Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Noho ny Herin’olombelona sa Noho ny Fanahin’Andriamanitra?

Noho ny Herin’olombelona sa Noho ny Fanahin’Andriamanitra?

Toko 24

Noho ny Herin’olombelona sa Noho ny Fanahin’Andriamanitra?

TOA tsy ho vita ilay asa nasain’i Jesosy Kristy nataon’ny mpianany. Vitsy izy ireo, nefa tsy maintsy hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany. (Matio 24:14; Asa. 1:8) Tsy vitan’ny hoe tena lehibe ilay asa, fa mbola ho be koa ny fanenjehana, satria efa nolazain’i Jesosy mazava tamin’ny mpianany, fa hankahala sy hanenjika azy ireo ny firenena rehetra.—Matio 24:9; Jaona 15:19, 20.

Niezaka mafy nanatanteraka ilay asa nolazain’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah, na teo aza ny fanenjehana eran-tany. Niavaka tokoa ny fitoriana efa vitan’izy ireo. Ahoana anefa no nahavitana izany? Noho ny herin’olombelona na ny fahaizany ve? Sa noho ny asan’ny fanahin’Andriamanitra?

Resahin’ny Baiboly ny famerenana ny fivavahana marina tany Jerosalema, tamin’ny taonjato fahenina T.K. Ianarantsika avy amin’io fa tsy azo odian-tsy hita ny anjara asan’Andriamanitra eo amin’ny fanatanterahana ny sitrapony. Mety hitady fanazavana hafa ny manam-pahaizana sasany. Nohazavain’Andriamanitra toy izao, tamin’ny alalan’i Zakaria mpaminany anefa, ny fomba hanatanterahana ny sitrapony: “Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro.” (Zak. 4:6) Lazain’ny Vavolombelon’i Jehovah mivantana fa noho ny asan’ny fanahin’i Jehovah no ahavitana ny fitoriana ilay Fanjakana, fa tsy noho ny fampiasana hery ara-tafika, na ny fanampian’ny olona ambony sasany. Manaporofo izany ve ny zava-misy?

‘Tsy maro no hendry araka ny nofo’

Niaiky toy izao ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Gresy fahiny: “Hitanareo ny fiantsoany anareo, ry rahalahy, fa tsy maro aminareo no hendry araka ny nofo, tsy maro no mahery, ary tsy maro no avo razana. Fa Andriamanitra nifidy ny zavatra adala amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny hendry. Ary Andriamanitra nifidy ny zavatra malemy amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny zavatra mahery. Ary Andriamanitra nifidy ny zavatra ambany amin’izao tontolo izao sy ny zavatra hamavoina sy ny tsy misy, mba hanafoanany izay misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo imason’Andriamanitra.”—1 Kor. 1:26-29.

Mpiasa madinika ireo apostolin’i Jesosy. Mpanarato ny efatra taminy. Mpamory hetra ny iray, ary tsy tian’ny Jiosy ny asan’izy ireny. Noheverin’ny mpitondra fivavahana jiosy ho ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ ny apostoly, ka midika izany fa tsy tany amin’ny sekoly ambony izy ireo no nianatra. (Asa. 4:13) Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy olona nahita fianarana lasa Kristianina. Mpianatr’i Gamaliela, anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, ny apostoly Paoly. (Asa. 22:3) “Tsy maro” anefa ny toy izany, araka ny Soratra Masina.

Porofoin’ny tantara fa nesoin’i Celse, filozofa romanina tamin’ny taonjato faharoa, ireo nazoto nitory ny Filazantsara, satria “mpiasa, mpanao kiraro, mpamboly sy mpiompy, ny olona tsy mahay sy tsotra indrindra ny ankamaroan’izy ireo.” (Tantaran’ny Fivavahana Kristianina sy ny Fiangonana Nandritra Ireo Taonjato Telo Voalohany, nosoratan’i Augustus Neander) Inona no nanatanjaka ny Kristianina, mba hitoriany hatrany ny vaovao tsara, na dia naneso sy nanenjika azy tamin-kabibiana aza ny Fanjakana Romanina? Ny fanahy masin’Andriamanitra, araka ny nolazain’i Jesosy.—Asa. 1:8.

