Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anaram-boninahitra

Anaram-boninahitra

Tokony hampiasa anaram-boninahitra ve ny Kristianina mba hanomezam-boninahitra mpitondra fivavahana?

Jn 5:41

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 18:18, 19​—Tsy nanaiky i Jesosy rehefa nantsoina hoe “Mpampianatra Tsara” satria nilaza izy hoe tsy misy tsara afa-tsy i Jehovah

Nahoana ny Kristianina no tsy mampiasa anaram-boninahitra hoe ‘Ray’ na “Mpitarika” rehefa miresaka amin’ny olona?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 23:9-12​—Noraran’i Jesosy ny fampiasana anaram-boninahitra, ohatra hoe ‘Ray’ na “Mpitarika”

    • 1Ko 4:14-17​—Hoatran’ny hoe ray ny apostoly Paoly ho an’ny olona maro be nitoriany, nefa tsy hita ao amin’ny Baiboly mihitsy hoe nantsoina hoe Mompera Paoly na ny toy izany izy

Nahoana no mety raha mifampitondra toy ny rahalahy sy anabavy ny Kristianina, ary nahoana no mety raha mifampiantso hoatr’izany ry zareo?

Mt 23:8

Jereo koa ny As 12:17; 18:18; Ro 16:1

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 12:46-50​—Nolazain’i Jesosy hoe aminy dia rahalahiny sy anabaviny izay manompo an’i Jehovah

Ahoana no ahafantarantsika hoe afaka mampiasa anaram-boninahitra isika rehefa miresaka amin’ny mpitondra sy mpitsara ary manam-pahefana hafa?

Ro 13:1, 7; 1Pe 2:17

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 26:1, 2, 25​—Nampiasa anaram-boninahitra ny apostoly Paoly rehefa niresaka tamin’ny mpitondra, ohatra hoe i Agripa sy Festosy