Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sasin-teny

Sasin-teny

Sasin-teny

Fantatra hatraiza hatraiza ny Vavolombelon’i Jehovah. Olona avy amin’ny firenena sy foko maro eran-tany no mahita ny fitoriana sy fivavahan’izy ireo, ary tanora sy antitra avy amin’ny fari-piainana sy fari-pahaizana samihafa no nandray izany. Niaiky volana mihitsy aza ny mpitsikera nahita azy ireo nazoto nitory. Tena mifankatia koa izy ireo, ka misy tsy Vavolombelona maniry ny mba hanaovan’ny olona maro toy izany koa.

Mbola maro ihany anefa no manontany tena hoe: ‘Fa iza marina moa ny Vavolombelon’i Jehovah e?’ Nisy nanoratra momba azy ireo, nefa misy fitsarana an-tendrony ihany indraindray. Mety tsy ho nahalala ny zava-misy rehetra angamba izy ireny. Mazava ho azy fa ny Vavolombelon’i Jehovah no mahalala tsara kokoa ny tantarany ankehitriny noho ny olon-kafa rehetra. Niezaka hilaza ny zava-misy sy ho tsotra ny mpampanonta an’ity boky ity, eo am-pitantarana momba ny vahoaka iray tena mino sy mitory ny Baiboly. Tena hampiana-javatra tokoa izy ity, ho an’ireo mahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny andro farany.

Ny Mpampanonta