Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Halan’ny Firenena Rehetra”

“Halan’ny Firenena Rehetra”

Toko 29

“Halan’ny Firenena Rehetra”

NY HARIVA niarahan’i Jesosy tamin’ny apostoliny, talohan’ny hahafatesany, dia nampahatsiahy azy ireo izy hoe: “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa. Ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny teninareo koa. Noho ny amin’ny anarako anefa no hanaovany izany rehetra izany aminareo, satria tsy fantany ilay naniraka ahy.”—Jaona 15:20, 21.

Tsy fanenjehana mahalankalana fotsiny no tao an-tsain’i Jesosy. Hoy mantsy izy, telo andro talohan’izay: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.”—Matio 24:9.

Nilazan’i Jesosy anefa ny mpianany mba tsy handray fiadiana rehefa enjehina. (Matio 26:48-52) Tsy tokony hanevateva ny mpanenjika izy ireo na hitady hamaly faty. (Rom. 12:14; 1 Pet. 2:21-23) Ary tsy mety ho lasa mpino ve ireny mpanenjika ireny indray andro any? (Asa. 2:36-42; 7:58–8:1; 9:1-22) An’Andriamanitra ny famaliana.—Rom. 12:17-19.

Marina fa nanenjika tamin-kabibiana ny Kristianina voalohany ny fanjakana romanina. Ny mpitondra fivavahana anefa no loha laharana tamin’ny fanenjehana an’i Jesosy Kristy, ary ny fitakian’izy ireo no nahatonga an’i Pontio Pilato, governora romanina, hampamono an’i Jesosy ho faty. (Lioka 23:13-25) Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy, dia mbola ny mpitondra fivavahana ihany no loha laharana tamin’ny fanenjehana ny mpianany. (Asa. 4:1-22; 5:17-32; 9:1, 2) Tsy izany koa ve no nitranga tatỳ aoriana?

Nangataka adihevitra ampahibemaso ny mpitondra fivavahana

Vetivety dia nisy an-tapitrisany ny boky nosoratan’i C. Russell niely tamin’ny fiteny maro. Nahatezitra ny mpitondra fivavahana katolika sy protestanta ireny, satria nanala sarona ny fampianaran’izy ireo, sady nihena ny mpiangona tao aminy. Koa maro taminy no nanaratsy ny bokin’i Russell tamin’ny toriteniny, sy nandrara ny mpiangona tao aminy tsy handray ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly. Nataony izay handresena lahatra ny manam-pahefana hampitsahatra ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly. Nodorany ampahibemaso ny boky nosoratan’i Russell tany Tampa, any Floride; Rock Island, any Illinois; Winston-Salem, any Caroline Avaratra; ary Scranton, any Pennsylvanie.

Nihevitra ny sasany tamin’izy ireo fa hampitsahatra ny asan’i Russell ny adihevitra ampahibemaso. Koa nofidiny ho mpitondra teniny ny Dr. E. Eaton, pasiteran’ny Fiangonana Episkopaly Metodista tao North Avenue, any Allegheny, Pennsylvanie. Nanasa ny Rahalahy Russell hanao adihevitra ampahibemaso izy tamin’ny taona 1903, ary nanaiky i Russell.

Foto-kevitra enina no naroso hiadian-kevitra: Nantitranterin’ny Rahalahy Russell, nefa nolavin’ny Dr. Eaton izao: Tsy mahatsiaro na inona na inona ny fanahin’ny maty; alohan’ny Fanjakana Arivo Taona ny ‘fiavian’i Kristy fanindroany’ ary hitondra fitahiana ho an’ny fianakaviana rehetra eto an-tany izany sy ny Fanjakana Arivo Taona; ny olona masina amin’ny “vanim-potoan’ny Filazantsara” ihany no manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany, fa ny vahoaka be kosa mety hahazo famonjena amin’ny alalan’ny fitsanganana any aoriana. Nantitranterin’ny Dr. Eaton, nefa nolavin’ny Rahalahy Russell kosa izao: Tsy hisy fotoana hitsapan-toetra an’iza na iza aorian’ny fahafatesana; ho any an-danitra izay rehetra voavonjy; ary hampijalina mandrakizay ny mpanota tsy mety miova. Nisy enina ireo adihevitra natao tao amin’ny Carnegie Hall, tany Allegheny, tamin’ny 1903.

Inona no anton’ireny adihevitra ireny? Nilaza ny heviny i Albert Vandenberg tatỳ aoriana hoe: “Mpitondra fivavahana protestanta samy hafa no mpanelanelana, isaky ny adihevitra. Ary nipetraka niaraka tamin’ny Révérend Eaton teo an-dampihazo ny mpitondra fivavahana maro samihafa, mba hanohana azy sy hanome andinin-teny, hono. ... Natahotra ny mpitondra fivavahana protestanta sao ho voatarik’i Russell ny mpiangona tao aminy, matoa izy ireo nivondrona toy izany.”—“Charles Taze Russell: Mpaminanin’i Pittsburgh, 1879-1909”, navoaka tao amin’ny Gazetiboky Ara-tantaran’i Pennsylvanie Andrefana (anglisy), Janoary 1986, p. 14.

Vitsy ihany ireny adihevitra ireny. Tsy araka ny nirin’ny vondron’ireo mpitondra fivavahana ny vokany. Niala tamin’ny fivavahan’ny Dr. Eaton ny mpiangona sasany, ka nifidy ny hiaraka tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, noho izay reny tamin’ireo adihevitra tamin’ny 1903. Niaiky mihitsy aza ny mpitondra fivavahana iray nanatrika teo, nanao hoe: ‘Notondrahan’i Russell ny afobe ka novonoiny ny afony.’ Tsapan’ny Rahalahy Russell anefa fa tsy hampandroso ny fahamarinana ireny adihevitra ireny.

Tsy nilavo lefona ny mpitondra fivavahana. Rehefa nanao lahateny tany Dublin, any Irlandy, sy tany Otley, any Angletera, ny Rahalahy Russell, dia nasian’izy ireo olona teo amin’ny mpanatrika mba hikiakiaka hanohitra an’izay nolazainy sy hiampanga lainga azy. Hain’ny Rahalahy Russell tsara anefa ny namaly azy ireny, tamin’ny fampiasana Baiboly.

Ao anatin’ny Fikambanana Evanjelika ireo mpitondra fivavahana protestanta rehetra. Nanao izay hanoherana an’i Russell sy ireo nizara ny bokiny, ny solontenan’izy ireo tany amin’ny tany maro. Ohatra, tsikaritry ny Mpianatra ny Baiboly tany Texas, Etazonia, fa nanana boky feno fiampangana lainga an’i Russell sy fandikana vilana ny fampianarany, ny mpitory teny tsirairay, na tany amin’ny tanàna kely indrindra sy tany ambanivohitra aza.

Tsy araka ny nampoizin’ny mpitondra fivavahana foana anefa ny vokatr’izany. Nanaratsy an’i Russell tao amin’ny toriteniny, ohatra, ny mpitondra fivavahana iray tany Nouveau-Brunswick, Kanada, nefa nisy lehilahy efa namaky ny bokin’ny Rahalahy Russell teo. Tsy nahafaly an’ilay lehilahy ny laingan’ilay mpitory teny. Koa nitsangana izy raha mbola tsy vita ilay toriteny, notantanany ny vadiny, ary nantsoiny ny zanany fito mirahavavy: “Andao hody isika, rankizy.” Niara-nivoaka izy sivy mianaka, nefa io lehilahy io no nanorina an’ilay trano fiangonana sady mpanohana ara-bola. Tsy ela dia rava ilay fiangonana, ka lasa ilay mpitondra fivavahana.

Fanesoana sy fanendrikendrehana

Anisan’ny fomba nampiasain’ny mpitondra fivavahana hampitsaharana ny asan’i Russell ny filazany fa tsy tena mpitory kristianina i Russell. Te hampitsahatra ny asan’ireo apostoly koa ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny taonjato voalohany, matoa nilaza fa ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ i Petera sy Jaona.—Asa. 4:13.

Marina fa tsy nahazo diplaoma tamin’ny sekoly teolojikan’ny Kristianisma Anarana ny Rahalahy Russell. Sahy nilaza anefa izy hoe: “Angatahinay [ny mpitondra fivavahana] hanaporofo raha nahazo fanokanana tamin’Andriamanitra izy ireo na mba nieritreritra an’izany akory aza. Fanokanana, na fanomezan-dalana, voafetra ihany ny azy, satria avy amin’ny sekta na ny fivavahany fotsiny. ... Izay olona omen’Andriamanitra ny Fanahy Masina anefa no atokany, na omeny lalana hitory. Izay nahazo ny Fanahy Masina no nahazo hery sy fahefana hampianatra sy hitory amin’ny anaran’Andriamanitra. Izay tsy nahazo ny Fanahy Masina kosa dia tsy nomen’Andriamanitra fahefana hitory ny teniny sady tsy nekeny hanao izany.”—Isaia 61:1, 2.

Nampiely lainga momba an’i Russell ny mpitondra fivavahana sasany, mba hanimbana ny lazany. Anisan’ny lainga nampiasain’izy ireo matetika sady mbola ampiasainy, ny amin’ny fanambadian’ny Rahalahy Russell. Tiany ny hampino ny olona fa naloto fitondran-tena i Russell. Inona anefa no tena marina?

Nanambady an’i Maria Frances Ackley i Charles Russell tamin’ny 1879. Tsara ny fifandraisan’izy roa nandritra ny 13 taona. Nihasimba anefa izany fifandraisana izany rehefa nisy nandoka an’i Maria ka nampirisika azy hanana ny hambom-pony. Nony takatr’i Maria ny zava-nokendren’ireny olona ireny, dia toa nisaina tsara indray izy. Rehefa nampiely lainga momba ny Rahalahy Russell ny mpiara-miasa taminy taloha, dia nangata-dalana tamin’ny vadiny i Maria hitsidika fiangonana maromaro, mba hamaliana an’ilay fiampangana hoe nampijalin’ny vadiny izy. Nanomboka nihevi-tena ho zavatra anefa i Maria rehefa noraisina tsara izy tamin’iny diany tamin’ny 1894 iny. Naniry hanana fahefana bebe kokoa tamin’izay havoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana izy. a Rehefa takany fa tsy maintsy neken’ny vadiny ny zavatra nosoratany (raha mifanaraka amin’ny Soratra Masina) vao havoaka ao amin’ilay gazety, dia tena tsy faly izy. Niezaka mafy hanampy azy i Russell, nefa nandao azy i Maria tamin’ny Novambra 1897. Nanome azy fonenana sy izay nilainy hivelomana anefa i Russell. Nangataka fisarahana tany amin’ny fitsarana i Maria tamin’ny 1903, ary nivoaka ny didy tamin’ny 1908 fa tsy tapaka tanteraka ny fanambadian’izy ireo, saingy misara-pandriana sy misara-toerana izy ireo, ary hanome vola hivelomany ny vadiny.

Koa niezaka mafy hanaratsy laza ny vadiny i Maria, rehefa avy nandao azy. Namoaka trakta feno fanaratsiana ny Rahalahy Russell izy tamin’ny 1903. Nangataka mpitory avy tamin’ny fivavahana maro samihafa izy hizara ilay trakta tany amin’ny toerana nivorian’ny Mpianatra ny Baiboly. Tsy maro no nanaiky hanao izany tamin’izay fotoana izay. Mampalahelo anefa fa nanao toy ny nataon’i Maria ny mpitondra fivavahana sasany tatỳ aoriana.

Nanameloka an’izay niampanga ny Rahalahy Russell ho ratsy fitondran-tena i Maria Russell taloha. Niova indray anefa ny filazany tatỳ aoriana. Teny tsy marim-pototra teny amin’ny fitsarana tamin’ny 1906 (sady nasain’ny fitsarana novonoina), no nampiasain’ny mpanohitra hiampangana ny Rahalahy Russell ho lehilahy naloto fitondran-tena, ka tsy mendrika ny ho mpanompon’Andriamanitra. Diso anefa izany fiampangana izany. Ny mpisolovava an-dRtoa Russell mihitsy no nanontany azy raha ninoany fa nanitsakitsaka azy ny vadiny. “Tsia”, hoy i Maria. Rehefa nihaino ny fiampangany ny vadiny tamin’ny 1897 ny komitin’ny anti-panahy kristianina, dia tsy noresahiny mihitsy ny zavatra nolazainy tany amin’ny fitsarana, na dia nitranga talohan’ilay fihaonany tamin’ny komity aza, hono, izany. Te handresy lahatra ny mpitsara fotsiny izy mba hahazoany fisaraham-panambadiana.

Sivy taona taorian’ny nampidiran-dRtoa Russell an’ilay raharaha teny amin’ny fitsarana, dia nangataka kopian’ilay firaketana an-tsoratry ny fitsarana ny lehilahy iray mba hanalana sarona an’i Russell. Nosoratan’i James Macfarlane, mpitsara, taminy anefa fa ho lanilany fotsiny ny fotoanany sy ny volany. Hoy izy: “ ‘Fampietrena’ no anton’ilay fangatahany sy ilay didy navoakan’ny mpitsara fa tsy fanitsakitsaham-bady, ary tsy nisy porofo ny amin’ny hoe ‘nijangajanga tamin’ny olon-kafa niaro azy’ i Russell, araka ny hevitro. Sady tsy nisy olon-kafa niaro azy koa teo.”

Niaiky ny amin’izany koa i Maria Russell na dia efa diso aoriana aza, tao amin’ny Carnegie Hall tany Pittsburgh, tamin’ny nandevenana ny Rahalahy Russell tamin’ny 1916. Nisarom-boaly izy nankeo amin’ny vatam-paty, ary nametraka voninkazo lisy nisy soratra hoe “Ho An’ny Vady Malalako.”

Ny mpitondra fivavahana ankehitriny dia manahaka ny nataon’ny mpitondra fivavahana tamin’ny taonjato voalohany, izay niezaka nanimba ny lazan’i Jesosy. Nilaza izy ireo fa niara-nihinana tamin’ny mpanota izy, ary mpanota sady mpanevateva an’Andriamanitra. (Matio 9:11; Jaona 9:16-24; 10:33-37) Tsy nampiova ny marina momba an’i Jesosy anefa izany fiampangana izany, fa vao mainka nampiharihary kosa fa tena zanaky ny Devoly ireo nanendrikendrika taloha sy ankehitriny, satria midika hoe “Mpanendrikendrika” ny hoe Devoly.—Jaona 8:44.

