Reny
Inona avy ny andraikitry ny renim-pianakaviana?
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Ge 21:8-12—Rehefa hitan’i Saraha fa nampahory an’i Isaka zanany lahikely i Ismaela, dia niangavy an’i Abrahama izy mba hiaro an’i Isaka
1Mp 1:11-21—Rehefa fantatr’i Batseba fa nitetika ny ho lasa mpanjaka i Adonia, dia niangavy an’i Davida Mpanjaka i Batseba mba hanao an’i Solomona ho mpanjaka sy hiaro azy
Nahoana isika no tokony hankatò sy hanome voninahitra ny renintsika?
Ek 20:12; De 5:16; 27:16; Oh 1:8; 6:20-22; 23:22
Jereo koa ny 1Ti 5:9, 10
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
1Pe 3:5, 6—Nohazavain’ny apostoly Petera fa hoatran’ny hoe reny ho an’ny vehivavy maro i Saraha satria nanam-pinoana
Oh 31:1, 15, 21, 28—Resahin’ireo andininy ireo ny torohevitra tsara nomen’ny renin’i Lemoela Mpanjaka azy, momba ny fanambadiana sy ny andraikitra lehibe ananan’ny vehivavy manambady sy renim-pianakaviana
2Ti 1:5; 3:15—Notarihin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly mba hidera an’i Eonika renin’i Timoty noho izy nampianatra an’io zanany lahy io ny Soratra Masina, na dia tsy nanompo an’i Jehovah aza ny vadiny