Ray Aman-dreny
Inona ny antony sasany namoronan’i Jehovah ny fanambadiana?
Ahoana no tokony hiheveran’ny ray aman-dreny ny zanany?
Jereo koa ilay hoe “Ankizy; Tanora”
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ge 33:4, 5—Tamin’i Jakoba dia fanomezana avy amin’i Jehovah ny zanany
-
Ek 1:15, 16, 22; 2:1-4; 6:20—Nanao vivery ny ainy i Amrama sy Jokebeda ray aman-drenin’i Mosesy, mba hiarovana azy
-
Inona ny adidin’ny ray aman-dreny amin’ny zanany?
Nahoana no tsara raha ampiofanina hankatò an’i Jehovah ny ankizy?
Jereo koa ny 2Ti 3:14, 15
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
1Sa 2:18-21, 26; 3:19—Nomen’ny ray aman-dreniny ho an’i Jehovah i Samoela mba hanompo tao amin’ny tranolay masina. Nitsidika azy tsy tapaka anefa izy mivady sady nanome izay nilainy. Lasa tia an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy i Samoela rehefa lehibe
-
Lk 2:51, 52—Nankatò ny ray aman-dreniny i Jesosy na dia tsy lavorary aza izy ireo
-
Aiza no ahitan’ny ray aman-dreny tari-dalana hitaizany ny zanany?
Jereo koa ny Sl 127:1; Oh 16:3
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Mpts 13:2-8—Rehefa nilazan’ny anjely iray i Manoa hoe homen’i Jehovah lahikely izy mivady, dia nangataka tari-dalana taminy izy ny amin’ny fomba hitaizana an’ilay zaza
-
Sl 78:3-8—Tian’i Jehovah hampitain’ny ray aman-dreny amin’ny zanany ny zavatra ianarany ao amin’ny Baiboly
-
Na dia notezain’ny ray aman-dreny tia an’i Jehovah aza ny ankizy iray, nahoana no mety hisafidy hiala amin’i Jehovah ihany izy?
Rahoviana ny ray aman-dreny no tokony hanomboka hampianatra ny zanany momba an’Andriamanitra?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
De 29:10-12, 29; 31:12; Ezr 10:1—Rehefa nivory mba hianatra momba an’i Jehovah ny Israelita, dia nentiny koa ny zanany
-
Lk 2:41-52—Fanaon’i Josefa sy Maria ny nitondra ny zanany, anisan’izany i Jesosy, mba hankalaza ny Paska tao amin’ny tempoly tany Jerosalema
-
Ny ohatr’iza no tsara hotahafin’ny ray aman-dreny raha te hiaro ny zanany izy ireo?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Ek 19:4; De 32:11, 12—Nolazain’i Jehovah hoe hoatran’ny voromahery mitondra sy miaro ary mikarakara ny zanany kely izy
-
Is 49:15—Mampanantena i Jehovah hoe hikarakara sy hiaro ny mpanompony izy, mihoatra noho ny ataon’ny reny mangoraka ny zanany mbola minono
-
Mt 2:1-16—Nitady hamono an’i Jesosy zazakely i Satana, ka nisy mpanandro mpanompo sampy notarihiny nankany amin’i Heroda mpanjaka ratsy fanahy. Narovan’i Jehovah anefa ilay zanany, dia nasainy nentin’i Josefa hifindra nankany Ejipta izy sy ny vady aman-janany
-
Mt 23:37—Nampitaha ny tenany tamin’ny reniakoho i Jesosy amin’ilay izy te hanampy ny Jiosy, satria ny reniakoho manangona ny zanany ao ambany elany sy miaro azy ireo
-
Nahoana ny ray aman-dreny no tokony hampianatra ny zanany momba ny firaisana?
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Le 15:2, 3, 16, 18, 19; De 31:10-13—Niresaka mazava tsara momba ny fiheveran’i Jehovah ny firaisana ny Lalàn’i Mosesy, dia nasain’i Jehovah nihaino koa ny ankizy rehefa novakina ilay Lalàna
-
Sl 139:13-16—Nidera an’i Jehovah i Davida noho ny fomba mahagaga nanaovan’i Jehovah ny vatan’olombelona, anisan’izany ny taovam-pananahana
-
Oh 2:10-15—Afaka miaro antsika amin’ny olona ratsy saina sy vetaveta ny fahalalana sy ny fahendrena avy amin’i Jehovah
-
Nahoana no tokony ho be fitiavana foana ny ray aman-dreny na dia rehefa mananatra sy manafay aza?
Oh 13:24; 29:17; Je 30:11; Ef 6:4
Jereo koa ny Sl 25:8; 145:9; Kl 3:21
-
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
-
Sl 32:1-5—Nofaizin’i Jehovah i Davida satria nanota. Nampahery azy anefa ny nahafantatra hoe mamela ny helok’ireo tena mibebaka i Jehovah
-
Jo 4:1-11—Tezitra tamin’i Jehovah i Jona sady tsy nanaja azy. Tsara fanahy sy nanam-paharetana taminy anefa i Jehovah, dia lasa fantatr’i Jona hoe tena mamindra fo i Jehovah
-
Nahoana no azo lazaina hoe tia ny zanany ny ray aman-dreny matoa mananatra sy manafay azy?