Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Biraon’ny Sampana Vitsivitsy

Sarin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Biraon’ny Sampana Vitsivitsy

Sarin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Biraon’ny Sampana Vitsivitsy

FOIBEN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH

[Sary, pejy 352, 353]

Avy eto Brooklyn, Etazonia, no itarihana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany, nanomboka tamin’ny 1909. Nipetrahan’ny mpiasan’ny foibe nanomboka tamin’ny 1980 ireto trano ireto

[Sary, pejy 352]

Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana, any Patterson, New York (an-dalam-panorenana tamin’ny 1992)

[Sary, pejy 353]

Vitsivitsy amin’ny trano fonenan’ireo mpiasa an’arivony eto amin’ny foibe

[Sary, pejy 354]

Hotely taloha teto Brooklyn, nohavaozina mba hipetrahan’ny mpiasa an-tsitrapo 1 476

[Sary, pejy 354]

Fonenan’ny mpianakavin’ny Betela any Wallkill, New York

[Sary, pejy 354, 355]

Atao pirinty eto (Brooklyn, New York) amin’ireto trano fanontam-pirinty ireto, mba hozaraina eran-tany, ny Baiboly sy boky ary bokikely amin’ny fiteny 180

[Sary, pejy 356]

Kasety ara-baiboly an-tapitrisany no vokarina eto amin’ity trano eto Brooklyn ity isan-taona. Alamina eto koa ny fandefasana entana. Boky ara-baiboly sy zavatra hafa 15 000 taonina mahery isan-taona no alefa avy eto eran-tany

[Sary, pejy 356]

“Ny Tilikambo Fiambenana” sy “Mifohaza!” an-jatony tapitrisa, amin’ny fiteny 14, no atao pirinty eto (Toeram-piompiana sy Fambolena, any akaikin’i Wallkill, New York) isan-taona

Manana birao sy fanontam-pirinty eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fikambanana ara-dalàna ampiasainy. Mampiseho maro amin’izy ireny ireo sary eo amin’ireo pejy manaraka. Sarin’ilay trano aorina no aseho, raha mbola tsy vita ilay trano tamin’ny 1992. Antontan’isa tamin’ny 1992 ireo omena eo.

AMERIKA AVARATRA SY ANTILLES

ALASKA

[Sary, pejy 357]

Raisina tsara ireo mpitsidika ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana. Mitory isan-trano toy ny Vavolombelona eran-tany, ny any Alaska, na dia latsaka ny 50 degre ambanin’ny zero aza ny hatsiaka indraindray.

[Sary, pejy 357]

Fiaramanidina itaterana mpitory ilay Fanjakana ho any amin’ny faritra lavitra

BAHAMAS

[Sary, pejy 357]

Tonga tany Bahamas tamin’ny 1901 ny bokin’ny Fikambanana. Tamin’ny 1926 no nisy nitory voalohany tany. Nisy boky aman-gazety 4 600 000 mahery nozaraina nanomboka tamin’izay, tany amin’ireo nosy karakarain’ity birao ity.

BARBADE

[Sary, pejy 358]

Misy fivavahana 140 mahery milaza ho Kristianina any. Nanampy olona tany mba hahita izay lazain’ny Baiboly ny Vavolombelona, nanomboka tamin’ny 1905.

BELIZE

[Sary, pejy 358]

Any ambanivohitra no mipetraka ny antsasaky ny mponina any. Mandeha an-tongotra isan-taona ny Vavolombelon’i Jehovah any mba hitsidihana ireo tanàna lavitra, sady mibaby sakaosy no mitondra kitapo.

COSTA RICA

[Sary, pejy 358]

Tamin’ny 1944 no nisy biraon’ny sampana voalohany tany. Nisy an’arivony ny mpivavaka marina tany, nanomboka tamin’ireo taona 1950.

REPOBLIKA DOMINIKANINA

[Sary, pejy 359]

Efa tamin’ny 1932 no nozaraina tany ny bokin’ny Fikambanana. Tamin’ny 1945 kosa no nanomboka nampianarina ny olona liana, rehefa tonga ny misionera, hita etsy ankavia. Nanjary nilaina ireo tranon’ny sampana ireo tato ho ato, satria an’aliny no maniry hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelona.

SALVADAORO

[Sary, pejy 359]

Efa nisy fitoriana kely tany tamin’ny 1916, nefa tamin’ny 1945 vao nisy olona vonona ny hatao batisa (hita eto). Nisy an’arivony tonga mpanompon’i Jehovah taorian’izay.

GOADELOPY

[Sary, pejy 359]

Izy no anisan’ny tany manana Vavolombelona betsaka, oharina amin’ny isan’ny mponina. Maro ny olona mandray ny vaovao tsara any.

KANADA

[Sary, pejy 360, 361]

Ny biraon’ny Fikambanana any no manara-maso ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’io tany faharoa lehibe indrindra io. Misy mpitory 100 000 mahery miasa any.

Biraon’ny fitantanana (manindry ny sarin’ireo trano ankehitriny)

[Sary, pejy 360]

Faritany any Avaratrandrefana

[Sary, pejy 360]

Toeram-pikapana hazo any Kolombia Britanika

[Sary, pejy 360]

Toeram-piompiana any Alberta

[Sary, pejy 361]

Québec (miteny frantsay)

[Sary, pejy 361]

Faritany amoron-dranomasina

GOATEMALÀ

[Sary, pejy 360]

Ny espaniola no fiteny ofisialy any Goatemalà, nefa ampiasaina any koa ny fiteny indianina sarotra. Ataon’ny biraon’ny Fikambanana azo antoka fa mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny rehetra.

