Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Feon’ny Fieritreretana

Feon’ny Fieritreretana

Inona no mampiseho hoe nomen’i Jehovah feon’ny fieritreretana daholo ny olona?

Ro 2:14, 15

Jereo koa ny 2Ko 4:2

Mety hanao ahoana ny feon’ny fieritreretan’ny olona iray raha mikiry manao ratsy foana izy?

Ampy ve ny mieritreritra hoe mety ny ataontsika?

Jn 16:2, 3; Ro 10:2, 3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Ta 18:1-3; 19:1, 2​—Tsy hendry i Josafata Mpanjaka satria nanampy an’i Ahaba mpanjaka ratsy fanahy, ka niteny mafy an’i Josafata i Jehovah

    • As 22:19, 20; 26:9-11​—Notantarain’ny apostoly Paoly hoe nieritreritra izy taloha hoe mety ny nataony tamin’izy nanenjika sy namono ny mpianatr’i Kristy

Ahoana no atao mba ho voaofana tsara ny feon’ny fieritreretana?

2Ti 3:16, 17; He 5:14

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 24:2-7​—Nahatonga an’i Davida hanaja an’i Saoly Mpanjaka, ilay voahosotr’i Jehovah, ny feon’ny fieritreretany

Ahoana no hahatonga ny olona mpanota hanana feon’ny fieritreretana madio eo imason’Andriamanitra?

Ef 1:7; He 9:14; 1Pe 3:21; 1Jn 1:7, 9; 2:1, 2

Jereo koa ny Ap 1:5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Is 6:1-8​—Nanome toky an’i Isaia mpaminany i Jehovah hoe ho voavela ny helony

    • Ap 7:9-14​—Azo lazaina hoe madio eo anatrehan’i Jehovah ireo anisan’ny vahoaka be satria nanadio an-dry zareo ho afaka amin’ny ota ny ran’i Kristy

Nahoana isika no tokony hihaino ny feon’ny fieritreretantsika voaofana hanaraka ny Tenin’Andriamanitra?

As 24:15, 16; 1Ti 1:5, 6, 19; 1Pe 3:16

Jereo koa ny Ro 13:5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 2:25; 3:6-13​—Tsy nanaraka ny feon’ny fieritreretany i Adama sy Eva, dia lasa nahatsiaro ho menatra satria tsy nankatò an’Andriamanitra

    • Ne 5:1-13​—Tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra sy nitaky zana-bola be loatra ny Jiosy, dia nampisaintsaina an-dry zareo i Nehemia Governora mba hampiasa ny feon’ny fieritreretany

Fa maninona isika no tokony hitandrina mba tsy hanafintohina ny feon’ny fieritreretan’ny mpiara-manompo?

Tiantsika hanao ahoana ny feon’ny fieritreretantsika?