Saranga; Fiaviana; Andraikitra
Mahatonga ny olona iray ho ambony eo imason’Andriamanitra ve ny fiaviany, na ny firazanany, na ny harenany?
As 17:26, 27; Ro 3:23-27; Ga 2:6; 3:28
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Jn 8:31-40—Nirehareha ny Jiosy sasany satria taranak’i Abrahama. Nahitsin’i Jesosy anefa ry zareo satria tsy mba nanao hoatran’i Abrahama
Nahoana isika no tsy tokony hanambany an’izay tsy mitovy firazanana na fiaviana amintsika?
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Jo 4:1-11—Nanam-paharetana i Jehovah nampianatra an’i Jona mpaminany mba hamindra fo amin’ny Ninivita, izay tsy Israelita
As 10:1-8, 24-29, 34, 35—Nianaran’ny apostoly Petera hoe tsy tokony hihevitra ny hafa firenena hoe maloto izy. Nampiany ho lasa Kristianina àry i Kornelio sy ny fianakaviany. Ry zareo no olona tsy Jiosy voalohany lasa Kristianina
Nahoana ny Kristianina manankarena no tsy tokony hihevi-tena ho ambony noho ny hafa, na hanantena hoe tokony hohajaina kokoa noho ny hafa?
Jereo koa ny De 8:12-14; Je 9:23, 24
Ambony noho ny hafa ve ny mpiandraikitra ka mahazo manjakazaka amin’ny mpiara-manompo?
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
De 17:18-20—Nampitandrina i Jehovah hoe tsy tokony hanandra-tena ho ambony noho ny vahoaka entiny ny mpanjakan’ny Israely satria rahalahiny ihany izy ireo
Mr 10:35-45—Nahitsin’i Jesosy ny apostoliny satria ny hahazo fahefana no masaka tao an-tsain-dry zareo
Olona hoatran’ny ahoana no ankasitrahan’Andriamanitra?
Nahoana ny Kristianina no tsy tokony handray anjara amin’ny fihetsiketsehana itakiana fanovana?
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Jn 6:14, 15—Nantenain’ny olona maro hamaha ny olana nahazo ny fireneny i Jesosy, nefa tsy nety hatao mpanjaka teto an-tany izy