Fiaretana
Mila miaritra ve ny mpanompon’i Jehovah?
Nahoana no efa ampoizintsika hoe hisy olona tsy hiraika na hanohitra mihitsy aza rehefa mitory amin-dry zareo isika?
Mt 10:22; Jn 15:18, 19; 2Ko 6:4, 5
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Pe 2:5; Ge 7:23; Mt 24:37-39—“Mpitory ny fahamarinana” i Noa. Tsy nihaino azy anefa ny olona, dia izy sy ny fianakaviany ihany no tafavoaka velona tamin’ilay Safodrano
-
2Ti 3:10-14—Nilaza tamin’i Timoty ny apostoly Paoly hoe efa niaritra zavatra be dia be nandritra ny fotoana elaela izy, ary nampirisika an’i Timoty mba hiaritra koa
-
Nahoana no efa ampoizintsika hoe mety hisakana antsika tsy hanompo an’i Jehovah ny fianakaviantsika?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ge 4:3-11; 1Jn 3:11, 12—Ratsy fanahy i Kaina dia novonoiny i Abela rahalahiny, izay nanam-pinoana
-
Ge 37:5-8, 18-28—Natsipin’ny rahalahiny tao anaty lavaka i Josefa dia avy eo namidiny ho andevo, satria notantarain’i Josefa tamin-dry zareo ny nofiny avy tamin’i Jehovah
-
Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny ho faty rehefa enjehina?
Jereo koa ny Ap 2:10
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Da 3:1-6, 13-18—Tsy nety niankohoka teo anoloan’ny sampy i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, na dia norahonan’ny mpanjaka hoe hovonoina ho faty aza
-
As 5:27-29, 33, 40-42—Nitory foana ny apostoly, na dia norahonan’ny olona sasany aza hoe hovonoina ho faty raha mbola nitory
-
Inona no hanampy antsika tsy hivadika amin’i Jehovah na dia rehefa mahazo famaizana aza?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
No 20:9-12; De 3:23-28; 31:7, 8—Diso fanantenana i Mosesy mpaminany rehefa nahazo famaizana tamin’i Jehovah. Tsy nivadika hatramin’ny farany anefa izy
-
2Mp 20:12-18; 2Ta 32:24-26—Nanota i Hezekia Mpanjaka dia nahitsin’ny mpaminanin’i Jehovah. Nanetry tena anefa izy dia tsy nivadika mihitsy
-
Nahoana no mety ho sarotra amintsika ny miaritra rehefa misy olona tsy manompo an’i Jehovah intsony?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Sl 73:2-24—Nanjary nisalasala ilay mpanao salamo raha tena mahasoa azy ny manompo an’i Jehovah, rehefa hitany hoe nilamina be ny fiainan’ny ratsy fanahy
-
Jn 6:60-62, 66-68—Be dia be ny olona tsy nanaraka an’i Jesosy intsony, nefa nanam-pinoana ny apostoly Petera dia tapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesosy foana
-
Inona no hanampy antsika hiaritra?
Mifikitra amin’i Jehovah
Mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay vakintsika
Mivavaka amin’i Jehovah matetika, ary mamboraka aminy izay ao am-po
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Da 6:4-11—Nivavaka foana i Daniela mpaminany, na dia nety hahatandindomin-doza ny ainy aza izany
-
Mt 26:36-46; He 5:7—Nivavaka mafy i Jesosy sady nampirisika ny hafa hanao hoatr’izany koa, ny alina farany talohan’ny hahafatesany
-
Miaraka tsy tapaka amin’ny rahalahy sy anabavy mba hanompo an’i Jehovah
Mampifantoka ny saina amin’ny valisoa ampanantenain’i Jehovah
Mampitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo ary ny fahamarinana
Manatanjaka ny finoantsika
Mitadidy hoe faly i Jehovah rehefa mankatò isika
Inona avy ny soa ho azontsika rehefa miaritra sy tsy mivadika isika?
Manome voninahitra an’i Jehovah
Oh 27:11; Jn 15:7, 8; 1Pe 1:6, 7
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Jb 1:6-12; 2:3-5—Nilaza i Satana hoe arovan’i Jehovah ny olona matoa manompo Azy. Tsy maintsy niaritra i Joba mba hanaporofoana hoe mandainga i Satana
-
Ro 5:19; 1Pe 1:20, 21—Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy fa tsy hoatran’i Adama, dia afaka namaly an’izao fanontaniana lehibe izao: Vitan’ny olona lavorary ve ny tsy hivadika mihitsy na dia ampijalina faran’izay mafy aza?
-
Mandrisika ny hafa mba hiaritra
Manampy antsika hahomby amin’ny fanompoana
Lasa ankasitrahan’i Jehovah dia homeny valisoa
Mt 24:13; Lk 21:19; 1Ko 15:58; He 10:36
Jereo koa ny Ro 2:6, 7; Jk 1:12