Hijery ny anatiny

Voalahatra ve ny Fiainantsika? Sa Mitana Antsika ho Tompon’andraikitra Andriamanitra?

Voalahatra ve ny Fiainantsika? Sa Mitana Antsika ho Tompon’andraikitra Andriamanitra?

Voalahatra ve ny Fiainantsika? Sa Mitana Antsika ho Tompon’andraikitra Andriamanitra?

AHOANA no havalinao ireo fanontaniana roa ireo? Mbola tsy noeritreretinao angamba ny amin’izany. Na, mety tsy ho hitanao izay ifandraisan’ireo fanontaniana ireo, ka hoy ianao hoe: ‘Eny e! Mitana antsika ho tompon’andraikitra amin’izay ataontsika Andriamanitra, nefa hitranga koa izay efa voalahatra ho antsika.’

Raha izany no hevitrao, dia mieritrereta kely ange e!

Iza no mitana antsika ho tompon’andraikitra? Andriamanitra. Iza àry no manao ny lahatra? Maro koa no hamaly hoe: “Andriamanitra.” Ara-dalàna ve izany? Hoterenao hanao zavatra ve ny olona iray, nefa homenao tsiny izy avy eo satria nanao izany? Diniho ange izao e: Misy raim-pianakaviana manidy lakile ny tranony amin’ny maraina mba tsy hivoahan-janany any ivelany. Rehefa mody izy ny hariva, dia hitany fa tsy nivoaka ny trano ilay zanany ny andro manontolo. Ahoana anefa raha izy indray no manontany an-janany ny antony tsy nivoahany tany ivelany, ka manasazy azy mihitsy fa hoe kamolahy izy? Ho rariny ve izany? Ahoana no hiheveranao izany ray izany?

‘Tsy hitranga mihitsy izany’, hoy ianao. Misy milaza anefa fa izany no ataon’Andriamanitra. Raha Andriamanitra no iavian’ny tsara sy ny ratsy, ka efa nosoratany ny zava-drehetra momba ny fiainantsika, nahoana indray izy no mitana antsika ho tompon’andraikitra amin’ny ratsy ataontsika? Raha efa voalahatr’Andriamanitra izay hataontsika, nahoana indray isika no hotanany ho tompon’andraikitra amin’izany? Nahoana isika no hotsarain’Andriamanitra amin-javatra tsy fidiny antsika?

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Lalina be izany resaka izany, fa iza moa isika no hahatakatra ny fomban’Andriamanitra? Avelao ny teolojianina no hiady hevitra momba izany.’

Mahakasika anao izany

Mieritrereta anefa. Mahakasika antsika rehetra ireo fanontaniana ireo. Indray mandeha ihany isika no miaina eto an-tany, ary mandalo vetivety izany. Manova be ny fiainantsika izay valin’ireo fanontaniana ireo. Raha efa voalahatr’Andriamanitra ny fiainantsika, nahoana isika no hiezaka ho tsara toetra? Inona koa no ilantsika hianatra momba an’Andriamanitra? Manjary tsy misy dikany ny teny hoe “izao no mety” na “izao no tsy mety”, ny “ota” sy ny hoe “fahamendrehana.” Raha efa voalahatra fa hanao zavatra heverintsika fa tsy mety isika, dia tena hanao izany na tiana na tsy tiana, satria tsy azontsika ovana ny lahatra.

Raha izany no izy, nahoana Andriamanitra no mampianatra antsika ny didiny? Nahoana izy no naniraka ny mpaminany? Nahoana no misy boky antsoina hoe Tenin’Andriamanitra, nosoratana? Inona no ilana izany rehetra izany raha efa voalahatra ny zava-drehetra? Tena tsy eken’ny saina ny hevitra mifanipaka toy izany. Tsy afaka manaiky izany ny sain’olombelona mitaky ny ara-dalàna.

Ahoana kosa raha afaka misafidy malalaka isika, ka mitana antsika ho tompon’andraikitra amin’izay ataontsika Andriamanitra? Raha izay, dia tsy maintsy mampiasa ny fotoana fohy iainantsika isika mba hahafantarana tsara an’Andriamanitra sy izay zavatra tiany hatao. Ary tsy maintsy mianatra miaina araka ny fomba tian’Andriamanitra koa isika. Lasa andraikitry ny tsirairay izany. Tsy misy olon-kafa mahazo misolo antsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Misy ohabolana tiorka manao hoe: “Amin’ny tongony ihany no anantonana ny henan’ny ondry tsirairay”, izany hoe, samy hotsaraina amin’ny ratsy vitany avy ny olona.

Hitanao ve fa zava-dehibe ny ahafantarana ny tena valin’ny fanontaniana hoe: Mitana antsika ho tompon’andraikitra amin’izay ataontsika ve Andriamanitra? Sa efa voalahatra ny fiainantsika?

Aiza no ahitana ny valin’izany?

Aiza no hahitantsika ny valin’izany fanontaniana izany? Mety hahitana izany ao amin’ny Baiboly, izay antsoin’ny Silamo hoe Tevrat sy Zebur ary Incil. Eken’ny Silamo ho “Tenin’Andriamanitra” izy io. a Hoy ny Baiboly: “Fa raha ny ratsy fanahy miala amin’ny fahotana rehetra izay nataony ka mitandrina ny didiko rehetra ary manao izay marina sy mahitsy, dia ho velona tokoa izy, fa tsy ho faty. Moa sitrako akory va ny fahafatesan’ny ratsy fanahy, . . . fa tsy ny hialany amin’ny alehany mba ho velona izy?” (Ezekiela 18:21, 23) Mazava àry fa afaka miova ny olon-dratsy. Tsy voalahatra hanao ratsy mandritra ny androm-piainany izy.

