Fanetren-tena
Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona manetry tena sy ny olona manambony tena?
Sl 138:6; Oh 15:25; 16:18, 19; 22:4; 1Pe 5:5
Jereo koa ny Oh 29:23; Is 2:11, 12
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Ta 26:3-5, 16-21—Lasa nirehareha i Ozia Mpanjaka dia nandika ny Lalàn’Andriamanitra. Tezitra be anefa izy rehefa notenenin’ny mpisorona hoe tsy mety ny nataony. Nofaizin’Andriamanitra àry izy dia lasa boka
-
Lk 18:9-14—Nohazavain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray hoe ahoana no fiheveran’i Jehovah ny vavaka ataon’ny olona manambony tena sy ny olona manetry tena
-
Ahoana no ataon’i Jehovah raha manetry tena sy mibebaka amin’ny fo manontolo ny olona iray?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Ta 12:5-7—Nanetry tena i Rehoboama Mpanjaka sy ny andrianan’ny Joda ka nanaiky ny tenin’i Jehovah dia nibebaka. Tsy naringan’i Jehovah àry ry zareo
-
2Ta 32:24-26—Mpanjaka tsara i Hezekia nefa lasa nirehareha. Namela ny helony anefa i Jehovah rehefa nanetry tena izy
-
Nahoana no manampy antsika hifandray tsara kokoa amin’ny hafa ny fanetren-tena?
Ef 4:1, 2; Fi 2:3; Kl 3:12, 13
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ge 33:3, 4—Tezitra be tamin’i Jakoba i Esao rahalahiny, nefa nanetry tena be i Jakoba rehefa nihaona taminy tatỳ aoriana. Dia lasa nihavana indray ry zareo
-
Mpts 8:1-3—Nanetry tena i Gideona Mpitsara ka nilaza tamin’ny lehilahy efraimita hoe ry zareo no nahavita zavatra kokoa noho izy, dia lasa tsy tezitra intsony ry zareo ka tsy niady taminy indray
-
Ahoana no nanasongadinan’i Jesosy hoe zava-dehibe ny manetry tena?
Mt 18:1-5; 23:11, 12; Mr 10:41-45
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Is 53:7; Fi 2:7, 8—Araka ny voalazan’ny faminaniana, dia nanetry tena i Jesosy ka nanaiky hidina tetỳ an-tany sy ho faty na dia hampijalijalina sy halana baraka aza
-
Lk 14:7-11—Nilaza fanoharana momba ny olona omena ny toerana tsara indrindra ao amin’ny fanasambe iray i Jesosy, mba hanasongadinana hoe mahasoa antsika ny manetry tena
-
Jn 13:3-17—Nanetry tena i Jesosy ka nanasa ny tongotry ny mpianany na dia asan’ny mpanompo aza izany. Nanome modely ho an-dry zareo izy tamin’izany
-
Nahoana no manampy antsika hanetry tena ny miezaka manahaka ny fiheveran’i Jehovah antsika sy ny olon-kafa?
Nahoana no tsy mahasoa ny hoe mody manetry tena?