Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsapana sy Fanasivanana avy ao Anatiny

Fitsapana sy Fanasivanana avy ao Anatiny

Toko 28

Fitsapana sy Fanasivanana avy ao Anatiny

NITRANGA ny fitsapana mafy ny finoan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nandroso sy nitombo isa izy ireo. Nasehon’ireny fitsapana ireny hoe iza no tena Kristianina, toy ny fanasivanana izay manasaraka ny vary amin’ny akofa. (Ampitahao amin’ny Lioka 3:17.) Tsy maintsy nampiseho izay tena tao am-pony ireo niaraka tamin’ny fandaminana: Moa ve izy nanompo mba hahazoan-tombony fotsiny? Mpanara-dia olona tsy lavorary ve izy? Sa kosa izy nanetry tena ary te hahalala sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra, sady te hivavaka amin’i Jehovah irery ihany?—Ampitahao amin’ny 2 Tantara 16:9.

Notsapaina koa ny finoan’ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesosy. Nolazain’i Jesosy taminy fa hiaraka aminy ao amin’ilay Fanjakana izy ireo raha mahatoky. (Matio 5:3, 10; 7:21; 18:3; 19:28) Tsy nolazainy anefa hoe rahoviana izy ireo no hahazo ny loka. Mbola hifantoka amin’ny fitoriana ilay Fanjakana ihany ve izy ireo, na dia tsy hiraharaha sy hasiaka mihitsy aza ny maro? Tsy ny mpianatra rehetra no nanao toy izany.—2 Tim. 4:10.

Ny fomba fampianatr’i Jesosy mihitsy aza dia efa fitsapana ho an’ny sasany. Tafintohina ny Fariseo rehefa notsipahin’i Jesosy mivantana ny fampianarany. (Matio 15:1-14) Maro tamin’ireo nilaza ho mpianatr’i Jesosy aza no tafintohina noho ny fomba fampianany. Nilaza izy, indray mandeha, fa zava-dehibe ny inoana ny hasarobidin’ny nofony sy ny rany. Koa maro tamin’ny mpianany no tafintohina noho izany teny an’ohatra izany. Tsy mba niandry fanazavana misimisy izy ireo fa “nihemotra, ka tsy niara-nandeha taminy intsony.”—Jaona 6:48-66.

Tsy ny rehetra anefa no niala. Hoy i Petera: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay. Ary izahay efa mino sy mahalala fa ianao ilay Masin’Andriamanitra.” (Jaona 6:67-69) Ampy azy ireo izay hitany sy reny mba hiekena fa i Jesosy no ilay ampiasain’Andriamanitra mba hampisehoana ny fikasany sy ny fahamarinany. (Jaona 1:14; 14:6) Nitohy ihany anefa ny fitsapana.

Rehefa maty sy natsangana i Jesosy, dia nampiasa ny apostoly sy ny hafa mba ho mpiandry ny fiangonana izy. Tsy lavorary izy ireo, ary fitsapana ho an’ny manodidina azy izany indraindray. (Ampitahao amin’ny Asa 15:36-41; Galatianina 2:11-14.) Nisy koa ireo nanjary nidera tafahoatra an’izay Kristianina nitana andraikitra lehibe. Hoy izy ireo: “Izaho an’i Paoly”, ary hoy ny sasany: “Izaho an’i Apolosy.” (1 Kor. 3:4) Nila nitandrina avokoa izy ireo mba tsy hanadino ny dikan’ny hoe mpanara-dia an’i Jesosy Kristy.

Nilaza olana lehibe hafa i Paoly: Nohazavainy fa avy ao anatin’ny fiangonana ihany no “hipoiran’ny olona manolana hevi-teny mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.” (Asa. 20:29, 30) Ary nampitandrina koa i Petera fa hisy mpampianatra sandoka, eo amin’ny mpanompon’Andriamanitra, hanararaotra ny hafa amin’ny “teny mamitaka.” (2 Pet. 2:1-3) Ho avy àry ny fitsapana ny finoana sy izay tena tao am-po ary ny fahatokiana.

Tsy mahagaga àry ny fitsapana sy ny fanasivanana hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny. Tsy vitsy anefa no gaga nahita hoe iza no lavo, ary inona no nahalavo azy.

Tena nankasitrahany ve ny vidim-panavotana?

Nihanitombo ny fahalalan’ny Rahalahy Russell sy ireo niaraka taminy, sy ny fahatakaran’izy ireo ny fikasan’Andriamanitra, tany am-piandohan’ny 1870. Fotoana namelombelona azy ireo izany. Tamin’ny 1878 anefa, dia tojo fitsapana mafy ny finoany sy ny tsy fivadihany tamin’ny Tenin’Andriamanitra. Ny hasarobidin’ny nofo sy ny ran’i Jesosy no niadian-kevitra, ary izay indrindra ilay fampianarana nanafintohina ny ankamaroan’ny mpianatr’i Jesosy.

Nanomboka niara-niasa tamin’i N. Barbour, avy any Rochester, New York, i C. Russell tamin’ny 1876. Niara-niasa akaiky koa ireo antokon’olona niaraka tamin’izy ireo. I Russell no namatsy vola hamelomana indray ny famoahana ny gazety Mpanambara ny Maraina an’i Barbour, izay mpampanonta. I Russell kosa no mpampanonta mpanampy. Namoaka an’ilay boky hoe Tontolo Telo sy ny Fijinjana An’ity Tontolo Ity koa izy ireo.

Loza anefa fa nanoratra lahatsoratra nanamavo ny andininy toy ny 1 Petera 3:18 sy ny Isaia 53:5, 6 ary ny Hebreo 9:22 i Barbour, tao amin’ny gazetiny tamin’ny Aogositra 1878, izay nilaza fa maharikoriko ny hoe maty i Kristy hamonoana ny fahotantsika. Izao no nosoratan’i Russell, tatỳ aoriana: ‘Gaga sy nalahelo izahay noho ny nanoratan’i Barbour lahatsoratra mandà ny fampianarana ny amin’ny fanavotana. Tsy nekeny hoe maty i Kristy ho vidim-panavotana an’i Adama sy ny taranany. Ary nilaza izy fa tsy fomba nandaminana ny sazy vokatry ny fahotan’ny olombelona mihitsy ny nahafatesan’i Kristy, tahaka ny tsy hiheveran’ny ray eto an-tany hoe fomba ara-drariny andaminana ny ditran’ny zanany ny fanindronana lalitra iray sy fampijaliana azy sy famonoana azy ho faty.’ a

Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra àry ny Rahalahy Russell: Tsy hivadika amin’izay lazain’ny Baiboly momba ny famonjen’Andriamanitra ny olombelona ve izy? Sa izy ho lasa rembin’ny filozofian’olombelona? Vao 26 taona monja izy tamin’izany, ary tena zokiny be i Barbour. Nisikina herim-po anefa izy, ka nanoratra lahatsoratra tao amin’ny nomerao nanaraka. Niaro mafy ny hasarobidin’ny ran’i Kristy izay mamono fahotana izy, ary nilaza fa izany no anisan’ny “fampianarana lehibe indrindra ao amin’ny tenin’Andriamanitra.”

Nasainy nanoratra lahatsoratra mampirisika ny hinoana ny ran’i Kristy ho fototry ny famonoana fahotana koa i J. Paton, mpampanonta mpanampy. Nanao izany i Paton, ary nivoaka tao amin’ny nomerao tamin’ny Desambra ilay izy. Niezaka nandresy lahatra an’i Barbour avy tao amin’ny Soratra Masina i Russell, fa tsy nety io. Koa tsy niara-niasa taminy intsony izy, sady tsy nanampy ara-bola ny gazetiny intsony. Namoaka gazety vaovao hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy izy tamin’ny Jolay 1879, ary hatramin’ny voalohany ilay gazety dia tena niaro ny vidim-panavotana. Tsy izay ihany anefa.

Nivaona koa i Paton, roa taona tatỳ aoriana, ka namoaka ny bokiny faharoa hoe Vao Mangiran-dratsy (anglisy) izay nilaza fa tsy lasa mpanota i Adama ka tsy ilana mpanavotra. Solontenan’ny Tilikambo Fiambenana i Paton tamin’izay, ary nitety faritra. Taminy, ny Tompo dia olona tsy lavorary izay nampiseho tamin’ny hafa ny fomba amantsihana ny fahotan’izy ireo eo amin’ny hazo fijaliana. Nanomboka namoaka gazety hoe Kintana Fitarikandron’i Ziona (anglisy) koa i A. Jones, mpiara-miasa anankiray koa, tamin’ny 1881. Nitovy tamin’ny Tilikambo Fiambenana ihany ilay izy, saingy tsotra kokoa ny nanazavany ny fikasan’Andriamanitra. Toa nety tsara ny zava-drehetra tamin’ny voalohany. Tsy niherina akory anefa ny taona, dia nolavin’ilay gazety ny sorom-panavotan’i Kristy, ary ny taona nanaraka dia nolaviny ny Baiboly manontolo. Inona no niafaran’ireny lehilahy ireny? Navelany hampiala azy tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny heviny sy ny filozofian’olombelona. (Ampitahao amin’ny Kolosianina 2:8.) Mbola nitohy kely fotsiny ilay gazety, ary nanjavona avy eo. Namoaka gazety nanazava ny fahitany ny filazantsara i J. Paton, saingy vitsy kely ny isan’ny navoaka.

Nampiady saina ny Rahalahy Russell ny vokatr’izany rehetra izany teo amin’ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana. Fantany fa ho fitsapana ny tsirairay izany. Fantany tsara fa horaisin’ny sasany ho fandrafiana ny fanakianany ny fampianarana tsy araka ny Soratra Masina. Tsy nitaona olona hanaraka azy anefa izy. Izao no nosoratany: “Mazava fa izao fitsapana sy fanasivanana izao dia mba hifantenana an’izay tsy tia tena, sy izay manolo-tena tanteraka ho an’ny Tompo, sy izay tia ny hanaovana ny sitrapon’ny Tompo, ary izay tena matoky ny fahendren’ny Tompo sy ny Teniny ka tsy mamela ny hevitry ny hafa na ny heviny manokana hampiala azy amin’ny Tenin’ny Tompo.”

Nampiasa olona ve Andriamanitra?

Maro ny fivavahana, ary maro be koa ny mpampianatra mampiasa Baiboly. Nampiasa an’i Charles Taze Russell ve Andriamanitra? Koa tsy nanana olona ampiasaina intsony ve izy rehefa maty ny Rahalahy Russell? Tena zava-dehibe izany ary niteraka fitsapana sy fanasivanana hafa koa.

