Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ray

Ray

Inona avy ny andraikitry ny raim-pianakaviana?

De 6:6, 7; Ef 6:4; 1Ti 5:8; He 12:9, 10

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ge 22:2; 24:1-4​—Tia an’i Isaka zanany i Abrahama, dia nataony izay rehetra azony natao mba hanampiana azy hahita vady manompo an’i Jehovah

    • Mt 13:55; Mr 6:3​—Nantsoina hoe “ilay zanaky ny mpandrafitra” sy hoe “ilay mpandrafitra” i Jesosy. Midika izany hoe nampianarin’i Josefa handrafitra ilay zanany

Nahoana ny mpianakavy no tokony ho tia sy hanaja ny raim-pianakaviana?

Ek 20:12

Jereo koa ny Mt 6:9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Ho 11:1, 4​—Asehon’i Jehovah hoe sarobidy aminy sady omeny voninahitra ny raim-pianakaviana, matoa Izy manome modely ho an-dry zareo. Mampianatra sy mikarakara ny vahoakany hoatran’ny ataon’ny raim-pianakaviana be fitiavana i Jehovah

    • Lk 15:11-32​—Asehon’i Jesosy hoe sarobidy aminy sady omeny voninahitra ny raim-pianakaviana, rehefa jerena io fanoharana io. Nasongadiny tao hoe Ray be fitiavana i Jehovah, ary hamela ny helok’izay nanota nefa nibebaka