Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna’

‘Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna’

Toko 30

‘Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna’

NENTINA tany amin’ny polisy sy ny mpitsara ary ny mpitondra ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ny fanenjehana nivaivay natao taminy. An’arivony ny fitoriana momba azy ireo, ary an-jatony tamin’ireny no nampakarina fitsarana ambony. Nisy vokany be teo amin’ny lalàna izany, ary matetika no nanamafy ny fahafahana fototra narovan’ny lalàna ho an’ny rehetra. Tsy izany anefa no tena tanjon’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Hitory ny vaovao tsara no tena faniriany. Tsy mpanakorontana fiaraha-monina na mpanova ny lalàna izy ireo, raha nampakatra fitsarana. Ny ‘hiaro ny vaovao tsara sy hanamafy orina azy io araka ny lalàna’, tahaka ny nataon’ny apostoly Paoly, no tanjony. (Fil. 1:7) Afaka niteny teo anatrehan’ny manam-pahefana izy ireo rehefa nangataka hanao izany, na rehefa nosamborina noho ny fanompoany. Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Hotaritarihina ho eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, ka izany dia ho vavolombelona aminy sy amin’ireo firenena.”—Matio 10:18.

Raharaham-pitsarana maro

Efa ela talohan’ny Ady Lehibe I ny mpitondra fivavahana no nampirisika ny manam-pahefana, mba hisakanana ny Mpianatra ny Baiboly tsy hizara boky teo amin’ny faritra nisy azy. Nihamafy ny fanoherana taorian’izay. Isan-karazany ny lalàna nampiasain’ny tany maro, hisakanana an’ireo niezaka hankatò ny didin’i Kristy, hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra, ho vavolombelona.—Matio 24:14.

Nampahery ny Mpianatra ny Baiboly anefa ny fahitana ny porofo fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Koa taorian’ny fivoriambe tany Cedar Point, tamin’ny 1922, dia tapa-kevitra izy ireo hampahafantatra eran-tany hoe tapitra ny Andron’ny Jentilisa, ary nandray ny fahefany lehibe ny Tompo, ka manjaka avy any an-danitra. Izao ny teny filamatr’izy ireo: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.” Tamin’io taona io, dia nataon’ny mpitondra fivavahana tany Alemaina foana izay hisamboran’ny polisy ny sasany tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, izay nizara boky ara-baiboly. Koa raharaha 897 mahakasika izany no nihantona tao amin’ny fitsarana alemà, tamin’ny 1926. Maro loatra izy ireny, ka voatery nanangana sampan-draharaha momba ny lalàna, tao amin’ny biraon’ny sampana tany Magdebourg, ny Fikambanana. Tany Alemaina fotsiny, tamin’ny 1928, dia 1 660 ny raharaha momba azy ireo, ary nihamafy isan-taona ny fanerena. Tapa-kevitra hanafoana ny asan’izy ireo ny mpitondra fivavahana, ka faly rehefa mba nahazo rariny kely tamin’ny fitsarana.

Tamin’ny 1928, tany South Amboy, no nisy Mpianatra ny Baiboly nosamborina noho ny fitoriana isan-trano, teto Etazonia. Ary 500 mahery isan-taona ny fisamborana azy ireo teto, nandritra ny folo taona. Tafakatra ho 1 149 izany tamin’ny 1936. Nilaina koa àry ny sampan-draharaha momba ny lalàna teto amin’ny foibe, mba hakana torohevitra.

Nanohitra mafy ny asa fitoriana koa ny fitondrana romanianina tamin’izany. Matetika no nosamborina sy nokapohina tamin-kabibiana ireo Vavolombelona nizara boky ara-baiboly. Fiampangana 530 no natao tamin’ny Vavolombelona tany Romania, tamin’ny 1933 ka hatramin’ny 1939. Niaro ny fahafahana anefa ny lalàna romanianina, ka maro ny fandresena azo tamin’ireo raharaha nakarina tany amin’ny Fitsarana Avo. Nahatsikaritra izany ny polisy, ka nanao izay hialana tamin’ny fitsarana. Ny boky no nalainy ary nodarohany ny Vavolombelona. Voasoratra ara-panjakana tany Romania ny Fikambanana tamin’ny farany, nefa nanao izay tsy hampanan-kery izany ny mpanohitra. Nivoaka àry ny didy nandrara ny fizarana bokin’ny Vavolombelona. Nofoanan’ny fitsarana ambony io didy io, nefa nampirisihin’ny mpitondra fivavahana hanohitra izany ny minisitry ny fivavahana.

Nalain’ny polisy toy izany koa ny bokin’ny Vavolombelona tany Italia, Hongria, Japon, Korea, Côte-de-l’Or (Ghana ankehitriny). Noroahina hiala tany Frantsa ny Vavolombelona vahiny. Ary tsy nisy Vavolombelona navela hiditra hitory tany amin’ny Firaisana Sovietika.

Nafana ny fanindrahindram-pirenena eran-tany, tamin’ny 1933 ka hatramin’ireo taona 1940. Fanjakana maro no nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Vavolombelona an’arivony no nakarina fitsarana, satria tsy nety nanangan-tsaina noho ny feon’ny fieritreretany, sady tsy nety nanao raharaha miaramila. Voalaza tamin’ny 1950, fa 10 000 mahery ny fisamborana Vavolombelona teto Etazonia fotsiny, nandritra ny 15 taona.

Efa ho 400 ny Vavolombelona niakatra fitsarana tany Gresy, tao anatin’ny fotoana fohy, tamin’ny 1946. Tsy vao voalohany izany no nitranga, fa efa an-taonany maro. Nogadraina ireo rahalahy sady nasaina nandoa lamandy be dia be, ka lany vola tanteraka. Hoy anefa izy ireo: “Nataon’ny Tompo izay hitoriana tamin’ny manam-pahefan’i Gresy. Ren’izy ireo fa atao mafy orina ilay fanjakana manao ny marina. Nandre izany koa ny mpitsara.” Nihevitra ny zava-misy, araka ny nolazain’i Jesosy fa tokony hiheverany azy, ny Vavolombelona.—Lioka 21:12, 13.

Tsy nanantena handresy

Lasa toy ny sahan’ady mihitsy i Québec, any Kanada, nandritra ireo taona 1940 sy 1950. Tamin’ny 1924 no nanomboka nisy fisamborana noho ny fitoriana tany. Nisy Vavolombelona nalain’ny polisy foana isan’andro, indroa isan’andro aza indraindray, tamin’ny 1931. Nihabetsaka ny vola naloan’ny Vavolombelona tamin’ny fitsarana, tany Kanada. Tafakatra ho 1 300 ny raharaha momba azy ireo, tao amin’ny fitsaran’i Québec, teo am-piandohan’ny taona 1947. Mbola vitsy anefa ny Vavolombelona tany.

Natanjaka ny Eglizy Katolika, ary tsy maintsy nieritreritra an’izany ny mpanao politika sy ny mpitsara tany Québec. Nohindrahindraina be ny mpitondra fivavahana, ary kinga erỳ ny olona sasany nankatò ny baikon’ny pretra. Hoy ilay boky hoe Ny Fanjakana sy ny Famonjena (1989): “Nanana seza voatokana tao amin’ny Antenimieram-pirenena ny kardinalin’i Québec, ka teo akaikin’ny toeran’ny lietnà governora ilay izy. Nofehezin’ny eglizy ny ampahany lehibe tamin’i Québec ... Ny andraikitry ny eglizy, raha ny marina, dia ny hahatonga ny fiainana ara-politikan’i Québec hifanaraka tamin’ny fiheveran’ny Katolika hoe ny Katolika no marina; diso izay tsy an’ny Katolika; ny fahalalahana hiresaka momba ny fahamarinan’ny Fivavahana Katolika sy hiaina mifanaraka amin’izy io no tena fahafahana.”

Tsy nantenaina handresy mihitsy ny Vavolombelona tany Québec sy eran-tany.

Fiampangana maro

Nandinika ireo bokin-dalàna mihitsy ny mpanohitra, nitady hampitsahatra ny asan’ny Vavolombelona. Nampangain’izy ireo foana ho mivarotra tsy misy fahazoan-dalana ny Vavolombelona, ary hoe fitadiavam-bola ilay izy. Nampangaina ho mpirenireny kosa anefa ny mpisava lalana sasany tany an-toeran-kafa, satria, hono, niasa nefa tsy nandray karama.

Am-polony taona no niezahan’ny mpitondra tany amin’ny faritra sasany tany Soisa hampino ny olona, fa fivarotana boky ny an’ny Vavolombelona. Nilaza mihitsy ny mpisolovavam-panjakana tany Vaud, fa tsy avelany hanan-kery izay didy manome rariny ny Vavolombelona.

Nilazana ny Vavolombelona tany amin’ny faritra maro, fa nila fahazoan-dalàna izy ireo vao nahazo nizara boky na nivory. Tena nilaina ve ny fahazoan-dalana? “Tsia!”, hoy ny Vavolombelona. Nahoana?

Hoy izy ireo: ‘Mandidy ny vavolombelony hitory ny filazantsaran’ny fanjakany i Jehovah Andriamanitra. Ny didin’Andriamanitra no ambony indrindra ka tsy maintsy ankatoavin’ny vavolombelony. Tsy misy manan-jo hanohitra ny lalàn’i Jehovah ny mpanao lalàna na mpampanoa lalàna. Tsy misy fitondrana manan-jo handrara ny fitoriana ny filazantsara. Koa tsy misy afaka manome fahazoan-dalana hitoriana ny filazantsara àry. Tsy manana fahefana amin’izany mihitsy ny fanjakan’izao tontolo izao. Fanevatevana an’Andriamanitra ny fangatahana fahazoan-dalana amin’olona mba hanaovana izay andidian’Andriamanitra.’

Matetika no niharihary fa nampangaina noho ny fankahalana ny Vavolombelona. Rehefa niely ilay bokikely hoe Atreho ny Zava-misy, sy ilay hoe Fanasitranana (anglisy), dia nantsoina tany amin’ny fitsarana tany Haarlem ny mpiandraikitra ny sampana tany Holandy (1939), noho ny fiampangana ho nanevateva antokon’olona holandey. Nantitranterin’ny mpiampanga, ohatra, ny nilazan’ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe mpisoloky ireo lohandohany tao amin’ny Eglizy Katolika, izay nitaky vola hanafahana an’ireo maty avy ao amin’ny afo fandiovana. Nilaza ilay boky fa tsy any akory ireo maty, ary tsy afaka nanaporofo ny fisian’io toerana io akory ny Eglizy.