Raha tsy nifikitra mafy tamin’ny Tenin’Andriamanitra i C. Russell dia tsy ho nampiasa azy Andriamanitra. (Jer. 23:28; 2 Tim. 3:16, 17) Tsy hampiasa lehilahy tsy sahy manambara izay hitany mazava ao amin’ny Soratra Masina Andriamanitra. (Ezek. 2:6-8) Tsy hampiasa olona manararaotra ny fahalalany ny Soratra Masina mba hahazoam-boninahitra koa izy. (Jaona 5:44) Inona àry no asehon’ny zava-misy?

Rehefa mandinika izay nataon’i C. Russell sy izay nampianariny sy ny antony nanaovany izany sy ny niafarany ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, dia tsy misalasala fa nampiasa an’i C. Russell tokoa Andriamanitra.

Izany dia tsy noho ny finoan’ny Rahalahy Russell ny vidim-panavotana fotsiny, fa noho izy sahy nanilika an’ireo fanekem-pinoana misy ifandraisany amin’izay inoan’ny Kristianisma Anarana, satria mifanohitra amin’ny Soratra Masina ireny. Anisan’izany ny Andriamanitra telo izay iray (izay niandoha tany Babylona fahiny, ary ela be taorian’ny nanoratana ny Baiboly vao noraisin’ireo Kristianina anarana), sy ny fanahy tsy mety maty (finoana noraisin’ny olona talanjona noho ny filozofian’i Platon ka mora nanaiky ny hevitra hoe ampijalina mandrakizay ao amin’ny afobe ny fanahy). Maro ny manam-pahaizana ao amin’ny Kristianisma Anarana mahafantatra fa tsy ampianarin’ny Baiboly izany, b nefa tsy mitory izany eny amin’ny polipitra. Ny Rahalahy Russell kosa anefa tena niezaka nitory an’izay tena voalazan’ny Baiboly tamin’izay rehetra te handre.

Mahaliana koa izay nataon’ny Rahalahy Russell tamin’ny fahamarinana lehibe hafa nianarany tao amin’ny Baiboly. Takany fa tsy ho hitan’ny mason’ny olombelona i Kristy rehefa miverina. Efa fantany tamin’ny 1876 fa hifarana tamin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa. (Lioka 21:24, Prot.) Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nahatakatra izany koa, sady nanohana izany. Ny Rahalahy Russell anefa no nandany ny fananany rehetra nampahafantarana an’izany tany amin’ny tany maromaro.

Nasainy nampitahain’ny olona tamin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra nosoratany, mba hieken’izy ireo fa mifanaraka tanteraka amin’ny Baiboly izany. Nisy nanoratra nanontany ny Rahalahy Russell momba izany, ka izao no navaliny: “Nety raha nohamarinin’ny Kristianina voalohany hoe marina izay reny avy tamin’ny apostoly, na dia teo ambany herin’ny fanahy masina sy nilaza fa nahazo ny fanahy aza ireo apostoly. Koa vao mainka zava-dehibe ny hanamarinanao tanteraka raha mifanaraka tsara izany fampianarana izany, sady mifanaraka amin’ny an’ny Tompontsika, satria ilay nanao izany fampianarana izany dia tsy milaza ho teo ambanin’ny herin’ny fanahy masina, fa nahazo ny fitarihan’ny Tompo fotsiny, toy ny olona ampiasain’ny Tompo hamahana ny ondriny.”

Tsy nihambo ho nahazo hery miafina na fampiharihariana avy tamin’Andriamanitra ny Rahalahy Russell, ary tsy nitady laza noho izay nampianariny. Nianatra ny Baiboly izy, ary mpianatra niavaka. Nolazainy na izany aza, fa matoa izy nahazo ny hevitry ny Soratra Masina dia satria ‘tonga ny fotoana ampihariharian’Andriamanitra’ izany. Hoy izy: “Raha tsy niteny aho, ary tsy nisy olon-kafa azo nampiasaina, dia ny vato no hiantsoantso.” Toy ny fanondro fotsiny, nanondro ny voalazan’ny Tenin’Andriamanitra, no niheverany ny tenany.

Tsy nila voninahitra avy tamin’ny olona i Charles Russell. Nisy te hanome voninahitra azy tafahoatra, ka izao no nosoratany, tamin’ny 1896, hanitsiana ny fihevitr’ireny: “Nampiasaina hitory ny filazantsara izahay, noho ny fahasoavan’ny Tompo, ka mety ny milaza etoana izay ambaranay matetika amin’ny olona mitokana, ary efa nambaranay an-tsoratra, hoe: Ankasitrahanay ny fitiavana sy fatokisana ary fisakaizan’ny mpiara-manompo sy mpiray finoana, kanefa tsy mitady voninahitra na haja ho anay na ho an’izay nosoratanay izahay. Tsy te hantsoina hoe Révérend na Raby koa izahay, sady tsy misy olona irinay hitondra ny anaranay.”

Na rehefa ho faty aza izy, dia tsy nihevitra hoe tsy nisy zavatra nilaina hianarana intsony, na asa mbola tokony hatao. Niresaka izy hoe hanomana ny boky fahafito amin’ny Fianarana ny Soratra Masina. Nanontaniana momba izany izy talohan’ny hahafatesany, ka hoy izy tamin’i Menta Sturgeon, mpitety faritany: “Misy olona hafa afaka manoratra azy io.” Nambarany tao amin’ny teniny farany, fa mba iriny ny hivoahan’ny Tilikambo Fiambenana foana eo ambany fitarihan’ny komity misy rahalahy be fandavan-tena ho an’ny Tompo. Tokony ho lehilahy “tsy mivadika mihitsy amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina, indrindra fa amin’ny fampianarana ny amin’ny Vidim-panavotana”, hoy izy, no hanao izany, “satria tsy eken’Andriamanitra sady tsy homeny fiainana mandrakizay ny olona raha tsy mino an’i Kristy sy tsy mankatò ny Teniny sy izay voalazan’io.”

Fantatry ny Rahalahy Russell fa mbola be ny asa tokony hatao eo amin’ny fitoriana ny vaovao tsara. Namaly fanontaniana maro izy tany Vancouver, any Kanada, tamin’ny 1915, ka izao no navaliny momba ny hoe rahoviana ireo voahosotra no afaka manantena hahazo ny valisoany any an-danitra: “Tsy fantatro. Mbola misy asa lehibe tokony hatao. Ary rahalahy an’arivony sy vola an-tapitrisany no ilaina. Tsy fantatro hoe aiza no ahazoana izany, fa ny Tompo no mahalala, satria asany io.” Ary tamin’ny 1916, taloha kelin’ny nitetezany faritra mba hanao lahateny ka nahafatesany tany, dia nantsoiny tao amin’ny biraony i A. Macmillan, izay nanampy azy tamin’ny asany. Hoy izy: “Tsy ho vitako intsony ny hanohy ny asa, nefa mbola misy asa lehibe tokony hatao.” Nohazavainy tamin’ny Rahalahy Macmillan, nandritra ny adiny telo, ny habetsahan’ny fitoriana tokony hatao, araka ny Soratra Masina. Nanohitra izany ny Rahalahy Macmillan, nefa hoy ny navaliny: “Tsy asan’olombelona io.”

Niteraka fitsapana ny fiovan’ny mpitantana

Natoky ny maro tamin’ny mpiara-miasa tamin’ny Rahalahy Russell fa teo am-pelatanan’ny Tompo ny zava-drehetra. Hoy i W. Van Amburgh tamin’ny fandevenana ny Rahalahy Russell: “Nampiasa mpanompo maro Andriamanitra tamin’ny lasa, ary hampiasa maro koa izy amin’ny hoavy. Tsy ho an’olona na asan’olona no nanolorantsika tena, fa ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, araka izay hampiharihariana amintsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fitarihany. Mbola mitantana ny zava-drehetra Andriamanitra.” Tsy nisalasala ny amin’izany mihitsy ny Rahalahy Van Amburgh mandra-pahafatiny.

Mampalahelo anefa fa nisy nilaza ho nankasitraka an’i Russell, nefa hafa noho izany ny toe-tsainy. Koa nanjary fitsapana sy fanasivanana àry ireo fiovana taorian’ny nahafatesan’i Russell. Nisy antokon’olona nivadi-pinoana teto Etazonia, tany Belfast any Irlandy, tany Copenhague any Danemark, tany Vancouver sy Victoria, Kolombia Britanika, Kanada ary toeran-kafa. Tany Helsinki, any Failandy, dia nisy nihevitra fa tsy nisy fomba hanomezan’Andriamanitra fahazavana momba ny Baiboly, taorian’ny nahafatesan’i Russell. Nisy olona nitana andraikitra lehibe nitaona ny hafa, ka 164 no nandao ny fandaminana. Notahin’Andriamanitra ve izy ireo? Namoaka gazety izy ireo, ary nanao ny fivoriany, saingy tsy ela dia nizarazara ary tsy re laza intsony, ka foana. Maro tamin’ireny, saingy tsy ny rehetra, no faly nanatrika indray ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly.

Fitsapana nampiseho ny tena tao am-pon’i R. Nicholson, mpitan-tsoratry ny sampana tany Aostralia, koa ny nahafatesan’ny Rahalahy Russell sy izay vokatr’izany. Izao no nosoratany: “Dimy amby roapolo taona mahery no nitiavako azy, noho ny asany sy noho ny toetrany tsara. Nahafaly ahy ny toroheviny sy ny fahamarinana navoakany, izay ‘sakafo ara-panahy amin’ny fotoana mety.’ Nampiaiky volana ahy ny toetrany: Sariaka sy tsara fanahy ary be fitiavana izy, nefa koa be herim-po sy tena vonona ary sahy nanao izay nilaina mba hanatanterahana izay ninoany fa sitrapon’Andriamanitra na fampihariharian’ny Teniny. ... Tsapako ho manirery aho, satria tsy eo intsony ilay nianteherako.”

Tsy i Joseph Rutherford, ilay prezidà vaovaon’ny fikambanana, mihitsy no karazan’olona noeritreretin’i Nicholson hoe tokony hiandraikitra hisolo ny Rahalahy Russell. Nokianin’i Nicholson an-karihary ny fomba nivantambantana nanalana sarona ny fivavahan-diso. Tsy ela dia nandao ny fandaminana izy, ary nalainy ny ankamaroan’ny fananan’ny Fikambanana (izay nisoratra taminy) sy ireo olona tany Melbourne izay niantehitra taminy. Nahoana? Namela ny tenany ho lasa mpanara-dia olona i Nicholson. Koa rehefa tsy teo intsony ilay olona, dia tsy nanao ny marina sy tsy nanana zotom-po ho an’ny Tompo intsony izy. Nitsipozipozy avokoa izay niala tamin’ny fandaminana tamin’izany. Tsara homarihina fa tsy mba nanaraka an’i Nicholson tamin’izany i Jane vadiny, na dia farofy aza. I Jehovah no tena nifikirany, ary nanompo manontolo andro hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1951 izy.

