Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Firaisam-pinoana

Firaisam-pinoana

Andriamanitra iray ihany ve no ivavahan’ny olona rehetra?

Ankasitrahan’i Jehovah daholo ve ny fivavahana rehetra, nefa mifanohitra ny zavatra ampianarin-dry zareo?

Mt 7:13, 14; Jn 17:3; Ef 4:4-6

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Js 24:15​—Nilaza i Josoa hoe tsy maintsy mifidy ny olona iray hoe hanompo an’i Jehovah sa hanompo andriamani-kafa

    • 1Mp 18:19-40​—Nasain’i Jehovah nolazain’i Elia mpaminany hoe tsy tokony hivavaka amin’ny andriamani-kafa, ohatra hoe i Bala, ny mpanompon’i Jehovah

Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny andriamanitr’ireo firenena sy ny fivavahana amin’izy ireny?

Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny olona milaza hoe manompo azy nefa sady manao zavatra tsy tiany ihany?

Is 1:13-15; 1Ko 10:20-22; 2Ko 6:14, 15, 17

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ek 32:1-10​—Tezitra be i Jehovah rehefa nanao sarivongana zanak’omby natao hivavahana i Arona, na dia nilaza aza ny vahoaka hoe hankalazana “fety ho an’i Jehovah” ilay izy

    • 1Mp 12:26-30​—Tsy tian’i Jeroboama Mpanjaka ho any amin’ny tempoly tany Jerosalema ny vahoakany, dia nanao sampy izy ka nilaza hoe io no Jehovah. Nahatonga ny vahoaka hanota anefa izany

Inona no nolazain’i Jehovah tamin’ny Israelita momba ny tokony ho fifandraisan’izy ireo tamin’ny olona nivavaka tamin’ny andriamani-kafa?

Ahoana no nataon’i Jehovah rehefa nanompo andriamani-kafa ny vahoakany?

Mpts 10:6, 7; Sl 106:35-40; Je 44:2, 3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 11:1-9​—Voataonan’ny vadiny hafa firenena hanompo andriamani-kafa i Solomona Mpanjaka, ka nahatonga ny olon-kafa hanompo sampy izany. Tezitra be àry i Jehovah

    • Sl 78:40, 41, 55-62​—Notantarain’i Asafa hoe nandratra ny fon’i Jehovah ny Israelita rehefa nikomy sy nanompo sampy, ka nolavin’i Jehovah ry zareo

Neken’i Jesosy ve ny fampianarana tsy nifanaraka tamin’ny Tenin’Andriamanitra?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 16:6, 12​—Nampitovin’i Jesosy tamin’ny lalivay ny fampianaran’ny Fariseo sy Sadoseo, satria mora miely ny fampianaran-diso sady manimba ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra

    • Mt 23:5-7, 23-33​—Nomelohin’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo satria nihatsaravelatsihy sy nampianatra zavatra diso

    • Mr 7:5-9​—Nomelohin’i Jesosy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo satria ny hevitr’olombelona no nampianariny fa tsy ny Tenin’Andriamanitra

Nampirisihin’i Jesosy hizarazara ho antoko sy fiangonana samy hafa ve ny mpianany?

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Jn 15:4, 5​—Nilaza fanoharana momba ny voaloboka i Jesosy mba hanasongadinana hoe tokony ho tafaray foana aminy sy amin’ny Kristianina hafa ny mpianany

    • Jn 17:1, 6, 11, 20-23​—Ny alina farany niarahan’i Jesosy tamin’ny apostoly, talohan’ny namonoana azy, dia nivavaka izy hoe mba ho tafaray daholo ny tena mpanara-dia azy

Nitovy ihany ve ny zavatra ninoan’ireo fiangonana tamin’ny taonjato voalohany sy ny fomba nanompoany an’i Jehovah?

As 16:4, 5; Ro 12:4, 5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • As 11:20-23, 25, 26​—Niara-niasa tsara sy niray saina ireo fiangonana tany Antiokia sy tany Jerosalema

    • Ro 15:25, 26; 2Ko 8:1-7​—Nifankatia sy nifanampy ireo fiangonana tamin’ny taonjato voalohany rehefa tao anatin’ny sarotra. Midika izany hoe niray saina ry zareo

Eken’Andriamanitra ve izay fivavahana milaza hoe mino an’i Jesosy?

Eken’Andriamanitra ve ny fivavahan’ny olona tsy manaraka ny fampianaran’i Kristy sy ny apostoly?

As 20:29, 30; 1Ti 4:1-3

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 13:24-30, 36-43​—Tao amin’ny fanoharana iray nolazain’i Jesosy dia nohariny tamin’ny tsimparifary ny Kristianina sandoka. Nilaza izy hoe ho be dia be ny Kristianina sandoka ka hisy fotoana hahazo vahana eo anivon’ny fiangonana

    • 1Jn 2:18, 19​—Noresahin’ny apostoly Jaona fa efa nisy antikristy be dia be sahady, 100 taona teo ho eo taorian’ny nahaterahan’i Jesosy

Inona no hitranga raha leferina eo anivon’ny fiangonana ny olona mampianatra hevi-diso sy tsy manaraka ny tenin’i Kristy?

Inona no tsy maintsy ataon’ny Kristianina mba hiray saina foana?

Nahoana ny Kristianina no tsy tokony hifandray amin’ny fivavahan-diso?

Nahoana no tsara raha ampahafantarina ny olona hoe diso ny fampianarana sasany?

Nahoana isika no tsy tokony ho gaga raha manohitra sy manenjika antsika ny olona ao amin’ny fivavahan-diso?