Tahotra
Matahotra
Ohatra ao amin’ny Baiboly:
Ek 32:1-4, 21-24—Natahotra ny vahoaka i Arona ka nanaiky hanamboatra zanak’omby volamena izay natao sampy
Mr 14:50, 66-72—Rehefa nosamborina i Jesosy, dia natahotra olona ny apostoly rehetra ka nandositra. Natahotra be koa i Petera ka nanda an’i Jesosy
Andinin-teny mampahery:
Tantara mampahery ao amin’ny Baiboly:
2Ta 20:1-17, 22-24—Natahotra i Josafata Mpanjaka sy ny vahoaka, rehefa nisy fahavalo be dia be sady natanjaka tonga hanafika an-dry zareo. Nampaherezin’i Jehovah anefa ry zareo dia novonjeny
Lk 12:4-12—Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe nahoana ry zareo no tsy tokony hatahotra olona, sy tsy tokony hanahy ny amin’izay holazainy rehefa entina eo anatrehan’ny manam-pahefana