Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Zava-nisongadina Tamin’ny Tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

Zava-nisongadina Tamin’ny Tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah Ankehitriny

1870 Nanomboka nianatra tsy tapaka ny Baiboly i Charles Russell sy ny olona vitsivitsy tany Pittsburgh sy Allegheny, any Pennsylvanie, Etazonia

1870-1875 Takatr’i Russell sy ny namany fa tsy ho hita maso i Kristy rehefa hiverina, ary hitahy ny fianakaviana rehetra eto an-tany no anisan’ny antony hiverenany

1872 Nanjary takatr’i Russell sy ny namany ny mahakasika ny vidim-panavotana nomen’i Kristy ho an’ny olombelona

1876 Nahazo tamin’ny Mpanambara ny Maraina i C. Russell ny Janoary; nihaona tany Philadelphie, any Pennsylvanie, izy sy N. Barbour mpanoratra azy io, afaka volana vitsivitsy

Notondroin’ny lahatsoratra nosoratan’i C. Russell tao amin’ny Mpandinika Baiboly (Oktobra), fa hifarana amin’ny 1914 ny Andron’ny Jentilisa

1877 Navoaka ny boky Tontolo Telo, vokatry ny fiaraha-miasan’i N. Barbour sy C. Russell

Namoaka ny bokikely Ny Zava-kendren’ny Fiverenan’ny Tompontsika sy ny Fomba Fisehony i C. Russell, avy tao amin’ny biraon’ny Mpanambara ny Maraina, tany Rochester, New York

1879 Tsy nanohana intsony ny Mpanambara ny Maraina i Russell nanomboka ny Mey, noho ny fiheveran’i Barbour ny vidim-panavotana

Nomerao voalohan’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy Jolay 1879

1881 Trakta voalohany natontan’ny Mpianatra ny Baiboly; am-polony tapitrisa no nozaraina, talohan’ny 1914, tamin’ny fiteny 30

Nalamina ny Zion’s Watch Tower Tract Society; navoaka ny antso hoe “Mitady Mpitory 1 000”, ka ny sasany ho mpisava lalana, fa ny hafa kosa hampiasa izay fotoana ananany mba hiresahana ny fahamarinana

Fizarana 300 000 tamin’ny Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina tamin’ny mpiangona tany amin’ireo tanàn-dehiben’i Grande-Bretagne

1883 Tonga tany Chine Ny Tilikambo Fiambenana; nisy misionera presbyterianina taloha nanomboka nitory tany

1884 Tonga tany Liberia ny Zavatra Hoeritreretin’ny Kristianina Misaina; nangataka maromaro hozaraina ny mpamaky iray nahay nankasitraka

Voasoratra ara-dalàna tany Pennsylvanie ny Zion’s Watch Tower Tract Society, ny 15 Desambra

1885 Nisy olona tia fahamarinana efa namaky bokin’ny Fikambanana tany Amerika Avaratra sy Atsimo, Eoropa, Afrika, ary Azia

1886 Natonta ny boky Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra, ilay voalohany tamin’ireo boky Fiandohan’ny Arivo Taona (nantsoina tatỳ aoriana hoe Fianarana ny Soratra Masina)

1889 Naorina teo amin’ny Arch Street, tany Allegheny, any Pennsylvanie, ny Tranon’ny Baiboly, foiben’ny Fikambanana

1891 Voalohany tamin’ny fiarahan’ny Mpianatra ny Baiboly, nantsoiny hoe fivoriambe, tany Allegheny, any Pennsylvanie (19-25 Aprily)

1894 Nirahina mba hitsidika fiangonana, araka ny fandaharan’ny Fikambanana, ny mpiandraikitra mpitety faritany izay nanjary nantsoina hoe mpitety fiangonana (mpiandraikitra ny faritra sy vondrom-paritra ankehitriny)

1900 Nosokafana tany Londres, any Angletera, ny biraon’ny sampan’ny Fikambanana voalohany

Tany 28 no efa nitorian’ny Mpianatra ny Baiboly, ary nahatratra tany 13 hafa ilay hafatra notoriny