Alam-baraka koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, satria olon-tsotra ny ankamaroany, fa tsy olona ambony eo amin’izao tontolo izao. Mpanao kiraro ny iray tamin’ireo mpanompon’i Jehovah nitondra ny vaovao tsara tany Danemark. Mpanao zaridaina no nitory voalohany tany Soisa sy Frantsa. Mpiasa mpifindrafindra monina kosa no nitondra ilay hafatra tany amin’ny tany afrikanina maro. Tantsambo ny mpitory sasany tany Brezila. Mpitrandraka arintany ny Vavolombelona poloney maro tany avaratr’i Frantsa.

Nanohina ny fon’izy ireo izay nianarany tao amin’ny Baiboly sy ny bokin’ny Fikambanana, ka niriny ny hankatò an’i Jehovah ho porofon’ny fitiavany azy. Lasa àry izy ireo nanao ilay asa nasain’ny Tenin’Andriamanitra hataon’ny Kristianina marina. Olona an-tapitrisany avy amin’ny sarangan’olona rehetra no manao io asa io. Mpitory avokoa izy ireo.

Mpitory avokoa ny Vavolombelona rehetra, ary tsy misy fivavahana hafa manao izany. Mamaly ny fanontaniana ara-baiboly apetraky ny olona izy ireo, ary mampirisika azy hino ny Tenin’Andriamanitra. Eken’ny fivavahana hafa fa izany no tokony hataon’ny Kristianina. Nisy nampirisika ny mpivavaka ao aminy mba hanao izany. Ny Vavolombelon’i Jehovah ihany anefa no mitory tsy tapaka. Iza no manome azy ireo toromarika, torohevitra, fanampiana amim-pitiavana ary fampanantenana, amin’io asa ialan’ny sasany io? Ianao mihitsy no manontania azy ireo. Hamaly foana izy ireo hoe “i Jehovah”, na aiza na aiza firenena misy azy. Iza àry no tokony homem-boninahitra?

Anjara asan’ny anjelin’Andriamanitra, efa nambara mialoha

Nanazava momba ny zavatra hitranga amin’ny faran’ity tontolo ity i Jesosy, ka nasehony fa tsy ny mpanara-dia azy eto an-tany ihany no hanangona ny olona tia fahamarinana. Ao amin’ny Matio toko faha-13, rehefa niresaka momba ny fanangonana ny farany amin’ireo hiara-manjaka aminy any an-danitra, i Jesosy, dia nilaza hoe: “Ny mpijinja dia anjely.” Ary avy aiza no hanangonany ireny “zanak’ilay fanjakana” ireny? “Ny tanimbary dia izao tontolo izao”, hoy i Jesosy. Avy any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany àry no hanangonana azy ireny. Tena nitranga ve izany?—Matio 13:24-30, 36-43.

Izany tokoa! An’arivony vitsivitsy monja ny Mpianatra ny Baiboly, teo am-piandohan’ny andro farany, tamin’ny 1914, nefa niely haingana maneran-tany ny fitoriana nataon’izy ireo. Nisy olona avy tany Azia, Eoropa, Afrika, Amerika, ary ireo nosy maro, vonona hanao zavatra ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nangonina ho eo anivon’ny fandaminana iray.

Nitoriana momba ilay Fanjakana, ohatra, i Bert Horton, tany Aostralia Andrefana. Tsy nahaliana azy ny fivavahana fantany, ary niditra tamin’ny antoko politika sy sendikà izy. Nomen-dreniny ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra anefa izy, ary nanomboka namaky azy io niaraka tamin’ny Baiboly, ka fantany fa io no fahamarinana. Noresahiny tamin’ny mpiara-miasa taminy avy hatrany izany. Faly izy niaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, rehefa hitany ny nisy azy ireo. Natao batisa izy, tamin’ny 1922, nanomboka ny fanompoana manontolo andro, ary nangataka hanompo tany amin’izay handefasan’ny fandaminan’i Jehovah azy.

