FANONTANIANA 3
Nisy ho Azy ve ny ADN?
Efa nandinika ny vatanao ve ianao, ka nieritreritra hoe nahoana ny masonao sy ny volonao no mainty? Nahoana ianao no zarazara hoditra ary misy itovizana amin’ny ray aman-dreninao? Nahoana ianao no lavalava na fohifohy? Jereo koa ange ny rantsantananao e! Nahoana ny eo aoriana no misy hoho, nefa ny eo aloha malemilemy?
Mbola tsy fantatra ny valin’ny fanontaniana toy ireo, tamin’ny andron’i Charles Darwin. Gaga izy hoe mandova ny toetra na bikan’ny ray aman-dreny ny zanaka. Zava-mitranga ao anatin’ny sela no mahatonga izany, saingy mbola tsy tena fantany. Efa am-polony taona izao ny mpahay siansa no nandinika ny ADN, ilay molekiola mahavariana ao anaty sela. Ao amin’ny ADN no misy ny fanazavana na toromarika rehetra momba ny vatan’ny olona iray, anisan’izany ny toetra na bika tahafiny avy amin’ny ray aman-dreniny. Nisy ho azy ve anefa ireny fanazavana ireny?
Inona no lazain’ny mpahay siansa maro? Mino izy ireo fa nisy zavatra maromaro nitranga ho azy fahiny, ka izany no nampisy ny ADN sy ireo fanazavana ao anatiny. Lazainy fa tsy hita amin’ny firafitr’io molekiola io, na amin’ny fanazavana ao anatiny, na amin’ny fomba fiasany hoe nisy namorona izy io.17
Inona no lazain’ny Baiboly? Resahiny fa Andriamanitra no namorona ny vatantsika, ary toy ny hoe nosoratany tao anaty boky iray ny mombamomba azy io sy ny fotoana niforonany. Hoy i Davida Mpanjaka tamin’Andriamanitra: “Nahita ahy ny masonao na dia mbola vao niforona aza aho. Ary voasoratra tao amin’ny bokinao ny faritra rehetra amin’izay ho vatako sy ny andro hiforonan’ireny, nefa mbola tsy nisy akory ireny, na iray aza.”—Salamo 139:16.
Inona no tena marina? Raha marina fa nisy ho azy ny ADN, dia tokony mba hanana porofo marim-pototra ihany ireo milaza izany. Raha marina kosa hoe nisy namorona ny ADN, dia tokony hiharihary izany rehefa jerena izy io. Tokony ho hita fa tena manan-tsaina sy mahay mandamin-javatra ilay namorona azy.
Rehefa hazavaina tsotsotra ny mombamomba ny ADN dia mora azo ihany. Tena mahavariana izy io! Andeha isika izao hijery ny ao anatin’ny selan’ny
olombelona. Aoka hatao hoe miditra ao amin’ny tranobe iray natao hampahafantarana momba ny sela ianao. Toy ny hoe miditra ao anatin’ny sela mihitsy ianao rehefa mankao, saingy sela nohalehibeazina avo 13 000 000 heny. Mitovy habe amin’ny kianja mitafo mahazaka olona 70 000 eo ho eo ilay izy.Gaga ianao fa feno zavatra tsy fahita ao amin’ilay sela. Eo afovoany no misy ny vihy. Boribory ilay izy ary 65 metatra ny haavony. Iny ianao fa mankeny.
Mitsofoka ao amin’ilay vihy ianao, ary mijerijery ny manodidina. Krômôzôma no tena betsaka ao, ary 46 ny isany. Miaraka tsiroaroa izy ireo, ary izay mitovy halava sy bika no miaraka. Mirefy 39 metatra ilay eo akaikinao (1). Somary kely ny eo afovoan’ny krômôzôma tsirairay. Toy ny saosisy no fijery azy, nefa ngezabe toy ny vatan-kazo. Misy bandy mihorongorona eo aminy. Dinihinao akaiky ilay bandy, ka hitanao hoe misy tsipika mitsangana eo aminy. Misy tsipika mitsivalana indray eo amin’ny tsipika tsirairay mitsangana (2). Toy ny boky mifanaingina tsara no fijery azy. Tsy boky anefa ireo fa zavatra toy ny tady mihorongorona, izay mifanety kely nefa milamina. Misintona iray aminy ianao ary gaga fa hay amin’iny tady iny mbola misy zavatra mifanety kely sy mihorongorona tsara koa (3). Misy kofehy eo amin’izy ireo, ary io kofehy io no tena horesahintsika.
