Fireharehana
Mihevi-tena ho ambony; manambony tena
Sl 138:6; Oh 16:5, 18; Jk 4:6, 16
Jereo koa ny Oh 21:4
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Es 5:9-14; 7:9, 10—Nihevi-tena ho ambony i Hamana dia tezitra rehefa tsy nety niankohoka teo anatrehany i Mordekay. Tsy niova mihitsy anefa izy dia novonoina tatỳ aoriana
Ezk 28:11-15, 17, 19—Nanambony tena ny mpanjakan’i Tyro satria nanan-karena sy natanjaka, ka ringana tatỳ aoriana
Mirehareha
Jereo koa ny Oh 21:24; Je 9:23, 24
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Mpts 7:1-7—Nasain’i Jehovah nahenan’i Gideona Mpitsara ho 300 lahy ny miaramilany, amin’izay ho hita mazava hoe avy amin’i Jehovah ny fandresena
2Mp 18:28-35—Hita tamin’ny tenin’ilay iraka nalefan’i Sankeriba mpanjakan’i Asyria fa nirehareha izy hoe tsy hahavita hamonjy an’i Jerosalema eo am-pelatanany i Jehovah