HAÏTI

[Sary, pejy 361]

Tena mahafaly an’ireo Vavolombelona any Haïti ny manompo an’i Jehovah, na dia eo aza ny zava-tsarotra manodidina azy.

HONDURAS

[Sary, pejy 362]

Ora 23 000 000 mahery no lany tany mba hampianarana Baiboly ny olona, nanomboka tamin’ny 1916. Tsy maintsy nampianatra olona hamaky teny sy hanoratra (hitanao eto) koa ny Vavolombelona indraindray, mba hahafahan’izy ireny hianatra ny Tenin’Andriamanitra.

JAMAIKA

[Sary, pejy 362]

An-jatony ny mponin’i Jamaika nanjary mpanompon’i Jehovah, tamin’ny fotoana nanangonana ireo hiara-mandova ilay Fanjakana any an-danitra. An’arivony, nanomboka tamin’ny 1935, no nanjary mpitory ilay Fanjakana. Aorina ity biraon’ny sampana ity mba hikarakarana azy ireny ara-panahy.

NOSY SOUS-LE-VENT (ANTIGUA)

[Sary, pejy 362]

Efa tamin’ny 1914 no nanomboka notorina tamin’ireo nosy karakarain’ity birao ity ny vaovao tsara. Mbola asaina “hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina” foana ny olona any hatramin’izao.—Apok. 22:17.

MEKSIKA

[Sary, pejy 363]

Foibe fampianarana Baiboly aorin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Meksika

[Sary, pejy 363]

Birao nampiasaina tamin’ny 1992

[Sary, pejy 363]

Ampiasain’ny Vavolombelona 410 000 any Meksika, sy ny tany miteny espaniola hafa manodidina azy, ny boky ara-baiboly atao pirinty eto

[Sary, pejy 363]

Maherin’ny 10 isan-jaton’ny fampianarana Baiboly tarihin’ny Vavolombelona eran-tany no tany Meksika tamin’ny 1986 hatramin’ny 1992, ka fianakaviana ny maro taminy

[Tabilao, pejy 363]

(Jereo ny boky)

Fampianarana Baiboly any Meksika

500 000

250 000

1950 1960 1970 1980 1992

MARTINIKA

[Sary, pejy 364]

Efa tamin’ny 1946 no nafafy tany ny voan’ny fahamarinana. Tafajanona sy nanampy ny olona liana anefa i Xavier sy Sara Noll (hita eto), rehefa tonga avy tany Frantsa tamin’ny 1954. Olona 3 200 mahery no nanampy azy ireo hitory ilay Fanjakana, tamin’ny 1992.

ANTILLES NÉERLANDAISES (CURAÇAO)

[Sary, pejy 364]

Misionera 23 no nanompo tamin’ny faritanin’ity biraon’ny sampana ity. Mbola teo am-perinasa tamin’ny 1992 ny roa tamin’ireo tonga voalohany (hita eto) tamin’ny 1946.

NIKARAGOÀ

[Sary, pejy 364]

Nihamaro ny Vavolombelon’i Jehovah tany, nanomboka tamin’ny 1945, rehefa tonga ny misionera. Maherin’ny 9 700 izy ireo tamin’ny 1992. Mihoatra lavitra noho ny isan’ny Vavolombelona ny isan’ny olona maniry hampianarin’izy ireo Baiboly.

PANAMA

[Sary, pejy 365]

Nampiana mba hahalala ny zavatra takin’Andriamanitra hahazoana fiainana mandrakizay ny mponina any, nanomboka tamin’ny faran’ny taonjato faha-19.

PORTO RICO

[Sary, pejy 365]

Boky aman-gazety maherin’ny 83 000 000 no nozaraina tany nanomboka tamin’ny 1930, ary fiverenana mitsidika 25 000 000 no natao mba hanampiana ny olona liana. Manampy olona 350 000 000 miteny espaniola eran-tany ny fandikana boky ara-baiboly atao eto.

TRINITÉ

[Sary, pejy 365]

Efa notorina tany ny vaovao tsara tamin’ny 1912. Maro ny Vavolombelona nanokana ny fotoanany manontolo ho an’io asa io; anisan’izany ireto telo nahazo fiofanana tamin’ny Sekolin’i Gileada ireto.

AMERIKA ATSIMO

ARZANTINA

[Sary, pejy 366]

Tamin’ny 1924 no voalohany nisy mpitory nalefa tany. Nanampy be avy eo ny misioneran’i Gileada, toa an’i Charles Eisenhower (hita eto), izay tonga tamin’ny 1948 niaraka tamin’ny vadiny. Ireto trano ireto, tamin’ny 1992, no nampiasaina hanaraha-maso ny asa sy hanomezana boky ara-baiboly ho an’ny Vavolombelona 96 000 mahery, eran’i Arzantina. Nisy boky nalefa avy eto koa ho an’ny Vavolombelona 44 000 mahery tany Silia.

BOLIVIA

[Sary, pejy 367]

Efa nandre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny Bolivianina, nanomboka tamin’ny 1924. Misy olona an’arivony mandray sy mankasitraka an’ireo boky ara-baiboly, ary ampianarina Baiboly tsy tapaka any an-tranony.

SILIA

[Sary, pejy 367]

Tonga tany tamin’ny 1919 ny bokin’ny Fikambanana. Ity birao ity no manara-maso ny fitoriana atao manomboka any amin’ireo toeram-piompiana ondry be rivotra any atsimo, hatrany amin’ny toeram-pitrandrahana lavitra any avaratra, ary avy any amin’ny Tendrombohitra Andes hatrany an-dranomasina.

