Fibebahana
Nahoana ny olona rehetra no tokony hibebaka sy hangataka famelan-keloka amin’i Jehovah?
Jereo koa ny As 26:20
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Lk 18:9-14—Nilaza fanoharana i Jesosy mba hanasongadinana hoe tokony hiaiky ny fahotantsika amin’Andriamanitra isika ary hangataka fanampiana aminy
-
Ro 7:15-25—Tena nanam-pinoana ny apostoly Paoly, nefa kivy izy satria mbola nila niady mafy tamin’ny fanirian-dratsiny
-
Inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy mpanota mibebaka?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Lk 15:1-10—Nilaza fanoharana i Jesosy mba hampisehoana hoe faly i Jehovah sy ny anjely rehefa misy mpanota iray mibebaka
-
Lk 19:1-10—Nanambaka olona i Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra. Nibebaka sy niova anefa izy dia namela ny helony i Jesosy
-
Ahoana no ampisehoantsika hoe tena mibebaka isika?
Nahoana no manampy ny olona iray tena mibebaka ny mahalala tsara ny fahamarinana?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
As 17:29-31—Nohazavain’ny apostoly Paoly tamin’ny Atenianina hoe noho ny tsy fahalalana no nahatonga azy ireo hanompo sampy, ka nampirisihin’i Paoly hibebaka izy ireo
-
1Ti 1:12-15—Nanao zavatra tena ratsy be i Paoly, talohan’ny nahalalany ny marina momba an’i Jesosy Kristy. Noho ny tsy fahalalana no nahatonga azy hanao an’izany
-
Nahoana no zava-dehibe ny mibebaka?
Nahoana isika no afaka matoky hoe hamela ny helotsika i Jehovah raha mibebaka isika, na dia manota imbetsaka aza?
Ahoana no ataon’i Jehovah amin’ireo miaiky heloka sy miova?
Jereo koa ilay hoe “Famindram-po”
Ahoana no ahafantarantsika fa ny hoe mibebaka dia tsy midika fotsiny hoe miala tsiny na malahelo amin’izay ratsy natao?
2Ta 7:14; Oh 28:13; Ezk 18:30, 31; 33:14-16; Mt 3:8; As 3:19; 26:20
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
2Ta 33:1-6, 10-16—Nanao zavatra tena ratsy be dia be nandritra ny fotoana ela be i Manase Mpanjaka. Nasehony anefa hoe tena nibebaka izy rehefa nanetry tena, nivavaka foana, ary niova
-
Sl 32:1-6; 51:1-4, 17—Nasehon’i Davida Mpanjaka hoe nibebaka izy rehefa niaiky heloka tamin’i Jehovah sy nangataka taminy mba hamela ny helony, ary nilaza hoe nanenina mafy izy fa nanota tamin’i Jehovah
-
Raha mibebaka ny olona iray nanota tamintsika, nahoana isika no tokony hamela azy?
Mt 6:14, 15; 18:21, 22; Lk 17:3, 4
Jereo koa ilay hoe “Mamela Heloka”