Nohararaotina ny ady

Nafana ny fanindrahindram-pirenena eran-tany nandritra ny Ady Lehibe I, ka nampiasaina hamelezana ny Mpianatra ny Baiboly. Niseho ho tia tanindrazana ny mpitondra fivavahana protestanta sy katolika, mba hanehoany ny fankahalany. Nohararaotiny ny ady mba hilazana fa nampirisika hikomy tamin’ny fanjakana ny Mpianatra ny Baiboly. Toy izany koa ny fiampangan’ny mpitondra fivavahana an’i Jesosy Kristy sy ny apostoly Paoly, tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 23:2, 4; Asa. 24:1, 5) Tsy maintsy nafana fo tamin’ny ady ny mpitondra fivavahana matoa nanao fiampangana toy izany, nefa toa tsy nampaninona azy ireo izany, na dia nandefa tovolahy hamono mpiray finoana taminy tany an-tany hafa aza izy ireo tamin’izany.

Tamin’ny Jolay 1917 no namoahan’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana an’ilay boky hoe Ilay Mistery Fantatra, izay nanazava ny bokin’ny Apokalypsy sy Ezekiela ary ny Tonon-kiran’i Solomona. Nalana sarona tao amin’io boky io ny fihatsarambelatsihin’ny mpitondra fivavahana tao amin’ny Kristianisma Anarana! Maro no naely tao anatin’ny fotoana fohy. Tamin’ny faramparan’ny Desambra 1917 sy teo am-piandohan’ny 1918, dia nizara 10 000 000 tamin’ilay trakta hoe Gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly Mivoaka Isam-bolana, ny Mpianatra ny Baiboly teto Etazonia sy tatsy Kanada. Hafatra mahery no novoizin’io trakta efatra pejy io, izay nisy lohateny hoe “Ny Nianjeran’i Babylona”, sy lohatenikely hoe “Nahoana no tsy maintsy mijaly ankehitriny ny Kristianisma Anarana, ary inona no hiafarany?” Voalaza tao fa ny fivavahana katolika sy protestanta no Babylona ankehitriny, izay tsy maintsy hianjera tsy ho ela. Ho porofon’izany, dia naveriny ny fanazavana faminaniana momba ny fanamelohan’Andriamanitra an’ilay “Babylona Mifono Mistery” tao amin’ny boky Ilay Mistery Fantatra. Ny pejy farany dia nisy sary nampiseho manda nirodana, sy vatobe maromaro nikodia nisy soratra hoe “Andriamanitra Telo Izay Iray (‘3 X 1 = 1’)”, “Fanahy Tsy Mety Maty”, “Fampijaliana Mandrakizay”, “Fivavahana Protestanta: fanekem-pinoana, pasitera, sns.”, “Fivavahana Katolika: papa, kardinaly, sns.”

Romotra ny mpitondra fivavahana rehefa nalana sarona toy izany, tsy nisy hafa tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. (Matio 23:1-39; 26:3, 4) Tsy ela ny mpitondra fivavahana maherin’ny 600 tany Kanada, dia nanao sonia fangatahana ny fanjakana handrara ny bokin’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny Janoary 1918. Notantarain’ny Gazety Takarivan’i Winnipeg (anglisy), fa nokianin’i Charles Paterson, pasiteran’ny Fiangonana Saint Stephen tany Winnipeg, ilay Gazetin’ny Mpianatra ny Baiboly Mivoaka Isam-bolana, izay nisy ilay lahatsoratra hoe “Ny Nianjeran’i Babylona.” Nangataka tamin’io trakta io tamin’ilay pasitera ny Minisitry ny Fitsarana Johnson. Tsy ela taorian’izay, tamin’ny 12 Febroary 1918, dia namoaka didy ny fanjakana kanadianina fa hosazin’ny lalàna handoa lamandy sy higadra izay nanana ny boky Ilay Mistery Fantatra na ilay trakta.

Nanao lahateny tao amin’ny Temple Auditorium tany Los Angeles, Kalifornia, ny Rahalahy Rutherford, prezidà vaovaon’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 24 Febroary. Tena nanaitra ilay foto-kevitra nohazavainy hoe: “Nifarana Izao Tontolo Izao, ka Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Mety Tsy ho Faty Mihitsy.” Nohazavainy fa ilay ady sy ny mosary, no porofo fa nifarana tokoa tamin’ny 1914 ny tontolo fantatra hatramin’izay, sady anisan’ilay famantarana efa nambaran’i Jesosy. (Matio 24:3-8) Nisarika ny saina ho amin’ny mpitondra fivavahana izy avy eo:

“Ny mpitondra fivavahana amin’ny fitambarany, no tompon-keloka lehibe indrindra eto an-tany amin’ilay ady lehibe ankehitriny, araka ny voalazan’ny Soratra Masina. Nampianarin’izy ireo hatramin’ny 1 500 taona fa nomen’Andriamanitra zo hitondra ny mpanjaka, nefa fampianaran’i Satana izany. Nakambany foana ny politika sy ny fivavahana, ny fiangonana sy ny fitondrana. Voninahitra nomen’Andriamanitra azy ny hitory ny hafatra momba ny fanjakan’ny Mesia, nefa tsy nataony izany. Nataony izay hinoan’ny mpanjaka fa nomen’Andriamanitra zo hitondra izy, ka mety avokoa izay ataony.” Ny vokatr’izany, hoy izy, dia “nandray fiadiana hiady ireo mpanjakan’i Eoropa, satria nitsiriritra tany hafa, ary nankasitraka azy ireo ny mpitondra fivavahana ka nanao hoe: ‘Aza misalasala, fa mety avokoa izay ataonareo.’ ” Tsy ny mpitondra fivavahana tany Eoropa ihany anefa no toy izany, ary fantatry ny teto Amerika izany.

Niresaka be dia be momba io lahateny io ny Gazety Maraina (anglisy) tany Los Angeles, ny ampitson’iny. Tezitra mafy ny mpitondra fivavahana ka nivory ny androtr’iny ihany ny fikambanany, ary naniraka ny prezidàny ho any amin’ny mpitantana an’ilay gazety hilaza ny tsy fahafaliany. Taorian’izany, dia tonga nila vaniny foana tao amin’ny biraon’ny Fikambanana ny iraky ny sampam-pitsikilovan’ny fanjakana.

Nisy mpitondra fivavahana nivory tany Philadelphie, Etazonia, ka nanapa-kevitra fa hangatahina ny hanavaozana ny Lalàna Momba ny Fitsikilovana, mba ho azon’ny miaramila tsaraina sy melohina ho faty izay ahiahina. Voafidy hitondra an’ilay fanapahan-kevitra teo anatrehan’ny Antenimieran-doholona i John Lord O’Brian, lefitry ny minisitry ny Fitsarana. Tsy neken’ny prezidàn’i Etazonia anefa ny hamoahana izany ho lalàna. Rehefa niresaka tamin’i J. Rutherford sy W. Van Amburgh i James Bell, jeneraly tao amin’ny tafika amerikanina, dia tezitra mafy izy ka nitantara ny fikasan’izy ireo hampiasa ilay volavolan-dalàna mba hanenjehana ny tompon’andraikitry ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.

Nasehon’ny antontan-taratasim-panjakana koa fa i John Lord O’Brian no nitady hevitra hiampangana ny Mpianatra ny Baiboly, nanomboka tamin’ny 21 Febroary 1918. Misy taratasiny ao amin’ny Firaketana An-tsoratry ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 24 Aprily sy 4 Mey, nilazany fa tsy hahomby ny fitoriany ny Mpianatra ny Baiboly, raha eken’ny lalàna ny hilazana “ny marina, amin’ny fo madio, sy noho ny zava-kendrena marim-pototra”, araka ny Frantsa: Fanitsiana ny Lalàna Momba ny Fitsikilovana.

Nanararaotra ny ady ny “Révérend” B. Wyland, tany Worcester, Massachusetts, mba hanizingizinana fa hahazoan’ny fahavalo tombontsoa ny fampielezan-kevitry ny Mpianatra ny Baiboly. Namoaka lahatsoratra tao amin’ny gazety Telegrama Isan’andro (anglisy) izy, nilazany hoe: “Adidinareo olom-pirenena tia tanindrazana ny manafoana ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, izay manana ny foibeny ao Brooklyn. Miseho ho mpivavaka izy ireo nefa mampiely ny hevitry ny Alemà eto Worcester, amin’ny fivarotana ilay boky hoe ‘Ilay Mistery Fantatra.’ ” Nilaza mivantana tamin’ny manam-pahefana izy fa adidin’izy ireo ny misambotra ny Mpianatra ny Baiboly ka misakana azy tsy hivory intsony.

Nenjehina hatraiza hatraiza ny Mpianatra ny Baiboly, na tatỳ Amerika Avaratra na tany Eoropa, nandritra ny lohataona sy ny fahavaratry ny taona 1918. Mpitondra fivavahana batista, metodista, episkopaly, loteranina, katolika, sy ny hafa, no nitarika izany. Nalain’ny manam-pahefana an-keriny ny boky aman-gazety, ary Mpianatra ny Baiboly maro no naiditra am-ponja. Ny sasany nenjehin’ny vahoaka romotra, nokapohina, nokaravasina, nasiana godorao sy volom-borona, na tapaka ny taolan-tehezany na vaky ny lohany. Nanjary kilemaina tanteraka ny sasany. Naiditra am-ponja tsy tamin’antony na lehilahy na vehivavy, ary tsy nandalo fitsarana. Voatantara tao amin’ny gazety Fotoam-pahasambarana tamin’ny 29 Septambra 1920 ny herisetra toy izany natao tamin’ny Kristianina 100 mahery.

Nampangaina ho mpitsikilo

Tamin’ny 7 Mey 1918 ny famelezana mafy indrindra, rehefa nivoaka ny baiko hisamborana an’i J. Rutherford, prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society sy ny mpiara-miasa akaiky taminy.

Zavatra roa no nitoriana ny Rahalahy Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy, ny omalin’iny, teto Brooklyn, New York. Raha tsy nahomby ilay voalohany, dia naroso ilay faharoa. Zavatra efatra no tafiditra tao amin’ilay fitoriana voalohany, izay niampangana olona maro kokoa: Ny roa niampangana azy ireo ho niray tetika handika ny Lalàna Momba ny Fitsikilovana tamin’ny 15 Jona 1917, ary ny roa niampangana azy ireo ho nitady hanatanteraka ilay teti-dratsiny na efa nanao izany mihitsy. Nolazaina fa niray tetika, hono, izy ireo hitaona olona tsy hankatò ny fanjakana sady tsy hanaiky hiditra tao amin’ny tafika amerikanina, hisakana ny fiantsoana hanao miaramila nandritra ilay ady, ary nolazaina koa fa nitady hanao na efa nanao ireo zavatra roa ireo mihitsy izy ireo. Nasongadin’ilay fitoriana ny nanontana sy nampielezana ny boky Ilay Mistery Fantatra. Nolazaina tao amin’ilay fitoriana faharoa fa nanohitra ny tombontsoan’i Etazonia ny fandefasana seky tany Eoropa (izay nampiasaina tamin’ny fampianarana Baiboly tany Alemaina anefa). Ilay fitoriana voalohany no notazonina teny amin’ny fitsarana.

Efa nisy fitoriana hafa an’i C. Woodworth sy J. Rutherford ho nandika ny Lalàna Momba ny Fitsikilovana koa tany Scranton, Pennsylvanie. Araka ny taratasin’i John Lord O’Brian tamin’ny 20 Mey 1918 anefa, dia natahoran’ny tao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana sao tsy heken’i Witmer, izay hitsara ilay raharaha, ny hampiasana an’ilay Lalàna Momba ny Fitsikilovana mba hanafoanana ny asan’ireo voalaza fa nampiely hevitra hanoherana ny ady. Koa nahanton’ny Minisiteran’ny Fitsarana aloha ilay raharaha tany Scranton, teo am-piandrasana an’ilay teto Brooklyn. Koa i Harland Howe avy any Vermont, no nofidin’ny fanjakana hitsara an’ilay raharaha teto New York, satria fantatr’i John Lord O’Brian fa nitovy hevitra taminy izy io. Tamin’ny 5 Jona ilay fitsarana, ka i Isaac Oeland sy Charles Buchner, Katolika, no mpitory. Tsikaritry ny Rahalahy Rutherford fa nifampidinika imbetsaka tamin’i Buchner sy Oeland ny pretra, nandritra ilay fitsarana.

Niharihary fa tsy nikasa velively hanakantsakana ny fidiran’ilay firenena tamin’ilay ady, ny tompon’andraikitry ny Fikambanana sy ny mpamoaka an’ilay boky. Voaporofo fa talohan’ny nidiran’i Etazonia tamin’ilay ady (tamin’ny 6 Aprily 1917) no nikasana hanoratana ilay boky, na ny ampahany be indrindra, ary nosoniavina talohan’ny namoahan’i Etazonia an’ilay lalàna (tamin’ny 15 Jona), ny fifanekena voalohany hanontana ilay boky.

Nasongadin’ny mpiampanga ireo andalana nanampy tao amin’ilay boky tamin’ny Aprily sy Jona 1917. Anisan’izany ny tenin’ilay mpitondra fivavahana atao hoe John Holmes, izay nanantitrantitra fa nifanohitra tanteraka tamin’ny Kristianisma ny ady. Nolazain’ny mpisolovava fa mbola namidy teto Etazonia tamin’izay fotoana izay ny bokin’ilay mpitondra fivavahana, nitondra ny lohateny hoe Teny ho An’ny Fireneko, Alohan’ny Ady (anglisy). Tsy notorina teny amin’ny fitsarana anefa na ilay mpitondra fivavahana na ilay mpampanonta. Ny Mpianatra ny Baiboly izay namerina ny teniny kosa no notorina, ka nolazaina fa tompon’antoka tamin’ny fihetseham-po voalaza tao.

Tsy nilaza anefa ilay bokin’ny Mpianatra ny Baiboly hoe tsy mahazo miady ny olona. Naka teny tao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1915 ilay boky, mba hampisehoana fa nihambo ho mpitorin’i Kristy ny mpitondra fivavahana, nefa niantso olona hiady.