Takatry ny maro fa fanatanterahana ny sitrapon’ny Tompo ny nitranga taorian’ny nahafatesan’ny Rahalahy Russell. Nanoratra toy izao tamin’ny Rahalahy Rutherford ny mpanompon’i Jehovah iray tany Kanada:

“Ry rahalahy malala, aoka ianao tsy ho diso fandray an’izao soratako izao. Tena samy hafa be ny toetranao sy ny an’i Russell, rahalahy malalantsika. Indrisy fa maro dia maro no tia an-dRahalahy Russell noho ny toetrany, ary vitsy dia vitsy no nanohitra azy. Maro no nanaiky ny fahamarinana, satria nasain’ny Rahalahy Russell nanao izany. Koa maro no nanjary nanompo olona ... Tsaroanao angamba ilay lahateny, momba an’i Jaona sy ilay anjely, nataon’ny Rahalahy Russell, momba izany fahadisoana nataon’ny rahalahy maro izany. (Apok. 22:8, 9) Fantatsika rehetra izay nitranga rehefa maty izy.”

“Ianao kosa, ry Rahalahy Rutherford, dia hafa mihitsy. Tsy toy ny an’ny Rahalahy Russell ny toetranao. Na ny fahitana anareo aza dia samy hafa. Tsy fahadisoanao izany. Efa toy izany hatramin’ny nahaterahanao ianao, ary tsy azonao nolavina izany. ... Nokianina tsy ara-drariny sy nendrikendrehina mafy ianao hatramin’ny nametrahana anao hitantana ny FIKAMBANANA. Ary rahalahy no nanao izany rehetra izany. Nahatoky anefa ianao ary mbola nifikitra tamin’ny Tompo sy ny asany voalaza ao amin’ny Isaia 61:1-3 foana. Moa ve ny Tompo nahalala izay nataony rehefa nametraka anao ho loha? Izany tokoa. Mora tamintsika ny nanompo zavaboary fa tsy ny Mpamorona, teo aloha. Ary fantatry ny Tompo izany. Koa zavaboary manana toetra hafa no napetrany ho loha, na hiandraikitra ny asa fijinjana. Fantatro fa tsy tianao ny hanompoan’ny olona anao, fa ny tianao kosa dia ny hahazoan’izay manana finoana sarobidy ny hazavana izay mamiratra ankehitriny eo amin’ny lalan’ny marina, araka ny itiavan’ny Tompo amirapiratany. Ary izany no tian’ny Tompo hatao.”

Nofantarina hoe iza ilay “mpanompo mahatoky sy malina”

Nihevitra ny ankamaroan’izay nandalo fanasivanana fa olona tokana, dia i Charles Russell, no ilay “mpanompo mahatoky sy malina” izay mizara sakafo ara-panahy ho an’izay mino, araka ny voalazan’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:45-47. Nanazava izany mihitsy aza Ny Tilikambo Fiambenana nandritra ny taona maro, tatỳ aoriana. Nihevitra izany ny Mpianatra ny Baiboly, satria lehibe ny andraikitra notanan’ny Rahalahy Russell. Tsy izy akory no nampirisika an’izany, fa nekeny kosa hoe tsy tafahoatra ny fiheveran’izay nihevitra toy izany. c Notsindriany anefa fa tokony hanetry tena izay olona ampiasain’ny Tompo, sady hafana fo eo amin’ny fanomezam-boninahitra ny Tompo. Ary raha tsy manao izany ilay olona nofidin’ny Tompo, dia hosoloana.

Rehefa nihanazava ny fahamarinana taorian’ny nahafatesan’ny Rahalahy Russell, ary nitatra ny fitoriana voalazan’i Jesosy, dia niharihary fa tsy nanjavona ny “mpanompo mahatoky sy malina” rehefa maty ny Rahalahy Russell. Ny Rahalahy Russell mihitsy aza no nilaza, tamin’ny 1881, fa hisy Kristianina voahosotra maromaro ao amin’ilay “mpanompo.” Taminy, ilay izy dia antokon’olona tafaray eo amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny Isaia 43:10.) Mbola nohamafisin’ny Mpianatra ny Baiboly izany tamin’ny 1927. Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky mitovy aminy no ampiasain’ny mpanompo mahatoky sy malina hizarana sakafo ara-panahy. Tsy milaza izy ireo hoe tsy mety diso io mpanompo io. Amin’izy ireo kosa dia io no hany ampiasain’ny Tompo amin’izao andro farany izao.

Tafiditra ny fieboeboana

Nisy olona nanana andraikitra nanjary nihevi-tena ho ilay ampiasain’ny Tompo hanomezana fahazavana momba ny Baiboly. Nanohitra an’izay nomen’ny fandaminana izy ireny. Nisy hafa koa te hanjakazaka. Niezaka ‘nitaona mpianatra hanaraka azy’ izy ireny, araka ny nolazain’i Paoly. (Asa. 20:29, 30) Ho an’ireo notaominy, dia nanjary fitsapana ny tena antony nanompoan’izy ireo sy ny fijoroany izany. Diniho ireto ohatra ireto:

Nisy taratasy manokana nalefa ho an’ny Mpianatra ny Baiboly tany Allegheny, any Pennsylvanie, nanasa azy ireo ho amin’ny fivoriana ny 5 Aprily 1894. Tsy tonga ny Rahalahy sy Anabavy Russell, satria tsy nasaina. Nisy olona 40 anefa tonga. Nambaran’ilay taratasy nosoniavin’i E. Bryan sy S. Rogers sy J. Adamson, ary O. von Zech fa hisy raharaha “faran’izay mahasoa” azy ireo horesahina. Hay ilay izy tetika nataon’ireo mpioko ireo hanapoizinana ny sain’ny hafa. Nolazain’izy ireo fa nahiahiny ho nanao raharaha tsy marina ny Rahalahy Russell (ny mifanohitra amin’izany anefa no izy). Nambaran’izy ireo koa fa be loatra ny fahefan’ny Rahalahy Russell (te hahazo fahefana mantsy izy ireo). Ary nitaraina izy ireo fa tia nampiasa zavatra voasoratra izy hampielezana ny filazantsara sy hanaovana fivoriana, fa tsy mba nanao lahateny firy (amin’izay izy ireo dia afaka nampiditra ny heviny manokana). Tena nampikorontana an’ilay fiangonana izany, ka maro no tafintohina. Tsy nanampy an’ireo niala ho tonga olona araka ny fanahy anefa izany, na ho be zotom-po teo amin’ny asan’ny Tompo.

Maherin’ny 20 taona tatỳ aoriana, talohan’ny hahafatesan’ny Rahalahy Russell, dia nilaza izy fa te haniraka an’i Paul Johnson, mpandahateny tena nahay, ho any Grande-Bretagne hanatanjaka ny Mpianatra ny Baiboly tany. Ho fanajana ny fanirian’ny Rahalahy Russell, dia naniraka an’i Johnson ny Fikambanana tamin’ny Novambra 1916. Noroahin’i Johnson anefa ny roa tamin’ireo mpitantana ny Fikambanana tany. Nihevi-tena ho ambony izy, ka nanizingizina tao amin’ny lahateniny sy ny taratasiny fa tahaka ny nataon’i Ezra sy Nehemia ary Mordekay, voalaza ao amin’ny Baiboly, no nataony. Nilaza izy fa izy ilay lehiben’ny mpanompo voalazan’i Jesosy ao amin’ny fanoharany. (Matio 20:8) Nitady hitantana ny volan’ny Fikambanana izy, ary nampakatra fitsarana tao amin’ny Fitsarana Avo tany Londres mba hanatanterahana ny fikasany.

Niverina teto New York izy rehefa voasakana ny tetikadiny. Nila ranondranony tamin’ny sasany anisan’ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana izy. Niezaka hanatratra ny tanjony ireo voataona hanaraka azy, ka nitady handany fanapahan-kevitra nanafoana ny sata nifehy ny Fikambanana, izay nanome fahefana ny prezidà hitantana azy io. Te hahazo fahefana hanao ny fanapahan-kevitra rehetra izy ireo. Nandray fepetra araka ny lalàna ny Rahalahy Rutherford hiarovana ny Fikambanana. Nangatahina hiala teto amin’ny Trano Betela koa ireo nitady hanakorontana ny asa. Nolavina tanteraka ireo mpanakorontana ireo tamin’ny fivoriana fanaon’ny Fikambanana isan-taona, teo am-piandohan’ny taona nanaraka, rehefa nofidina izay ho anisan’ny Filan-kevi-pitondrana sy izay niaraka taminy. Nihevitra angamba ny sasany fa nanana ny marina. Nasehon’ny ankamaroan’ireo rahalahy anefa fa tsy nitovy hevitra tamin’izy ireo izy. Hanaiky izany fananarana izany ve izy ireo?

Mody nanaiky ny zavatra inoana sy ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly i P. Johnson nandritra ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly, kanjo nampisy fisalasalana izy rehefa nanjary natoky azy ny sasany. Rehefa nisy nanolo-kevitra hisaraka tamin’ny Fikambanana, dia mody nanohitra izany izy, mandra-panimbany tanteraka ny fahatokian’ilay antokon’olona. Nandefa taratasy sy nanao dia manokana teto Etazonia, tany Kanada, Jamaika, Eoropa ary Aostralia izy, mba hitaona ny rahalahy tany. Nahomby ve izany?

Toa izany no izy rehefa nifidy ny hanapa-patorana tamin’ny Fikambanana ny maro teo anivon’ny fiangonana. Toy ny rantsankazo notapahina anefa izy ireny: Maitso ihany aloha izy kelikely, fa malazo sy maty avy eo. Nipoitra ny tsy fifanarahana rehefa nanao fivoriambe ireo mpanohitra tamin’ny 1918. Nizarazara izy ireo ary niharava. Nisy namorona sekta kely nanana mpitarika azy, saingy tsy naharitra izany. Tsy nisy nanokan-tena hitory ampahibemaso ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’izay nisy mponina. Izany anefa no asa nasain’i Jesosy nataon’ny mpanara-dia azy.