Nitaraina toy izao ny “Mompera” Henri de Greeve, vavolombelon’ireo lohandohan’ny Eglizy: “Izao no zavatra tena mampalahelo ahy: Mety hihevitra ny olona eny ivelany fa olon-dratsy sy mpisoloky daholo izahay pretra.” Nantsoina hanome porofo ny mpiandraikitra ny sampana. Nanokatra ny Baiboly Katolika izy, ary nasehony fa mifanaraka amin’ilay Baiboly mihitsy ny fampianarana katolika resahin’ilay bokikely. Nanontanian’ny mpisolovavan’ny Fikambanana i Greeve, raha afaka nanaporofo ny foto-pinoana momba ny afobe sy ny afo fandiovana. Namaly izy hoe: “Tsy afaka manaporofo azy io aho, fa mino fotsiny.” Hitan’ilay mpitsara avy hatrany fa izany mihitsy no nolazain’ilay bokikely. Tapitra hatreo ilay raharaha, ary nirintona nivoaka ny fitsarana ilay pretra!

Tezitra noho ny fitomboan’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitondra fivavahana tany amin’ny faritra atsinanan’i Tsekoslovakia taloha, ka niampanga azy ireo ho mpitsikilo. Toy izany no nanjo ny apostoly Paoly, rehefa niampanga azy ho mpampirisika hikomy tamin’ny fanjakana ny mpitondra fivavahana jiosy. (Asa. 24:5) Raharaha an-jatony no niakatra fitsarana tamin’ny 1933 sy 1934, izay vao niaiky ny fanjakana hoe tsy nitombina ilay fiampangana. Nentina tany amin’ny fitsarana koa ny Vavolombelona tany Québec, nandritra ireo taona 1930 sy 1940, satria hoe nioko hanohitra ny fanjakana. Nijoro ho vavolombelon’izany mihitsy ny mpitondra fivavahana katolika sy protestanta, indrindra fa ny Katolika. Fa inona no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah? Nolazaina fa nanimba ny firaisan-kinam-pirenena izy ireo, satria nampiely zavatra nahatonga fankahalana ny Eglizy Katolika. Namaly anefa ny Vavolombelona hoe boky ara-baiboly nanome fampiononana ho an’ny olona tso-po no nozarainy, saingy nahatezitra ny mpitondra fivavahana izany, satria nampiharihary ny fampianarana sy fanao tsy araka ny Baiboly.

Inona no nanampy ny Vavolombelona hanohy ny asany, na teo aza ny fanoherana? Ny finoany an’Andriamanitra sy ny Teniny masina, ny fandavan-tenany ho an’i Jehovah sy ny Fanjakany, ary ny tanjaka avy amin’ny fanahy masina. Hoy ny Baiboly: “Avy amin’Andriamanitra ny hery fanampiny, fa tsy avy aminay.”—2 Kor. 4:7.

Nampakatra fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah

Am-polony taona talohan’ny Ady Lehibe I, no efa nizara boky be dia be teny akaikin’ny fiangonana sy isan-trano ny Mpianatra ny Baiboly. Tanàna maro teto Etazonia anefa, tatỳ aoriana, no namoaka lalàna nisakana izany “asa an-tsitrapo” izany. Inona no natao?

Hoy Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 15 Desambra 1919: “Tsapanay fa adidinay ny miezaka mafy hitory momba ny fanjakan’ny Tompo, fa tsy hiraviravy tanana na dia hitanay aza fa mikatona ny varavarana, ary misy miezaka mafy hanohitra an’io asa an-tsitrapo io. Koa nanao fandaharana izahay hampiasa ny gazety ... FOTOAM-PAHASAMBARANA.” a

Nitombo foana ny fitoriana isan-trano, nefa nitombo koa ny fiezahana hampihatra lalàna hampihenana na handrarana azy io. Tsy ny tany rehetra no manana lalàna miaro ny fahafahan’ny olom-bitsy, manoloana ny fanoheran’ny mpitondra. Fantatry ny Vavolombelon’i Jehovah anefa, fa arovan’ny Lalàm-panorenana amerikanina ny fahalalahana ara-pivavahana, mbamin’ny fahalalahana haneho hevitra sy hampiely vaovao. Koa nampakatra fitsarana ambony kokoa ny Vavolombelona, rehefa nampiasa ny lalàna hanakanana ny asa fitoriana ny mpitsara. b

Nandinika indray ny zava-nitranga i Hayden Covington, izay nanana andraikitra lehibe tamin’ny raharaha ara-pitsaran’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: ‘Soa ihany fa nakarina fitsarana ambony ny fanamelohan’ny fitsarana ambany kokoa. Raha tsy izany dia ho niavosa be ireny, ka lasa vato misakana ho an’ny fivavahana. Nisoroka izany isika satria nampakatra fitsarana ambony foana rehefa tsy nahazo rariny, ka voasoratra ao amin’ny lalàn’i Etazonia sy ny tany hafa izao ny fomba fivavahantsika.’ Raharaha am-polony no tonga tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia.

Fiarovana ny fahafahana

Tany Géorgie no niandoha ny iray tamin’ireo raharaha voalohany tonga tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia, momba ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nodinihin’ny Fitsarana Tampony izy io, ny 4 Febroary 1938. Nomelohin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tany Griffin, Géorgie, mantsy i Alma Lovell, satria nandika ilay lalàna hoe tsy mahazo mizara boky na gazety raha tsy misy fahazoan-dalana avy amin’ny ben’ny tanàna. Nizara ny gazety Fotoam-pahasambarana koa ny Anabavy Lovell. Namoaka didy anefa ny Fitsarana Tampon’i Etazonia, ny 28 Martsa 1938, fa tsy nanan-kery io lalàna io, satria nanjary voafehin’ny fahazoan-dalana sy sivana ny fahalalahana hampiely vaovao. c

Nandahatra teo anoloan’ny Fitsarana Tampony i Joseph Rutherford, mpisolovavan’i Clara Schneider, tamin’ny raharaha Clara Schneider miady amin’ny Fanjakan’i New Jersey, d (1939). Nanaraka izay ny raharaha Cantwell miady amin’ny Fanjakan’i Connecticut, e (1940). I Joseph Rutherford no nanao ny antontan-taratasy, ary Hayden Covington kosa no nandahatra teo anoloan’ny Fitsarana. Nahazoana rariny ireo raharaha ireo, ka nihamafy orina araka ny lalàna ny fahalalahana ara-pivavahana, mbamin’ny fahalalahana haneho hevitra, sy hampiely vaovao. Nisy faharesena koa anefa.

Faharesena goavana

Tamin’ny 1935, tamin’ny raharaha Carlton Nicholls miady amin’ny Ben’ny Tanàna sy ny Sekolin’i Lynn (Massachusetts), f no nandinihana voalohany ny raharaha momba ny zanaka Vavolombelon’i Jehovah tsy mety manangan-tsaina. Nakarina tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Massachusetts izany. Koa nivoaka ny didy tamin’ny 1937, fa tsy azo andeferana noho ny zavatra inoany i Carleton Nichols sy ny ray aman-dreniny, na inona na inona finoany. Satria, hoe, “tsy misy ifandraisany amin’ny fivavahana ny fananganan-tsaina sy ny fianianana tsy hivadika amin’ny tanindrazana. ... Tsy misy ifandraisany amin’ireo mihitsy ny fiheveran’ny olona ny Mpamorona azy. Tsy misy idiran’ireo amin’ny fifandraisany amin’ny Mpamorona.” Nakarina tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia koa izany, tamin’ny raharaha Leoles miady amin’i Landers g (1937), sy ny raharaha Hering miady amin’ny Filan-kevitry ny Fampianarana h (1938). Nolavin’ny Fitsarana anefa ireo raharaha ireo, satria, hono, tsy raharaha lehibe tokony hodinihiny. Nolavin’ny Fitsarana Tampony koa ny raharaha nitovy tamin’io, tamin’ny 1939: Gabrielli miady amin’i Knickerbocker. i Tsy nihaino fanazavana akory ny Fitsarana Tampony, fa ny androtr’iny ihany, dia nohamafisiny ny fanamelohana navoakan’ny fitsarana ambany kokoa momba ny raharaha Johnson miady amin’i Tanànan’i Deerfield. j

Nanaiky hihaino ihany anefa ny Fitsarana tamin’ny farany, tamin’ny 1940, tamin’ny raharaha Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis. k Mpisolovava nalaza maromaro, avy amin’ny andaniny roa, no nandefa antontan-taratasy. I Joseph Rutherford no mpisolovava an’i Walter Gobitas sy ny zanany. Mpikambana iray tao amin’ny sampan-draharaha momba ny lalàna (Oniversiten’i Harvard) kosa no nisolo tena ny Fikambanan’ny Mpisolovava Amerikanina sy ny Fikambanana Miaro ny Zon’ny Olom-pirenena. Tsy neken’izy ireo ny fanerena hanangan-tsaina, ary iray monja no tsy niombon-kevitra tamin’izy ireo tao amin’ny Fitsarana Tampony. Nanda ny fanazavan’izy ireo anefa ilay Fitsarana ary namoaka didy, tamin’ny 3 Jona, hoe azo roahina any amin’ny sekolim-panjakana ny ankizy tsy nety nanangan-tsaina.

Nandritra ny telo taona nanaraka, dia nanameloka ny Vavolombelon’i Jehovah foana ny Fitsarana Tampony, tamin’ny raharaha 19. Niavaka indrindra tamin’izany ny fanamelohana navoaka tamin’ny 1942, tamin’ny raharaha Jones miady amin’ny Tanànan’i Opelika. l Nomelohina i Rosco Jones satria tsy nandoa hetra nefa nizara boky, teny amin’ny araben’i Opelika (Alabama). Nanamafy an’io fanamelohana io ny Fitsarana Tampony, ka nilaza fa zon’ny fanjakana ny mitaky vola amin’ny olona mitety trano, ary tsy azo lavina izany lalàna izany na dia foanan’ny manam-pahefana eo an-toerana aza ny fitakiana hetra. Faharesena goavana iny, satria lasa nanana zo hisakana ny asan’ny Vavolombelona izay antokon’olona nampirisihin’ny mpitondra fivavahana na ny mpanohitra. Koa nihevitra angamba ny mpanohitra hoe hitsahatra ny asa fitoriana. Nisy zava-nahagaga nitranga anefa.

