Mpiandraikitra
Inona avy ny fepetra takina amin’ny anti-panahy ka tokony ho fenony araka ny antonony?
Tokony ho modely amin’inona koa ny anti-panahy?
Mt 28:19, 20; Ga 5:22, 23; 6:1; Ef 5:28; 6:4; 1Ti 4:15; 2Ti 1:14; Tit 2:12, 14; He 10:24, 25; 1Pe 3:13
Inona avy ny fepetra takina amin’ny mpikarakara fiangonana ka tokony ho fenony araka ny antonony?
Nahoana isika no afaka milaza fa tendren’ny fanahy masina ny mpiandraikitra?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
As 13:2-5; 14:23—Mpiandraikitra mpitety faritany i Paoly sy Barnabasy, ary nanendry anti-panahy teo anivon’ny fiangonana maromaro. Manao hoatr’izany koa ny mpiandraikitra ny faritra amin’izao. Rehefa hanendry rahalahy ho lasa mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana izy ireo, dia mivavaka mba hahazo ny fanahy masina, ary arahiny akaiky izay lazain’ny Baiboly momba ny fepetra takina amin’ilay rahalahy, satria avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra izany
-
Tit 1:1, 5—Nasaina nitsidika fiangonana samihafa i Titosy mba hanendry anti-panahy
-
An’iza ny fiangonana, ary inona ny vidiny naloa mba hividianana azy io?
Nahoana ny Baiboly no milaza hoe mpanompo ny anti-panahy?
Nahoana ny mpiandraikitra no mila manetry tena foana?
Ahoana no ataon’ny mpiandraikitra kristianina rehefa mahazo tari-dalana avy amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina”?
Ahoana no fomba tsara indrindra ampianaran’ny anti-panahy ny olon-kafa?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ne 5:14-16—Nanaja lalina an’i Jehovah i Nehemia Governora, dia tsy nanampatra fahefana tamin’ny vahoakan’Andriamanitra. Tsy nitaky an’izay tokony homena ny governora akory izy
-
Jn 13:12-15—Rehefa nampianatra ny mpianany momba ny fanetren-tena i Jesosy, dia izy mihitsy no nanome modely momba an’izany
-
Ahoana no azon’ny mpiandry kristianina ampisehoana hoe miahy ny olona tsirairay eo anivon’ny fiangonana izy?
Ahoana no anampian’ny anti-panahy an’ireo marary ara-panahy?
Inona ny andraikitry ny anti-panahy rehefa mampianatra?
1Ti 1:3-7; 2Ti 2:16-18; Tit 1:9
Jereo koa ny 2Ko 11:2-4
Nahoana no tsy maintsy ataon’ny anti-panahy azo antoka hoe madio fitondran-tena foana ny Kristianina eo anivon’ny fiangonana?
1Ko 5:1-5, 12, 13; Jk 3:17; Jd 3, 4; Ap 2:18, 20
Jereo koa ny 1Ti 5:1, 2, 22
Tokony hampiofana an’iza ny anti-panahy?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Mt 10:5-20—Nampiofanin’i Jesosy ny apostoliny 12 talohan’ny nanirahany azy ireo hitory
-
Lk 10:1-11—Nomen’i Jesosy toromarika mazava tsara ny mpianany 70 talohan’ny nanirahany azy ireo hitory
-
Inona no hanampy ny anti-panahy hanao an’ireo andraikiny?
Jereo koa ny Oh 3:5, 6
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Mp 3:9-12—Nivavaka tamin’i Jehovah i Solomona Mpanjaka mba homeny fahaiza-mandinika sy fahendrena hoenti-mitsara ny vahoakan’i Jehovah
-
2Ta 19:4-7—Nanendry mpitsara nanerana ny tanànan’ny Joda i Josafata Mpanjaka. Nampahatsiahy azy ireo izy hoe hanampy azy ireo hiantsoroka an’io andraikitra lehibe io i Jehovah
-
Ahoana no tokony hataon’ny fiangonana amin’ny mpiandraikitra tsy mivadika?
1Te 5:12, 13; 1Ti 5:17; He 13:7, 17
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
As 20:37—Tsy nisalasala ny anti-panahy tany Efesosy nampiseho hoe niraiki-po tamin’ny apostoly Paoly izy ireo
-
As 28:14-16—Tamin’ny apostoly Paoly nankany Roma, dia nanao dia 65 kilaometatra teo ho eo ireo mpiara-manompo tany mba hitsena azy teny amin’ny Tsenan’i Apio. Nampahery be an’i Paoly izany
-