Raha vao fantatry ny Rahalahy Rutherford fa tsy nankasitrahan’ny fanjakana ilay boky, dia nandefa telegrama tany amin’ny mpanao pirinty avy hatrany izy tsy hanonta azy io. Ary naniraka solontenan’ny Fikambanana koa izy ho any amin’ny sampam-pitsikilovan’ny tafika amerikanina mba hahafantarana izay tsy tian’izy ireo. Nony fantatra fa ireo pejy 247-253 izany, dia nasain’ny Fikambanana nesorina tao amin’ny boky rehetra haely izany. Ary rehefa nilaza tamin’ny mpampanoa lalàna ny fanjakana fa fandikana ny Lalàna Momba ny Fitsikilovana ny fampielezana an’ilay boky (na dia tsy nilaza ny heviny aza ny fanjakana nony efa novana ilay boky), dia nasain’ny Fikambanana naato ny fampielezana azy io.

Nahoana no mafy be ny sazy azon’izy ireo?

Na izany aza, dia nilaza ny mpitsara mpanampy tamin’ny 20 Jona 1918 fa meloka ireo voampanga. Koa samy nomelohina higadra 20 taona inefatra avy ny fito b tamin’izy ireo, ka hatambatra indray mandeha ilay sazy fa tsy hasesy. Ary nomelohina higadra 10 taona inefatra ilay farany, c tamin’ny 10 Jolay, ka hatambatra ao anatin’ny 10 taona indray mandeha izany. Mafy tokoa ve izany sazy izany? Nilaza i Woodrow Wilson, prezidà amerikanina, tao amin’ny taratasiny ho an’ny minisitry ny Fitsarana, tamin’ny 12 Martsa 1919, fa “tafahoatra ireo sazy ireo.” Na ilay lehilahy nitifitra ny printsy handimby ny mpanjakan’ny Fanjakan’i Aotrisy-Hongria tany Sarajevo aza, tsy nahazo sazy toy izany. Nomelohina higadra 20 taona izy, fa tsy 20 taona inefatra, toy ny an’ny Mpianatra ny Baiboly, nefa ny nataony no nampipoaka ny Ady Lehibe I!

Inona no anton’izany sazy mafy izany? Hoy i Harland Howe, mpitsara: “Araka ny hevitry ny Fitsarana, dia loza lehibe kokoa noho ny Tafika Alemà ny fampielezan-kevitra ara-pivavahana ataon’ireo voampanga ireo manerana ny firenentsika sy ny mpiray dina amintsika. ... Manan-kery lehibe kokoa ny mpitory fivavahana, indrindra raha tso-po izy. Koa vao mainka lehibe ny loza entiny. Nanatsoaka hevitra àry ny Fitsarana fa tokony hosazina mafy izy ireo, satria izany no fahendrena.” Talohan’ny hamoahana ilay didy, dia nilaza i Howe fa nanakiana mafy an’ireo mpahay lalàna sy “ny mpitondra fivavahana rehetra eto amintsika”, ny tenin’ny mpisolovavan’ny voampanga.

Nampakarina avy hatrany tany amin’ny fitsarana ambony ilay raharaha. Tsy neken’i Howe d anefa ny handoavan’izy ireo onitra ka hanafahana azy vonjimaika teo am-piandrasana an’ilay fitsarana ambony. Ary tamin’ny 4 Jolay, dia nafindra haingana tany amin’ny fonja tany Atlanta, Géorgie, ireo rahalahy fito voalohany, talohan’ny hanaovany ny fangatahany fanintelony sady farany ny homena fahafahana vonjimaika. Voaporofo tatỳ aoriana fa nisy fahadisoana 130 tao amin’iny fitsarana tsy ara-drariny tanteraka iny. Volana maro no nanomanana ny taratasy hampakarana fitsarana ambony. Nifarana ihany anefa ny ady. Nangataka fampihenana sazy tany amin’i Woodrow Wilson, prezidàn’i Etazonia, izy valo mirahalahy tany am-ponja, tamin’ny 19 Febroary 1919. Nisy olom-pirenena maro koa nandefa taratasy tany amin’ny minisitry ny Fitsarana vaovao, nangataka ny hanafahana an’ireo rahalahy. Nanontany an’i Howe ilay minisitra, ka novalian’i Howe tamin’ny 1 Martsa 1919 fa tokony “hahena avy hatrany” ireo sazy. Marina fa nety hihena tokoa ny sazy, kanefa nanamafy koa izany fa tena meloka ireo voampanga. Tonga tany amin’ny mpampanoa lalàna ihany anefa ny mpisolovavan’ireo rahalahy, nitondra ny didy nampakatra ilay raharaha tany amin’ny fitsarana ambony.

Tamin’ny 21 Martsa 1919, sivy volana taorian’ny nanamelohana an’i Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy, ary efa taorian’ny ady, dia namoaka didy ny hanafahana vonjimaika an’ireo voafonja valo ny fitsarana ambony, rehefa avy mandoa onitra izy ireo. Koa nafahana teto Brooklyn izy ireo ny 26 Martsa, rehefa avy nandoa onitra 10 000 dolara avy. Toy izao ilay didy tamin’ny 14 Mey 1919: “Henjana sady feno fiangarana ny fitsarana an’ireo voampanga, koa foanana ny didy voalohany.” Nasaina naverina koa ny fitsarana an’ilay raharaha. Tamin’ny 5 Mey 1920 anefa, rehefa avy niseho fanindiminy teo anatrehan’ny fitsarana ireo voampanga, dia nilaza ny mpampanoa lalàna teto Brooklyn fa notsoahiny ny fitoriany. e Fa nahoana? Araka ny hita ao amin’ny Arisivam-pirenena, dia natahoran’ny Minisiteran’ny Fitsarana sao ho resy izy ireo raha mpitsara mpanampy tsy miangatra no hitsara ilay raharaha, sady efa vita koa ny ady. Hoy i L. Ross, mpampanoa lalàna, tao amin’ny taratasiny ho an’ny minisitry ny Fitsarana: “Heveriko fa ho tsara kokoa ny fifandraisantsika amin’ny vahoaka, raha isika mihitsy” no milaza fa tokony hajanona hatreo ilay raharaha.

Notsoahina tamin’io 5 Mey 1920 io koa ilay fitoriana hafa tamin’ny Mey 1918, izay niampangana an’i J. Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy efatra.

Iza marina no nahatonga an’izany?

Ny mpitondra fivavahana tokoa ve? Tsia, hoy i John Lord O’Brian. Fantatry ny olona tamin’izany fotoana izany anefa ny tena marina. Hoy ny gazety Fampisaintsainana (anglisy) navoaka tany Girard, Kansas, tamin’ny 22 Martsa 1919: “Voalaza fa Meloka Ireo Mpanara-dia ny Pasitera Russell ka Naiditra Am-ponja, ary Tsy Navela Handoa Onitra mba Hahafahany, na dia Narahiny Araka Izay Azony Natao aza ny Fitsipiky ny Lalàna Momba ny Fitsikilovana. Ny Mpitondra Fivavahana ‘Ortodoksa’ no Manenjika Azy Ireo. ... Ambaranay etoana fa tsy rariny ny nanamelohana an’ireo mpanara-dia ny Pasitera Russell, na araka ny lalàm-panorenana ny Lalàna Momba ny Fitsikilovana na tsia, ary na ara-drariny na tsia. Izay olona malala-tsaina ka mandinika ny porofo dia hiaiky avy hatrany fa tsy nisy nikasa handika an’ilay lalàna ireo lehilahy ireo, sady tsy nandika izany mihitsy.”

Hoy ny Dr. Ray Abrams tatỳ aoriana, tao amin’ilay boky hoe Mandray Fiadiana ny Mpitory Teny: “Mpitondra fivavahana maro tokoa no nitady hanafoana ny Russellistes [anarana nanambaniana ny Mpianatra ny Baiboly]. Ny adiady sy fankahalana ara-pivavahana hatramin’ny ela, izay tsy noheverin’ny fitsarana tamin’ny fotoan’ny fandriampahalemana, dia nanjary neken’ny fitsarana nandritra ny ady.” Hoy koa izy: “Hita, rehefa nodinihina ny zava-drehetra, fa ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana no nitarika ny fanafoanana ny Russellistes.”—P. 183-185.

Tsy nitsahatra anefa ny fanenjehana ny Mpianatra ny Baiboly rehefa vita ny ady. Niseho tamin’ny endriny hafa fotsiny izany.

Nampiasain’ny pretra ny polisy

Rehefa vita ny ady, dia nitady fomba hafa indray ny mpitondra fivavahana mba hampitsaharana ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly. Maro no nosamborina tany Bavière be Katolika sy ny faritra sasany tany Alemaina, tamin’ireo taona 1920, satria nandika ny lalàna momba ny mpivaro-mandeha, hono. Matetika anefa no nanome rariny ny Mpianatra Baiboly ny fitsarana ambony. Farany, dia nandefa filazana tany amin’ny polisy rehetra ny Minisiteran’ny Atitany tamin’ny 1930, mba tsy hisambotra intsony ny Mpianatra ny Baiboly, satria tototry ny raharaha an’arivony toy izany ny fitsarana. Koa nihena nandritra ny fotoana kelikely ny fanerena tamin’iny lafiny iny, ka nanohy sy nanitatra ny asany tany Alemaina ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nanan-kery lehibe koa ny mpitondra fivavahana tany Romania. Vitany ny nampamoaka didy nandrara ny boky sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mbola natahoran’ny pretra anefa sao hamaky ny boky efa azony ny olona, ka hahafantatra fa tsy araka ny Soratra Masina ny fampianaran’ny eglizy sady feno fitaka. Koa nitety trano niaraka tamin’ny zandary mihitsy ny pretra, nikaroka bokin’ny Vavolombelona. Nanontaniany koa ny ankizy kely raha nandray boky toy izany ny ray aman-dreniny. Raha nahita izy ireo, dia norahonany hokapohina sy haiditra am-ponja ny olona raha mbola nandray an’ireny boky ireny. Ny pretra no ben’ny tanàna sady mpitsara tany amin’ny tanàna sasany, ka tsy nahazo rariny izay tsy nanaraka ny teniny.

Nanaraka ny sitrapon’ny mpitondra fivavahana koa ny manam-pahefana sasany teto Amerika. Vavolombelon’i Jehovah maro, ohatra, no nasain’ny ben’ny tanàna sy ny mpampanoa lalàna nosamborina tany Géorgie, taorian’ny fitsidihan’ny Eveka O’Hara an’i La Grange, tamin’ny 1936. Nasaina natory teo amin’ny kidoro nisy pipìn’omby sady teo akaikin’ny tain’omby izy ireo tao am-ponja, ary nomena sakafo feno olitra sady noterena hanao lalana.

Nitady izay fomba rehetra hanakantsakanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny mpitondra fivavahana katolika tany Polonina. Notarihiny hampiasa herisetra ny olona, nodorany ampahibemaso ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nolazainy fa Kominista izy ireny, ary notoriny tany amin’ny fitsarana, satria ny bokiny, hono, “nanimbazimba zava-masina.” Tsy ny manam-pahefana rehetra anefa no nanaiky hanao izay tian’izy ireo. Ny mpampanoa lalàna tao amin’ny fitsarana ambony tany Poznań, ohatra, dia tsy nanaiky hitory ny Vavolombelon’i Jehovah iray, izay nilaza fa “fandaminan’i Satana” ny mpitondra fivavahana katolika. Ilay mpampanoa lalàna mihitsy no nilaza fa tena araka ny toe-tsain’ny fandaminan’i Satana ny fitondran-tena maloto nihanaka teo amin’ny Kristianisma Anarana, nanomboka tao an-dapan’ny papa Alexandre Faha-6 (1492-1503). Nanevateva an’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah iray, hoy ny mpitondra fivavahana, satria nizara ny bokin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana. Nangataka ny hanafahana azy madiodio anefa ny mpampanoa lalàna tao amin’ny fitsarana ambony tany Toruń, satria hoy izy: ‘Tsy misy hafa amin’ny an’ny Kristianina voalohany ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Endrikendrehina sy enjehina izy ireo noho izy mijoro ho an’ny filamatra avo indrindra, eto anivon’ny tontolo ratsy fitondran-tena sy mihasimba.’

Araka ny arisivam-panjakana kanadianina, dia ny taratasin’ny Kardinaly Villeneuve, tany Québec, ho an’i Ernest Lapointe, minisitry ny fitsarana, no nahatonga ny fandrarana ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1940. Nangataka fanazavana feno ny manam-pahefana hafa, saingy tsy nahafa-po tanteraka ny valin-tenin’i Lapointe tamin’ny Parlemanta.

Nanao teti-dratsy koa ny mpitondra fivavahana tany Aostralia. Hita ao amin’ny arisivam-panjakana ny taratasin’ny arseveka katolikan’i Sydney ho an’i W. Hughes, minisitry ny Fitsarana, nampirisika azy hanambara fa tsy ara-dalàna ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’ny 20 Aogositra 1940 ilay taratasy, dimy volana monja talohan’ilay fandrarana. Nandinika an’ireo anton’ilay fandrarana Atoa Justice Williams tao amin’ny Fitsarana Avo, ka izany, hoy izy tatỳ aoriana, dia “toy ny milaza fa tsy ara-dalàna ny fanarahana ny toro lalana sy ny foto-pampianaran’ny Kristianisma, ary tsy ara-dalàna ny fotoam-pivavahana tsirairay ataon’ny mpino ny nahaterahan’i Kristy.” Namoaka didy ilay Fitsarana tamin’ny 14 Jona 1943 fa tsy nifanaraka tamin’ny lalàn’i Aostralia ilay fandrarana.

Notakin’ny gazety katolika iray tany Soisa ny hakan’ny manam-pahefana ny bokin’ny Vavolombelona, izay nanafintohina, hoy ny eglizy. Nandrahona ny hanafay ny Vavolombelona izy ireo, raha tsy izany. Ary tena nataony tokoa izany tany amin’ny tany maro!