Nivadika ny rasa

Tena namely mafy ny fanompoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay didy navoaka tamin’ny raharaha Jones miady amin’i Opelika. Nilaza anefa ny mpitsara telo fa tsy niombon-kevitra tamin’ny maro tao amin’ny Fitsarana izy ireo tamin’io, ary tsapan’izy ireo koa fa anisan’ny nahatonga an’io didy io ny nataon’izy ireo tamin’ny raharaha Gobitis. Hoy koa izy ireo: “Nandany ny didy navoaka tamin’ny raharahan’i Gobitis izahay, koa fotoana mety angamba izao hilazana fa fantatray hoe tsy rariny koa ny didy navoaka tamin’iny.” Nihevitra àry ny Vavolombelon’i Jehovah fa tokony hampakatra Fitsarana indray.

Koa natao ny Fangatahana Famerenam-pitsarana, tamin’ny raharaha Jones miady amin’i Opelika. Nisy hevitra mafonja araka ny lalàna naroso tao amin’ilay fangatahana. Nolazaina tsara koa hoe: “Tokony hoheverin’ity Fitsarana ity izao zava-dehibe izao: Mpanompon’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony no tafiditra amin’ilay raharaha.” Nampahatsiahivina ireo tantara ara-baiboly mampiseho ny dikan’izany. Noresahina ny torohevitra nomen’i Gamaliela, mpampianatra lalàna, ho an’ny fitsarana tampony jiosy tamin’ny taonjato voalohany, hoe: “Aza mitsabaka amin’izay ataon’ireo lehilahy ireo, fa avelao izy ... sao dia ho hita fa mpiady amin’Andriamanitra ianareo.”—Asa. 5:34-39.

Rehefa nodinihina àry ilay raharaha manan-tantara, Murdock miady amin’ny Fanjakan’i Pennsylvanie, a ny 3 Mey 1943, dia novan’ny Fitsarana Tampony ny didy navoakany tamin’ny raharaha Jones miady amin’i Opelika. Nambarany fa tsy araka ny lalàm-panorenana ny fitakiana hetra hahazoana fahalalahana ara-pivavahana, mba hizarana boky ara-pivavahana. Nisokatra teo ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah indray ny varavaran’i Etazonia, noho iny raharaha iny. Ary nakarina fitsarana ambony izy iny, mba hanan-kery tamin’ireo raharaha an-jatony tatỳ aoriana. Andro tsy hay hadinoina ho an’ny Vavolombelona tokoa ny 3 Mey 1943, raha ny amin’ny raharaha tao amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia. Nahazo fandresena 12 izy ireo tamin’ireo 13 notsaraina tamin’io andro io. (Natambatra ho raharaha efatra nohenoina sy nodinihina ireo.) b

Iray volana teo ho eo tatỳ aoriana, tamin’ny Fetin’ny Sainam-pirenena, ny 14 Jona, dia novan’ny Fitsarana Tampony indray ny didy efa navoakany tamin’ny raharaha Gobitis, sy ny raharaha Filan-kevitry ny Fampianaran’i Virginie Andrefana miady amin’i Barnette. c Nandidy indray izy fa “tsy misy manam-pahefana ambony na ambany, afaka mamaritra izay azo ekena momba ny politika, ny fitiavan-tanindrazana, ny fivavahana, na ny zavatra hafa tsy itovian-kevitra. Tsy misy koa afaka manery ny olona hampiseho ny fatokisany an’ireo, amin’ny teniny na ny fihetsiny.” Nampiharina tany Kanada ny ankamaroan’izay voalaza tao amin’io didy io, rehefa nandinika ny raharaha Donald miady amin’ny Filan-kevitry ny Fampianaran’i Hamilton ny Fitsarana Ambony tany Ontario. Tsy nety nanafoana an’io didy io koa ny Fitsarana Tampon’i Kanada.

Neken’ny Fitsarana Tampony fa tsy azo ampangaina ho mpampirisika hikomy ny Vavolombelon’i Jehovah, raha manazava ny antony tsy hananganany saina sy ampianarany fa tsy maintsy ho resy ny firenena satria miady amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany dia nifanaraka tamin’ny didy navoaka tamin’ny raharaha Barnette sy ny raharaha Taylor miady amin’ny Fanjakan’i Mississippi, d nodinihina tamin’iny andro iny. Natao modely koa ireo didy ireo, ka nahazoan’ny Vavolombelona rariny tamin’ireo raharaha tatỳ aoriana, momba zanaka Vavolombelona tsy nety nanangan-tsaina, sy ny raharaha momba ny asa ary ny zo hikarakara zanaka. Nivadika tanteraka tokoa ny rasa. e

Fahafahana tany Québec

Nanantitrantitra ny raharaha momba ny fahalalahana ara-pivavahana tany Kanada koa ny Vavolombelona. An-jatony tamin’izy ireo no nosamborina tany Québec, tamin’ny 1944 ka hatramin’ny 1946, rehefa nandray anjara tamin’ny asa fitoriana. Niaro ny zo hanana fahalalahana ara-pivavahana ny lalàna kanadianina. Nandrava ny fivoriana fianarana Baiboly anefa ny mpirotaka. Nandidy ny hampitsaharana ny asan’ny Vavolombelona ny mpitondra fivavahana katolika, ary nankatò izany ny polisy. Ny Vavolombelona foana no nampijalin’ny mpitsara, fa navelany fotsiny ny mpirotaka. Inona àry no azo natao?

Nandamina fivoriambe manokana tany Montréal ny Fikambanana, ny 2 sy 3 Novambra 1946. Nampahatsiahivin’ny mpandahateny ny toerana tanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ny Baiboly sy araka ny lalàna. Nolazaina avy eo ny fandaharana atao mandritra ny 16 andro, hizarana eran’i Kanada ilay trakta hoe Henatra ho An’i Kanada ny Fankahalan’i Québec An’Andriamanitra sy Kristy ary ny Fahafahana (anglisy, frantsay, ukrainien). Resahina ao amin’ny an-tsipiriany ny herisetra sy habibiana nampiharin’ny mpirotaka tamin’ny Vavolombelona tany Québec. Nozaraina taorian’io ilay trakta hoe Nofitahinao ny Vahoaka ry Québec!

Nihamaro ny fisamborana tany Québec, ka nanangana sampan-draharaha momba ny lalàna ny sampan’i Kanada, ary nasiana solontena tany Toronto sy Montréal. Nandoa ny onitra tokony ho naloan’ny Vavolombelona namany i Frank Roncarelli. Nataon’i Maurice Duplessis, praiminisitr’i Québec, àry izay hahabankirompitra ny hotely notantanan’i Frank. Nandre izany tamin’ny vaovao ny vahoaka kanadianina ka nikomy. Nanao ezaka manokana eran’i Kanada àry ny Vavolombelona, ny 2 Martsa 1947, hanasana ny vahoaka hitaky ny Zon’ny Olom-pirenena. Sonia 500 000 mahery no voangona. Io no fitakiana nataon’olona betsaka indrindra tamin’ny Parlemanta kanadianina! Nisy fitakiana lehibe kokoa aza tamin’ny 1948, ho fanamafisana an’ilay voalohany.

Tamin’izay fotoana izay, dia nisy raharaha roa nofidin’ny Fikambanana hatao modely, hampakarina any amin’ny Fitsarana Tampon’i Kanada. Iray tamin’izany ny raharaha Aimé Boucher miady amin’ny Mpanjaka Hajaina. Nampangaina ho mpampirisika hikomy ny Vavolombelona tamin’io raharaha io.

Nampipoitra ny raharaha Boucher ny nizaran’i Aimé Boucher, tantsaha nalemy fanahy, an’ilay trakta hoe Fankahalan’i Québec. Nampahafantatra ny olona izy fa: Nahery setra tamin’ny Vavolombelona tany Québec ny mpirotaka; tsy niraharaha lalàna ny manam-pahefana nifandraisan’ny Vavolombelona; voaporofo fa ny eveka sy ny mpitondra fivavahana katolika no tao ambadik’izany. Mpampirisika hikomy ve i Aimé Boucher tamin’izany?

Hoy ny mpitsara iray tao amin’ny Fitsarana Tampony, rehefa namakafaka an’ilay trakta nozaraina: “Toy izao ny lohatenin’ilay trakta: ‘Henatra ho An’i Kanada ny Fankahalan’i Québec An’Andriamanitra sy Kristy ary ny Fahafahana’, ary ireto avy ny hevitra raketiny: Fiangaviana ny olona ho tony sy hieritreritra, rehefa handinika an’ilay raharaha mifandray amin’ilay lohateny; filazana ankapobe momba ny fampijaliana an’ireo Vavolombelona rahalahin’i Kristy eto Québec; tsipirian’ny fanenjehana sasany; fiangaviana ny vahoakan’i Québec hanohitra ny fanjakan’ny mpirotaka sy ny paikadin’ny Gestapo, mba hahazoana ‘vokatra tsara tondraka noho ny fitiavana an’Andriamanitra sy Kristy ary ny fahafahan’ny olombelona’, rehefa mianatra ny Teniny sy mankatò ny didiny.”

Nanafoana ny fanamelohana an’i Aimé Boucher ny didy navoakan’ny Fitsarana. Nandidy ny hanaovana famerenam-pitsarana anefa ny telo tamin’ireo mpitsara dimy. Hamoaka didy ara-drariny ve ny fitsarana ambany kokoa? Nanao fangatahana ny mpisolovavan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba ho ny Fitsarana Tampony mihitsy no hihaino indray ilay raharaha. Nahagaga fa nanaiky ny Fitsarana. Nihamaro ny mpitsara tao amin’ny Fitsarana Tampony, raha mbola nihantona ilay raharaha, ary niova hevitra ny iray tamin’ireo mpitsara teo aloha. Inona no vokany? Dimy tamin’ny mpitsara sivy no nanafaka madiodio ny Rahalahy Boucher tamin’ny Desambra 1950.

