Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Anatra; Famaizana

Anatra; Famaizana

Nahoana no tsara ny mampiasa Baiboly rehefa mananatra sy manafay?

Nahoana isika rehetra no mila tari-dalana sy mila ahitsy?

Inona no mahatonga an’i Jehovah hananatra sy hanafay antsika?

Oh 3:11, 12; He 12:7-9

Jereo koa ny De 8:5; Oh 13:24; Ap 3:19

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Sa 12:9-13; 1Mp 15:5; As 13:22​—Na dia nanao fahotana lehibe aza i Davida Mpanjaka, dia nananatra azy tamim-pitiavana i Jehovah ary namela ny helony

    • Jo 1:1-4, 15-17; 3:1-3​—Nanafay an’i Jona mpaminany i Jehovah noho izy tsy nety nankany amin’ilay toerana nanendrena azy. Tsy kivy taminy anefa i Jehovah fa mbola naniraka azy ihany

Nahoana isika no tsy tokony hanamaivana ny fananaran’i Jehovah sy ny famaizany?

Inona no ho vokany raha tsy raharahiana ny fananaran’i Jehovah sy ny famaizany?

Oh 1:24-26; 13:18; 15:32; 29:1

Jereo koa ny Je 7:27, 28, 32-34

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Je 5:3-7​—Nanamafy fo ny vahoakan’i Jehovah dia tsy nanaiky hiova. Vokatr’izany, dia nofaizin’i Jehovah mafy kokoa ry zareo

    • Ze 3:1-8​—Nahita loza ny mponin’i Jerosalema satria tsy nanaiky ny famaizan’i Jehovah

Nahoana no mahasoa antsika ny fananaran’i Jehovah sy ny famaizany?

Oh 4:13; 1Ko 11:32; Tit 1:13; He 12:10, 11

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • De 30:1-6​—Noresahin’i Mosesy hoe inona avy ny fitahiana ho azon’ireo manaiky ny fananaran’i Jehovah sy ny famaizany

    • 2Ta 7:13, 14​—Nolazain’i Jehovah tamin’i Solomona Mpanjaka ny soa ho azon’izay manaiky famaizana

Nahoana no tsara raha miana-javatra avy amin’ny famaizana azon’ny hafa isika?

Nahoana isika no tsy tokony ho faly rehefa misy mahazo fananarana na famaizana mafy?

Inona no tsy maintsy ataontsika raha tiantsika ny handray soa avy amin’ny fananarana sy famaizana ary torohevitra omen’Andriamanitra?

Js 1:8; Jk 1:25

Jereo koa ny De 17:18, 19; Sl 119:97

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Ta 22:11-13​—Nilaza tamin’i Solomona zanany i Davida Mpanjaka hoe hotahin’i Jehovah izy raha manaraka tsara foana ny tari-dalany

    • Sl 1:1-6​—Mampanantena i Jehovah hoe hotahiny izay mamaky sy misaintsaina ny lalàny

Nahoana no be fitiavana ny ray aman-dreny raha mananatra sy manafay ny zanany?

Jereo ilay hoe “Ray Aman-dreny

Inona no tokony hataon’ny ankizy rehefa mananatra sy manafay azy ny ray aman-dreniny?