Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famerenana ny Fizarana 4

Famerenana ny Fizarana 4

Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:

  1. Vakio ny Ohabolana 13:20.

    • Nahoana no mila fidinao tsara ny namanao?

      Jereo ny Lesona 48.)

  2. Inona no torohevitry ny Baiboly afaka manampy anao raha...

    • lehilahy na vehivavy manambady ianao?

    • ray aman-dreny na zanaka ianao?

      Jereo ny Lesona 49 sy 50.)

  3. Teny hoatran’ny ahoana no mampifaly an’i Jehovah? Teny hoatran’ny ahoana no tsy tiany?

    Jereo ny Lesona 51.)

  4. Inona no toro lalan’ny Baiboly hanampy anao hahay hifidy akanjo sy taovolo?

    Jereo ny Lesona 52.)

  5. Inona no hanampy anao hifidy fialam-boly mampifaly an’i Jehovah?

    Jereo ny Lesona 53.)

  6. Vakio ny Matio 24:45-47.

    • Iza “ilay mpanompo mendri-pitokisana sy malina”?

      Jereo ny Lesona 54.)

  7. Ahoana no azonao ampiasana ny fotoananao sy ny herinao ary ny fanananao mba hanampiana ny fiangonana?

    Jereo ny Lesona 55.)

  8. Vakio ny Salamo 133:1.

    • Inona ny zavatra sasany azonao atao mba hiray saina foana ny fiangonana?

      Jereo ny Lesona 56.)

  9. Raha manao fahotana lehibe isika, inona no mila ataontsika mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah?

    Jereo ny Lesona 57.)

  10. Vakio ny 1 Tantara 28:9 sy ny fanamarihana ambany pejy.

    • Ahoana no hampisehoanao hoe “mifikitra tanteraka” amin’i Jehovah ianao, rehefa misy miala amin’ny fahamarinana na manohitra ny fivavahana marina?

    • Misy fiovana mbola mila ataonao ve mba tsy hifandray amin’ny fivavahan-diso mihitsy ianao?

      Jereo ny Lesona 58.)

  11. Inona no hanampy anao ho vonona hiatrika fanenjehana?

    Jereo ny Lesona 59.)

  12. Inona no eritreretinao hatao mba handroso foana ianao?

    Jereo ny Lesona 60.)