianatra tsy mifindra monina, ho an’ireo mpianatra ao amin’ilay sekoly. Namaly izany ny Biraon’ny Fampianarana Amerikanina, ka nilaza fa manome fampianarana mitovy lenta amin’ny sekoly lehibe mampiofana mpiasa ny Sekolin’i Gileada. Anisan’ny sekoly eken’ny masoivoho amerikanina eran-tany àry ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1953. Niseho tao amin’ilay boky hoe “Sekoly Neken’ny Minisitry ny Fitsarana” kosa io sekoly io nanomboka ny 30 Aprily 1954.

[Sary, pejy 522]

Mpianatra tao amin’ny kilasy voalohany tamin’ny Sekolin’i Gileada

[Sary, pejy 524]

Albert Schroeder, miresaka amin’ny mpianatra ny zavatra nampiavaka ny tranolay

[Sary, pejy 525]

Maxwell Friend, manao lahateny ao amin’ilay sekoly

[Sary, pejy 526]

Zavatra mahafinaritra ny fizarana diplaoman’i Gileada

... any amin’ny fivoriambe lehibe (New York, 1950)

... any amin’ny fonenan’ny mpianatr’ilay sekoly (manao lahateny eo anoloan’ny fitahirizam-bokin’ilay sekoly i N. Knorr eto, 1956)

[Sary, pejy 527]

Fonenan’ny mpianatry ny Sekolin’i Gileada, any South Lansing, New York, tamin’ireo taona 1950

[Sary, pejy 528]

Hermon Woodard (ankavia) sy John Errichetti (ankavanana), manompo any Alaska

[Sary, pejy 529]

John Cutforth mampiasa zavatra hita maso hampianarana olona any Papouasie-Nouvelle-Guinée

[Sary, pejy 530]

Misionera any Irlandy, miaraka amin’ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra, 1950

[Sary, pejy 530]

Misionera ho any amin’ny tany nanendrena azy any Azia, 1947

[Sary, pejy 530]

Misionera sy mpiara-miasa vitsivitsy tany Japon, 1969

[Sary, pejy 530]

Misionera tany Brezila, 1956

... Orogoay, 1954

... Italia, 1950

[Sary, pejy 530]

Misioneran’i Gileada efatra voalohany nalefa tany Jamaika

[Sary, pejy 530]

Tranon’ny misionera voalohany tany Salisbury (Harare, any Zimbabwe ankehitriny), 1950

[Sary, pejy 530]

Malcolm Vigo (Gileada, 1956-1957) sy Linda Louise vadiny; niara-nanompo tany Malawi sy Kenya ary Nizeria

[Sary, pejy 530]

Robert Tracy (ankavia) sy Jesse Cantwell (ankavanana) sy ny vadiny avy: misionera nitety faritany tany Kolombia, 1960

[Sary, pejy 532]

Fianarana fiteny, ao an-tranon’ny misionera, any Côte d’Ivoire

[Sary, pejy 535]

Ted sy Doris Klein, nahita olona maro vonona hihaino ny fahamarinana, tany amin’ny Nosy Vierges amerikanina, 1947

[Sary, pejy 536]

Harvey Logan (aloha afovoany) sy Vavolombelona avy amin’ny foko amis, eo anoloan’ny Efitrano Fanjakana, 1960 tany ho any

[Sary, pejy 540]

Victor White, misioneran’i Gileada, mpiandraikitra ny vondrom-paritra, manao lahateny any Philippines, 1949

[Sary, pejy 542]

Margarita Königer, mitarika fampianarana Baiboly any Burkina Faso

[Sary, pejy 543]

Unn Raunholm, misionera nanomboka tamin’ny 1958, tsy maintsy niatrika mpirotaka notarihin’ny pretra, tany Ekoatera

[Sary, pejy 545]

Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana

Kilasy voalohany, Coraopolis, Etazonia, 1987 (ambony)

Kilasy fahatelo tany Manchester, Grande-Bretagne, 1991 (ankavanana)