Notadidin’ireo rahalahy foana izay voalaza ao amin’ny 1 Petera 4:12, hoe: “Ry malala, aoka tsy hahavery hevitra anareo ilay afo mandoro eo aminareo, toy ny hoe zavatra hafahafa no manjo anareo. Natao hitsapana anareo mantsy izany afo izany.”

Tsy ireo ihany no namela ny fieboeboana hanimba ny finoany. Nisy hafa koa, anisan’izany i Alexandre Freytag, mpitantana ny biraon’ny Fikambanana tany Genève, any Soisa. Tiany ny nisarika ny saina ho aminy, ka nampiditra ny heviny manokana izy rehefa nandika ny boky sy gazetin’ny Fikambanana, ary nampiasa ny tranon’ny Fikambanana mihitsy hamoahana ny bokiny. Teo koa i W. Salter, mpitantana ny sampana tany Kanada. Notsipahiny izay voalazan’ny boky sy gazetin’ny Fikambanana, ary nilaza izy fa nanantena ny ho tonga prezidàn’ny Fikambanana manaraka. Voaroaka àry izy, nefa mbola nampiasa ny taratasy nisy ny adiresin’ny Fikambanana ihany, mba hampirisihana ny fiangonana tany Kanada sy tany ivelany hianatra ny lahatsoratra nosoratany. Nisy hafa koa tany Nizeria, anisan’izany i G. Ukoli, izay nafana fo ho an’ny fahamarinana nefa nanjary nihevitra azy io ho fomba hahazoan-tombony manokana sy laza. Nokianiny mafy tamin’ny alalan’ny gazety ireo rahalahy nahatoky, rehefa voasakana ny teti-dratsiny. Mbola nisy hafa koa.

Nisy olona nitana andraikitra lehibe koa nanana toe-tsaina toy izany, vao haingana.

Afaka mino izay tiany hinoana ireny olona ireny. Miteraka fisaratsarahana kosa izay olona manohana hevitra mifanohitra amin’ny lazain’ny boky aman-gazetin’ny fandaminana iray, nefa mbola milaza ho misolo tena an’io fandaminana io ihany. Ahoana no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa nitranga izany?

Tsy nanenjika an’ireny olona ireny izy ireo (na dia matetika aza ireny mpamadika ireny no manaratsy an’ireo rahalahiny taloha). Tsy nitady hamely azy ireny koa izy ireo (toy ny nataon’ny Eglizy Katolika nandritra ny Inquisition). Narahin’izy ireo kosa ny torohevitry ny apostoly Paoly hoe: ‘Araho maso ireo mahatonga fisaratsarahana sy mampisy toe-javatra manafintohina, fa mifanohitra amin’ny fampianarana efa noraisinareo izany. Halaviro ireny. Fa tsy mpanompon’i Kristy Tompontsika ny olona toy ireny. Teny malefaka sy teny fiderana no itaomany ny olona tso-po.’—Rom. 16:17, 18.

Afaka nampiseho izay tao am-pony koa ireo nahita izany zava-nitranga izany.

Nila nohatsaraina ny fahazoana ny foto-pampianarana

Eken’ny Vavolombelon’i Jehovah fa nahitsy imbetsaka ny fahazoan’izy ireo ny fikasan’Andriamanitra, nandritra ny taona maro. Mitombo tsikelikely ny fahalalana ny fikasan’Andriamanitra, ka midika izany fa tsy maintsy misy zavatra ovana. Tsy ny fikasan’Andriamanitra no miova, fa ny fahazavana omeny tsy tapaka ny mpanompony no mitaky ny hanitsian’izy ireo ny fiheviny.

Tao amin’ny Baiboly no nahitan’ny Vavolombelona fa toy izany koa ny mpanompon’Andriamanitra nahatoky fahiny. Nifandray akaiky tamin’i Jehovah i Abrahama, nefa tsy nahalala izay tany hitondran’Andriamanitra azy izy, fony nandao an’i Ora. Tsy fantany tsara, nandritra ny taona maro, hoe ahoana no hanaovan’Andriamanitra azy ho firenena lehibe, araka ny nampanantenainy. (Gen. 12:1-3; 15:3; 17:15-21; Heb. 11:8) Nampahafantatra fahamarinana maro tamin’ireo mpaminany Andriamanitra, nefa mbola nisy zavatra tsy takatr’izy ireo. (Dan. 12:8, 9; 1 Pet. 1:10-12) Nanazava zavatra maro tamin’ny apostoliny koa i Jesosy. Rehefa hifarana anefa ny fiainany teto an-tany, dia nilazany izy ireo fa zavatra maro no mbola tokony hianarany. (Jaona 16:12) Tsy azon’izy ireo, ohatra, ny fikasan’Andriamanitra hampiditra ny hafa firenena ho anisan’ny fiangonana, raha tsy rehefa hitany izay nitranga ho fahatanterahan’ny faminaniana.—Asa. 11:1-18.

Efa ampoizina fa ho fitsapana ho an’ny sasany ny famoizana fomba fihevitra nankamaminy. Tsy ny fanitsiana rehetra koa no tonga indray mandeha. Ary tsy lavorary ny olona, ka mora manao zavatra tafahoatra aloha, ary avy eo vao mahita ny tokony ho izy. Mety hitaky fotoana izany. Sosotra ny sasany izay mora manakiana, noho izany. Intỳ misy ohatra:

Efa nanome tsipiriany momba ny fifanekena natao tamin’i Abrahama sy ny fifaneken’ny Lalàna ary ny fifanekena vaovao ny bokin’ny Fikambanana, tamin’ny 1880. Hadinon’ny Kristianisma Anarana fa nampanantena Andriamanitra hoe ny fianakaviana rehetra eto an-tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama. (Gen. 22:18) Ny Rahalahy Russell kosa tena te hahalala ny fomba hanaovan’Andriamanitra izany. Nihevitra izy fa ny fanazavan’ny Baiboly momba ny Andro Fanavotana dia mampahafantatra ny mety hahatanterahan’izany mifandray amin’ny fifanekena vaovao. Noresahina indray ireo fifanekena ireo tamin’ny 1907, ary nohamafisina ny anjara asan’ireo mpiara-mandova amin’i Kristy eo amin’ny fandrotsahana ny fitahiana voalaza tao amin’ilay fifanekena natao tamin’i Abrahama. Nanohitra mafy anefa ny Mpianatra ny Baiboly sasany.

Mbola nisy zavatra tsy azo tsara ka nisakana ny fahazoana ny hevitr’izany: Mbola tsy hitan’ny Mpianatra ny Baiboly tsara ny toeran’ny Israely tao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Tsy afaka iny sakana iny raha tsy rehefa nazava tsara fa tsy tian’ny Jiosy ny hampiasan’Andriamanitra azy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny faminaniany. Sakana iray koa ny tsy fahafantaran’ny Mpianatra ny Baiboly hoe iza moa ny “vahoaka be.” (Apok. 7:9, 10) Rehefa nanomboka niseho mihitsy ny vahoaka be, ho fahatanterahan’ny faminaniana, vao nazava hoe iza izy ireo. Na ireo nanakiana mafy an-dRahalahy Russell aza tsy nahazo ny hevitr’izany.

Ireo nilaza ho rahalahy kristianina anefa dia nanendrikendrika Ny Tilikambo Fiambenana hoe mandà ny maha mpanelanelana an’i Jesosy amin’Andriamanitra sy ny olona, sady mandà ny vidim-panavotana sy ny ilana fanavotana ary ny nisian’ny fanavotana. Tsy nisy marina anefa izany fanendrikendrehana izany. Olona nitana andraikitra lehibe anefa no nilaza izany, ary nitaona ny hafa ho tonga mpianany. Angamba marina ny sasany tamin’ireo tsipiriany nampianarin’izy ireo momba ny fifanekena vaovao, saingy nitahy ny nataon’izy ireo ve ny Tompo? Nanao fivoriana izy ireo, saingy tsy ela dia tsy nisy intsony ny fivavahany.

Ny Mpianatra ny Baiboly kosa mbola nitory ny vaovao tsara foana, araka ny nandidian’i Jesosy ny mpianany, sady mbola nianatra ny Tenin’Andriamanitra, ary nandinika ny zava-miseho izay hanazava ny hevitr’izy io. Afaka avokoa ny sakana lehibe nandritra ireo taona 1930, ka azo tsara ny hevitr’ireo fifanekena. Ary nisy fanitsiana navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny boky hafa. d Tena faly ireo nanam-paharetana sy niandry!

Nitombina ve ny fanantenan’izy ireo?

Nisy zavatra samihafa nantenain’ny Mpianatra ny Baiboly, ka nanesoan’ny mpanakiana azy ireo. Niorina tamin’ny faniriana mafy hahita ny fahatanterahan’izay noheverin’izy ireo ho fampanantenana tsy mety diso nataon’Andriamanitra anefa ireny zavatra nantenainy ireny.

Nianatra ny Soratra Masina izy ireo ka fantany fa nampanantena hitahy ny firenena rehetra eto an-tany amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama i Jehovah. (Gen. 12:1-3; 22:15-18) Hitan’izy ireo tao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fampanantenana hoe ho Mpanjaka any an-danitra hitondra ny tany ny Zanak’olona, ary hisy ondry vitsy, izany hoe, olona mahatoky avy eto an-tany hiaraka aminy ao amin’ny Fanjakany, ary hanjaka arivo taona ireo. (Dan. 7:13, 14; Lioka 12:32; Apok. 5:9, 10; 14:1-5; 20:6) Fantatr’izy ireo fa nampanantena i Jesosy hoe hiverina ary haka an’ireo efa nanomanany toerana any an-danitra. (Jaona 14:1-3) Fantatr’izy ireo ilay fampanantenana fa hifantina amin’ireo razambeny nahatoky ny Mesia mba ho olona ambony eto an-tany. (Sal. 45:16) Eken’izy ireo fa efa nilaza ny Soratra Masina fa hifarana ny tontolo ratsy tranainy. Ary fantatr’izy ireo fa nisy ifandraisany tamin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra amin’ny Hara-magedona izany. (Matio 24:3; Apok. 16:14, 16) Nampiaiky volana azy ireo ny andinin-teny mampiseho fa noforonina mba honenana mandrakizay ny tany, ary hiaina milamina tsara ny mponina eo aminy, ary afaka mahazo fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa izay rehetra maneho finoana ny sorona lavorary nataon’i Jesosy.—Isaia 2:4; 45:18; Lioka 23:42, 43; Jaona 3:16.