Nandeha nitory tany Afrika kosa, tamin’ny 1923, i W. Brown, izay efa nitory tany amin’ireo nosin’i Karaiba. Niara-niasa tamin’ny fandaminan’i Jehovah koa izy, fa tsy nitory tany amin’izay tiany haleha fotsiny. Nangataka hanompo tany amin’izay nilana azy izy, ary nanaiky ho any Afrika Andrefana, araka ny toromariky ny foibe. Nanjary takatry ny olona nampiany koa fa zava-dehibe ny miara-miasa akaiky amin’ny fandaminan’i Jehovah.

Tonga tany Amerika Atsimo koa ny fitoriana ilay Fanjakana. Efa ela no fantatr’i Hermán Seegelken tany Mendoza, any Arzantina, ny fihatsarambelatsihin’ny Katolika sy ny Protestanta. Nahita ny fahamarinana anefa izy tamin’ny 1929, ary faly nanaiky izany haingana, sy nitory tamin’olon-kafa, toy ny ataon’ny mpanompon’i Jehovah eran-tany. Maro ny zava-nitranga toy izany eran-tany. Tsy vitan’ny hoe nihaino ny olona avy tamin’ny “foko sy fiteny sy vahoaka ary firenena rehetra”, fa nanolo-tena hanompo an’Andriamanitra koa, na dia miparitaka any amin’ny tany maro sy manana fomba fiaina samihafa aza. Tafaray ao anatin’ny fandaminana iray izy ireo, mba hanao ilay asa nolazain’i Jesosy fa hatao ankehitriny. (Apok. 5:9, 10) Inona no nahatonga izany?

Milaza ny Baiboly fa hanana anjara lehibe amin’izany ny anjely. Hanakoako eran-tany àry ny fitoriana ilay Fanjakana, sahala amin’ny feon’ny trompetra avy any an-danitra. Tonga tany amin’ny tany 149 tokoa izy io tamin’ny 1935: tany avaratra, atsimo, atsinanana sy andrefana, eny hatramin’ny faran’ny tany.

Ny “ondry vitsy” no voalohany tena nankasitraka ny Fanjakan’Andriamanitra, sady vonona ny hampiroborobo azy io. Efa nilaza momba izany ny Baiboly. Misy “vahoaka be” an-tapitrisany, izay mitombo haingana koa izao, lasa miaraka amin’izy ireo. Efa voalazan’ny Tenin’Andriamanitra koa izany. (Lioka 12:32; Jaona 10:16; Apok. 7:9, 10) Tsy voazarazaran’ny toe-tsaina sy filozofia isan-karazany, toy ny any amin’ny fivavahana hafa izy ireo. Tsy hoe sady mba miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah no mitoky amin’olombelona. Andriamanitra foana no eken’izy ireo ho mpitondra azy, na mety hamoizany ny ainy aza izany. Milaza mazava ny Baiboly fa hatao eo ambany fitarihan’ny anjely ny fanangonana olona ‘matahotra an’Andriamanitra sy manome voninahitra azy.’ (Apok. 14:6, 7) Mino tanteraka ny Vavolombelona fa izany tokoa no mitranga ankehitriny.