Nolavin’ny mpampanoa lalàna sy ny praiminisitr’i Québec (sady minisitry ny Fitsarana) io didy io tamin’ny voalohany. Nampihatra azy io tsikelikely anefa ny fitsarana. Foana ihany àry ny fiampangana Vavolombelon’i Jehovah tany Kanada, hoe mpampirisika hikomy.

Nakarina tany amin’ny Fitsarana Tampony Kanadianina mba ho modely koa ny raharaha Laurier Saumur miady amin’ny Tanànan’i Québec. Notoherina tamin’izany ny lalàna mitaky fahazoan-dalana, izay nahatonga fanamelohana be dia be tany amin’ny fitsarana ambany kokoa. Nangatahin’ny Fikambanana ny hamoahana lalàna maharitra ho an’ny tanànan’i Québec, mba handrarana ny manam-pahefana tsy hisakana ny hizaran’ny Vavolombelona boky ara-pivavahana. Namoaka didy ny Fitsarana Tampony, ny 6 Oktobra 1953. “Eny” ny valiny ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary “Tsia” kosa ho an’i Québec. Iny didy iny no fototry ny fandresena tamin’ny raharaha arivo hafa momba ny fahalalahana ara-pivavahana. Fotoam-baovao ho an’ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Québec, nanomboka teo.

Zo sy ny raharaham-pitsarana

Nihamaro ny raharaham-pitsarana nanomboka tamin’ny faramparan’ireo taona 1920, ka nila nampianarina momba izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mpisolovava i Joseph Rutherford, ary efa nitsara raharaha sasany, ka hitany fa nila tari-dalana momba izany ny Vavolombelona. Nantitranterin’ny Vavolombelona tamin’ny 1926 ny fitoriana isan-trano ny alahady, sy ny fizarana boky ara-baiboly. Nisy nanohitra izany fizaran’izy ireo boky izany anefa. Nanoratra ilay bokikely hoe Fahalalahana Hitory (anglisy) àry ny Rahalahy Rutherford, mba hanampiana ny mpitory teto Etazonia hahafantatra tsara ny zony araka ny lalàna. Niantso mpisolovava hafa hiasa tato amin’ny foibe anefa izy, satria tsy vitany ny nisahana ny raharaham-pitsarana rehetra. Nisy hafa niely eran’i Etazonia koa niara-niasa akaiky tamin’izy ireo.

Tsy vitan’ireo mpisolovava ny nanatrika ny fitsarana rehetra tamin’ny raharaha an’arivony, momba ny Vavolombelona. Afaka nanome torohevitra tsara anefa izy ireo. Nomena fampiofanana momba ny tokony ho fizotran’ny raharaham-pitsarana àry ny Vavolombelona. Natao nandritra ny fivoriambe manokana teto Etazonia izany tamin’ny 1932, ary nandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana, tatỳ aoriana. Navoaka tao amin’ilay Diary 1933 ny tsipiriany momba ny “Fizotran’ny Fakana Am-bavany.” (Natao pirinty manokana izy io tatỳ aoriana.) Namboarina araka ny zava-nisy ireny toromarika ireny. Nisy torohevitra fanampiny nomena tao amin’ny Fampiononana 3 Novambra 1937. Niresaka zava-nitranga sasany izy io.

Nampiasa an’ireny ny Vavolombelona, ka mazàna no afaka niaro tena tany amin’ny fitsarana fa tsy nila mpisolovava. Afaka nitory tamin’ny mpitsara izy ireo matetika, sady niresaka ilay raharaha tamim-pahatsorana, mba tsy hitsarana ny raharahan’izy ireo araka ny lalàna fotsiny. Nangataka fitsarana ambony izy ireo, rehefa nisy raharaha tsy nahazoana rariny. Nisy ihany ny niditra am-ponja, fa tsy naka mpisolovava, satria nilana mpisolovava ny fitsarana ambony.

Nomena fanazavana fanampiny ny Vavolombelona mba haharaka ireo raharaha vaovao nipoitra, sy ny didy nanan-kery tamin’ireo fitsarana tatỳ aoriana. Navoaka àry ilay bokikely hoe Torohevitra ho An’ny Mpitory Ilay Fanjakana (anglisy), tamin’ny 1939, mba hanampiana ireo rahalahy tamin’ny ady ara-pitsarana. Nasiana fanazavana bebe kokoa tao amin’ilay bokikely hoe Niaro Tena ny Mpanompon’i Jehovah (anglisy), navoaka roa taona tatỳ aoriana. Nanonona sy namakafaka didim-pitsarana 50 navoakan’ny fitsarana amerikanina momba ny Vavolombelon’i Jehovah izy io, ary niresaka raharaha hafa maro sady nanazava ny fomba hampiasana tsara an’ireny raharaham-pitsarana taloha ireny. Nomena an’ilay bokikely hoe Fahalalahana Ara-pivavahana (anglisy) ny Vavolombelona tsirairay, tamin’ny 1943, ary nianarana nandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izy io. Nanome tatitra tena nilaina momba an’ireo raharaham-pitsarana izy io, sady nanome tsipiriany momba ny antony ara-baiboly nikarakarana ireo raharaha tamin’ny fomba sasany. Navoaka taorian’io, tamin’ny 1950, ilay bokikely nohavaozina hoe Miaro sy Manamafy Orina ny Vaovao Tsara Araka ny Lalàna (anglisy).

Fampianarana miandalana momba ny lalàna daholo izany. Tsy ny hahatonga ny Vavolombelona ho mpisolovava anefa no tanjona, fa ny hanohizana hitory ny vaovao tsara ampahibemaso sy isan-trano.

Toy ny andiam-balala

Nihevi-tena ho tsy nofehezin’ny lalàna ny manam-pahefana sasany, ka nampijaly ny Vavolombelona. Na inona na inona anefa nataon’ny mpanohitra, dia fantatry ny Vavolombelona ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Aza mamaly faty, ry malala, fa omeo toerana ny fahatezeran’Andriamanitra, fa voasoratra hoe: ‘Ahy ny famaliana. Izaho no hamaly, hoy i Jehovah.’ ” (Rom. 12:19) Fantatr’izy ireo tsara anefa ny andraikiny hitory. Ahoana àry no nataony rehefa notoherin’ny manam-pahefana?

Vitsy ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ireo taona 1930, nefa tena niray saina. Rehefa nisy olana goavana tany amin’ny faritra iray, dia mailaka ny hanampy ireo Vavolombelona teny amin’ny manodidina. Nozaraina ho andiany 78, ohatra, ireo Vavolombelona 12 600 teto Etazonia, tamin’ny 1933. Nilazana ny biraon’ny Fikambanana teto Brooklyn, rehefa nisy fisamborana nisesisesy tany amin’ny faritra sasany, na rehefa nisy mpanohitra nanery ny radio hanafoana ny fifanarahana handefa fandaharan’ny Vavolombelona. Nisy olona nalefa haingana hanampy tany amin’ilay faritra, tamin’iny herinandro iny, mba hanaovana fitoriana be dia be.

Vavolombelona 50 ka hatramin’ny 1 000 no nifanao fotoana, ka nihaona tany ambanivohitra akaikin’ny faritra hitoriana. An-tsitrapo daholo izany, ary nisy avy tany amin’ny 320 kilaometatra. Nisy antoko-mpitory nomena faritany azo novitaina tao anatin’ny 30 minitra ka hatramin’ny adiny roa. Nanomboka niasa tany amin’izay nanendrena azy ny antoko-mpitory tsirairay, fa nisy kosa rahalahy maromaro nampandre ny polisy sy nanome ny anaran’ireo Vavolombelona nitory tao. Tsy nanakantsakana ilay asa ny manam-pahefana tany amin’ny ankamaroan’ireo faritra, rehefa hitany fa be dia be noho ny olona ampiasainy ny Vavolombelona. Tsy afa-nanoatra izy ireo tany amin’ny toerana sasany, rehefa feno ny fonja. Rehefa nisy Vavolombelona nosamborina, dia nisy mpisolovava tonga handoa ny onitra tokony haloan’izy ireo. Toy ny vokatry ny nataon’ny andiam-balala resahin’ny Joela 2:7-11 sy ny Apokalypsy 9:1-11 ny vokany. Toy izany no natao hanohizana ny fitoriana ny vaovao tsara, na dia teo aza ny fanoherana mafy.

Fanta-bahoaka izay nataon’ny manam-pahefana

Hita hoe tsara raha ampahafantarina ny vahoaka ny zavatra sasany nataon’ny manam-pahefana. Nampijalijaly ny Vavolombelona ny fitsarana tany Québec, ka nandefasana taratasy nanazava ilay raharaha ny mpikambana rehetra tao amin’ny antenimieran’i Québec. Tsy nisy vokany izany, ka nalefa tany amin’ny mpandraharaha 14 000 tany Québec ilay taratasy, ary navoaka an-gazety.

Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny radio kosa ny vahoaka, tany amin’ny faritra atsinanan’i Etazonia. Namorona ilay tarika nantsoina hoe Teatran’ny Mpanjaka ireo mpilalao tantara mahay maka tahaka, teto amin’ny Betelan’i Brooklyn. Noraisina an-tsoratra tsara ny fizotran’ny fitsarana ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa notorin’ny manam-pahefana izy ireo. Nanatrika ny fitsarana ireo mpilalao tantara, mba hahaizany tsara ny feo sy ny fomba fitenin’ny polisy, ny mpitory, ary ny mpitsara. Nisy filazana be dia be nalefa, mba hahazoana olona maro hihaino radio. Nolalaovin’ny Teatran’ny Mpanjaka ireo zava-nitranga tao amin’ny fitsarana, ary nataon’izy ireo toy ny tena izy mihitsy mba ho fantatry ny vahoaka izay nataon’ny manam-pahefana. Nitandrina kokoa àry ny manam-pahefana sasany rehefa nikarakara raharaha momba ny Vavolombelona, satria hitany fa fanta-bahoaka izay nataony.