Ara-dalàna tanteraka raha manontany tena izy ireo hoe rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no hitrangan’izany. Manampy hahalalana izany ve ny Soratra Masina?

Nampiasa ny fanisan-taona nataon’i Christopher Bowen avy any Angletera izy ireo, ka nihevitra fa nifarana tamin’ny 1873 ny 6 000 taonan’ny tantaran’ny olombelona, ary tao anatin’ny arivo taona fahafito teo amin’ny tantaran’ny olombelona izy ireo, ary efa nanatona ny fanombohan’ny Fanjakana Arivo Taona nambara mialoha. Nanazava ny vokatr’izany, araka ny fahazoan’ny Mpianatra ny Baiboly ny Soratra Masina, ny boky mifampitohy hoe Fiandohan’ny Arivo Taona (Fianarana ny Soratra Masina tatỳ aoriana) izay nosoratan’i C. Russell.

Noheverina ho zavatra hafa manondro fotoana koa ny Jobily, izay taom-panafahana nasain’Andriamanitra notandreman’ny Israely, isaky ny 50 taona. Misy fito taona impito aloha (ka ny tsirairay dia mifarana amin’ny sabata taona) vao tonga izany. Nomena fahafahana ny mpanompo hebreo nandritra ny taon-jobily, ary naverina tamin’ny tompony ny tany lova namidy. (Lev. 25:8-10) Niorina tamin’izany no nanaovana kajy ka noeritreretina hoe angamba nisy Jobily lehibe ho an’ny tany manontolo nanomboka tamin’ny faramparan’ny 1874, ary niverina tamin’io taona io ny Tompo ka nanatrika tsy hita maso, ary tonga “ny fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny.”—Asa. 3:19-21.

Noheverina fa mety hisy mifanandrify aminy ny zava-nitranga tamin’ny taonjato voalohany. Koa raha nifanandrify tamin’ny batisan’i Jesosy sy ny nanosorana azy tamin’ny faramparan’ny taona 29 ny nanombohany nanatrika tsy hita maso tamin’ny 1874, dia manondro ny lohataonan’ny 1878 ho fotoana nandraisany fahefana ho Mpanjaka any an-danitra ny nidirany tao Jerosalema toy ny Mpanjaka tamin’ny taona 33. e Nihevitra koa izy ireo fa amin’io taona io no hanomezana azy ny valisoany any an-danitra. Tsy nitranga anefa izany. Nihevitra indray àry izy ireo fa efa nanomboka natsangana tamin’ny maty ireo voahosotra hahazo fiainana any an-danitra, satria tokony hiaraka amin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakana izy ireo. Noheverina koa fa mety hanondro ny taona 1881 ho fotoana nifaranan’ny fahatongavana ho anisan’ny Israely ara-panahy ny nifaranan’ny fankasitrahan’Andriamanitra ny Israely araka ny nofo tamin’ny taona 36. f

Nosarihina ho amin’ny taona 1925 ny saina tao amin’ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy” nataon’i J. Rutherford teto New York, tamin’ny 21 Martsa 1920. Inona no nahatonga izany ho zava-dehibe? Nanazava ny bokikely navoaka tamin’io taona io fa mety hanondro ny taona 1925 ireo Jobily 70 feno, raha nisaina nanomboka tamin’ny daty noheverina hoe nidiran’ny Israely ny Tany Nampanantenaina (fa tsy nanomboka tamin’ny Jobily farany talohan’ny sesitany tany Babylona ka hatrany amin’ny fiandohan’ny taon-jobily namarana ny fe-potoana faha-50). Maro àry no nanantena fa angamba efa hahazo ny valisoany any an-danitra tamin’ny 1925 ny sisa amin’ny ondry vitsy. Nantenaina koa fa hatsangana amin’ny maty tamin’io taona io ny mpanompon’Andriamanitra talohan’ny andro kristianina mba hanompo eto an-tany, ho solontenan’ny Fanjakana any an-danitra. Raha izany, dia ho niaina tao amin’ny fotoana tsy hanjakan’ny fahafatesana intsony ny olona, ary afaka nanantena ny tsy ho faty mihitsy ireo olona an-tapitrisany mbola velona. Tena nahafaly izany! Diso hevitra izy ireo, nefa nitory izany tamin’ny hafa ihany.

Teo anelanelan’ny 1935 sy 1944, dia nodinihina indray ny fanisan-taonan’ny Baiboly tamin’ny ankapobe, ka hita fa ny fomba diso nandikan’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques g ny Asan’ny Apostoly 13:19, 20, sy anton-javatra hafa no nandiso ny fanisan-taona ho zato taona mahery. h Koa nisy nihevitra fa mety hanomboka hiseho amin’ny 1975 koa ireo fambara fa efa hanomboka ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy. Hanomboka amin’io taona io mantsy ny arivo taona fahafiton’ny tantaran’ny olombelona. Indraindray dia nambara ho tombantombana izany fiheverana izany, indraindray somary nohizingizinina.

Marina ve izay ninoan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba izany? Tsy diso hevitra izy raha nino fa tena hanatanteraka izay nampanantenainy Andriamanitra. Nandiso fanantenana be kosa anefa ny kajy sasany nataon’izy ireo momba ny fotoana sy izay nantenainy vokatr’izany.

Nihena be ny isan’ny mpanatrika fivoriana taorian’ny 1925 tany amin’ny fiangonana sasany tany Frantsa sy Soisa. Nisy fahadisoam-panantenana koa tamin’ny 1975 satria tsy nanomboka ny Fanjakana Arivo Taona. Nisy àry niala tamin’ny fandaminana. Voaroaka ny sasany, satria nitady hampivadika ny finoan’ny namany. Mazava fa ny fahadisoam-panantenana momba ny daty no nahatonga izany. Indraindray anefa zavatra lalina kokoa noho izany. Nisy koa nanohitra ny ilana ny fitoriana isan-trano. Tsy nifidy ny hiala fotsiny ny sasany, fa nanjary nila ady ka nanohitra ny fandaminana izay niarahany teo aloha, ary nampiasa ny haino aman-jery mba hampielezana ny heviny. Vitsy ihany anefa ny nivadika.

Nisy mbola niorina tsara hatrany, na dia niteraka fanasivanana aza ireny fitsapana ireny, ka notsofin’ny rivotra tahaka ny akofa ny sasany. Nahoana? Izao no nohazavain’i Jules Feller momba ny tenany sy ny hafa tamin’ny 1925: “Niorina tsara hatrany sy nanohy ny fitoriana ireo natoky an’i Jehovah.” Neken’izy ireo fa nisy ny fahadisoana, saingy tsy ny Tenin’Andriamanitra mihitsy no diso. Koa tsy nisy antony hahavery fanantenana azy, na hampiraviravy tanana azy eo amin’ny asa fampahafantarana amin’ny olona fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hany fanantenan’ny olombelona.

Tsy tanteraka ny sasany tamin’ireo zavatra nantenaina, nefa tsy midika izany fa tsy nilaina ny fanisan-taonan’ny Baiboly. Tanteraka tsara ara-potoana tamin’ny taona 29 ilay faminanian’i Daniela momba ny isehoan’ny Mesia, 69 herinandron-taona taorian’ny ‘nivoahan’ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’i Jerosalema.’ i (Dan. 9:24-27) Taona niavaka koa ny 1914 araka ny faminanian’ny Baiboly.

Izay nantenaina sy izay tena nisy tamin’ny 1914

Nanoratra ny voalohany tamin’ireo lahatsoratra manondro ny taona 1914 ho faran’ny Andron’ny Jentilisa voalazan’i Jesosy Kristy i C. Russell, tamin’ny 1876. (Lioka 21:24, Prot.) Nivoaka tamin’ny 1889 ny boky faharoa amin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona, ary nanome tsipiriany mitombina tsara izay manampy ny mpamaky hahita fa miorina amin’ny Soratra Masina izay voalaza, sady hanamarina izany. Nizara boky an-tapitrisany ny Mpianatra ny Baiboly nandritra ny efa ho efapolo taona, ka nampifantoka ny saina ho amin’ny faran’ny Andron’ny Jentilisa. Nisy gazety ara-pivavahana vitsivitsy nahatsikaritra fa nanondro ny taona 1914 ho daty manan-tantara ny Baiboly. Iza anefa, ankoatra ny Mpianatra ny Baiboly, no nitory azy io naharitra sy tany amin’ny tany maro, sy niaina nifanaraka tamin’ny finoana fa hifarana tamin’io taona io ny Andron’ny Jentilisa?

Nitombo ny fanantenana rehefa nanakaiky ny 1914. Inona no hiseho? Izao no nosoratan’ny Rahalahy Russell tao amin’ny Gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly Mivoaka Isam-bolana (Boky Faha-6, No. 1, teo am-piandohan’ny 1914): “Raha marina ny daty narosontsika sy ny fanisan-taona nataontsika, dia hifarana amin’ity taona 1914 ity ny Andron’ny Jentilisa. Ahoana izany? Tsy tena fantatsika tsara. Fa antenaintsika kosa fa hanomboka hanjaka ny Mesia eo amin’ny faran’ny fotoana lava nananan’ny Jentilisa fahefana. Antenaintsika (na ho marina izany, na tsia) ny hisehoan’ny fitsaran’Andriamanitra ho fanoherana ny tsy fahamarinana rehetra, ka horavana ny ankamaroan’ny rafitra misy ankehitriny, raha tsy izy rehetra mihitsy aza.” Nantitranteriny fa tsy nanantena ny “faran’izao tontolo izao” tamin’ny 1914 izy. Nantitranteriny koa fa honenana mandrakizay ny tany, ary ny rafitr’ity tontolo entin’i Satana ity no hifarana.

Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Oktobra 1913: “Araka ny fanisan-taona tsara indrindra takatry ny sainay, dia manodidina an’io daty io ilay izy: Na amin’ny Oktobra 1914, na aoriana kelin’io. Tsy manizingizina ny hevitray izahay, nefa manantena zavatra: 1) ny fahataperan’ny Andron’ny Jentilisa, na ny fahefan’ny Jentilisa eo amin’ity tontolo ity, ary 2) ny fanombohan’ny Fanjakan’ny Mesia eo amin’ity tontolo ity.”