Matetika no hitan’izy ireo miharihary fa mitari-dalana azy ny anjely rehefa mitory izy. Efa hamarana ny fitoriany, ohatra, indray alahady ny Vavolombelona vitsivitsy tany Rio de Janeiro, any Brezila, rehefa nilaza ny iray tamin’izy ireo hoe: “Mbola te hanohy kely aho. Ohatra ny te handeha ho atsy amin’itsy trano itsy aho.” Nilaza ilay nitarika an’ireo Vavolombelona hoe aleo andro hafa no hatao ilay izy, nefa nisisika ihany ilay mpitory. Nankao ilay Vavolombelona, ka vehivavy nitomany no hitany tao. Nilaza io vehivavy io fa vao avy nivavaka izy mba hahazo fanampiana. Efa niresahan’ny Vavolombelona izy teo aloha, nefa tsy liana tamin’ny hafatra ara-baiboly. Maty tampoka anefa ny vadiny, ka nanjary nitady an’Andriamanitra izy. Nitady Efitrano Fanjakana izy, nefa tsy nahita. Nivavaka mafy izy, ka nisy olona tonga tokoa mba hanampy azy. Natao batisa izy, tsy ela taorian’izay. Nino izy fa nandre ny vavaka nataony Andriamanitra, ary namaly azy.—Sal. 65:2.

Fahazaran’ny anabavy alemà iray teto New York ny nangataka ny fitarihan’Andriamanitra, talohan’ny nandehanany nanompo. Nitady vehivavy liana iray teny an-dalana izy, nandritra ny herinandro maromaro, satria tsy hitany ny tranon’ilay vehivavy. Nivavaka toy izao àry izy, talohan’ny nanompoany indray andro, tamin’ny 1987: “Fantatrao Jehovah ny misy azy. Ampio aho mba hahita azy.” Hitany nipetraka tao amin’ny hotely fisakafoana iray ilay vehivavy, minitra vitsy taorian’io.

Kisendrasendra ve izany? Milaza ny Baiboly fa “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” ny Kristianina, ary nirahiny ny anjely mba “hikarakara an’ireo handova famonjena.” (1 Kor. 3:9; Heb. 1:14) Notantarain’ilay Vavolombelona tamin’ilay vehivavy ny fomba nahitany azy, ka nanaiky ny hiresaka momba ny Baiboly avy hatrany izy.

Fitoriana ny vaovao tsara any amin’ny ‘faritany sarotra idirana’

Niezaka foana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitory ny vaovao tsara tany amin’ny tany rehetra. Tsy ny ezaka nataon’izy ireo ihany anefa no nahavitana izany. Tsy nahitam-bokatra ny ezaka mafy nataon’izy ireo mba hitoriana tany amin’ny toerana sasany. Tonga hatrany koa anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana.

Matetika, ohatra, tamin’ireo taona 1920 sy 1930 no nisy fangatahana natao tamin’ny manam-pahefana tany amin’ny Firaisana Sovietika taloha, mba hahazoan-dalana handefa boky na hanao pirinty tany. Tsy neken’ny fitondrana izany tamin’izany. Vitsy ny Vavolombelona tany amin’ny Firaisana Sovietika, nefa nila fanampiana bebe kokoa izy ireo mba hanao ilay fitoriana nolazain’ny Tenin’Andriamanitra fa tsy maintsy atao. Ahoana no hanampiana azy ireo?

Nahagaga fa lasa anisan’ny Firaisana Sovietika ny toerana tany Polonina atsinanana, nonenan’ny Vavolombelona arivo mahery sy olona maro hafa, taorian’ny Ady Lehibe II. Tovovavy rosianina an-jatony koa no nifankahalala tamin’ny Vavolombelona tao amin’ny toby fitanan’i Ravensbrück. Nanolo-tena ho an’i Jehovah ny sasany taminy tamin’izay, ary niverina tany amin’ny Firaisana Sovietika, tatỳ aoriana. An-jatony hafa koa no nanjary mponin’ny Firaisana Sovietika, rehefa novana ny sisin-tany, nandritra ny ady. Tsy nanampo an’izany ny mpitondra sovietika. Tsy ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no nandamina izany. Tanteraka tamin’izany anefa izay efa nolazain’ny Tenin’Andriamanitra. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana, mahakasika ireny fisehoan-javatra ireny: “Hita tamin’izany àry ny famindram-pon’ny Tompo, satria afaka manangana Vavolombelona any amin’ny tany rehetra izy, mba hampiharihary ny fahamarinana sy hampahafantatra ny anaran’i Jehovah.”—1 Febroary 1946.

