Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Teny Fampidirana

Teny Fampidirana

Ho mora aminao ny hahita ny andinin-teny hanampy anao hiatrika olana sy zava-tsarotra rehefa mampiasa an’ity boky hoe Andinin-teny Manampy Amin’ny Fiainantsika Kristianina ity ianao. Ho hitanao ato koa ny andinin-teny tena mety mba hampaherezana ny hafa sy hanampiana an-dry zareo handray fanapahan-kevitra manome voninahitra an’i Jehovah. Fidio izay foto-kevitra mahaliana anao, dia hanampy anao ny fanontaniana mampisaintsaina sy ny fanazavana fohy mifandray amin’ny andinin-teny ao amin’ilay foto-kevitra. (Jereo ilay efajoro hoe “ Fomba Fampiasana An’ity Boky Ity.”) Vetivety ianao dia hahita andinin-teny misy torohevitra sy tari-dalana ary fampiononana ilainao. Hahita harena azonao zaraina amin’ny hafa koa ianao ato, izany hoe torolalana azonao ampiasaina mba hanampiana sy hampaherezana azy ireo.

Tsy hita ato daholo akory ny andinin-teny rehetra momba ny foto-kevitra iray. Natao hanampiana anao hahita ny andinin-teny tena ilainao anefa ity boky ity, dia avy eo ianao mbola afaka manao fikarohana fanampiny. (Oh 2:1-6) Raha tianao ny handalina kokoa, dia azonao atao ny mampiasa ny fanondroana andininy hafa ao amin’ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Azonao jerena koa ny hoe “Fanazavana Andinin-teny” ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tianao ho azo tsara ny dikan’ny andinin-teny iray na ny fomba ampiharana an’ilay izy. Izay loharanon-kevitra faramparany jerena mba hahitanao ny fanazavana farany momba an’ilay andininy.

Enga anie hanampy anao hahita ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahiratan-tsaina raketin’ny Soratra Masina ity boky ity! Vao mainka ianao ho resy lahatra amin’izay hoe “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”​—He 4:12.