Misy andininy hafa koa ao amin’ny Baiboly ahitana izany hevitra izany: “Ry zanak’olona, efa nataoko mpitily . . . hianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy. Raha hoy Izaho amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa hianao! ary tsy mananatra azy hianao, na miteny hananatra ny ratsy fanahy, hialany amin’ny làlany ratsy hamonjena ny ainy, dia ho faty amin’ny helony ihany ilay ratsy fanahy, nefa hadiniko amin’ny tànanao ny rany.”—Ezekiela 3:17, 18.

Milaza mazava àry ny Tenin’Andriamanitra fa tsy efa voalahatra ny fiainan’ny olona. Afaka mifidy ny olona. Afaka manao ny tsara izy, na manao ny ratsy. Raha nanao ny ratsy noho ny tsy fahalalana izy, dia afaka miova ary manao ny tsara rehefa mahalala ny fahamarinana, ka hahazo fiainana. Mazava àry fa tompon’andraikitra amin’izay ataontsika isika.

Ahoana no anaovanao safidy?

Lazain’ny Baiboly fa Andriamanitra fitiavana ny Mpamorona antsika, ary tsy misy ratsy ao aminy. Hoy io Andriamanitra fitiavana io: “Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao.” (Deoteronomia 30:19) Noforonin’Andriamanitra hanana safidy malalaka ny olona. Rehefa nifidy ny tsy hanao izay tian’Andriamanitra izy dia nanjary nety maty. Afaka mifidy ny fiainana anefa ianao, saingy ny tenanao ihany no tsy maintsy mifidy. Tsy misy afaka manao izany eo amin’ny toeranao.

Ahoana no ifidiananao ny fiainana? Tsy maintsy azonao antoka aloha fa Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry ny Baiboly. Ilaina àry ny mianatra io boky io amin’ny saina tsy miangatra. Tsy maintsy ianaranao ao amin’ny Baiboly ny antony namoronan’Andriamanitra ny olombelona, ny antony mahatonga antsika ho faty, sy izay mitranga aorian’ny fahafatesana, ary ny fomba azonao ampifaliana an’Andriamanitra.

Aza manao hoe: ‘Sarotra be izany, ka tsy ho vitako.’ Hampanantena fiainana ve Andriamanitra, nefa ataony tsy mahazo izany mihitsy ny olona sasany? Raha ao amin’ny Baiboly no misy ny fanazavana ilaintsika, tsy hampian’Andriamanitra ve isika rehefa mandinika azy io? Miezaha amim-pahatsorana fotsiny. Izany no zavatra mahasoa indrindra azonao atao.

Maika ny fotoana

Aza mitaredretra àry. Maika ny fotoana. Hitantsika ao amin’ny Baiboly ny “famantarana” mampiavaka ny andro farany ho an’ity tontolo ity. (Matio 24:3) Ireto ny sasantsasany:

“Hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana.” “Hisy mosary.” (Matio 24:7) “Hisy horohorontany lehibe.” “[Hisy] areti-mandringana any amin’ny tany samy hafa.” (Lioka 21:11) ‘Hihabe ny tsi-fankatoavan-dalàna.’—Matio 24:12.

Lazain’ny Baiboly fa hiara-mitranga avokoa ireo, mbamin’ny tapany hafa amin’ny famantarana ny andro farany. Asehon’ny porofo rehetra fa niseho io famantarana io nanomboka tamin’ny Ady Lehibe I, izay nipoaka tamin’ny 1914.

Izany no anasanay anao handinika ny Baiboly tsy misy hataka andro. Hoy io Tenin’Andriamanitra io amintsika: “Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Fa ny atao rehetra dia ho entin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.”—Mpitoriteny 12:13, 14.

Raha tianao ho fantatra bebe kokoa ny fomba azonao anaovana safidy tsara eo amin’ny fiainana amin’izao andro farany sarotra izao, dia manorata any amin’ny adiresy iray etsy ambany, fa ho faly hanampy anao izahay.

Ireo andinin-tenin’ny Baiboly dia nalaina avy ao amin’ny Fandikan-teny Malagasy (1997).

[Fanamarihana ambany pejy]

a Hoy ny Kor’any: “Taorian’ireo mpaminany ireo, dia nirahinay i Jesosy, zanak’i Maria, mba hanamarina ilay Torah efa voambara. Nomenay azy ny Filazantsara misy tari-dalana sy fahazavana, mba hanamafy ilay efa voambara talohany tao amin’ny Torah, izay mpitarika sy mpananatra ny marina. Aoka ny mpanaraka ny Filazantsara hitsara araka izay nambaran’i Allah ao. Mpanao ratsy ireo tsy mampiasa ny fanambaran’i Allah ho fototry ny fitsarany.” (“Ny Latabatra” [sorata fahadimy] andininy faha-46 sy 47, nadikan’i N. Dawood) Misy milaza fa nisy nanova ny tapany amin’ny Baiboly, dia ny Torah sy ny Salamo ary ny Filazantsara. Midika anefa izany fa tsy mahay miaro ny boky nomeny Andriamanitra. Koa miampanga an’Andriamanitra ho tsy manan-kery izay milaza izany.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 6]

Sary: Anaty fiara: H. Armstrong Roberts.