Tsy firenena iray monja no nilaza tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe: ‘Tsy mahazo mankatỳ ianareo!’, na ‘Tsy mahazo mitory atỳ ianareo.’ Hita eran-tany izany, tany amin’ny firenena maro, ary matetika no vokatry ny faneren’ny mpitondra fivavahana ny mpitondra. Nanaiky ny Vavolombelon’i Jehovah ho ara-dalàna ny sasany tamin’ireny tany ireny tatỳ aoriana. Olona an’arivony anefa, na talohan’izany aza, no nanjary nivavaka tamin’i Jehovah, ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany. Ahoana no nahavitana izany?

Tsotra ny fanazavan’ny Baiboly izany, dia ny hoe mandray anjara betsaka amin’ny filazana amin’ny firenena rehetra an’ity hafatra ity ny anjely: “Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.”—Apok. 14:6, 7.

Nahomby, na be aza ny fanoherana

Tsy vitan’ny hoe mandrara ny fanompoana ampahibemaso ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah fotsiny ny tany sasany, fa miezaka hanafoana azy ireo tanteraka mihitsy.

Niezaka mafy ny mpitondra fivavahana teto Etazonia sy Kanada, nandritra ny Ady Lehibe I, mba hampitsahatra ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly (Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny). Fantatry ny rehetra izany. Milaza ny lalàna fa misy ny fahalalahana haneho hevitra sy ny fahalalahana ara-pivavahana, nefa noteren’ny mpitondra fivavahana ny manam-pahefana mba handrara ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly. Maro no nosamborina sy nogadraina, nefa tsy navela handoa onitra hahafahany; maro koa no nokapohina mafy. Nohelohina higadra ela be ny tompon’andraikitry ny Fikambanana, nefa hita tatỳ aoriana, fa tsy nety ny fomba fitsarana azy ireo. Hoy i Ray Abrams, ao amin’ny bokiny Mandray Fiadiana ny Mpitory Teny: “Hita, rehefa nodinihina ny zava-drehetra, fa ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana no nitarika ny fanafoanana ny Russellistes”, araka ny anarana manambany niantsoan’ny mpitondra fivavahana ny Mpianatra ny Baiboly. Natanjaka kokoa anefa ireo Mpianatra ny Baiboly ireo, taorian’ny ady, ka nanambara an’i Jesosy Kristy, Mpanjaka nofidin’i Jehovah, sy ny Fanjakany. Avy aiza io hery vaovao io? Efa nolazain’ny Baiboly fa vokatry ny “aina avy tamin’Andriamanitra” izany.—Apok. 11:7-11.

Nihamafy ny fanenjehana ny Vavolombelona tany amin’ny tany nofehezin’ny Nazia, taorian’ny nahazoan’ny Nazia fahefana tany Alemaina. Nisy tamin’izy ireo nosamborina sy nampijalina, ary norarana ny asany. Nandefa taratasy ho an’ny fitondrana àry ny Vavolombelon’i Jehovah eran’i Alemaina, tamin’ny Oktobra 1934, nilaza fa tsy nanana tanjona politika izy ireo, fa tapa-kevitra kosa ny hanaiky an’Andriamanitra ho mpitondra azy. Nandefa telegrama niaraka tamin’izay koa ny fiangonan’ny Vavolombelona eran-tany, ho fanohanana ny rahalahiny tany Alemaina.