Nampiasa herisetra ny mpitondra fivavahana

Nihevitra ny mpitondra fivavahana katolika tany Frantsa fa mbola lehibe ny fahefany teo amin’ny vahoaka, ka tapa-kevitra izy ireo ny tsy hamela na inona na inona hanakantsakana izany. Naelin’ny Mpianatra ny Baiboly tany amin’ny tany maro ilay trakta hoe Voampanga Ireo Mpitondra Fivavahana, nandritra ny taona 1924-1925. Tokony hanao lahateny tany Paris i J. Rutherford tamin’ny 1925, momba ilay foto-kevitra hoe “Voala Sarona ny Hosoka Nataon’ny Mpitondra Fivavahana.” Nitantara izay nitranga ny olona iray tao: “Feno hipoka ilay efitrano. Niakatra teo an-dampihazo ny Rahalahy Rutherford, ary nitehaka nirefodrefotra ny olona. Nony nanomboka anefa izy, dia nirohotra nankao amin’ilay efitrano ny pretra sy olona avy amin’ny Fikambanana Katolika niisa 50 teo ho eo, nitondra langilangy, sady nihira ny La Marseillaise [hiram-pirenena frantsay]. Nanipy trakta avy teny an-tohatra izy ireo. Tafakatra teny an-dampihazo ny pretra iray, nefa nampidinin’ny tovolahy roa. Intelo ny Rahalahy Rutherford no niala teo an-dampihazo, intelo izy no niverina. Farany, niala tanteraka izy. ... Voazera ny latabatra namelarana ny bokintsika, ary niparitaka ireo boky. Korontana re izany!” Tsy izany ihany anefa.

Imbetsaka i Jack Corr no niharan’ny fahatezeran’ny mpitondra fivavahana katolika, tany Irlandy. Indray mandeha, dia nisintona azy teo am-pandriana tamin’ny misasakalina ny vahoaka romotra notarihin’ny pretra, ka nandoro ny bokiny rehetra teo an-kianja. Rehefa nody i Victor Gurd sy Jim Corby tany Roscrea (Faritanin’i Tipperary), dia hitany fa nangalarin’ny mpanohitra ny bokiny ka nataony tao anaty lasantsy ary nodorany. Nanodidina an’ilay afo nidedadeda ny polisy sy ny mpitondra fivavahana ary ny ankizy, nihira an’ilay hoe “Finoan’ny Razantsika.”

Nikasa hivory tao Madison Square Garden teto New York ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 1939, nefa nandrahona ny handrava an’ilay fivoriana ny mpanaraka an’i Charles Coughlin, pretra. Nilazana àry ny polisy. Nanao lahateny tamin’ny mpanatrika 18 000 mahery sy ny olona maro nihaino tamin’ny radio tany an-tany hafa, ny Rahalahy Rutherford tamin’ny 25 Jona, momba ilay foto-kevitra hoe “Fitondram-panjakana sy Fandriampahalemana.” Raha vao nanomboka izy, dia nisy Katolika sy Nazia 200 mahery notarihin’ny pretra, nirohotra nankeo an-davangarana. Raha vao nahazo baiko ireo, dia niantsoantso mafy hoe “Heil Hitler!” sy hoe “Viva Franco!” Niteny ratsy be izy ireo, ary nandrahona sy namely an’ireo mpikarakara ny mpanatrika. Tsy ravan’ireo mpirotaka anefa ilay fivoriana. Tsy natahotra ny Rahalahy Rutherford fa mbola nanohy ny lahateniny ihany, sady nataony mafy izany. Hoy izy rehefa mafy indrindra ilay tabataba: “Jereo ny Nazia sy ny Katolika te handrava ity fivoriana ity, nefa tsy ho vitany izany noho ny fahasoavan’Andriamanitra.” Nitehaka nirefodrefotra ny mpanatrika. Tafiditra tao amin’ny feo noraisina tamin’io fotoana io ilay fanakorontanana, ary ren’ny olona tany amin’ny tany maro.

Nampiasa ny Fanjakana ny mpitondra fivavahana katolika, toy ny tamin’ny andron’ny Inquisition, mba hanafoanana an’izay sahy nisalasala momba ny fampianarana sy ny fanaon’ny eglizy.

Fampijaliana mafy tany amin’ny toby fitanana

Nanaiky hanampy ny mpitondra fivavahana i Adolf Hitler. Tamin’ny 1933, dia nanao sonia fifanarahana iray ny Vatikana sy Alemaina Nazia, ary natombok’i Hitler koa ny fandripahana ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina. Voarara ny asan’ny Vavolombelona tamin’ny 1935. Fa iza no nahatonga izany?

Hoy ny pretra katolika iray tao amin’ny Der Deutsche Weg (gazety alemà tany Lodz, any Polonina), tamin’ny 29 Mey 1938: ‘Ny tany iray andrarana ny asan’ireo antsoina hoe Mpianatra ny Baiboly [Vavolombelon’i Jehovah] ankehitriny, dia i Alemaina! Rehefa nandray fahefana i Adolf Hitler, ary namerina ny fangatahany ny eveka alemà, dia hoy i Hitler: “Mpanakorontana ireny lazaina fa Mpianatra Baiboly Tso-po [Vavolombelon’i Jehovah] ireny. Mpisandoka ireny, ka tsy ekeko ny handotoan’iny Rutherford mpitsara amerikanina iny toy izao ny Katolika alemà; foanako [ny Vavolombelon’i Jehovah] eto Alemaina.” ’—Izahay no manao sora-mandry.

Ny eveka katolika alemà irery ve no naniry izany? Voalazan’ny Oschatzer Gemeinnützige tamin’ny 21 Aprily 1933, fa niteny tao amin’ny radio i Otto, pasitera loteranina, ny omalin’iny hoe “niara-niasa akaiky” ny Fiangonana Loteranina Alemà tany Saxe sy ny mpitondra politika, sy hoe: “Azo resahina sahady ny vokatra voalohan’izany fiaraha-miasa izany: Voarara androany ny Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra Baiboly Tso-po [Vavolombelon’i Jehovah] sy ireo sampany eto Saxe.”

Nanenjika tamin-kabibiana izaitsizy ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fanjakana Nazia taorian’izay. An’arivony ny avy tany Alemaina, Aotrisy, Polonina, Tsekoslovakia, Holandy, Frantsa, sy tany hafa, no nalefa tany amin’ny toby fitanana. Faran’izay feno habibiana ny fampijaliana azy ireo. Nozonina izy ireo, nodakana, avy eo noterena handohalika, hitsambikina, handady ora maro, ka tsy navela raha tsy safotra na lavo noho ny harerahana. Faly erỳ ny mpiambina nahita izany. Ny sasany noterena hijoro teo an-tokotany tamin’ny aty ririnina, nefa nitanjaka na zara raha nitafy. Maro no nokaravasina ka tsy navela raha tsy torana, sady nihosin-dra ny lamosiny. Ny sasany nanaovana andrana ara-pitsaboana. Ny hafa indray nahantona tamin’ny tanany nafatotra tao andamosiny. Lanaky ny hanoanana sady nanao akanjo tsizarizary izy ireo tamin’ny ririnina namirifiry, nefa noterena hiasa mafy nandritra ny ora maro, ary matetika no tsy nomena fitaovana fa nampiasa ny tanany. Samy nampijalina na lahy na vavy. Nisy mbola tanora izy ireo ary nisy efa fitopolo taona mahery. Eny, sahy nihaika an’i Jehovah ireo mpampijaly.

Namoaka baiko ny komandàn’ny toby tany Sachsenhausen mba hovonoina ho faty teo anatrehan’ny gadra rehetra ilay Vavolombelona tanora atao hoe August Dickmann, ka nasaina nijoro teo aloha indrindra ny Vavolombelon’i Jehovah. Nasaina nandeha avy eo ny gadra rehetra, afa-tsy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanontanian’ilay komandà izy ireo hoe: ‘Iza izao no vonona hanao sonia an’ilay fanambarana?’ Izy io dia fanambarana hoe hiala amin’ny finoan’ny tena ka vonona ho lasa miaramila. Tsy nisy namaly ireo Vavolombelona 400 mahery. Avy eo dia nisy roa nandroso! Tsy hanao sonia anefa izy ireo fa nangataka ny hamonoana ny sonia nataony herintaona lasa izay.

Toy izany koa no natao tamin’ny Vavolombelona tao amin’ny toby Buchenwald. Hoy ilay manamboninahitra nazia atao hoe Rödl taminy: “Raha misy tsy mety hiady amin’i Frantsa na Angletera ny iray aminareo, dia hovonoina daholo ianareo!” Efa niandry teo am-bavahady ny miaramila SS andiany roa nitam-piadiana. Tsy nisy nanaiky ny Vavolombelona. Nampijalijalina izy ireo avy eo, saingy tsy novonoina ho faty. Fantatry ny rehetra fa vonona hanao izay asa nampanaovina azy ny Vavolombelona, nefa tsy nanaiky velively hanohana ny ady na hamely voafonja hafa, na dia tsy nomena sakafo sy nampanaovina asa mafy aza, ho saziny.

Tsy hay lazaina ny zavatra niaretan’izy ireo. An-jatony no maty. Rehefa nafahana ireo sisa tsy maty tany an-toby nony vita ny ady, dia nanoratra toy izao ny Vavolombelona iray avy tany Flandres: “Ny nahatonga anay hahazaka izany rehetra izany sy handresy, dia ny faniriana tsy nety lefy ny ho velona, sy ny fanantenana ary ny fatokisana an’i Jehovah, ilay manana ny hery fara tampony, ary ny fitiavana ny Fanjakany.—Romanina 8:37.”

Nosarahina tamin-janany ny ray aman-dreny, ary nosarahin-toerana ny mpivady, ka nisy tsy nifankahita intsony. Nosamborina i Martin Poetzinger, fotoana fohy taorian’ny mariaziny, ka nalefa tany amin’ilay toby nalaza ratsy tany Dachau, ary avy eo tany Mauthausen. Naiditra am-ponja tany Ravensbrück kosa i Gertrud vadiny. Tsy nifankahita nandritra ny sivy taona izy roa. Izao no notantarain’i Martin momba izay niaretany tany Mauthausen: “Nitady izay fomba rehetra handravana ny finoanay an’i Jehovah, ny Gestapo. Tsy nomena sakafo izahay, mody nataony ho namana, nentina tamin-kabibiana, nampijalijalina raha mbola najoro teo anelanelan’ny bara vy isan’andro isan’andro, nahantona teo amin’ny tsato-kazo telo metatra ka ny tananay nafatotra tao andamosina no nanantonana anay, nokaravasina, eny, natao izany rehetra izany sy ny hafa koa izay mahamenatra ny mitantara azy.” Tsy nivadika tamin’i Jehovah anefa izy. Tafavoaka velona koa izy, ary anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tatỳ aoriana.

Nogadraina noho ny finoany

Tsy noho ny asan-jiolahy no nampidirana ny Vavolombelon’i Jehovah tany an-toby. Rehefa nitady olona hiharatra azy ny manamboninahitra, dia Vavolombelona no navelany hampiasa hareza taminy, satria fantany fa tsy hamono azy. Rehefa nila olona hanadio ny tranony na hikarakara ny zanany ny manamboninahitra SS tany Auschwitz, dia Vavolombelona no nofidiny, satria fantany fa tsy hanapoizina azy na handositra. Nony nialana ny toby tany Sachsenhausen rehefa nifarana ny ady, dia nataon’ny mpiambina teo afovoan’ny Vavolombelona ny vagao nisy ny harena nobaboiny. Nahoana? Satria fantany fa tsy hangalatra izy ireo.

Nogadraina ny Vavolombelon’i Jehovah noho ny finoany. Ho nafahana izy ireo raha nanao sonia fotsiny an’ilay fanambarana hoe hiala amin’ny finoany. Nataon’ny SS izay rehetra azony natao mba handresena lahatra na hanerena ny Vavolombelona hanao sonia. Izany indrindra no nirin’ireny SS ireny.

Tsy nivadika ny ankamaroan’ny Vavolombelona. Nijaly izy ireo satria tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny anaran’i Kristy, ary niaritra fampijalijaliana. Tsy vitan’izany anefa fa tafaray mafy hatrany koa izy ireo.

Tsy samy nanao izay hahavelona ny tenany fotsiny izy ireo, fa nahafoy tena ho an’ny namany. Raha reraka ny iray, dia nomen’ny namany tamin’ny sakafo keliny. Rehefa tsy nahazo fitsaboana mihitsy izy ireo, dia nifampiahy tamim-pitiavana.

Nahazo boky fianarana Baiboly ny Vavolombelona, na dia nosakanana mafy aza izany. Nampidirina avy tany ivelany izany ka nafenina tao anaty fanomezana na tao anaty tongo-kazon’ny voafonja vaovao, na koa nampitain’ny vao tonga am-bava, na nampitaina tamin’ny fomba hafa rehefa niasa teny ivelan’ny toby izy ireo. Nampitampitainy ireo boky, ary indraindray aza nadika an-tsokosoko tao amin’ny biraon’ny manamboninahitra tao an-toby. Nanao fivoriana ny Vavolombelona, na dia nampidi-doza aza izany.

Nitory ny Fanjakan’Andriamanitra foana ny Vavolombelona na tao amin’ny toby fitanana aza! Voalamina tsara ny fitoriana tany Buchenwald, ka an’arivony ny voafonja nandre ny vaovao tsara. Nalamina tsara koa ny fitoriana manokana tao amin’ny toby tany Neuengamme, any akaikin’i Hambourg, teo am-piandohan’ny taona 1943. Nanomana karatra fitoriana tamin’ny fiteny maro samihafa tao an-toby ny Vavolombelona, hiresahana tamin’ny voafonja tsirairay. Nampianarina Baiboly tsy tapaka ny olona liana. Nazoto tokoa ny Vavolombelona ka nitaraina ny gadra politika sasany hoe: “Na aiza na aiza aleha, dia tsy misy resaka afa-tsy hoe Jehovah!” Namoaka baiko ny tany Berlin hoe haparitaka ny Vavolombelona mba tsy hitambatra, nefa vao mainka afaka nitory tamin’ny olona maro kokoa izy ireo.

Nanoratra momba ny vehivavy Vavolombelona 500 mahery tany Ravensbrück ny vehivavy iray zanaky ny iray tam-po tamin’ny Jeneraly Charles de Gaulle, hoe: “Tena miaiky azy ireo aho. Samy hafa fiaviana izy ireo: alemà, poloney, rosianina, sy tseky, ary niaritra ny mafy noho ny finoany. ... Samy be herim-po izy rehetra, ka na ny SS aza nanaja azy tamin’ny farany. Ho nafahana avy hatrany izy ireo raha niala tamin’ny finoany. Nanohitra foana anefa izy ireo, ka nahatafiditra boky sy trakta tao an-toby mihitsy aza.”

