Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Misy Olana eo Amintsika sy ny Hafa

Rehefa Misy Olana eo Amintsika sy ny Hafa

Nahoana isika no tsy tokony ho tezitra na hamaly faty rehefa misy olona mampahatezitra antsika?

Oh 20:22; 24:29; Ro 12:17, 18; Jk 1:19, 20; 1Pe 3:8, 9

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Sa 25:9-13, 23-35​—Nanambanimbany an’i Davida sy ny tovolahy niaraka taminy i Nabala, sady tsy nety nanome fanampiana ho an-dry zareo. Nentim-po i Davida ka saika hamono an’i Nabala sy ny lehilahy rehetra tao an-tranony. Hendry anefa i Abigaila ka nanoro hevitra an’i Davida mba tsy hamaly faty

    • Oh 24:17-20​—Nampitandrina i Solomona Mpanjaka hoe tsy tian’i Jehovah ho faly amin’ny fahavoazan’ny fahavalontsika isika. Matoky mantsy isika hoe i Jehovah no hitsara an-dry zareo

Raha misy olona mifamaly amintsika na miady amintsika, dia tokony hitana lolompo ve isika na tsy tokony hifampiresaka aminy intsony?

Le 19:17, 18; 1Ko 13:4, 5; Ef 4:26

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Mt 5:23, 24​—Nohazavain’i Jesosy hoe tokony hanao izay rehetra azontsika atao isika mba hihavanana amin’ny mpiara-manompo manana olana amintsika

Inona no tokony hataontsika raha nisy olona nandratra ny fontsika?

Nahoana isika no tokony hamela foana an’izay nanota tamintsika na dia imbetsaka aza izy no nanao an’izany, raha tena mibebaka izy?

Raha nanao fahadisoana lehibe tamintsika ny mpiray finoana amintsika, ohatra hoe nanendrikendrika na nisoloky antsika ary tsy vitantsika ny manadino an’ilay izy, dia iza no tokony hiresaka amin’ilay nanao fahadisoana ary inona no tanjona amin’izany?

Mt 18:15

Jereo koa ny Jk 5:20

Inona no tokony hataontsika raha tsy mety mibebaka ny olona iray nanendrikendrika na nisoloky antsika rehefa miresaka aminy mitokana isika?