Fanao Ratsy
Inona avy ny fanao ratsy tokony hohalavirin’ny Kristianina?
Ady; herisetra
Jereo koa ny 1Ti 3:2, 3; Tit 1:7
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ek 21:22-27—Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia tokony hosazina izay lehilahy nandratra olon-kafa satria nahery setra
-
Fety tsy voafehy
Fitondran-tena tsy misy henatra; fahalotoana; fijangajangana; fanitsakitsaham-bady
Jereo ilay hoe “Fijangajangana”
Mamo; misotro tafahoatra
Oh 20:1; 23:20, 29-35; 1Ko 5:11; 6:9, 10
Jereo koa ny Ef 5:18; 1Ti 3:8; Tit 2:3; 1Pe 4:3
Jereo koa ilay hoe “Fisotroana”
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ge 9:20-25—Rehefa mamo i Noa, dia nahatonga an’i Hama sy Kanana zanak’i Hama hanao fahotana lehibe izany
-
Da 5:1-6, 30—Rehefa mamo i Belsazara Mpanjaka dia nanambanimbany an’i Jehovah, ka nitondra loza ho an’ny tenany sy ny fanjakany
-
Mamono olona
Jereo koa ny Mt 5:21, 22; Mr 7:21
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Ge 4:4-16—Na dia nanoro hevitra an’i Kaina tamim-pitiavana aza i Jehovah, dia mbola namono an’i Abela rahalahiny ihany i Kaina
-
1Mp 21:1-26; 2Mp 9:26—Tsy nety afa-po tamin’izay nananany i Ahaba Mpanjaka sy Jezebela vadiny, dia nanao izay hamonoana ho faty an’i Nabota sy ny zanany lahy
-
Mampisy fisaratsarahana; manangana sekta
Ro 16:17; Ga 5:19, 20; Tit 3:10, 11; 2Pe 2:1
Jereo koa ny As 20:29, 30; 1Ko 1:10-12; Ap 2:6, 15
Manao an-keriny
Sl 62:10; 1Ko 5:10, 11; 6:9, 10
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Je 22:11-17—Nomelohin’i Jehovah i Saloma (Joahaza) Mpanjaka satria nanao an-keriny sy nanao fahotana lehibe hafa
-
Lk 19:2, 8—Nibebaka i Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra, ka nampanantena hoe hanonitra an’izay nalainy an-keriny
-
As 24:26, 27—Nanantena i Feliksa Governora hoe homen’ny apostoly Paoly vola, fa tsy nety nanome i Paoly
-
Mandainga; manendrikendrika
Jereo ilay hoe “Mandainga”
Mandainga; tsy mitana ny teniny
Jereo ilay hoe “Mandainga”
Mandokadoka
Jb 32:21, 22; Sl 5:9; 12:2, 3; Oh 26:24-28; 29:5
Jereo koa ny Oh 28:23; 1Te 2:3-6
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Lk 18:18, 19—Tsy nanaiky hodokadokafana i Jesosy
-
As 12:21-23—Nanota i Heroda Agripa Mpanjaka rehefa nanaiky hodokadokafan’ny vahoaka, tamin-dry zareo niteny hoe andriamanitra izy. Novonoin’Andriamanitra ho faty àry izy
-
Mandrahona
Jereo koa ny Sl 10:4, 7; 73:3, 8
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
As 4:15-21—Nandrahona ny mpianatr’i Jesosy ny Fitsarana Avo Jiosy, amin’izay ry zareo tsy mitory intsony
-
Mandray na manome kolikoly
Ek 23:8; Sl 26:9, 10; Oh 17:23
Jereo koa ny De 10:17; 16:19; Sl 15:1, 5
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Sa 8:1-5—Tsy mba nanaraka ny ohatra tsara nomen’ny rainy ny zanakalahin’i Samoela mpaminany, fa nandray kolikoly sy nanao fitsarana miangatra
-
Ne 6:10-13—Nokaramain’ny mpanohitra i Semaia mpaminany mba hamitaka sy hampitahotra an’i Nehemia Governora, amin’izay ho voasakantsakana ny asan’i Jehovah
-
Maneso
Jereo koa ny Oh 17:5; 22:10; 2Pe 3:3, 4
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Ta 36:15-21—Nofaizina ny vahoakan’Andriamanitra satria nikomy sady naneso an’ireo irak’Andriamanitra ary nihomehy an’ireo mpaminaniny
-
Jb 12:4; 17:2; 21:3; 34:7—Nesoesoina i Joba tamin’izy niaritra ny mafy
-
Manevateva
Jereo koa ny Ek 22:28; Mpto 10:20; Jd 8
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Sa 16:5-8; 1Mp 2:8, 9, 44, 46—Naniratsira an’ilay mpanjaka voahosotr’i Jehovah i Simey dia nahita faisana
-
Mangalatra
Jereo ilay hoe “Mangalatra”
Manompo sampy
Jereo ilay hoe “Fanompoan-tsampy”
Mifamaly
Jereo ilay hoe “Fifamaliana”
Mifaninana
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Mr 9:33-37; 10:35-45—Imbetsaka i Jesosy no nanitsy ny apostoliny noho ry zareo nifaninana mba hahazo toerana ambony
-
3Jn 9, 10—“Te ho lohany” teo amin’ireo rahalahy i Diotrefa
-
Mifosa; midikiditra amin’ny fiainan’olona
Mimenomenona
Jereo koa ny No 11:1
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
No 14:1-11, 26-30—Nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ny Israelita, nefa noraisin’i Jehovah hoe nimenomenona taminy ry zareo
-
Jn 6:41-69—Nimenomenona momba an’i Jesosy ny Jiosy, dia lasa tsy nanaraka azy intsony ny mpianany sasany
-
Mirehareha
Jereo ilay hoe “Fireharehana”
Resaka na vazivazy vetaveta
Sary Vetaveta
Jereo ilay hoe “Sary Vetaveta”
Tendan-kanina
Jereo koa ny Lk 21:34, 35
Tsy manaja ny fahamasinan’ny ra
Ge 9:4; De 12:16, 23; As 15:28, 29
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Sa 14:32-34—Nanota tamin’i Jehovah ny Israelita rehefa nihinana biby tsy nalatsa-dra
-