1903 Fizarana trakta be dia be isan-trano ny alahady; natao teny an-dalana teny akaikin’ny trano fiangonana ny fizarana trakta teo aloha

1904 Nanomboka niseho tsy tapaka tamin’ny gazety ny lahatenin’i C. Russell; navoaka tamin’ny gazety 2 000 teo ho eo izany, tao anatin’ny folo taona

1909 Nafindra ho eto Brooklyn, New York, ny foiben’ny Fikambanana, ny Aprily

1914 Fandefasana voalohany ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, teto New York, ny Janoary; maherin’ny 9 000 000 no nijery azy io, talohan’ny faran’ilay taona, eran’i Amerika Avaratra sy Eoropa ary Aostralia

Nohamafisin’i C. Russell tao amin’ny efitrano fisakafoanan’ny Betela, teto Brooklyn, ny 2 Oktobra, hoe “Tapitra ny andron’ny Jentilisa”

Nitory tany amin’ny tany 43 ny Mpianatra ny Baiboly; 5 155 ny mpitory, ary 18 243 ny mpanatrika Fahatsiarovana

1916 Maty teny ambony fiarandalamby tany Texas, teo amin’ny faha-64 taonany, i C. Russell, ny 31 Oktobra

1917 Lasa prezidàn’ny Fikambanana i J. Rutherford ny 6 Janoary, rehefa nisy rahalahy telo (komity mpanatanteraka) nitantana ny Fikambanana nandritra ny roa volana teo ho eo

Nambara ny 17 Jolay tamin’ny mpianakavin’ny Betela teto Brooklyn ny fivoahan’ny boky Ilay Mistery Fantatra; nihamafy ny fanoheran’ireo efatra anisan’ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana; maro ny fiangonana nizara taorian’izay

1918 Natao voalohany tany Los Angeles, any Kalifornia, ny 24 Febroary, ilay lahateny hoe “Nifarana Izao Tontolo Izao, ka Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Mety Tsy ho Faty Mihitsy.” Niova toy izao ny lohatenin’io lahateny io ny 31 Martsa, tany Boston, any Massachusetts: “Nifarana Izao Tontolo Izao, ka Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”

Nisy didy fisamborana navoaka ny 7 Mey, nahakasika an’i J. Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy akaiky; nanomboka ny 5 Jona ny fitsarana; voaheloka higadra ela be izy ireo ny 21 Jona (ny 10 Jolay ny iray)

Nakatona ny foibe teto Brooklyn, ny Aogositra, ary nafindra tany Pittsburgh ny asa, nandritra ny herintaona mahery

1919 Nafahana ny 26 Martsa ireo tompon’andraikitry ny Fikambanana, rehefa nandoa onitra; nanda ny didy navoakan’ny fitsarana ambaniny ny fitsarana ambony, ny 14 Mey, ary namoaka didy hanaovana fitsarana vaovao; nosintonin’ny fitondrana ny fitoriany ny 5 Mey 1920

Tian’i J. Rutherford ho hita raha azo velomina indray ny asan’ny Mpianatra ny Baiboly, ka nataony ny 4 Mey (tao amin’ny Efitrano Lehibe Clune, tany Los Angeles, any Kalifornia) ilay lahateny hoe “Ilay Fanantenana ho An’ny Olombelona Kivy”; tsy tafiditra daholo ny olona, ka natao fanindroany ilay lahateny

Nanao fivoriambe tany Cedar Point, any Ohio, ny Mpianatra ny Baiboly ny 1-8 Septambra; nambara ny fivoahan’ny Fotoam-pahasambarana (Mifohaza! ankehitriny)

Navoaka mba hampirisihana ny mpitory ny Gazety (Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ankehitriny)

Mpianatra ny Baiboly 5 793 no nitory tany amin’ny tany 43, araka ny tatitra; 21 411 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana

1920 Nanomboka nanao pirinty ny bokiny teto Brooklyn ny Fikambanana

1922 Nampiasa voalohany ny radio handefasana lahateny ara-baiboly i J. Rutherford, ny 26 Febroary, tany Kalifornia

Fivoriamben’ny Mpianatra ny Baiboly tany Cedar Point, any Ohio, ny 5-13 Septambra; natao tao ilay antso hoe “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany”