ILAY MOLEKIOLA MAHAVARIANA
Mbola ao amin’ilay tranobe ihany ianao izao, ary mijery an’ilay kofehy. Mirefy 2,6 santimetatra eo ho eo ny hateviny. Mihorongorona eo amin’ny zavatra toy ny bôbinina izy io ary tsy migoragora (4). Efa misy zavatra mampikambana azy koa ireo bôbinina. Misy fitaovana elektronika eo akaiky eo manazava fa tena milamina tsara io kofehy io. Raha henjaninao izy io, dia hitovy amin’ny antsasaky ny manodidina ny tany ny halavany. *
Milaza ny boky iray momba ny siansa fa “tena miavaka” ilay kofehy satria milamina be.18 Tsy nisy nandamina ve izy io, aminao? Andeha hatao hoe misy fivarotana lehibe ahitana entana an-tapitrisany. Milamina tsara izy rehetra ka mora hita izay entana tadiavina. Tsy maintsy hiaiky ianao hoe nisy nandamina izy io. Mbola milamina lavitra noho io fivarotana io anefa ilay kofehy.
Asaina mandray an’ilay kofehy ianao izao, mba hahitanao tsara an’ilay izy (5).
Hafakely izy io satria toy ny tohatra miolakolaka (6). Mitovy ny elanelan’ireo zanatohatra kely eo aminy. Eo ianao vao tonga saina. Hay ADN iny an-tananao iny! Iray amin’ireo zavatra saro-pantarina indrindra eto an-tany izy io!Ao anaty krômôzôma àry no misy ny ADN. Mihorongorona eo amin’ny zavatra toy ny bôbinina izy io. Efa misy zavatra mampikambana azy ireo bôbinina ireo. Inona kosa no asan’ireo zanatohatra eo amin’ny ADN (7)?
KELY NEFA MAHATAHIRY FANAZAVANA BE
Mila mahafantatra tsara an’ireo zanatohatra ireo ianao, mba hahalalanao momba ny ADN. Tsy inona izy ireo fa zavatra simika efatra atao hoe A, T, G, ary C (adénine, thymine, guanine, ary cytosine). Mandeha tsiroaroa izy ireo, ka ny A sy T foana no miaraka, ary ny G sy C. Fantaro fa afaka mizara roa manaraka ny lavany ilay tohatra. Rehefa mizara izy, dia misaraka amin’ny A ny T, ary misaraka amin’ny G ny C. Gaga ny mpahay siansa fa amin’ny alalan’ireo zavatra simika ireo no ampitan’ny ADN ny toromarika ao aminy.
Asa raha fantatrao fa rehefa nanoratra telegrama ny olona taloha, dia tsipika sy teboka fotsiny no nampiasainy. Nahalaza teny sy fehezanteny be dia be anefa *
ireo. Azo oharina amin’izany ny ADN. Ny A, T, G, ary C ihany no ampitana toromarika avy ao. Rehefa samy miaraka amin’ny namany avy anefa ireo, dia manome “teny”, na ampahana toromarika momba izay zavatra tokony hiforona ao amin’ny vatanao. Ireo “teny” ireo mitambatambatra no manome fototarazo, na toromarika feno. Misy 27 000 eo ho eo ny fitambaran’ny A, T, G, ary C ao amin’ny fototarazo tsirairay. Fitambarana fototarazo kosa no manome krômôzôma iray. Ary krômôzôma 23 no manome zenôma (génome) iray. Ao amin’ny zenôma no misy ny toromarika momba ny vatanao manontolo.Raha adika ao anaty boky ny toromarika ao amin’ny zenôma, dia hahavitana boky be dia be. Ahitana “litera” na zavatra simika 6 000 tapitrisa eo ho eo (3 000 000 000 x 2, satria miaraka tsiroaroa) ao amin’ny zenôman’ny olombelona.19 Raha tsy boky 1 000 pejy mahery miisa 428 tsy ho antonona ny toromarika ao amin’ny zenôma iray. Mahafeno boky 856 àry ny toromarika ao amin’ny zenôma roa. Raha asaina manoratra izany toromarika izany ianao, dia tsy hahavita raha tsy afaka 80 taona eo ho eo, na manoratra isan’andro aza!