Nitady hamolavola azy ireo izao tontolo izao, nefa nandresy an’izao tontolo izao izy ireo, toa an’i Jesosy Kristy. (Jaona 16:33) Hoy i Christine King tao amin’ilay boky hoe Fanampiana mba Hahafantarana Bebe Kokoa ny Fivavahana Vaovao ao Anatin’ny Fiaraha-monina (anglisy): “Olana lehibe ho an’ilay fiaraha-monina vaovao teo ambany fitondrana jadona ny Vavolombelon’i Jehovah, ary tsy nahafaly azy fa tsy nety ripaka. ... Ny fomba fanenjehana sy ny fampijaliana sy ny fanagadrana ary ny fanesoana, dia tsy nampiova Vavolombelona na iray aza hanaraka ny Nazia, ary nifanohitra tamin’izay noeritreretin’ny mpanenjika ny vokany. ... Tena mafy ny ady teo amin’ireo mpifanandrina roa samy nitaky tsy fivadihana ireo, satria natanjaka kokoa ny Nazia nefa tsy natoky tena firy sady tsy niorina tsara tamin’ny hevitra nekeny mafy, eny, tsy dia natoky raha haharitra ny Fanjakany 1 000 taona. Tsy nisalasala ny amin’izay niaviany kosa ny Vavolombelona, satria efa niharihary hatramin’ny andron’i Abela ny finoany. Tsy maintsy nampitsahatra ny fanoherana sy nampiaiky ny mpanohana azy ny Nazia, ary nindrana teny sy sarin-teny tamin’ny Kristianisma nisara-bazana, fa ny Vavolombelona kosa natoky fa tsy hivadika mihitsy izy ireo, na ho faty aza.”—Navoaka tamin’ny 1982.

Nony nifarana ny ady, dia Vavolombelona arivo mahery no nivoaka ny toby, ary mbola natanjaka ny finoany sady nifankatia hatrany izy ireo. Niala haingana tany Sachsenhausen ny mpiambina sy ny voafonja rehefa nanatona ny tafika rosianina. Nampiarahina ny voafonja iray fiaviana. Niaraka foana anefa ireo Vavolombelona 230. Nanjary taitaitra ny mpiambina nony efa akaiky ny Rosianina. Tsy nisy ny sakafo ary reraka ny voafonja, kanefa notifirina izay nitaredretra na lavo noho ny harerahana. An’arivony no notifirina ka maty. Ny Vavolombelona kosa nifanampy, ka na ny reraka indrindra aza tsy tavela teny an-dalana! Ny sasany anefa teo anelanelan’ny 65 sy 72 taona. Nitady hangalatra sakafo ny voafonja sasany, ka maro no notifirina. Nanararaotra nitory tamin’ny olona teny an-dalana kosa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka nisy nanome sakafo azy ireo sy ny rahalahiny kristianina satria nankasitraka an’ilay hafatra mampahery.

Mbola nanenjika foana ny mpitondra fivavahana

Mbola nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah foana ny mpitondra fivavahana tany amin’ny faritra atsinanan’i Tsekoslovakia, taorian’ny Ady Lehibe II. Nampangainy ho Kominista izy ireo tamin’ny andron’ny Nazia, fa izao indray kosa nolazainy fa nanohitra ny fitondrana kominista. Indraindray, rehefa nitory tany an-tranon’ny olona ny Vavolombelona, dia nasain’ny pretra navoakan’ny mpampianatra ny mpianatra an-jatony mba hitora-bato azy ireo.

Nanao toy izany koa ny pretra tany Santa Ana, any Salvadaoro, tamin’ny 1947, ka nisy ankizilahy nitora-bato ny Vavolombelona nianatra Ny Tilikambo Fiambenana. Tonga avy eo ny filaharana notarihin’ny pretra. Tao ny nitondra fanilo nirehitra, ary tao ny nitondra sary masina. Niantsoantso izy ireo hoe: “Ho ela velona anie i Maria Virjiny!” “Matesa i Jehovah!” Notoraham-bato nandritra ny adiny roa teo ho eo ilay trano.

Nanenjika mafy ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny Katolika sy ny manam-pahefana tany Québec, any Kanada, tamin’ny taona 1945 tany ho any. Tonga isan’andro tao amin’ny polisy ny solontenan’ny eveka mba hitaky ny hisamborana ny Vavolombelona. Tsikaritra fa matetika no avy tao am-piangonana ny polisy isaky ny handeha hisambotra. Noroahin’ny Katolika hiala tany Joliette, Québec, ny misioneran’ny Vavolombelona tamin’ny 1949.

Tsy ny olona rehetra tany Québec anefa no nankasitraka izany. Misy Efitrano Fanjakana tsara tarehy iray any Joliette, ankehitriny. Nakatona ny sekoly fiofanana ho pretra tao, ka novidin’ny fanjakana ary natao sekolim-panjakana. Ary nanao fivoriambe iraisam-pirenena tany Montréal ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tafakatra ho 80 008 ny mpanatrika tamin’ny 1978.

Nanao izay rehetra azony natao anefa ny Eglizy Katolika mba hifehezana foana ny olona. Notereny handroaka ny misioneran’ny Vavolombelona tany Italia, ohatra, ny manam-pahefana tamin’ny 1949, ary nasainy nofoanana ny fanomezan-dalana ny Vavolombelona hanao fivoriambe, nandritra ireo taona 1950. Nitombo foana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, ka maherin’ny 190 000 ny mpitory tany Italia tamin’ny 1992.

Toy ny tamin’ny andron’ny Inquisition, dia ny mpitondra fivavahana tany Espaina no nitati-bolana, ary ny Fanjakana no nisambotra. Noho ny fanentanan’ny arseveka tany Barcelone tamin’ny 1954, dia nilazan’ny mpitondra fivavahana ny olona, na tao am-piangonana na tany an-tsekoly na tamin’ny radio, mba hampiditra an-trano ny Vavolombelona nitory taminy, ary avy eo hiantso haingana ny polisy.

Natahotra ny pretra sao ho fantatry ny Espaniola izay lazain’ny Baiboly ka hasehony ny hafa koa. Nony naiditra am-ponja tany Grenade i Manuel Giménez tamin’ny 1960, satria nampianatra Baiboly, dia nasain’ny pretra nesorina ilay Baiboly tokana tao amin’ny efitra famakiam-boky. Ary rehefa nampindramin’ny voafonja hafa ny Filazantsara i Manuel, dia nalaina taminy izany. Efa manana Baiboly anefa ankehitriny ny sarambabem-bahoaka any Espaina, ka afaka mamaky azy io, ary maherin’ny 90 000 ny mpivavaka amin’i Jehovah tamin’ny 1992.

Ilay mpitondra jadona atao hoe Trujillo no nampiasain’ny mpitondra fivavahana tany amin’ny Repoblika Dominikanina, mba hanatratrarana ny zava-kendreny, ary izy koa moa nampiasa azy ireo. Nanaratsy ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny gazety ny pretra tamin’ny 1950, ka nampanantsoin’ny Minisitry ny Atitany sy ny Polisy ny mpiandraikitra ny sampana. Hitan’ilay rahalahy ny pretra zezoita roa niditra tao amin’ilay birao, ary avy eo nivoaka, raha mbola niandry teo ivelany izy. Nampandrosoina avy hatrany izy nony avy eo, ka novakin’ilay minisitra ny didy nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nesorina vetivety ilay fandrarana tamin’ny 1956, dia nampiasa ny fampahalalam-baovao ny mpitondra fivavahana mba hanendrikendrehana indray ny Vavolombelona. Fiangonana iray manontolo no nosamborina sy nodidiana hanao sonia fanambarana hoe hiala amin’ny finoany ka hiverina amin’ny Eglizy Katolika. Rehefa nanda ny Vavolombelona, dia nokapohina, nodakana, nokaravasina ary novelezina tamin’ny vodibasy ny tarehiny. Tsy nivadika anefa izy ireo, ary mbola nihamaro ihany.

Nampiharana herisetra koa izy ireo tany Sucre, any Bolivia, rehefa nanao fivoriambe tamin’ny 1955. Nisy ankizilahy maro mpianatra tao amin’ny Sekoly Katolika nanodidina an’ilay toerana ka nitabataba sy nitora-bato. Nampirisika ny Katolika rehetra hiaro an’i “Maria Virjiny” sy ny eglizy tamin’ny “mpivadi-pinoana protestanta” ny feo nitabataba mafy avy tao amin’ny fiangonana teo ampita. Ny eveka sy ny pretra mihitsy no nitady hampiato an’ilay fivoriana, kanefa noroahin’ny polisy.

Nanao fivoriambe tany Riobamba, any Ekoatera, ny Vavolombelon’i Jehovah, herintaona talohan’izay, ary nitondra ny lohateny hoe “Mahasoa ve ny Fitiavana eto Anivon’ny Tontolo Tia Tena?” ny lahateny ho an’ny besinimaro. Notarihin’ny pretra zezoita iray ny Katolika hisakana an’ilay fivoriana. Nandritra ilay lahateny, dia niantsoantso ilay vahoaka romotra hoe: “Ho ela velona anie ny Eglizy Katolika!” sy hoe “Vonoy ny Protestanta!” Soa ihany fa nisakana azy ireo ny polisy. Notorahan’izy ireo vato anefa ilay toeram-pivoriana, ary avy eo ny tranon’ny misionera.

Ny mpitondra fivavahana katolika no loha laharana tamin’ny fanenjehana, nefa tsy izy ireo ihany. Lozabe toa azy ireo koa ny mpitondra fivavahana ortodoksa grika. Toy izany koa ny mpitondra fivavahana protestanta maro. Tany Indonezia, ohatra, dia izy ireo no nitarika vahoaka romotra, izay nandrava fianarana Baiboly tany an-tranon’olona sy nikapoka tamin-kabibiana ny Vavolombelon’i Jehovah tao. Niezaka handresy lahatra manam-pahefana tany Afrika izy ireo, mba handroaka ny Vavolombelon tao amin’ilay tany, na handrara azy tsy hitory. Tsy mitovy hevitra momba ny zavatra sasany ny mpitondra fivavahana katolika sy protestanta, kanefa mifanaraka tsara izy ireo hanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Niaraka mihitsy izy ireo indraindray mba handresy lahatra ny manam-pahefana hampitsahatra ny asan’ny Vavolombelona. Nanao toy izany koa ny mpitondra fivavahana tsy Kristianina, mba tsy hahazoan’ny olona fampianarana mety hahatonga azy hisalasala momba ny fivavahan-drazany.

Niaraka tamin’ny Kristianina anarana izy ireny mba hiarovana ny fivavahany. Niray tetika, ohatra, ny pretra iray mpanao ody sy ny pretra katolika iray tany Dekin, any Dahomey (Bénin ankehitriny), mba handresy lahatra ny manam-pahefana hanafoana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany am-piandohan’ireo taona 1950. Namorona fiampangana nokendreny hampahatezitra ny olona izy ireo, toy ny hoe nampirisika ny olona hikomy tamin’ny fanjakana ny Vavolombelona, tsy nandoa hetra, nahatonga an’ireo mpanao ody tsy hahalatsaka orana, nahatonga ny vavak’ilay pretra katolika tsy handaitra. Natahoran’izy rehetra sao ho afaka amin’ny finoanoam-poana sy ny fanekena an-jambany ny olona.

Nihena tsikelikely anefa ny herin’ny mpitondra fivavahana tany amin’ny toerana maro. Tsy hoe manampy azy ireo foana ny polisy rehefa mila vaniny amin’ny Vavolombelona izy ireo. Nitarika vahoaka romotra ny pretra ortodoksa grika iray tany Larissa, any Gresy, tamin’ny 1986, mba handrava ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, kanefa niaro ny Vavolombelona ny mpampanoa lalàna sy ny polisy. Ary noresahin’ny fampahalalam-baovao indraindray ny tsy fankasitrahany ny tsy fileferan’ny fivavahana toy izany.

Mbola misy antony hafa anenjehana ny Vavolombelona any amin’ny tany maro anefa, ka anisan’izany ny momba ny sainam-pirenena.

Satria i Jehovah irery no ivavahany

Tany Alemaina Nazia no nanenjehana voalohany ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny fanindrahindram-pirenena. Noteren’i Hitler hanao ilay fiarahaban’ny Nazia hoe “Heil Hitler!” ny rehetra tany Alemaina, mba hifehezana an’ilay firenena. Notantarain’i Björn Hallström, mpanao gazety soedoà sady mpiteny tamin’ny radio BBC, fa matetika no nosamborina ny Vavolombelon’i Jehovah noho izy ireo “tsy nety nanangan-tsaina na nanao ilay fiarahaban’ny Nazia.” Tsy ela koa ny firenena hafa dia nitaky ny hananganan’ny rehetra saina. Nanda anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny feon’ny fieritreretana, fa tsy noho izy mpamadika tanindrazana. Manaja ny saina izy ireo, nefa aminy, dia toy ny mivavaka amin’ny saina ny manangan-tsaina. f

Vavolombelona 1 200 teo ho eo no naiditra am-ponja tany Alemaina raha vao nanomboka kelikely ny fitondran’ny Nazia, noho izy ireo tsy nety nanao an’ilay fiarahaban’ny Nazia sy raharaha miaramila. An’arivony koa no nampijalina teto Etazonia satria tsy nety nanangan-tsaina. Ny herinandron’ny 4 Novambra 1935, dia mpianatra maromaro tany Canonsburg, Pennsylvanie, no nentina nokaravasina tao amin’ny efitra iray satria tsy nety nanangan-tsaina. Nesorina tsy ho mpampianatra tao amin’io sekoly io koa i Grace Estep, noho izany antony izany. Noroahin’ny sekoly tany Minersville, Pennsylvanie, i William sy Lillian Gobitas tamin’ny 6 Novambra. Nitory tany amin’ny fitsarana ny rainy ka nangataka ny hamelana ny zanany hiverina hianatra. Namoaka didy nanome rariny ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitsaram-paritra sy ny fitsarana ambony. Efa hiditra tamin’ny ady anefa ny firenena amerikanina tamin’ny 1940. Koa nohamafisin’ny Fitsarana Tampony tamin’ilay raharaha Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis, fa tsy maintsy manangan-tsaina ny sekolim-panjakana rehetra. Nampirongatra ny herisetra natao tamin’ny Vavolombelona nanerana an’i Etazonia izany.

Maro loatra ny herisetra natao tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ka niangavy ny vahoaka hampitsahatra izany Rtoa Eleanor Roosevelt (vadin’ny Prezidà F. Roosevelt). Noresahin’i Francis Biddle, lefitry ny minisitry ny Fitsarana, tao amin’ny radiom-pirenena tamin’ny 16 Jona 1940 ny habibiana natao tamin’ny Vavolombelona, ka nolazainy fa tsy holeferina izany. Tsy nampitsahatra an’ilay fanenjehana anefa izany.

