Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jesosy Kristy

Jesosy Kristy

Nahoana no miavaka ny fomba ampiasan’i Jehovah an’i Jesosy mba hanatanterahana ny sitrapony?

As 4:12; 10:43; 2Ko 1:20; Fi 2:9, 10

Jereo koa ny Oh 8:22, 23, 30, 31; Jn 1:10; Ap 3:14

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 16:13-17​—Nilaza ny apostoly Petera hoe i Jesosy no Kristy sy Zanak’Andriamanitra

    • Mt 17:1-9​—Nahita an’i Jesosy niova tarehy ny apostoly anankitelo, sady naheno an’i Jehovah niteny avy any an-danitra hoe izy no Zanany

Nahoana i Jesosy no niavaka tamin’ny olona rehetra?

Jn 8:58; 14:9, 10; Kl 1:15-17; 1Pe 2:22

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 21:1-9​—Nanatanteraka faminaniana momba ny Mesia nofidin’i Jehovah ho mpanjaka i Jesosy, tamin’izy nitaingina ampondra niditra tao Jerosalema

    • He 7:26-28​—Nohazavain’ny apostoly Paoly hoe inona no maha ambony kokoa sy tsy mampitovy an’i Jesosy Mpisoronabe amin’ny mpisoronabe hafa rehetra

Inona no ianarantsika momba an’i Jesosy sy ny Rainy avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy?

Jn 3:1, 2; 5:36

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 4:23, 24​—Nasehon’i Jesosy hoe mahery noho ny demonia izy, sady nahavita nanasitrana ny karazan’aretina rehetra

    • Mt 14:15-21​—Nanao fahagagana i Jesosy dia nampitombo mofo dimy sy trondro roa mba hahavoky olona an’arivony

    • Mt 17:24-27​—Nanao fahagagana i Jesosy mba hahazoan’i Petera vola handoavana ny hetran’ny tempoly ka tsy hanafintohina olona

    • Mr 1:40, 41​—Nangoraka lehilahy boka iray i Jesosy dia nanasitrana azy. Hita amin’izany hoe tena te hanasitrana ny marary izy

    • Mr 4:36-41​—Nampitony rivo-mahery i Jesosy. Hita amin’izany hoe nomen’ny Rainy fahefana hifehy ny herin’ny natiora izy

    • Jn 11:11-15, 31-45​—Nitomany i Jesosy rehefa maty i Lazarosy namany. Nanangana azy i Jesosy avy eo. Hita amin’izany hoe tena halany ny fahafatesana sy ny alahelo aterak’izany

Inona no tena nampianarin’i Jesosy?

Inona ny toetra tsara sasany nasehon’i Jesosy tamin’izy teto an-tany? Mariho ireto:

Be fitiavana​—Jn 13:1; 14:31; 15:13; 1Jn 3:16

Be herim-po​—Mt 4:2-11; Jn 2:13-17; 18:1-6

Hendry​—Mt 12:42; 13:54; Kl 2:3

Mora hatonina​—Mt 13:2; Mr 10:13-16; Lk 7:36-50

Nanetry tena​—Mt 11:29; 20:28; Jn 13:1-5; Fi 2:7, 8

Nangoraka; namindra fo​—Mr 5:25-34; Lk 7:11-15

Nankatò​—Lk 2:40, 51, 52; He 5:8

Nahoana i Jesosy no vonona ho faty, ary inona no soa azontsika avy amin’izany?

Nahoana isika no tokony ho faly fa lasa Mpanjaka any an-danitra i Jesosy Kristy?

Sl 72:12-14; Da 2:44; 7:13, 14; Ap 12:9, 10

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 45:2-7, 16, 17​—Resahin’io salamo io hoe handresy ny fahavalony rehetra ilay Mpanjaka nofidin’Andriamanitra, ary hiady mba hisian’ny fahamarinana sy ny fanetren-tena ary ny fahitsiana

    • Is 11:1-10​—Rehefa manjaka i Jesosy, dia ho lasa paradisa hanjakan’ny fiadanana ny tany

Inona no hataon’i Jesosy amin’ny hoavy tsy ho ela?