Fiaraha-mientana hanoherana ny Nazia

Niezaka nampitsahatra ny asan’ny Vavolombelona tany Alemaina ny fanjakana nazia. Koa nangataka hiresaka tamin’ny manam-pahefana foana ny Vavolombelona. Tsy nisy fanantenana nanangasanga mihitsy anefa. Norarana ny asa tany amin’ny ankamaroan’ny fanjakana alemà, teo antenatenan’ny taona 1933. Nisy fanambarana neken’ny Vavolombelon’i Jehovah àry nandritra ny fivoriambe tany Berlin, ny 25 Jona 1933, momba ny fanompoan’izy ireo sy ny tanjon’izy io. Nomena ny manam-pahefana rehetra izany, ary an-tapitrisany no nozaraina tamin’ny vahoaka. Tsy nety nihaino ny fangatahan’ny Vavolombelona anefa ny fitsarana, tamin’ny Jolay 1933. Nanoratra ho an’i Adolf Hitler i Joseph Rutherford, tamin’ny fiandohan’ny taona nanaraka, ary nilaza ny zava-nisy. Niara-nientana avy eo ny fianakavian’ny mpirahalahy eran-tany.

Nihaona ny Vavolombelona isan-tokony tany Alemaina, ny marainan’ny alahady 7 Oktobra 1934, tamin’ny sivy ora, ary nivavaka mba hahazoana ny tari-dalan’i Jehovah sy ny fitahiany. Avy eo, dia nandefa taratasy tany amin’ny manam-pahefana alemà ny antoko-mpitory tsirairay. Nolazain’izy ireo ny fahavononany tanteraka hanohy hanompo an’i Jehovah. Niara-nidinika ny tenin’i Jesosy Kristy, ao amin’ny Matio 10:16-24 izy ireo, talohan’ny hifandaozany. Avy eo izy ireo dia nitory momba an’i Jehovah sy ny Fanjakany hoentin’i Kristy.

Nihaona koa ny Vavolombelona naneran-tany tamin’io andro io. Niara-nivavaka izy ireo, ary nandefa telegrama fampitandremana ho an’ny fanjakan’i Hitler, hoe: “Manafintohina ny olona tsara fanahy rehetra eran-tany ny fampahorianao ny Vavolombelon’i Jehovah, sady manala baraka ny anaran’Andriamanitra. Aza manenjika ny Vavolombelon’i Jehovah intsony, sao hopotehin’Andriamanitra ianao sy ny antokonao.” Tsy nifarana hatreo anefa ny tantara.

Vao mainka nandrava ny asan’ny Vavolombelona ny Gestapo. Be dia be ny fisamborana natao tamin’ny 1936, ka nieritreritra ry zareo hoe nandresy. Nitety an’i Alemaina anefa ireo Vavolombelona tokony ho 3 450 tsy voasambotra, ny 12 Desambra 1936. Nozarain’izy ireo ny fanapahan-kevitra natao pirinty, izay nilaza mazava ny fikasan’i Jehovah sy ny fahatapahan-kevitry ny Vavolombelony hankatò an’Andriamanitra fa tsy ny olona. Tsy azon’ny mpanohitra hoe ahoana no nahavitan’izy ireo nizara ilay taratasy. Tsy niraharaha ireo fitarainana ny Gestapo. Nanao taratasy àry ny Vavolombelona rehefa afaka volana vitsivitsy, ary nolazaina tao ny anaran’ireo polisy nazia nampijaly Vavolombelona. Nozaraina nanerana an’i Alemaina koa ilay taratasy, tamin’ny 1937. Nanjary fanta-bahoaka àry izay nataon’ireo ratsy fanahy. Koa afaka nanapa-kevitra koa ny vahoaka, momba izay ho fihetsiny amin’ireo mpanompon’ny Avo Indrindra ireo.—Ampitahao amin’ny Matio 25:31-46.

Nilamindamina ny raharaha

Nisy fanjakana nasiaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah koa, ary nandrara azy ireo tsy hivory sy hitory. Nandroaka azy ireo tamin’ny asany ireny fanjakana ireny indraindray, ary tsy namela ny zanak’izy ireo hianatra. Nampihatra herisetra tamin’ny Vavolombelona koa ny fanjakana maro, nefa ny lalàm-panorenany niaro ny fahalalahana ara-pivavahana. Te hanampy an’ireo rahalahy nenjehina ny Fikambanana, ka matetika no nampahafantariny eran-tany ny tsipiriany momba izany herisetra izany. Navoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ireny tatitra ireny, ary navoaka tamin’ny vaovao koa indraindray. Nisy taratasy fitarainana an’arivony momba izay nanjo ireo Vavolombelona, nalefan’ny olona eran-tany ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana.

Nisy ezaka manokana toy izany tamin’ny 1937, ka naharay taratasy 7 000 teo ho eo, avy amin’ny tany efatra ny governoran’i Géorgie, tao anatin’ny roa andro monja. Naharay taratasy an’arivony koa ny ben’ny tanànan’i La Grange, any Géorgie. Nisy ezaka manokana toy izany koa natao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Arzantina (1978, 1979), Bénin (1976), Burundi (1989), Cameroun (1970), Espaina (1961, 1962), Etiopia (1957), Gabon (1971), Gresy (1963, 1966), Jordania (1959), Malawi (1968, 1972, 1975, 1976), Malezia (1952), Mozambika (1976), Portogaly (1964, 1966), Repoblika Dominikanina (1950, 1957), Singapour (1972), Soazilandy (1983).

Santionany tamin’izay nataon’ireo Vavolombelona eran-tany, mba hanampiana ireo rahalahy nampijalina, izay nitranga tany Gresy. Niharam-panenjehana nivaivay ireo Vavolombelona tany, ary ny mpitondra fivavahana ortodoksa no tao ambadik’izany. Nitantara ny tsipiriany Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! (22 000 000 mahery ny isan’ny natonta tamin’ireo) tamin’ny 1986. Nasaina nanoratra ho an’ny manam-pahefana grika ny Vavolombelona tany an-tany hafa, ho fitarainana ho an’ireo rahalahiny, ary nanao izany tokoa. Nilaza ny gazety iray tany Atena, fa taratasy 200 000 mahery avy amin’ny tany 200, ary tamin’ny fiteny 106, no voarain’ny minisitry ny fitsarana.

Nisy raharaha momba ny Vavolombelona nampakarina fitsarana ambony tany La Canée, Crète, rehefa afaka herintaona. Nanatrika ny fitsarana ny solontenan’ny Vavolombelona avy any Alemaina, Angletera, Espaina, Etazonia, Frantsa, Italia, ary Japon, mba hanohana an’ireo rahalahiny. Nanameloka ny Vavolombelon’i Jehovah ny Fitsarana Tampon’i Gresy tamin’ny raharaha iray hafa, tamin’ny 1988. Nisy fitarainana nalefa àry tany amin’ny Vaomiera Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona. Koa ny 7 Desambra 1990, dia naseho tamin’ny mpahay lalàna 16, saika avy amin’ny tany eoropeanina rehetra, ny antontan-taratasy momba ny fisamborana 2 000 sy raharaham-pitsarana an-jatony nanamelohana ny Vavolombelona tany, noho izy ireo niresaka momba ny Baiboly. (Nisy fisamborana 19 147 toy izany tany Gresy, tamin’ny 1938-1992.) Tapaka ny hevitra fa hoentina eo anatrehan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona ilay raharaha.

Tsara ihany ny hampisehoana toy izany ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Na inona na inona anefa ataon’ny mpitsara na mpitondra, dia Andriamanitra foana no ankatoavin’ireo Vavolombelona ho Filoha Fara Tampony.

Fiezahana mba hekena ho ara-dalàna

Tsy misy olona na fanjakana afaka manome fahazoan-dalana ho an’ny fivavahana marina, afa-tsy i Jehovah Andriamanitra ihany. Tsara ihany anefa raha voasoratra ara-panjakana ho fikambanana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maro, mba hahazoana ny fiarovan’ny lalàna. Amin’izay dia mora kokoa ny mividy tany hanorenana biraon’ny sampana na manao pirinty boky aman-gazety betsaka. Manahaka ny nataon’ny apostoly Paoly tany Filipy ny Vavolombelona, ka manao izay hahamafy orina ny vaovao tsara araka ny lalàna.—Fil. 1:7.

Sarotra be izany indraindray. Nifanaraka tamin’i Vatikana, ohatra, ny fanjakana aotrisianina, ka nanaiky hamatsy vola ho an’ny Eglizy Katolika. Koa nolavin’ny manam-pahefana àry ny ezaka nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny voalohany, ary nilaza izy ireo hoe: ‘Mitady hanorina fikambanana ara-pivavahana ianareo, nefa tsy azo atao izany raha araka ny lalàna aotrisianina.’ Afaka nanoratra ara-panjakana ny fikambanana mizara Baiboly sy boky ihany anefa izy ireo, tamin’ny 1930.

Nanomboka tamin’ny fotoan’ny Ady Lehibe I ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Espaina, nandritra ny taonjato faha-20. Niara-niasa akaiky foana anefa ny Eglizy Katolika sy ny Fanjakana Espaniola, efa hatrany am-piandohan’ireo taonjato faha-15. Niova ny fiainana ara-politika sy ara-pivavahana, ka afaka niova fivavahana koa ny olona, saingy tsy nahazo nampiseho ampahibemaso ny finoany. Na izany aza, dia niezaka ny Vavolombelona mba hekena ho ara-dalàna tany Espaina, tamin’ny 1956 sy 1965. Tsy nisy azo natao anefa raha tsy efa navoakan’ny parlemanta espaniola ny Lalàna Momba ny Fahalalahana Ara-pivavahana, tamin’ny 1967. Nekena ho ara-dalàna izy ireo tamin’ny farany, ny 10 Jolay 1970, rehefa 11 000 mahery ny isan’ny Vavolombelona tany.

Nangatahina tamin’ny governoran’i Dahomey (Bénin ankehitriny) ny hanoratana ara-panjakana ny Fikambanana, tamin’ny 1948, nefa tsy nekena izany raha tsy tamin’ny 1966, enin-taona taorian’ny nahazoana fahaleovan-tena. Nosintonina indray izany tamin’ny 1976, ary tamin’ny 1990 indray vao naverina, rehefa niova ny fiainana ara-politika sy ny fiheveran’ny manam-pahefana ny fahalalahana ara-pivavahana.