Na taiza na taiza ny Vavolombelona, na teny amin’ny arabe, na tany am-piasana, na nitory isan-trano, dia nasiana saina teo anoloany ka nasaina nanome sapaoritra fa raha tsy izany dia hahita loza! Hoy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny faran’ny taona 1940: “Nandravarava sy nahery setra ny Ambaratongam-pahefana sy ny Fikambanan’ny Menavazana, ka nitarika vahoaka romotra hanafay ny vavolombelon’i Jehovah araka izay tiany. Notafihina izy ireo, nokapohina, nalaina an-keriny, noroahina tao amin’ny tanàna sy ny faritany ary ny fanjakana, nasiana godorao sy volom-borona, noterena hisotro tseroka, niara-nafatotra ka noroahina toy ny biby teny amin’ny arabe, novosirina sy natao kilemaina, nihomehezan’ny vahoaka romotra sy nompany, naiditra am-ponja tsy tamin’antony sady natokana irery fa tsy navela niresaka tamin’ny havana na namana na mpisolovava. An-jatony maro koa no nogadraina tao amin’ny ‘fonja fiarovana’, ny sasany notifirina tamin’ny alina, ary ny hafa norahonana hahantona, avy eo dia nokapohina mandra-pahatorany. Maro isan-karazany ny herisetra nataon’ny vahoaka romotra. Nendahana tamin’ny maro ny akanjony, nalaina ny Baiboliny sy ny bokiny ka nodorana ampahibemaso, ary nopotehina sy nodorana ny fiarakodiany sy ny tranofiarany sy ny tranony ary ny toerana nanaovany fivoriambe ... Imbetsaka no norotahan’ny olona sy nokapohiny ny mpisolovava sy ny vavolombelona tamin’ny fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nijery fotsiny ny manam-pahefana fa tsy niaro azy tamin’ny herisetran’ny vahoaka tamin’ny ankapobeny, ary imbetsaka koa ny polisy no nandray anjara, na nitarika ny vahoaka romotra mihitsy aza indraindray.” Maherin’ny 2 500 ny fanafihan’ny vahoaka romotra ny Vavolombelon’i Jehovah teto Etazonia, nanomboka tamin’ny taona 1940 ka hatramin’ny 1944.

Maro loatra ny zanaka Vavolombelona noroahin’ny sekoly, tamin’ny faramparan’ireo taona 1930 sy teo am-piandohan’ireo taona 1940, ka voatery nanorina sekoly ho an-janany izy ireo teto Etazonia sy tany Kanada. Nantsoina hoe Sekolin’ilay Fanjakana izy ireny.

Nanenjika mafy ny Vavolombelona koa ny tany hafa, noho izy ireo tsy nety nanangana na nanoroka sainam-pirenena. Tamin’ny 1959, dia tsy nahazo nianatra tany an-tsekoly izay zanak’izy ireo tsy nety nandray anjara tamin’ny ‘fivavahana tamin’ny Sainam-pirenena’, tany Costa Rica. Toy izany koa ny tany Paragoay tamin’ny 1984. Namoaka didy ny Fitsarana Tampony tany Philippines tamin’ny 1959 fa azo terena hanangan-tsaina ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah, na dia tsy neken’ny fivavahany aza izany. Tsy sarotiny tamin’ny Vavolombelona anefa ny ankamaroan’ny talen-tsekoly, ka afaka nianatra ihany ny zanany. Nolazain’ny manam-pahefana tany Liberia, any Afrika Andrefana, tamin’ny 1963, fa namadika tanindrazana ny Vavolombelona. Koa noravany ny fivoriamben’ny Vavolombelona tany Gbarnga, ka nasainy nivoady tsy hivadika amin’ny sainam-pirenena ny mpanatrika rehetra, na teratany na vahiny. Ny tatitra iray hoe “Ny Vavolombelon’i Jehovah any Cuba” tamin’ny 1976, dia nilaza fa ray aman-dreny arivo, lahy sy vavy, no naiditra am-ponja tao anatin’ny roa taona talohan’izay, satria tsy nanangan-tsaina ny zanany.

Tsy ny rehetra anefa no nankasitraka ny fanerena toy izany natao tamin’olona tsy nety nanindrahindra tanindrazana, noho ny feon’ny fieritreretana. Izao no voalazan’ny Dinidinika ho An’ny Rehetra (anglisy), navoakan’ny Sampan’ny Fikambanana Miaro ny Zon’ny Olom-pirenena any Kalifornia Atsimo, tamin’ny 1941: “Tokony hahatsapa tena amin’izay isika momba ity fananganan-tsaina ity. Tsy mpamadika tanindrazana ny Vavolombelon’i Jehovah. ... Tsy mpandika lalàna izy ireo, fa tsara fitondran-tena sy manaja lalàna kosa, ka mandray anjara amin’izay mahasoa ny rehetra.” Nilaza tamim-pahatsorana toy izao mihitsy ny mpanoratra an-gazety iray tany Arzantina, tao amin’ny gazety Herald tany Buenos Aires, tamin’ny 1976: “Ireo hany tafintohina amin’ny zavatra inoan’ny [Vavolombelona], dia izay mihevitra fa fananganan-tsaina sy fihirana ny hiram-pirenena no tena atao hoe fitiavan-tanindrazana, fa tsy tena avy amin’ny fo.” Hoy koa izy: “Tsy azoazon’i Hitler sy Staline [ny Vavolombelona], ka nampijaliny mafy. Mpitondra jadona maro koa no nitady hanafoana azy ireo, nefa tsy nahomby.”

Misy antokom-pivavahana mandray fiadiana mba hanoherana fitondram-panjakana tsy tiany. Tsy mandray anjara amin’ny fanonganam-panjakana mihitsy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, na aiza na aiza misy azy. Tsy mpamadika tanindrazana manohana fanjakana hafa izy, matoa tsy manangan-tsaina. Tsy manangan-tsaina izy rehetra, na aiza na aiza misy azy. Tsy hoe tsy manaja izy ireo, satria tsy misiotsioka na mitabataba manakorontana fananganan-tsaina, ary tsy mandrora amin’ny saina na manitsakitsaka na mandoro azy io. Tsy manohitra fanjakana izy ireo. Arahin’izy ireo ny tenin’i Jesosy Kristy ao amin’ny Matio 4:10, manao hoe: “Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.”

Toy ny nataon’ny Kristianina voalohany ihany no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy ilay boky hoe Votoatin’ny Tantara ao Amin’ny Baiboly (anglisy), momba ny Kristianina voalohany: “Ny fombafomba tamin’ny fivavahana tamin’ny emperora dia ny nanipy emboka manitra kely na nandraraka divay kely teo amin’ny alitara nanoloana ny sariny. Angamba izany amintsika atỳ aoriana tsy misy hafa amin’ny ... manangan-tanana rehefa manangan-tsaina na rehefa miarahaba mpitondra ambony, ho mariky ny fanajana sy fitiavan-tanindrazana. Angamba olona maro tamin’ny taonjato voalohany no nihevitra toy izany, nefa toy ny fivavahana izany tamin’ny Kristianina, satria nidika ho fanekena ny emperora ho andriamanitra, ka noho izany dia fivadihana tamin’Andriamanitra sy Kristy. Koa tsy nety nanao izany izy ireo.”—Elmer Mould, 1951, p. 563.

Ankahalaina satria “tsy anisan’izao tontolo izao”

Nilaza i Jesosy fa “tsy anisan’izao tontolo izao” ny mpianany. Koa tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah. (Jaona 17:16; 6:15) Amin’io lafiny io koa izy ireo, dia manahaka ny Kristianina voalohany, izay voalazan’ny mpahay tantara toy izao:

“Tsy takatry ny olona ny anton’ny fihetsiky ny Kristianina voalohany ka tsy azoazon’ny mpitondra. ... Tsy nety nandray anjara tamin’ny adidy sasany nataon’ny olom-pirenena romanina ny Kristianina. ... Tsy nety nandray toerana politika izy ireo.” (Ho Amin’ny Fandrosoana—Tantaran’izao Tontolo Izao, anglisy, A. Heckel sy J. Sigman, 1937, p. 237, 238) “Tsy nety nandray anjara tamin’ny fitantanan-draharaha na niditra tao amin’ny tafika izy ireo. ... Tsy afaka ny ho miaramila, na mpitsara na mpitondra izy ireo, raha tsy hoe nialany angaha ny adidy masina kokoa.”—Tantaran’ny Kristianisma (anglisy), Edward Gibbon, 1891, p. 162, 163.

Tsy azoazon’izao tontolo izao izany toerana tanan’ny Vavolombelona izany, indrindra raha takin’ny mpitondra ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny fanohanana ny rafitra politika. Nolazain’i Jesosy toy izao ny vokany: “Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.”—Jaona 15:19.

Tsy maintsy mifidy ny olona rehetra any amin’ny tany sasany, ka mandoa lamandy na aiditra am-ponja na ratsy kokoa noho izany aza ny sazin’izay tsy mifidy. Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa manohana ny Fanjakan’Andriamanitra, izay “tsy anisan’izao tontolo izao”, hoy i Jesosy. Koa tsy manao politika izy ireo. (Jaona 18:36) Fanapahan-keviny samirery izany, fa tsy tereny hanao toy izany ny olona. Nohararaotin’ny manam-pahefana izany mba hanenjehana tamin-kabibiana ny Vavolombelona, ohatra, tany amin’ny tany nofehezin’ny Nazia sy tany Cuba. Mba nilefitra kokoa anefa ny manam-pahefana tany amin’ny tany maro.

Notakin’ny mpitondra tany amin’ny tany sasany ny hiantsoantsoan’ny rehetra teny faneva, ho fanohanana ny antoko politikany. Tsy afaka nanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny feon’ny fieritreretana, ka an’arivony no nokapohina, nesorina tamin’ny asany, ary noroahina niala ny tranony tany amin’ny faritra atsinanan’i Afrika, tamin’ireo taona 1970 sy 1980. Ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany anefa no tsy manao politika, na dia mazoto miasa sy manara-dalàna aza izy ireo.

Iray monja ny antoko politika tany Malawi, ary nanana karatra ny mpikambana tao. Nandoa hetra ny Vavolombelona, ho fankatoavana ny tenin’Andriamanitra, kanefa tsy nety nividy karatry ny antoko politika. Nidika ho fandavana ny finoany ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy ny fividianana karatra. Noho izany, dia nampirisihin’ny manam-pahefana ny andian-tanora nahery setra mba hanafika ny Vavolombelon’i Jehovah nanerana an’i Malawi, tamin’ny faramparan’ny taona 1967. Naharikoriko sy feno habibiana mbola tsy nisy toy izany ireny fanafihana ireny. Vehivavy kristianina arivo mahery no novetavetaina. Nisy nampitanjahina teo anatrehan’ny vahoaka romotra, ka novelezina tamin’ny hazo sy nasiana totohondry, ary avy eo nifandimbiasan’ny olona novetavetaina. Ny lehilahy kosa nandentehana fantsika teo amin’ny tongony sy vy lavalava teo amin’ny ranjony, ary nasaina nihazakazaka avy eo. Noravaravana ny tranony, ny fitaovany, ny akanjony sy ny tahirin-tsakafony, nanerana an’i Malawi.

Mbola nitohy indray izany habibiana izany tamin’ny 1972, taorian’ny fivorian’ny Antokon’ny Kongresin’i Malawi fanaony isan-taona. Lany tamin’io fivoriana io fa hesorina amin’ny asany ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra ary horoahina hiala ny tranony. Tsy noraharahaina ny fiangavian’ny mpampiasa hihazona an’ireny mpiasa nitokisana ireny. Nalain’ny fanjakana na nopotehina ny tranony, ny voliny, sy ny biby fiompiny. Tsy navela hantsaka tamin’ny lavadranon’ny tanàna izy ireo. Maro no nokapohina, notevatevaina, natao kilemaina, na novonoina ho faty. Nesoina sy nihomehezana koa izy ireo. Maherin’ny 34 000 no nandositra niala tany Malawi tamin’ny farany, mba tsy ho faty.

Tsy tapitra anefa ny fahoriany. Tsy noraisin’ireo tany nialokalofany izy ireo fa notereny hiverina tany Malawi, ka nampiharan’ireo mpanenjika habibiana mafy kokoa. Tsy niala tamin’ny finoany an’i Jehovah Andriamanitra anefa izy ireo. Nanahaka an’ireo mpanompon’Andriamanitra nahatoky fahiny izy ireo, ary hoy ny Baiboly momba azy ireny: “Ny sasany nesoina sy nokaravasina rehefa niharam-pitsapana, ary tsy izany ihany fa nofatorana sy natao am-ponja koa. Notoraham-bato izy ireo, niharam-pitsapana, notsofana, maty ripaky ny sabatra, nirenireny nitafy hoditr’ondry sy hoditr’osy, sady tsy nanana na inona na inona, nizaka fahoriana, nampijalina. Ary tsy mendrika azy ireo izao tontolo izao.”—Heb. 11:36-38.

Enjehina any amin’ny firenena rehetra

Firenena vitsivitsy monja ve no manenjika fivavahana toy izany? Tsia! Efa nampiomana i Jesosy Kristy hoe: “Ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.”—Matio 24:9.

Nihamafy kokoa izany fankahalana izany, nanomboka tamin’ny 1914, amin’izao andro farany izao. I Etazonia sy Kanada no nanomboka an’izany, rehefa nandrara ny boky ara-baiboly nandritra ny Ady Lehibe I, ary nanaraka azy i Inde sy Nyassaland (Malawi ankehitriny). Voarara ny asan’ny Mpianatra Baiboly tany Espaina, Gresy, Hongria, Italia, ary Romania, nandritra ireo taona 1920, ka ny sasany nandrara ny fizarana boky ara-baiboly, ary nisy fotoana nandrarana ny fivoriana koa. Voarara koa ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny bokiny nandritra ireo taona 1930 tany Albania, Aotrisy, Boligaria, Estonia, Letonia, Litoania, Polonina, ny faritany sasany tany Soisa, Iogoslavia teo aloha, Côte-de-l’Or (Ghana ankehitriny), zanatany frantsay tany Afrika, Trinité, ary Fidji.