Mazava ho azy fa tsy hila an’ilay zavatra nadikanao akory ny vatanao. Ahoana tokoa moa no hampidiranao boky aman-jatony ao anatin’ny selanao tsirairay, nefa izy ireo bitika kely sady miisa 100 tapitrisa tapitrisa? Tsy ho vitanao mihitsy izany!
Hitantsika teo aloha fa ao amin’ny ADN no misy ny fototarazo, na ny toromarika nahavitana ny vatanao manontolo. Misy toromarika feno ao amin’ny sela tsirairay. Hoy ny manam-pahaizana iray: “Zavatra iray santimetatra toratelo eo ho eo fotsiny dia antonona ADN iray grama efa nohamainina. Raha tsy CD [kapila mangilatra] tokony ho iray tapitrisa tapitrisa anefa tsy antonona ny toromarika ao anatin’ireo ADN ireo.”20 Tena feno fanazavana ny ADN. Eran’ny sotrokely aminy fotsiny dia efa ahavitana olona be dia be, izany hoe avo 350 heny amin’ny isan’ny olona eran-tany. Ampahany faran’izay kely dia kely amin’izany kosa no nilaina nanamboarana ireo olona fito arivo tapitrisa eto an-tany.21
TSY NISY NAMORONA TOKOA VE?
Efa mahavita fitaovana elektronika kely afaka mitahiry fanazavana be dia be izao ny manam-pahaizana. Tsinontsinona anefa ireny raha mitaha amin’ny ADN. Na izany aza, dia azo oharina amin’ny CD ihany ny ADN. Boribory tsara sy mangirana ary mora ampiasaina ny CD. Hita mihitsy hoe manam-pahaizana no nanao azy. Aoka hatao hoe misy
fanazavana ao anatiny. Tsy hoe fanazavana tsy misy dikany anefa, fa toromarika mazava tsara sy amin’ny an-tsipiriany mahakasika ny fomba hamoronana sy hikojakojana milina iray. Tsy miova ny lanjan’ilay CD na ny habeny, na dia feno toromarika aza ao anatiny. Rehefa mahita an’ilay toromarika ianao, hieritreritra ve ianao hoe nisy ho azy izy io? Sa kosa nisy namorona?Mety tsara ny mampitaha ny ADN amin’ny CD na boky. Hitantsika teo fa ao amin’ny zenôma no misy ny ADN. Nanazava ny mpanoratra iray fa tena toy ny boky mihitsy ny zenôma, satria mitahiry fanazavana. “Miavaka anefa izy io satria afaka manao fotokopia ny tenany sady afaka mampita ny fanazavana ao aminy, rehefa ilaina izany.”22 Hiresaka momba izany isika izao.
MILINA TSY MITSAHATRA MIASA
Aoka hatao hoe mbola ao anatin’ilay tranobe ianao. Lasa saina ianao hoe: ‘Mba mihetsika ihany àry ve ireo zavatra ao anatin’ny vihin’ny sela ireo?’ Mahita boaty fitaratra ianao, ary misy ADN nohalehibeazina ao anatiny. Misy soratra eo ambonin’ilay boaty hoe: “Tsindrio ity Bokotra Ity.” Misy bokotra mantsy eo akaiky eo. Nopotserinao ilay izy, ary nisy fitaovana elektronika nanazava hoe: “Zavatra roa, fara fahakeliny, no mitranga amin’ny ADN. Voalohany, tsy maintsy manao ADN mitovy aminy izy mba samy hisy ADN ny sela vaovao rehetra. Jereo ny fomba anaovany izany.”
Iny fa misy milina be pitsiny mipoitra avy eo amin’ny sisin’ilay boaty. Toy ny robots maromaro mifampitohitohy izy io. Manatona an’ilay ADN izy, ary mandeha eo amboniny, toy ny fiarandalamby manaraka lalamby. Mandeha haingana be izy io, ka tsy tazanao tsara izay ataony. Hitanao anefa hoe lasa roa ilay ADN teo, fa tsy iray intsony.