Nekena ho ara-dalàna nandritra ny taona maro ny Vavolombelona tany Kanada. Nanararaotra ny Ady Lehibe II anefa ny mpanohitra, mba handresen-dahatra ny governora vaovao hanambara fa tsy ekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Nampiharina izany ny 4 Jolay 1940. Navela hanao famelabelarana teo anatrehan’ny komity voafidy tao amin’ny Parlemanta ny Vavolombelona, rehefa afaka roa taona. Nodidian’io komity io ny hanesorana ny fandrarana natao tamin’izy ireo sy ny fikambanany. Nisy adihevitra lava be imbetsaka tao amin’ny Parlemanta, ary nisy fanangonan-tsonia tamin’ireo fitakiana roa natao eran’ilay tany. Tsapan’ny minisitry ny fitsarana (izay Katolika) àry fa tsy maintsy foanany tanteraka ny fandrarana ny asan’ny Vavolombelona.

Tsy nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa Atsinanana, raha tsy niova tanteraka ny fitondrana. Nahazo fahalalahana ara-pivavahana ihany izy ireo, rehefa afaka am-polony taona. Nekena ho ara-dalàna koa izy ireo tany Polonina sy Hongria (1989), tany Romania sy Alemaina Atsinanana (1990, talohan’ny nitambarany tamin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina), tany Boligaria sy ny Firaisana Sovietika teo aloha (1991), ary tany Albania (1992).

Miezaka hanaja ny lalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Tohanan’izy ireo ara-baiboly fa mila hajaina ny manam-pahefana. Rehefa mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra anefa ny lalàn’olombelona, dia mamaly izy ireo hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asa. 5:29.

Ny fahafahana fototra sy ny tahotra

Miatrika zava-baovao eny amin’ny fanompoany ny Vavolombelon’i Jehovah eto Etazonia, satria mihabetsaka ny mpidoroka zava-mahadomelina, ary misondrotra ny vidim-piainana ka matetika no voatery miasa ny mpivady. Vitsy kely ny olona ao an-tanàna mandritra ny andro, ary maro be ny vaky trano, ka raiki-tahotra ny olona. Navoaka ny lalàna vaovao mitaky ny fahazoan-dalana hitety trano, tamin’ny faramparan’ireo taona 1970 sy fiandohan’ireo taona 1980, mba hanaraha-maso ny olon-tsy fantatra tonga. Nisy aza tanàna nandrahona hisambotra izay Vavolombelon’i Jehovah tsy nanana fahazoan-dalana. Efa nisy fepetra ara-dalàna noraisina anefa, ka azo nalamina tsy nisy fitsarana ny olana.

Nihaona amin’ny manam-pahefana ao an-tanàna ny anti-panahy, mba hitadiavana vahaolana. Tsy eken’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy ny hangata-dalana hanao ny asa nandidian’Andriamanitra. Arovan’ny Lalàm-panorenana amerikanina koa ny fahalalahana ara-pivavahana sy ny fahalalahana hampiely vaovao, ary tsy andoavam-bola izany; nanamafy izany ireo didy navoakan’ny Fitsarana Tampony. Tsapan’ny Vavolombelona anefa fa matahotra ny olona, ka manaiky izy ireo hampahafantatra ny polisy, alohan’ny hitoriana any amin’ny faritra sasany, raha ilaina izany. Rehefa tsy hita anefa izay marimaritra iraisana, dia miresaka amin’ny manam-pahefana ny mpisolovava avy amin’ny foiben’ny Fikambanana, ary manazava ny asan’ny Vavolombelona sy ny lalàna miaro ny zony hitory. Hazavainy koa fa azo torina ilay tanàna sy ny manam-pahefana mba hitakiana an’io zo io. f

Nilaina aza tany amin’ny tany sasany, ny nankany amin’ny fitsarana mba hanamafisana indray ny fahafahana fototra, izay noheverina ho nandeha ho azy hatramin’izay. Izany no nitranga tany Failandy, tamin’ny 1976 sy 1983. Angamba mba hiarovana ny tompon-trano, dia nisy lalàna maro nandrara ny asa ara-pivavahana, toy ny fitetezan-trano. Nolazaina tao amin’ny Fitsaran’i Loviisa sy Rauma anefa, fa anisan’ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fitoriana isan-trano, ary nanaiky an’io fomba fitoriana io ny fanjakana, ka nanome taratasy fahazoan-dalana ho an’ny fikambanan’izy ireo. Nohazavaina koa fa maro ny olona tia ny hotsidihin’ny Vavolombelona. Manjary voafetra àry ny zon’ny olona raha rarana ny hanaovana an’io asa io, satria hoe tsy ny rehetra no mankasitraka azy io. Tsara fiafara ireo raharaha ireo, ka tanàna maro no nanafoana ny lalàna efa navoakany.

Famolavolana ny lalàna

Nandray anjara lehibe tamin’ny famolavolana ny lalàna ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tany sasany. Fantatry ny Amerikanina nianatra momba ny lalàna, ny nataon’ireo Vavolombelona mba hiarovana ny zon’ny isam-batan’olona teto Etazonia. Hoy ireto lahatsoratra ireto: “Isaoran’ny Lalàm-panorenana ny Vavolombelon’i Jehovah” (Fanavaozana ny Lalàn’i Minnesota, Martsa 1944); “Nanetsika ny Fanavaozana ny Lalàm-panorenana ny Fiakaran’ny Vavolombelon’i Jehovah Tany Amin’ny Fitsarana Tampony” (Fanavaozan-dalàna Nataon’ny Oniversiten’i Cincinnati, 1987).

Ny raharaham-pitsaran’izy ireo dia nanjary ampahany lehibe tamin’ny lalàna amerikanina, momba ny fahalalahana ara-pivavahana mbamin’ny fahalalahana haneho hevitra sy hampiely vaovao. Nandray anjara lehibe tamin’ny fiarovana ny fahafahana izany, ary tsy ny fahafahan’ny Vavolombelona ihany fa ny an’ny vahoaka koa. Nanao famelabelarana tao amin’ny Oniversiten’i Drake i Irving Dilliard, mpanoratra sady mpanao gazety malaza, ary hoy izy: “Na tiana na tsy tiana, dia be lavitra noho ny nataon’ny fivavahana hafa ny nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiarovana ny fahafahana.”

Milaza ny zava-nisy tany Kanada ilay boky hoe Ny Fanjakana sy ny Famonjena—Ny Vavolombelon’i Jehovah Miaro ny Zon’ny Isam-batan’olona, ka hoy izy ao amin’ny sasin-teny: “Ny Vavolombelon’i Jehovah no nampianatra ny fanjakana sy ny vahoaka kanadianina momba ny fiarovana tokony ho azon’ny antokon’olom-bitsy. Ankoatra an’izany, ny ... fanenjehana [ny Vavolombelona tany Québec] izay nahatonga raharaha maro nifanesy tamin’ireo taona 1940 sy 1950, dia tonga tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Kanada. Nisy fiantraikany be teo amin’ny fiheveran’ny Kanadianina ny zon’ny isam-batan’olona koa ireny, ary lasa anisan’ny fototry ny fehezan-dalàna momba izany zo izany eto Kanada.” Niady mafy tany amin’ny fitsarana ny Vavolombelona mba hahazoana fahalalahana ara-pivavahana. “Anisan’ny vokatr’izany”, hoy ilay boky, “ny fiaraha-midinika sy adihevitra lava be nahatonga ny Lalàna Momba ny Zo”, izay anisan’ny lalàna fototra any Kanada.

Ny lalàn’Andriamanitra no ambony indrindra

Porofoin’ny raharaham-pitsarana rehetra momba ny Vavolombelona anefa fa eken’izy ireo ho ambony indrindra ny lalàn’Andriamanitra. Fantany ilay adihevitra momba ny zo ho mpanjakan’izao rehetra izao, ary izany no fototry ny toerana tanany. Ekeny fa i Jehovah irery no Andriamanitra marina sy manan-jo ho Tompon’izao rehetra izao. Hentitra àry izy ireo milaza fa tsy manan-kery ny lalàna na didy mandrara ny hanarahana ny didin’i Jehovah, ary manampatra fahefana izay manao izany. Miombon-kevitra amin’ny apostolin’i Jesosy Kristy izy ireo hoe: “Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay satria izy no mpitondra anay.”—Asa. 5:29.

Tahin’i Jehovah ny Vavolombelony satria tapa-kevitra hitory ny vaovao tsara eran-tany, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra alohan’ny hahatongavan’ny farany.—Matio 24:14.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny 1 Oktobra 1919 no nomerao voalohany nivoaka. Tena niavaka ny fizarana an’io gazety io sy ny Fampiononana sy Mifohaza!, tatỳ aoriany. Tamin’ny 1992, ohatra, dia 13 110 000 tamin’ny Mifohaza! no navoaka tamin’ny fiteny 67.

b Toy izao no fitsipika ankapobe narahin’ny Vavolombelona rehefa notsaraina noho ny asa fitoriana: Aleo mampakatra fitsarana, toy izay mandoa lamandy. Raha resy, dia aleo migadra toy izay handoa lamandy, raha eken’ny lalàna. Tsy nanaiky handoa lamandy mihitsy izy ireo, ka vao mainka kivy ny manam-pahefana nanakana ny asany. Mbola azo arahina izany fitsipika izany indraindray. Nasehon’ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) 1 Aprily 1975 koa anefa, fa matetika no azo heverina ho sazy ny lamandy. Tsy hoe meloka foana àry izay mandoa azy io, mitovy amin’ny hoe tsy porofon’ny maha meloka ny fidirana am-ponja.

c Lovell miady amin’ny Tanànan’i Griffin, 303 U.S. 444 (1938).

d Schneider miady amin’ny Fanjakan’i New Jersey (Tanànan’i Irvington), 308 U.S. 147 (1939).

e 310 U.S. 296 (1940).

f 297 Mass. 65 (1935). Ankizilahy mpianatra valo taona no tafiditra tamin’ilay raharaha. Carleton Nichols no tena anarany.

g 302 U.S. 656 (1937) (avy any Géorgie).

h 303 U.S. 624 (1938) (avy any New Jersey).

i 306 U.S. 621 (1939) (avy any Kalifornia).

j 306 U.S. 621 (1939) (avy any Massachusetts).

k 310 U.S. 586 (1940). Nametraka fitoriana i Walter Gobitas (tena fanoratana ny anarany) mbamin’i William sy Lillian zanany. Tsy navelan’ny filan-kevitry ny sekoly hianatra tao amin’ny sekolim-panjakan’i Minersville mantsy ireo ankizy, satria tsy nety nanangan-tsaina. Nanome rariny an-dry Gobitas ny fitsaram-paritra sy ny fitsarana ambony, ka nampakatra Fitsarana Tampony ny filan-kevitry ny sekoly.

l 316 U.S. 584 (1942).

a 319 U.S. 105 (1943).

b Nisy 24 ny raharaha momba ny Vavolombelona, nakarina tany amin’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia, tamin’ny 1943.

c 319 U.S. 624 (1943).

d 319 U.S. 583 (1943).

e Raharaha 138 momba ny Vavolombelona no nentina tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina, tamin’ny 1919 ka hatramin’ny 1988. Ny Vavolombelona no nampakatra ny 130 tamin’ireo, ary ny andaniny niady taminy no nampakatra ny 8. Nolavin’ny Fitsarana ny 67, satria hoe tsy raharaha lehibe mahakasika ny lalàna na ny lalàm-panorenana. Raharaha 47 no nahazoan’ny Vavolombelona rariny.

f Jane Monell miady amin’ny Sampan-draharahan’ny Asa Sosialin’i New York, 436 U.S. 658 (1978).

