Fisotroana
Raran’ny Baiboly ve ny misotro zava-pisotro misy alkaola?
Sl 104:14, 15; Mpto 9:7; 10:19; 1Ti 5:23
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Jn 2:1-11—Nanova rano ho divay i Jesosy tamin’ilay fahagagana voalohany nataony tao amin’ny fampakaram-bady iray, ary tsara ilay divay sady be dia be. Tsy afa-baraka àry ilay mpivady vao
-
Inona no hitranga raha misotro be loatra na mamo isika?
Ahoana no fiheveran’ny mpanompon’Andriamanitra ny fimamoana?
1Ko 5:11; 6:9, 10; Ef 5:18; 1Ti 3:2, 3
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ge 9:20-25—Nisotro divay i Noa dia mamo. Nahatonga ny zafikeliny iray hanao fahotana lehibe izany
-
1Sa 25:2, 3, 36—Lehilahy nasiaka sy tsy nisaina i Nabala, ary nanao zavatra manala baraka, anisan’izany ny hoe mamo be
-
Da 5:1-6, 22, 23, 30, 31—Nisotro divay be loatra i Belsazara Mpanjaka ka nanambanimbany an’i Jehovah Andriamanitra. Novonoina ny alin’iny ihany izy
-
Maninona isika no mila mitandrina sao efa be loatra ny sotrointsika na dia tsy mamo aza isika?
Ahoana no azo anampiana rahalahy na anabavy manana olana amin’ny fisotroana?
Ro 14:13, 21; 1Ko 13:4, 5; 1Te 4:4
Jereo koa ilay hoe “Fifehezan-tena”