Nentanin’ny mpitondra fivavahana tany Alemaina ny polisy mba hisambotra ny Mpianatra ny Baiboly, izay nizara boky ara-baiboly

1924 Nanomboka niasa ny 24 Febroary ny WBBR (radio voalohany an’ny Fikambanana)

1925 Nasehon’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa (niresaka ny fahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, tamin’ny 1914) fa misy fandaminana roa mifanohitra, dia ny an’i Jehovah sy ny an’i Satana

1926 Nampirisihina ny mpitory mba hitory isan-trano sy hametraka boky ny alahady

1928 Nosamborina ny Mpianatra ny Baiboly tany New Jersey, Etazonia, noho izy ireo nizara boky, nandritra ny fitoriany isan-trano; 500 mahery isan-taona ny fisamborana toy izany eran’i Etazonia, nandritra ny folo taona nanaraka

1931 Nekena ny fanapahan-kevitra handray ny anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny fivoriambe tany Columbus, any Ohio, ny 26 Jolay, sy taorian’ny fivoriambe hafa eran-tany, taorian’io

1932 Nohazavain’ny Fanamarinana, Boky 2, hoe nahoana no tsy tamin’ny Jiosy ihany, fa amin’ny Israely ara-panahy koa, no mihatra ny faminaniana momba ny famerenana amin’ny laoniny

Nofaranana ny “fifidianana anti-panahy”, araka ny fanazavan’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aogositra sy 1 Septambra

1933 Voarara ny Vavolombelona tany Alemaina. Nisy 6 262 izy ireo no nosamborina, nandritra ilay fanenjehana nahery vaika hatramin’ny faran’ny Ady Lehibe II, ka 14 332 ny tontalin’ny taona nigadran’izy ireo; 2 074 no nalefa tany amin’ny toby fitanana, ka 8 332 ny fitambaran’ny taona nigadrany

Nampiasain’ny Vavolombelona mba handefasana lahateny ara-baiboly teny an-kalamanjana ny grafofaonina (natao teny ambony fiara ny sasany)

1934 Nampiasain’ny Vavolombelona ny grafofaonina azo entina, mba handefasana lahateny ara-baiboly fohy, ho an’ny olona liana

1935 Noresahina tamin’ny lahateny tamin’ny fivoriambe tany Washington, ny 31 Mey, fa olona hiaina eto an-tany ny “vahoaka be”; 840 no natao batisa tamin’io; nantitranterina kokoa hatrany ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany, ho an’ny mpanompon’Andriamanitra mahatoky

Voalohany niantsoana ny toeram-pivoriana hoe Efitrano Fanjakana, tany Honolulu, any Hawaii

1936 Voalohany nilanjan’ny mpitory takelaka mba hampahafantarana lahateny ara-baiboly

Fampirisihana mba hanomboka hampianatra ny olona liana, amin’ny alalan’ny boky Harena sy ny Baiboly; olona maromaro matetika no niara-nianatra

1937 Nampiasain’ny Vavolombelona ny grafofaonina azo entina mba handefasana lahateny ara-baiboly teo am-baravarana avy hatrany

1938 Natsahatra ny fifidianana anti-panahy, fa notendrena araka ny fitarihan’Andriamanitra izy ireo, araka Ny Tilikambo Fiambenana 1 sy 15 Jona

Nalamina mba hatrehin’ny fiangonana maromaro ny fivoriamben’ny faritra

1939-1945 Firenena 23 eran’ny Fanjakana Britanika sy ny Commonwealth no nandrara ny Vavolombelon’i Jehovah, na ny bokiny

1940 Nanjary anisan’ny asa mahazatra ny Vavolombelona ny mizara Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! eny an-dalana

Tsy maintsy manangan-tsaina ny rehetra, na inona na inona finoany, araka ny didin’ny Fitsarana Tampony Amerikanina, ny 3 Jona; nahatonga ny olona hampiasa herisetra tamin’ny Vavolombelona izany