[Teny notsongaina, pejy 680]

Fanjakana maro no nandrara ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Teny notsongaina, pejy 682]

Tapitra hatreo ilay raharaha, ary nirintona nivoaka ny fitsarana ilay pretra!

[Teny notsongaina, pejy 693]

Nitandrina kokoa ny manam-pahefana sasany rehefa nikarakara raharaha momba ny Vavolombelona

[Efajoro, pejy 684]

Fanambarana Tamin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina

Mpisolovava tamin’ny raharaha “Gobitis” i Joseph Rutherford, anisan’ny Vondron’ny Mpisolovavan’i New York sady prezidàn’ny Fikambanana. Niteny teo anatrehan’ny Fitsarana Tampon’i Etazonia izy, ary nanantitrantitra fa zava-dehibe ny fanekena ny zon’i Jehovah Andriamanitra hitondra. Hoy izy:

“Ny Vavolombelon’i Jehovah no manambara ny anaran’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony, izay hany antsoina hoe JEHOVAH. ...”

“Tiako horesahina, fa efa enina arivo taona mahery izay no nampanantenan’i Jehovah Andriamanitra hanangana fanjakana manao ny marina, amin’ny alalan’ilay Mesia. Hotanterahiny amin’ny fotoana mety izany. Raha jerena ny faminaniana, dia hita amin’ny zava-misy fa tsy ho ela izany. ...”

“I Jehovah Andriamanitra irery no loharanon’ny fiainana. Tsy misy olon-kafa afaka manome fiainana. Tsy afaka manome fiainana, na ny Fanjakan’i Pennsylvanie, na ny Fanjakana Amerikanina. Nanao ny lalàna [mandrara ny fivavahana amin’ny sary] Andriamanitra, hoy ny apostoly Paoly, mba hiarovana ny vahoakany tsy hanompo sampy. Zavatra tsy dia misy dikany izany, hoy ianareo. Toy izany koa ny nihinanan’i Adama tamin’ny voankazo voarara. Tsy ilay paoma no olana, fa ny tsy fankatoavan’i Adama an’Andriamanitra. Andriamanitra àry ve sa fahefan’olombelona no tokony hankatoavina?...”

“Tiako ny hampahatsiahy (raha ilaina izany), fa tamin’ilay raharaha ‘Fiangonana miady amin’i Etazonia’, dia nolazain’ny Fitsarana fa firenena kristianina i Amerika. Tsy maintsy ankatoavin’i Amerika àry ny lalàn’Andriamanitra. Eken’ny Fitsarana koa àry hoe ny lalàn’Andriamanitra no ambony indrindra. Ary raha misy olona tena mino fa ny lalàn’Andriamanitra no ambony indrindra, ka mitondra tena mifanaraka amin’izany izy, dia tsy misy fahefan’olombelona afaka mifehy na manohitra ny feon’ny fieritreretan’izany olona izany. ...”

“Azoko atao angamba ny manamarika, fa isaky ny manomboka mandinika raharaha ity Fitsarana ity, dia milaza ny vadintany hoe: ‘Andriamanitra anie hiaro an’i Etazonia sy ity Fitsarana mendri-kaja ity.’ Hoy àry aho hoe ‘Andriamanitra anie hiaro an’ity fitsarana mendri-kaja ity tsy hanao fahadisoana, dia fahadisoana izay hahatonga ny vahoakan’i Etazonia ho vahoaka tsy refesi-mandidy ka hanafoana ny fahafahana rehetra arovan’ny Lalàm-panorenana.’ Raharaha masina ity, ho an’ny Amerikanina rehetra tia an’Andriamanitra sy ny Teniny.”

[Efajoro, pejy 687]

Fiovan-kevitra

Tamin’ilay raharaha “Sekolin’i Minersville miady amin’i Gobitis” (1940), dia namoaka didy ny Fitsarana Tampony Amerikanina, hoe azo terena hanangan-tsaina ny ankizy mpianatra. Nanaiky izany ny valo tamin’ireo mpitsara sivy. Ny Mpitsara Stone ihany no nanda. Roa taona tatỳ aoriana anefa, rehefa nanoratra ny fandavany tamin’ny raharaha “Jones miady amin’i Opelika” ny mpitsara telo hafa (Black sy Douglas ary Murphy), dia nanararaotra nilaza hoe tsy rariny ny fitsarana natao tamin’ny raharaha “Gobitis”, satria nohamaivanina ny fahalalahana ara-pivavahana. Mpitsara efatra àry izao no nanaiky ny hanovana ny didy navoaka tamin’iny raharaha iny. Efa nisotro ronono ny roa tamin’ireo mpitsara dimy tsy niraharaha ny fahalalahana ara-pivavahana. Vaovao àry ny mpitsara roa (Rutledge sy Jackson), rehefa nentina teo amin’ny Fitsarana Tampony ny raharaha manaraka, momba ny fananganan-tsaina. Niandany tamin’ny fahalalahana ara-pivavahana ireo mpitsara roa ireo, ary nanda ny fanerena hanangan-tsaina tamin’ilay raharaha “Filan-kevitry ny Fampianaran’i Virginie Andrefana miady amin’i Barnette” (1943). Niova hevitra àry ny fitsarana tamin’ireo raharaha dimy teo aloha (“Gobitis”, “Leoles”, “Hering”, “Gabrielli”, ary “Johnson” ). Nanaiky ny mpitsara enina ary nanda ny telo.

Hoy ny Mpitsara Frankfurter, rehefa nilaza ny fandavany tamin’ny raharaha “Barnette”: “Mety hiova hevitra ny Fitsarana indraindray, ary efa nisy toy izany rehefa nisy zavatra tsy nety kely hita. Mino anefa aho fa talohan’ireo raharahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mbola tsy nanao izany izy ka ho toy ny hoe mametra ny fahefan’ny fanjakana demokratika.”

[Efajoro, pejy 688]

“Fomba Tranainy Nampiasain’ny Misionera”

Hoy koa Fitsarana Tampon’i Etazonia, tamin’ny raharaha “Murdock miady amin’i Pennsylvanie” (1943):

“Fomba tranainy nampiasain’ny misionera hitoriana ny filazantsara ny fizarana trakta ara-pivavahana, hatrizay nisian’ny fanontam-pirinty. Tena nanome tosika ny hetsika ara-pivavahana samihafa nandritra ny taona maro izany. Mampiasa be dia be an’io fomba io ny fivavahana samihafa ankehitriny. Mitondra ny filazantsara any amin’ny tokantrano an’arivony ny mpitory ao amin’izy ireo, ary mitsidika olona mba hitarihana azy ireny hanaraka ny finoany. Tsy fitoriana fotsiny izany, sady tsy fizarana boky ara-pivavahana fotsiny, fa fitambaran’izy roa. Fitoriana ny filazantsara mitovy amin’ny fivoriana famelombelomana ny finoana izy io. Zava-dehibe io asa ara-pivavahana io, araka ny Fanitsiana Voalohany, ary mitovy amin’ny fotoam-pivavahana any am-piangonana sy ny toriteny eny ambony polipitra. Tokony harovana toy ny fanao ara-pivavahana mahazatra sy eken’ny besinimaro izy io, ary tokony hahazo fahalalahana haneho hevitra sy hampiely vaovao toa an’ireo fanao hafa koa.”

[Efajoro, pejy 690]

“Fitovian-jo”

Io no lohatenin’ny lahatsoratra nosoratan’ilay mpanao gazety nalaza, tamin’ny 1953, ka nilazany hoe: “Afo eny amin’ny Havoanan’ny Parlemanta no tokony harehitra hankalazana ny didy navoakan’ny Fitsarana Tampon’i Kanada, tamin’ny raharaha Saumur [nentin’ny Vavolombelon’i Jehovah teo anatrehan’ny Fitsarana]. Vitsy ny didim-pitsarana lehibe noho iny teo amin’ny tantaran’i Kanada, ary vitsy ny fitsarana nahasoa ny Kanadianina mihoatra noho iny. Sarobidy amin’ny Kanadianina ny fahafahany, ary mbola tsy nisy nahatonga azy ireo ho velom-pankasitrahana mihoatra noho iny fitsarana iny. ... Lehibe loatra ilay didim-pitsarana, ka tsy hita izay fankalazana mendrika azy.”

[Efajoro, pejy 694]

Teny Hentitra ho An’ny Fanjakana Nazia

Izao no taratasy nalefan’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra tany Alemaina, ho an’ny fanjakana alemà, ny 7 Oktobra 1934:

“HO AN’IREO TOMPON’ANDRAIKI-PANJAKANA,

“Ny Tenin’i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Baiboly Masina no lalàna ambony indrindra. Io ihany no mpitari-dalana anay, satria izahay efa nanolo-tena ho an’Andriamanitra ary tena mpanara-dia an’i Kristy Jesosy.”