EKOATERA

[Sary, pejy 367]

Vavolombelona 870 mahery (toy ireo hita eto) no nandao ny taniny mba handeha tany amin’izay nila mpitory maro kokoa, ka izy ireo no nanao ny ankamaroan’ny fitoriana tany Ekoatera. Manampy mpidera an’i Jehovah 22 000 mahery izao ity sampana ity.

BREZILA

[Sary, pejy 368, 369]

Nitarina, araka ny aseho eto, ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana sy ny fanontam-pirinty ary ny Betela, tamin’ny 1992. Maherin’ny 335 000 ny Vavolombelona tany Brezila tamin’izay, ary mpianatra vaovao 27 000 mahery no natao batisa isan-taona. Manao pirinty boky ho an’i Bolivia sy Orogoay ary Paragoay koa ilay fanontam-pirinty eto.

[Sary, pejy 369]

Kianja lehibe roa nampiasaina ho an’ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany São Paulo tamin’ny 1990. Fivoriambe 100 mahery koa no nalamina

[Tabilao, pejy 369]

(Jereo ny boky)

Mpitory Ilay Fanjakana any Brezila

300 000

200 000

100 000

1950 1960 1970 1980 1992

GUYANA

[Sary, pejy 368]

Efa tamin’ny 1914 no nanana biraon’ny sampana tany ny Fikambanana. Nitory ny vaovao tsara tany amin’ny farany lavitra indrindra tany Guyana ny Vavolombelona, mba handrenesan’ny rehetra azy io. Latsaka ny iray tapitrisa ny mponina any, nefa nandany ora 10 000 000 mahery mba hitoriana sy hampianarana azy ireo ny Vavolombelona.

PARAGOAY

[Sary, pejy 369]

Nanomboka tany antenatenan’ireo taona 1920 ny fitoriana ny vaovao tsara tany Paragoay. Nanampy tamin’izany ny misioneran’i Gileada 112, nanomboka tamin’ny 1946. Nifindra tany koa ny Vavolombelona hafa, mba hitory amin’ireo mampiasa fiteny hafa ankoatra ny espaniola sy guarani.

Avy any Japon

Avy any Korea

Avy any Alemaina

KOLOMBIA

[Sarintany/Sary, pejy 370, 371]

Efa tamin’ny 1915 no nisy bokin’ny Fikambanana nalefa tamin’ny lehilahy iray liana tany. Nisy boky natao pirinty tato amin’ireto trano ireto tamin’ny 1992, ary nalefa ho an’ireo mpitory 184 000 mahery any Ekoatera, Kolombia, Panama, Peroa, ary Venezoelà.

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

KOLOMBIA

PEROA

EKOATERA

PANAMA

VENEZOELÀ

PEROA

[Sary, pejy 370]

Efa tamin’ny 1924 no nisy Mpianatra ny Baiboly nitsidika tany Peroa sy nizara boky. Nisy fiangonana niforona voalohany tany, 21 taona taorian’izay. Misy mpitory ilay Fanjakana 43 000 mahery izao any Peroa.

[Sary, pejy 370]

Mpisava lalana mitory any amin’ny Tendrombohitra Andes

SURINAME

[Sary, pejy 371]

Tamin’ny 1903 no nisy antokona mpianatra ny Baiboly niforona tany. Ilaina ankehitriny ireto tranon’ny sampana ireto mba hikarakarana ireo fiangonana manerana ilay tany.

OROGOAY

[Sary, pejy 372]

Misionera 80 mahery no nandray anjara tamin’ny fitoriana tany, nanomboka tamin’ny 1945. Tamin’ireo taona 1950 no nalefa tany ireo misionera hita eto. Vavolombelona 8 600 mahery eo an-toerana no niara-niasa tamin’izy ireo, tamin’ny 1992.

VENEZOELÀ

[Sary, pejy 372]

Nisy bokin’ny Fikambanana nozaraina tany Venezoelà, tany antenatenan’ireo taona 1920. Nisy vehivavy mpianaka, mpisava lalana avy teto Etazonia, nanomboka nitory tany, folo taona taorian’izay. Nitety ny renivohitra hatrany izy ireo, ary nankany amin’ireo tanàna eran’i Venezoelà. Misy Vavolombelona 60 000 izao any.

[Sary, pejy 372]

Kianja fanaovana tolon’omby any Valencia, nisy olona 74 600 nanatrika fivoriambe manokana, 1988

EOROPA SY MEDITERANE

AOTRISY

[Sary, pejy 373]

Efa tamin’ireo taona 1890 no nandre ny vaovao tsara ny mponin’i Aotrisy. Nitombo tsikelikely ireo mpivavaka amin’i Jehovah tany, nanomboka tamin’ireo taona 1920.

[Sary, pejy 373]

Fiangonana 270 mahery no miara-mivory any amin’ireo Efitrano Fanjakana manerana an’i Aotrisy

BELZIKA

[Sary, pejy 373]

Nanjary anisan’ny sampanan-dalan’izao tontolo izao i Belzika. Misy karazany maro ny olona any, ka mizara boky ara-baiboly amin’ny fiteny 100 mahery ity sampana ity.

GRANDE-BRETAGNE

[Sary, pejy 374]

Ity biraon’ny sampana ity no miandraikitra ny asan’ireo Vavolombelona 125 000 mahery any. Nisy Vavolombelona avy any Grande-Bretagne koa notendrena hitory ilay Fanjakana tany amin’ny tany eoropeanina hafa sy tany Afrika, Amerika Atsimo, Aostralia, Azia, ary nosy maro.