Voarara ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fitoriany ary ny bokiny, tany amin’ny tany maro, nandritra ny Ady Lehibe II. Nitranga izany tany Alemaina sy Italia ary Japon, izay samy tany tsy refesi-mandidy. Nitranga koa anefa izany tany amin’ny tany maro nofehezin’izy ireo mivantana na tsy mivantana, talohan’ilay ady sy nandritra ilay ady. Anisan’izany i Albania, Aotrisy, Belzika, Holandy, Indes néerlandaises (Indonezia ankehitriny), Korea, sy Norvezy, ary Tsekoslovakia. Nandrara ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny asany i Arzantina, Brezila, Failandy, Frantsa, ary Hongria, nandritra ilay ady.

Tsy nandrara mivantana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah kosa i Grande-Bretagne, saingy noroahiny ilay rahalahy amerikanina mpiandraikitra ny sampana, ary tsy navelany handefa boky ara-baiboly izy ireo. Norarana tsotra izao ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny bokiny nanerana ny Fanjakana Britanika sy ny Commonwealth An’ireo Firenena. Nanao toy izany koa i Afrika Atsimo, Aostralia, Bahamas, Basutoland (Lesotho ankehitriny), Bechuanaland (Botswana ankehitriny), Birmania (Myanmar ankehitriny), Ceylan (Sri Lanka ankehitriny), Chypre, Côte-de-l’Or (Ghana ankehitriny), Dominique, Fidji, Guyane britannique (Guyana ankehitriny), Inde, Jamaika, Kanada, Nizeria, Nosy Sous-le-vent, Nouvelle-Zélande, Nyassaland (Malawi ankehitriny), Rodezia Atsimo (Zimbabwe ankehitriny), Rodezia Avaratra (Zambia ankehitriny), Singapour, ary Soazilandy.

Rehefa vita ilay ady, dia nihena ny fanenjehana ny Vavolombelona tamin’ny lafiny sasany, fa nitombo kosa tamin’ny lafiny hafa. Nandritra ny 45 taona taorian’ilay ady, dia tsy nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany maro, ary voarara koa ny fikambanany na ny asany tany amin’ny tany 23 tany Afrika, 9 tany Azia, 8 tany Eoropa, 3 tany Amerika Latinina, ary 4 tany amin’ny nosy sasany. Mbola voarara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany 24, tamin’ny 1992.

Tsy ny manam-pahefana rehetra anefa no manohitra ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manome fahalalahana ara-pivavahana ny maro, ary miaiky fa mitondra soa ho an’ny fiaraha-monina ny Vavolombelona. Tsy ekeny ny ataon’ireo mitady handrisika ny fanjakana hanohitra ny Vavolombelona. Talohan’ny nahazoan’i Côte d’Ivoire fahaleovan-tena, ohatra, dia tonga tao amin’ny manam-pahefana iray ny pretra katolika iray sy ny mpitondra fivavahana metodista iray mba handresy lahatra azy handroaka ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy nanaiky ilay manam-pahefana. Nitady hamolavola ny lalàna mba hanavakavahana ny mpitsoa-ponenana Vavolombelon’i Jehovah ny manam-pahefana iray tany Namibia tamin’ny 1990, nefa tsy nanaiky ny Antenimieram-pirenena. Ary ekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, any amin’ny tany maro nandrarana ny asany taloha.

Enjehina amin’ny fomba samihafa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. (2 Tim. 3:12) Mety ho tompon-trano masiaka, havana manohitra, mpiara-miasa na mpiara-mianatra tsy matahotra an’Andriamanitra no manenjika. Na iza na iza manenjika anefa, ary na inona na inona lazainy fa antony, dia fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah tsara ny tena antony anenjehana azy.

Ilay raharaha lehibe

Nohazavain’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’ny ela fa mandrafy, na mankahala ny fandaminan’i Jehovah any an-danitra sy ny solontenany eto an-tany i Satana Devoly sy ny olony, araka ny voalaza ao amin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly. (Gen. 3:15; Jaona 8:38, 44; Apok. 12:9, 17) Nanomboka tamin’ny 1925 indrindra no nampisehoan’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny alalan’ny Soratra Masina, fa tsy misy fandaminana afa-tsy roa monja, dia ny an i Jehovah sy ny an’i Satana. Resahin’ny 1 Jaona 5:19 fa “izao tontolo izao manontolo”, izany hoe ny olona rehetra tsy ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah, “dia eo ambany fahefan’ilay ratsy.” Izany no antony anenjehana ny Kristianina marina rehetra.—Jaona 15:20.

Nahoana anefa no avelan’Andriamanitra henjehina izy ireo? Mitondra soa ve izany? Nohazavain’i Jesosy Kristy fa homena fahafahana handre momba ny Fanjakan’Andriamanitra ka hiandany amin’izy io ny olona, alohan’ny hanorotoroan’i Jesosy Mpanjaka an’i Satana sy ny fandaminany ratsy. Rehefa enjehina ny mpitory ilay Fanjakana, dia vao mainka mipetraka ilay fanontaniana hoe: Hanao soa amin’ny ‘rahalahin’i’ Kristy sy ny mpiara-miasa aminy ve ireo mandre ilay hafatra, ka ho tia an’i Kristy? Sa izy ireo hiaraka amin’izay maniratsira ny solontenan’ny Fanjakan’Andriamanitra, na angamba hangina rehefa mahita an’izany? (Matio 25:31-46; 10:40; 24:14) Hitan’ny olona sasany tany Malawi tsara hoe iza no tena mpanompon’Andriamanitra, ka nifidy hiaraka tamin’ny Vavolombelona izy ireo. Tsy vitsy koa ny voafonja sy ny mpiambina tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina nanao toy izany.

Tsy mahatsiaro ho nafoin’Andriamanitra anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia ampangaina lainga sy ampijalina ary esoina aza, noho ny finoany an’Andriamanitra. Fantany fa natao toy izany koa i Jesosy Kristy. (Matio 27:43) Fantany koa fa tsy nivadika tamin’i Jehovah i Jesosy, ka tamin’izany no nanaporofoany fa mpandainga ny Devoly, ary nanamasinany ny anaran’ny Rainy. Maniry hanao toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra.—Matio 6:9.

Tsy ny hahazaka fampijaliana sy ny tsy ho faty no zava-dehibe amin’izy ireo. Efa nilaza i Jesosy Kristy fa hisy hovonoina ho faty ny mpianany. (Matio 24:9) Izy koa aza novonoina ho faty. Tsy nilefitra mihitsy tamin’i Satana Devoly, fahavalon’Andriamanitra, sady “mpitondra an’izao tontolo izao” anefa i Jesosy. Nandresy an’izao tontolo izao izy. (Jaona 14:30; 16:33) Ilay raharaha lehibe kosa dia hoe: Tsy hivadika amin’ilay Andriamanitra marina ve ny mpivavaka aminy, na dia miaritra zava-tsarotra aza? Noporofoin’ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny fa mitovy hevitra amin’ny apostoly Paoly izy ireo, rehefa nanoratra izy hoe: “Fa raha velona isika, dia velona ho an’i Jehovah, ary raha maty isika, dia maty ho an’i Jehovah. Koa na velona isika na maty, dia an’i Jehovah.”—Rom. 14:8.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mbola tsy takatry ny Mpianatra ny Baiboly tsara tamin’izany fotoana izany ilay hoe ny lehilahy no mampianatra eo anivon’ny fiangonana. (1 Kor. 14:33, 34; 1 Tim. 2:11, 12) Koa mpampanonta lefitra i Maria Russell, sady nanoratra lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana.

b Joseph Rutherford, prezidàn’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana; William Van Amburgh, mpitan-tsoratra sady mpitam-bolan’ny Fikambanana; Robert Martin, mpitantana ny birao; Frederick Robison, anisan’ny komitin’ny mpampanonta Ny Tilikambo Fiambenana; A. Macmillan, anisan’ny talen’ny Fikambanana; George Fisher ary Clayton Woodworth, izay samy namoaka ny boky Ilay Mistery Fantatra.

c Giovanni DeCecca, izay niasa tao amin’ny Sampan-draharaha Italianina tao amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana.

d Nolavin’ilay mpitsara atao hoe Martin Manton, Katolika nafana fo, ny fangatahana fanindroany ny hanafahana vonjimaika an’ireo rahalahy, tamin’ny 1 Jolay 1918. Rehefa namoaka didy nanafoana ny didy voalohany ny fitsarana ambony, dia i Manton irery no tsy nanaiky. Nomelohin’ny fitsarana ambony manokana iray i Manton tamin’ny 4 Desambra 1939, satria nanampatra fahefana sy nanao ny tsy marina ary nanao hosoka.

e Tsy ara-drariny tokoa ny nampidirana am-ponja ireo lehilahy ireo, ary tsy meloka mihitsy izy ireo. Mbola mpahay lalàna tao amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia ihany mantsy i J. Rutherford, nanomboka tamin’ny Mey 1909 ka hatramin’ny nahafatesany tamin’ny 1942. Anisan’ny mpisolovava tamin’ny raharaha 14 tany amin’ny Fitsarana Tampony izy, nanomboka tamin’ny 1939 ka hatramin’ny 1942. Izy mihitsy no nisolo vava mivantana teo anatrehan’ny Fitsarana Tampony, tamin’ireo raharahan’i Schneider miady amin’i Fanjakan’i New Jersey (tamin’ny 1939), sy ny Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis (tamin’ny 1940). Ary nandritra ny Ady Lehibe II, dia neken’ny lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Fonja hitsidika tsy tapaka an’ireo fonja teto Etazonia i A. Macmillan, mba hampahery an’ireo tovolahy tsy nety nanao raharaha miaramila.

f Hoy Ny Rakipahalalana Amerikanina (anglisy), Boky Faha-11, 1942, pejy 316: ‘Masina sahala amin’ny lakroa ny saina. Teny mafonja sy mazava tsara no amaritana ny tokony hataon’ny olona amin’ny sainam-pirenena, dia hoe “Fanompoana ny Saina”, “Fanajana ny Saina”, “Fahafoizan-tena ho An’ny Saina.” ’ Notaterin’ny Diário da Justiça, tamin’ny 16 Febroary 1956, pejy 1904, tany Brezila, ny tenin’ny manamboninahitra iray nandritra ny fananganan-tsaina, hoe: “Nanjary andriamanitra ho an’ny fivavahan’ny tia tanindrazana ny saina ... Ankamasinina sy ivavahana ny saina.”

[Teny notsongaina, pejy 642]

Ny mpitondra fivavahana no loha laharana tamin’ny fanenjehana an’i Jesosy Kristy

[Teny notsongaina, pejy 645]

‘Izay olona omen’Andriamanitra ny Fanahy Masina no atokany, na omeny lalana hitory’

[Teny notsongaina, pejy 647]

Nalana sarona tao amin’ny boky “Ilay Mistery Fantatra” ny fihatsarambelatsihin’ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Kristianisma Anarana!

[Teny notsongaina, pejy 650]

Norotahan’ny olona ny lehilahy sy vehivavy kristianina, naiditra am-ponja sy notanana tsy tamin’antony ary tsy nandalo fitsarana

[Teny notsongaina, pejy 652]

“Tafahoatra ireo sazy ireo”—Woodrow Wilson, prezidà amerikanina

[Teny notsongaina, pejy 656]

Tsy nahazo rariny izay tsy nanaraka ny tenin’ny pretra

[Teny notsongaina, pejy 666]

Nasain’ny pretra navoakan’ny mpampianatra ny mpianatra mba hitora-bato ny Vavolombelona

[Teny notsongaina, pejy 668]

Niaraka nanohitra ny Vavolombelona ny mpitondra fivavahana

[Teny notsongaina, pejy 671]

Notafihin’ny vahoaka romotra ny Vavolombelon’i Jehovah teto Etazonia

[Teny notsongaina, pejy 676]

Enjehina ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany

[Efajoro, pejy 655]

Ny Fihetseham-pon’ny Mpitondra Fivavahana

Tsara homarihina ny voalazan’ny gazety ara-pivavahana, rehefa nomelohina i J. Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy tamin’ny 1918:

◆ “Ny Firaketana An-tsoratra Kristianina”: “Nahomby tsara ny famelezan’ny Fanjakana hampitsaharana ny asan’ireo mampiely hevitra ara-pivavahana adaladala sy manimba, ka mihevitra ny ho afa-maina. Hevi-diso efa hatramin’ny ela izany, ary tsy noraharahaintsika mihitsy hatramin’izao. ... Toa ho vita hatreo ny amin’ny Russellistes.”

◆ “Ny Gazety Tandrefana”, gazety batista: “Tsy mahagaga raha aiditra any amin’ny fonjan’ny mpikomy ny lehiben’io sekta tsy laitra anarina io. ... Ny tena olana izao dia hoe tokony ho nalefa tany amin’ny tranon’ny adala ve ireo voampanga sa tany am-ponja.”

◆ Ny gazety “Jery Todika Isan-tapa-bolana” dia nisarika ny saina ho amin’izay voalazan’ny “Gazety Hariva” nivoaka teto New York, nanao hoe: “Matoky izahay fa ho voamariky ny mpampianatra ara-pivavahana rehetra izay nolazain’ilay mpitsara hoe heloka bevava ny fampianarana ankoatra an’izay mifanaraka tanteraka amin’ny lalàna, ary vao mainka meloka ilay mpitory ny filazantsara raha tso-po izy.”

◆ Ilay gazety hoe “Ny Kontinanta” dia niantso an’ireo voampanga hoe “mpanara-dia ny ‘Pasitera’ Russell”, izay nolazainy fa nino, hono, hoe “ny mpanota ihany no tokony havela hiady amin’ny ‘kaiser’ alemà.” Nolazain’ny minisitry ny Fitsarana tao Washington koa, hoy ilay gazety, fa “nitaraina tamin’i Etazonia i Italia satria i Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy dia ... nampiely hevitra teo amin’ny miaramila italianina, mba tsy hiady.”

◆ Naverin’ny gazety “Ny Taonjato Kristianina” ny ankamaroan’ireo teny ireo, herinandro tatỳ aoriana, ho mariky ny fanekeny izany.

◆ Noresahin’ny gazety katolika “Fahamarinana” ilay sazy sy ny hevitry ny mpampanonta: “Feno fanaratsiana ny Eglizy Katolika sy ny pretra ny bokin’io fikambanana io.” Izay nilaza ampahibemaso fa tsy nitovy hevitra tamin’ny Eglizy Katolika dia tian’ilay gazety hantsoina hoe “mpampirisika hikomy amin’ny fanjakana”, sady hoy koa izy: “Miharihary kokoa izao fa tena tsy milefitra ireo mpampirisika hikomy ireo.”