Izao no tohin’ilay fanazavana: “Izay no mitranga rehefa misy ADN vaovao miforona. Fampisehoana tsotsotra ihany anefa iny. Anzima maromaro, raha ny marina, ireo robots ireo. Mankeo ambonin’ilay ADN izy ireo, ary zarainy roa manaraka ny lavany izy io. Samy anamboarany vadiny avy ireo ilany roa nisaraka. Nisy tsipiriany tsy tazantsika anefa teo. Anzima kely, ohatra, no nanasaraka haingana an’ilay ADN. Nitsofoka tao anaty anzima hafa ny ilany roa tamin’ilay ADN avy eo, ary mora taminy izany satria efa nizara roa izy. Nisy koa ny zavatra nifandiso, ka nila nahitsy imbetsaka. Hita sy voahitsy tsara foana anefa ireny diso ireny.”—Jereo ny sary eo amin’ny“Hitantsika teo fa mandeha haingana be ireo anzima. Mahavita mamakivaky zanatohatra 100 eo ho eo isan-tsegondra izy ireo, izany hoe toy ny fiarandalamby mandeha 80 kilaometatra mahery isan’ora.23 Mbola avo folo heny noho izany aza ny hafainganam-pandehan’ny anzima ao amin’ny bakteria! Misy anzima maro be miara-miasa ao anatin’ny selan’ny olombelona. Toerana samy hafa eo amin’ny ADN no iasan’izy ireo. Ao anatin’ny adiny valo monja dia efa mahavita manao kopia ny zenôma manontolo izy ireo.”24—Jereo ilay efajoro “ Afaka Mampita Fanazavana sady Azo Atao Kopia,” eo amin’ny pejy 20.
AHOANA NO AMPITANA AN’IREO TOROMARIKA?
Mbola mijery an’ilay boaty ianao izao. Iny fa miala moramora ilay milina, ary misy hafa indray mipoitra. Miadana kokoa ny fandehany. Miditra ao amin’izy io ilay ADN ary avy eo mivoaka, saingy tsy miova. Iny anefa fa misy zavatra lavalava toy ny ilana ADN mivoaka avy ao amin’ny lavaka hafa amin’ilay milina. Fa inona no nitranga?
Mitohy ihany ilay fanazavana hoe: “Hitantsika eto ny zavatra faharoa mitranga eo amin’ny ADN. Tsy inona izany fa ny fomba ampitany an’ireo toromarika ao aminy. Tsy mivoaka ny vihin’ny sela mihitsy ny ADN. Tody any amin’ny ribôzôma foana anefa ny toromarika avy ao, izany hoe ny fototarazo, ka ampiasaina hanamboarana ny proteinina rehetra ilain’ny vatantsika. Ahoana no ahatongavan’ireo toromarika any amin’ny ribôzôma? Fantatry ny anzima hoe inona no fototarazo ilaina, satria efa misy zavatra simika manoro azy an’izany. Mamonjy an’io fototarazo io ilay anzima, ary mampiasa molekiola atao hoe ARN mba
hanao kopia azy io. Mitovitovy amin’ny ilany iray amin’ny ADN ny ARN. Rehefa vitany ilay kopia, dia miala ao amin’ny vihin’ny sela izy, ary mitondra izany any amin’ny ribôzôma. Iny toromarika iny no anamboarana proteinina.”Gaga ianao nijery an’ireo zavatra naseho anao tao amin’ilay tranobe. Niaiky ianao fa tena nahay izay namorona an’ireo milina tao. Ny milina sasany ihany anefa no hitanao nihetsika. Ahoana kosa raha izy rehetra mihitsy no nihetsika, ka hitanao indray miaraka ireo zava-mitranga an’aliny ao amin’ny selan’ny olombelona? Tena hahavariana izany!
Izany indrindra anefa izao no mitranga ao anatin’ireo sela 100 tapitrisa tapitrisa ao amin’ny vatanao. Mampita toromarika any ivelan’ny vihy ny ADN, mba hanamboarana an’ireo proteinina ana hetsiny ilain’ny vatanao. Avy amin’ny proteinina mantsy no ahavitana anzima, tambatsela, taova, sy ny sisa. Misy koa anzima manao kopia ny ADN ao aminao, ary manitsy ireo diso eo aminy, mba ho fanazavana mitovy foana no ho tafita any amin’ny sela vaovao.
NAHOANA IZANY NO TSARA HO FANTATRA?
