Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mianatra

Mianatra

Nahoana ny Kristianina no mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka?

Sl 1:1-3; Oh 18:15; 1Ti 4:6; 2Ti 2:15

Jereo koa ny As 17:11

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Sl 119:97-101​—Noresahin’ny mpanao salamo hoe tiany ny lalàn’Andriamanitra ary nahasoa azy ny nankatò an’ilay izy

    • Da 9:1-3, f.a.p.​—Nianatra ny boky masina i Daniela mpaminany, dia lasa takany hoe kely sisa dia hifarana ny 70 taona naha babo ny Israelita tany Babylona

Nahoana isika no mila miezaka mianatra foana?

He 6:1-3; 2Pe 3:18

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Oh 4:18​—Hoatran’ny hazavan’ny maraina izay mihamazava tsikelikely, dia ataon’i Jehovah mihamazava tsikelikely amin’ny olona tia azy koa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly

    • Mt 24:45-47​—Nilaza i Jesosy hoe hanendry “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy, ary hanome sakafo ara-panahy mandritra ny andro farany io mpanompo io

Nahoana ny fahendrena ao amin’ny Baiboly no tsara kokoa noho ny fahendrena ao amin’ny boky nosoratan’ny olombelona?

Inona no ampanantenain’i Jehovah amin’ny olona mianatra Baiboly satria hoe te hampifaly azy?

Inona no tokony hangatahintsika ao amin’ny vavaka, raha tiantsika ny handray soa avy amin’ny fianarana Baiboly?

Nahoana isika no tsy tokony hifidifidy an’izay sakafo ara-panahy omen’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”?

Nahoana isika no tokony hiezaka mba hanana fahalalana marina tsara ary handinika hatramin’ny tsipiriany madinika mihitsy aza?

Nahoana no zava-dehibe ny mahazo fahendrena sy fahiratan-tsaina?

Nahoana isika no tokony hamaky miadana tsara rehefa mamaky Baiboly, ary nahoana isika no tokony hisaintsaina an’izay vakintsika?

Nahoana no tokony hoeritreretintsika ny fomba ampiharana ny Tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika?

Nahoana isika no tokony hisaintsaina ny fomba hanazavantsika amin’ny hafa ny zavatra ianarantsika?

Nahoana no mahasoa antsika ny mamerimberina mianatra fahamarinana lehibe?

2Pe 1:13; 3:1, 2

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • De 6:6, 7; 11:18-20​—Notenenin’i Jehovah ny Israelita mba handentika tsikelikely tao an-tsain’ny zanak’izy ireo ny Lalàny, izany hoe mba hamerimberina an’ilay izy amin’ny zanany

Nahoana no mahasoa ny fianakaviana ny miara-mandinika ny Tenin’Andriamanitra?

Ef 6:4

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 18:17-19​—Nasain’i Jehovah nampianatra ny ankohonany hankatò Azy sy hanao ny tsara i Abrahama

    • Sl 78:5-7​—Tokony hampianatra ny zanany momba an’i Jehovah ny Israelita, dia amin’izay ny taranany hatoky an’i Jehovah

Nahoana ny mahasoa ny miara-mianatra amin’ny fiangonana?

He 10:25

Jereo koa ny Oh 18:1