Ahoana no hitrangan’izany? Ara-dalàna tamin’ny Mpianatra ny Baiboly ny hoe amin’izay koa no homem-boninahitra ireo olom-boafidin’Andriamanitra mbola eto an-tany, mba hiaraka amin’i Kristy ao amin’ny Fanjakany any an-danitra. Nanao ahoana anefa izy ireo rehefa tsy nitranga izany tamin’ny 1914? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aprily 1916: “Inoanay fa marina tanteraka ireo daty. Inoanay fa nifarana ny Andron’ny Jentilisa.” Niaiky toy izao anefa ilay gazety: “Ny Tompo tsy nilaza hoe efa homem-boninahitra avokoa ny Fiangonana amin’ny 1914. Izahay fotsiny no nihevitra izany, ary mazava fa diso hevitra izahay.”

Nitovitovy tamin’ny apostolin’i Jesosy izy ireo tamin’izany. Fantatry ny apostoly ny faminaniana momba ny Fanjakan’Andriamanitra, sady noheveriny fa ninoany. Imbetsaka anefa no diso ny fomba sy ny fotoana nantenain’izy ireo hahatanterahan’ireny faminaniana ireny. Nandiso fanantenana ny sasany izany.—Lioka 19:11; 24:19-24; Asa. 1:6.

Lasa ny Oktobra 1914, nefa tsy nahazo fiainana any an-danitra araka ny nantenainy izy ireo. Fantatry ny Rahalahy Russell àry fa hisy fandinihana izay tao am-po. Izao no nosoratany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Novambra 1914: “Tadidio fa ao anaty fotoam-pitsapana isika izao. Toy izany koa ny Apostoly taorian’ny nahafatesan’ny Tompontsika mandra-pahatongan’ny Pentekosta. Nisy fotoana nisehoan’ny Tompo tamin’ny mpianany taorian’ny nitsanganany, ary avy eo dia tsy nahita azy andro maro izy ireo. Kivy izy ireo, ka nanao hoe: ‘Tsy misy antony hiandrasana.’ Hoy ny iray: ‘Andeha hanarato aho.’ Hoy ny roa hafa: ‘Hiaraka aminao izahay.’ Efa handeha hirotsaka amin’ny fanaratoana izy ireo, ka hiala tamin’ny asa fanaratoana olona. Fotoam-pitsapana izany ho an’ny mpianatra, ary izany koa ankehitriny. Raha misy mahita antony hialana amin’ny Tompo sy ny Fahamarinany, ary tsy hanao sorona ho Azy intsony, dia tsy ny fitiavana an’Andriamanitra no nahaliana azy, fa zavatra hafa. Angamba fanantenana hoe ho fohy ny fotoana, ka fanoloran-tena mandritra ny fotoana fohy monja ny azy.”

Izany no nataon’ny sasany. Ny hahazo fiainana any an-danitra no nifantohan’ny sainy sy ny faniriany. Koa rehefa tsy nitranga tamin’ny fotoana nantenainy izany, dia tsy nieritreritra ny dikan’ny zava-mahagaga nitranga tamin’ny 1914 intsony izy. Hadinon’izy ireo ny fahamarinana sarobidy rehetra nianarany avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary nanomboka naneso ny olona nanampy azy hianatra izany izy.

Nanetry tena ny Mpianatra ny Baiboly, ka nandinika ny Soratra Masina indray mba hamelana azy io hanitsy ny fiheviny. Mbola niaiky foana izy ireo fa nifarana tamin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa. Nazava tsikelikely tamin’izy ireo ny fanombohan’ny Fanjakan’ny Mesia: Naorina tany an-danitra izy io fony nomen’i Jehovah fahefana i Jesosy Kristy Zanany, ary tsy nila niandry ny hananganana ny mpiara-mandova amin’i Jesosy ho amin’ny fiainana any an-danitra izy io. Mbola any aoriana mantsy izy ireo vao homem-boninahitra hiaraka aminy. Nanjary takatr’izy ireo koa fa tsy voatery hoe hatsangana amin’ny maty aloha ny mpaminany nahatoky fahiny vao hihamatanjaka ilay Fanjakana. Kristianina mahatoky velona ankehitriny kosa no hampiasain’ilay Mpanjaka ho solontenany, ka hanampy ny olona avy amin’ny firenena rehetra ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany, hotantanan’ilay Fanjakana.

Fitsapana sy fanasivanana fanampiny no vokatry ny fahatakaran’izy ireo an’izany. Ireo tena tia an’i Jehovah sy faly manompo azy anefa dia tena nankasitraka ny tombontsoam-panompoana vaovao nananany.—Apok. 3:7, 8.

Anisan’ireny i A. Macmillan. Izao no nosoratany: “Tsy tanteraka tamin’ny 1914 ny fanantenanay hakarina tany an-danitra, nefa tena nifarana tamin’io kosa ny Andron’ny Jentilisa ... Tsy nampaninona anay firy ny hoe tsy ny zavatra rehetra nantenainay no tanteraka, satria variana tamin’ilay Fampisehoana An-tsary sy ny olana nateraky ny ady izahay.” Be zavatra natao izy teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary faly nahita ny nitomboan’ny mpitory ilay Fanjakana ho iray tapitrisa mahery nandritra ny androm-piainany.

Nieritreritra ny fiainany nandritra ny 66 taona tao anatin’ny fandaminana izy, ka nanao hoe: “Hitako ny fitsapana nahery vaika maro nihatra tamin’ny fandaminana ary ny fitsapana ny finoan’ireo tao anatiny. Tafavoaka tamin’izany anefa izy io, ary mbola mitombo foana noho ny fanahin’Andriamanitra.” Hoy koa izy momba ny fanitsiana ny fomba fahazoan-kevitra: “Tsy niova ny fahamarinana fototra nianarantsika avy tao amin’ny Soratra Masina. Koa nianarako fa tokony hiaiky fahadisoana isika, ka hikaroka foana fahazavana misimisy kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy maintsy manitsy ny fihevitsika isika indraindray, nefa tsy izany no manova ny fandaharana kanto momba ny vidim-panavotana sy ny fampanantenan’Andriamanitra fiainana mandrakizay.”

Hitan’ny Rahalahy Macmillan nandritra ny androm-piainany fa tamin’ireo raharaha niteraka fitsapam-pinoana, dia ny fanekena hitory sy ny fankasitrahana ny fandaminan’Andriamanitra no raharaha roa nampiharihary izay tena tao am-pon’ny olona. Ahoana izany?

Raharaha lehibe ny fitoriana sy ny fandaminana

Ny nomerao voalohany tamin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona dia nampirisika ny tena Kristianina mba hitory ny fahamarinana. Ary nanamafy izany ireo nomerao nanaraka. Nampirisihina matetika ny mpamaky tatỳ aoriana mba hankasitraka ny voninahitra sy andraikitra hitory ny vaovao tsara. Zara fa nitory ny ankamaroany, fa nisy vitsy kosa loha laharana tamin’ilay asa, ka nitsidika olona isan-trano mba ho afaka handre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny tsirairay.

Vao mainka nohamafisina ny fanaovana fanompoana nanomboka tamin’ny 1919. Tamin-kery no nanantitranteran’ny Rahalahy Rutherford izany, tao amin’ny lahateny iray tany Cedar Point, Ohio, tamin’io taona io. Nangatahin’ny fiangonana ny handaminan’ny Fikambanana azy ho amin’ny fanompoana. Koa nanendry talen’ny fanompoana ny Fikambanana hikarakara ny asa. Izy mihitsy no tokony ho loha laharana, ary hanao izay hahazoan’ny fiangonana izay zavatra hilaina amin’izany.

Namoaka lahatsoratra hoe “Zava-dehibe ny Fanompoana” Ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1922. Nohazavain’izy io fa tena mila mandre ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny olona. Nisarika ny saina ho amin’ny baikon’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:14 izy io, sady nilaza tamin’ny anti-panahin’ny fiangonana hoe: “Aoka tsy hisy hieritreritra fa satria izy anti-panahin’ny kilasy dia fitoriana am-bava ihany no fanompoany. Raha afaka mankeny amin’ny olona izy ka mametraka hafatra vita pirinty eny an-tanan’ny olona dia tokony ho voninahitra ho azy izany, ary fitoriana ny filazantsara. Mahomby noho ny fomba fitoriana hafa ilay izy.” Hoy ilay lahatsoratra: “Misy amin’izay nanolo-tena marina ho an’ny Tompo ve manana antony andanilaniana foana ny fotoanany ankehitriny?”

Tsy nety nanao ny sasany, fa nilaza izao karazam-pialan-tsiny rehetra izao. Tamin’izy ireo dia tsy nety ny “mivarotra boky” na dia tsy nakana tombony aza ilay asa, ary na dia tamin’ny alalan’ireny boky ireny ihany aza no nianaran’izy ireo ny fahamarinana momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Nampirisihana ny hitoriana isan-trano niaraka tamin’ny boky ny alahady, tamin’ny 1926. Nisy tsy nanaiky izany, na dia ny alahady aza no andro natokan’ny maro hivavahana. Raha ny marina dia nihevitra izy ireo fa nanambany azy ny mitory isan-trano. Milaza mazava anefa ny Baiboly fa naniraka ny mpianany ho any an-tranon’ny olona i Jesosy mba hitory, ary nitory “ampahibemaso sy isan-trano” ny apostoly Paoly.—Asa. 20:20; Matio 10:5-14.

Arakaraka ny nanantitranterana ny tokony hanompoana eny amin’ny saha, dia niala tsikelikely ireo tsy te ho vavolombelona hanahaka an’i Jesosy sy ny apostoliny. Antsasany sisa ny Fiangonana Skive tany Danemark sy ny fiangonana hafa. Efatra monja sisa nijanona tamin’ireo zato mahery niaraka tamin’ny Fiangonana Dublin, tany Irlandy. Nisy fitsapana sy fanasivanana toy izany koa teto Etazonia, sy tany Kanada ary Norvezy sy ny tany hafa. Nodiovina ny fiangonana ho vokatr’izany.

Izay tena te hanahaka ny Zanak’Andriamanitra no nankasitraka ny fampirisihana avy tao amin’ny Soratra Masina. Nazoto izy ireo, nefa tsy mora taminy ny nanomboka nandeha isan-trano. Mafy tamin’ny sasany ilay izy tamin’ny voalohany. Nampahery anefa ny fiarahan’ny mpitory maromaro sy ny fivoriambe fitoriana. Mbola tsaroan’ny anabavy roa tany amin’ny faritra avaratr’i Jutland, any Danemark, foana ny andro voalohany nanaovany fanompoana. Nivory niaraka tamin’ny mpitory hafa izy ireo, nahazo toromarika, ary nanomboka nitory teo amin’ny faritaniny, nefa nitomany avy eo. Hitan’ny rahalahy roa izay nitranga ka nanasa azy mirahavavy hiara-miasa taminy izy roa lahy. Tsy ela dia mirana indray ny tava. Nanandrana ny fanompoana ny maro, ka faly be ary te hanao be kokoa.