1941 Nihoatra ny 100 000 ny Vavolombelona, satria 109 371 izy ireo, tany amin’ny tany 107, na dia nanafotra an’i Eoropa aza ny Ady Lehibe II, sady nitatra hatrany Afrika sy Azia

1942 Maty tany San Diego, any Kalifornia, i J. Rutherford, ny 8 Janoary

Lasa prezidàn’ny Fikambanana fahatelo i N. Knorr ny 13 Janoary

Nisy 11 325 143 ny tontalin’ny Tilikambo Fiambenana natao pirinty tamin’ny fiteny rehetra

Natomboka ny 16 Febroary, teo amin’ny mpiasan’ny foiben’ny Fikambanana, ny Fianarana ny Fanompoana Kristianina

Nanao pirinty Baiboly feno teo amin’ny fanontam-pirintiny ny Fikambanana, dia ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques

1943 Nanomboka nianatra ny 1 Febroary ny kilasy voalohan’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana

Noresahina tamin’ny fivoriambe ny Aprily ny Fianarana ny Fanompoana Kristianina (Sekolin’ny Fanompoana ankehitriny)

Nanome rariny ny Vavolombelona ny Fitsarana Tampony Amerikanina, tamin’ny raharaha 20 tamin’ireo 24; nanala ny fandrarana ny Vavolombelona tany Aostralia ny Fitsarana Ambony tany, ny 14 Jona

1945 Tsy mpifidy afaka mifidy noho ny fanomezana ara-bola intsony no nifidy ny filan-kevi-pitondran’ny Fikambanana, nanomboka ny 1 Oktobra

Nisy 104 814 ny salanisan’ny fampianarana Baiboly notarihina isam-bolana

1946 Vavolombelona 4 000 mahery teto Etazonia sy 1 593 tany Grande-Bretagne, no nosamborina sy nogadraina (iray volana ka hatramin’ny dimy taona), nandritra ireo fito taona talohan’io, noho izy ireo tsy nomba ny atsy na ny aroa

Nisy 6 504 ny mpisava lalana tamin’io taona voalohany taorian’ny Ady Lehibe II io

Nanomboka navoaka ny gazety Mifohaza! (nandimby ny Fotoam-pahasambarana sy ny Fampiononana), ka 13 934 429 no natao pirinty

Vavolombelona 470 mahery no notsaraina tany Gresy, noho izy ireo nampianatra Baiboly

1947 Niandry tany amin’ny fitsarana tany Québec, any Kanada, ny raharaha 1 700 mahakasika ny asa fitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah

Nihoatra ny 10 000 ny isan’ny fiangonana eran-tany, satria nisy 10 782

1950 Navoaka tamin’ny teny anglisy, nandritra ny fivoriambe teto New York, ny 2 Aogositra, Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

1953 Nanomboka ny 1 Septambra ny fampiofanana tsara ny Vavolombelona teo amin’ny fitoriana isan-trano

1957 Ora 100 135 016 no natokan’ny Vavolombelona tany amin’ny tany 169, mba hitoriana ilay Fanjakana sy hampianarana Baiboly

1958 Olona 253 922 avy amin’ny tany 123 no nanatrika ilay Fivoriambe Iraisam-pirenena Ny Sitrapon’Andriamanitra, teto New York; 7 136 no natao batisa

1959 Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana voalohany, nanomboka ny 9 Martsa, tany South Lansing, New York, natao ho an’ny mpiandraikitra fiangonana sy ny mpiandraikitra mpitety faritany

1961 Nanatrika fiofanana manokana naharitra folo volana teto Brooklyn, New York, ny voalohany tamin’ireo mpiandraikitra ny sampan’ny Fikambanana, mba hampitoviana kokoa ny asan’ny Vavolombelona eran-tany

Navoaka tamin’ny teny anglisy ho boky iray ny Baiboly feno Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

1963 Navoaka tamin’ny fiteny enina hafa Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (alemà, espaniola, frantsay, holandey, italianina, ary portogey), ary nanaraka izany koa ny fiteny hafa