Tranon’ny IBSA

Tranon’ny Tilikambo Fiambenana

[Sary, pejy 374]

Misy boky ara-baiboly atao pirinty eto amin’ny teny anglisy, maltais, goujrati, ary swahili

[Sary, pejy 374]

Mikarakara fiangonana 1 300 mahery eran’i Grande-Bretagne ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana

[Sary, pejy 374]

Misy boky aman-gazety alefa eran’i Angletera, Ekosy, Pays de Galles, Irlandy, Malta, ary any Afrika sy Karaiba

FRANTSA

[Sary, pejy 375]

Atao any amin’ny sampan’i Frantsa ny fandikana sy fanomanana ny bokin’ny Fikambanana rehetra ho an’ny olona miteny frantsay eran-tany (misy 120 000 000 mahery). Atao pirinty tsy tapaka eto ny boky amin’ny fiteny maro, ary alefa eran’i Eoropa, Afrika, Moyen-Orient, Oseana Indianina, ary Oseana Pasifika.

Fanontam-pirinty sy birao, any Louviers

Fandikan-teny

Fandaharana soratra sy sary

[Sary, pejy 375]

Birao sy fonenana any Boulogne-Billancourt

[Sary, pejy 375]

Fonenan’ny mpianakavin’ny Betela, any Incarville

ALEMAINA

[Sary, pejy 376, 377]

Tsy niantra mihitsy ny Nazia teo am-piezahana hanapotika tanteraka ny Vavolombelona, nefa tsy nanary ny finoany izy ireo. Nandany ora 646 000 000 mahery ny Vavolombelona mba hiresahana ny fahamarinana ara-baiboly nanerana an’i Alemaina, nanomboka tamin’ny 1946.

Trano nohalehibeazina any Selters/Taunus

[Sary, pejy 376]

Mandika boky ara-baiboly amin’ny teny alemà ity sampana any Selters/Taunus ity, sady manao pirinty azy ireny amin’ny fiteny 40 mahery

[Sary, pejy 377]

Boky maro atao pirinty eto no alefa tsy tapaka any amin’ny tany 20 mahery. Atao pirinty amin’ny fiteny maro ny gazety, ary alefa any amin’ny tany 30 mahery

[Sary, pejy 377]

Kamiaon’ny Fikambanana no itaterana boky eran’i Alemaina

CHYPRE

[Sary, pejy 376]

Efa notorina tamin’ny mponina tany ny vaovao tsara, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. (Asa. 4:32-37; 11:19; 13:1-12) Atao any indray izao ny fitoriana feno, eo ambany fitarihan’ity biraon’ny sampana ity.

DANEMARK

[Sary, pejy 377]

Be ny asa fitoriana natao tany, nanomboka tamin’ireo taona 1890. Nisy boky ara-baiboly natao pirinty teto ho an’i Danemark, Féroé, Groenlandy, ary Islandy.

Ny sampana, jerena avy atỳ ambony (sary kely: fidirana)

ITALIA

[Sary, pejy 378, 379]

Adika sy atao pirinty eto ny boky ara-baiboly amin’ny teny italianina. Ity sampana ity no manao pirinty sy manambatra boky ampiasaina any Italia sy ny tany vitsivitsy eo akaikiny.

Ireo tranon’ny sampana, any akaikin’i Roma

[Sary, pejy 379]

An’aliny no nanomboka niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nahita izay tena lazain’ny Baiboly

[Sary, pejy 379]

Tsy tia Vavolombelona foana ny Eglizy Katolika any Italia, nefa mbola nandany ora 550 000 000 mahery izy ireo, nanomboka tamin’ny 1946, mba hitsidihana olona te hiresaka Baiboly. Misy mpanompon’i Jehovah 194 000 marisika any izao

FAILANDY

[Sary, pejy 378]

Tonga tany Failandy, avy any Soeda, tamin’ny 1906, ny fahamarinana ara-baiboly. Nentina tany amin’ny lafivalon’i Failandy izy io taorian’izay, ary tonga hatrany amin’ny Faribolan-tendrontany Arktika. Maro be ny Failandey nanatrika ny Sekolin’i Gileada, mba hiofana ho amin’ny fanompoana any an-tany hafa. Nisy koa nanapa-kevitra hifindra monina.

ISLANDY

[Sary, pejy 379]

Tokony ho 260 000 monja ny mponin’i Islandy, nefa boky aman-gazety ara-baiboly 1 620 000 no nozaraina tany, mba hanampiana ny olona hifidy ny fiainana. Olona 260 mahery any izao no manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.

[Sary, pejy 379]

Georg Lindal, mpisava lalana tany tamin’ny 1929 hatramin’ny 1953. Saika izy irery foana no Vavolombelona tany Islandy tamin’izany

GRESY

[Sary, pejy 380]

Anisan’ny voalohany nitondra ny vaovao tsara tany ny apostoly Paoly. (Asa. 16:9-14; 17:15; 18:1; 20:2) Nanenjika mafy ny Vavolombelona ny Eglizy Ortodoksa Grika, nandritra ny taona maro, nefa misy mpanompon’i Jehovah 24 000 mahery izao any. Any amin’ny 64 kilaometatra avaratr’i Atena ilay sampana, hita eto.

[Sary, pejy 380]

Fitoriana any Atena

[Sary, pejy 380]

Sary tamin’ny 1990, nandritra ny fihetsiketsehan’ny mpitondra fivavahana, nanoherana ny Vavolombelona

IRLANDY

[Sary, pejy 380]

Ela vao nisy nandray ny hafatry ny Baiboly tany Irlandy, nandritra ny taona maro. Be ny fanoheran’ny mpitondra fivavahana. Tsy nitsahatra nitory anefa ny Vavolombelona, nandritra ny 100 taona, ka be ny vokatra azo.