“Tamin’ny taon-dasa, dia nosakananareo izahay tsy hiara-mivory hianatra ny Tenin’Andriamanitra sy hivavaka aminy ary hanompo azy. Fanoherana ny lalàny izany sady fanitsakitsahana ny zonay. Mandidy anay Andriamanitra ao amin’ny Teniny, mba tsy hahafoy ny fiaraha-mivory. (Heb. 10:25) Izahay no nodidian’i Jehovah hoe: ‘Ianareo no vavolombeloko ary Izaho no Andriamanitra. Mandehana, ka lazao amin’ny olona ny hafatro.’ (Isaia 43:10, 12; 6:9; Matio 24:14) Mifanipaka ny lalànareo sy ny lalàn’Andriamanitra. Manahaka an’ireo apostoly nahatoky anefa izahay, ka Andriamanitra, fa tsy olona, no tsy maintsy ankatoavinay, ary izany no hataonay. (Asa. 5:29) Lazainay aminareo àry, fa na inon-kidona na inon-kihatra, dia hankatò ny didin’Andriamanitra izahay, ka hiara-mianatra ny Teniny, ary hivavaka aminy sy hanompo azy araka ny didiny. Raha mahery setra aminay ny fanjakanareo na ny manam-pahefana, noho izahay mankatò an’Andriamanitra, dia tompon’andraikitra amin’ny ranay ianareo, ary hampamoaka anareo, ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony.”

“Tsy manao politika izahay, fa nanolo-tena tanteraka ho an’ny fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy Mpanjakany. Tsy hanao ratsy na amin’iza na amin’iza izahay ary faly raha afaka miaina amim-pilaminana sy manao soa amin’ny olon-drehetra. Miezaka hanery anay handika ny lalàna ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao anefa ny fanjakanareo sy ny manam-pahefana. Voatery àry izahay milaza aminareo, fa noho ny fahasoavan’i Jehovah Andriamanitra, dia hankatò Azy izahay, sady matoky fa hafahany amin’ny fampahoriana sy ny mpampahory rehetra.”

[Efajoro, pejy 697]

Milaza Mazava ny Heviny Ireo Vavolombelona Norarana

Noraran’ny fanjakana ny asan’ireo Vavolombelona tany Kanada tamin’ny 1940. Nisy fitsarana 500 mahery taorian’izay. Inona no fiarovan-tenan’ny Vavolombelona? Niteny tamim-panajana nefa tamin’ny fomba hentitra toy izao izy ireo, teo anatrehan’ny Fitsarana:

‘Tsy ratsy mihitsy ireny boky ireny, fa manoro ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Tena mino aho fa izy ireny dia manazava fa mikasa hanorina Fanjakana hanao ny marina eto an-tany ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony. Ireny boky ireny no fahasoavana lehibe indrindra teo amin’ny fiainako. Amiko dia fahotana amin’ilay Hery Fara Tampony ny fanapotehana azy ireny sy ny hafatr’Andriamanitra raketiny. Mitovy amin’ny fandoroana ny Baiboly izany. Tsy maintsy misafidy ny tsirairay: Na tsy hahazo sitraka amin’ny olombelona, na tsy hahazo sitraka amin’ilay Andriamanitra Hery Fara Tampony. Fa izaho kosa, dia tapa-kevitra hiandany amin’ny Tompo sy ny Fanjakany, ary miezaka aho hanome voninahitra ny anaran’i Jehovah, ilay Avo Indrindra. Ary raha izany no antony hanasaziana ahy, dia manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra izay manasazy ahy.’

[Efajoro, pejy 698]

Ny Hevitr’ireo Mpitondra Fanjakana Kanadianina

Hoy ny sasany tamin’ireo anisan’ny Parlemanta Kanadianina, tamin’ny 1943, rehefa nampirisika ny minisitry ny fitsarana hanafoana ny fandrarana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fikambanana ara-dalàna ampiasainy:

“Tsy nanana porofo ny minisiteran’ny fitsarana, nilazana hoe tsy tokony ho fikambanana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. ... Manala baraka an’i Kanada ny fanenjehana olona noho ny finoany, toy ny natao tamin’ireo olona mampalahelo ireo.” “Amiko, dia mazava be hoe tsy fitiavana no mahatonga ilay fandrarana mbola tsy foanana.”—Atoa Angus MacInnis.

“Tsapan’ny ankamaroantsika fa tsy olon-dratsy ireo, ary tsy hanisy ratsy ny fanjakana. ... Nahoana no tsy nofoanana ilay fandrarana? Azo antoka fa tsy noho ny tahotra hoe sao io fikambanana io hampidi-doza ny fanjakana, na sao hanembantsembana ny ady ny asany. Tsy nisy porofo ny amin’izany mihitsy na kely aza.”—Atoa John Diefenbaker.

“Mampieritreritra hoe sao dia mba ny fihetsiky ny Vavolombelon’i Jehovah manoloana ny Eglizy Katolika àry no mahatonga ny fanoherana azy ireo, fa tsy noho izy ireo mpanongam-panjakana.”—Atoa Victor Quelch.

[Efajoro, pejy 699]

“Nanampy Hahazoana Fahalalahana Ara-pivavahana”

“Tsy rariny kosa raha faranana ity fanadihadiana ity, momba ny olana nisy teo amin’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Fanjakana, nefa tsy resahina ny fanampian’izy ireo hahazoana fahalalahana ara-pivavahana teo ambanin’ny Lalàm-panorenantsika. Ny fikirizan’izy ireo no nahazoana izany. Nandritra ireo taona faramparany, dia nandany ny fotoanan’ny fitsarana izy ireo, mihoatra noho ny fivavahana hafa. Noheverin’ny olona ho tery saina izy ireo, nefa tsy nivadika tamin’ny zavatra ninoany. Koa namoaka didy maro nifanesy ny fitsarana mba hiarovana sy hampitomboana ny fahalalahana ara-pivavahana ary koa ny zon’ny isam-batan’olona. Raharaha tokony ho 31 momba azy ireo no tonga tany amin’ny Fitsarana Tampony, tao anatin’ny dimy taona (1938-1943). Ary ny didy navoaka tamin’ireo sy ny raharaha hafa tatỳ aoriana, dia nanampy be dia be niarovana ny fahafahana ankapobe, voarakitra ao amin’ny Fanambarana ny Zon’ny Olom-pirenena, ary indrindra fa ho fiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana.”—“Ny Eglizy sy ny Fanjakana eto Etazonia”, nosoratan’i Anson Stokes, Boky III, 1950, pejy 546.

[Efajoro/Sary, pejy 700, 701]

Mifaly Amin’ny Fahalalahany Ara-pivavahana

Tsy nanana fahalalahana feno ny Vavolombelona tany amin’ny tany maro. Afaka miara-mivory sy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra nefa izy ireo izao.

Québec, Kanada

Notafihin’ny mpirotaka ireo Vavolombelona vitsivitsy tany Châteauguay, nandritra ireo taona 1940. Afaka nivory tany amin’ireo Efitrano Fanjakana ireo Vavolombelona 21 000 mahery tany Québec, tamin’ny 1992

Saint-Pétersbourg, Rosia

Olona 3 256, tamin’ny 1992, no nanolo-tena hatao batisa, tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah, voalohany natao tany Rosia

Palma, Espaina

Nekena ho ara-dalàna ny Vavolombelona tany Espaina tamin’ny 1970. Nasiany sora-baventy teny amin’ny trano fivoriany, hampisehoana ny hafaliany afaka niara-nivory

Tartu, Estonia

Faly ny Vavolombelona tany Estonia fa tsy voasakantsakana intsony ny fahazoany boky ara-baiboly, nanomboka tamin’ny 1990

Maputo, Mozambika

Herintaona taorian’ny nanekena ho ara-dalàna ny Vavolombelona, tamin’ny 1991, dia fiangonana 50 mahery nisy Vavolombelona nazoto no nitory tao an-drenivohitra sy ny manodidina

Cotonou, Bénin

Maro no gaga be rehefa tonga tany am-pivoriana, tamin’ny 1990, nahita banderôla fiarahabana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nilazana izy ireo teto hoe nofoanana ny fandrarana ny fivavahany

Prague, Tsekoslovakia

Ireto ambany ireto ny sasany tamin’ireo nanompo an’i Jehovah tamin’ny fotoan’ny fandrarana, naharitra 40 taona. Faly izy ireo tafaraka tao amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tany Prague, tamin’ny 1991

Luanda, Angola

Olona sy fianakaviana 50 000 mahery no nanaiky hiara-mianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelona, rehefa nofoanana ny fandrarana tamin’ny 1992

Kiev, Ukraine

Maro ny mpivory (matetika tany amin’ny trano nohofana), indrindra taorian’ny nanekena ho ara-dalàna ny Vavolombelona, tamin’ny 1991

[Sary, pejy 679]

Raharaha 138 momba ny Vavolombelona no nentina tany amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina. Mpisolovava tamin’ny raharaha 111 tamin’ireo i Hayden Covington (aseho eto) tamin’ny 1939-1963

[Sary, pejy 681]

Maurice Duplessis, praiminisitr’i Québec, mandohalika ampahibemaso eo anatrehan’ny Kardinaly Villeneuve, tamin’ny faramparan’ireo taona 1930, sady manisy peratra ny tanany ho marika fa mifandray akaiky ny Eglizy sy ny Fanjakana. Mafy be ny fanenjehana ny Vavolombelona tany Québec

[Sary, pejy 683]

W. Jackson: tao amin’ny sampan-draharaha momba ny lalàna tao amin’ny foibe, sady anisan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra ny folo taona

[Sary, pejy 685]

Rosco Jones: indroa niakatra tany amin’ny Fitsarana Tampony amerikanina noho ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary, pejy 686]

Mpitsara tao amin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina: enina no nanda ny fanerena hanangan-tsaina, fa niandany tamin’ny fahalalahana ara-pivavahana, tamin’ny raharaha “Barnette.” Novana àry ny didy navoaka tamin’ny raharaha “Gobitis”

Ankizy tafiditra tamin’ireo raharaha ireo

Lillian sy William Gobitas

Marie sy Gathie Barnette

[Sary, pejy 689]

Aimé Boucher: nanafaka azy madiodio ny Fitsarana Tampon’i Kanada, rehefa namoaka didy nanohitra ny fiampangana ny Vavolombelona ho mpampirisika hikomy

[Sary, pejy 691]

Trakta tamin’ny fiteny telo, nampahafantatra ny vahoakan’i Kanada ny habibiana nampiharina tamin’ny Vavolombelona tany Québec

[Sary, pejy 692]

Nila nampianarina momba ny raharaham-pitsarana ny Vavolombelona, mba hiatrehany ny fanoherana. Anisan’ny bokikely momba ny lalàna nampiasainy ireto