Vavolombelona mihoatra ny iray tapitrisa no niasa tany amin’ny tany 198; 1 040 836 ny mpitory; 62 798 hafa no natao batisa

1965 Nanomboka nampiasain’ny Vavolombelona teto New York ny Efitrano Fivoriambe voalohany (teatra nohavaozina)

1967 Niantomboka ny fanenjehana feno habibiana ny Vavolombelona eran’i Malawi, ary nitohy nandritra ny taona maro

1969 Nihoatra ny iray tapitrisa ny fampianarana Baiboly, satria 1 097 237 ny salanisany, araka ny tatitra

1971 Nihamaro ireo anisan’ny Filan-kevi-pitantanana; nifandimby isan-taona nitari-draharaha ireo anisan’izy io, nanomboka ny 1 Oktobra

1972 Anti-panahy maromaro no miandraikitra ny fiangonan’ny Vavolombelona, fa tsy iray monja, nanomboka ny 1 Oktobra

1974 Nahatratra 2 021 432 ny mpitory eran-tany; 94 604 ny mpisava lalana, tamin’ny 1973, nefa lasa 127 135

1975 Nalamina indray ny Filan-kevi-pitantanana; nozaraina tamin’ny komity enina ny andraikitra, ny 4 Desambra, ary nanomboka nampiharina izany ny 1 Janoary 1976

1976 Komity, misy lehilahy matotra telo na mihoatra, no miandraikitra ny sampan’ny Fikambanana, nanomboka ny 1 Febroary, fa tsy mpiandraikitra iray intsony

1977 Nanomboka ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, mba hampiofanana manokana ny mpisava lalana an’aliny eran-tany

1984 Nisy 2 047 113 ny salanisan’ny fampianarana Baiboly notarihin’ny Vavolombelona

1985 Nanomboka ny asa an-tsitrapo iraisam-pirenena, ka nalamina avy eto amin’ny foibe ny asa fanorenana ataon’ny Fikambanana eran-tany

Nisy 3 024 131 ny mpitory tany amin’ny tany 222, araka ny tatitra; 322 821 kosa ny salanisan’ny mpisava lalana; 189 800 no natao batisa

1986 Notendrena ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana mba handamina ny fanorenana Efitrano Fanjakana

1987 Nitatra hatrany ny asa fanaovana mpianatra, satria nisy 3 005 048 ny fampianarana Baiboly notarihina (isan-kerinandro ny maro taminy); 230 843 no natao batisa

Nanomboka ny 1 Oktobra, ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, ka tany Coraopolis, any Pennsylvanie ny kilasy voalohany

1989 Niova ny toe-draharaha tany Eoropa Atsinanana, ka azo natao ny fivoriambe iraisam-pirenena telo tany Polonina, sy fivoriambe hafa tany an-tany hafa, tatỳ aoriana

1990 Nofoanana ny fandrarana ny Vavolombelona tany Afrika sy Eoropa Atsinanana, ka mora kokoa ny fitoriana tamin’olona 100 000 000 hafa

Nisy 4 017 213 ny mpitory; nitombo ho 536 508 ny mpisava lalana; 895 229 424 kosa ny ora nanaovana io asa maika fitoriana ilay Fanjakana io

1991 Nofoanana ny fandrarana tany Eoropa Atsinanana sy Afrika, ka mora kokoa ny nitory tamin’olona 390 000 000 ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana

1992 Nisy 15 570 000 teo ho eo Ny Tilikambo Fiambenana navoaka tamin’ny fiteny 111; navoaka tamin’ny fiteny 67 ny Mifohaza!, ary 13 110 000 teo ho eo no natao pirinty

Fitoriana be indrindra noho ny hatramin’izay, satria 4 472 787 no nitory tany amin’ny tany 229; 605 610 ny salanisan’ny mpisava lalana isam-bolana; 1 024 910 434 ny ora nitoriana tamin’ny besinimaro; 4 278 127 ny fampianarana Baiboly notarihina; 301 002 ny mpianatra vaovao natao batisa