Biraon’ny Sampana any Dublin

[Sary, pejy 380]

Mpisava lalana tranainy roa, eny am-panompoana

POLONINA

[Sary, pejy 381]

Ampiasaina mba hanampiana Vavolombelona maherin’ny 100 000 any Polonina ireto trano ireto. Norarana ny fivavahan’izy ireo tamin’ny 1938 hatramin’ny 1945. Nihamaro anefa izy ireo, satria 669 tamin’ny 1938, fa lasa 6 994 tamin’ny 1946. Nisy 18 116 izy ireo, rehefa norarana indray tamin’ny 1950. Nisy 91 000 mahery anefa izy ireo, taoriana kelin’ny nanesorana ilay fandrarana, tamin’ny 1989.

[Sary, pejy 381]

Tany anaty ala kely izy ireo no nanao fivoriambe kely, nandritra ny taona maro. Mahafeno ny kianja lehibe indrindra eo amin’ilay tany izao ny fivoriambeny, ary mahafeno kianja mihoatra ny iray mihitsy

Poznań (1985)

LUXEMBOURG

[Sary, pejy 382]

Anisan’ireo tany kely indrindra any Eoropa izy io. Efa notorina tany nandritra ny 70 taona koa anefa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nisy Vavolombelona nanampy avy tany Frantsa sy Alemaina ary Soisa, indrindra fa talohan’ny Ady Lehibe II.

HOLANDY

[Sary, pejy 382]

Ity sampana any Emmen ity no manara-maso ny asan’ny Vavolombelona mazoto 32 000 mahery any. Atao ao amin’ireo trano ireo ny fandikana boky ho amin’ny fiteny holandey. Atao ao koa ny fanamboarana ny ankamaroan’ireo video ara-baiboly amin’ireo fiteny any Eoropa.

NORVEZY

[Sary, pejy 383]

Nahafantatra ny fahamarinana ara-baiboly tany Amerika ny Norvezianina iray, 100 taona lasa izay, ka niverina nitondra izany tany an-tanindrazany. Nanomboka nitsidika foana an’i Norvezy manontolo ny Vavolombelona tamin’izay, mba hiresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra.

PORTOGALY

[Sary, pejy 383]

Nisambotra Vavolombelona sy nandroaka ny misionerany ny polisy, rehefa nanao sonia fifanarahana tamin’i Vatikana ny fitondrana. Notohizin’ireo Vavolombelona sisa ihany anefa ny fivoriany sy fitoriany, ary nihamaro izy ireo. Nekena ho ara-dalàna ihany izy ireo, tamin’ny 1974.

Ity birao ity no manara-maso ny asan’ireo Vavolombelona 40 000 mahery any Portogaly. Ampiany koa ny tany afrikanina maro mifandray akaiky amin’i Portogaly

[Sary, pejy 383]

Fivoriambe iraisam-pirenena, tany Lisbonne, 1978

SOEDA

[Sary, pejy 383]

Efa 100 taona mahery ny Vavolombelon’i Jehovah no nitory tany Soeda. Nanokana ora 38 000 000 mahery tamin’io asa io izy ireo, nandritra ny folo taona farany. Maro izao ny fiangonana mampiasa fiteny 12 hafa, ankoatra ny soedoà.

[Sary, pejy 383]

Misy boky amin’ny fiteny 70 tahirizina eto, mba hanampiana ny karazan’olona rehetra any Soeda

ESPAINA

[Sary, pejy 384]

Mikarakara Vavolombelona 92 000 mahery any ity sampana ity. Manao pirinty “Ny Tilikambo Fiambenana” sy “Mifohaza!” ho an’i Espaina sy Portogaly izy ity. Ampiasain’ny mpitondra fivavahana katolika foana ny fitondrana mba hanakanana ny Vavolombelona, nefa niresaka ny fahamarinana ara-baiboly tamin’ny olona foana izy ireo, nanomboka tamin’ny 1916. Nekena ho ara-dalàna ihany izy ireo tamin’ny 1970, rehefa nisy 11 000 mahery ny isany. Nitombo avo valo heny izy ireo taorian’izay.

[Sary, pejy 384]

Fiangonana 1 100 mahery izao no miara-mivory amin-kalalahana any amin’ny Efitrano Fanjakana eran’i Espaina

SOISA

[Sary, pejy 384]

Efa nanana birao tany Soisa ny Fikambanana, nanomboka tamin’ny 1903. Anisan’ny nanana fanontam-pirintin’ny Fikambanana voalohany ny tany. Nanao pirinty gazety ho an’ny tany maro ity sampana any Thoune ity, nandritra ny taona maro.

AFRIKA

BÉNIN

[Sary, pejy 385]

Misy foko 60 mampiasa fitenim-paritra 50 any. An’arivony no niala tamin’ny fivavahany taloha, ka tezitra be ny mpimasy sy ny mpitondra fivavahana. Tsy nampitsahatra ny fitomboan’ny fivavahana marina tany anefa ny fanenjehana niverimberina.

[Sary, pejy 385]

Fivoriambe tamin’ny 1990

RÉPUBLIQUE CENTRAFRICAINE

[Sary, pejy 385]

Efa tamin’ny 1947 no tonga tany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Lehilahy nanatrika fivorian’ny Vavolombelona tany an-tany hafa no nitantara izay reny. Tsy ela dia nisy antokona mpianatra, ary nanomboka nitory koa ireo nanatrika azy io, ka nihamaro ny mpivavaka amin’i Jehovah.