Nisy ho azy àry ve ireny toromarika ao amin’ny ADN ireny? Milaza ny Baiboly fa toy ny hoe voasoratra ao anaty boky ny toromarika momba ny ho toetoetry ny vatan’ny olona tsirairay, ary hery ambony noho ny olombelona no nanoratra azy. Mifanohitra amin’ny siansa na efa lany andro ve izany tenin’ny Baiboly izany?
Eritrereto ange e! Mahavita an’ireo zavatra rehetra tao anatin’ilay tranobe ve ny olombelona? Tsia. Mbola betsaka ny zavatra tsy fantatry ny mpahay siansa momba ny zenôma sy ny fomba fiasany. Mbola tsy fantany daholo koa ny toerana misy ny fototarazo eo amin’ny ADN sy ny asan’izy ireo. Ampahany kely amin’ny ADN anefa ny fototarazo. Ary ahoana ny amin’ilay ampahany tsy misy fototarazo? Nilaza ny mpahay siansa taloha fa tsy ilaina iny ampahany iny. Niova hevitra anefa izy ireo izao. Angamba, hono, ma
nampy ny fototarazo izy io. Andeha hatao hoe vitan’ny mpahay siansa ny manamboatra milina mitovy amin’ny ADN sy ireo anzima miara-miasa aminy. Ho vitany ve ny hampandeha azy ireo toy ilay tena izy? Tsia.Talohan’ny nahafatesany, dia nanoratra toy izao i Richard Feynman, mpahay siansa malaza: “Tsy azoko tsara ny zavatra iray, matoa tsy vitako ny maka tahaka azy.”25 Tena hita hoe nanetry tena izy. Mbola betsaka ny zavatra tsy fantatry ny mpahay siansa momba ny ADN, sady tsy tena hainy ny maka tahaka azy. Misy anefa manizingizina fa nisy ho azy teo izy io. Marina ve izany, raha ireo fanazavana rehetra hitanao teo no jerena?
Miaiky ny mpahay siansa sasany fa nisy namorona ny ADN. Nilaza, ohatra, i Francis Crick fa tena milamina ny ADN ka tsy azo inoana hoe nisy ho azy. Anisan’ireo nahita voalohany izy fa toy ny tohatra miolakolaka ny ADN. Tsy maintsy ho hery ambony noho ny olombelona, hono, no nandefa ny ADN teto an-tany, ka lasa nisy zavamananaina teto.26
Niova hevitra koa ilay filozofa atao hoe Antony Flew, na dia efa tsy nino an’Andriamanitra nandritra ny 50 taona aza. Niaiky izy, tamin’izy 81 taona, fa tsy maintsy ho nisy mpamorona manan-tsaina nanao ny zavamananaina. Inona no nampiova azy? Nandinika ny ADN izy. Nanontaniana izy hoe ahoana raha tsy tian’ny mpahay siansa ny heviny. Namaly izy hoe: ‘Mampalahelo aloha izany e! Fa ny ahy dia izao ihany: Tokony hekena foana ny porofo, rehefa hita hoe tsy azo lavina.’27
Ahoana ny hevitrao? Eritrereto hoe miditra ao amin’ny orinasa iray ianao, ary mahita ordinatera. Izy io no misy ny programa mampandeha ny asa rehetra ao amin’ilay orinasa. Tsy izay ihany fa mandefa toromarika foana io programa io, mba hahafahana manangana milina sy mikojakoja azy. Afaka mamorona programa mitovy aminy koa izy, ary afaka manitsy an’izay diso ao. Raha mahita izany ianao, hieritreritra ve ianao hoe nipoitra ho azy teo ilay ordinatera sy ilay programa? Tsy maintsy ho nisy olona manam-pahaizana sy mahay mandamin-javatra nanao azy ireo. Sa tsy izany?
^ feh. 12 Nampiasa an’izao ohatra izao kosa ny boky iray momba ny sela: Raha manandrana mampiditra an’izany kofehy lava be izany ao anatin’ny vihin’ny sela ianao, dia toy ny hoe manandrana mampiditra kofehy manify kely mirefy 40 kilaometatra ao anaty baolina tenisy. Tsy maintsy ataonao milamina tsara anefa ilay izy, mba tsy hisaringotra mihitsy na any antenatenany aza no sintoninao.
^ feh. 18 Zenôma roa, raha ny marina, no ao amin’ny sela tsirairay, satria 46 ny krômôzôma ao.