Nisy lahatsoratra roa nitondra ny lohateny hoe “Fandaminan’i Jehovah” tao amin’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Aogositra sy 1 Septambra 1932. Naseho tao fa tsy araka ny Soratra Masina ny fifidianana anti-panahy. Lehilahy nazoto nanompo teny amin’ny saha, sy niaina nifanaraka tamin’ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah ihany no nampirisihana hampiasain’ny fiangonana mba hitana andraikitra. Tokony ho anisan’ny komitin’ny fanompoana izy ireo. Atolotry ny fiangonana ary tendren’ny Fikambanana ny iray aminy mba ho talen’ny fanompoana. Tany Belfast, any Irlandy, dia nosivanina tamin’izany fomba izany ireo te hanana toerana ambony, fa tsy te hanompo amim-panetren-tena.

Efa niala teo am-piandohan’ireo taona 1930 tsy ho anisan’ny fiangonana ny ankamaroan’ireo nitady hanakana ny fanompoana eny amin’ny saha tany Alemaina. Ny hafa natahotra ka niala, rehefa norarana ny asa tamin’ny 1933 tany amin’ny fanjakana maro tany Alemaina. An’arivony anefa no niaritra an’ireny fitsapana ny finoana ireny, ka vonona ny hitory na teo aza ny loza.

Nihanarisika ho amin’ny fitoriana ilay Fanjakana ny olona eran-tany. Nanjary zava-dehibe teo amin’ny fiainan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ny fitoriana. Ohatra, nanofa bisy ny fiangonana tany Oslo, any Norvezy, tamin’ny faran’ny herinandro mba hitondra ny mpitory tany amin’ny tanàna teny akaiky. Nivory izy ireo vao maraina, ary tamin’ny sivy na tamin’ny folo maraina dia efa teny amin’ny faritaniny, ka niasa mafy nitory nandritra ny adiny fito na valo, ary nihaona teo amin’ilay bisy avy eo mba hody. Nisy nandeha bisikileta nankany ambanivohitra, nitondra kitapo feno boky sy baoritra fanampiny. Faly ny Vavolombelon’i Jehovah, sady be zotom-po no tafaray nanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Nosarihana indray ny saina ho amin’ny fanendrena lehilahy hanana andraikitra tao amin’ny fiangonana tamin’ny 1938, j ka faly ny maro rehefa nofoanana ny fifidianana rehetra. Faly ny fiangonana nandany fanapahan-kevitra izay nankasitraka ny fandaminana, sy nangataka “ny Fikambanana” (ny sisa voahosotra, na mpanompo mahatoky sy malina, araka ny fiheveran’izy ireo) mba handamina ny fiangonana ho amin’ny fanompoana sy hanendry ny mpanompo rehetra. Nanao ny fanendrena tokony hatao ny Filan-kevi-pitantanana avy eo, ary nandamina ny fiangonana mba hanao asa tafaray sy hahavokatra. Vitsy monja no tsy nanao, ary niala tamin’ny fandaminana tamin’izay.

Tsy mifantoka afa-tsy amin’ny fitoriana ilay Fanjakana

Tsy tokony hifantoka afa-tsy amin’ny asa nasain’ny Tenin’i Jehovah hatao ankehitriny ny fandaminana, raha te hahazo sitraka aminy hatrany. Asa fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra izany. (Matio 24:14) Indraindray anefa nisy olona niasa mafy niaraka tamin’ny fandaminana, nefa niezaka koa nampiasa ny fandaminana hampandeha fandraharahana nisarika ny namany ho amin’ny asa hafa. Nanarina ireny olona ireny, ka fitsapana ho azy izany, indrindra raha nihevitra izy fa antony mendrika no nahatonga azy hanao izany.

Nitranga izany tany Failandy tamin’ny 1915: Nisy fikambanana nantsoina hoe Ararata natsangan’ireo rahalahy, ary nampiasa Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny teny failandey izy ireo hampirisihana ny mpamaky hiditra tao amin’io fikambanana nanao fandraharahana io. Nanetry tena ilay rahalahy tany Failandy, izay nanomboka azy io, rehefa nohazavain’ny Rahalahy Russell taminy fa “voataona hiala tamin’ilay asa lehibe, dia ny Filazantsara”, izy sy ny mpiara-miasa taminy. Nieboebo anefa ny rahalahy iray, izay nazoto teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah folo taona mahery tany Norvezy, ka tsy nanaiky ilay torohevitra.

Nisy nitovitovy tamin’izany koa teto Etazonia nandritra ireo taona 1930. Nisy fiangonana maromaro namoaka ny taratasin-toromarika isam-bolana, ka izao no tao anatiny: Fampahatsiahivana avy tamin’ny Gazetin’ny Fikambanana, fitantarana, ary fandaharana teo an-toerana ho amin’ny fanompoana. Nampirisika mafy ho amin’ny asa fitoriana ny iray tamin’ireny izay navoaka tany Baltimore, any Maryland, nefa nandrisika hiditra tao amin’ny fandraharahana koa. Somary nankasitrahan’ny Rahalahy Rutherford ny sasany tamin’ireny tamin’ny voalohany. Hita anefa fa nety hiteraka zavatra hafa izany, ka nilaza Ny Tilikambo Fiambenana fa tsy nankasitraka izany ny Fikambanana. Fitsapana mafy ho an’i Anton Koerber izany, satria ny hanampy an’ireo rahalahy no fikasany. Tatỳ aoriana anefa, dia natokany manontolo hampandrosoana indray ny fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fahaizany.

Olana nifandray tamin’izany no nitranga tany Aostralia tamin’ny 1938, ary nihamafy nandritra ny fandrarana (Janoary 1941–Jona 1943). Nanjary tafiditra nivantana tamin’ny raharaham-barotra maro ny biraon’ny sampana, mba hikarakarana izay toa tena nilaina tamin’izay. Fahadisoana lehibe àry no natao. Nanana milina maro nanatsofa hazo izy ireo, toeram-pambolena 20 mahery “an’ilay Fanjakana”, biraon’ny fanorenana, trano fanaova-mofo ary toeram-piasana hafa. Nisy trano fanaovam-pirinty roa natao hanakonana ny fanohizana namoaka bokin’ny Fikambanana nandritra ny fandrarana. Nanjary tsy voahajan’izy ireo intsony ilay hoe tsy momba ny atsy na ny aroa, noho ny fandraharahana sasany, izay nolazainy fa natao hanampiana ara-bola an’ireo mpisava lalana nandritra ny fandrarana. Tena tsy nilamina àry ny fieritreretan’ny sasany. Nijanona tao amin’ny fandaminana ihany ny ankamaroany, saingy tsy nandroso firy ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Inona no nisakana ny fitahian’i Jehovah?

Takatr’ireo rahalahy tao amin’ny sampana, rehefa nesorina ny fandrarana ny asa tamin’ny Jona 1943, fa tokony hofaranana ireny raharaham-barotra ireny, ka hifantoka amin’izay zava-dehibe izy ireo, dia ny fitoriana. Vita tao anatin’ny telo taona izany, ary nahena ho ara-dalàna ny isan’ny mpianakavin’ny Betela. Mbola nisy fanadiovana nilaina natao anefa, mba hatokisana tanteraka indray ny fandaminana.

Hanao izany indrindra no nitsidihan’i Nathan Knorr, prezidàn’ny Fikambanana sy M. Henschel sekreterany, an’i Aostralia tamin’ny 1947. Izao no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Jona 1947 momba ny raharaham-barotra natao tany: “Tsy asa fivelomana manampy an’ireo rahalahy ilay izy, fa orinasa isan-karazany azon’ny sampan’ny Fikambanana, ka niantsoany mpitory avy tamin’ny faritra maro, indrindra fa mpisava lalana, mba hiasa tao amin’ireny orinasa ireny, fa tsy hitory ny filazantsara.” Nanjary tafiditra tsy nivantana tamin’ny ady mihitsy aza izy ireo. Niresaka tamim-pahatsorana momba izany tamin’ireo rahalahy ny Rahalahy Knorr, tany amin’ny fivoriambe isaky ny renivohi-paritany. Nisy fanapahan-kevitra nolanina isaky ny fivoriambe, ka tao amin’ilay fanapahan-kevitra dia niaiky ny fahadisoany ny rahalahy aostralianina sady nangataka ny famindram-po sy famelan’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Hita àry fa nila nitandrina izy ireo ary nandia fitsapana. Tamin’izay ny fandaminana vao tena nifantoka tamin’ny fanelezana ny hafatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

Rehefa mieritreritra ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny izy ireo, dia hitany ny porofo fa tena nanadio ny vahoakany i Jehovah. (Mal. 3:1-3) Nesorina tsikelikely ny toe-tsaina ratsy, finoana diso, ary fanao tsy nety. Ary lasa niaraka tamin’izany koa ireo nifidy ny hifikitra tamin’izany. Ireo nijanona dia olona tsy te hanakalo ny fahamarinana tamin’ny filozofian’olombelona. Tsy mpanara-dia olona izy ireny, fa mpanompo nanolo-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra. Faly izy ireo manaraka ny tari-dalan’ny fandaminana, satria hitany fa an’i Jehovah izy io. Faly izy ireo fa mihamazava ny fahamarinana. (Ohab. 4:18) Voninahitra lehibe ho azy ireo tsirairay avy ny ho Vavolombelon’i Jehovah marisika, sady mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy, Fanontana Fanampiny, 25 Aprily 1894, p. 102-104.

b Momba ny Andriamanitra telo izay iray, dia jereo ny Rakipahalalana Katolika Vaovao, Boky Faha-14, 1967, pejy 299; ny Diksioneran’ny Baiboly (anglisy), nataon’i J. McKenzie, S.J., 1965, pejy 899; ny Diksionera Iraisam-pirenena Momba ny Testamenta Vaovao (anglisy), Boky 2, 1976, pejy 84. Momba ny fanahy, dia jereo ny Rakipahalalana Katolika Vaovao, Boky Faha-13, 1967, pejy 449-450, 452, 454; ny Diksionera Vaovao Westminster Momba ny Baiboly (anglisy), navoakan’i H. Gehman, 1970, pejy 901; Ny Mpanazava ny Baiboly, Boky I, 1952, pejy 230; Fanazavan’i Peake ny Baiboly (anglisy), navoakan’i M. Black sy H. Rowley, 1962, pejy 416.