CÔTE D’IVOIRE

[Sary, pejy 386]

Nampiditra ny fivavahana marina tany amin’io tany any Afrika Andrefana io ny misioneran’i Gileada, tamin’ny 1949. Zato mahery tamin’izy ireny no efa nanompo tany. Ora iray tapitrisa mahery isan-taona no atokana hitadiavana olona noana ny fahamarinana, any amin’io tany iandraiketan’ity sampana ity io.

GHANA

[Sary, pejy 386, 387]

Nanomboka tamin’ny 1924 ny fitoriana ny vaovao tsara tany. Miandraikitra fiangonana 640 mahery izao ity birao any Accra ity. Karakarainy koa ny fandikana boky ara-baiboly amin’ny fiteny éwé sy ga ary twi, sy ny fanaovana pirinty azy ireny.

[Sary, pejy 387]

Fivoriana ao amin’ny Efitrano Fanjakana miaraka amin’ny biraon’ny sampana

KENYA

[Sarintany/Sary, pejy 387]

Vavolombelona roa avy any Afrika Atsimo no nandeha nitory tany Kenya, tamin’ny 1931. Niandraikitra ny asa fitoriana tany amin’ny tany afrikanina tatsinanana maro (hita eto ambany) ny biraon’ny Fikambanana tany Kenya, nanomboka tamin’ny 1963. Nanampy tamin’ny fitoriana koa ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1973 sy 1978 ary 1985.

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

KENYA

OUGANDA

SOUDAN

ETIOPIA

DJIBOUTI

SOMALIA

YÉMEN

SEYCHELLES

TANZANIA

BURUNDI

RWANDA

[Sary, pejy 387]

Fivoriambe tany Nairobi (1978)

NIZERIA

[Sary, pejy 388, 389]

Efa tamin’ny fiandohan’ireo taona 1920 no notorina tany ny vaovao tsara. Nisy mpitory avy any koa nirahina nanerana an’i Afrika Andrefana, ary manampy an’ireo tany manodidina ny boky ara-baiboly atao pirinty any. Nisy boky aman-gazety 28 000 000 mahery nozaraina tamin’ny olona, teto Nizeria fotsiny, mba hanampiana azy ireny hahatakatra ny Tenin’Andriamanitra.

[Sary, pejy 388]

Miandraikitra ny asan’ireo mpitory 160 000 mahery eran’i Nizeria ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana

[Sary, pejy 389]

Fivoriambe tany Calabar, Nizeria (1990)

LIBERIA

[Sary, pejy 388]

Nandalo fitsapana maro be ireo tonga Vavolombelon’i Jehovah tany, rehefa tsy nanao fombafomba misy finoanoam-poana intsony, na tsy nanana vady maro intsony, na nenjehin’ny mpitondra nilazana zavatra diso momba azy ireo, na nohodidinin’ny mpanao politika sy ny foko niady. Mampiray saina ny karazan’olona rehetra anefa ny fivavahana marina any.

MAORISY

[Sary, pejy 389]

Efa tamin’ny 1933 no nisy Vavolombelona nazoto avy any Afrika Atsimo nitsidika an’io nosy any amin’ny Oseana Indianina io. Misy Vavolombelona arivo mahery izao any, mampirisika ny mpiara-belona aminy hitady an’i Jehovah, ka hankasitrahany, rehefa handringana an’ity tontolo ratsy fanahy ity izy.—Zef. 2:3.

AFRIKA ATSIMO

[Sary, pejy 390]

Efa 80 taona mahery no nanana birao tany Afrika Atsimo ny Fikambanana. Mpitory mazoto maro avy tany no nanao be teo amin’ny fitoriana ilay Fanjakana tany amin’ny tany hafa any Afrika atsimo sy atsinanana. Misy Vavolombelona 300 000 mahery izao any amin’ny tany niandraiketan’ity sampana ity taloha (14 674, tamin’ny 1945).

[Sary, pejy 391]

Mpandika teny 110 mahery no miasa eo ambany fitarihan’ity sampana ity, ka manomana boky ara-baiboly amin’ny fiteny 16 any Afrika

[Sary, pejy 391]

Manao pirinty amin’ny fiteny 40 mahery eto

SÉNÉGAL

[Sary, pejy 390]

Vitsy ny Vavolombelona any, nefa niezaka ny biraon’ny sampana mba hanao izay handrenesan’ny olona ny hafatra ara-baiboly, any amin’ny tanàna sy foko tsirairay, na inona na inona fivavahany, na any Sénégal izy, na any amin’ireo tany manodidina azy.

SIERRA LEONE

[Sary, pejy 391]

Nanomboka tamin’ny 1915 ny fitoriana ny vaovao tsara tany. Ela indraindray vao nisy fitomboana. Niroborobo anefa ireo tsy nivadika tamin’i Jehovah, rehefa nesorina ireo tsy nanaraka ny fitsipika ambony napetrany, ary niala ireo tsy nanana antony tsara nanompoana.

ZAMBIA

[Sary, pejy 392]

Miandraikitra ny asan’ny Vavolombelona 110 000 mahery any amin’ity tany any Afrika atsimo afovoany ity io biraon’ny sampana io. Tamin’ny 1936 no nijoro teto ny biraon’ny Fikambanana. Nanao fiverenana mitsidika 186 000 000 mahery ny Vavolombelona tany, nanomboka tamin’izay, mba hanampiana ny olona liana. Olona maro koa no nampianarin’izy ireo mamaky teny, mba ho afaka hianatra Baiboly sy hiresaka izany amin’olon-kafa.

