Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavaka

Vavaka

Ahoana no ahafantarantsika fa mihaino sy mamaly vavaka i Jehovah?

Sl 65:2; 145:18; 1Jn 5:14

Jereo koa ny Sl 66:19; As 10:31; He 5:7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 18:36-38​—Novalian’i Jehovah haingana ny vavak’i Elia mpaminany tamin’izy nihantsy an’ireo mpaminanin’i Bala teo amin’ny Tendrombohitra Karmela

    • Mt 7:7-11​—Mampirisika antsika tsy hitsahatra hivavaka i Jesosy, ary manome toky fa hihaino antsika ilay Raintsika be fitiavana

Amin’iza ihany ny Kristianina no tokony hivavaka?

Amin’ny anaran’iza isika no mivavaka?

Ny vavaka ataon’iza no henoin’i Jehovah?

Ny vavaka ataon’iza no tsy henoin’i Jehovah?

Oh 15:29; 28:9; Is 1:15; Mi 3:4; Jk 4:3; 1Pe 3:7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Js 24:9, 10​—Tsy nety nihaino ny vavaka nataon’i Balama i Jehovah satria nifanohitra tamin’ny sitrapony ny zavatra nangatahin’i Balama

    • Is 1:15-17​—Tsy nety nihaino ny vavaka nataon’ny vahoakany i Jehovah satria nihatsaravelatsihy sy nandatsa-dra izy ireo

Inona no lazaintsika amin’ny faran’ny vavaka, ary nahoana?

Milaza ve ny Baiboly hoe misy paozy tsy maintsy ataontsika rehefa mivavaka?

Inona avy ny zavatra sasany azon’ny mpanompon’i Jehovah resahina ao amin’ny vavaka rehefa miara-mivory izy ireo?

As 4:23, 24; 12:5

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Ta 29:10-19​—Nivavaka teo anoloan’ny vahoakan’Israely i Davida Mpanjaka rehefa nanome fanomezana hanorenana ny tempoly ry zareo

    • As 1:12-14​—Nivory tao amin’ny efitra ambony rihana iray tao Jerosalema ary niara-nivavaka ny apostoly, ny rahalahin’i Jesosy, Maria renin’i Jesosy, ary ny vehivavy vitsivitsy nanam-pinoana

Rehefa mivavaka isika, nahoana isika no tsy tokony hirehareha mihitsy, na hanao izay hampiaiky volana ny hafa?

Mety ve ny mivavaka rehefa hisakafo?

Nahoana no tsy tokony hataontsika tsirambina mihitsy ny mivavaka amin’ilay Raintsika any an-danitra?

Ro 12:12; Ef 6:18; 1Te 5:17; 1Pe 4:7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Da 6:6-10​—Tsy nanova ny fahazarany nivavaka teo amin’ny toerana tazan’ny olona i Daniela mpaminany, na dia norahonana ho faty aza

    • Lk 18:1-8​—Nilaza fanoharana iray i Jesosy hoe nisy mpitsara iray tsy natahotra an’Andriamanitra izay nanaiky ihany tamin’ny farany, rehefa tsy nitsahatra niangavingavy azy ny vehivavy iray. Nampiasa an’io fanoharana io i Jesosy mba hanazavana hoe vonona hihaino antsika i Jehovah rehefa tsy mitsahatra mivavaka aminy isika

Inona ny toe-tsaina tokony hananantsika rehefa mangataka famelan-keloka amin’Andriamanitra isika?

2Ta 7:13, 14

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 2Mp 22:11-13, 18-20​—Nanetry tena sy niezaka hampifaly an’i Jehovah i Josia, ka namindra fo sy tsara fanahy taminy i Jehovah

    • 2Ta 33:10-13​—Nanetry tena i Manase Mpanjaka rehefa nivavaka ka niangavy an’i Jehovah mba hamela ny helony. Namela ny helony i Jehovah ka naveriny ho mpanjaka izy

Inona no tokony hataontsika raha tiantsika ny ho voavela heloka?

Nahoana no tsara ny milaza amin’i Jehovah ao amin’ny vavaka hoe tiantsika raha atao ny sitrapony?

Nahoana isika no tokony hampiseho ao amin’ny vavaka ataontsika hoe matoky an’ilay Raintsika any an-danitra isika?

Inona avy ny zavatra sasany azontsika atao antom-bavaka?

Mangataka ny hanamasinana ny anaran’Andriamanitra

Mangataka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra mba hitondra ny tany

Mangataka ny hanatanterahana ny sitrapon’i Jehovah

Mangataka ny hanomezan’i Jehovah izay ilaintsika

Mangataka ny hamelana ny helotsika

Mangataka ny hanampiana antsika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy

Misaotra an’i Jehovah

Mangataka mba hahalala ny sitrapon’Andriamanitra sy mba hahazo fahendrena sy fahiratan-tsaina

Oh 2:3-6; Fi 1:9; Jk 1:5

Jereo koa ny Sl 119:34

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 3:11, 12​—Faly i Jehovah rehefa nangataka fahendrena taminy i Solomona Mpanjaka, dia nomeny fahendrena niavaka izy

Mangataka fanahy masina

Mangataka ho an’ny mpiara-manompo, anisan’izany ireo enjehina

Midera an’i Jehovah

Sl 86:12; Is 25:1; Da 2:23

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • Lk 10:21​—Nidera an’i Jehovah teny imason’ny olona i Jesosy noho ilay Rainy nampahafantatra ny marina tamin’ny olona nanetry tena hoatran’ny ankizy

    • Ap 4:9-11​—Manome haja sy voninahitra ho an’i Jehovah ny fianakaviany any an-danitra satria mendrika an’izany Izy

Mangataka amin’i Jehovah mba hahatonga ny manam-pahefana hamela antsika hanompo azy fa tsy hanakantsakana antsika, sy hamela antsika hitory

Mety ve raha mivavaka isika rehefa atao batisa?

Mety ve ny mivavaka ho an’ny olona marary ara-panahy?

Maninona ny lehilahy no tsy misaron-doha amin’ny ankapobeny rehefa mivavaka? Maninona ny vehivavy no misaron-doha indraindray rehefa mivavaka?

Mety hanao vavaka lava be ny olona iray na mihetsi-po be rehefa mivavaka. Inona anefa ny zava-dehibe kokoa amin’Andriamanitra noho izany?

Ft 3:41; Mt 6:7

  • Ohatra ao amin’ny Baiboly:

    • 1Mp 18:25-29, 36-39​—Nivavaka nandritra ny ora maro tamin’i Bala ny mpaminaniny rehefa nasain’i Elia mpaminany nanaporofo raha tena andriamanitra i Bala. Tsy nahazo valiny anefa ry zareo

    • As 19:32-41​—Niantsoantso mafy an’ilay andriamanibavy atao hoe Artemisy ny mpanompo sampy tao Efesosy nandritra ny adiny roa. Tsy nahazo valim-bavaka akory anefa ry zareo fa lasa bedin’ny ben’ny tanàna fotsiny