◆ Hoy ny Dr. Ray Abrams, tao amin’ilay boky hoe “Mandray Fiadiana ny Mpitory Teny”: “Saika ny gazety ara-pivavahana rehetra, na kely na lehibe, no faly raha vao nandre momba ireo sazy roapolo taona any am-ponja. Tsy nahitako teny fiaraha-miory tao amin’ireo gazety ara-pivavahana na iray aza.”

[Efajoro, pejy 660]

‘Enjehina Noho ny Fivavahany’

“Noho ny fivavahana fotsiny no nanenjehana antokon’olona iray tao amin’ny Toby Fitanan’i Mauthausen, dia ireo tao amin’ilay sekta hoe ‘Mpianatra Baiboly Tso-po’ na ‘Vavolombelon’i Jehovah’ ... Nenjehina izy ireo satria tsy nety nianiana ny tsy hivadika tamin’i Hitler no sady tsy nety nanao raharaha miaramila, noho ny finoany.”—“Die Geschichte des Konzentrationslagers Mauthausen” (Ny Tantaran’ny Toby Fitanan’i Mauthausen), nosoratan’i Hans Maršálek, Vienne, Aotrisy, 1974.

[Efajoro/Sary, pejy 661]

Noteren’ny SS Hanao Sonia Ity Fanambarana Ity ny Vavolombelona

Toby fitanana .......................................

Sampan-draharaha II

FANAMBARANA

Izaho, .......................................

teraka tamin’ny .......................................

tao .......................................

dia manao izao fanambarana izao:

1. Nanjary takatro fa diso ny fampianaran’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, ary mikendry ny hanohitra ny Fanjakana izy ireo, amin’ny anaran’ny fivavahana.

2. Nialako tanteraka àry io fikambanana io sy ny fampianaran’io sekta io.

3. Manome toky aho fa tsy handray anjara intsony mihitsy amin’ny asan’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Hotoriko avy hatrany any amin’ny manam-pahefana izay mitondra amiko ny fampianaran’ny Mpianatra ny Baiboly na miaraka aminy. Hateriko avy hatrany any amin’ny polisy akaiky indrindra ny boky rehetran’ny Mpianatra ny Baiboly alefa any amiko.

4. Hohajaiko ny lalàm-panjakana, ary rehefa tonga ny ady, dia handray fiadiana aho ka hiaro ny tanindrazako ary handray anjara amin’izay rehetra ataon’ny fiaraha-monina.

5. Nilazana aho fa haverina any am-ponja avy hatrany raha mandika an’izao fanambarana izao.

..........................., Daty ...........................

.......................................

Sonia

[Efajoro, pejy 662]

Taratasin’ny Sasany Voaheloka ho Faty

Nosoratan’i Franz Reiter (efa hotapahin-doha) ho an’ny reniny, tamin’ny 6 Janoary 1940, avy tao amin’ny fonja Berlin-Plötzensee:

“Mino tanteraka aho fa mety ny ataoko. Mbola afaka miova hevitra aho, nefa fivadihana amin’Andriamanitra izany. Tsy misy te hivadika amin’Andriamanitra izahay rehetra ato, fa hanome voninahitra azy. ... Araka ny fantatro, dia ho nanao fahotana mahafaty aho raha nanao ilay fianianan’ny [miaramila]. Ho loza izany, satria tsy hatsangana amin’ny maty aho. Tsaroako foana anefa izay nolazain’i Kristy hoe: ‘Izay te hamonjy ny ainy dia hamoy azy, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa dia hahazo azy.’ Nolazaina tamiko androany, ry Neny malala sy ry mpiray tam-po amiko, fa voaheloka ho faty aho, ary hovonoina rahampitso maraina, kanefa aza mihorohoro. Andriamanitra no manome hery ahy, toy ny nataony tamin’ny Kristianina marina rehetra taloha. Hoy ny apostoly: ‘Izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy afaka manota.’ Toy izany koa ny amiko. Noporofoiko taminareo izany, ary hitanareo. Aza malahelo, ry Neny malala. Tsara raha mampitombo hatrany ny fahalalanareo ny Soratra Masina ianareo rehetra. Raha miorina mafy mandra-pahafaty ianareo, dia hihaona indray isika rehefa hatsangana aho. ...”

“Franz zanakao”

“Mandra-pihaona.”

Nosoratan’i Berthold Szabo, notifirina tao Körmend, Hongria, tamin’ny 2 Martsa 1945:

“Ho an’i Marika, anabaviko malalako,”

“Adiny iray sy sasany sisa no ananako, ka manoratra ho anao aho mba hampahafantarinao ny ray aman-drenintsika ny momba ahy. Efa hovonoina ho faty aho.”

“Iriko i Dada sy Neny hanana fiadanan-tsaina, toy ny tsapako amin’izao fotoana farany iainako eto amin’ity tontolo feno loza ity izao. Amin’ny folo izao, ary hovonoina amin’ny iraika ambin’ny folo sy sasany aho, nefa tena tony. Apetrako eo an-tanan’i Jehovah sy Jesosy Kristy Zanany malalany, ilay Mpanjaka, ny fiainako ho avy, satria tsy hanadino mihitsy an’ireo tena tia azy izy ireo. Fantatro koa fa hatsangana tsy ho ela ny maty, na ireo lasa natory, ao amin’i Kristy. Tiako horesahina koa fa mirary ny hirotsahan’ny fitahian’i Jehovah rehetra aminao aho, noho ny fitiavanao ahy. Bà betsaka any amin’i Dada sy Neny ary Annus. Tsy tokony hitebiteby ny amiko izy satria hifankahita tsy ho ela isika. Tony ny tanako izao, ary hiala sasatra aho mandra-piantson’i Jehovah ahy indray. Na izao ankehitriny izao aza, dia tanako ny voady nataoko taminy.”

“Tonga ny fotoana. Ho amintsika mianadahy anie Andriamanitra.”

“Berthi, tsy mahafoy anao.”

[Efajoro, pejy 663]

Be Herim-po sy Nanam-pinoana Natanjaka

◆ “Niara-nivory sy nivavaka ny Vavolombelona tao an-toby, namoaka boky ary nitarika olona hanaraka ny finoany. Nankahery azy ireo ny fiarahany, ary nahafantatra tsara ny antony nisian’ny toerana toy ireny sy ny antony nijaliany izy ireo, fa tsy toy ny voafonja hafa. Vitsy izy ireo, nefa tsy hay hadinoina noho ilay telozoro volomparasy, sy ny herim-pony, ary ny finoany natanjaka.” Izany no nosoratan’ny Dr. Christine King tao amin’ilay hoe “Ny Fanjakana Nazia sy Ireo Fivavahana Vaovao: Tantara Dimy Momba ny Tsy Fifanarahan’ireo.”

◆ “Toetra Tsara sy Herisetra tao Auschwitz”, nosoratan’i Anna Pawełczyńska: “Natanja-tsaina be ireo voafonja ireo, ka resiny ny Nazisma. Ireo Alemà tao amin’io sekta io dia toy ny nosy bitika kely teo anivon’ilay firenena feno horohoro, nefa tsy nety lefy ny fanoherany. Tsy nety ketraka mihitsy izy ireo tao amin’ilay toby tao Auschwitz. Nanjary nanaja azy ny voafonja hafa, ... ny gadra politika, ary na ny manamboninahitra SS aza. Fantatry ny rehetra fa tsy hisy ‘Bibelforscher’ [Vavolombelon’i Jehovah] hanatanteraka baiko mifanohitra amin’ny finoany.”

◆ Nitantara ny amin’ny namonoana Vavolombelon’i Jehovah tsy nety nanao raharaha miaramila i Rudolf Hoess, tao amin’ilay boky hoe “Komandà tao Auschwitz”: “Toy izany angamba ireo maritiora kristianina voalohany rehefa niandry ny bibidia hamiravira azy tao amin’ny kianja. Niova tanteraka ny endriny, niandrandra ny lanitra ny masony, ary ny rantsantanany nakambany sy nakariny raha mbola nivavaka niatrika ny fahafatesany izy. Nihetsi-po mafy izay rehetra nahita [ny Vavolombelon’i Jehovah] novonoina, ary na ny miaramila nitifitra koa aza mba nihetsi-po.” (Navoaka tany Polonina io boky io, nitondra ny lohateny hoe “Autobiografia Rudolfa Hössa-komendanta obozu oświęcimskiego.”)

[Efajoro, pejy 673]

“Tsy Mpamadika Tanindrazana”

“Tsy mpamadika tanindrazana izy ireo fa mpanohana an’i Jehovah fotsiny.” “Tsy mandoro ny karatra fiantsoana ho miaramila izy ireo, na mikomy, ... na mampirisika hikomy amin’ny fanjakana.” “Manao ny marina sady mahatoky foana ny Vavolombelona. Na inona na inona fiheveran’ny olona ny Vavolombelona, na maro aza no mihevitra azy ho olon-dratsy, dia fakan-tahaka ny fiainany.”—“Telegrama”, Toronto, Kanada, Jolay 1970.

[Efajoro, pejy 674]

Iza no Tompon’andraikitra?

Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tsy miankina amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana na ny fikambanana ara-dalàna hafa ny andraikiny hitory. “Na voarara aza ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana, ary na akaton’ny fanjakana aza ny biraon’ny sampany, dia tsy foana ny andraikitra nomen’Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy nanolo-tena hanao ny sitrapony sady nomeny ny fanahiny. ‘Mitoria’, hoy ny Teniny voasoratra mazava tsara. Ambony noho ny didin’olombelona izany.” (“Ny Tilikambo Fiambenana”, anglisy, 15 Desambra 1949) Fantany fa i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy no mibaiko azy, ka maharitra mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana izy, na toherina aza.

[Efajoro, pejy 677]

Toy ny Kristianina Voalohany

◆ “Tsy zava-dehibe ny fivavahana, ho an’ny ankamaroan’ny olona, fa tsy toy izany kosa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny ataony dia mampahatsiahy antsika ny Kristianina voalohany, izay tsy tiam-bahoaka sady nenjehin’ny Romanina tamin-kabibiana.”—“Gazety Fanilon’i Akron”, Akron, Ohio, 4 Septambra 1951.

◆ “Tsy tia korontana, nadio fitondran-tena, eny, fakan-tahaka izy ireo [ny Kristianina voalohany]. ... Olom-pirenena fakan-tahaka izy ireo, afa-tsy ny amin’ny fandoroana emboka manitra ihany.” “Ny fanaovana sorona ho an’ny emperora nasandratra no nitsapana raha tia tanindrazana ny olona iray, ka azon’ny manam-pahefana odian-tsy hita ve fa tsy nanao izany ireny Kristianina tsy tia tanindrazana ireny? Koa ny loza hitan’izy ireny àry, dia tsy nisy hafa tamin’ny an’ilay sekta fantatra hoe Vavolombelon’i Jehovah teto Etazonia momba ny fananganan-tsaina, nandritra ny fotoan’ny ady.”—“Kristianisma tao Anatin’ny Taonjato 20”, nosoratan’i Paul Hutchinson sy Winfred Garrison, 1959, p. 31.

◆ “Angamba ny tena mampiavaka ny Vavolombelona dia ny fikirizany hanaiky an’Andriamanitra voalohany indrindra, alohan’ny fahefana rehetra eto an-tany.”—“Mino koa Izy Ireo”, nosoratan’ny Dr. C. Braden, 1949, p. 380.

[Sary, pejy 644]

Niresaka be dia be momba ny adihevitra nifanaovan’ny Dr. Eaton sy C. Russell “Ny Gazetin’i Pittsburgh”

[Sary, pejy 646]

Naelin’ny mpanohitra ny lainga momba ny fanambadian’i Charles sy Maria Russell

[Sary, pejy 648]

Romotra ny mpitondra fivavahana rehefa naely ny 10 000 000 tamin’ity trakta ity, izay nanala sarona ny fampianaran-disony sy ny fanaony

[Sary, pejy 649]

Nampitombo ny fanenjehana ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny 1918 ireo gazety

[Sary, pejy 651]

Ny boky “Ilay Mistery Fantatra” no voaresaka imbetsaka tao amin’ilay fitsarana an’ireo niasa tao amin’ny foiben’ny Fikambanana

Trano fitsarana sy biraon’ny paositra, Brooklyn, New York

[Sary, pejy 653]

Mafy kokoa noho ny an’ilay mpamono olona nampipoaka ny Ady Lehibe I ny sazin’izy ireo. Ankavia miankavanana: W. Van Amburgh, J. Rutherford, A. Macmillan, R. Martin, F. Robison, C. Woodworth, G. Fisher, G. DeCecca

[Sary, pejy 657]

Olona 200 teo ho eo notarihin’ny pretra no nitady handrava an’ity fivoriamben’ny Vavolombelona ity teto New York, tamin’ny 1939

[Sary, pejy 659]

Vavolombelon’i Jehovah an’arivony no tao amin’ireo toby fitanana ireo, nandritra ny Ady Lehibe II

Karandoha famantarana ny mpiambina SS (havia)

[Sary, pejy 664]

Nalaina sary mba hahena faran’izay kely ity ampahany amina boky fianarana Baiboly ity, natao tao anaty tranon’afokasoka, ary nampidirina an-tsokosoko tao an-toby fitanana

[Sary, pejy 665]

Vavolombelona sasany niaritra fitsapana mafy tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia

Mauthausen

Wewelsburg

[Sary, pejy 667]

Vahoaka romotra tany akaikin’i Montréal, Québec, tamin’ny 1945. Mateti-pitranga ny herisetra natao tamin’ny Vavolombelona, nandritra ireo taona 1940 sy 1950

[Sary, pejy 669]

Vavolombelon’i Jehovah an’arivony (anisan’izany i John Booth eto) no nosamborina rehefa nizara boky ara-baiboly

[Sary, pejy 670]

Taorian’ny didy navoakan’ny Fitsarana Tampony tamin’ny 1940, dia norotahan’ny olona nanerana an’i Etazonia ny Vavolombelona, noravana ny fivoriany, nokapohina izy ireo, ary nopotehina ny fananany

[Sary, pejy 672]

Voatery nanorina Sekolin’ilay Fanjakana ny Vavolombelona tany amin’ny toerana maro, satria noroahin’ny sekolim-panjakana ny zanany