[Sary, pejy 392]

Nisy mpanatrika 289 643 ireo fivoriambe natao tany Zambia tamin’ny 1992

ZIMBABWE

[Sary, pejy 392]

Efa tamin’ireo taona 1920 no niasa tany Zimbabwe ny Vavolombelona. Norarana ny bokin’izy ireo, taorian’izay, ary tsy navela hanao fivoriambe izy, sady tsy navela hitory tamin’ny Afrikanina ny misionerany. Resy tsikelikely anefa ny vato misakana, ka miandraikitra Vavolombelona 20 000 mahery izao ity birao ity.

AZIA

HONG KONG

[Sary, pejy 393]

Adika eto ho amin’ny fiteny sinoa ny bokin’ny Fikambanana. Arivo tapitrisa mahery no miteny azy io sy ny fitenim-paritra mifandray aminy. Nanomboka tamin’ny 1912 ny fitoriana ny vaovao tsara tany, rehefa nanao lahateny tao amin’ny lapan’ny tanàna i C. Russell.

[Sary, pejy 393]

INDE

Manara-maso ny fitoriana any amin’ny ampahenin’ny mponina eran-tany ity sampana ity. Mandika boky ho amin’ny fiteny 18 izy io sy manao pirinty ho an’ny fiteny 19, toy ny hindi (ampiasain’ny olona 367 tapitrisa), asamasey, bengali, goujrati, kannada, malayalam, marathe, népali, oriya, ourdou, pendjabi, tamoul, ary télougou (am-polony tapitrisa no mampiasa azy ireo tsirairay).

[Sary, pejy 393]

Vavolombelona mitory amin’ny fiteny malayalam

... népali

... goujrati

JAPON

[Sary, pejy 394]

Mazoto mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelona any Japon, sy eran-tany. Nanokana ora 85 000 000 mahery izy ireo, tamin’ny 1992 fotsiny, mba hitoriana ny vaovao tsara. Ny antsasany latsaka kely aminy no manao ny asan’ny mpisava lalana isam-bolana.

[Sary, pejy 394]

Atao pirinty eto amin’ny fiteny maro ny boky ara-baiboly, toy ny japoney, sinoa, ary fiteny maro any Philippines

[Sary, pejy 394]

Manampy amin’ny asan’ny sampana any amin’ny tany maro ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika

[Tabilao, pejy 394]

(Jereo ny boky)

Mpisava Lalana any Japon

75 000

50 000

25 000

1975 1980 1985 1992

REPOBLIKAN’I KOREA

[Sary, pejy 395]

Boky aman-gazety ara-baiboly 16 tapitrisa eo ho eo, ankoatra ny trakta, no vokarina eto isan-taona, ho an’ireo Vavolombelona 70 000 mahery eran’ilay repoblika. Ny ampahatelony mahery kely amin’ny Vavolombelona any no mpisava lalana.

MYANMAR

[Sary, pejy 395]

Vavolombelona 24 monja no tany, rehefa naorina tany tamin’ny 1947 ny biraon’ny Fikambanana. Misy 2 000 mahery kosa izy ireo izao, ary miezaka mba hitory amin’ny mponina an-tanàn-dehibe sy ny tantsaha maro.

PHILIPPINES

[Sary, pejy 396]

Nanao an’ilay lahateny hoe “Aiza moa Ireo Maty?”, tao amin’ny Trano Fanaovana Opéra tany Manille, i C. Russell, tamin’ny 1912. Nanokana ora 483 000 000 mahery ny Vavolombelona tany, nanomboka tamin’izay, mba hitoriana any amin’ireo nosy 900 misy mponina any. Ity sampana ity no miandraikitra ireo Vavolombelona 110 000 mahery any amin’ireo fiangonana 3 200 mahery. Atao pirinty amin’ny fiteny valo eto ireo boky ilaina any.

[Sary, pejy 396]

Vavolombelona mampiasa ny sasany amin’ireo fiteny lehibe any Philippines

SRI LANKA

[Sary, pejy 397]

Efa notorina tany Ceylan (Sri Lanka ankehitriny), atsimon’i Inde, ny vaovao tsara, talohan’ny Ady Lehibe I. Vetivety dia nisy antokona mpianatra niforona. Tamin’ny 1953 ny Fikambanana no nanorina biraon’ny sampana tao an-drenivohitra, mba hanara-maso ny fitoriana ilay Fanjakana ho an’ireo Cinghalais sy Tamoul ary foko hafa.

TAÏWAN

[Sary, pejy 397]

Efa nisy fitoriana ihany tany, tamin’ireo taona 1920. Tamin’ireo taona 1950 anefa izany vao tena nitohy tsara. Aorina izao ireto trano vaovaon’ny sampana ireto, mba ho foiben’ny asa bebe kokoa.

[Sary, pejy 397]

Fiangonana any Taipei

TAILANDY

[Sary, pejy 397]

Nisy mpisava lalana tonga tany Tailandy (Siam tamin’izany), tamin’ireo taona 1930, avy any Grande-Bretagne, Alemaina, Aostralia, ary Nouvelle-Zélande. Nisy solontena avy amin’ny tany maro nanatrika fivoriambe iraisam-pirenena tany, tamin’ny 1963, 1978, 1985, ary 1991, mba hampahery ny namany tany sy hanaparitahana kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana.

