Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanompoana An’i Jehovah

Fanompoana An’i Jehovah

Iza irery ihany no tokony hivavahantsika sy hotompointsika?

Ek 34:14; De 5:8-10; Is 42:8

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 4:8-10​—Nilaza i Satana hoe homeny an’i Jesosy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany izy. Tsy nanaiky anefa i Jesosy satria tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah irery ihany

    • Ap 19:9, 10​—Tsy nanaiky ny anjely mahery iray rehefa nitady hiankohoka teo anatrehany ny apostoly Jaona

Ahoana no tian’i Jehovah hanompoantsika azy?

Jn 4:24; Jk 1:26, 27

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Is 1:10-17​—Tsy ankasitrahan’i Jehovah ny olona milaza ho manompo azy nefa tsy manaraka ny fitsipiny

    • Mt 15:1-11​—Nilaza i Jesosy hoe tsy tian’i Jehovah raha ny fomban-drazana fa tsy ny lalàny no arahina rehefa manompo Azy

Raha mbola azo atao koa, dia tokony hanompo an’i Jehovah miaraka amin’iza isika?

He 10:24, 25

Jereo koa ny Sl 133:1-3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 2:40-42​—Niaraka nivory ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany mba hivavaka, hifampahery, ary handray ny fampianaran’ny apostoly

    • 1Ko 14:26-40​—Nilaza ny apostoly Paoly hoe tokony hilamina tsara sy hampahery ny fivorian’ny fiangonana, amin’izay ho afaka hianatra sy hahazo an’izay ampianarina ny rehetra

Inona no tokony hataontsika mba ho azo antoka hoe eken’i Jehovah ny fanompoantsika azy?

Mt 7:21-24; 1Jn 2:17; 5:3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • He 11:6​—Nilaza ny apostoly Paoly hoe mila manam-pinoana isika raha tiantsika hankasitrahan’i Jehovah ny fanompoantsika azy

    • Jk 2:14-17, 24-26​—Nohazavain’i Jakoba, rahalahin’i Jesosy, hoe tokony haseho amin’ny atao ny finoantsika. Manosika antsika hanao zavatra ny finoantsika