Famerenana ny Fizarana 2
Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Hataon’Andriamanitra ahoana ny fivavahan-diso?
( Jereo ny Lesona 13.)
Vakio ny Eksodosy 20:4-6.
Inona no tsapan’i Jehovah rehefa misy olona milaza fa manompo azy nefa mampiasa sary na sarivongana?
( Jereo ny Lesona 14.)
Iza i Jesosy?
( Jereo ny Lesona 15.)
Inona avy ny toetran’i Jesosy tena tianao?
( Jereo ny Lesona 17.)
Vakio ny Jaona 13:34, 35 sy ny Asan’ny Apostoly 5:42.
Iza no tena Kristianina amin’izao androntsika izao? Nahoana ianao no resy lahatra hoe tena Kristianina izy ireo?
Iza no lohan’ny fiangonana, ary ahoana no fomba itarihany azy io?
( Jereo ny Lesona 20.)
Vakio ny Matio 24:14.
Inona no porofo hoe tanteraka amin’izao andro izao io faminaniana io?
Iza no efa niresahanao ny vaovao tsara?
Tanjona tena tsara ve ny batisa, araka ny hevitrao? Nahoana?
( Jereo ny Lesona 23.)
Inona no tokony hataonao raha te ho voaro amin’i Satana sy ny demonia ianao?
( Jereo ny Lesona 24.)
Fiainana hoatran’ny ahoana no tian’Andriamanitra ho antsika?
( Jereo ny Lesona 25.)
Fa maninona isika no mijaly sy maty?
( Jereo ny Lesona 26.)
Vakio ny Jaona 3:16.
Inona no nataon’i Jehovah mba ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana isika?
( Jereo ny Lesona 27.)
Vakio ny Mpitoriteny 9:5.
Manao ahoana ny olona rehefa maty?
Hataon’i Jesosy ahoana ireo olona an-tapitrisany efa maty?
Nahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no tsara kokoa noho ny fitondram-panjakana hafa rehetra?
Mino ve ianao hoe efa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra? Nahoana? Oviana izy io no nanomboka nitondra?
( Jereo ny Lesona 32.)