[Sary, pejy 397]

Fivoriambe tamin’ny 1963

[Sary, pejy 397]

Solontena avy any an-tany hafa, 1991

NOSIN’I PASIFIKA

FIDJI

[Sary, pejy 398]

Naorina tamin’ny 1958 ny birao tany Fidji. Nanara-maso ny asan’ilay Fanjakana tany amin’ny tany 12 nampiasa fiteny 13 izy io, taloha. Ireo nosy zato misy mponina any Fidji izao sisa no ifantohan’ilay sampana.

[Sary, pejy 398]

Nifandray kokoa tamin’ny Vavolombelona avy any an-tany hafa izy ireo, noho ny fivoriambe iraisam-pirenena tamin’ny 1963, 1969, 1973, ary 1978

GUAM

[Sary, pejy 398]

Ny birao any Guam no mitarika ny fitoriana ny vaovao tsara any amin’ireo nosy miparitaka eo amin’ny 7 770 000 kilaometatra toradroa any amin’ny Oseana Pasifika. Manara-maso ny fandikana boky ara-baiboly amin’ny fiteny sivy izy io.

[Sary, pejy 398]

Mandeha fiaramanidina matetika ny mpiandraikitra ny faritra, mba hitetezana nosy

[Sary, pejy 398]

Mety hampiasa lakana ny Vavolombelona (toy ireo any Mikronezia, hita eto) mba handehanana hitory

HAWAII

[Sary, pejy 399]

Tamin’ny 1934 no efa nanana biraon’ny sampana tany Honolulu ny Fikambanana. Tsy tany amin’ireo nosin’i Hawaii ihany no nitory ny sasany avy tany, fa nandeha tany Japon, Taïwan, Guam, ary Mikronezia koa.

NOUVELLE-CALÉDONIE

[Sary, pejy 399]

Nanakantsakana ny Vavolombelona ny mpanohitra, nefa nitory foana izy ireo. Maro no nankasitraka. Niforona tamin’ny 1956 ny fiangonana voalohany, ary maherin’ny 1 300 izao ny mpidera an’i Jehovah any.

NOUVELLE-ZÉLANDE

[Sary, pejy 399]

Nametraka biraon’ny sampany tany Nouvelle-Zélande ny Fikambanana, tamin’ny 1947, mba hanaraha-maso akaiky kokoa ny fitoriana ny vaovao tsara.

[Sary, pejy 399]

Mahazo fampaherezana ny mponin’i Samoa, Rarotonga, ary Niue, noho ny fandikan-teny atao eto amin’ity sampana ity.

[Sary, pejy 399]

Miara-miasa ny mpandika teny sy ny mpitsara tsipelin-teny, mba hamokarana boky tsara

AOSTRALIA

[Sary, pejy 400]

Efa nanana biraon’ny sampana tany ny Fikambanana, nanomboka tamin’ny 1904. Io sampana io taloha no niandraikitra ny fitoriana ilay Fanjakana tany amin’ny efa ho ampahefatry ny tany, anisan’izany i Chine, Azia Atsimoatsinanana, ary Pasifika Atsimo.

[Sary, pejy 400]

Manampy amin’ny fanorenana sampana any Pasifika Atsimo sy Azia Atsimoatsinanana ny Biraom-paritra Momba ny Fitantanana Ara-teknika

[Sary, pejy 400]

Manao pirinty boky ara-baiboly amin’ny fiteny 25 mahery izao io sampana io. Ny fanontam-pirinty eto no mamokatra boky ilain’ireo Vavolombelona 78 000 any amin’ny faritany iandraiketan’ireo sampana valo any Pasifika Atsimo.

[Sarintany/Sary, pejy 400]

Tany mahazo boky avy amin’ny sampan’i Aostralia

[Sarintany]

(Jereo ny boky)

AOSTRALIA

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

NOUVELLE-CALÉDONIE

NOSY SALOMON

FIDJI

SAMOA ANDREFANA

TAHITI

NOUVELLE-ZÉLANDE

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

[Sary, pejy 400]

Hafa mihitsy ny olana atrehin’ny Vavolombelona any, satria mampiasa fiteny 700 ny olona any. Vavolombelona avy amin’ny tany folo, fara fahakeliny, no nifindra tany mba hanao ilay asa. Niezaka mafy izy ireo nianatra ny fiteny teo an-toerana. Ny olona liana no mandika teny ho an’ny olona mampiasa fiteny hafa. Tena manampy amin’ny fampianarana koa ny sary.

NOSY SALOMON

[Sary, pejy 401]

Fianarana Baiboly natao an-taratasy no nitondra ny hafatra momba ilay Fanjakana tany, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1950. Niely ny fahamarinana ara-baiboly, na be aza ny vato misakana. Ity biraon’ny sampana ity sy ilay Efitrano Fivoriambe malalaka, dia vokatry ny fahaizana mamoron-kevitra, sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, ary ny habetsahan’ny fanahin’i Jehovah.

TAHITI

[Sary, pejy 401]

Tamin’ny fiandohan’ireo taona 1930 ny Vavolombelona no nanomboka nitory tany. Anaovana fitoriana tsara izao any amin’io nosy any afovoan’ny Oseana Pasifika io. Nandritra ireo efa-taona lasa fotsiny, dia efa nitoriana adiny dimy teo ho eo avy, ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy rehetra teo amin’ilay nosy.

SAMOA ANDREFANA

[Sary, pejy 401]

Anisan’ny tany kely indrindra izy io, nefa manana sampana any koa ny Vavolombelona. Naorina tamin’ny 1992 ity trano ity, mba hisahanana ny asa eo amin’ireo nosy Samoa sy ny nosy manodidina azy, toy ny any Samoa Amerikanina.