Fampaherezana
Nahoana ny mpanompon’Andriamanitra no tokony hifampahery?
Is 35:3, 4; Kl 3:16; 1Te 5:11; He 3:13
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Ta 32:2-8—Nampahery ny vahoaka i Hezekia Mpanjaka, rehefa nisy nanafika ry zareo
-
Da 10:2, 8-11, 18, 19—Nisy anjely nampahery an’i Daniela mpaminany be taona tamin’izy tsy nisy hery intsony
-
Nahoana no tian’i Jehovah hampahery ny hafa ny anti-panahy?
Jereo koa ny Mt 11:28-30
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
De 3:28; 31:7, 8—Nasain’i Jehovah hampahery sy hanatanjaka an’i Josoa i Mosesy mpaminany, satria ho lasa mpitarika ny vahoakan’Israely i Josoa
-
As 11:22-26; 14:22—Nampahery ny Kristianina tany Antiokia ny apostoly Paoly sy Barnabasy, rehefa nisy fanenjehana
-
Nahoana no ilaintsika ny midera ny hafa raha tiantsika ny hampahery azy?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Mpts 11:37-40—Nitsidika an’ilay zanakavavin’i Jefta isan-taona ny tovovavy teo amin’ny Israely mba hidera azy noho izy nahafoy tena
-
Ap 2:1-4—Na dia nila nanitsy an’ireo Kristianina tany Efesosy aza i Jesosy, dia nidera an-dry zareo ihany izy noho ny zavatra tsara nataon-dry zareo
-
Ahoana no fomba ampaherezantsika ny mpiara-manompo?
Oh 15:23; Ef 4:29; Fi 1:13, 14; Kl 4:6; 1Te 5:14
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Sa 23:16-18—Mpinamana be i Jonatana sy Davida, na dia zandriny be aza i Davida. Nitady an’i Davida i Jonatana mba hampahery azy, rehefa fantany hoe niatrika zava-tsarotra i Davida
-
Jn 16:33—Nampahery ny mpianany i Jesosy rehefa nampahatsiahy azy ireo hoe ho afaka handresy hoatr’azy koa
-
As 28:14-16—Tamin’ny apostoly Paoly handeha hotsaraina tany Roma, dia nahazo hery izy raha vao nahita an’ireo rahalahy tonga avy lavitra mba hampahery azy
-
Nahoana no tsy tokony ho be menomenona sy tsy manaja isika?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
No 11:10-15—Kivy be i Mosesy mpaminany rehefa be menomenona sy tsy nankatò ny vahoakan’Israely
-
No 13:31, 32; 14:2-6—Nahakivy ny vahoaka ny tenin’ireo mpitsikilo folo lahy, ka nahatonga an-dry zareo hikomy
-
Nahoana no mampahery antsika ny mifanerasera amin’ny mpiara-manompo?
Oh 27:17; Ro 1:11, 12; He 10:24, 25; 12:12
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Ta 20:1-19—Novorin’i Josafata Mpanjaka ny vahoaka mba hivavaka tamin’i Jehovah, rehefa nisy tafika lehibe tonga hiady tamin-dry zareo
-
As 12:1-5, 12-17—Nivory mba hivavaka ny fiangonana tao Jerosalema, rehefa avy novonoina ho faty ny apostoly Jakoba ary nogadraina ny apostoly Petera
-
Nahoana no manampy antsika hiaritra fa tsy ho kivy ny misaintsaina ny fanantenantsika, rehefa miatrika zava-tsarotra?
As 5:40, 41; Ro 8:35-39; 1Ko 4:11-13; 2Ko 4:16-18; 1Pe 1:6, 7
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ge 39:19-23; 40:1-8—Tsy nivadika mihitsy i Josefa ary vonona hanampy ny hafa foana, na dia nendrikendrehina sy nogadraina tsy ara-drariny aza
-
2Mp 6:15-17—Tsy natahotra i Elisa mpaminany rehefa nisy tafika lehibe tonga hisambotra azy, ary nivavaka izy mba tsy hatahotra koa ilay mpanompony
-
Afaka mampahery antsika ny Baiboly
Inona no toky omen’i Jehovah antsika?
Nahoana no mampahery antsika ny misaintsaina hoe manam-paharetana sy mamindra fo i Jehovah?
Ahoana no anampian’i Jehovah an’izay kely hery?
Sl 46:1; Is 12:2; 40:29-31; Fi 4:13
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Sa 1:10, 11, 17, 18—Nihaino ny vavaka nataon’i Hana i Jehovah dia nanampy azy ho tony, tamin’izy nalahelo sy niady saina
-
1Mp 19:1-19—Nanome sakafo sy rano an’i Elia mpaminany i Jehovah rehefa kivy izy. Nampahery sy nampionona azy koa i Jehovah rehefa nampanantena azy hoe mbola hiova ny toe-javatra
-
Nahoana no mahatonga antsika ho be herim-po ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly?
2Ta 15:7; Sl 27:13, 14; He 6:17-19; 12:2
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Jb 14:1, 2, 7-9, 13-15—Na dia kivy be aza i Joba, dia nampionona azy ny nahafantatra hoe mbola hatsangan’i Jehovah amin’ny maty izy
-
Da 12:13—Nampahery an’i Daniela mpaminany, izay efa ho 100 taona tamin’izay, ny nilazan’ny anjely iray taminy fa hahazo valisoa izy amin’ny hoavy
-
Nahoana no mampahery antsika ny mivavaka amin’i Jehovah sy ny misaintsaina momba azy?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Sa 30:1-9—Nivavaka tamin’i Jehovah i Davida Mpanjaka tamin’izy niatrika olana lehibe, ka nahazo hery
-
Lk 22:39-43—Nitalaho mafy tamin’i Jehovah i Jesosy tamin’izy efa hiatrika an’ilay fitsapana mafy indrindra taminy, dia nandefa anjely iray hampahery azy i Jehovah
-
Nahoana no mampahery antsika ny maheno tatitra tsara sy ny mizara an’ilay izy amin’ny hafa?