c Nambaran’ny Rahalahy Russell fa ny vadiny, izay nandao azy tatỳ aoriana, no voalohany nampihatra ny Matio 24:45-47 taminy. Jereo Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Jolay 1906, pejy 215 sy 1 Martsa 1896, pejy 47 ary 15 Jona 1896, pejy 139-140.

d Fanamarinana, Boky Faharoa, p. 258-259, 268-269; Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Aprily 1934, p. 99-106; 15 Aprily 1934, p. 115-122; 1 Aogositra 1935, p. 227-237.

e Ireto no toa nanamafy fa taona lehibe ny 1878: Ny Jeremia 16:18 momba ny ‘mitovy amin’ny helok’i Jakoba’ (KJ) sy ny kajy nanondro fa nisy 1 845 taona nanelanelana ny nahafatesan’i Jakoba sy ny nandavana ny Israely araka ny nofo tamin’ny taona 33. Koa ny mitovy amin’izany àry dia ny tamin’ny taona 33 ka hatramin’ny 1878.

f Mbola nisy fifanandrifian-javatra hita koa: Nolazaina fa ny nandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 (37 taona taorian’ny nihobian’ny mpianany an’i Jesosy ho mpanjaka nitaingina ampondra ho ao Jerosalema) dia mety hanondro ny taona 1915 (37 taona taorian’ny 1878). Koa noheverina fa hisy korontana faran’izay lehibe havelan’Andriamanitra hitranga amin’io taona io hamaranana an’ity tontolo ity. Io daty io dia niseho tao amin’ny Fianarana ny Soratra Masina natao pirinty indray. (Jereo Boky II, pejy 99-101, 171, 221, 232, 246-247. Ampitahao amin’ny tamin’ny 1914 ny boky natao pirinty tany aloha, toa an’ilay tamin’ny 1902 amin’ny Fiandohan’ny Arivo Taona.) Tamin’izy ireo, izany dia nifanaraka tsara tamin’ilay navoaka momba ny taona 1914 izay mamarana ny Andron’ny Jentilisa.

g Ampitahao amin’ny nandikana azy ao amin’ny Baiboly Manamafy Hevitra (anglisy), nadikan’i J. Rotherham. Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy eo amin’ny Asan’ny Apostoly 13:20 ao amin’ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao—Fanaovana Fikarohana.

h Jereo “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo” toko faha-11, sy “Akaiky Ilay Fanjakana” (anglisy), pejy 171-175, ary Fotoam-pahasambarana tamin’ny 27 Martsa 1935, pejy 391, 412. Hita avy amin’ireo fanisan-taona voamarina ireo fa niorina tamin’ny fahadisoan-kevitra ny daty 1873 sy 1878, sy daty hafa mifandray amin’ireo, izay avy tamin’ilay fijerena ny fifanandrifian-javatra tamin’ny taonjato voalohany.

i Jereo ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina, Boky 2, p. 995-999.

j Jereo ny Toko 15 hoe “Fivoaran’ny Rafitry ny Fandaminana.”

[Teny notsongaina, pejy 619]

Tsy mahagaga àry ny fitsapana sy ny fanasivanana

[Teny notsongaina, pejy 621]

‘Tsy nanaiky hiala tamin’ny Tenin’ny Tompo izy ireo’

[Teny notsongaina, pejy 623]

“Tsy mitady voninahitra na haja ho anay na ho an’izay nosoratanay izahay”

[Teny notsongaina, pejy 624]

“Mbola mitantana ny zava-drehetra Andriamanitra”

[Teny notsongaina, pejy 626]

Tsy nanjavona ny “mpanompo mahatoky sy malina” rehefa maty ny Rahalahy Russell

[Teny notsongaina, pejy 627]

Tetika natao hanapoizinana ny sain’ny hafa

[Teny notsongaina, pejy 628]

Namela ny fieboeboana hanimba ny finoany ny sasany

[Teny notsongaina, pejy 629]

‘Araho maso ireo mahatonga fisaratsarahana, ary halaviro ireny’

[Teny notsongaina, pejy 630]

Nisy nanendrikendrika “Ny Tilikambo Fiambenana” hoe mandà ny vidim-panavotana

[Teny notsongaina, pejy 635]

“Izahay fotsiny no nihevitra izany, ary mazava fa diso hevitra izahay”

[Teny notsongaina, pejy 636]

Ireo tena tia an’i Jehovah dia nankasitraka ny tombontsoam-panompoana vaovao nananany

[Teny notsongaina, pejy 638]

“Misy amin’izay nanolo-tena marina ho an’ny Tompo ve manana antony andanilaniana foana ny fotoanany ankehitriny?”

[Teny notsongaina, pejy 641]

Nesorina tsikelikely ny toe-tsaina ratsy, finoana diso, ary fanao tsy nety

[Efajoro/Sary, pejy 622]

W. Van Amburgh

Hoy i W. Van Amburgh tamin’ny 1916: “Tsy asan’ny olona iray ity asa lehibe maneran-tany ity. ... Asan’Andriamanitra izy io.” Natoky mafy an’izany izy hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1947, tamin’izy 83 taona, na dia hitany niala aza ny sasany.

[Efajoro/Sary, pejy 633]

Jules Feller

Nahita fitsapana mafy ny finoana i Jules Feller, tamin’izy tovolahy. Nihena avo sasaka, na latsaka izany, ny fiangonana sasany tany Soisa. Izao anefa no nosoratany tatỳ aoriana: “Nahatoky hatrany sy nanohy ny fitoriana hatrany ireo natoky an’i Jehovah.” Tapa-kevitra ny hanao toy izany koa ny Rahalahy Feller, ka nanompo nandritra ny 68 taona tao amin’ny Betela, hatramin’ny 1992.

[Efajoro/Sary, pejy 634]

C. Woodworth

Izao no nosoratan’i C. Woodworth ho an’ny olona iray nivadika, satria tsy nampiakarina tany an-danitra tamin’ny 1914 ireo voahosotra:

“Roapolo taona lasa izay, izaho sy ianao dia nino ny batisan-jazakely, nino fa nasain’Andriamanitra nanao ilay batisa ny mpitondra fivavahana, sady nilaina ilay batisa mba tsy hijalijaliana mandrakizay. Ninoantsika fa fitiavana Andriamanitra, ary namorona sady mbola mamorona zavaboary maro be manam-pitoviana aminy, nefa hijaly mandrakizay ao amin’ny setroky ny solifara mirehitra ...”

“Ninoantsika fa velona ny olona maty, ary mbola tsy maty mihitsy i Jesosy sady tsy mety maty, ary tsy nisy Vidim-panavotana naloa na haloa, ary iray ihany i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy, ary sady Rainy i Kristy no Zanany, ary olona ny Fanahy Masina, ary iray ampiana iray ampiana iray mira iray. Ninoantsika fa niteny tamin’ny tenany i Jesosy, tamin’izy nihantona teo amin’ny lakroa, hoe: ‘Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy ahy ianao?’ Ninoantsika fa anisan’ny Fanjakan’i Kristy ireo fanjakana ankehitriny, ary any amin’ny Afobe ny Devoly, fa tsy mifehy an’ireo fanjakana eto an-tany ...”

“Isaorako Andriamanitra noho ilay andro nahatongavan’ny Fahamarinana teo am-baravarako. Tena mahasoa ilay izy, mamelombelona ny saina sy ny fo, hany ka nialako haingana ny fitaka sy ny rediredy taloha, ka nampiasain’Andriamanitra aho hanokatra ny masonao koa. Niara-paly noho ny Fahamarinana isika, ka niara-niasa nandritra ny 15 taona. Nanome voninahitra anao ny Tompo, ary nanao anao ho mpitondra teniny. Ary mbola tsy nahita olona nahay nampiharihary ny hadalan’i Babylona toa anao aho! Hoy ianao, tao amin’ny taratasinao: ‘Inona no manaraka?’ Izay indrindra no mampalahelo, fa ny manaraka dia ny namelanao ny fonao ho tezitra tamin’ilay niasa mafy sy notahin’ny Avo ka nitondra ny Fahamarinana tao am-pontsika. Dia niala ianao, ary nisy ondry maromaro nentinao koa. ...”

“Mampihomehy anao angamba aho satria tsy nankany An-danitra tamin’ny 1 Oktobra 1914, fa ianao kosa tsy mampihomehy ahy. Tsia!”

“Miolanolana eo am-pialana aina ireo firenena folo lehibe eto an-tany izao. Amiko dia tsy izao no fotoana anesoana an’ilay hany nampianatra fa hifarana amin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa.”

Tsy nihozongozona ny finoan’ny Rahalahy Woodworth, na tsy tanteraka tamin’ny 1914 aza ny nantenainy. Takany fotsiny fa nisy zavatra mbola tokony hianarana. Natoky ny fikasan’Andriamanitra izy, ka nigadra sivy volana (1918-1919). Mpampanonta ny gazety “Fotoam-pahasambarana” sy “Fampiononana” izy tatỳ aoriana. Natanjaka tamin’ny finoana sy nahatoky tamin’ny fandaminana izy hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1951, tamin’izy 81 taona.

[Efajoro/Sary, pejy 637]

A. Macmillan

“Hitako fa fahendrena ny miandry amim-paharetana an’i Jehovah mba hanazava ny fahazoantsika ny hevitry ny Soratra Masina, fa tsy ho sosotra rehefa misy hevitra vaovao. Momba ny daty dia nanantena mihoatra noho izay nampanantenain’ny Soratra Masina isika. Tsy nampiova ny fikasan’Andriamanitra anefa ny tsy fahatanterahan’ireny zavatra nantenaina ireny.”

[Sary, pejy 620]

Tena fitsapana ny finoana ny fanekena fa mahavita mamono ny fahotana ny soron’i Jesosy

[Sary, pejy 625]

Takatr’ireo nidera an’i Russell fa ny fihetsiny teo anoloan’i Rutherford dia nampiharihary hoe iza marina no notompoin’izy ireo

[Sary, pejy 639]

Maro no niala rehefa nantitranterina ny tokony hanompoana eny amin’ny saha. Vao mainka be zotom-po ny sasany

“Ny Tilikambo Fiambenana” 1 Aprily 1928

“Ny Tilikambo Fiambenana” 15 Jona 1927

“Ny Tilikambo Fiambenana” 15 Aogositra 1922

[Sary, pejy 640]

Nosivanina hiala ireo nitady toerana ambony rehefa natao nifanaraka tamin’ny Soratra Masina ny fandaminana