Fanahiana
Manahy na miady saina ve ianao satria mahantra, tsy misy sakafo, na tsy manan-kialofana?
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Ft 3:19—Tsy nanan-kialofana i Jeremia mpaminany, hoatran’ny olona maro hafa, rehefa rava i Jerosalema
2Ko 8:1, 2; 11:27—Nahantra be ny Kristianina tany Makedonia. Ny apostoly Paoly indray matetika tsy nihinan-kanina, tsy nanana akanjo, ary tsy nanana toerana hatoriana
Andinin-teny mampahery:
Jereo koa ny De 24:19
Manahy na miady saina ve ianao satria tsy mana-namana, na mahatsiaro ho manirery, na tsy misy mpitia?
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
1Mp 18:22; 19:9, 10—Nieritreritra i Elia mpaminany hoe izy irery ihany sisa no nanompo an’i Jehovah
Je 15:16-21—Nahatsiaro ho irery i Jeremia mpaminany satria naleon’ny olona nifety toy izay nihaino ny hafatra nolazainy
Andinin-teny mampahery:
Tantara mampahery ao amin’ny Baiboly:
1Mp 19:1-19—Nanome sakafo sy rano ho an’i Elia mpaminany i Jehovah, nihaino tsara azy tamin’izy nitantara an’izay nampiady saina azy, ary nampahery azy rehefa nampiseho taminy hoe manan-kery sy afaka manampy azy Izy
Jn 16:32, 33—Fantatr’i Jesosy hoe handao azy ny namany, nefa fantany koa hoe tsy ho irery izy satria ho eo foana i Jehovah