Tao amin’ny biraon’ny Dr. Wilhelm Frick, tany Berlin, i Adolf Hitler tamin’io 7 Oktobra 1934 io, ary namonkina ny totohondriny, sady nilaza toy izao momba ny Vavolombelon’i Jehovah: “Hofoanana eran’i Alemaina ireo!” Tsy fandrahonana fotsiny izany. Maro no nosamborina. Nisy “Sampana Manokan’ny Gestapo” najoro mihitsy mba hiady tamin’ny Vavolombelona, araka ny taratasy tsiambaratelon’ny Polisy Miafina Prosianina, tamin’ny 24 Jona 1936. Niomana tsara ny Gestapo, ary nanomboka nisambotra ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra sy izay nahiahina ho Vavolombelona. Nampiasaina tamin’io ny polisy rehetra, fa tsy nisy nanenjika jiolahy.

Voalaza fa Vavolombelona alemà 6 262 no voasambotra. Nanoratra toy izao i Karl Wittig (mpiasam-panjakana ambony alemà, nohazonina tany amin’ny toby fitanana maromaro): “Tsy nisy voafonja hafa ... nampiharan’ny miaramila SS habibiana toy ny Mpianatra ny Baiboly. Be loatra ireo fampijaliana ara-batana sy ara-tsaina, ka tsy misy teny tena mahalaza azy.”

Inona no vokany? Hoy i Christine King, ao amin’ny boky navoakany tamin’ny 1982: “Tamin’ny Vavolombelona [fa tsy fivavahana hafa] ihany no tsy nahomby ny fitondrana.” Nianiana ny handringana azy ireo i Hitler, ary an-jatony no maty. Hoy anefa ny Dr. King: “Nitohy ilay asa [fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra], ary mbola teo foana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny Mey 1945, fa tsy teo intsony kosa ny Nazisma.” Hoy koa izy: ‘Tsy nanaiky lembenana mihitsy anefa ireo Vavolombelona.’ (Ny Fanjakana Nazia sy Ireo Fivavahana Vaovao: Tantara Dimy Momba ny Tsy Fifanarahan’ireo, anglisy) Nahoana i Hitler, izay nanana tafika ampy fitaovana, polisy tsara ofana, ary toby famonoana maro, no tsy nahavita namotika an’ilay antokon’olona kely sy tsy nanana fitaovam-piadiana, sady noheverin’izao tontolo izao ho olon-tsotra ihany? Nahoana ny firenen-kafa no tsy nahavita nampijanona ny asan’izy ireo? Nahoana no tsy nivadika tao anatin’ny fanenjehana mafy ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny ankapobeny?

Manome ny valin’izany ny tenin’i Gamaliela, mpampianatra Lalàna, tamin’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy namany, rehefa nandinika raharaha toy izany izy ireo, nahakasika ny apostolin’i Jesosy Kristy. Hoy izy: “Aza mitsabaka amin’izay ataon’ireo lehilahy ireo, fa avelao izy, (raha avy amin’olombelona mantsy izao fikasana na asa izao, dia ho rava, fa raha avy amin’Andriamanitra kosa izao, dia tsy ho vitanareo ny handrava azy,) sao dia ho hita fa mpiady amin’Andriamanitra ianareo.”—Asa. 5:38, 39.

Porofoin’ny tantara àry fa vita ihany ilay asa tena sarotra nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany, na dia be aza ny fanoherana. Tsy noho ny herin’olombelona anefa izany, fa noho ny fanahin’Andriamanitra. Nivavaka toy izao i Jesosy: “Ray ô, hainao ny zava-drehetra.”—Marka 14:36.

[Teny notsongaina, pejy 547]

“Amin’ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon’ny maro”

[Teny notsongaina, pejy 548]

Inona no nanatanjaka azy ireo hitory hatrany, na dia nesoina sy nenjehina tamin-kabibiana aza?

[Teny notsongaina, pejy 549]

Porofon’ny fitarihan’ny anjely

[Teny notsongaina, pejy 551]

‘Afaka manangana vavolombelona any amin’ny tany rehetra ny Tompo’

[Teny notsongaina, pejy 553]

Vahoaka tafaray sy nijoro tamin’ny finoany, na dia be aza ny fanoherana